Ny safo-dranon'i Noah

1. rhaj0 ( 07/10/2015 14:19)
Tena mba te-hanampy ny Finoan'i Strong3 ny @ io safo-drano io aho, ka dia inty ny kisary eee...



- ilay "floodgates" etsy ambony, ilay goaka kely, dia iny (gate) no vaky, ary dia tondraka (flood) ny Tany (earth)
- ilay "columns of mountains" @ sisiny roa, dia ireo no nasain'i Noah nojeren'ny voromailala sy ny goaika raha efa maina tanatin'ny 40 andro

Dia rahefa eto ihany
- ilay goaka etsy ambony ankoatry ny "floodgates", dia fidirana any @ paradisa (heaven). I Jesosy izao, nentin'ny rahona, dia tafaporotsaka t@ lavaka iray teo, dia efa any Paradisa
- ila "sheol" itsy ambany tany indray no "Afobe"
- dia ireo kintana (stars) eo ambony Tany ireo, ireo no hiraraka rahefa "tonga ny fara-andro"
- dia ny masoandro (sun) sy ny volana (moon) moa, ireo no noforonin'i Andrmntra ny andro faha-2 (izay moa izy teo?)

novalian'i RBNIR ny 29/10/2015 16:25
2. rhaj0 ( 07/10/2015 15:38)
Ilay... dia aleo tsorina fa rediredin'i Noah anie ka mahatapa-tsinay eee.. Dia hoe, nalahatr'ilery tsiroaroa hono ny biby, hiakatra ny sambo fiara.. Dia mino ery ohatra i Strong3... ntsss... mba efa nampiditra bitro any am-pisoko ve k'lou ho'a i Strong3 eeee... i Jojo lapin ilaozany manenjika bitro vavy atsy anaty akata, koa rahoviana vao milamina dia misesy ny fidirana ao @ sambo fiara ao..

Vao androany indray izao, dia misy an-100 ny especes hita fa .. hadinon'i Noah ny nampiakatra azy t@ sambo fiara
http://www.cnn.com/2015/10/07/asia/wwf-eastern-himalayas-new-species-report/index.html
3. RBNIR ( 08/10/2015 07:27)
rhaj0:

koa rahoviana vao milamina dia misesy ny fidirana ao @ sambo fiara ao..

Rehefa miasa IZY toy ny nataony tato « Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. » (Dan.6:23)
Misy condition ihany anefa IZY vao miasa araka io "satria fahamarinana no hitany tamiko".....

Noa koa nahitany fahamarinana toy izany
« Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. » (Gen.6:9)

Ka mety mbola tsy ao amin-tsika angamba ilay fahamarinana hitany tamin'i Noa sy Daniel matoa isika tsy mbola mahavita otran'ireo???

Tsy fantatro, fa dia antsika no mandinika ny tenantsika aby, fa ilay izy aloha dia tena nisy ary dia olona nahitany fahamarinana no nanehoany an'ilay izy....
4. rhaj0 ( 08/10/2015 10:52)
RBNIR:
« Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. » (Gen.6:9)


Genesisy 9:21 Ary nisotro tamin’ ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.22 Ary hitan’ i Hama, rain’ i Kanana ny fitanjahan’ ny rainy, dia nambarany tamin’ ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.23 Ary nalain’ i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’ izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ ny rainy.24 Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon’ ny zanany faralahy taminy.25 Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon’ ny rahalahiny izy.26 Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.

Fa dia naninona loatrany no nataon'i Kanana eee... inona no "nataony" tamin-drainy izay "lehilahy marina sady tsy nisy tsiny " nefa dia io "mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka" io ??? misy zavatra hafahafa ao, fa tsy nanome details moa ny mpitantara.. fa inona azany no tena mahatezitra be an'i bainina tao nony nisava ny hamamoany... :-)


Fa dia @ anaran'ny Andrmntr'i Sema fotsiny koa moa izany kay ilay ozona be teo io ... hi hi hi .. fa ny Andrmntr'i Kanana izany tsy mahery noho ny an'i Sema... ntsss... aoka ho'a.
5. endriny ( 08/10/2015 11:52)
Atra ange mahavita zavatra mahagaga e... efa nasiany parapluie ngeza be eny amin'ny habakabaka eny dia tsy tondraky ny rano intsony ny tany...

Dia eo ambanin'ilay parapluie nasiany kintana, molecule miodikodina kely be dia be mihantonkantona mba hampandevindrevy tsara ny olona rehefa amin'ny alina...

Mba minoa ihany ho'a ny zavatra tsy voaporofo.

Aleo atao amen Jesosy fa sao misy mitsaika le sakaosy
6. Strong3 ( 08/10/2015 12:27)
>
mba mahatakatra kosa hoa ilay mitsikera bibila ... vita ara-bakiteny ny kisarisary

fa mandrak'ity androany mbola tsy nomarihinao ilay hoe : misy fanahy ve ianao

na hoe inona marina no mampiavaka ny olona amin'ny biby araka ny fikarohana siantifika be fika

.. efa nolazaiko tatsy ambadika tany koa fa mba ataoko eto:
raha hanampy anao kely aho mba ahatonga anao tsy hino mihitsy dia atomboko amin'ity verset iray ity; araka io kisarisary io
« ...Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako ? » (Isaia 66:1)
ka heaven aiza ho aiza eo tokoa moa izao no azo ipetrahana raha mbola hampianao io kisary io rhaj0 ?
fenoy ny mbanga amin'ny sary , fa tsy eo ny mpamorona ... :-)
7. rhaj0 ( 08/10/2015 12:44)
Tsy "ahy" io kisary io ry Strong3 fa an'ny "biblical writers in ancient Israel".. io ilay revy TENA ORIGINEL.. io ilay "tsisy kilema" averimberin'i RBNIR eto lava io.. na koa, io ilay "tena izy" noventesinao taloha ireny. Fa ny sisa taty aoriana, sy izay kisary ao an-tsainao izao isika miteny izao io, dia namboaboarin'ny taty aoriana: novain-dreo ny revy originel... Fa dia ho latsahan'ny varatry ny tompony originel ao ianareo rehetra ao.


Fa mitady ny "mpamorona" ho aseho @ kisary va ianao? ngo dia velezin'ny moslimo extremista virtuellement eo eee..


Fa inty azany ny fanontaniana tsy mety valaka ny @ "fanahy" e... avadibadiho ao k'lou izay tondroin'io rohy ambany io, dia ilazao eto hoe "iza no tianao... Atra sa Siansa"...

http://lmgtfy.com/?q=does+man+have+spirit+and+science
8. Strong3 ( 08/10/2015 13:06)
toa kisary mampihomehy ahy ity kisary originel ity ringahy rhaj0
mba vakio aloha ity
« (Izao no holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho aty ambanin'ny lanitra ireny) » (Jeremia 10:11)
« Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. » (Matio 24:35)

na ny TT na ny TV dia samy milaza ny fampotehan'ny tany ( izany hoe izao voahary hitamaso izao)
ka ahoana ity kisarisary voatambouatany ity ?
sa rehefa levona ilay tany dia ny tavela eo ilay sheol ??? ka hamay intsony izy amin'izany? araka ny kaondisiona fizika .... hihihihih :-)

toa hampivanitika ahy irery ato ampiasana ato koa ilay resaka hihihi
9. RBNIR ( 09/10/2015 05:39)
rhaj0:

Fa dia @ anaran'ny Andrmntr'i Sema fotsiny koa moa izany kay ilay ozona be teo io ... hi hi hi .. fa ny Andrmntr'i Kanana izany tsy mahery noho ny an'i Sema... ntsss... aoka ho'a.

Aza dia tia manome tsiny Azy toy izany namana, isika ange alahatra fa tsy mpandahatra e!
« Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy? » (Isa.29:16)

IZY no mahita fa tsy misy tsiny NOA...Ary IZY no manana ny mizana tsy mandainga namana...
Diniho tsara ange raha tsy mitondra probleme ho anao ianao e raha manome tsiny Azy e, ny mpahary anao no kianinao....
I Joba dia olona iray ity tena nanao ny marina sy nifady ny ratsy ary tena tonga saina tamin'ny nanaovan'Andriamanitra azy ka dia tena nanome tsiny an'Andriamanitra aza...dia nidina mhitsy IZY dia izao no navaliny an'i Joba
« [Ny teny navalin'i Jehovah an'i Joba] Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe: » (Joba 38:1)
« Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana? » (Joba 38:2)
« Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio: » (Joba 38:3)
« Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. » (Joba 38:4)
« Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? » (Joba 38:5)
« Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony, » (Joba 38:6)
« Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra? » (Joba 38:7)
« Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy, » (Joba 38:8)
« Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony, » (Joba 38:9)
« Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana » (Joba 38:10)
« Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao? » (Joba 38:11)
« Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro, » (Joba 38:12)
« Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy? » (Joba 38:13)
« Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra* ny tarehiny, [Heb. fitafiana] » (Joba 38:14)
« Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina. » (Joba 38:15)
« Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina? » (Joba 38:16)
« Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana? » (Joba 38:17)
« Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany. » (Joba 38:18)
« Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina? » (Joba 38:19)
« Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony. » (Joba 38:20)
« Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao! » (Joba 38:21)
« Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra, » (Joba 38:22)
« Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika? » (Joba 38:23)
« Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho ety ambonin'ny tany? » (Joba 38:24)
« Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana, » (Joba 38:25)
« Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina, » (Joba 38:26)
« Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry? » (Joba 38:27)
« Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando? » (Joba 38:28)
« Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy? » (Joba 38:29)
« Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina. » (Joba 38:30)
« Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy? » (Joba 38:31)
« Mahavoaka ny Mazarota* amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao? [Anaran-kintana; ny Zôdiaka(?)] » (Joba 38:32)
« Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao? » (Joba 38:33)
« Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka? » (Joba 38:34)
« Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay? » (Joba 38:35)
« Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho ery an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana*? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon'ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?] » (Joba 38:36)
« Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon*'ny lanitra, [Heb. siny hoditra] » (Joba 38:37)
« Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga? » (Joba 38:38)
« Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora, » (Joba 38:39)
« Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala? » (Joba 38:40)
« Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina? » (Joba 38:41)

(enga anie mba hidina ao an-tranonao ao IZY namana )....
10. endriny ( 09/10/2015 13:04)

RBNIR:

« Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina, » (Joba 38:26)
« Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry? » (Joba 38:27)

Ho tanteraka tokoa anie izany!

Saingy ilay tany efitra hatramin'izao mbola ngazana ihany... efa 3000 aty aoriana
11. RBNIR ( 09/10/2015 13:34)
endriny:

RBNIR:

« Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina, » (Joba 38:26)
« Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry? » (Joba 38:27)

Ho tanteraka tokoa anie izany!
Saingy ilay tany efitra hatramin'izao mbola ngazana ihany... efa 3000 aty aoriana

Aza miandrandra na inona na inona amin'ity tany ity intsony namana endriny, izao no hoavin'ity tany ity « Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Pet.3:10)

Ilay tany vaovao sy ilay lanitra vaovao andrandraina namana, ary ilay tanana masina izay tsy hatao tanana fa nataon'ny tanan'Andriamanitra..
« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apokalypsy 21:1)
« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apok.21:2)

Manaova ny Sitrapon'ny Rain'i Jesosy any an-danitra dia hoazonao izany
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

Ny Tompo anie homba an-tsika!!!


12. endriny ( 09/10/2015 14:49)

RBNIR:

endriny:

RBNIR:

« Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina, » (Joba 38:26)
« Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry? » (Joba 38:27)

Ho tanteraka tokoa anie izany!
Saingy ilay tany efitra hatramin'izao mbola ngazana ihany... efa 3000 aty aoriana

Aza miandrandra na inona na inona amin'ity tany ity intsony namana endriny,


Ary mandainga izany Jaoba hihiihihih

Izaho aloha dia tsy maintsy miandrandra sy miankohoka foana amin'ny tany e... satria raha tsy nisy ny tany tsy velona aho... ahoana hoy I Strong izay ny tany manome tsiro ny zavamaniry, ny zavamaniry manome voankazo (Isambilo e)

Velona aho eto an-tany, maty aho ao anaty tany, miriorio ny fanahiko eto ambonin'ny tany
13. endriny ( 09/10/2015 14:55)
Indray andro hono dia safotry ny rano ny tany. Tamin'izay indrindra dia nandalo ny anjely ka nahita fa sahirana be I Noah amin'ny fitondrana ity sambo feno biby. Ka niantso ny anjely namany ity voalohany mba hitondra fitroka avy any an-danitra. Tonga ireo anjely namany nitondra ny milina fitrohana (fitroka). Natohony tamin'ny tany ny vavan'ny fitroka, ka afaka 7 andro taty aoriana vao nanomboka nisy tendrombohitra nisangasanga teo Tsiafajavona.
14. RBNIR ( 11/10/2015 08:11)
endriny:

Izaho aloha dia tsy maintsy miandrandra sy miankohoka foana amin'ny tany e... satria raha tsy nisy ny tany tsy velona aho... ahoana hoy I Strong izay ny tany manome tsiro ny zavamaniry, ny zavamaniry manome voankazo (Isambilo e)
Velona aho eto an-tany, maty aho ao anaty tany, miriorio ny fanahiko eto ambonin'ny tany

Ny tany anie tsara tany amboalohany e! saingy nohon'ny nataon'ny zanak'olombelona dia voaozona ny tany,
« Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao. » (Gen.3:17)
===>Tsy tokony amin'ny fahoriana no nihinanan-tsika ny vokatry ny tany...

Ny ataon-tsika ihany no nahavoa an-tsika fa tsy tokony hanome tsiny an'Andriamanitra mihitsy isika!!!

Marina foana ity teny ity « Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. » (Ohab.19:3).....
15. rhaj0 ( 13/10/2015 10:47)
RBNIR:
Ny ataon-tsika ihany no nahavoa an-tsika fa tsy tokony hanome tsiny an'Andriamanitra mihitsy isika!!!

Ilay tapany faha-2 aloha, dia anao sy ny finoanao ary ny imagination-nao irery ao.. ataovy ny ataona(re)o, fa tsy mahakasika anay, na ahy izany..

Fa ny tapany voalohany kosa, dia tena miombo-kevitra aminao aho: "Ny ataon-tsika ihany no nahavoa an-tsika" :
- ka tsisy mazia-mirakla-a-la-baiboly eo, ka hoe hanova ny nataon-tsika,
- na hoe, n'inon'inona ataon-tsika, dia misy "sitrapo" imaginaire afaky ny manova ny nataon-tsika


Ka tena tonga @ ilay hiran'ny tanora io frappe-nao io RBNIR aa... "ny ilany fotsiny no mihetsika" :-)
16. RBNIR ( 13/10/2015 10:51)
rhaj0:

RBNIR:
Ny ataon-tsika ihany no nahavoa an-tsika fa tsy tokony hanome tsiny an'Andriamanitra mihitsy isika!!!

Ilay tapany faha-2 aloha, dia anao sy ny finoanao ary ny imagination-nao irery ao.. ataovy ny ataona(re)o, fa tsy mahakasika anay, na ahy izany..
Fa ny tapany voalohany kosa, dia tena miombo-kevitra aminao aho: "Ny ataon-tsika ihany no nahavoa an-tsika" :
- ka tsisy mazia-mirakla-a-la-baiboly eo, ka hoe hanova ny nataon-tsika,
- na hoe, n'inon'inona ataon-tsika, dia misy "sitrapo" imaginaire afaky ny manova ny nataon-tsika
Ka tena tonga @ ilay hiran'ny tanora io frappe-nao io RBNIR aa... "ny ilany fotsiny no mihetsika" :-)

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Raha Kristianina ianao mamaky ity dia hoy aho hoe MIBEBAHA,
Maro ireo sitrapon'Andriamanitra nampianarina anao (tsy fantatro fa anao sy Andriamanitra irery ihany izany) ka hoy aho hoe tanteraho daholo.
Fantatrao v fa azon'Andriamanitra hadinina amin'izany ianao any am-parany any? Aza atao kitoatoa ny fanompoan'Andriamanitra ry namana isany fa izay efa fantatrao dia tanteraho (ianao sy Andriamanitra no mahafantatra hoy aho).
Raha olona tsy mpino an'Andriamanitra kosa ianao na koa finoana hafa ankoatran'ny kristianina no mamaky izao dia hoy aho hoe fantatrao v i JESOSY? Inona no antony nahatongavany tety an-tany?
Maro tokoa ry namana no tsy mino an'Andriamanitra isika (satria tsy hita maso tokoa moa) ary fantatr'Andriamanitra tsara izany ka izay indrindra no nilazany hoe « Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony. » (Isa.7:11)
11 Demande en ta faveur un signe à l'Éternel, ton Dieu; demande-le, soit dans les lieux bas, soit dans les lieux élevés.
Arak’io teny io dia nitsinjo an-tsika Andriamanitra ka niteny IZY HOE mangataha famantarana.
Izao anefa, natahotra ny haka fanahy an’Andriamanitra ny olona tamin’izany fotoana izany I Ahaza mpanjakan’ny Joda no nitenenany tamin’ny alalan’ny mpaminany atao hoe Isaia « Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah » (Isa.7:12).
Ka votratr’izay dia Andriamanitra mihitsy no nanome famantarana ho an’ny olona « Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ? » (Isa. 7:13).
Izany famantarana izany dia tsy inona akory fa : « Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hœ Imanoela [Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isa. 7:14).

Notanterahan’Andriamanitra tokoa ny fanomezana io famantarana io taty aoriana « Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hÅ“: (Mat.1:22)
« Indro, ny virijina hitœ-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hœ Imanoela (Isa.7:14), izany hœ, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Mat.1:23)

JESOSY dia tsy iza fa ilay FAMANTARANA LEHIBE nampanantenain’Andriamanitra ho an’ny olona.

Nanao fahagagana sy famantarana maro tokoa I JESOSY (vakio ny boky Matio, Marka, Lioka ary Jaona ao amin’ny Baiboly) ary tokana ny tanjona dia ny hahafantaran’ny olona fa tena misy tokoa Andriamanitra ka tokony atao ny SITRAPONY REHETRA.

Hoy tokoa mantsy i JESOSY ry namana rehefa nahavita ireo asa lehibe ireo IZY :
« Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona. » (Lio.10:13).
Ny tanjon’Andriamanitra ry namana malala isany dia tokana : hiaiky ny olona fa misy tokoa IZY tamin’ny alalan’ireny famantarana lehibe nataon’i Jesosy ireny ka mba HIBEBAKA AVOKOA HANAIKY SY HANANTANTERAKA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA.
MINOA AN’I JESOSY KRISTY TOMPO!
KOA SAMIA MIBEBAKA AVOKOA OMEO VONINAHITRA ILAY AVO INDRINDRA ARY ATAOVY NY SITRAPONY REHETRA.

Samia ho tahin’ny Tompo ry namana isany
17. endriny ( 13/10/2015 12:03)

RBNIR:

Ny tany anie tsara tany amboalohany e! saingy nohon'ny nataon'ny zanak'olombelona dia voaozona ny tany,
« Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao. » (Gen.3:17)
===>Tsy tokony amin'ny fahoriana no nihinanan-tsika ny vokatry ny tany...


Izay no maha-Atry ny lolom-po an'ity Atrareo ity ry namana a... fahotan'ny olona mpivady tamin'ny 4000 taona lasa no mbola anarahana anay aty aoriana.

Ianao ve mba nahita hoe: "Nisy olona mpangalatra akoho, dia ny zanany sy ny zafikely ihany koa tsy maintsy ajanona any am-ponja"
18. rhaj0 ( 13/10/2015 12:37)
RBNIR:
Raha olona tsy mpino an'Andriamanitra kosa ianao na koa finoana hafa ankoatran'ny kristianina...

hhheeeee... io dia tena ezaka lava reny be mihintsy angamba vao mba mety ho takatr'i RBNIR ny @ ireo olona ireo... Efa hoe TSY toa anao daholo ny olona fa manana ny fi(s)ainana hafa tanteraka...
- eny fantatry ny Moslimo i Jesosy, ary profeta toa ny profeta-be-resaka rehetra ihany izy..
- eny fantatry ny tsy-mpino Jesosy, ary ity akoriny azany ny sariny hoy zareo..



ka io izany no FAMANTARANA hoz'ianao? Dia IZY io no hamonjy ny raolona?? hatrany Amazonia eka hatrany Aostralia ?? sa ho'a ny olona tao Canaan ihany no resaka eo, fa ianao moa misavika lava ho zanak'i Canaan, ary terenao, toa "voalobo-jaza", ho zanak'i Canaan daholo izao tontolo izao, ka dia...
19. RBNIR ( 13/10/2015 12:43)
Adidiko amin'ny maha mpiara-belona io ry namana isany, ary ny zavatra fantatro no mahatonga ahy hitory am-pitiavana fa tsy hoe.....
« Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! » (1 Kor.9:16)

20. rhaj0 ( 13/10/2015 13:04)
Ka toa i Paoly anie io matavy resaka ao @ Korintiana io ee... ianao ve Paoly?

giravy anie izany ny fandraisanareo ilay (tantara @) baiboly izany eee.. hitako ery ny zaza eny @ garabola mi-s'identifier @ heros-ny @ ireny boky ireny.. Fa ny zaza azany ho'a tsy mba mandray ny tenany ho hoe, izy mihintsy ilay heros, ohatra hoe, i Spiderman, ka ndeha hitsambikina varavarankely..

Fa io izany, hotry ny hoe, ianao mihintsy no Paoly, ary ndeha hanao "Paoly mitory ny filazan-tsara" ianao... Tahaka ilay profetanao ao ihany anie kay izany ianao kouh... ilehio indray milaza mihintsy hoe, izy mihintsy no profeta voatondro... Hitako no "mino" azy ery i RBNIR.. Kay ho'a tena ao @ finoan'i RBNIR mihintsy no voakitik'ilay profetan'i RBNIR, dia io RBNIR fa mipapapapa eto io...

aoka ho'a, fa tena lelafin'ny saka ho'a ny faladianao, fa mifohaza RBNIR oooo... efa vita hira anie io ee...

Mifohaza RaBeEniAra Fa Maraina Izany Andro

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4918