Ny safo-dranon'i Noah

41. bor2lais ( 15/10/2015 07:48)
ramose:

Ka inona no mampivanitika, ny "zava-misy" sa ... ny "finoana" (an'Andrmntra) ???

:-)
Ilay ezaky ramose te-hanaporofo fa tsy misy Andriamanitra no tena maha latsaka (hoy ny fitenenana) ahy eto !
:-)
42. Radavison ( 15/10/2015 08:14)
Arahabaina endriny,

ianao milaza hoe : "Jesosy aza mahalala fa tsy misy ny manjopika"
Voalohany : mino ny fisian'i Jesosy izany ianao.
Ny baiboly milaza mazava, mety mifanaraka amin'io lazainao io tokoa, fa tsy nisy tsy nanota na dia iray aza. Tsy misy marina na dia iray aza isika olombelona, fa ny fanamarinana avy amin'ny Ran'i Jesosy no mahatonga ny olona izay mandray azy ho hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra.
Lazainao fa : "Misy manana Atra lavorary mpamono olona sy mpanao sorona zanaka lahitokana". Eny maty tokoa i Jeso Kristy, ary mino an'izany ianao matoa nanoratra an'io; fa aza adino na odiana fanina ka tsy soratana eto, fa nijangana tamin'ny maty Izy tamin'ny andro faha-3.
Be dia be ny karazam-piangonana eto ambonin'ny tany, fa tsy izay rehetra manao "Tompoko, Tompoko" akory no tena mampianatra ny fahamarinana. Koa ramisy fiangonana mameno paosy, ianao anie afaka manangana fiangonana tsy mameno paosy, ary tsy misy olona na lalana ara-panjakana na ara-piaraha-monina mandra anao tsy hanao izany é

Veloma finaritra Razoky endriny a

Radavison

endriny:

Misy manana Atra lavorary mpamono olona sy mpanao sorona zanaka lahitokana

Tena parfait marina izany Atry ny mpanaradrenirano izany a...

Jesosy aza mahalala fa tsy misy ny manjopika, dia ry mpanaradrenirano indray no mahita hoe Atra mitady ny parfait...

Aza misoloky ho'a ka milaza izay tsy nolazain'Atra.

Sady Atra koa tsy mikaozy satria tsy misy fa ny mpitady kila sy mpiantso mpandeha hamenoana paosy sy valam-piangonana no misy.
43. Radavison ( 15/10/2015 09:14)
'mbarakaly

Ka dia mbola averimberina aminao ihany fa raha mbola ny lojika ara-materialy sy ara-fizika an'izao tontolo izao no hamakafakanao izay ao amin'ny tonton'ny Fanjakan'Andriamanitra dia tsy haita afa-tsy horeram-banitika gilady ianao...
Tsy mi-raisonne toa anay ianao, fa dia mbola ny raisonnement amin'ny monde materiel (étage 1 sy 2 hoy i Strong3) no hi-insisté-nao, sy hisisifanao ho validé-na ao ami'ny Tonlolon'ny fanjakan'Andriamanitra (étage3 hoy i Strong3)
Dia efa hazavaina aminao fa ohatran'ireny olona mitady handrefy vaikana herinaratra amin'ny thérmomètre ireny ianao... dia ianao indray no mivanitika tahaka ny rajako mihomehy olombelona,
ka izy ridicule indray no mihevi-tena ho vedety... omeko "bravo" ianao raha izay no tadiavinao

veloma ragahy iroa a,

Radavison

rhaj0:

Izaho milaza fa TSY misy Andrmntra. Fa efa hoe ho'a hoe, miezaka mi-raisonne toa anareo aho.

Dia io izany zava-misy ohatra, dia systeme solaire hipatitaka, koa na ny La Voie Lactee koa azany hipatitaka indray andro any.
Dia rahefa ampivadiako eto ny "zava-misy" sy ny "finoana" (an'Andrmntra), dia ... io miara-mahita io izany isika, fa dia tena vanitika gilady ilay izy eeee....

favy oooo?... :-)

Ka inona no mampivanitika, ny "zava-misy" sa ... ny "finoana" (an'Andrmntra) ???
44. Radavison ( 15/10/2015 09:28)
'mbarakaly,

ka izany indrindra anie no ni-insisté-ko dieny am-bohalohany hoe amin'ny lafiny hira, fa fantatro fa tsy maintsy havadikao indray ny resaka, fa hoe ireny mpanakanto avo lenta ireny tsy manao "fausse note sns..."
Hira= vocale + instrumentale.
Izaho manaiky ny niveau-ny...
Fa raha mba manana notion-na mozika ianao dia ampy ho anao izao lazaiko izao fa tsy manana goût-na "musique binaire" mihitsy aho... satria tsy izany ny bà gasy...

Veloma é

Radavison

rhaj0:

andraso aloha fa fanina aho.. toa noesorin-dRAdavison dia naveriny ny lahatsorany ka very kely aho...

Fa i Celine Dion ve no mpanakalo avo lenta ary "parfaite" aminao? Io ve tsy efa @ ilay hadrohadron'ny tanora hoe, inona no tianao, nofihiran'i Bodo sa nofihiran'i Poopy eeee ??? Ny mpitia opera izao mety tsy mankasitraka ny fihirany, techniquement parlant, fa ny an'i Sarah Brightman no reviny..

"Voazanaka ara-tsaina", voazanaky ny Frantsay ianao re ry Radavison a... izay aloha ny fahitako azy.. Izaho koa voany tao taloha fa efa tafatsoaka izao.. Tena nifindrako hatraty Ontario, provansy anglophone mihintsy ny fiainana fa tena mandaginina ilay mentalite frantsay (nareo)... Ireto misy resadresako taloha mbo jerijereo raha tia... eto sy ato na eto
45. rhaj0 ( 15/10/2015 10:40)
bor2lais:
Ilay ezaky ramose te-hanaporofo fa tsy misy Andriamanitra no tena maha latsaka (hoy ny fitenenana) ahy eto !
:-)

hi hi hi.. dia izay ve no mba fazahoanao azy ry Bor2lais, hoe: "mitady ny hanaporofo ny tsy-misy" aho ??

Maka recul kely e... ndao azany hoe iarahana dinihina ny azahoana manaporofo na tsia ny toa izao, hoe samy tsy mahita isika, fanefa tia ahalala ny @ hoe :
"tsisy lait ao an-tratran'i Bor2lais"

Dia hoy aho hoe, ny zavatra mi-existe na ni-existe ihany no afaka porofoiko. Tsy haiko hoe ahoana no hanaporofoiko zavatra TSY mi-existe. Ka diso ny sujet. Fa raha hoe "misy lait ao an-tratran'i Bor2lais" no tianao porofoina, dia hanadihady sy hikirakira aho, dia mety hahita hoe, bebe nono i Bor2lais, ka ngo dia transgenre tokoany azany, na hoe estetra eee...

Asa raha azonao... sady @ izay koa moa hoe, ahoana no hanaporofoiko hoe "tsisy lait" ao? nefany, lazainao fa "tsy hita maso" ilay "lait" ? na tsy tsapan'izay organe des sens ?

Fa dia ny ataoko, dia miezaka maka ny raisonnement-nao, ka mi-supposer hoe, "misy lait" ao... dia satria absurde aberrant sy incoherent izany hoe "misy lait ao an-tratran'i Bor2lais" izany, dia .. mivanitika aho e...

Ary na ianao azany mba mivanitika koa kouh... :-)

Ahoana azany no hanaporofoinao fa diso ilay hoe "tsisy lait ao an-tratran'i Bor2lais eeeee...

(dia avy eo soloy hoe Andrmntra = lait, dia "tratran'i Bor2lais" = zava-misy realitE ny tontolo izao)

46. Strong3 ( 15/10/2015 11:37)

rhaj0:

Dia hoy aho hoe, ny zavatra mi-existe na ni-existe ihany no afaka porofoiko. Tsy haiko hoe ahoana no hanaporofoiko zavatra TSY mi-existe. Ka diso ny sujet.

:-) efa fantatra hoe : tsy misy dia miezaka ny miraka gaigy amin'ny mino eto izany enao kou!

tsy commencement fa tongatonga hoazy ny zavatra rehetra. tonga tonga hoazy ny atodin'ny akoho sy ny akoho
ka dia tsy fantra izay taloha na ny atody na ny akoho! :-) :-) :-)
47. endriny ( 15/10/2015 11:55)

Radavison:

Eny maty tokoa i Jeso Kristy, ary mino an'izany ianao matoa nanoratra an'io; fa aza adino na odiana fanina ka tsy soratana eto, fa nijangana tamin'ny maty Izy tamin'ny andro faha-3.

Na inona na inona hanadiovanao azy dia efa nalefa novonoina aloha izy. Ingahy Jesosy mihintsy aza no nitaraina: "Mba esory amiko ity kapoaka mangidy ity". Fa tsy norarahian'ny dadany fa hoe: "izay voasoratra dia voasoratra, ka tsy maintsy maty ianao androany alina". Efa nidini-dra be ity zanaka fa e e e e tsy maintsy atao sorona e...

Dia mandainga indray hoe ny testamenta vaovao...

Radavison:

Be dia be ny karazam-piangonana eto ambonin'ny tany, fa tsy izay rehetra manao "Tompoko, Tompoko" akory no tena mampianatra ny fahamarinana. Koa ramisy fiangonana mameno paosy, ianao anie afaka manangana fiangonana tsy mameno paosy, ary tsy misy olona na lalana ara-panjakana na ara-piaraha-monina mandra anao tsy hanao izany é.

Mampalahelo ianao, mba mpanaraka ity atao hoe testamenta vaovao ihany kanefa mandika vilana... I Jesosy tsy niteny na nitarika olona anangana fiangonana, ary tsy nitarika olona ho eny amin'ny sinagaoga... Tsy misy ilana fiangonana... fa ireo olona te hanandratena noho ny hafa ka te hitarik'olona ho amin'ny tombotsoany manokana no nanorina ny atao hoe fiangonana. Dia izay no nahatonga ny Romanina nankato ny fananganana fiangoanana, niainga tamin'ingahy Paoly.... hihiihihih

"Tsy misy tranon'Atra vitan'ny tananan'olombelona" hoy I....(endriny)
48. Strong3 ( 15/10/2015 12:38)

49. Radavison ( 15/10/2015 13:47)
Miarahaba anao am-panajana Razoky endriny,

Niteny an'io tokoa i Jeso Kristy, fa saingy aza odinao tsy hita ny tohin'izay nolazany, izay voasoratra anatin'ny Filazantsara anakitelo be izao, manao hoe "fa aoka ny sitra-ponao no ho tanteraka fa tsy ny ahy". Io nolazainao io hoe "Fa tsy norarahian'ny dadany..." mety ho interpretation-nay samy irery, mety ho marina mety ho diso, fa tsy misy voasoratra mazava.

Izy Jeso Kristy dia efa mahafantatra dieny mialoha ny mission hampanaovina Azy Razoky an:
fa voasoratra hoe :
"Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko".
ary koa ilay nolazainy teo am-pisamborana azy hoe :
"Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roaambin'ny folo legiona ho et? amiko Izy ankehitriny?"

Ny tiana ambara aminao dia nanana safidy Jeso Kristy, fa ny nofidiany dia ny nanaiky.

Izy Andriamanitra tsy mila fanadiovana na avy amin'iza na avy amin'iza Razoky an,
fa z'inona moa isika olombelona no ho afaka hiteny hhoe "Meloka Ianao satria misy faty olona teo"

Tsy mora ny najo an'i Jeso Kristy araka ny nolazainao hoe "efa nidini-dra be ity zanaka" fa ilay ho ianao hoe tsy maintsy tao sorona : Izy Jesosy nanaiky ary niombon-kevitra tamin'ny Dadany, fa azony natao ny nanda, araka ireo efa voalaza etsy aloha iretsy

endriny:

Radavison:

Eny maty tokoa i Jeso Kristy, ary mino an'izany ianao matoa nanoratra an'io; fa aza adino na odiana fanina ka tsy soratana eto, fa nijangana tamin'ny maty Izy tamin'ny andro faha-3.

Na inona na inona hanadiovanao azy dia efa nalefa novonoina aloha izy. Ingahy Jesosy mihintsy aza no nitaraina: "Mba esory amiko ity kapoaka mangidy ity". Fa tsy norarahian'ny dadany fa hoe: "izay voasoratra dia voasoratra, ka tsy maintsy maty ianao androany alina". Efa nidini-dra be ity zanaka fa e e e e tsy maintsy atao sorona e...

Izay iray izaho sy ianao mandika vilana, fa ao amin'ny Baiboly misy hoe :
"Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia" ka asa na ny fiangonana mitovy karazan'io voasoratra io no lazaina fa tsy misy ilana azy, ka karazana fiangonana hafa...

Raha nisy fiangonana maromaro na vitsivitsy nahitanao an'izany hoe : "fa ireo olona te hanandratena noho ny hafa ka te hitarik'olona ho amin'ny tombotsoany manokana no nanorina ny atao hoe fiangonana" dia manangana, hoy aho izay, tena mifanaraka tsara amin'ny eritreritrao, dia soloy ny fiantsoana azy raha manelingelina anao ny teny hoe "fiangonana";
fa tsy ny fiangonanana rehetra no ataona fatra-tsaonjo araka an'izay santionany mba hitanao.

Ary azafady mba ivereno hamarinina tsara ny fahalalanao ny ara-tantara mba tsy hilazanao habobo :
Satria nisy hai-trano nihoha-pampana tao Raoma, dia ny Kristiana no nosoketaina ho tompon'andraikitra tamin'izany, moa ny mpanenjika misy rahateo...

Dia manao veloma anao Razoky hajaina

Radavison

Dia mandainga indray hoe ny testamenta vaovao...

Radavison:

Be dia be ny karazam-piangonana eto ambonin'ny tany, fa tsy izay rehetra manao "Tompoko, Tompoko" akory no tena mampianatra ny fahamarinana. Koa ramisy fiangonana mameno paosy, ianao anie afaka manangana fiangonana tsy mameno paosy, ary tsy misy olona na lalana ara-panjakana na ara-piaraha-monina mandra anao tsy hanao izany é.

Mampalahelo ianao, mba mpanaraka ity atao hoe testamenta vaovao ihany kanefa mandika vilana... I Jesosy tsy niteny na nitarika olona anangana fiangonana, ary tsy nitarika olona ho eny amin'ny sinagaoga... Tsy misy ilana fiangonana... fa ireo olona te hanandratena noho ny hafa ka te hitarik'olona ho amin'ny tombotsoany manokana no nanorina ny atao hoe fiangonana. Dia izay no nahatonga ny Romanina nankato ny fananganana fiangoanana, niainga tamin'ingahy Paoly.... hihiihihih

"Tsy misy tranon'Atra vitan'ny tananan'olombelona" hoy I....(endriny)
50. endriny ( 15/10/2015 14:28)

Radavison:

Izy Jeso Kristy dia efa mahafantatra dieny mialoha ny mission hampanaovina Azy Razoky an:
fa voasoratra hoe :
"Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko".
ary koa ilay nolazainy teo am-pisamborana azy hoe :
"Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roaambin'ny folo legiona ho et? amiko Izy ankehitriny?"

Ny tiana ambara aminao dia nanana safidy Jeso Kristy, fa ny nofidiany dia ny nanaiky.

Eny ho'a... fa dia mahafinaritra ity sampinareo ity ary tsy mahagaga raha ambony indrindra ankehitriny satria zanaka lahitokana mihintsy no natao sorona...

Fa ny ahy aleoko ihany ilay sampy mitaky sorona voromailala sy akoholahimena ary ombimazava loha.

Anjaran'ny tsirairay no mihevitra... satria ilay sorona zazalahitokana dia tsy vita teo ihany akory fa mbola nasainy nanao sorona ny tenany koa ireo te hamonjy ny fanahiny: "Fa izay miaro ny ainy no ahavery azy"

Dia raikitra ny krozady 1100, dia mbola mitohy ny ady amin'ny silamo sy kristianina sns... Ataovy betsabetsaka kokoa ny miaramila atao sorona fa mbola ho ela vao resy ny Silamo e...

Radavison:

Izy Andriamanitra tsy mila fanadiovana na avy amin'iza na avy amin'iza Razoky an,
fa z'inona moa isika olombelona no ho afaka hiteny hhoe "Meloka Ianao satria misy faty olona teo"

Tsara be ilay resaka... fa iza koa moa no afaka hanadio zavatra tsy misy e sy tsy hita maso e (Eritreritra Nofy mangina)

Radavison:

Tsy mora ny najo an'i Jeso Kristy araka ny nolazainao hoe "efa nidini-dra be ity zanaka" fa ilay ho ianao hoe tsy maintsy tao sorona : Izy Jesosy nanaiky ary niombon-kevitra tamin'ny Dadany, fa azony natao ny nanda, araka ireo efa voalaza etsy aloha iretsy

Tsy hoe nanaiky izy fa tsy maintsy nanao... "Raha sitrakao ry Raiko, esory amiko ity kapoaka mangidy ity".... Zavatra nekena ve dia angatahana esorina indray? Asa aloha

Radavison:

Izay iray izaho sy ianao mandika vilana, fa ao amin'ny Baiboly misy hoe :
"Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia" ka asa na ny fiangonana mitovy karazan'io voasoratra io no lazaina fa tsy misy ilana azy, ka karazana fiangonana hafa...

Asan'ny Apostoly izany ry Havana fa tsy teny avy amin'i Jesosy... sa I Paoly indray no lasa mpitarika an'ity finoana Kristianina ity moa? Dia vao maika dikavilana be raha izay a
51. Radavison ( 16/10/2015 01:05)
Arahabaina Razoky endriny,

Azafady fa ilay farany ihany no ho valiako, fa ny sasany moa efa noresahina kely ihany

Dia azafady indrindra aloha koa fa ianao no manafangaroharo ny zavatra, dia ny olona no lazainao ho mandika vilana, ka lasa ohatran'ny jeu de mot fotsiny ilay izy, ka na dia mbola hitarina aza ny resaka mety ho lasa any amin'ny hoe f'angaha i Jeso Kristy no nanoratra na dia boky iray aza tamin'ireo...?
Ny finoana Kristianina tsiakory dia valy boribory he izay olona notaritin'i Kristy ihany,
Fa kosa miorina amin'ny asa nataon'i Kristy.
Na inona na inona anasokajianao an'i Paoly, ny nataony dia ny nampita ny io finoana nolazaiko anao io.
Na Baiboly Katolika na Baiboly Protestant raisinao, dia ny Testameta vaovao dia manomboka amin'ny Matio ka miafara amin'y Apok.; ary ao amin'ny Apok. indrindra aza i Jeso Kristy no miteny momba ny Fiangonana

Izay fa veloma Razoky ô

Radavison

endriny:

Asan'ny Apostoly izany ry Havana fa tsy teny avy amin'i Jesosy... sa I Paoly indray no lasa mpitarika an'ity finoana Kristianina ity moa? Dia vao maika dikavilana be raha izay a
[/quote]
52. rhaj0 ( 16/10/2015 15:45)
Radavison:
Ny finoana Kristianina tsiakory dia valy boribory he izay olona notaritin'i Kristy ihany, Fa kosa miorina amin'ny asa nataon'i Kristy.

okey dokey.. i Paoly izany "kristiana tena izy". Torak'izany koa i Radavison, sy ry Bor2lais mbamin-dry Strong3... bravo! nareo izany tena ilay sahala @ ireny boaty-na kaonserva hoe, 100% pure porc ireny :-)

Fa inona kosany azany no iantsoana(re)o ireo "olona notaritin'i Kristy ", nefa tena araka ny fi-juger-na(re)o azy, dia TSY "miorina amin'ny asa nataon'i Kristy"..
Kristiana koa ireo sa tsy Kristiana?
53. endriny ( 16/10/2015 16:22)

Radavison:

Mino aho fa manaraka ny hafatr'i Jesosy ianao... saingy izao ange e

Inona no boky nasain'i Jesosy hianaran'ny olona? Testamenta vaovao ve?
Azonao omena ve ny toko sy andininy milaza fa I Jesosy no nampanamboatra fiangonana? Raha hoe nanadio Sinagaoga sy ny nampianatra ny olona tao amin'ny Sinagaoga dia tsy hifamatra aminao aho.
Hoy ianao raha fintiniko hoe: "Ny Testamenta taloha dia natao hifandraika tamin'ny vanim-potoana taloha". Saingy izao ry Havana maninona ianao no mbola miventy salamo isaky ny alahady?

Fa io moa izay hiantsoana kila no atao mba ahamaro ny ondry akana volony sy hodiny.
54. Radavison ( 22/10/2015 10:22)
Arahabaina ianao Razoky endriny,

Inona no boky nasain'i Jesosy hianaran'ny olona?
Testamenta taloha sy testamenta vaovao. Izy Jeso aza nilaza hoe : "tsy hisy na dia tendron-tsoratra iray aza hovaina amin'ny lalana = pentateuque ao amin'ny testamenta taloha",
Dia araka an'izany koa izay nolazainy hoe "ny mpaminany" = Isa Jer Fit Ezek Dan Os Jo Am Ab Jo Mi Na Jon Ha So Ag Za Ma

Tsy fantatro hoe inona no tiana ambara amin'ny hoe : nampanamboatra fiangonana? Manamboatra trano ivavahana ve sa inona?
Raha nanafatra Izy hoe "ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra", dia aiza no atao ny fampianarana, eny an-dalana eny, dia atonina tsirairay ny mpianatra na aleha tsirairay any an-tranony avy toy ny cours particulier, ...?
Raha tsy manamboatra trano Izy, na tsy nampanaboatra trano, tsy izay tsiakory no mission principale an'i Jeso Kristy. Ny fampianarana isan-karazany nataony dia fanampin'ny mission-ny daholo izany... izay tohizana mandrak'ankehitriny.
Ary ireo asa fanompoana isan-karazany voalaza ao anaty testamenta vaovao (Fampianarana, fitandremana, faminaniana, lohaolona, diakona, sns...) aiza no exercé-na an'ireo? Hatao toy ny cours particulier any an-tranony avy koa ve?

Tsy resaka fiantsoana kill izany io razoky an. Resaka organisation io.
Mbola be dia be ny olona amin'izao fotoana izao no tsy mahalala fa "Dieu a tout donné par grâce". Mbola betsaka ny miaina ao anatin'ny hoe :" il faut mériter"

Dia manao veloma anao Razoky hajaina indrindra.
Radavison

endriny:

Radavison:

Mino aho fa manaraka ny hafatr'i Jesosy ianao... saingy izao ange e

Inona no boky nasain'i Jesosy hianaran'ny olona? Testamenta vaovao ve?
Azonao omena ve ny toko sy andininy milaza fa I Jesosy no nampanamboatra fiangonana? Raha hoe nanadio Sinagaoga sy ny nampianatra ny olona tao amin'ny Sinagaoga dia tsy hifamatra aminao aho.
Hoy ianao raha fintiniko hoe: "Ny Testamenta taloha dia natao hifandraika tamin'ny vanim-potoana taloha". Saingy izao ry Havana maninona ianao no mbola miventy salamo isaky ny alahady?

Fa io moa izay hiantsoana kila no atao mba ahamaro ny ondry akana volony sy hodiny.
55. endriny ( 22/10/2015 13:35)

Radavison:

Arahabaina endriny,

ianao milaza hoe : "Jesosy aza mahalala fa tsy misy ny manjopika"
Voalohany : mino ny fisian'i Jesosy izany ianao.

Mba mandinika ilay hoe Testamenta vaova ve ianao sa ilay mpanao tsianjery fotsiny? Ahoana hoy I Jesosy raha niaro ilay mpivarotena niresaka taminy izy?

Fa iza moa no niteny taminao fa tsy nisy Jesosy? Saingy tsy ilay Jesosy ataonareo laza masaka amin'ny testamentanareo akory. ILay nosoratan'i Piso mianakavy, fa I Jesosy ilay zokin'i Jaonina sy Jeremia, ary vadin'i Maria Madelena, ilay mpitarika sekta toa an'i Simeaona avy any Aramatia.
56. Radavison ( 22/10/2015 13:52)

fa testameta vaovao taiza no mahitanao an'ireo tetiharana ireo é?
sa te hanandrana kopi-kolé an'i Dan Brown ve ianao é?

endriny:

Radavison:

Arahabaina endriny,

ianao milaza hoe : "Jesosy aza mahalala fa tsy misy ny manjopika"
Voalohany : mino ny fisian'i Jesosy izany ianao.

Mba mandinika ilay hoe Testamenta vaova ve ianao sa ilay mpanao tsianjery fotsiny? Ahoana hoy I Jesosy raha niaro ilay mpivarotena niresaka taminy izy?

Fa iza moa no niteny taminao fa tsy nisy Jesosy? Saingy tsy ilay Jesosy ataonareo laza masaka amin'ny testamentanareo akory. ILay nosoratan'i Piso mianakavy, fa I Jesosy ilay zokin'i Jaonina sy Jeremia, ary vadin'i Maria Madelena, ilay mpitarika sekta toa an'i Simeaona avy any Aramatia.

57. rhaj0 ( 22/10/2015 14:30)
Marka 6:3 Tsy ilay mpandrafitra, zanak’ i Maria, ary rahalahin’ i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy et? amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy. 4 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin’ ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.

TSY ni-contredire i Jesosy @ io an... nefany, raha ny principe-ny, dia tsy manaiky ho vavolombelona tsy miteny izy, rahefa misy lainga an...

Eny azany ry Radavison, fa dia lazaovy fa (toa) Dan Brown izany i Marka eeee...

Fa i Josefa anie efa nanambady taloha eee... ary efa hoe ho'a hoe, efa ho 70 taona izy miaraka @ io vadiny faharoa, dia i Maria kely iny...
58. rhaj0 ( 22/10/2015 14:35)
jerijereo indray azany koa ny lazain'ny mpandinika sy mpandalina (kristiana) ny @ vadin'i Jesosy..
(tsy i Masera sy Mamera ireo fa i .. Maria Magdalena an...)

http://lmgtfy.com/?q=did+jesus+have+a+wife
Biblical scholar and author James Tabor has recently affirmed his belief in a married Jesus, while Karen King announced the discovery of text in a Coptic papyrus fragment, alleged to be a translation of a lost 2nd century Gospel, in which Jesus is made to refer to "my wife".
59. Strong3 ( 23/10/2015 10:19)

rhaj0:

Radavison:
Ny finoana Kristianina tsiakory dia valy boribory he izay olona notaritin'i Kristy ihany, Fa kosa miorina amin'ny asa nataon'i Kristy.

okey dokey.. i Paoly izany "kristiana tena izy". Torak'izany koa i Radavison, sy ry Bor2lais mbamin-dry Strong3... bravo! nareo izany tena ilay sahala @ ireny boaty-na kaonserva hoe, 100% pure porc ireny :-)

Fa inona kosany azany no iantsoana(re)o ireo "olona notaritin'i Kristy ", nefa tena araka ny fi-juger-na(re)o azy, dia TSY "miorina amin'ny asa nataon'i Kristy"..
Kristiana koa ireo sa tsy Kristiana?

Kristiana izao kopikolé amin'i Kristy
« Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. » (1 Korintiana 11:1)
« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Galatiana 2:20)

60. Radavison ( 23/10/2015 11:52)

Raha toa ka tsy mahita site amin'ny teny malagasy na frantsy ianao
dia izay amin'ny teny sinoa na japoney atao,
ka amin'izay samy tsy misy mahazo na izaho na ianao.
Fa raha teny angilisy no ataonao dia ianao no higalabona kokoa @

rhaj0:

jerijereo indray azany koa ny lazain'ny mpandinika sy mpandalina (kristiana) ny @ vadin'i Jesosy..
(tsy i Masera sy Mamera ireo fa i .. Maria Magdalena an...)

http://lmgtfy.com/?q=did+jesus+have+a+wife
Biblical scholar and author James Tabor has recently affirmed his belief in a married Jesus, while Karen King announced the discovery of text in a Coptic papyrus fragment, alleged to be a translation of a lost 2nd century Gospel, in which Jesus is made to refer to "my wife".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2679