Ny safo-dranon'i Noah

21. RBNIR ( 13/10/2015 13:21)
Efa nambarako taminao namana rhajo fa tsy mba tantara no iorenako fa zavatra réel!!!
Misy zavatra fantatro tsy fantatrao, misy zavatra iainako tsy iainanao!!!
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)

REEL io ary tsy ho fantatrao mihisy ny fisiany raha toa ka.......
22. RBNIR ( 13/10/2015 13:28)
P.S : Na dia ny kristianina aza dia vitsy dia vitsy no "mahafantatra Azy" io namana.....
23. RBNIR ( 13/10/2015 13:31)
REEL = AZO TSAPAIN-TANANA tahaka NY FISIANAO SY NY FISIAKO !!!
« Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. » (2 Tim.1:12)
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
24. RBNIR ( 13/10/2015 13:32)
AVERIKO HATRANY ITY FITORIANA ITY TSY MITOVY AMIN'NY FITORIANA REHETRA FA MIORINA AMIN'NY TENA MARINA ARY ANDRIAMANITRA VELONA NO TOMPOINA FA TSY MIANGA AMIN'NY ANGANONGANO AKORY!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
25. endriny ( 13/10/2015 13:56)
Averiko hatrany hatrany fa Andriamanitry ny lolom-po mandrakizay ity Atr'i RBNIR ity
26. Radavison ( 13/10/2015 20:42)
Miarahaba anao Razoky endriny,

Toy izao ny fanazavana azoko omena anao Razoky, raha ny zava-misy no hanaovana fampitahana :
Efa ho ny 100%-n'ny olona no mihevitra fa mora vidy kokoa ny voiture d'occasion satria efa niasa. Kanefa tsy ny fiara efa niasa ihany akory no tratr'io fitotongam-bidy io. Fa mividiana ianao fiara vaovao, ka raha vao vita ara-dalana tsara ny fifampivarotana dia avy hatrany dia amidio io fiara vao novidiana io, eny na dia tsy mbola nanatsofoka ny lakilé akory aza ianao, dia hifohifohy volo ianao raha hatafavoaka an'io amin'izay amidiny nahazoana azy... satria efa sokajin'ny occasion ny anao.
Faharoa : mifanerasera amina mpanakanto hira avo lenta izahay, fa na manao fampisehoana na manao enregistrement tsy misy fausse note mihitsy na kely aza hatrany am-boalohany ka hatramin'ny farany isaka izay hira ataon-dry zareo.
Olombelona aza tahaka izany, mainka va fa izy Andriamanitra? Ny zavatra nataony dia tanteraka tany am-piandohana araka ny voalazan-RBNIR...
Na dia ny lafiny fanabeazana fotsiny aza, tsy tanteraka ny ray aman-dreny, tsy tanteraka ny mpampianantra, vokany misy tsy-fahatanterahana tafampita aty amin'ny taranaka aty aoriana.
Fa ny fahotana angaha moa mijanona fotsiny eo amin'ny hoe tsy-fanarahana ny didy, ka ilazana hoe fahotan'ny tany @ 4000 taona lasa tany? Tsia Razoky an, fa izay "moindre imperfection" (ialako tsiny aloha fa tsy manam-potoana lava be aho hitadiavana izay teny malagasy mahalaza an'io) dia tsy afaka miara-mitoetra amin'Andriamanitra

Mety hiteny ianao hoe "zavatra kely fotsiny anie" dia...? F'angaha moa ireny fiara vaovao mbola any amin'ny concessionnaires ireny misy imperfection na dia kely aza, kanefa zava-bitan'olombelona...?


Veloma sy mahereza Tompoko,
Radavison
Dia izay Razoky, fa teny atsipy amin'ny manam-panahy, ka raisin'izay mahalala




endriny:


RBNIR:

Ny tany anie tsara tany amboalohany e! saingy nohon'ny nataon'ny zanak'olombelona dia voaozona ny tany,
« Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao. » (Gen.3:17)
===>Tsy tokony amin'ny fahoriana no nihinanan-tsika ny vokatry ny tany...


Izay no maha-Atry ny lolom-po an'ity Atrareo ity ry namana a... fahotan'ny olona mpivady tamin'ny 4000 taona lasa no mbola anarahana anay aty aoriana.

Ianao ve mba nahita hoe: "Nisy olona mpangalatra akoho, dia ny zanany sy ny zafikely ihany koa tsy maintsy ajanona any am-ponja"
27. rhaj0 ( 14/10/2015 03:41)
Radavison:
izay "moindre imperfection" (...) dia tsy afaka miara-mitoetra amin'Andriamanitra

Asa ho'a mba taiza no ninoan-dRadavison an'izany, dia tadiaviny ampinoana ny olona eto.
Tena mampihorohoro ilay son of Radavy 'ty.. :-)
F'angaha mi-existe ny "perfection" izany rey olona aaa... Dia tena manozonozona anie izany ianao izany eee...


Entre-pa, fa misy resaka lavabe izay nata(ko) in-1 mandeha (jereo eto), dia hoe
- ny frantsay mitady ny perfection
- ny anglisy mitady ny efficacité

Ka dia.. toa hotry ny tsara voazanaky ny Frantsay ianao izany ry son of Radavy, fa toa hotry ny maniriniry ny perfection.. hou la la ... miaraka @ ilay "mino" dia "mino" foana ao... dia ao ianao izany eee...
28. Strong3 ( 14/10/2015 07:26)
hita hoe mba tavela ao amparahatok'i rhaj0 ihany ny mahamalagasy azy ngamba
... nanaonao foana ohatran'Atra nanao ny voay hono; ka sady tsy tarehy no tsy bika :-)

raha tohizana izany dia hoe koa
mba te ho tanora lalandava i rhaj0 fa tsy hainy izay fomba itsoahany amin'ny fahanterana :-)

dikan'izany dia tsimisiATra sady imperfection raha misy , hihihihih ... :-)
29. rhaj0 ( 14/10/2015 12:24)
inona ilay "a y y h" ngezabe io ambony io ? io ve ilay formule-mazika ?
Hoe mazia-mazia-mirakla... mazia-mazia-mirakla... "a y y h" "a y y h" ... :-)

Fa izaho ho'a tsy tsara voazanaky ny Frantsay ka hitady ny "perfection" ry Strong3 sy Radavison aaaa... Fa mampome koa anie iana(re)o e.. koa na i Andrmntra azany tsy "parfait" kouh... raha "parfait" ve IZY tsy efa "omnipotent sy omniscient" araha ny resaka tatsy...
30. endriny ( 14/10/2015 12:45)
Ny olombelona Malagasy aza manana ohabolana hoe: "Manaonao foana ohatran'Andriamanitra nanao ny voay"

Parfait e... imparfait e

Ataoko hoe lavorary aza Andriamanitra e: Dia nanamboatra ny tany izy, dia nanamboatra ny lanitra... kanefa ny lanitra mangamanga aza mbola mandrahona sady mitselatra no mikotroka... dia avy indray ny sasany hoe : "Ny rahona sy ny kotroka ary ny tselatra dia avy amin'i Satana" hihiihiihih

Fa raha Andriamanitra tokoa no Parfait (Lavorary) dia tsy mba nisy izany atao hoe black hole izany, tsy nisy izany atao hoe meteaorita mitotonta amin'ny tany izany. (Raha izy tokoa no nanao izao tontolo izao a)

Dia raha Parfait ity Andriamanitrareo ity dia maninona no mamono zanaka? Nalefany hovonoina ny zanany...

Dia io maha parfait amin'ny fanaovana sorona zanaka io no tena ideranareo azy? Mahagaga
31. Strong3 ( 14/10/2015 12:53)
dia mitohy ny fanotanian'ny zaza sy ny mpianatra garabola ao amin'ny box-kely hoe:
naninona no nisy commecement an'ny olombelona fa tsy nisy hatr'izay koa izy????? :-)
32. Radavison ( 14/10/2015 13:01)

Arahabaina daholo aloha é,

Efa any ihany ianao dia mba dia tadiavo izay imperfection amin'izay ataon'ny mpanakanto avo lenta Celine Dion amin'ny lafiny hira, amin'ny lafiny hira hoy aho fa aza avadika zavatra hafa indray, dia publié-o amin'ny réseaux sociaux hahitanao izay ho valiny...

Ny perfection-n'Andriamanitra tsy ozona/fampihorohoroana araka izay ilazanao azy, fa kosa antoka lehibe amin'ny fahatsarany amin'ny lafiny rehetra.

Matoa ianao mihorohoro amin'izany hoe "perfection" izany dia :
1) na ianao ihany aza dia tsy tsy cohérent amin'ny tenanao;
2) na hitsikitsika tsy mandindihy foana fa ao rah...

Dia averiko aminao indray fa raha mbola ny lojikan'izao tontolo izao, ny système de valeur an'izao tontolo izao, mode fonctionnement an'izao tontolo izao, ny mode de gouvernance an'izao tontolo izao, priorisation amin'izao tonto izao, sns...
no
hijerena, hitarafanao, hamakafakanao, handalinanao, hitsongolohanao
ny tontolon'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia tsy hahita tsy-afa-tsy horera ianao. Dia azo oharina amin'ny olona misika handefy marim-pana amin'ny stétoscope horera, na hihaino ny fidoboky ny fo amin'ny thermomètre horera, eny na dia samy fitaovana fampiasa amin'ny fizaham-pahasalamana aza ireo horera... Ka izay anisan'ny loharnaona horohoro ho anao : tontolo tsy mitovy=lojika tsy mitovy!

Tontolo anankiroa tsy mitovy ny ara-matériel sy ny Fanjakan'Andriamanitra Razoky an. Tsy mitovy kanefa mifanosina...

Fa mba efa te hampanandrana anao amin'ny lafiny pratique aho ny amin'izany hoe tontolo tsy mitovy izany, fa ianao moa tsy afaka miaraka amiko hankany Chine na Japon, ka dia miverena foana mihodinkodina eo am-body tavy eo é...

Ka tsy mahagaga raha lazainao ho ozona ny filazana ny fisian'ny perfection, fa ny anao anie izay zavatra hahafahanao midingin-drambo faingana amin'ny fanebahana no mahamay anao é.
Fa rehefa tena tomorina akaiky ianao, na amin'ny lafiny scientifique izany,
na amin'ny lafiny pratique koa, toa lasan-ko vavany toy ny haron-tabebaka fotsiny: An-tratra tsy lavo ka hoe antsoy koa i Raiben'ialahy; Tokonana tsy afaka, ka vovonana no ihanihana; Am-po tsy hamelona, ka amolotra koa lelafina... ohabolana faranitsihay daholo izany an...
Mbola tiako ampiana hoe "kobaka am-bava"aza, nefa asa na mba fantatrao tsara ny tena niahavian'izany oha-pitenenana izany... mba hahitanao tsara hoe aiza ho aiza marina moa no mba ametrahanao an'ity lazainao hoe voazanaky ny frantsay ity...?

Sao dia ianao kosa angamba no voadona mafy tamin'ilay Rangahy mpanao pôlitika iray izay, nanao hoe "Aza matahotra, minoa fotsiny ihany!" dia izao ianao no miala vonkina... Raha sanatria tokoa ka izany ny tena manjo anao io dia manareta soa fa progressivement ho sitrana ihany ianao é, aza ela fery ary sitràna faingana ny ratra anty é; izay no mba azoko ampaherezana anao rAZOKYhajAINA0.

Tontolo anankiroa tsy mitovy ireo Razoky an, fa saingy kosa mifanosina...
Raha lazainao hoe : F'angaha mi-existe ny "perfection" izany rey olona aaa...
ny any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra tsy misy afa-tsy perfection, tout est parfait!

Raha hitady porofo indray ianao dia efa nisy resaka natao momba an'izany porofo izany;
Raha mbola hiteny indray ianao hoe "mba taiza no ninoan-dRadavison an'izany" dia efa natoroko anao ny lalana fa ianao no minia mody fanina, fa izany no marenina indrindra mihoatra nohon'ny tena marenina...

Dia veloma finaritra é, ary lavà velona daholo koa é.

Radavison

rhaj0:

Radavison:
izay "moindre imperfection" (...) dia tsy afaka miara-mitoetra amin'Andriamanitra

Asa ho'a mba taiza no ninoan-dRadavison an'izany, dia tadiaviny ampinoana ny olona eto.
Tena mampihorohoro ilay son of Radavy 'ty.. :-)
F'angaha mi-existe ny "perfection" izany rey olona aaa... Dia tena manozonozona anie izany ianao izany eee...


Entre-pa, fa misy resaka lavabe izay nata(ko) in-1 mandeha (jereo eto), dia hoe
- ny frantsay mitady ny perfection
- ny anglisy mitady ny efficacité

Ka dia.. toa hotry ny tsara voazanaky ny Frantsay ianao izany ry son of Radavy, fa toa hotry ny maniriniry ny perfection.. hou la la ... miaraka @ ilay "mino" dia "mino" foana ao... dia ao ianao izany eee...
33. rhaj0 ( 14/10/2015 13:43)
andraso aloha fa fanina aho.. toa noesorin-dRAdavison dia naveriny ny lahatsorany ka very kely aho...

Fa i Celine Dion ve no mpanakalo avo lenta ary "parfaite" aminao? Io ve tsy efa @ ilay hadrohadron'ny tanora hoe, inona no tianao, nofihiran'i Bodo sa nofihiran'i Poopy eeee ??? Ny mpitia opera izao mety tsy mankasitraka ny fihirany, techniquement parlant, fa ny an'i Sarah Brightman no reviny..


"Voazanaka ara-tsaina", voazanaky ny Frantsay ianao re ry Radavison a... izay aloha ny fahitako azy.. Izaho koa voany tao taloha fa efa tafatsoaka izao.. Tena nifindrako hatraty Ontario, provansy anglophone mihintsy ny fiainana fa tena mandaginina ilay mentalite frantsay (nareo)... Ireto misy resadresako taloha mbo jerijereo raha tia... eto sy ato na eto
34. Radavison ( 14/10/2015 14:02)
Arahabaina Razoky endriny,

Tsy fantatro raha nazava tsara taminao ny fanoharana nataoko mikasika ny fiarakodia d'occasion (miala tsiny fa tsy mbola hitako izay handikana an'io amin'ny teny malagasy)
Na dia tsy mbola niasa aza fa voa vita varotra fotsiny dia d'occasion izay. Dia oharintsika amin'izany fiarakodia izany izao zava-boary tontolo rehetra izao. Raha vao misy pempo kely fotsiny ilay fiara dia na dia ireo concessionnaire tompony aza tsy afa-po. Dia tahaka an'izany koa Andriamanitra manoloana ny zavatra namboariny...
Tselatra, kotroka, meteorite, sns... misy lois physiques mifehy an'ireny zavatra ireny fa tsy Izy Andriamanitra no hanova ny lois physique isaka izao minitra sy segondra izao. Satria ohatra, raha misy varatra efa hilatsaka, dia ovainy tampoka ny loi physique-ny électicité, dia ahoany hanjo an'izay hopitaly eo am-panaovana opération any anin'ny faritra hafa any...

"Andriamanitra mamono zanaka"?
Misy connotation hafa (miala tsiny indray amin'io teny vahiny io) ny fanehoanao an'io, et ne jouons pas avec les mots et les nuances= hevitra ara-drafitra (HAD)araka ny fitsipi-pitenenana malagasy (grammaire)...
Izay no ela
F'angaha moa Izy Andriamanitra nanao hoe "iny ry zalahy, vonoy any iny é"?
Mbola miala tsiny ihany raha ampiasa teny vahiny:
-tsy ny hamono ny zanany no objectif-n'Andriamanitra, tsy io no tanjony ka ilazanao hoe manono zanaka.
Fa ilay tena objectif-n'Andriamanitra, dia ny hamonjy ny olombelona, no tsy maintsy niafara tamin'ny namantsihina an'i Jeso Kristy teo amin'ny hazofijaliana ka nahafaty Azy. Ary tsy nisy hafa, na olona io na biby, afaka nampanaovina an'io mission io. Fa maty tokoa i Jeso Kristy, dia nalevina kanefa nitsangana tamin'ny maty ny andro faha-3. Fa na dia io farany io fotsiny ihany aza dia efa tsy nahafan'Andriamanitra nanankina an'io mission io tamin'olon-kafa...

Dia misy ifandraisany amin'ny maha-parfait an'Andriamanitra io mission an'i Jeso Kristy io, fa aleo aloha ajanona eo ny androany.

Veloma, soavà tsarà, lavà velona,

Radavison


endriny:

Ny olombelona Malagasy aza manana ohabolana hoe: "Manaonao foana ohatran'Andriamanitra nanao ny voay"

Parfait e... imparfait e

Ataoko hoe lavorary aza Andriamanitra e: Dia nanamboatra ny tany izy, dia nanamboatra ny lanitra... kanefa ny lanitra mangamanga aza mbola mandrahona sady mitselatra no mikotroka... dia avy indray ny sasany hoe : "Ny rahona sy ny kotroka ary ny tselatra dia avy amin'i Satana" hihiihiihih

Fa raha Andriamanitra tokoa no Parfait (Lavorary) dia tsy mba nisy izany atao hoe black hole izany, tsy nisy izany atao hoe meteaorita mitotonta amin'ny tany izany. (Raha izy tokoa no nanao izao tontolo izao a)

Dia raha Parfait ity Andriamanitrareo ity dia maninona no mamono zanaka? Nalefany hovonoina ny zanany...

Dia io maha parfait amin'ny fanaovana sorona zanaka io no tena ideranareo azy? Mahagaga
35. rhaj0 ( 14/10/2015 14:05)
Radavison:
Fa ilay tena objectif-n'Andriamanitra, dia ny hamonjy ny olombelona

Io izao ilay vanitika gilady... ka rahefa mipatitaka ilay systeme solaire ao @ La Voie Lactee, dia voavonjy mankaiza isika mianakavy Radavison a ??? Koa na i Andrmntra azany mipatitaka sahala @taimbovoka rehetra ihany... sa tsy izany ?? :-)
36. Radavison ( 14/10/2015 14:56)
'mbarakaly,

Ka io anie ilay nolazaiko taminao hoe ianao aza tsy cohérent amin'ianao ihany é.
Milaza ianao fa tsy misy Andriamanitra, tsy misy Izy koa hipatitaka???

Dia mbola averimberiko aminao ihany fa raha mbola ny lojika ara-materialy sy ara-fizika an'izao tontolo izao no hamakafakanao izay ao amin'ny tonton'ny Fanjakan'Andriamanitra dia tsy haita afa-tsy horeram-banitika gilady ianao...

Radavison.


rhaj0:

Radavison:
Fa ilay tena objectif-n'Andriamanitra, dia ny hamonjy ny olombelona

Io izao ilay vanitika gilady... ka rahefa mipatitaka ilay systeme solaire ao @ La Voie Lactee, dia voavonjy mankaiza isika mianakavy Radavison a ??? Koa na i Andrmntra azany mipatitaka sahala @taimbovoka rehetra ihany... sa tsy izany ?? :-)
37. bor2lais ( 14/10/2015 15:56)
Radavison->ramose:

Milaza ianao fa tsy misy Andriamanitra, tsy misy Izy koa hipatitaka???

:-)
Mampivanitika gilady ny "imagination"-n'ilay ramose e !
:-)
38. rhaj0 ( 14/10/2015 16:21)
Izaho milaza fa TSY misy Andrmntra. Fa efa hoe ho'a hoe, miezaka mi-raisonne toa anareo aho.

Dia io izany zava-misy ohatra, dia systeme solaire hipatitaka, koa na ny La Voie Lactee koa azany hipatitaka indray andro any.
Dia rahefa ampivadiako eto ny "zava-misy" sy ny "finoana" (an'Andrmntra), dia ... io miara-mahita io izany isika, fa dia tena vanitika gilady ilay izy eeee....

favy oooo?... :-)

Ka inona no mampivanitika, ny "zava-misy" sa ... ny "finoana" (an'Andrmntra) ???
39. endriny ( 15/10/2015 03:44)
Misy manana Atra lavorary mpamono olona sy mpanao sorona zanaka lahitokana

Tena parfait marina izany Atry ny mpanaradrenirano izany a...

Jesosy aza mahalala fa tsy misy ny manjopika, dia ry mpanaradrenirano indray no mahita hoe Atra mitady ny parfait...

Aza misoloky ho'a ka milaza izay tsy nolazain'Atra.

Sady Atra koa tsy mikaozy satria tsy misy fa ny mpitady kila sy mpiantso mpandeha hamenoana paosy sy valam-piangonana no misy.
40. Strong3 ( 15/10/2015 07:21)
fa ilay fivoarana hoa dia nijanona satria fa...????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5776