NATOKANA HOAN'NY ISRAELIANA IRERY NY DIDY FOLO (LALÀN'I MOSHÈ), FA TSY NATAO HOAN'NY HAFA FIRENENA.

101. rhaj0 ( 28/04/2017 12:18)
hi hi hi... dia tsara fa takatrao ihany farany fa "TSY mahakasika" azy ny resakao sy finoanao.

Ny finoana dia ... n'engage que celui qui y croit.
102. RBNIR ( 28/04/2017 13:17)

rhaj0:

hi hi hi... dia tsara fa takatrao ihany farany fa "TSY mahakasika" azy ny resakao sy finoanao.

Ny finoana dia ... n'engage que celui qui y croit.

Ka inona no mahatonga an'i rhajo mitady izay hevitra handrodanana ny finoanan'y olona iray sy ny mahatonga anao sahirana amin'ireo mpandray 1/10????
103. rhaj0 ( 28/04/2017 13:24)
sady mivanitika aho, no tena malahelo : mila mi-assister personne en danger.

Ary TSy "mandrodana" aho.. Zavatra tsy mitombona ve mila "harodana"?
104. RBNIR ( 28/04/2017 23:26)

rhaj0:

sady mivanitika aho, no tena malahelo : mila mi-assister personne en danger.

Ary TSy "mandrodana" aho.. Zavatra tsy mitombona ve mila "harodana"?

Ny tena marina dia ity....diso ilay lazainao hoe n'engage que celui qui y croit satria hoy ny teny hoe.....« ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; » (1 Petera 4:4)

Raha tena marina ny faminaniana ao amin'ny soratra masina dia tokony hoe ....gaga ireo tsy mpino mahita ireo mpino tsy miara-mihazakazaka aminy intsony....dia tokony hoe manomboka miteny ratsy izireo (adala ireo e! manonofy ireo e sns sns....)

Raha marina ny faminaniana...dia tokony hisy fiatraikany amin'ny tsy mpino ny finoan'ny olona iray an'Andriamanitra....

Ka moa tsy tanteraka v izy eto amin'ity forum ity????

Raha nanaraka tsara ny forum teto aho nandritra ny fotoana maharitraritra izay dia hitako fa tena lasa problema goavana be ho an'ireo tsy mpino (izay mandany fotoana maro mihitsy manaratsy ny finoana sy mihezaka mandresy lahatra ny mpino eto....)

Raha tsy olana v inona no tokony hivakianao loha amin'izany fa tsy lasa matoritory any aloha dia avelao ny azy ho ao e?????
105. RBNIR ( 28/04/2017 23:38)
ka "marina" ny faminaniana rhajo a! misy fiantraikany amin'ny tsy mpino ny mahita olona iray mino an'Andriamanitra dia izay no mahatonga ireo tsy mpino ireo hanaratsy ny mpino (tahaka ny ataonao matetika eto e!)

Izaho mihezaka tsy miteny.......anao fa ianao kosa dia ......Isaky ny mihetsika kely dia tsy maintsy......

Tsy maninona e! izaho ange faly be e! hoy i Jesosy hoe....« Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. » (Matio 5:11)
106. endriny ( 30/04/2017 04:10)
Mampihomehy ilay hoe: "natokana ho an'ny israelita irery ihany ny didy folo". Ka nahoana aza ianao no miankohoka @ Atry ny israelita? Sa izay le izay le mpikidaona amin'ny taksibe.
107. RBNIR ( 01/05/2017 11:49)
endriny:

Mampihomehy ilay hoe: "natokana ho an'ny israelita irery ihany ny didy folo". Ka nahoana aza ianao no miankohoka @ Atry ny israelita? Sa izay le izay le mpikidaona amin'ny taksibe.

Tsy natokana ho an'ny israelianina irery IZY namana endriny,

Saingy tsy lavina kosa anefa fa tena nanana fitiavana manokana ho an'ny zanak'israely IZY, nefa na izany aza dia norasiny tsara hatrany ireo olona hafa firenena na teo aza izany.....

« Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin'i Jehovah tsy ho isan'ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho. » (Isaia 56:3)
« Fa izao no lazain'i Jehovah: Ny amin'ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko, » (Isaia 56:4)
« Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an'ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy. » (Isaia 56:5)
« Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko » (Isaia 56:6)
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isaia 56:7)

Io no porofo manamarina fa Andriamnaitry ny olona rehetra IZY fa tsy Andriamanitry ny zanak'israely fotsiny akory...

108. rhaj0 ( 01/05/2017 12:11)

endriny:
Mampihomehy ilay hoe: "natokana ho an'ny israelita irery ihany ny didy folo". Ka nahoana aza ianao no miankohoka @ Atry ny israelita? Sa izay le izay le mpikidaona amin'ny taksibe.
RBNIR:
Tsy natokana ho an'ny israelianina irery IZY

Ny Ejipsiana nefa toa naringana... h@ antitra sy ny zaza tsy manan-tsiny

ianao ao ho'a ve ry RBNIR akaiky kokoa @ Ejipsiana (sy palestiniana ohatra), sa tena akaiky kokoa ny Israelita (sy Netanyahu)??? Dia ihomehezan-dreo fotsiny anie ho'a ianao "mivavaka' ny handova ny Fanjakan'ny (Atra) Israelita eee...
109. RBNIR ( 01/05/2017 12:22)
Andriamanitra ange efa nialanenina mafy tamin'ny ejipsiana e, ary im-polo izy naniraka an'i mosesy sy nihezaka nampiseho fa "hafatra" avy Aminy marina tokoa no nentin'i Mosesy saingy....

Tahaka ny rano araraka eny an-damosin-gisa daholo izany rehetra izany....
110. rhaj0 ( 01/05/2017 13:49)
eny ho,a ee.. niala nenina t@ Antitra (efa amoron-tevana) sy ny Zaza tsy manan-tsiny i Andrmntra (an'i Israelita) eee... Fa tsy (nahay) niteny moa ireo, ary dia NARIPAK'Andrmntra.

Dia latsao ao ny Maty ry RBNIR aaa... Ary hobio ny Mpandripaka.
111. RBNIR ( 01/05/2017 13:54)
Ny anao kosa izany efa fankahalana azy mihitsy koa.....
112. rhaj0 ( 01/05/2017 13:59)
Izaho (mijery) indray hono no "mankahala" fa tsy ilay "mpandripaka" .. manavy mihintsy ilay RBNIR ity...
113. RBNIR ( 01/05/2017 15:17)
efa napetrany hoy aho ny fitsipiny : ny zaza dia andraikitry ny rainy sy ny reniny (olona vory saina)....
114. rhaj0 ( 01/05/2017 15:28)
eny ho'a eee.. ny rainy sy reniny izany no nanao ny nataony, ka ny zaza menavava aby koa no voaripaka.

Dia latsain-dry RBNIR fa tsy nanaraka fitsipika, na tsy nivavaka comme il faut, HATRAMIN'NY ZAZA MENAVAVA.

Averiko ihany: Dia latsao ao ny Maty ry RBNIR aaa... Ary hobio ny Mpandripaka.
115. MINDAOZY ( 02/05/2017 10:09)

Hors sujet nareo! Inty n sujet sady mbl ts voavalinareo ireto:
RA TAN:

"SALAMO,147:19 Milaza ny teniny amin'i Jakôba Izy, ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Israely. 20 Tsy mba nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy, ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny".
"NEHEMIA,13:3 Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna dia navahany niala tamin'ny Israely ny olona hafa firenena rehetra".

Fanontaniana mipetraka aminareo hafa firenena mitandrina didy folo rehetra:
LALÀNA AIZA AO @ SORATRA MASINA NO MITENY HOE AZONAREO TANDREMANA IO DIDY FOLON'NY JIOSY IO???

Fa ny hafa firenena aza halan'A/tra ra @ didy folo: MAMPIFANDRAFY NY HAFA FIRENENA @ A/TRA SY @ JIOSY NY DIDY FOLO [DEO,7:2,3 EKS,34:11-14 avec 1MPANJAKA,2:3 & DEO,4:2]

==> Solution avy @ YAHOSHUAH: "EFESIANA,2:15"

www.rtvyahoshuah.com
116. RBNIR ( 02/05/2017 11:04)
MINDAOZY:

Fa ny hafa firenena aza halan'A/tra ra @ didy folo: MAMPIFANDRAFY NY HAFA FIRENENA @ A/TRA SY @ JIOSY NY DIDY FOLO [DEO,7:2,3 EKS,34:11-14 avec 1MPANJAKA,2:3 & DEO,4:2]

Ireto aloha no horaisiko (tena tsy misy teny mihitsy amin'ireo nomenao ireo milaza hoe halan'Andriamanitra ireo hafa firenena ra amin'ny didy folo)....

Manainga ny rehetra aho hamaky tsara ireo teny zarain'i mindaozy ireo....

Fa inona marina moa no nahatonga an'Andriamanitra hankahala sy nandringana an'ireny olona ireny????

« dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany. » (Deotoronomia 12:30)
« Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny. » (Deotoronomia 12:31)

Ny antony nankahalan'Andriamanitra an'ireny dia satria tsy nanaja ny didiny (didy voalohany ao amin'ny didy folo) « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. » (Eksodosy 20:3)

Tsy nanajà an'io didy voalohany io ireny olona ireny fa nanompo andriamanin-kafa sady nanao sorona ny zanany lahy sy ny zanany vavy hodorana ho an'ireny androamanin-kafa ireny....

Izay ilay izy noho ny tsy fitandreman'ireny hafa firenena ireny ny didy folo mihitsy no tena nahatonga an'Andriamanitra handringana azireo fa tsy hoe ny mifanohitra amin'izay akory....
117. RA TAN ( 02/05/2017 12:27)

118. endriny ( 02/05/2017 14:33)

rhaj0:

endriny:
Mampihomehy ilay hoe: "natokana ho an'ny israelita irery ihany ny didy folo". Ka nahoana aza ianao no miankohoka @ Atry ny israelita? Sa izay le izay le mpikidaona amin'ny taksibe.
RBNIR:
Tsy natokana ho an'ny israelianina irery IZY

Ny Ejipsiana nefa toa naringana... h@ antitra sy ny zaza tsy manan-tsiny

Ny tiako lazaina an'i RATAN ry zareo dia izao raha tsy dia azonareo ilay fanoharana nataoko a: "Ianao ve te andeha taksibe kanefa tsy te andoha saran-dalana". Raha tsy hoe ianao angaha no Polisy na Zandary.

I RATAN ve te hiankohoka sy hanome dera sy laza ary hanompo ny Atr'i Abrahama (Atr'Israely), kanefa tsy te hanaja ny didy 10 nomeny. Raha tsy hoe I RATAN no anjely.

Ka ny anjely tsy mila didy 10 satria any an-danitra tsy misy mpanota no sady tsy misy tany anaovana anaovana fahotana
119. rhaj0 ( 02/05/2017 15:12)
endriny:
"Ianao ve te andeha taksibe kanefa tsy te andoha saran-dalana"..

ka efa hoe ho'a hoe, misy ny "Fampianarana mahay", dogma, dia ilay hoe "minou foutsy" (sola fide = Latin: by faith alone), ka raha vao "mino" ianao, dia tonga dia afak'ota.

Ka eto izany, raha vao "tafakatra ny taksibe" ry RA TAN sy ny KatoPro (mahay dogma), dia TSY mila "mandoa saran-dalana" intsony eee...

Fa marina fa tena mihevitra (angamba) ry RA TAN ao fa efa eto am-paradisa (an-tany). Raha tsy izany ve tsy tsinjaka gilady foana isaka ny mitangorongorona zareo. Siriho @ youtube ange ry RA TAN rahefa "mivavaka" eeeee... i RBNIr lazaiko anao fa voan'ny ramanenjana, fa ry RA TAN tena mihoatra lavitra an'izany :-)
120. RA TAN ( 03/05/2017 11:16)
RBNIR:

...Ny antony nankahalan'Andriamanitra an'ireny dia satria tsy nanaja ny didiny (didy voalohany ao amin'ny didy folo) Eksodosy 20

=> Fa taiza A/tra no niteny t@ ireo hafa firenena ireo hoe "aza manana a/tra hafa afa tsy Izaho ihany"???

Fa ny D10 dia ny zanak'Israely irery no nasain'A/tra nitandrina azy (DEO,5:1 SAL,147:19,20).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1723