Andao aza ho alalinintsika hatramin'ny voalohany mihintsy ny baiboly dia hohitantsika ny marina...sa ny diso

21. irakiraka ( 09/05/2017 13:19)
kkkk. Ndrrryyyy!
22. endriny ( 09/05/2017 13:54)
1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina. 5Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.

Io andro voalohany io izany no nisian'ny maraina sy ny hariva kanefa mbola tsy nisy masoandro sy volana raha tsy ny andro faha-3. Dia misy ny milaza fa tsy misy tsy hain'Atra tsy atao ka hainy ny manazava ny andro amin'ny tselatra sy ny lelectricite
stahtam:
. Dia ry
bor2lais:
indray milaza fa miteny fotsiny Atra dia vita ny zavatra. Ka eto izany dia ohatran'ny hoe nisy fanapihana eo an-joron'ny tany. Ka ny maraina pihan'Atra ilay fanapihana dia misy tselatra manomboka amin'ny 6 maraina ka hatramin'ny 6 hariva. Dia rehefa tonga ny amin'ny 6 hariva dia pihan'Atra amin'ny teny indray ny tselatra dia mijanona. Ary maizina indray ny tany

6Hoy Andriamanitra: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin'ny rano. 7Dia nataon'Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin'ny habakabaka dia nosarahiny tamin'ny rano ambanin'ny habakabaka, dia tanteraka izany. 8Nataon'Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.

Teto indray dia noforon'Atra ny LANITRA, ilay PARADISA MANDRAKIZAY. Ka eto dia eo anelanelan'ny tany sy ny rahona ny LANITRA. Izany hoe eto akaikin'ny tany ihany ny fiainana mandrakizay. Ka dia mitombina ilay filazana hoe Ety an-tany tahaka ny any an-danitra
23. bor2lais ( 09/05/2017 14:52)
endriny:

Dia ry
bor2lais
indray milaza fa miteny fotsiny Atra dia vita ny zavatra.

:-)
Voalazanao ary averiko sy amafisiko fa : niTeny (nataoko "T" majuscule mihitsy) Izy dia nisy ! Izay no maha Créateur Azy !
Io no (isan'ny) fototra ka na ianao mino na tsia ! Fa i Bor2lais dia mino e !
:-)
24. rhaj0 ( 09/05/2017 15:09)
bor2lais:
niTeny (nataoko "T" majuscule mihitsy) Izy dia nisy ! Izay no maha Créateur Azy !
Io no (isan'ny) fototra ka na ianao mino na tsia ! Fa i Bor2lais dia mino e !
:-)

Eny azany fa ndao ekena fa "niTeny Izy dia nisy" mba tsy ifandirana. Io marina rahefa izay no inoanao dia izay izany. Tsy mila hazavaina, tsy mila porofoina.

Fa ny tohiny no mbola misy azo ifanakalozana kely ;-)

Dia "misia" izany hoz'Izy... ary dia ny "nisy" atsy @ andininy faha-2 dia ny Tany izay "hantsana" sy "rano" hisonenehan'ny Fanahin'Andrmntra. Dia ny Lanitra moa efa voaforona koa tao @ andininy 1.

Ka inty fanontaniako, raha afaka mba valianao:
ao @ Finoanao ao, dia mba ampifandraisinao @ "fahalalana-2017" ve izy io, sa tena tsisy idirany mihintsy??

Ny tiako lazzaina, dia ...
- misy @ galaxies eraky ny tontolo, ary any @ milliards de km alavitry ny Tany
- ny hazavana (photons) dia avy @ bolongan-draha ngozabe toa ny kintana midorehitra
- etsetra...
25. bor2lais ( 09/05/2017 15:42)
bor2lais:

niTeny (nataoko "T" majuscule mihitsy) Izy dia nisy ! Izay no maha Créateur Azy !
Io no (isan'ny) fototra ka na ianao mino na tsia ! Fa i Bor2lais dia mino e !

ramose_mpandalina:

Fa ny tohiny no mbola misy azo ifanakalozana kely

:-)
Alohan'ny itohizan'ny fifanakalozana ramose : mino ve ianao fa Izy no Créateur sa tsia ? :-)
Tena mba resaka serieux entre antsika sy ianao irery, fa ataovy tsotra sy mazava hoe Eny na Tsia an ! :-)
Efa fantatro ny valinteny omenao ka asiko fanamarihana farany :
misy resaka ara-panahy betsaka ao (jereo fa vao manomboka dia miresaka Fanahin'Andriamanitra) ka raha tsy miakatra 3ème étage ianao ramose mety ho valalanina a ! :-)
26. rhaj0 ( 09/05/2017 15:49)
Izaho dia TSY mino fa misy Createur:
- evolution io, ary rahefa tsy takatro dia tsy takatro fa tsy mi-creer createuer ny saiko)
- Ary mazava ho azy, TSY mino fa izao Izy izao no Createur.

Izaho dia "mino" fa "imagination" (collective)-n'ny olona daholo izany rehetra izany, rahefa latsaka tao @ (tsy-)fahalalany tao izy.

Ny @ "fanahy" indray, dia ekeko fa tena "tsy takatro" ity zavatra iray ity (izay vokatry ny "imaginatoin"-draolona ao koa, raha ny fahitako azy).

Fa ataoko fa izany rehetra izany dia TSY manakana anao hanazava ny @ "Finoanao", na hamaly ny fanontaniana:
ao @ Finoanao ao, dia
- mba ampifandraisinao @ "fahalalana-2017" ve izy io, sa
- tena tsisy idirany mihintsy??
27. endriny ( 09/05/2017 15:59)

bor2lais:

niTeny (nataoko "T" majuscule mihitsy) Izy dia nisy ! Izay no maha Créateur Azy !
Io no (isan'ny) fototra ka na ianao mino na tsia ! Fa i Bor2lais dia mino e !

Eny ho'a mino ianao raha mino ianareo dia ahafindra tendrombohitra Asa rahoviana no afindranao aty Madagasikara I Bordeau. Fa ity toa ianao indray no nanao sesitany ny tenanao any koa. Na koa hoe mandeha Air Ange, fa tsy Air France na Air Austral intsony rehefa makaty Dago amin'ny manaraka.
28. bor2lais ( 09/05/2017 16:18)
Dia izay izany ramose fa base de raisonnement 2 (hoy stahtam izay) tsy mitovy ka aleo ijanona eo ny fandraisako anjara @ ity lohateny iray ity.

Noheveriko fa mba "Heroda niova fo" ange :-) hay mbola "Heroda te hamono Ilay Zaza ihany" no tena antony mody "andalinana" ny Baiboly eo ! :-)

endriny:

Eny ho'a mino ianao raha mino ianareo dia ahafindra tendrombohitra Asa rahoviana no afindranao aty Madagasikara I Bordeau.

:-)
Tsy tendrombohitra ange izany BordeauX izany endriny e !
:-)
29. rhaj0 ( 10/05/2017 17:30)
Ka raha manontany ry bor2lais, dia mamaly ny tegna. fa raha manontany ny tegna, dia ... ilingilingin-dry bor2lais any @ 3eme etage eee..

Ka rahefa tsy hamaly izany i bor2lais, dia arosoko ny tombatombako sy fahazoako azy :
ny "Finoana" (an'i bor2lais) dia TSY ampifandraisany @ fahalalana (2017).

Tena tsy quoi (@ bor2lais) ny miresaka dia miankohoka miaiky fa tena mitombona, ohatra ny hoe :
- misia ny Tany, dia niporitika tampoka teo ny "hantsana+rano"
- misia mazava, dia nipotritra ho azy teo ny photons. Dia nakipaka kely ireo photons mba "anasarahana" azy @ "maizina".

Dia avy eo (i bor2lais) mianatra ny photon sy ny planete/etoile/galaxie.. Fa tena hoe, "tena tontolo samy hafa" @ "Miss Misia" izany hono.

Mazava kah...

PS: Dia hono ho'a ry bor2lais, ianao miavonavona tonga dia manipika hoe " aleo ijanona eo ny fandraisako anjara" io, dia io mihatakataka @ olona eto, ka ilingilinginao any @ 3eme etage-nao ao ho'a ... ngo dia @ ilay revin'i John The Evangelist ao @ 2 Joany 1:10 kosany ianao bor2lais io eee.. ka hoe, "aza mandray azy ao an-tranonareo na miarahaba azy akory".
30. endriny ( 11/05/2017 04:13)
Aza fady ry Bor2lais raha nanafitohana ilay fanoharana nataoko tamin'ny resaka hoe :"Mino" a. Fanehoan-kevitra moa no eto ka dia mba namoaka izay mba takatry ny saiko aho. Kay moa nahatafitohana ilay resaka.

Isika moa tsy vazaha ka tsy Ntaolo ka afaka miteny hoe: "Ny hevitra no miady, ny ombalahy no mifanoto, fa ny olona mifanampy hanangana ny manda ary handalina ny hady"

Fa raha jerena izany ity ampahany voalohany amin'ny Genesisy na Jenezy ity, dia tsy Atra akory no nanao ny tany satria Atra tsy niteny hoe : Misia ny Tany. Fa efa hitany teo ny tany izay feno hantsana sy rano. Nahafinaritra an'Atra ny rano fa tsy fahitany angamba dia nisonenika ery izy teny ambony rano. Ary dia tapakevitra avy eo fa hampisy ny mazava sy maizina.
31. Davjo ( 11/05/2017 06:08)

endriny:

Jenezy na Genesisy Toko I: Vakio tsara

1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina. 5Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.
       6Hoy Andriamanitra: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin'ny rano. 7Dia nataon'Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin'ny habakabaka dia nosarahiny tamin'ny rano ambanin'ny habakabaka, dia tanteraka izany. 8Nataon'Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.

Aiza tsara hoe ny misy ny "LANITRA" a? Eo anelanelan'ny Rahona sy ny tany (Mazava io)

       9Hoy Andriamanitra: Aoka hiangona amin'ny fitoerana iray ny rano eo ambanin'ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina. Dia tanteraka izany. 10Nataon'Andriamanitra hoe tany, ny maina; ary nataony hoe, ranomasina, ny rano tafangona, ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 11Dia hoy Andriamanitra: Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, samy mamoa misy ny voany ao aminy, araka ny karazany avy, eny ambonin'ny tany. Dia tanteraka izany. 12Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 13Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.
       14Hoy Andriamanitra: Misia fanazavana eo amin'ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona; 15ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany. Dia tanteraka izany. 16Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra; ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa 17Napetrak'Andriamanitra eo amin'ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, 18hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 19Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.
.

Teo amin'ny andro voalohany (1) eo amin'ny andininy faha3 Atra dia efa nampisy ny maizina sy ny mazava, kanefa aty amin'ny andro faha efatra (4) izy vao nanao ny masoandro amam-bolana. Dia mitombina ve izany?

Dia teo koa izy vao nanao ny kintana, nataony madinidinika kely be dia be ireto kintana ireto.

Ary mbola tsy nisy akory ny masoandro sy ny volana dia efa nisy zavatra naniry teto ambonin'ny tany.

Diso fijery ve ny masoko noho ny setroky ny saribao e ?

Tonga dia valiako avy hatrany fa tsy misy diso izany ny Baiboly, ny tsy fahatakaran-tsika olombelona ny zava-miafina ao amin'ny Baiboly no mahatonga antsika miseho ho marina ka mandefa ny fahadisoana ao amin'ny Soratra Masina.

Tadidio tsara fa hoy ny Baiboly:
I kor 2;17
"Fa milaza ny fahendren' Andriamanitra izahay ka maneho zava-miafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nanaovana izao tontolo izao;"

Talohan'ny nanaovana izao tontolo izao = Genesisy andro voalohany
Misy Voatendrin'Andriamanitra ho voninahintsika tao izany hoe, nampisiana fa nafenina avy eo.

Mba ahafahantsika mahatakatra an'izany dia andeha jerena ilay Genesisy andro voalohany.

Gen 1 1-2
1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava.

Mila mitandrina avy hatrany isika rehefa mamaky ireo mots clés LANITRA, TANY, AIZINA, HANTSANA (LALINA), RANO, MAZAVA.

Satria i Paoly efa niteny fa misy zavatra nafenina talohan'ny fahariana, noho izany tokony tonga saina avy hatrany isika fa ts maintsy nosoratana ny tantaran'ny fahariana kanefa misy namboarina ny fomba fanehoana azy mba hahafahana manafina ilay "efa voatendry hatramin'ny voalohany", raha raisina amin'ny fomba fijerintsika dia misy Codage na camouflage ireo mots clés ireo.

LANITRA: Misy karazany maro ny teny hoe lanitra ao anaty Baiboly
1- Lanitra = ciel: ilay toerana misy rahona sy rivotra
2- Lanitra = habakabaka na espace : ilay toerana ipetrahan'ny planeta sy kintana izay 4 dimensions : 3d (x,y,z) + dimension temps
3- Lanitra ambony : les cieux en haut: ilay toerana itoeran'Andriamanitra, ivelan'ny habakabaka izay tontolon'ny fanahy, ts voafehin'ny 4 dimensions.

TANY: Misy karazany maro ny teny hoe tany ao anaty Baiboly
1- Tany : terre : ilay toerana iorenantsika olombelona
2- Tany ambany: (contraire an'ny lanitra ambony) na lalina na hantsana, Toerana nanorenan'Andriamanitra izao rehetra hitantsika izao (izao tontolo izao).

AIZINA:
1- Aizina = Tenebre:
2- Aizina = Obscurité = absence de lumière
Ny zavatra fanantsika momba ny aizina (obscurité) dia tsy misy existence physique fa rehefa tonga ny hazavana dia tsy afaka manohitra izy.

MAZAVA:
1- Mazava = une personne : Jaona 1,9 Ilay tena Mazava, dia Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin' izao tontolo izao.
1:10 Teo amin' izao tontolo izao Izy, ary Izy no nahary izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
1:11 Tonga tany amin' ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.

2- Mazava = lumière: misy source ary manana exitence physique, mety avy amin'ny masoandro, afo, lampe sns

RANO = RANO = eau = H2O

Gen 1 1-2
1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava.

Mazava be ilay fanamarinana tany amboalohany nataon'ny namana fa ny Tany (planete) dia tsy nisy raha tsy tany amin'ny andro faha-3, ny masoandro dia tsy misy raha tsy tany amin'ny andro faha-4 ary AOKA HAZAVA FA NY AIZINA DIA EFA TEO FA TSY MITENY NY GENESISY HOE ANDRIAMANITRA NAMORONA NY HAIZINA (TENEBRE).

APETRAKO AMIN'IZAY NY FANONTANIANA HOE IZA ILAY MAZAVA?
32. endriny ( 11/05/2017 07:10)
Tsy misy kaody izany ny Genesisy fa io no nahatakaran'ny Hebreo ny nisian'ny tany sy ny zava-misy eto aminy ary ny manodidina azy tamin'izany andro izany.

Ianao ve mino izany fa ny ahimaitso no talohan'ny masoandro? Raha izay no marina, dia nambolena tao ambany fandriana ny ovy fa tsy natao voly avotra eny an-tanimbary.

Ianao ve mino fa ny masoandro no taorian'ny tany?

Mazava be ny famaritana tamin'izany ary io voalaza io tsy misy kaody fa ny lanitra dia eo anelanelan'ny tany sy rahona.

Mazava ny filazana fa ny fanazavana @ alina dia natao madinika kokoa: Volana sy kintana. Dia ilay nofin'ankizy io. Fa be dia be ny kintana lehibe noho ny Masoandro.

Ary nataoko fa fitoriana ny fahamarinana ny baiboly kay indray fanafenana amin'ny kaody hono. Ka inona moa tsy mitovy amin'ny didy 10 ihany izany
33. Davjo ( 11/05/2017 07:22)

Ka izay ilay teneniko hoe ianao manao lojika ara-tsiansa sy lojika amin'ny maha-olombelona fa izay no Marina voalazan'ny Baiboly: Ny aizina talohan'ny mazava, ny rano talohan'ny zavatra hary rehetra, ny tany talohan'ny masoandro, ny biby talohan'ny olombelona.

Raha tohizana kely ilay I kor 2.7 dia izao no voalaza ao:
2:7 "Fa milaza ny fahendren' Andriamanitra izahay ka maneho zava-miafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nanaovana izao tontolo izao;"
2:8 "Ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy ho nohomboany tamin’ny hazofijaliana ny Tompon’ny voninahitra."

Efa nisy ilay Mazava talohan'ny nanaovana izao rehetra izao (Genesisy andro voalohany), fa nafenina (io no fomba nanafenana Azy mba ts ho fantatry ny olona ny fisiany).
34. rhaj0 ( 11/05/2017 10:44)
Davjo:
Efa nisy ilay Mazava talohan'ny nanaovana izao rehetra izao (Genesisy andro voalohany), fa nafenina (io no fomba nanafenana Azy mba ts ho fantatry ny olona ny fisiany).

Dia tena avilambilanao kosany ilay GEnesisy ry Davjo aaa... Efa nilamina dia nisesy tsara io ny fandehany. Io manjabe sy mazavabe io ny preparation an'ny "mpampianatra mahay"...

1- nahary ny lanitra sy ny tany
2- maizina (hantsana + rano)
3- misia mazava
4- nosarahina mazava sy maizina
5- andro-hariva-alina-maraina == andro voalohany.

Ary ngo dia ianao azany no (miniana) tsy mahatakatra ny fandehany, dia lazainao fa "nafenina tsy ho fantatry ny olona" ilay izy.

35. Davjo ( 11/05/2017 11:12)

rhaj0:

Izao ny filahatry ny fahariana rhaJo a!

Andro voalohany : Misia ny Mazava : Ny Mazava = Jesosy (Izy ilay Andriamanitra, Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany ary nivoaka tao amin'Andriamanitra)

Andro faharoa: Nisy ny Habakabaka, nisokatra ilay rano tao amin'ny andro voalohany dia nivoaka avy ao ny habakabaka

Andro fahatelo: Nisy ny tany sy ny anana mamoa

Andro fahaefatra: Nisy ny masoandro sy ny volana ary ny kintana izay natao ho fanmantarana ny andro sy fotoana

Andro fahadimy: Nisy ny zavamanana'aina isan-karazany

Andro fahaenina: Nisy ny olombelona

Andro fahafito: Nitsahatra
36. rhaj0 ( 11/05/2017 12:32)
Maika be eee.. maika be. Toa maikabe ny anasafotofoto fotsiny ry Davjo izany.

Aleo milamina dia misesy ee... "Andro 1" ihany aloha, hatreo @ Andininy faha-5. Ary Genesisy no iaingana, fa raha afangaroarooina h@ Korintiana (na i Paoly) izay mi-interpreter ny Genesisy io, dia tonga @ ilay hoe, if you can't convince, confuse.

Gensisy Toko 1:
Andininy 1- nahary ny lanitra sy ny tany
Andininy 2- maizina (hantsana + rano)
Andininy 3- misia mazava
Andininy 4- nosarahina mazava sy maizina
Andininy 5- andro-hariva-alina-maraina == andro voalohany.

- Ka inona io "lanitra nohariana" io t@ Andininy voalohany io?
- "Les Cieux" hozy ny Baiboly frantsay (izay nadikan'i Andrianaivoravelona ho teny gasy)

- Ka inona ilay "tany nohariana" t@ Andininy io voalohany io"
- Ilay 'hantsana + rano" nolazaina tao @ Andininy faha-2

- Ka inona ilay "mazava" lasa nisy t@ Andininy faha-3?
- Photons (fa tsy Jesosy izany)

- Dia rahefa "nosarahina ny maizina sy mazava" dia inona no azo?
- ny andro sy alina.

Hatreo dia izay no hoe Andro voalohany.

------------

Ka eo izany ilay "fahagagana" mampitanatana vava :-)

A-- mbola tsisy photons mihintsy t@ (andininy) voalohany namoronana ny tany sy ny lanitra. TSISY photons. Teboka. Atsy @ aoriana (andininy faha-3) vao "nisy ny photon".

B-- mbola tsisy Andro/Alina mihintsy t@ (andininy) voalohany namoronana ny tany sy ny lanitra. TSISY Andro/Alina. Teboka. Atsy aoriana (@ andininy faha-4 sy 5) vao nosarahina ny mazava sy ny maizina, asa natao inona ireo photons, izay vao nisy ny andro sy ny alina,

Izany hoe, averina ihany, fa t@ vao niforona ny tany sy ny lanitra, dia mbola TSISY PHOTONS, ary mbola TSISY Andro/Alina. Fa "nisonenika tanaty haizina" tao fotsiny ny "fanahin'Andtmntra".

Izay ilay izy fa aza mba asafotofoto eee.. Izay ny andininy 5 voalohany (tokony) "inoana".

37. Davjo ( 11/05/2017 13:30)

Tsy misy soratra mihitsy ao ry namana oe misia ny aizina, na hantsana na lalina a.

Miresaka photon ianao, ny photon anie lumière e! fa ny aizina anie tsy manana existence physique e, raha manana ianao de omeo ahy ny mésure, ny unité de mésure, ny vitesse de propagation sns.

38. rhaj0 ( 11/05/2017 13:42)
Eny, tsisy soratra hoe "misia ny maizina", fa ny soratra dia hoe:
1... nahary ny lanitra sy ny tany.
2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana

NohariaNY ny Tany, izay TSISY endrika sady foana (vide), ary "aizina" no nisy (tambony hantsana+rano).

Ny "aizina" dia absence de photons.

Mitombona anie izany ee... Atsy aoriana vao hoe "misia ny photons".

Ka aiza hoy ianao no "sampona" @ izany "tantara" izany?
39. Davjo ( 12/05/2017 05:46)

Omeko fomba fijery hafa indray ny namana,

Supposons hoe eny, photon, ilay hoe mazava.

Haka ohatra iray isika: andeha esorina daholo ny entana ao amin'ny efitra iray, manana espace vide sy malalaka isika, ary raha miditra ao anatin'izany efitra izany amin'ny 10 ora alina ohatra dia ts mahita na inona na inona tahaka ny vision n'ny genesisy talohan'ny nisian'ny mazava (photon hoy ianao).
Raha ampirehetina ny jiro (misia ny mazava) dia hazava tanteraka ny trano ary ts hahita haizina intsony ianao na dia kely aza satria NY AIZINA FANTATSIKA TSY MANANA HERY MAHATOHITRA NY MAZAVA.

Jereo anie ilay Genesisy 1,4 e!!!
1:3 "Ary hoy Andriamanitra: Misia mazava; dia nisy mazava."
1:4 "Ary hitan' Andriamanitra ny mazava, fa tsara izany; ary nampisarahan' Andriamanitra ny mazava sy ny maizina."

FA MANINONA NO MBOLA NAMPISARAHINA NY MAZAVA SY NY MAIZINA?

Satria tonga ny mazava kanefa ny haizina mbola teo ihany nanohitra ny mazava ary samy teo izy roa, ary nosarahina avy eo.

Tsy ny maizina anefa no nakisaka na nesorina na nafenina fa ny mazava.

Kol 1,12-15
Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny
Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; 16
fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any
an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy
ny tsy hita, na fiandrianana [seza fiandrianana], na
fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no
nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;
17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao
aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.

Matio 13;34:
34 Fanoharana no nilazan'i Jesosy izany zavatra
rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy
taminy, afa-tsy tamin'ny fanoharana, 35 mba
hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany
hoe:"Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara
zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao
tontolo izao Aho

Heb 9,26
fa ankehitriny dia efa
naseho indray mandeha tamin'izao andro farany
izao Izy mba hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany
ny tenany. 27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho
faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy
fitsarana, 28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa
natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro,
dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay
miandry Azy, ho famonjena.

40. rhaj0 ( 12/05/2017 11:37)
Davjo:
Supposons hoe eny, photon, ilay hoe mazava.

OK.. mitovy fijery izany isika.

Ilay fanoharana hoe, ilay "mazava = Jesosy na Yahoshua", dia fampitahana (parabole) @ J sy Y @ photon izay "mitondra hazavana" tokoany.. Fa TSY hoe, t@ Andininy faha-3 dia hoe, "misia Jesosy". TSY izany no resaka, fa aoka tsy asavisavika toa izany, ary roriroritina h@ "famonjena". Ny niforonan'izao tontolo izao no resaka.

Davjo:
Raha ampirehetina ny jiro (misia ny mazava)

Hono ho'a:

A- ilay "misia" ve tsy toa ny "abracadabra"? Dia ny mpijery tonga dia mahita fa mivoaka avy @ tsy misy ilay nobaikoana hoe, "misia?
izany hoe, tonga dia nipitritra ary "nisonenika" eraky ny erana koa ny photons???

B- sa, teo izany vao nampirehetin'Andmntra ny kintana tany @ Lanitra, (any @ milliards de km), dia niredareda @ izay ireo, ary dia nandefa photon hatraty @ Tany, hanazava ny fisonenehan'ny fanahin'Andtmrna tambony Rano (sy Hantsana)?

Davjo:
Satria tonga ny mazava kanefa ny haizina mbola teo ihany nanohitra ny mazava ary samy teo izy roa, ary nosarahina avy eo

Ka tohizana @ io ambony io

A- ilay "photon nisonenika" teo izany no "mazava". Ary ny "absence de photon" no "maizina". Ka dia @ "fahaizan'Atra lehibe", dia nakipiliNY ny photon, ary dia "misaraka" tsara tokoany izy roaroa ireo?

B- sa, ilay photon avy any @ kintana (vao nampirehetin'Atra teo), dia atifitr'Atra any @ ankavia, ary dia "misaraka" tsara @ "absence de photon", ny "maizina", atsy @ ankavanana?

Ka iza @ ireo no mitombona re ry Davjo, A sa B???

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1522