fiainana mandrakizay

21. Strong3 ( 03/11/2015 08:21)

rhaj0:

hi hi hi... dia hita tsara koa izany, ary holazaina @ i Fara sy i Dimby mandrakizay eto, fa rahefa hozy ny olona (na Kristiana izy na tsia, tsy any ny resaka), rehefa hozy ny olona hoe:
" Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo"
Dia hozy i Strong3 hoe... "he he.. TSY mahakasika an'i Strong3 sy ny fananany izany eeee..." i Strong3 efa mahita raccourci tsy mila mandalo @ io mitsetra ny malahelo io..

dia mba mamakia tsara hoa izay voasoratr'iny olona fa tsy faly hivanitika fotsiny eo eh!!

__ hoy izaho eo ambony eo; ny fiainan'ny kristiana mihitsy no efa atolony hoan'ny olona rehetra fa tsy ny antsasakin'ny fananany fotsiny ihany.
22. Radavison ( 03/11/2015 10:03)

rhaj0:

hi hi hi... ... hoihouhouououo... mandeha exponentiel izy izany...

Ny fahafatesan'i Jeso Kristy ihany no fototra lehibe sady azo antoka tanteraka ho an'ny famonjena.
Izay fahamarinana rehetra ankoatr'izay dia fanampiny fotsiny ihany mba hitomboana ao anatin'ny fanjakan'Andriamanitra...

afaka adidy aho fa dia anjaranao sy Izy sisa.
Radavison
23. rhaj0 ( 03/11/2015 11:21)
hi hi hi... io miverimberina io, io in-2 io, fa ny nampandroso ny raharaha dia ny fitserana ny "[size=16]MALAHELO[/size]" ... Efa mazava be io ny recette, fa mandalo @ "[size=16]MALAHELO[/size]".. ary tsipihina tsara fa ny "[size=16]MALAHELO[/size]" no ampazahoana, fa tsy i Vatican na ilay mpitarika sekta ao... Tonga dia mandehana ohatra any @ Canal Andriantany dia ampazahoy ireo olona misotro ny riakan-drano ao...

Fa ry Strong3 sy ry Radavison moa, TSY MAHAFOY ny fananambe-ny ao.. asa ho'a mba ahoana ny fananambe-ny ao.. i Radavison izany in-1 mandeha ni-defier ahy hoe, ndao any Sina/Zapana... tonga dia ameo ny "[size=16]MALAHELO[/size]" re izay vola izay eee... i Strong3 hoe olombe-n'Ambohidratrimo ianao ao? tonga dia ameo ny "[size=16]MALAHELO[/size]" ho'a ilay lovabe ao eeee... :-)

ntsss,,, dia mody nasosany ambany tapis izay resaka izay, ary mody hoe ny "fanavotana" dia Jesosy, fa ny resak'i Jesosy dia .. "tsy mahakasika an-drizalahy eeeee"...

MI-BE-BA-HA ho'a fa efa io sirika be io eee....

Na aza mibebaka azany eee... inona tokoany moa no hanarahana ara-baki-teny izay Matio 19:21 sy Lioka 19:2 any izany.. Izaho k'lou dia TSY manaraka eee... Misy mila vola t@ izany fotoan'androny izany, dia mampino anao ny tsy fino ao ... dia mbola ho voajono @ izany ao tokoany koa va ianao?...

24. Strong3 ( 03/11/2015 11:57)

Strong3:

rhaj0:

" Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo"
Dia hozy i Strong3 hoe... "he he.. TSY mahakasika an'i Strong3 sy ny fananany izany eeee..."

__ hoy izaho eo ambony eo; ny fiainan'ny kristiana mihitsy no efa atolony hoan'ny olona rehetra fa tsy ny antsasakin'ny fananany fotsiny ihany.

fa mahazo teny gasy ve nareo ao kanabis ao eh .. toa mamomamo ny teny tsy azo izany hihihi :-)
25. RBNIR ( 03/11/2015 12:08)
Tsara tsipihina ihany...
Fanontanian'ilay olona voaloahany
« Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô*, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?[*Na: (Mpampianatra tsara ô)] » (Matio 19:16)
Inona no ataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay

Valiny:
« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)

Izany hoe inona no atao hidirana ny fiaina? valiny : mitandrina ny didy...

Dia nanontany ireo didy tokony hotandremana ilay ranamana dia namaly i Jesosy,

Dia nitohy ny resaka (dinganiko kely) « Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy? » (Mat.19:20)

Izany hoe efa azon'ilay ranamana izany ny fiainana mandrak'izay satria efa voantandriny ireo didy, saingy mbola mitady ny degre ambonimbony kokoa izy dia ny fahatanterahana....
Teto indray izany izy dia nanontany hoe inona kosa no atao mba hahatanteraka?

Mazava ho azy, izay mangataka no mahazo, izay mitady dia hahita ka dia namaly Jesosy hoe :
« Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. » (Mat. 19:21)

Ka izay ilay hoe aza dia tia manao fanontaniana adaladala otran'itony hoy aho : « Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao. » (Mat.20:21)

Fa sao dia mba omen'i Jesosy an'itony vao tsy hahita hatao...« Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany. » (Mat.20:22)

Izay ilay ataoko hoe ny nify aza tsy misy akory (zaza kely voatavo tsy mifandraka) dia ny fen'akoho BE MENAKA eny antanan'i dadabe no savihina hohanina... TE HOFATY????

MIANARA FA EFA NIVERINA INDRAY JESOSY MAMPIANATRA NY ZAVATRA REHETRA!!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
26. rhaj0 ( 03/11/2015 12:28)
RBNIR:
Mazava ho azy, izay mangataka no mahazo, izay mitady dia hahita ka dia namaly Jesosy hoe :
« Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. » (Mat. 19:21)

Ka izay ilay hoe aza dia tia manao fanontaniana adaladala otran'itony hoy aho...

Izany hoe, ny "anatra" fonosin'ity andininy ao @ Matio ity izany ve ry RBNIR, dia hoe ... ""izay mitady dia hahita...

ka ilay "zatovo" izany mba tia ho "tanteraka".. Ka ianao koa angaha tsy mba mikasa an'izany?? Dia tena tsy "mivavaka" dia mangataka toatoa io "zatovo" io izany ianao ??

Fa (mety) marina ny anao. Ny hotry ry Radavison izany izao, efa "azony, hono, ny passeport", ary dia tsy mi-risque "mangataka" voa tsy hary intsony izy, ngo dia mahazo voa tehamaina... :-)
27. RBNIR ( 03/11/2015 12:29)
Fa efa nolazaiko foana namana rhajo fa misy ny point de départ ary misy ny point d'arrivé, donc misy ny eo anelanelany mbola tsy tapitra ny dia......
28. rhaj0 ( 03/11/2015 12:33)
rhaj0:
" Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo"
Dia hozy i Strong3 hoe... "he he.. TSY mahakasika an'i Strong3 sy ny fananany izany eeee..."

Strong3:
ny fiainan'ny kristiana mihitsy no efa atolony hoan'ny olona rehetra fa tsy ny antsasakin'ny fananany fotsiny ihany.

Bravo Strong3!... deraina sy ankalazaina ianao izany fa, "tena Kristiana", tena manaraka ny fampianaran'i Jesosy, ka "nanome ny antsasa-pananao" in-1 mandeha... Tsy mba sahala @ Radavison efa nahazo ny passeport-ny, asa hoe t@ fomba ahoana...

hi hi hi... ahoana ho'a ilay fananam-be-nao ao izao: misy gaonda misy tri... ampazahoy "antsasany" indray eee... :-)
29. Strong3 ( 03/11/2015 12:50)
mdr... ny finoana ny fanavotan'i Jesosy Kristy no lakilén'i fiainana mandrakizay ary atao amin'ny fitiavana izany araka ny 1Kor 13 , ary ao no milaza mazava fa nadia omeko ny malahelo aza ny fananako reheetra nefa tsy manampitiavana aho dia zavapoana ihany izany

donku , mazava ny fanambarako tery ambony fa tsy miankina amin'ny zany ny famonjena ny kristiana (hoe: omena ny mahantra izany ny fananana,fa io le lazaiko hoe : hoan'ireo jiosy tsy mino an'i kristy no ilazana io rhaj0n'i Jesosy ah)
30. rhaj0 ( 03/11/2015 12:51)
RBNIR:
Fa efa nolazaiko foana namana rhajo fa misy ny point de départ ary misy ny point d'arrivé, donc misy ny eo anelanelany mbola tsy tapitra ny dia.....

hi hi hi.. .tena reviko izany.. io izany ilay hoe, "mahaiza fotsiny maka dern" eeee...

Ny hotry ry Radavison izany, mihevitra izy fa efa nahazo passeport, na koa ry Strong3, efa nanome ny "antsasa-pananay"... nefa "mbola tsy tapitra ny dia"... hi hi hi... "mbola tsy vita oooo".... raha mbola tsy maty ianao dia mbola mihantona ny épée de Damoclès...

Fetsifetsy (ratsy) mihintsy ilay namorona an'ity raharaha manga ity... ampanantenany ampazahoany kely, dia tsy amelany intsony fa tsy maintsy manohy manaraka ao... tena "addiction" giravy be anie izy izany ee... dia io "manamari-tena" amina lojika tordu io daholo nareo rahefa oainina be io... hi hi hi.. reveo ao azany kouh...

31. RBNIR ( 03/11/2015 12:57)
Hazakazaka no atao, mila mahay mihazakazaka koa fa tsy hoe manao hanaina be dia avy dia mora reraka dia avy eo raraka nefa efa voasoratra hoe : « Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. » (Mat.24:13)

Mila mahay mihaino tsaa ny fitarihan'ny FANAHY namana
32. rhaj0 ( 03/11/2015 13:33)
Strong3:
hoan'ireo jiosy tsy mino an'i kristy no ilazana io

letia eee... Ka tena TSY nanome ny "antsasam-pananao" va ianao ry Strong3 sa tsia??...
[size=8]tena politifikana fatsora ilay rangahy 'ty...[/size]

Raha izany, dia marina ny nolazaiko taloha teo..
... mody hoe, lojika be tsy roa aman-tany: ny "fanavotana" dia Jesosy eeee...
Fa ny resak'i Jesosy, dia .. "tsy mahakasika an-drizalahy sy ny fananam-be-ny eeeee"...
33. RBNIR ( 03/11/2015 14:01)
Valaketraka ireo mpianatra (apostoly efa nandao ny zavatra rehetra araka ny Mar.10:28) nandre an'io tenin'i Jesosy io ka hoy izireo tamin'i Jesosy:« Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena? » (Mat.19:25)

Dia hoy Jesosy taminy : « Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra. » (Mat.19:26)

Torohevitra: Aza manohitra tenin'Andriamanitra fa mangataha Aminy fa IZY mahay ny zavatra rehetra....
Aza mora kivin'ny devoly: rehefa lalana tsy maintsy aleha dia mizora foana ihany ary raiso ity teny ity.....« Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona* izy.[*Gr. voavonjy] » (Lio.8:50)

Aza mba naman'izay mihemotra fa hain'i JEsosy ny mitondra an-tsika any amin'ilay fiainana mandrakizay....

34. RBNIR ( 03/11/2015 14:08)
Azon-tsika tohizana anie io teny io e, « Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay? » (Mat.19:27)

Dia namaly azireo Jesosy : « Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana*, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo.[*Gr.fiteraham-baovao] » (Mat. 19:28)
« Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny*, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.[*Ampio hoe: (na vady.)] » (Mat.19:29)

Any amin'ny marka 10:30 ilay hoe handray zato heny dia eto amin'izao fihainana izao....« ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. » (Mar.10:30)

Koa inona moa ny fantiantoka raha manao ilay nasain'i Jesosy atao...Mila mandroso fa tsy kivin'ny devoly ho aho...rehefa tsy vita mangataha Aminy....

35. rhaj0 ( 03/11/2015 14:42)
RBNIR:
« Ary izay rehetra efa nahafoy (..) na ray, na reny*, na zanaka (..) noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.» (Mat.19:29)

Amiko kosany aloha io dia tena "fitiava-tena" comme un boeuf eee...

Hoe, hafoinao ny "ray, reny, zanakao" @ izay ianao "mandova ny fiainana mandrakizay" ???

ntss... te-hiteraka eo, dia avy eo ny tenabe-nao no maha-mendy anao, fa ilay zaza "hafoinao"??
Dia iliay soatoavina Malagasy, manao valim-babena io izany dia ariana eee... fa ilay "fiainaNAO mandrakizay" no zava-dehibe comme un boeuf..

Dia rahefa io koa no ianaran'ny mpitondra sekta, hoe, ndao maraka @ sekta fa avelao any ny "ray, reny sy zanakao", dia avy ho'a ny Kristiana "tena izy" manenjika miaraka @ antsilavany, fanefa... f'angaha tsy Jesosy ihany nianaran'ilay gourou tao eee...

36. bor2lais ( 03/11/2015 14:54)
ramose_gourou:

Dia rahefa io koa no ianaran'ny mpitondra sekta, hoe, ndao maraka @ sekta fa avelao any ny "ray, reny sy zanakao", dia avy ho'a ny Kristiana "tena izy" manenjika miaraka @ antsilavany, fanefa... f'angaha tsy Jesosy ihany nianaran'ilay gourou tao eee...

:-)
Izay indrindra no ampitandremana(y) ny malemy sy ny osa (ara-panahy) satria mampandainga Azy tahaka izao ataon-dramose izao mihitsy ny gourou ...
:-)
37. rhaj0 ( 03/11/2015 15:07)
Tssy azoko ilay hoe "mampandainga Azy".. "izaho" ve no tondroin'i Bor2lais fa "mampandainga"?? "mampandainga" @ ahoana??
Fa ny an'i Bor2lais k'lou efa mahazatra eee... manipy teny toa io, affirmation gratuite, tsisy fanazavana, izany no fomban' i dokotera Bor2lais, satria ... raha zarainy eto ny "fanazavana" dia tsy manana monopole intsony hono izy... dia lanjainy ny orony ao @ 3eme etage ao.. :-)

Fa na izany na tsy izany, dia tena mba z'afady kely k'lou fa izaho dia TSY nampiteny an'i Jesosy resaka hafa mihintsy, fa namerina citation-na toko aman'andininy eto fotisny...

« Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. » (Mat. 19:21)
« Ary izay rehetra efa nahafoy (..) na ray, na reny*, na zanaka (..) noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.» (Mat.19:29)

Dia hoy aho hoe, io no ianaran'ny gourou ary averiny @ "malemy sy osa"..
- "amidio ny fanananao"
- "nahafoy (..) na ray, na reny*, na zanaka"

38. rhaj0 ( 03/11/2015 20:35)
Nahare t@ radio aho vao teo... Ny niresaka dia mpandalina telo : moslimo sy jiosy ary kristiana. Dia ny resaka dia ilay "fiainana mandrakizay"...

Dia niaiky teo zareo telo mianadahy mianaka fa dia "contradictoire", ary tonga h@ hoe, "ridicule" mihintsiny azany, ireo fitantarana ny "misy" rahefa maty, ao @ torah/baiboly/quran ao... hoe, izany paradisa toa barbe-a-papa izany, na koa izany virijiny 12 sa 72 izany...

Ka dia izao ilay spin giladiny be...

... "etat d'esprit" hono no tiaNY ampitaina @ ilay mpitantara/mpanoratra ilay torah/baiboly/quran tao, fa kosa, ilay mpitantara/mpanoratra no nanisy saosy araka ny takatrany tao (araka ny fahalalany sy kolotorany tao)

Ka ohatra hoe..

- amina "etat d'esprit" tena feno henatra (honte) ianao rahefa ilay "tsy avotra" iny.. ary dia hotry ny hoe tourmenté... fa i Jean sy Matio moa dangidangitra tao dia nanampy saosy sakay sy menaka mangotraka...

- Na hoe, amina "etat d'esprit" salanitra ianao, ary voahodidina olona salanitra, rahefa ilay "avotra" iny... fa i Mohamed moa dangidangitra tao dia hoe viavy virijny hono...

Ary rahefa "maty" izany hono, dia ao @ io "etat d'esprit" ao @ izay hono ianao, ary izany dia perpétuellement... fa ny resaka sisa izany dia folklore fotsiny eee.

Dia nihomehy izy telo mianaka mianadahy, fa ny an'ny grika hono, dia ny azy rahefa maty, dia tena neutre tsisy emotion menatra sy/na salanitra izany, fa tena plate eee....
39. RBNIR ( 04/11/2015 06:03)

Salama namana,
Dia mba tena sahy mampianatra zavatra diso koa anie izany milaza ny tenany fa kristianina izany namana rhajo e, amin'izay indray any amin'ny haino amanjery mihitsy????
Dia azy ny azy aloha fa izaho manokana tsy sahy miteniteny foana tahaka izany mihitsy....
40. Strong3 ( 04/11/2015 10:04)

rhaj0:

Strong3:
hoan'ireo jiosy tsy mino an'i kristy no ilazana io

letia eee... Ka tena TSY nanome ny "antsasam-pananao" va ianao ry Strong3 sa tsia??...
[size=8]tena politifikana fatsora ilay rangahy 'ty...[/size]

Raha izany, dia marina ny nolazaiko taloha teo..
... mody hoe, lojika be tsy roa aman-tany: ny "fanavotana" dia Jesosy eeee...
Fa ny resak'i Jesosy, dia .. "tsy mahakasika an-drizalahy sy ny fananam-be-ny eeeee"...

efa tsy ao intsony kou ry ramosé izany ka

raha misy olona tsy mino an'i Kristy nefa te hoanay andanitra dia :
tsy maintsy takiana didy 10 sy ny lalàna 613 izy
ary ambonin'izany dia mamarotra ny fananany ka manome ny antsasak'izany hoan'i malahelo

fa ny an'i kristiana kosa ;
manao ny ainy tsy ho zavtra ka nanolotra ny momba azy rehetra hoam'ny filazantsara sy hoan'i Tompo (fa tsy ny atsasakin'ny fananany fotsiny fa ny momba azy manotolo )

____
« Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. » (Marka 8:34)
« Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. » (Marka 8:35)
« Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? » (Marka 8:36)
« Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? » (Marka 8:37)
« Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina. » (Marka 8:38)

____
« Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. » (Marka 10:28)
« Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, » (Marka 10:29)
« ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. » (Marka 10:30)
« Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany. » (Marka 10:31)

MAZAVA VE rhaj0-kelin'i Jesosy? :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2388