TENA MISY V ANDRIAMANITRA???? RAHA MISY IZY DIA IZA ILAY TENA MARINA??? ARY INONA NO TAKIANY AMINTSIKA???

41. RBNIR ( 27/09/2016 16:18)
1 Izaho tsy nilaza mihitsy hoe nofoanan'i Jesosy ny Testameta Taloha fa hoy i Jesosy...
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)
42. RBNIR ( 27/09/2016 16:19)
2 toko sy andininy mazava no nentiko teto izay manaporofo fa Jesosy dia nitaona ny olona marina tokoa hanao ny ampahaolokarena...
43. RBNIR ( 27/09/2016 16:19)
3 ny resatsika dia hoe taiza i Jesosy no nilaza fa Jesosy nampanao ampahafolokarena fa tsy taiza i Jesosy no naniraka ny olona hanangombola....
44. rhaj0 ( 27/09/2016 16:41)
Ka i Jesosy izany TSY nanangona, na koa, TSY nampanangona 1/10-karena ho an'azy, na ho @ Fampianarana ameny eee...

Dia rehefa eto ihany, dia i Jesosy koa dia niangona tany @ sinagaogy.

Izany no nataon'ny "mpampianatra mahay"... fa ny "mpianany" (tsisy kilema) kosa nanao inona hoy ianao?


esy e ry RBNIR... TSY ny nataon'i Jesosy no ataonareo, nefa ianareo sy Herinirina @ io mihambo ho "tsisy kilema", fa ny resaka tantarain'ny mpitaty ra-kena (toa anareo) no ataonareo. Bravo.. bravissimo...
45. RBNIR ( 27/09/2016 17:19)
tsy iverenako intsony ilay 1/10 karena satria efa tokony hazava ilay izy: Jesosy dia namporisika ny olona hanantanteraka izany....

Inona moa ny sinagoga? valiny : fitoerana fivavahana....Isaky ny inona no fandehanana any? Isaky ny sabata...

Inona ny fahadisoana rehefa mankany amin'ny fitoerana fivavahana rehefa Sabata?
« Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. » (Asa.16:13)
46. rhaj0 ( 27/09/2016 18:08)
Ka raha ireny sekta adala sy katsentsitra mpanambaka ny namany ireny anie no maka ilay 1/10-karena, dia ... izay azany no paik'adiny, satria izy TSY @ ilay hoe "tsisy-kilema". Fa ianao sy Herinirina dia mizihijihitra @ ity "tsisy-kilema" ity, hoe, "fampianarana direct" sy "resaka direct" avy @ Jesosy ny anareo.

Nefa izany, TSY ny nataon'i Jesosy no ataonareo fa ilaozanareo mikatsentsitra ny 1/10-n'ny nisasaran'ny olona ao fotsiny koa, dia mody hoe, "resaka finoana" io... mba itelomanareo mora ny hatsembohan'ny olona.

Marina mafy ry RBNIR, dia tsy menatra ve ianao, tsy manaikitra ve ny sainao, hoe, mikirakira ity vola nisasaran'ny olona ao; nefa izao mety tokony mba ramanonaka kely ho an'ny ankizy, dia pasopasohanao mpitam-bola ao fotsiny ireto volabe???


Dia TSY mba nampianarin'i Jesosy (direct) ny mba mankany @ Sinagaogy koa angaha ilay mpianatra mahay, dia Herinirina, ao? Sa i Jesosy ilay karazan'ny hoe.. "aza ny ataoko no atao, fa ny saimpantatrareo no atokiso"??
47. RBNIR ( 28/09/2016 17:26)
rhaj0:

Ka raha ireny sekta adala sy katsentsitra mpanambaka ny namany ireny anie no maka ilay 1/10-karena, dia ..

Fomba fijerin'ny olona ety ivelany io, fa matoa ny olona mijanona ao anatiny ao tsy adala akory izy....
48. rhaj0 ( 28/09/2016 18:41)
Eny ho'a ee... aleon'ilay olona manome ny vola ho an'ilay mpitarika sekta, toy izay manome ramanonaka an-janany.

Ity indray fanontaniana ry RBNIR mba "valio valim-panontaniana" :
- i Herinirina ve mba manana asa raikitra fidiram-bola hamelomany ny tenany ???
- Sa mivelona @ ramanonaky ny Ankizy fotsiny izy ao??
49. RBNIR ( 29/09/2016 02:38)

rhaj0:

Eny ho'a ee... aleon'ilay olona manome ny vola ho an'ilay mpitarika sekta, toy izay manome ramanonaka an-janany.

Ity indray fanontaniana ry RBNIR mba "valio valim-panontaniana" :
- i Herinirina ve mba manana asa raikitra fidiram-bola hamelomany ny tenany ???
- Sa mivelona @ ramanonaky ny Ankizy fotsiny izy ao??

Raha nanaraka tsara ilay fanazavana tery ambony ianao (fa tsy nanao tsinontsinona)
Tokony ho tsapanao fa raha tena olona matahotra an'Andriamanitra marina izy dia tokony nanaja ilay tenin'Andriamanitra he tsy manana anjara amin'izao tontolo izao intsony ianareo fa IZAHO no mamelona anareo......
50. rhaj0 ( 29/09/2016 10:24)
esy e ry RBNIR, ka dia
- TSY mividy ramanonaka (@ volany) ho azy izany i Herinirina, fa
- ny ramanonaky ny ankizy no hohanin'i Herinirina eee...
- dia lazain'i RBNIR eto fa "IZY Andrmntra no mamelona an'i Herinirina",
- nefa i RBNIR mpitam-bola no mividy ny ramanonaka,
- @ vola izay avy @ ireo 1/10-karenan'ny olona,
- olona efa mahantra, nisasatra sy nitsemboka, nefa nihafy tsy mahavidy ramanonaka ho an-janany akoriny

Ka Voninahitra sa Henatra no ho anao sy Herinirina @ io ry RBNIR ???
51. RBNIR ( 29/09/2016 16:07)

rhaj0:

esy e ry RBNIR, ka dia
- TSY mividy ramanonaka (@ volany) ho azy izany i Herinirina, fa
- ny ramanonaky ny ankizy no hohanin'i Herinirina eee...
- dia lazain'i RBNIR eto fa "IZY Andrmntra no mamelona an'i Herinirina",
- nefa i RBNIR mpitam-bola no mividy ny ramanonaka,
- @ vola izay avy @ ireo 1/10-karenan'ny olona,
- olona efa mahantra, nisasatra sy nitsemboka, nefa nihafy tsy mahavidy ramanonaka ho an-janany akoriny

Ka Voninahitra sa Henatra no ho anao sy Herinirina @ io ry RBNIR ???

Raha tsy mipetraka eo amin'ny toeran'ireo mpino dia tsy hahazo an'io mihitsy......
52. rhaj0 ( 29/09/2016 17:11)
Raha ny fahazoako ny valintenin'i RBNIR izany, dia miaiky i RBNIR fa:

1- TSY manana asa raikitra ho an'ny tenany i Herinirina
2- ary velomin'ny vola angomin'i RBNIR, vola izay avy @ 1/10-karenan'ny mahantra.

Izay TSY mahazo (mi-compr) an'izany dia "tsy-mpino"... tahaka anao RBNIR. Ianao moa, araka ny fitantaranao, dia ilay tara be an'i Herinirina, hoz'ianao, rahefa nijery KoloTV t@ 5:00 maraina, satria avy nikotrika toaka dia tsy nahita tory ny alin'iny.


Fa asa ho'a, taiza no mba nianaran'i Herinirina izany paikabe izany, hoe, tsy mila manana asa raikitra, fa velomim-potsiny rahefa mi-wa-wa-wa.

I Jesosy ve no nampianatra azy (direct) an'izany???

Kanefa, i Jesosy angaha nihinana ny ramanonaky ny Ankizy fony nampianatra ry RBNIR???


Eritrereto tsara eee... eritrereto tsara ao..

Dia eritreritra(o) tsy voakaikitra @ izany ve ry RBNIR tsy efa maty hozatra aaa ....
53. RBNIR ( 29/09/2016 19:23)
rhaj0:

I Jesosy ve no nampianatra azy (direct) an'izany???

Kanefa, i Jesosy angaha nihinana ny ramanonaky ny Ankizy fony nampianatra ry RBNIR???


« Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Kor.9:14)


54. rhaj0 ( 29/09/2016 19:59)
i Paoly no namaritra (rambon'osy) ny @ io ry RBNIR.

Ny fahatakarako ny tantara, dia i Jesosy dia amen'olona sakafo rahefa mandalo. I Jesosy dia nasain'olona (inviter) mba hisakafo rahefa fety. Ary vao mainka azany hono, Izy mamahana ny 5000, na koa mamadika ny rano ho lasa pi.

Fa mbola tsy nahare aho hoe, i Jesosy dia n(amp)anangona vola, n(amp)anao levEe de fonds mba ihinanany sy ivelomany. Amoahy toko aman'andininy mitantara ny fiainan'i Jesosy manao an'io hoe ry RBNIR, raha tena mahay Baiboly ianao : Amoahy toko aman'andininy mitantara ny fiainan'i Jesosy m(amp)anangona vola, fa tsy toko aman'andininy tsindrotsindrohana eny ho eny fa mampety ny baolina. Satria ianao sy Herinirina mizihijihitra hoe, miresaka DIRECT @ Jesosy.

Fa raha tsy mahita ianao, dia tsy haiko ho'a hoe, aiza ho aiza ity Herinirina (mpandainga) ity no mahazo fampianarana direct avy @ Jesosy, ary dia tsy menatra ny manao ity manambaka ny gasy mahantra mba hanome ny 1/10-karena, mba ivelomana sy igalabonan'i Herinirina.

Sa tena nibitsihan'i Jesosy (direct) tao ve ho'a i Herinirina hanao an'io "maka volan'olona io mba ivelomana"??

55. RBNIR ( 29/09/2016 20:09)
« Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo. » (Jaona 13:29)


Martin Bible
Car quelques-uns pensaient qu'à cause que Judas avait la bourse, Jésus lui eût dit : achète ce qui nous est nécessaire pour la Fête; ou qu'il donnât quelque chose aux pauvres.

Nanana kitapom-bola (bourse) Jesosy ary nampitondraina an'i Jodasy izany...
56. RBNIR ( 29/09/2016 20:14)
Avy aiza marina tokoa moa ireo vola nampitondraina an'i Jodasy (ry zareo toa mpandeha hotely sy mpiditra trano fandraisambahiny ihany???? ary mpiondrana antsambokely (misy vola daholo izany).....
57. rhaj0 ( 29/09/2016 20:40)
Matio 17:24-28
... mankanesa ao amin’ ny ranomasina hianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo hianao;


---> any am-bavan'ny hazan-drano ny volan'i Jesosy :-)

Ka mahavita an'izany koa ve ny mpianatra mahay Herinirina???

Mba tsy ny ramanonaka tokony any am-bavan'ny Ankizy no alain'i Herinirina... am-pinoana???
58. RBNIR ( 29/09/2016 20:48)
rhaj0:

Matio 17:24-28
... mankanesa ao amin’ ny ranomasina hianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo hianao;


---> any am-bavan'ny hazan-drano ny volan'i Jesosy :-)

Ka mahavita an'izany koa ve ny mpianatra mahay Herinirina???

Mba tsy ny ramanonaka tokony any am-bavan'ny Ankizy no alain'i Herinirina... am-pinoana???

Izany an? tadidinao moa tamin'ny Jesosy teraka?
Nisy magy nanatitra fanatitra ho an'ilay Zaza kely? « Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora. » (Matio 2:11)
59. RBNIR ( 29/09/2016 20:49)
Otran'izany no fomba fiasan'Andriamanitra rhajo, mampiasa olona IZY hanasoavany ny mpanompony.....
60. rhaj0 ( 30/09/2016 02:12)
ireo mahantra gasy ambakainareo ve mbola manome volamena koa, eo ambonin'ilay 1/10-karena??? Satria izany ny ohatra ao @ Baiboly velabelarin'i RBNIr eto???

he he he.. nefa anie ka ilay magy dia mpanankarena eee.. Ilay gasy, na ny zanany aza ho'a tsy mahazo ramanonaka, fa i Herinirina no bolangina miha-bolangina miseho ao @ KoloTV io.


Mba loza mihintsy ilay RBNIR ity kah... tsy mba ilay tantara sy toko aman'andininy mitatitra ny resak'i Jesosy hoe, "ampazahoy ny mahantra", TSY mba ireny ho tanisain'i RBNIR, fa ilay hanamarinany ny @ izy RBNIR sy Hernirina mikatsentsitra ny hatsembohan'ny mahantra foana no asesik'i RBNIR eto.

Ao ianao sy ny eritreritrao izany, f'izaho ve moa afaka haninona?..

Dia hono ho'a, tsy mibitsika anareo ve i Jesosy ao hoe, ajanony faty any ity maka 1/10-n'ny fisasaran'ny olona ity, fa "mandehana manjono"??? (Matio 17:28)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3139