Andao aza ho alalinintsika hatramin'ny voalohany mihintsy ny baiboly dia hohitantsika ny marina...sa ny diso

41. Davjo ( 12/05/2017 12:14)

rhaj0:

Davjo:
Supposons hoe eny, photon, ilay hoe mazava.

OK.. mitovy fijery izany isika.

Ilay fanoharana hoe, ilay "mazava = Jesosy na Yahoshua", dia fampitahana (parabole) @ J sy Y @ photon izay "mitondra hazavana" tokoany.. Fa TSY hoe, t@ Andininy faha-3 dia hoe, "misia Jesosy". TSY izany no resaka, fa aoka tsy asavisavika toa izany, ary roriroritina h@ "famonjena". Ny niforonan'izao tontolo izao no resaka.

Davjo:
Raha ampirehetina ny jiro (misia ny mazava)

Hono ho'a:

A- ilay "misia" ve tsy toa ny "abracadabra"? Dia ny mpijery tonga dia mahita fa mivoaka avy @ tsy misy ilay nobaikoana hoe, "misia?
izany hoe, tonga dia nipitritra ary "nisonenika" eraky ny erana koa ny photons???

B- sa, teo izany vao nampirehetin'Andmntra ny kintana tany @ Lanitra, (any @ milliards de km), dia niredareda @ izay ireo, ary dia nandefa photon hatraty @ Tany, hanazava ny fisonenehan'ny fanahin'Andtmrna tambony Rano (sy Hantsana)?

Davjo:
Satria tonga ny mazava kanefa ny haizina mbola teo ihany nanohitra ny mazava ary samy teo izy roa, ary nosarahina avy eo

Ka tohizana @ io ambony io

A- ilay "photon nisonenika" teo izany no "mazava". Ary ny "absence de photon" no "maizina". Ka dia @ "fahaizan'Atra lehibe", dia nakipiliNY ny photon, ary dia "misaraka" tsara tokoany izy roaroa ireo?

B- sa, ilay photon avy any @ kintana (vao nampirehetin'Atra teo), dia atifitr'Atra any @ ankavia, ary dia "misaraka" tsara @ "absence de photon", ny "maizina", atsy @ ankavanana?


Ka iza @ ireo no mitombona re ry Davjo, A sa B???





Aiza amin'ny photon hitako maso izao ry namana ilay photon nohariana hatram voalohany?

Ny photon hitako izao dia misy source avokoa, ary avy amin'ny kintana sy planeta avokoa ireo photon ireo nefa mazava fa tamin'ny andro faha-4 ireo vao noforonina.
42. rhaj0 ( 12/05/2017 12:28)
Ireo photons natao "misia-misia" teo @ Andininy faha-3 ireo no mbola io hitan'ny masonao io re ry Davjo aaa...

A- na, ireo photons ireo dia mbola io kolokoloin'Andrmntra hisonenika eran-tany io (mandritra ny andro, le jour).

B- na, ilay photons avy any @ Kintana (nampirehetin'Atra t@ andininy faha-3) no mbola tonga hatraty h@ izao
43. Davjo ( 12/05/2017 12:47)

rhaj0:

Ireo photons natao "misia-misia" teo @ Andininy faha-3 ireo no mbola io hitan'ny masonao io re ry Davjo aaa...

A- na, ireo photons ireo dia mbola io kolokoloin'Andrmntra hisonenika eran-tany io (mandritra ny andro, le jour).

B- na, ilay photons avy any @ Kintana (nampirehetin'Atra t@ andininy faha-3) no mbola tonga hatraty h@ izao


Raha ny lojikanao dia tokony ts misy mihitsy ny alina satria na dia takona azy ny photon an'ny masoandro de mbola eo foana ny photon an'ny misia-misia.
44. rhaj0 ( 12/05/2017 13:02)
Koa raha izany dia TSY mitombona izany ilay A-, ka hoe,
"misia-misia-hazavana", ka hoe dia nirotsaka tampoka teo ny photons hisonenika ny erana.

ka @ ilay B- izany no lojika:
ilay photons avy any @ Kintana (nampirehetin'Atra t@ andininy faha-3) no mbola tonga hatraty h@ izao

d'accord ve i Davjo, sa tena TSY mitombona izany, ara-Baiboly (Jenesisy) ???
45. Davjo ( 12/05/2017 13:16)

rhaj0:

Koa raha izany dia TSY mitombona izany ilay A-, ka hoe,
"misia-misia-hazavana", ka hoe dia nirotsaka tampoka teo ny photons hisonenika ny erana.

ka @ ilay B- izany no lojika:
ilay photons avy any @ Kintana (nampirehetin'Atra t@ andininy faha-3) no mbola tonga hatraty h@ izao

d'accord ve i Davjo, sa tena TSY mitombona izany, ara-Baiboly (Jenesisy) ???


Ilay lojikanao mihitsy no ts mitombon satria tahaka ny miteny enao oe, efa tsy misy itsony ireo photon tam genesisy 1,3 fefa ny lumière avy amin'ny kintana sisa no misy.

Ny olana koa mantsy dia ianao ts mifototra amina versé fa amina fait scientifique de mazava ho azy fa ts mitovy ny fijery.
46. rhaj0 ( 12/05/2017 13:56)
Davjo:
efa tsy misy itsony ireo photon tam genesisy 1,3 fefa ny lumière avy amin'ny kintana sisa no misy.

Ka efa nampisafidianana kosa ianao hoe,
A- misia photon araka Genesisy 1:3
B- sa, photon avy any @ Lanitra no misy. Satria efa nohariana ny Lanitra teo. (na dia any aoriana azany vao nohariana ny kintana sy masoandro).

Ka ny lojikanao izany, raha ny fahazoako azy, dia
1- misy photons, na marimarina kokoa, lasa "nisy" photon ao @ G-1:3, araka ilay "misia"
2- dia misy koa photons aty aoriana, avy @ masoandro/volana/kintana, izay noforonina atsy @ G-1:16.

Da ny fanontanianao io izany , dia hoe, aiza (na iza) ireo "photons ao @ G-1:3" @ izao fotoana izao?

Izay ve?


Davjo:
Ny olana koa mantsy dia ianao ts mifototra amina versé fa amina fait scientifique de mazava ho azy fa ts mitovy ny fijery.

ka io indray re ry Davjo dia miverina @ ilay fanontaniana hoe:
ao @ Finoanao ao, dia
- mba ampifandraisinao @ "fahalalana-2017" ve izy io, sa
- tena tsisy idirany mihintsy??


Dia raha ny fahazoako azy, dia miombo-kevitra @ bor2lais izany ianao, ka hoe:
- ny "Finoana" (an'i bor2lais) dia TSY ampifandraisany @ fahalalana (2017).
- ny "Finoana" (an'i Davjo) dia TSY ampifandraisany @ fahalalana (2017).



Ary raha toa io, dia
- tena TSY mila rasarasaina na hohalalinina akoriny ny Genesisy,
- fa tonga dia hoe, "minoa fotsiny" fa noforonin'Andmntra izao rehetra izao.
- Ny comment sy pourquoi, dia TSY mila apetraka akoriny ny fanontaniana, fa "minoa fotsiny".



47. Davjo ( 15/05/2017 05:15)

rhaj0:

Ka ny lojikanao izany, raha ny fahazoako azy, dia
1- misy photons, na marimarina kokoa, lasa "nisy" photon ao @ G-1:3, araka ilay "misia"
2- dia misy koa photons aty aoriana, avy @ masoandro/volana/kintana, izay noforonina atsy @ G-1:16.


Tsy azonao ny lojikako,

1- Ny gen 1,3 dia tsy lumière photon fa être divin, un être de lumière
2- Ny gen 1,16 dia misy ny photon avy amin'ny planeta sy kintana maro isankarazany.
48. rhaj0 ( 15/05/2017 10:49)
hi hi hi ... henjana ilay spin an'i Davjo an... dia hoe, "divin" ny andininy voalombolohan'i Genesisy fa tsy "photon"..

1 Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3 Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina.

Dia izany hoe hono, MISIA ny "lumière divin" sy ny "ténèbre satanique" izany no tianao lazaina eto??


Dia nefa anie ny andininy faha-5 dia tena mazava BEUH ee...

5 Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.


Fa dia izay moa no fataon'ny Kristiana, k'atao ahoana ee... Rahefa sirika fa absurde/ridicule ilay resaka, dia hoe, parabaolina io r'ikala aaa... dia aholakolana sy avilambilana eo...


Tsy aleonao ve ry Davjo, tonga dia borquer-na ny dômy (sy ny sainareo), dia atao hoe:

- tena TSY mila rasarasaina na hohalalinina akoriny ny Genesisy,
- fa tonga dia hoe, "minoa fotsiny" fa noforonin'Andmntra izao rehetra izao.
- Ny comment sy pourquoi, dia TSY mila apetraka akoriny ny fanontaniana, fa "minoa fotsiny".
49. endriny ( 15/05/2017 14:21)
Ity andininy voalohany ity, dia lohateny fampidirina fotsiny ihany hoe inona no andeha hotantarain'ny Genesisy toko 1 1 Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany .

Ity andininy faharoa ity kosa dia filazana ankapobeny ny tontolo nisy tamin'izany atao hoe fiandohana izany. 2 Tsy nisy endrika sadyfoana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano.

Ary teto amin'ny andininy fahatelo no manomboka mitanisa ny fomba nanamboaran'Atra ny Tany sy ny Lanitra ny Genesisy . 3 Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina, sns....
50. rhaj0 ( 15/05/2017 15:25)
Ka io andininy faha-2 io ho'a dia tena hita mazavabe fa "earth-centric" na hoe "géocentique" ilay Baiboly eee...

Ary dia io hita @ andininy manaraka rehetra ao io, fa miainga avy ety @ planeta Latera ny tohin'ny tantara, dia ny niforonan'izao tontolo izao hono eee...

- ary dia "nataon'Atra" aloha ny "habakabaka" sy "ny rano ambonin'ny habakabaka" izay eto ambony Latera io (GEN 1:7)

- izay vao "nataon'Atra" koa ireo zavatra eny @ "habakabaka", dia ny Masoandro, ilay "lehibebe kokoa hitarika ny andro", sy ny Volana, ilay "kelikely kokoa hitarika ny alina", ary "nanao ny kintana koa" i Atra eo @ io GEN 1:16 io.

51. rhaj0 ( 16/05/2017 19:12)
FA io koa moa, araka ny efa lazain'i Endriny eto foana, dia TSISY VAVOLOMBELONA, fa dia miampitapita teny fotsiny ny resaka.

Dia tena mba mahavariana anefa, fa dia mbola izany foana no atao fiki-maty eo, satria hono efa nahabotrabotra ny sain'ny taloha, koa maninona no tsy tohizana... ny taona (2017) anefa efa mandroso ihany.


Fa raha mampanontanitany kely an'Ineny Gogola, dia hoz'izy hoe, i MOSESY no nanoratra io Genesisy io.


Dia hoe, ka tena nobitsihin'Andrmntra tao an-tsofin'i Mosesy tao va re ny resaka? Teny antendrombohitra anefa toa tena efa fahagagana be mihintsy, satria dia TSY mateti-pitranga, ilay fiersahan'i Andmntra @ Mosesy, na izay olona eo, ka nanakapohany t@ vato ny hafatrany hono...

Fa raha atao hoe, nobitsibitsihan'Andtrmna tao izany i Mosesy, dia io izany ilery nanao sekretera tsisy masinina io, hany ka
- misimisy ihany ny diso na tsy mitombona,
- na hoe dia sampona, na bangabanga, ny lojika (tsisy loham-bodiny, na tsisy vodin-dohany)
- na ny firafitra na filamin'ny toko aman'andininy, na ny fehezanteny ao, na ny teny ampiasaina, ary indrindra moa ny votoatiny
hany ka dia io mila lamentation be io izay vao azo, raha ho azo, fa hoe (tsy) metafaoro na parabaolina ity resaka, ets...


Fa ny hitako resahin'ny mpandinika sasany, dia hoe,

1- ndao ekena hoe, tena nobitsibitsihin'i Andmrntra tao an-tsofin'i Mosesy tao tokoany anie ireo tantara lavabe ao @ Genesisy ireo ohatra

2- fa ndao ekena koa fa, na i Mosesy no lalodalovana, na ny nandraisan'i Mosesy an'ilay "bitsik'Andmntra" dia araka ny fahatakaran'ny hoza-dohany tao, izany hoe, araka ny fahalalany (niveau de coonnaissance) sy kolotorany tao.

Izany hoe, teo no niantomboka izany ny telefaonina arabo eee... Ary i Mosesy mihintsy no voalohany namalan-kira.


izany no iafarana @ ilay hoe:
- tena TSY mila rasarasaina na hohalalinina akoriny ny Genesisy,
- fa tonga dia hoe, "minoa fotsiny" fa noforonin'Andmntra izao rehetra izao.
- Ny comment sy pourquoi, dia TSY mila apetraka akoriny ny fanontaniana, fa "minoa fotsiny".



Fa ny mampanontani-tena kely izao dia hoe, fa maninona koa azany no navelan'izao Andrmntra hivaralila toa izao ny resaka, fa in-1 mandeha izay Izy hono no ni-kôzy, dia iny no lasa tsy niverina intsony. Dia h@ izao ny Kristiana rehetra dia mbola mivaralila mihosona anaty resaka sampona ao io.
52. endriny ( 17/05/2017 16:48)
Tamin'ny andro faha-3: Dia nanao ny ranomasina sy ny tany Atra, ary nampitsiry ahitra maitso sy voankazo ary zavamaniry teo amin'ny tany.

Saingy tsy nanaraka ny tenin'Atra ny zavamaniry sasany izany fa lasa naniry any anaty ranomasina sy any anaty rano. Asa mety diso kajy ve Atra sa ny mpanoratra no tsy nahalala fa misy ny atao hoe lomotra sy bozaka, sy tsikafona, ary vondrona sns maniry any anaty rano.

Tamin'ny andro faha-4: Nataon'Atra ny masoandro sy ny volana ary ny kintana.

Ny zavaminiry izany tamin'ny andro 3 tsy mila nanao ilay atao hoe fotosentezy, fa mety hoe nolokoin'Atra tamin'ny solfatam-barahina no nahamaitso azy.

Fa aleo tohizana ilay famakafakana fa lasa mihitsoka eto amin'ity ara-0 sy ara-1 ity foana isika sa ahoana?
53. Davjo ( 18/05/2017 10:57)

rhaj0:


1 Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3 Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina.

Dia izany hoe hono, MISIA ny "lumière divin" sy ny "ténèbre satanique" izany no tianao lazaina eto??



Manomboka tiako ilay fanamarihanao satria miroso mankany mihitsy isika.

Fantaro fa Jesosy dia:
1- Manazava fa i Mosesy dia manoratra ny momba Azy

Jaona 5,46-47 "Fa raha mba nino an' i Mosesy ianareo, dia ho nino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy;"
5:47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, ataonareo ahoana no fino ny teniko?

2- Niteny mazava fa fony mbola tsy nisy i Abrahama dia efa izy Izy

Ary i Devoly (Ilay Ratsy) dia tsy noforonin'Andriamanitra na avy amin'Andriamanitra fa efa nisy talohan'ny Genesisy ary efa mpanota hatramin'izany.

I jaona 3,5 Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ny fiandohana. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.
54. rhaj0 ( 18/05/2017 11:18)
Davjo:
Fantaro fa Jesosy dia:
1- Manazava fa i Mosesy dia manoratra ny momba Azy

Hoe i Mosesy ve nanoratra momba an'i Jesosy ao @ Genesisy??

Davjo:
Ary i Devoly (Ilay Ratsy) dia tsy noforonin'Andriamanitra na avy amin'Andriamanitra fa efa nisy talohan'ny Genesisy ...

hein? "talohan'ny Genesisy"???

Esy e ry Davjo... Izay vao azoko hoe, fa maninona ny Katolika (taloha) mitazona ny "Fampianarana" ho @ teny latina, @ izay ny sarambabem-bahoaka tsy milingilngy mamaky Baiboly, satria... izao no vokany:
samy mamoromporona resaka gaigy any @ imagination-ny any, ary dia mivaralila ny Tany.
55. endriny ( 18/05/2017 15:36)
Aleo mba vakiantsika eto ny toko 1 amin'ny Genesisy

Fa tamin'ny andro faha-5 izany dia nanao ny biby sy ny hazandrano rehetra Atra.

Ary ny andro faha-6 dia nanao ny olombelona Lahy sy vavy izy araka ny andininy faha 27, ary ilay olona dia nataony araka ny endriny: Ity dika ity aloha izany dia milaza fa tsy natao tamin'ny taolan-tehezan'i Adama indray i Eva.

Ary ny olona dia nataon'Atra mitovy endrika aminy. Izany hoe isaky ny mahita an-dramoseako aho izany dia mahita an'Atra.

Ireo fanamarihako ireo dia hita ihany koa ao amin'ny baiboly katolika araka ity rohy ity
56. rhaj0 ( 19/05/2017 12:14)
Ilay "biby fiompy" koa azany ohatra "noforonina" talohan'ny "mpiompy" :-)

FA miantsoro mianoatra ilay angano eee.. atsy Toko 1 noforonina ny olona, dia aoriana, atsy @ Toko 2, noforonina i Madame Eva.. Ka io izany tokony atao @ kaontin'i beantitra Mosesy ee... rahefa nobitsibitsihan'Andmntra azy tao ny fandehany, dia .. nakorontany indray ilay "nilamina-dia-nisesy" nolazaina azy teo... ary h@ izao dia mbola mivaralila daholo ny mpokona eee...
57. endriny ( 19/05/2017 14:13)
Araka ny tantara hebreo tokoa aloha dia efa nanamboaran'Atra vehivavy niaraka taminy i Adama, fa tsy nanaiky ny fanirian'i Adama io vehivavy io ka noroahin'Atra. Dia hanamboatra an'i Eva indray izy.

Saingy ny baiboly moa tsy misy an'izay
58. rhaj0 ( 19/05/2017 14:41)
Ka hoy Ineny Gogola hoe, ny tradition milaza hoe i Mosesy no nanoratra ity petatoko (Pentateuch), nefa indray, araka ny fandalinana farany, dia ny olona t@ taonjato faha-5 sy 6 no nanoratra azy io..

Fa ny fehin-kevitra, dia raolona no nanoratra ny Genesisy eee.. raolona miaraka @ fahalalany (niveau de connaissance) sy kolotora ary taonjato sy jeogirafiany tao. Ka fara-fahatarany izany, dia taonjato faha-6 no nanoratana azy. T@ izany dia tena mbola tsy fantatra hoe boribory io tany io. Ary tena tsy fantatra koa hoe, mihodidina ny masoandro anie izy io...

Ary TSisy an'izany "nobitsibitsihan'Andrmntra" izany izay raolona nanoratra azy, fa i raolona no mamoromporona ao, hampandriana ny sainy (kely-fahalalana).

Ka dia mazava ho azy raha io "earth-centric" nandrabe io no niafaran'ilay angano eeee...
59. endriny ( 24/05/2017 04:25)
Mety mammon-divay I Mosesy tamin'ny nanoratra an'io.

Kanefa I Mosesy tsy nahay nanoratra hebreo satria izy lehibe tao an-dapan'ny Farao.
60. Davjo ( 24/05/2017 05:40)
Jaona 5:46 "Fa raha mba nino an' i Mosesy ianareo, dia ho nino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy; Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, ataonareo ahoana no fino ny teniko?

1Jaona 3,8 Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ny fiandohana. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.379