TENA MISY V ANDRIAMANITRA???? RAHA MISY IZY DIA IZA ILAY TENA MARINA??? ARY INONA NO TAKIANY AMINTSIKA???

21. rhaj0 ( 21/09/2016 16:24)
RBNIR:
Rehefa tsy tanteraka ny faminaniana 1 dia tsy avy amin'i Jehovah izy izay...

ntss... i Herinirina izao, profeta #12 hono, dia efa nirahin'i Jesoa "hanasitrana" koa, fa TSY mahasitrana izany ilery eee... Aboahy eto indray ange ilay toko aman'andininy, ilay tezitra be i Jesoa fa TSY mahavita azy ireo mpianany, nefa efa isan'andro mianatra avy @ "mpampianatra mahay".

Averina indray ny salanisa eraky ny gazety, fa eo @ viavy-am-piterahana 1 @ 10 dia dangy, zaza gasy 10 isa-minitra no mitsitra... Aiza i Herinirina @ izany? AIZA ???

Ilaozan'i Herinirina mi-wa-wa-wa ao @ KoloTV isan'andro, fa tsy ny tokony ataony no tokony ataony.

esy e ry RBNIR...
22. RBNIR ( 22/09/2016 03:09)
Faminaniana tsy tanteraka no resahiko, zavatra hafa no resahin'i rhajo....

Raha azoko tsara ianao io izany mety nangataka tao fa tsy nahazo????


« Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. » (Hebreo 11:6)

1- Raha tianao hotanteraka ny zavatra angatahanao dia mila MINO FA MISY IZY ALOHA
2- Mazoto mitady AZY....

Ka dia ianao ihany ange dia tokony hahafantatra ny antony tsy nahazoanao rhajo e.....

Izaho manokana moa dia efa nanao temoinage teto....
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f27eb8ce4cd6
23. rhaj0 ( 22/09/2016 11:27)
RBNIR:
Faminaniana tsy tanteraka no resahiko, zavatra hafa no resahin'i rhajo....

Tsy azo raisina ho "faminaniana" ve ilay hoe, hisy izany ary nisy tokoany, ny hoe, Herinirina, profeta #12, izay afaka ny manasitrana koa, satria miresaka mivantana @ mpampianatra mahay ?

Fa na hors-sujet azany aho e... mba valio koa hoe io resaka io fa tena mba mahaliana.. Hoe:
kay i Herinirina profeta #12 TSY mahay manasitrana akoriny, nefa efa miresaka direct @ mpampianatra mahay ao foana, fa ilaozany mi-wa-wa-wa isan'andro atsy @ KoloTV, azahoany ny 1/10-karenan'ny olona fotsiny... i RBNIR @ io no mpitam-bola.
24. RBNIR ( 22/09/2016 15:53)
manomboka tsy mahita hevitra intsony v rhajo dia manomboka mitady hirika indray hanaratsiana an!!!
25. rhaj0 ( 22/09/2016 16:26)
hi hi hi.. tsy i RBNIR ihany ve no niteny hoe, tena ao anatin'ny "faminaniana" ny maha-profeta #12 an'i Herinirina ao eee... Dia tsy i RBNIR ihany ve no niteny hoe mpitam-bolan'i Herinirina ao koa eee... Dia i RBNIR ihany koa no niteny fa TSY mahasitrana i Herinirina (raha tsy hoe, tena mpino-BE ilay marary, ary ny io finoany io no mahasitrana azy)

"zava-misy" ireo fa tsy "fanaratsiana" eee...

Fa i RbNIR ihany moa no mahita fa "ratsy" ilay izy, ka dia... averiko indray mba tsy ho adinon'i Fara sy i Dimby eee...

kay i Herinirina, profeta #12, TSY mahay manasitrana akoriny, nefa efa miresaka mivantana @ mpampianatra mahay ao foana, fa ilaozany mi-wa-wa-wa isan'andro atsy @ KoloTV, azahoany ny 1/10-karenan'ny olona fotsiny... i RBNIR @ io no mpitam-bola.

Raha misy diso ny ampahany @ io paragraph io dia potseho eto azany ry RBNIR aaa.. Raha tsy maha-potsika ianao, dia efa kOpy daholo ny olona izany eee... Fa dia ao ianao sy ny talentanao ry RBNIR...
26. RBNIR ( 22/09/2016 16:43)
rhaj0:

Raha misy diso ny ampahany @ io paragraph io dia potseho eto azany ry RBNIR aaa.. Raha tsy maha-potsika ianao, dia efa kOpy daholo ny olona izany eee... Fa dia ao ianao sy ny talentanao ry RBNIR...

Tsy mandainga ity tenin'Andriamanitra ity, « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)
27. rhaj0 ( 26/09/2016 18:45)
hozy ny Rakibolan'i Hery (http://www.rakibolana.org)

Dikan'ny teny : fahamarinana
1 (marina) a. : Ny rariny, ny hitsiny, ny mari-na : Manaoua ny fahamarinana mandrakariva. ? Toetran' ny olona antsoina hoe mari-na, izany hoe : tsY mandainga, tsy mamitaka : Nitsotra tamim-Pahamarinana izy fa naka iiay omby; / tsY manambaka fa manao ny rariny, ny hitsinY : Oiona mahalala ny fahamarinana ny mPamPiasa anaY.



Ka hono ho'a ry RBNIR.. "katsaho aloha ny fahamarinana" hozy i Matio. Ka tena @ rariny sy hitsiny ve ny fandoavan'ny olona (ho anareo) ny 1/10-karenany ao? (ianao @ io mpitam-bola mahita ny fandehany).

Ary i Jesosy koa ve k'lou nangataka ny 1/10-karenan'ny olona faha-velony ???
28. RBNIR ( 27/09/2016 02:59)
Raha ny momba ny fahafolonkarena dia izao no azoko resahina rhajo:

Ny lalàna dia nosokajian’Andriamanitra maromaro :
Ohatra : nisy tamin’izy ireny ny atao hoe lalàna nateraky ny fandikan-dalàna : Raha nandika lalàna iray ianao dia misy lalàna iray hafa nomen’Andriamanitra hampiarina aminao (ohatra : raha mijaganjanga ny olona iray izany hoe nandika ny lalàna hoe aza mijangajanga dia tratran’ilay lalàna atao hoe fitorahambato).
Ny fahafolokarena dia anisan’ny tafiditra ao amin’ny sokajin-dalàna atao hoe : lalàna momba ny fahatokiana ara-tsaina (loi pour l'infidélité morale).
Ity sokajin-dalàna ity dia nentin’Andriamanitra hizahana toetra ny olona raha mahatoky any amin’ny takona ilay olona na tsia. « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra antampon’ny loha ».
Ianao sy Andriamanitra irery tokoa mantsy no mahita amin’izay fotoana izay. Tafiditra amin’ireny lalàna ireny ny fahafolokarena (ianao sy Izy irery ihany no mahafantatra raha tena nandoa ny ampahafolony marina ianao na tsia).
Misy ny sokajin-dalàna efa nofoanan’I Jesosy Kristy Tompo (ohatra ny fitorahambato voalaza ery ambony. Vakio ato ny tantaran’ilay vehivavy janga tratra ambody omby.
Nofoanan’I Jesosy Kristy Tompo teo araka izany ny lalàna rehetra ateraky ny fandikan-dalàna.
Ny fahafolon-karena hoy aho dia tafiditra ao amin’ amin’ny sokajin-dalàna atao hoe: lalàna momba ny fahatokiana ara-tsaina (loi pour la fidélité morale).
Mbola mahasarotiny an’Andriamanitra v io sokajin-dalàna iray io sa tsia? Vakio ato ny tantaran’I Ananaiasy sy Safira vadiny.
Tena mbola takian’Andriamanitra tokoa ilay atao hoe fidélité morale na fahatokiana ara-tsaina (matoky any amin’ny takona) Tsy mijery ny lohasaha mangina fa Andriamanitra an-tampon’ny loha no jerena.
Mbola mitoetra tsara araka izany ny lalàna momba ny fahafolon-karena.
Ho an’iza moa ny fahafolokarena?
« Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hœ: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy. » (Nom.18:24)
1- Aterina ho fanatitra (tsy entina any amin’ny toerana hafa fa ao an-tranon’I Jehovah atao fanatitra)
2- Ho an’ny taranak’I Levy (ho an’ny taranaka efa voatokana ho mpisorona ho an’Andriamanitra fa tsy atao amin’ny zavatra hafa akory). Toy ireo Pasteur sy pretra ankehitriny.
Ireny olona ireny dia tsy mba manana anjara intsony amin’ny fitadiavana misy eto amin’izao tontolo fa efa natokan’Andriamanitra ho mpisorony izy ireny.
Ary Jesosy mihitsy aza dia nilaza nandidy hoe. « Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Kor.9:14)

Koa diovy ny fontsika ry namana malala isany, aza malady mitsara fa diniho raha sitrapon’Andriamanitra marina ny zavatra iray na tsia vao mitsara isika.
29. rhaj0 ( 27/09/2016 03:45)
hi hi hi... efa hoe 'ndana maka paozy fa siorimenehy :-)
RBNIR:
Ny fahafolokarena dia anisan’ny tafiditra ao amin’ny sokajin-dalàna atao hoe : lalàna momba ny fahatokiana ara-tsaina (loi pour l'infidélité morale).
(..)
Ny fahafolon-karena hoy aho dia tafiditra ao amin’ amin’ny sokajin-dalàna atao hoe: lalàna momba ny fahatokiana ara-tsaina (loi pour la fidélité morale).

Fa nangataka ny 1/10-karena ve ho'a ny mpampianatra mahay eee... Sa ny mpianatra mahay ihany no mitady an'izany.


Io ry RBNIR dia namorona system-na taxation teo ny olombem-baiboly tao aa... izao efa 2016 ny taona, ary ny taxation dia TSY i pretrabe intsony no manangona fa Rafanja. Ary ny taxation angomin-dRafanja dia @ ilay principe hoe, "No Taxation Without Representation". Izany hoe, raha mandoa Tax ny olona, dia ilay mikarakaraka azy dia olona ni-representer azy (no-voter-ny).

Fa TSISY takatry ny hoza-dohan'ny olombem-baiboly taloha daholo izany eee... Fa ny azy dia "itokio" fotsiny (fidelitehy moraly hono). Fa izay no t@ izany, nefa ve dia mbola taritaritina foana h@ izao ve izy ity ee??

Eny satria mba misy ihinanan-dry Herinirina (sy ny mpitam-bolany) eee... Sa diso aho?
30. endriny ( 27/09/2016 04:53)
Ataon'i Mr Bean fihomehezana fotsiny
31. RBNIR ( 27/09/2016 04:58)
rhaj0:

Eny satria mba misy ihinanan-dry Herinirina (sy ny mpitam-bolany) eee... Sa diso aho?

Resaka finoana io rhajo a! mazava B ireo tenin'Andriamanitra ireo ka na ianao mino ny baiboly dia manantateraka na ianao tsy mino dia afaka tsy manantanteraka ilay izy koa fahatokiana ara-tsaina (ianao sy Andriamanitra no mifankahita amin'io) Ahoana moa no ahafahana manamarina fa tena 1/10 marina no narotsakao????

Ka izay ilay izy: tsy misy fanerena fa dia anjaran'ny tsi11 io : matahotra an'Andriamanitra v ianao? manantanteraka no mety, tsy matahotra kosa? afaka ny tsy manantanteraka ianao nefa mba henoy ihany ireo mikiakiana mafy milaza manao hoe TENA MISY ANGE HOY AHO ANDRIAMANITRA E!!!
32. tealala ( 27/09/2016 05:19)
Fa i pastera Herinirina Fitiavana izany taranak'i Levi?
aiza mo no misy hoe rava ny didy da afaka mahazo 1/10 na tsy Levi aza ?
sa ve hoe 1/10 ho an Jesosy ny raisin i pasitera? dia an Andriamanitra tena izy ny a Levi
33. RBNIR ( 27/09/2016 06:20)
tealala:

Fa i pastera Herinirina Fitiavana izany taranak'i Levi?
aiza mo no misy hoe rava ny didy da afaka mahazo 1/10 na tsy Levi aza ?
sa ve hoe 1/10 ho an Jesosy ny raisin i pasitera? dia an Andriamanitra tena izy ny a Levi

Efa nazavaiko kosa io tealala,
Ny fahafolokarena dia natao ho an'izay olona mpanompon'Andriamanitra efa voatokana ho Azy,

Tamin'ny andron'ny Israely dia ny taranak'i Levi no voatokana tamin'izany fa talohan'ny Taranak'i Levi efa nisy ny mpisoron'Andriamanitra ary efa nandray ny ampahafolony ireny mpisorona ireny...

Ohatra i Melkizedeka izay mpisoron'ny Avo indrindra izao dia efa nandray ny ampahafolony tamin'i Abrahama koa...
« Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy 14:18)
« Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; » (Genesisy 14:19)
« Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. » (Genesisy 14:20)


Ary i Jakoba koa dia efa nanome ny ampahafolony ho An'Andriamanitra ihany koa....

« Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako, » (Genesisy 28:20)
« ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, » (Genesisy 28:21)
« ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony. » (Genesisy 28:22)

Ny fanomezana ny ampahafolonkarena ho an'Andriamanitra araka izany dia fampianarana efa napetrak'Andriamanitra efa hatramin'ny taloha indrindra fa nosoratana kosa izy taty aoriana tamin'ny andron'i Mosesy....

P.S : tsy ny ampahafolonkarena ihany fa misy ihany koa didy hafa toy ny Sabata, tsy fihinanana hanina tsy madio sns.......Ireny dia efa fampianarana nomen'Andriamanitra ny olona taloha B fa nosoratana fotsiny ireny taty aoriana dia otran'ny hoe ny Israely no Tompony....
34. tealala ( 27/09/2016 06:37)
mazava ny tanao ambara ry RBNIR, taloha dia ny mpisorona aveo ny Levi ary farany ny olona mpanompo
35. RBNIR ( 27/09/2016 06:43)

tealala:

mazava ny tanao ambara ry RBNIR, taloha dia ny mpisorona aveo ny Levi ary farany ny olona mpanompo

Izay indrindra tealala, fehiny olona efa voatokana ho an'Andriamanitra (tsy manana anjara intsony amin'izao fiainana izao fa dia Andriamanitra no mamelona azireo....
36. rhaj0 ( 27/09/2016 12:40)
rhaj0:
...mba misy ihinanan-dry Herinirina (sy ny mpitam-bolany) eee... Sa diso aho?
RBNIR:
Resaka finoana io rhajo a! mazava B ireo tenin'Andriamanitra ireo...

ntsss... tenin'IZA ilay izy ry RBNIR? ngo dia tenin'ilay sekretera fotsiny? sekretera mitapy masinina tsisy masinina?

Fa araho tsara ny fitantaran'i Sekretera eee... averiko indray fa hotry ny lalodalovana (sa siorimenehy) i RBNIR :
naka dia nanangona ny 1/10-karenan'ny olona koa ve i Jesosy???

Asio toko aman'andininy raha tena marina io ry RBNIR aaa...
37. RBNIR ( 27/09/2016 13:36)
« Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana. » (Lio.11:42)

Raha vakiana tsara io tenin'i Jesosy io dia ekena fa nahavita nandoha ny faran'ny bitika tamin'ny fandoavana ny fahafolonkarena ny fariseo nefa nolalovanizireo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra izay tokony ho natao ihany koa na dia tsy tokony navela aza ny fandoavana ny fahafolonkarena...

42 Mais malheur à vous, pharisiens ! parce que vous payez la dîme de la menthe, de la rue, et de toutes les herbes, et que vous négligez la justice et l’amour de Dieu : c’est là ce qu’il fallait pratiquer, sans omettre les autres choses.

42 But alas for you Pharisees, because you pay your tithe of mint and rue and all sorts of garden herbs and neglect justice and the love of God! These you should have practised, without neglecting the others.

Tsy tokony ho nanadino ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitsarana (fahamarinana) ny fariseo na dia nahavita nandoa ny ampahafolony aza....
38. RBNIR ( 27/09/2016 13:58)
Dia hoy koa i Jesosy hoe : « Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Matio 23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Matio 23:3)


Inona moa no lazain'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo??? tsy ny mitaona olona hanao fahafolonkarena??? Dia hoy i Jesosy hoe : izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo....

Tena nitaona ny olona hanao fahafolonkarena Jesosy rhajo a!!
39. rhaj0 ( 27/09/2016 14:49)
1- f'angaha moa tsy i RbNIR ihany no niteny fa efa nofoanan'i Jesosy (TV) ny revin'i Mosesy (TT)? Sa moa, tsindrotsindrohana indray izay metimety, dia lazaina fa tsy foana ity iray ity?

2- Ilay inference dia anao irery ihany eee... tere-ko masaka toa volobo-jaza

3- Aiza ny toko aman'andininy, mitantara mivantana toatoa ny hoe:
- "Ary Dia Nanangom-Bola i Jesosy",
- na koa toatoa ny hoe "Ary Dia Niteny (Tao @ KoloTV) i Jesosy Hoe, Ameo Ny 1/10-karena"..
40. rhaj0 ( 27/09/2016 14:53)
Ilay ao @ Lioka, dia TSY i Jesosy no "nanangom-bola".

ka rahefa TSY nanangom-bola ny Mpampianatra Mahay, dia inona koa ity ataon'i Mpianatra Mahay ry RBNIR??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1869