NATOKANA HOAN'NY ISRAELIANA IRERY NY DIDY FOLO (LALÀN'I MOSHÈ), FA TSY NATAO HOAN'NY HAFA FIRENENA.

81. RBNIR ( 25/04/2017 11:11)
sao dia mba any amin'i hery ianao no tokony hanontany fa tsy aty amiko mindaozy izy izao tena katolika?
82. MINDAOZY ( 25/04/2017 12:13)
"maninona ny katolika no tsy manonona YAHOSHUAH, nefa any @ baiboly katolika io anarana io?"
Valiny: satria tsy tompony ny katolika, fa ry zareo no te handika an'io ao; ary voadidy tsy maintsy nandika koa satria tsy azo vonoina ny marina
83. RBNIR ( 25/04/2017 12:19)
dia izay izany hoy i mindaozy, ka manitikitika ny saina tokoa?? izay marina v ra hery no antony tsy hanononareo ilay Anarana hitan'ingahy samuelson edward ao anatin'ny baibolinareo voadika amin'ny dikanteny latina la vulgate ao????
84. RA TAN ( 26/04/2017 03:56)
RBNIR:

dia izay izany hoy i mindaozy, ka manitikitika ny saina tokoa?? izay marina v ra hery no antony tsy hanononareo ilay Anarana hitaningahy samuelson edward ao anatin'ny baibolinareo voadika amin'ny dikanteny latina la vulgate ao????


=> Fa maninona no ny Ambassadeur an'i Yahoshuah irery no lazainao fa mahay mijery ny baiboly katolika vulgate??? Fa maninona ianao no tsy mahay mijery ny baiboly katolika vulgate??? Na izany fotsiny aza d tokon haha tong saina anao, fa tsy mitovy @ rehetra Izy.
Fa raha ny olona tena misaina mahitsy izao dia rehefa fantatra fotsiny fa YAHOSHUAH ilay anarana marina dia manaiky izy; na hita ao @ baiboly gasy izany na tsy hita, na hita ao @ baiboly frantsay na tsy hita, na hita ao @ baiboly katolika na tsy hita, na hita any @ baiboly rehetra na tsy hita any @ baiboly rehetra aza. Fa ny baiboly rehetra kosa samy milaza ny fepetra mandrafitra an'io anarana marina io daholo, dia tsy azo lavina io.
85. RBNIR ( 26/04/2017 05:18)
Mba azavao kely hoe ilay hoe nentin'ingahy samuelson edward avy any an-danitra ilay Anarana RA TAN

Nisy fotoana v izy niakatra tany?
Nisy fotoana v ny avy any an-danitra nidina taty?
Iza no hitany (tany) na iza no tonga tety? Ny Ray v? Ny Zanaka? sa ny FM sa anjely?

Sa ahoana marina????
86. RBNIR ( 26/04/2017 10:55)
MINDAOZY:

Nentin'ny Ambassadeur an'i Yahoshuah avy any andanitra ny anarana YAHOSHUAH,fa tsy nalainy tao @ baiboly katolika akory.

Otran'ny tsy mety mamaly i RA TAN atsy ambadika atsy fa aleo angamba anontaniako anao indray mindaozy....

Mba azavao kely hoe ilay hoe nentin'ingahy samuelson edward avy any an-danitra ilay Anarana MINDAOZY....

Nisy fotoana v izy niakatra tany?
Nisy fotoana v ny avy any an-danitra nidina taty?
Iza no hitany (tany) na iza no tonga tety? Ny Ray v? Ny Zanaka? sa ny FM sa anjely?

Sa ahoana marina????
87. rhaj0 ( 26/04/2017 11:08)
MINDAOZY:
Nentin'ny Ambassadeur an'i Yahoshuah avy any andanitra ny anarana YAHOSHUAH,fa tsy nalainy tao @ baiboly katolika akory.

wow... tena "mino" izany ry Mindaozy, fa efa tany an-danitra dia niverina tao aminy tao ny Ambasadaoro..

Henjakenjana ihany ny daozinao ao izany ry Mindaozy, fa dia ampinoan'ny Ambasadaoro atsanga tsy amanorana toa io, dia miondrika ao tokoany ny coco... giravy an!...
88. RA TAN ( 27/04/2017 08:33)
RBNIR:

Mba azavao kely hoe ilay hoe nentin'ingahy samuelson edward avy any an-danitra ilay Anarana RA TAN

Nisy fotoana v izy niakatra tany?
Nisy fotoana v ny avy any an-danitra nidina taty?
Iza no hitany (tany) na iza no tonga tety? Ny Ray v? Ny Zanaka? sa ny FM sa anjely?

Sa ahoana marina????


Valiny:
MASINA NY ANARAN'A/TRA SY NY FAMPIANARANY.

-Aza omena ny alika izay masina (MAT,7:6).
-Ny alika dia izay any ivelan'ny fanjakan'i Yahoshuah (APOK,22:15).
-Ny fanjakan'i Yahoshuah anefa tsy ety antany, fa any andanitra (JAONA,18:36).

=> Tsy misy mahazo mitondra ny fampianaran'i Yahoshuah sy ny anarany ny olona eto antany. Fa matoa ny ambasadaoran'i Yahoshuah SAMUELSON EDWARD no manana ny fahefana sady voafidy hitondra ny tenin'i Yahoshuah dia "avy any andanitra Izy". Fa tsy avy ety antany no niakatra tany andanitra.
89. irakiraka ( 27/04/2017 09:06)
Marka 13:6
Titosy 3:10
Titosy 3:9
90. RBNIR ( 27/04/2017 09:25)
Tsy izay loatra ilay fanontaniko RA TAN , (izay dia hevitra nandresen'ingahy samuelson edward lahatra anareo mba hanamarinany aminareo hoe avy any an-danitra ny fampianarany) ...

Ary ankehitriny dia b d b ireo mpitondra fivavahana mandresy lahatra ny olona tahaka izany ka manao hoe avy any an-danitra ity fampianarana ity satria matoa isika otran'izao dia izay no porofo fa avy any an-danitra marina izy ity sns.....(nefa ilay olona amin'io tsy tany akory, na koa hoe nisy nidina avy tany an-danitra tany nitondra ilay fampianarany

Fa ny ahy ny tiako ho fantatra dia izay zava-nisy marina tsy amboamboarina na aolakolaka.....

I Jesosy ohatra raha niteny hoe : « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Dia tena hitany teo anoloany teo ILAY RAINY NANOME AZY ILAY FAMPIANARANY (sady nahita maso IZY no nahare FEO)....(présence physique réel no nisy teo)

I jaona mpanao batisa koa izao raha niteny hoe...« Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jaona 1:33)

Dia tena hitan'i Jaona mpanao batisa teo anoloany teo ILAY naniraka Azy hanao batisa tahaka ny nahitan'i Mosesy maso ILAY NANIRAKA AZY....(mbola présence physique réel ihany koa no nisy teo sady hita maso no nahare feo....)

I paoly koa ohatra raha niteny hoe « Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Galatiana 1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Galatiana 1:12)

Rehefa nandray ilay filazan-tsara i paoly dia hitan'ny masony sady ren'ny sofiny tsara ILAY JESOSY nanambara ilay fampianarana (mbola présence phisique réel ihany koa)...

Ka averikoa aminao ihany ilay fanontaniana....

Mba azavao kely hoe ilay hoe nentin'ingahy samuelson edward avy any an-danitra ilay Anarana RA TAN

Nisy fotoana v izy niakatra tany?
Nisy fotoana v ny avy any an-danitra nidina taty?
Iza no hitany (tany) na iza no tonga tety? Ny Ray v? Ny Zanaka? sa ny FM sa anjely?


Nisy présence physique v teo? nahita maso v ingahy samueslon edward sady nahare feo????

91. RA TAN ( 27/04/2017 11:04)

RBNIR:

Ary ankehitriny dia b d b ireo mpitondra fivavahana mandresy lahatra ny olona tahaka izany ka manao hoe avy any an-danitra ity fampianarana ity satria matoa isika otran'izao dia izay no porofo fa avy any an-danitra marina izy ity sns.....(nefa ilay olona amin'io tsy tany akory, na koa hoe nisy nidina avy tany an-danitra tany nitondra ilay fampianarany

I Jesosy ohatra raha niteny hoe : « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Dia tena hitany teo anoloany teo ILAY RAINY NANOME AZY ILAY FAMPIANARANY (sady nahita maso IZY no nahare FEO)....(présence physique réel no nisy teo)


Valiny:
Ny mpitondra fivavahana rehetra any ivelan'ny fanjakan'i Yahoshuah any dia samy mampitandrina D10 avokoa, ary samy milaza fa mpanota daholo. Dia aiza no ahafahany mitondra ny fampianarana masina?

Iza io JESOSY teneninao io? Porofoy!

Presence physiq hoy ianao.
Tena nofo be tokoa ianao
92. RBNIR ( 27/04/2017 11:18)
Valio tsotra ilay anontaniko RA TAN fa aza miodikodina a! niseho taminy mivantana v IZY dia nanome ilay ANARANA sa TSIA, taiza no nanovany izany ingahy samuelson edward ve no niakatra sa IZY no nidina?

Tsotra kely ange izany e, ENY SA TSIA?
93. RBNIR ( 27/04/2017 12:55)
Vakio tsara ity RA TAN!!!

« Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy. » (Jeremia 23:31)
« Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jeremia 23:32)
« Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan*'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.[Na: faminaniana ny loza] » (Jeremia 23:33)


Ny tena mpanompony dia IRAHANY MIVANTANA!!! ary tsy mahazo miteny miohatra izay nampitenenina azy........
94. RA TAN ( 27/04/2017 13:11)
RBNIR:

Valio tsotra ilay anontaniko RA TAN fa aza miodikodina a! niseho taminy mivantana v IZY dia nanome ilay ANARANA sa TSIA, taiza no nanovany izany ingahy samuelson edward ve no niakatra sa IZY no nidina?

Tsotra kely ange izany e, ENY SA TSIA?


Ny tena marina dia mihatra aminao ity tenin'i Yahoshuah ity:
"JAONA,8:43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44Ianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tinareo atao, ...47Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo(1JAONA,3:8 Izay rehetra manota dia avy amin'ny devoly)."
95. RBNIR ( 27/04/2017 13:16)
ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jeremia 23:32)
Vakio tsara io teny io,

Be dia be ny mafana fo fotsiny dia tsy mandinika tsara, Mila fa hoe izaho dia nirahany, nampianariny, nomeny hafatra sns.....NEFA TSY MARINA fa IZY sady tsy naniraka no tsy nifidy fa ilay olona no mandainga,

Vokany lasa mampianatra zavatra diso dia lasa mampivily ny olon'Andriamanitra...., mampianatra nefa ny zavatra ampianariny "tsy mahasoa" akory fa vao maika aza mampivily an'ireo olon'Andriamanitra izay manjary zary lasa manaonao foana.....

Ka diniho tsara ihany ry zalahy a!

Jereo tsara fa izay rehetra nitory sy nampianatra fahiny dia nahazo iraka mivantana avokoa fa tsy hoe akory izay tiantsika no atao e! ......................
96. RA TAN ( 28/04/2017 03:35)

RBNIR:

Vakio tsara ity RA TAN!!!

« Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy. ...


=> Iza io JEHOVAH teneninao io???
Porofoy!
97. RBNIR ( 28/04/2017 07:28)
mody mba miatsara velatsihy kely eto indray i RA TAN, ngah moa i samuelson edward mampiasa baiboly hafa????
98. RBNIR ( 28/04/2017 07:29)
Io ihany ange ny baibolinareo ao fa mody rehefa mba tonga ao amin'ilay Anarana dia mba ovaina kely ilay izy e???
99. rhaj0 ( 28/04/2017 11:19)
RBNIR:
Io ihany ange ny baibolinareo a

Ny Baiboly dia "Tenin'Andriamanitra". Ka asian-dry RBNIR hoe
- "Tenin'Andriamanitra"-nareo, sy
- "Tenin'Andriamanitra"-anay
izany izy ity ee... Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany :)
100. RBNIR ( 28/04/2017 11:34)
ataoko hoe nareo satria izy dia mihevitra ny tenany ho hafa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.653