TENA MISY V ANDRIAMANITRA???? RAHA MISY IZY DIA IZA ILAY TENA MARINA??? ARY INONA NO TAKIANY AMINTSIKA???

1. RBNIR ( 12/09/2016 12:41)
TENA MISY V ANDRIAMANITRA???? RAHA MISY IZY DIA IZA ILAY TENA MARINA??? ARY INONA NO TAKIANY AMINTSIKA???
2. tealala ( 12/09/2016 13:14)
1) Tena misy izy
2) Tsy azoko ilay fanontaniana, hoe Jesosy ve sa hoe ny Andriamanitr'i Jesosy? fa hamaliko azy ny fahazoko azy dia ny samy manana ny andriamaniny.
3) Ny zavatra takiany angamba tsotra e, manao ny sitrapony mba hiverenan'ny maha Adama ny olona..(mbola misy karazan'olona koa io fa tsy hoe izay olona rehetra dia mety ho "taranak'Adama" (spirituel))
3. rhaj0 ( 12/09/2016 16:35)
RBNIR:
TENA MISY V ANDRIAMANITRA????

Eny, tena misy Izy... ao @ imagination (collective)-na(re)o ao.

Nisy koa ho'a Izy tato @ imagination-ko, fony kely.. Dia ilay hotry ny nain kely, miankanjo toa superman, fa fotsifotsy, dia mitaingina soavalikely koa, ary nilaozany mi-balady teny poutre-n'ny fiangonana, nijerijery tsara hoe, iza no tena mivavaka, ary raha vao miandrandra mijery Azy dia anaovany ratsy tarehy. indraidray koa Izy manao toa Tarzan, misavika @ jirom-piangonana ao.

RBNIR:
RAHA MISY IZY DIA IZA ILAY TENA MARINA???

Toa efa manaiky sahady ianao fa "misy ny tena marina" ary "mitsy ny tsy tena marina". Ka aminao RBNIR izany dia "maromaro" ny Andrmntra... hi hi hi... izaho ve hi-contredire anao @ izany.

RBNIR:
ARY INONA NO TAKIANY AMINTSIKA???

io indray dia arakaraky ny Andrmntra ao @ imagination-nao ao ihany eee... Raha tena sadique-ndraha ao ianao, dia ataovy tena @ ilay "mitaky" voa tsy hary sy atsanga tsy aman'orana ilay Izy ao... Tena ataovy @ ilay Andrmntra TSY mba mahatakatra izany hoe "unconditional love" izany, ataovy @ ilay Andmtnra sakay kely rano ao. Dia mahasoava amin'Azy ao izany eee....
4. endriny ( 14/09/2016 16:32)
Sarotra be tokoa ilay mnaporo zavatra tsy misy a...

Dia aleo mamorona angano mba ilazana fa misy ilay zavatra tsy misy... na inoana tsotra izao fotsiny tsy maninona fa tsy mila porofoina..

Misy lolo io rano io a!
5. RBNIR ( 19/09/2016 13:17)
TENA MISY V ANDRIAMANITRA?
Andriamanitra dia tsy hita maso...Izany no mahatonga ny olona maro tsy hino ny fisiany,
Tsapan'Andriamanitra izany ka noho ny haleben'ny fitiavany dia hoy IZY....« Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony. » (Isa.7:11)
Nasainy nangataka famantarana momba ny fisiany ny olona....Saingy tsy sahy....« Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah » (Isa.7:12)

Ka dia Andriamanitra no nanome famantarana hoy an'ny olona :

« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isa.7:14)
« Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany. » (Isa.7:15)
« Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo. » (Isa.7:16)

Dia notanterahan'Andriamanitra izany fanomezana famantarana izany taty aoriana....
« Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny] » (Mat.1:22)
« Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Mat.1:23)
« Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny. » (Mat.1:24)
« Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy. » (Mat.1:25)

JESOSY no ilay famantarana nampanantenain'Andriamanitra ho an'ny Zanak'olombelo....

Nanao fahagagana sy famantarana lehibe sady maro tokoa i Jesosy fony fahavelony...Betsaka dia betsaka tokoa ny fahagagana sy famantarana nataony, ka dia nanjary nalaza be tamin'izany andro izany fa izy marina tokoa ilay MESIA NA KOA HOE KRISTY.... Tonga hatrany amin'ny mpanapaka ny tany izany laza izany.....« Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy. » (Mat.27:22)
Eny fa na dia i pilato aza dia nahafantatra ny lazany marina tokoa fa IZY NO KRISTY....

Ary satria lehibe dia lehibe ny asa vitany dia mijanona ao ampon'ny maro mandraka ankehitriny ny tantaran'i Jesosy na dia efa ho 2000 taona lasa aza izay no nisiany....

Ireny asa lehibe ireny dia voarakitra ao anatin'ny bokin'i Matio , Marka Lioka ary Jaona :


Raha fitinina dia ireto no karazana asa nataony ary marobe dia marobe tokoa:

« Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. » (Matio 10:8)

- Fanasitranana ny marary,
- Fananganana ny maty
- Fanadiovana ny boka
- Famoahana ny demonia.....

Noporofoin'i Jesosy fa tena misy Andriamanitra..........« Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. » (Jao.12:45)

TENA MISY ANDRIAMANITRA!!! JESOSY NO FAMANTARANA NOMENY NY OLONA.... MINOA FA IZAY MINO DIA HOY NY TENY HOE!!!









6. RBNIR ( 19/09/2016 13:18)

16Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
7. rhaj0 ( 19/09/2016 16:25)
RBNIR:
Andriamanitra dia tsy hita maso...

nataok'ty "tahaka ny endriny" raolona, hozy Genesisy, et reciproquement.
Avlilambilano ao ihany i Genesisy, f'izaho indray ve no hi-contredire anao


RBNIR:
famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina*

Io ho'a TSY rizareo tao moyen-orient ihany no nahita an'io "virijiny-miteraka" io. Efa noresahina lava tato, fa h@ izao azany dia mbols misy io (hozy ny "mpino" azy)
http://forum.serasera.org/forum/message/m56d438786cfdc
ireto izany ireo ohatra-na Virijiny niteraka God, @ sivilizasiona isan-karazany eto...
- i Maya niteraka an'i Buddah,
- Virjiny Siamiese niteraka an'i Codom,
- i Devaki niteraka an'i Chrisna,
- i Isis niteraka an'i Horus,
- i Periction niteraka an'i Plato
- ary farany, i Maria niteraka an'i Jesosy


« Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. » (Matio 10:8)

Firifiry no marary matimaty eran-tany re ry RBNIR,, ny vehivavy gasy am-piterahana 1 @ 10, sa moa zaza gasy 10 isa-minitra koa izy teo, tsy tadidiko intsony..
Sa moa nareo ihany no sitranin'i Befitia.. Eny azany kouh... nareo sy ny ainareo moa no lehibe noho ireo an'ny hafa, ka dia nareo (mpanaraka Azy) ihany no sitraniny hono izany eee...

8. RBNIR ( 20/09/2016 02:49)
Mbola ho avy izy rhajo a!!! Hahita zavatra ianao ao aoriana kely ao!!!
9. RBNIR ( 20/09/2016 02:52)
Izao fotsiny no hafatra aloha hatreto, isika rehetra samy mahafantatra tsara ny zavatra nataon'i Jesosy dia ireo famantarana maro.....tsy misy afaka hiala eo rehefa ho avy ilay fanadinana farany.....
10. tealala ( 20/09/2016 02:58)
"Imanoela = Amintsika Andriamanitra" tena tsy manaiky mihitsy ilay rangah ity
https://fr.wikipedia.org/wiki/Emmanuel
Emmanuel est dérivé de Immanouel : ime (avec) anou (en ancien hébreu : nous) El (Dieu) qui signifie donc « Dieu est avec nous » en hébreu. Il a pour forme féminine Emmanuelle.
Tena ty Testamenta vaovaonareo ity mandiso zavatra mihitsy a..
raha misy olona miteny hoe "le diable est avec nous" ve dia mitovy amin'ny hoe "le diable est en nous"?
11. RBNIR ( 20/09/2016 10:49)
EFA NOZARAINA TEO FA TENA MISY ANDRIAMANITRA.....ARY I JESOSY NO FAMANTARANA NOMENY MOMBA NY FISIANY.....

HO FANTARINTSIKA INDRAY KOSA IZAO HOE IZA MARINA ARY ILAY ANDRIAMANITRA???

Misy marina ny fanamarihana nataon'i Rhajo, maro ireo milaza fa izy marina no ilay voahirak'Andriamanitra ary izy marina ilay voasoratra hatry ny ela ....Misy ihany koa ireo milaza fa nisehoan'Andriamanitra ary koa nirahiny.....

Jesosy dia efa nanamafy ny tsy maintsy hisian'ireny olona ireny : « Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. » (Mat.24:5)

Tsy maintsy hisy ny kristy sandoka fa anjarantsika kosa no mamantatra ilay tena marina....

Tsy maintsy hisy koa hitaona ny olona any amin'ny Andriamanitra sandoka araka izany....

Saika mitovitovy avokoa ny voalazan'ireo olona samihafa ireo: samy milaza ny tenany ho voahirak'Andriamanitra samy mitory ny fiainana mandrakizay....

Anankiray ihany anefa hatramin'izao no nahavita nanaporofo fa "marina" ny nambarany....

Jesosy irery no nahavita nanaporofo fa misy marina tokoa ny fiainana mandrakizay....

Talohan'ny nahafatesany dia nametraka hafatra 3 sosona i Jesosy:

1 Nambarany tato Mat.16:21

2 Nampahatsiahiviny tato Mat.17:22,23

3 Ary farany namafisiny tato Mat.20:17-19

Tanteraka ara-bakiteny ny nolazain'i Jesosy : NITSANGANA MARINA TOKOA IZY TAMIN'NY ANDRO FAHATELO.....« [Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy] » (Mar.16:9)

Tsy tamin'i Maria magdalena ihany anefa IZY no niseho, fa niseho ihany koa tamin'i Kleopasy sy ny namany, Vakio ato Lio.24:13-33

Dia mbola niseho ihany koa tamin'ireo mpianatra rehetra indray avy eo Lio.24:32-45

Tsy vitan'ny niseho tamin'ireo olona ireo JESOSY fa nisy koa olona nanohitra sy nanenjika Azy nisehoany taty aorian'ny nahafatesany....
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asa.9:5)

Ary mandraka ankehitriny mba hanaporofoiny marina tokoa fa tena misy ilay fiainana mandrakizay ary tsy nandainga IZY.... dia mbola miseho sy mampianatra olona ihany koa i JESOSY


JESOSY IRERY NO NAHAVITA NANAPOROFO MANDRAKA ANDROANY FA TENA MISY NY FIAINANA MANDRAKIZAY.. IZY IRERY NO NILAZA NY MARINA.....

Ny Andriamanitra nolazain'i Jesosy fa nanirka Azy dia tsy IZA akory fa JEHOVAH ANDRIAMANITRA Ilay Andriamanitry ny Israely ihany, Ilay Andriamanitr'i Jakoba, Ilay Andriamanitr'i Isaaka Ilay Andriamanitr'i Abrahama, Noa, Enoka, Izay tsy IZA fa ilay Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany ary nahary ireo olombelona voalohany indrindra dia i Adama sy i Eva.....

IO IRERY NO AZO INOANA FA TENA ANDRIAMANITRA IZY satria I JESOSY DIA NILAZA FA IO NO ANDRIAMANITRA NANIRAKA AZY....ARY JESOSY DIA NANAPOROFO TAMIN'NY FAHAVELOMANY MANDRAKA ANKEHITRINY FA MARINA NY ZAVATRA NOLAZAINY.......

Mety tsy mpino ianao, na koa avy amin'ny finoana hafa, na koa mety kristianina ihany fa mbola mihanahana???? MINOA tena MISY ANDRIAMANITRA ARY NY ANDRIAMANITRA NOLAZAIN'I JESOSY IRERY NO TENA MARINA DIA JEHOVAH ANDRIAMANITRA ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY ILAY NAMORONA ANTSIKA OLOMBELONA ARY TSY IZA FA ILAY ANDRIAMANITR I ABRAHAMA ISAAKA ARY JAKOBA......ILAY ANDRIAMANITRA NANAFAKA NY ZANAK ISRAELY TAMIN NY FANANDEVOZAN NY EGYPTIANINA FAHINY......

IO IRERY IHANY NO ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA!!!!





12. RBNIR ( 20/09/2016 11:57)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Kor.15:14)

FIVAVAHANA KRISTIANINA TSY KITOATOA IO FA MIORINA AMIN'NY ZAVATRA REEL.........

ANDRIAMANITRA DIA MARINA NOHO IZANY : MANOME POROFO MARINA IZY .....
SAINGY TSY NY OLONA REHETRA AKORY NO AVY DIA HISEHOANY SY HIRESAHANY......

MISY ZAVATRA FANTATRO TSY FANTATRAO!!!! MISY ZAVATRA HIAINAKO TSY HIAINANAO!!!

MATOA AHO MAHASAY MIHIZINGIZINA FA MISY ANDRIAMANITRA ARY TENA MARINA NY FANAMBARAN'I JESOSY FAHINY DIA SATRIA TONGA AMIKO 100% ITY TENY ITY......
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)


Vakio tsara fa hoy ny teny hoe « Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)




13. endriny ( 20/09/2016 12:09)
14. RBNIR ( 20/09/2016 12:12)
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

ISIKA IZAO NO GENERATION FARANY!!! MINOA!!! SAMIA MATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA DIA ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY!!! MIANKOHOFA EO ANATREHANY FA EFA TONGA NY ANDRO FITSARANY!!! MANOMEZA VONINAHITRA ILAY AVO INDRINDRA!!! TANDREMO NY DIDNY ARY MINOA AN'I JESOSY KRISTY TOMPO ILAY ZANANY LAHY TOKANA!!!
15. RBNIR ( 20/09/2016 13:33)
16. rhaj0 ( 20/09/2016 16:15)
Danz be mihintsy ilay video-ndRBNIR ee... atsy @ 2:50 izany, dia toa ny moslimo, dia ao anaty vilan-drano mangotraka koa nareo an... TEna mba firy ho'a ny taonanao (age mental) ao ry RBNIR...

Fa ilay video an'i Endriny kosa no tena favy eee.. hay ve efa misy hotr'ireny any.. tena misaotra Endriny aaa... Aleo averiko eto mihintsy fa ny an-dry RbNIR tena revirevinn-jazabodo.. hay ve io izany ny tavan'i Mailhol eee... etsy ambony koa ny tavan'i HErinirina izy teo... giravy rahefa "manatri-tava" eee...

17. RBNIR ( 21/09/2016 02:32)
Nambara voalohany teo fa TENA MISY ANDRIAMANITRA, ary efa nolazaina koa fa TSY IZA AKORY FA I JEHOVAH ANDRIAMANITRA ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY ARY NAMORONA NY OLOMBELONA NO IZY.....
Ankehitriny kosa andeha hofantarina hoe inona no takian'IO ANDRIAMANITRA IO amin'ny olona tsi11 avy:
1- Rehefa vitan'i Jesosy ireny asa lehibe nampanaovin'Andriamanitra Azy ireny mba ho famantarana ho antsika dia izao no nolazainy:
« Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Mat.11:21)
Araka io teny io: ny antony nanaovana ireny asa lehibe ireny dia ny mba HIBEBAHAN'NY OLONA TSI11......
Tokony ho "tonga saina" ny olona mahita ireny asa ireny fa kay "TENA MISY MARINA" tokoa Andriamanitra ka tokony hibebaka izireo.....

2- Raha tonga tety Jesosy dia tsy hoe nanao asa lehibe fotsiny ihany fa koa "nampianatra", ary io fampianarana nentiny io dia nolazainy fa ...« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)

Araka io teny io dia noraisin'i Jesosy avy amin'i Jehovah Andriamanitra Ray io fampianarana io, Io ilay atao hoe fampianarana tsy misy kilema satria avy amin'Andriamanitra mivantana,

Jesosy irery no tena nahay an'io fampianarana io, ary nampianariny mivantana tamin'ireo "apostoly" fahiny izany fampianarana izany eny na dia tamin'i paoly apostoly farany nanolo an'i jodasy aza,...« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Rehefa maty ireo apostoly, dia tsy nisy intsony olombelona nahafehy io fampianarana io, ary taty aoriana rehefa niditra tao anatin'ny fivavahana kristianina ny "romana" dia nanomboka very ary tsy hita intsony ILAY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA.......

Tsy misy olombelona afaka hilaza fa mahay an'io fampianarana io, Jesosy irery sisa no mahafantatra ny antsipirihiny.....

[url=http://..org//message/m547a02dae5dfe]« Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. » (Matio 15:6)
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Marka 7:7)
Ankehitriny niverina indray i Jesosy ary nampianatra toy ny nampianarany fahiny....Tsy miova fa io fampianarana tsy misy kilema io no ampianariny.....

Mampianatra ihany koa IZY NY BOKIN'NY APOKALIPSY (izay faminaniana ny amin'ny ho avy eo amin'ny tantarampivavahana sy eo amin'ny tantaran'izao tontolo izao......)

Io fampianarana tsy misy kilema io no zavatra faharoa takian'Andriamanitra amin'ny olona,

HIVERINA INDRAY AMIN'ILAY FAMPIANARANA FAHINY......HIALA AMIN'IREO DIDY MARO IZAY NATSOFOKY NY OLONA TATY AORIANA FA HIVERINA AMIN'NY DIDIN'ANDRIAMANITRA DIA IZAY VOASORATA AO ANATY BAIBOLY IHANY......

« Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. » (Matio 15:6)
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Marka 7:7)
[/curl]

KOA DIA ANTSO NO ATAO HO ANTSIKA REHETRA TSY ANKANAVAKA.....
TENA MISY ANDRIAMANITRA ARY I JEHOVAH ANDRIAMANITRA NO IZY ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY ILAY NAMORONA NY ZANAK OLOMBELONA......MATAHORA AZY MIANKOHOFA EO ANATREHANY!!! OMEO VONINAHITRA IZY!!! MIANARA NY SITRAPONY REHETRA ARY TANTERAHO IZANY SITRAPONY IZANY.....


18. RBNIR ( 21/09/2016 02:38)
ITY MISY OLONA IRAY NOFIDIN'I JESOSY MBA HAMPIANATRA ANTSIKA ILAY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA......
HO HITANAO MAMPIANATRA ISA-MARAINA AO AMIN'NY TELEVIZIONA KOLO TV SY I BC IZY MANOMBOKA AMIN'NY 5ORA SY SASANY KA HATRAMIN'NY 6 ORA MARAINA.....EFA HITA AMIN'NY CANAL SAT KOA RAHA TSY MISY NY FIOVANA

19. endriny ( 21/09/2016 05:03)

rhaj0:



Ny mampalahelo amin'ity dia ilay olona tena ohatran'ny mora voarebireby izany.

Hany ka na I Bolo aza nilaza mihintsy hoe: "Na dia tsy tanteraka aza ny famianiana maro nataony dia mbola maro ihany ny mpanaraka azy"

Mikipy maso fotsiny ry zareo dia manao amen

dia elefany amin'ny mivola ny 1/10
20. RBNIR ( 21/09/2016 07:49)
endriny:

rhaj0:



Ny mampalahelo amin'ity dia ilay olona tena ohatran'ny mora voarebireby izany.

Hany ka na I Bolo aza nilaza mihintsy hoe: "Na dia tsy tanteraka aza ny famianiana maro nataony dia mbola maro ihany ny mpanaraka azy"

Mikipy maso fotsiny ry zareo dia manao amen

dia elefany amin'ny mivola ny 1/10

Marina daholo ireo fanamarihina ireo
1 « Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. » (Deot.18:22)

Rehefa tsy tanteraka ny faminaniana 1 dia tsy avy amin'i Jehovah izy izay...

2 - « Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. » (Malakia 3:10)

Raha io faharoa io dia mila "entina mankao amin'ny trano firaketan'Andriamnaitra ny fahafolokarena, Izany hoe mila mivavaka ianao dia manatitra azy any amin'ilay trano firaketana.....

Koa tadiavo ilay tsy misy kilema e, any tsy misy olona mahasahy maminany diso izany fa heloka eo anatrehan'Andriamanitra izany,.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9228