DISO ny (mpandika) Baiboly (3)

1. rhaj0 ( 13/08/2015 13:35)
Tohizako kely indray ity lohahevitra ity, izay efa noresahina (1) tatsy sy (2) tato


1 Korintiana 14:33 Fa Andriamanitra tsy tompon’ ny fikotranana, fa tompon’ ny fiadanana.

1 Corinthians 14:33 For God is not the author of confusion, but of peace

1 Corinthiens 14.33 car Dieu n'est pas un Dieu de désordre, mais de paix


tsss... leeeetiiiiy eee... izaho izao lasa hafahafa saina, dia mieritreritra sex, dia hoe, "mikotrana dia miadana" hono... ka ny ahy ny "fiadanana" dia "fahasambarana" sy "fahafinaretana", hozy ny Rakibolan'i Hery...

Kay moa tsy resaka "fahafinaretana" ilay Baiboly, fa hafa dia hafa mihintsy ny resaka @ teny anglisy sy frantsay ...

Ry Andrianaivoravelona kosany manadala eeee .. :-)
novalian'i rhaj0 ny 08/09/2015 10:45
2. gasy1zay ( 13/08/2015 13:56)
Tsare rehefa mahay mikarokaroka momba ny baiboly fa tsy maka an-tendrony. Tohizo fa tsara. Mety ho azonao ihany ny harena miafina ao ny farany. :D
3. rhaj0 ( 13/08/2015 14:20)
F'angaha tsy nikarokaroka dia namaky eee... Ity indray izao, ao @ 1 Korintiana 11:3

- Andriamanitra no lohan’ i Kristy
- Kristy no lohan’ ny lehilahy rehetra
- ny lehilahy kosa no lohan’ ny vehivavy


dia tena lasa indray ilay hafahafa saina eee.... hoe, ka dia ahoana koa azany izany: mifampidipiditra sa mifampitaingitaingina sa dia... a la queue, a la queue, a la queue leu leu fotsiny ?.. izay ilay "fiadanana" (peace/paix) an... :-)
4. rhaj0 ( 13/08/2015 14:36)
Dia mitohy kely..

4 Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
5 Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.


Dia ahoana koa azany izy izany... "diso" ve sa "tsy diso" izany revy izany??? Tsy takatro ilay lojika (an'ilay olombe nanoratra an'io).. ilay "(tsy) misaron-doha" izany no zava-dehibe, resaka "voninahitra", fa tsy ilay "mivavaka na maminany".



Fa entre-pa, fa ilay resaka, hoe

1 Corinthians 11:3 ... the head of every man is Christ; and the head of the woman is the man; and the head of Christ is God.

.. dia ny "head", na rahefa hitarin'ny hafahafa saina @ hoe "give a head"... dia ... hafahafa eee.. ny dikany @ anglisy, dia misy dikany hafa, ka dia :-)
5. rhaj0 ( 13/08/2015 17:54)
Dia mbola entre-pa fanampiny koa... hay ve ka "maminany" (prophetise) koa nareo rehefa ao am-piangonana ao e...

Ah ha... ahalalan-javatra ity mamaky Baiboly ity kah...


Mba tantarao "faminiana" mba nataonao tao am-piangonana tao hoe eee...

Sa "tsy misy faminaniana" izany, fa resaky ny olombe mpampandy adrisa fahiny daholo fotsiny izany ?? :-)
6. Strong3 ( 14/08/2015 07:16)

rhaj0:

F'angaha tsy nikarokaroka dia namaky eee... Ity indray izao, ao @ 1 Korintiana 11:3

- Andriamanitra no lohan’ i Kristy
- Kristy no lohan’ ny lehilahy rehetra
- ny lehilahy kosa no lohan’ ny vehivavy


dia tena lasa indray ilay hafahafa saina eee.... hoe, ka dia ahoana koa azany izany: mifampidipiditra sa mifampitaingitaingina sa dia... a la queue, a la queue, a la queue leu leu fotsiny ?.. izay ilay "fiadanana" (peace/paix) an... :-)

mba mamaky tsara hoa eh...
ny lahy lohan'ny vavy, tahaka an'i Kristy lohan'ny fiangonana ...
izay no tao fa tsy mamorporona eo
Kristy=lahy , fiangonana=vavy
7. rhaj0 ( 14/08/2015 10:21)
Strong3:
...ny lahy lohan'ny vavy, tahaka an'i Kristy lohan'ny fiangonana ...
izay no tao fa tsy mamorporona eo
Kristy=lahy , fiangonana=vavy


Ivereno vakiana tsara ny Baiboly ry Strong3, f'aza mba ny imagination-nao (irery) ao no lazainao fa marina aaaa..

1 Korintiana 11:3 Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’ i Kristy.

Taiza no nisy "TAHAKA" @ io andininy io ry Strong3 aaa... Dia tena tsy menatra akory ianao manodikodina ny Baiboly an... Zavatra "consigne" nanafatrafaran'i Paoly ny mpanaraka azy ireo toko aman'andininy ireo.. Ary tena hotry ny hozy Paoly hoe, tena A.tra mihintsy no nibitsika azy @ io... Jereo tsara ny tohin'ny consignes @ andininy manaraka ..

1 Korintiana 11:4 Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
5 Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.


Dia raha @ ilay fanodikodinanao ny Baiboly izany, ka hoz'ianao Strong3 hoe, "Kristy=lahy , fiangonana=vavy", dia
- i Kristy (lahy) izany lava volo, fa tsy mila misaron-doha
- fa ny fiangonana (vavy) tsy maintsy misaron-doha, na dia lava volo azany ???...
8. Strong3 ( 14/08/2015 10:32)
« Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy. » (1 Korintiana 11:3)
« Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia] » (Efesiana 5:23)

ianao izao lohan'ny vadinao sa ...
mpitarika(itoran'ny fitantanana) = loha ; izay eto no tiany ambara fa tsy hoe hanao a la queue leu leu nao izany eh

fa izany hoe ilay saina hivanitika haka salésalé moa izany no tianao dia reveo amin'ny fahaizanao mitsongolongoloka azy ao
fa mafinaritra rehefa manomboka mamaky ilay box mampihidy ka :-)

ny satro-doha dia midika fanetretena fa tsy roritina be hoe lahy sa vavy...
rehefa manoloana ny mpitarika ny entina dia mila manaja hatrany
9. rhaj0 ( 14/08/2015 11:06)
Ilay Korintiana dia mazavabe esty @ andininy 1, fa hoe
"Ny amin’ ny tokony hisaronan’ ny vehivavy loha ao am-piangonana"

Vakio fanin-2 tsara io, fa tsy hoe resaka mivilavila en italique, momba ny vehivavy "tahaka ny fiangonana"
=> Ny vehivavy (sy lehilahy) no foto-dresaka


Ary ilay Efesiana koa, dia comparaison ampanaiky ny viavy ny toerany, na ampaneken'ny viavy ny toeran'ny lhl (lhl no lohany)
=> fa TSY hoe "Kristy/Fiangonana" no foto-dresaka.

Efesiana 5:23 Fa ny lahy no lohan’ ny vavy, dia tahaka an’ i Kristy koa no Lohan’ ny fiangonana [Gr. eklesia] ; ary Izy no mpamonjy ny tena.
24 Fa tahaka ny aneken’ ny fiangonana [Gr. eklesia] an’ i Kristy no haneken’ ny vavy ny lahy koa amin’ ny zavatra rehetra.



Fa dia tsoriko fa dia tena malhonnetete (intelletuelle) kosa k'lou ny fahitako ny anao ry Strong3 aaa... Izany anefa no lazainao (mpisora-tena) fa hoe, "tena izy"...
10. rhaj0 ( 14/08/2015 11:11)
Dia hoe, Efesiana sy Strong3 manindrahindra lava hoe...
Fa ny lahy no lohan’ ny vavy ... Izy no mpamonjy ny tena.

Dia adalaladala izay vehivavy "mino" fa ny lehilahy no "mpamonjy ny tenany", ny tenany an'azy vehivavy.. non.. tsy "adaladala" mantsy fa dia tena mampalahelo eee..

efa 2015 ny taona eeee... tsy any Canaan intsony isika izao.
11. Strong3 ( 14/08/2015 11:15)
hihihih sao mba enao no diso fandray ny lazaiko aza :-)


« Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. » (1 Korintiana 11:1)
« [Ny amin'ny tokony hisaronan'ny vehivavy loha ao am-piangonana] Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo. » (1 Korintiana 11:2)
« Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy. » (1 Korintiana 11:3)
« Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany. » (1 Korintiana 11:4)
« Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy. » (1 Korintiana 11:5)
« Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy. » (1 Korintiana 11:6)
« Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy. » (1 Korintiana 11:7)
« Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy. » (1 Korintiana 11:8)
« Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy. » (1 Korintiana 11:9)
« Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha* noho ny amin'ny anjely. [*Gr. hanana fahefana eo amin'ny lohany] » (1 Korintiana 11:10)
« Kanefa ao amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy. » (1 Korintiana 11:11)
« Fa toy ny nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian'ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra rehetra. » (1 Korintiana 11:12)
« Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy? » (1 Korintiana 11:13)
« Tsy mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany? » (1 Korintiana 11:14)
« Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana. » (1 Korintiana 11:15)
« Fa raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny fiangonan'Andriamanitra. » (1 Korintiana 11:16)

TSY TOKONY HISEHO MANAMbONINAHITRA manoloana ny lahilahy ny vehivavy... izay no hevidehibe
satria raha manaiky ny lahy ny vavy dia voninahitra hoan'ny lehilahy izany. KA IZAY NO AMPANOVINA AZY SATRODOHA na haratana
« Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny; » (1 Petera 3:5)
« dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; ... » (1 Petera 3:6)

Fifanekena io; ary izay no hiampitany makeny amin'ny Ef 5 io , satria mifamatotra ny fampianarana mahakasika ny fifanomezam-boninahitra.

fa ianao moa izany mbola tsy ao anatin'ny finoana dia tsy maintsy tantanana toa zazakely amin'ity resaka baiboly ity ka tsy afaka mitsambikina ny tena fa mila manao pazzapa juimina eto ... hihihi :-)
12. rhaj0 ( 14/08/2015 11:51)
leeegoooza.. fifampitondrana lahy/vavy t@ l'an 0 ve nama no mbola taritaritina h@ izao... Dia tena sahala @ tsy manana reny sy anabavy koa 'le zalahy 'ty...

Tohizo ao foana moa kouh... Fa ianao k'lou dia rehefa antitra dia ho arian'ny vady aman-janakao any @ paradisa (imaginaire-nao) any... any ianao irery... sa moa, any ianareo rehetra lehilahy tahaka an'i Kristy.. izay moa izy teo :-)
13. Strong3 ( 14/08/2015 12:02)
hihihi ka i kristy io zany dia nosorana hanafaka ny olona amin'ny FANAGEJAN'ILAY LOHAN'NY OLOMBELONA TAORIAN'NY FITAKA NISY SAHA EDENA

« Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy. » (Romana 7:2)
« Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza. » (Romana 7:3)

ka izao ilay hevidehibe rhaj0 ...
mba hoavaka amin'ny fanandevozan'ilay vadinao taloha ianao (devoly io resaka io ah) dia ATAO MATY MIARAKA AMIN'NY KRISTY IANAO , ary rehefa maty ianao dia maty ny lalam-pisoratana fa vadin'io devoly io enao.
ary aorian'izay dia afaka manambady ianao ka i Kristy io no hampakatra anao ho fofombadiny
ka TSY NY RATSY INTSONY NO HANAMPAKA ANAO (ho lohan'ny tokatrano) fa ILAY TSARA
DIA ATRA TSITOHA

RAHA fehezina izany dia hoe:
ilay manao ny tsara tsy baikona fa mandeha hoazy satria manaiky ny lahy ny vavy , tsy misy fanoherana anaty fa amin'ny fo tsotra io
dia tahaka ny olombelona izay mbola tsy afaka tamin'ny fanambadiana voalohany ; dia manao ratsy tsy misy fepetra izy, mangalatra, mamono olona, mandainga , mijangajanga sns... tsy nisy nampianatra io fa dia mandeha hoazy

ka dia manasa an'i rhaj0 hanao an'i Jesosy Kristin'Atra ho lohan'ny fiainanao :-)
14. rhaj0 ( 14/08/2015 12:13)
Strong3:
...fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.


be famaritra toa rambon'osy... hi hi hi... ianao io ry Strong3 k'lou, ngo dia manambady tanora ao eeee.. trandremo azany fa raha maty aloha ianao, ka manambady fanin-2 ivadinao, dia ... menazy a 3 any paradisa izany eee...

Hay ve ity Strong3 ity ka potentiellement bisexual eeee... nefa ange toa fatra-panenjika ny mpitia sex ery ee... sirika eee... sirika.


Strong3:
ka dia manasa an'i rhaj0 hanao an'i Jesosy Kristin'Atra ho lohan'ny fiainanao

aoka ihany fa misaotsa... Efa lehibe aho izao fa tsy mila "namana imaginaire" izany.. :-)
15. Strong3 ( 14/08/2015 12:33)
hahahah ... tsy amin'izao nofo izao izany vady izany eh
ilay vady eto tsy ilay plouploum heverinao hoe bisexual , fa ilay hoe ; manaiky , mitambatra saina sy fanahy manaiky an'Atra

tsy misy fanoherana , tsy misy fikomiana... enao nge dia mandray araka ny mahaolona foana isak'izay mamaky io baiboly io eh

ny hoe ; rehefa maty za dia manambady ny vadiko, dia hoe iza no ho vadiny rehefa any amin'ny paradisa:
« Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa. » (Marka 12:21)
« Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. » (Marka 12:22)
« Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy? » (Marka 12:23)
« Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo? » (Marka 12:24)
« Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy. » (Marka 12:25)
« Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks. 3. 6.) » (Marka 12:26)

dia aza manonofy hoe mbola hipoumploum rehefa any amparadisa na any amn'ny afobe any re rhaj0 fa fiainana hafa indray no any ah :-) :-)
16. rhaj0 ( 14/08/2015 15:26)
rehefa hoe mivady izany ny an'i Strong3 dia kay moa poumploum foana... tsy hitanao angaha ireny mpivady efa 70 na 80 taona ireny.. ilay miaraka monogame @ ilay andaniny no mba tadiaviny..

Tohiz(ak)o ho'a fa mampome... ao paradisa ao izany dia tena tsisy poumploum, tsisy misakafo, tsisy ny zavatra tety an-tany toa ny interinety, tsisy saka sy alika, fa "fanahy" daholo, fa kosa, "tahaka ny anjely" daholo, hozy JC en personne, araka ny taterin'i Marka io..

Dia ilay anjely anefa @ io toa ilay manana elatra voromailala sy manao akanjo rebareba fotsifotsy oo????.. dia mbola ilay migonongonona lava foana izany koa eee ???...
17. endriny ( 15/08/2015 05:45)
Tsy ny Mpandika baiboly no diso, fa ny fomba nandikana ny baiboly no niniana nodisoina mba ahafahana mandemy ny sain'ny tsy eraopeanina mba hanaiky ny fanjanahana ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy
18. Strong3 ( 18/08/2015 09:47)
inona moa no hovitan'ny ati-dahy sy ati-bavy eo afa tsy mifanafana eo ampandriana eo eh? hihi

fa ry abrahama sy sarah ohatran'ny mbola nahavita zaza tamin'izany an...

19. rhaj0 ( 18/08/2015 12:18)
Fa i Abrahama nataok'ty fa A = Asexual (tsy mirevy sex araka ny resaka ato).. SAtria izy olombe ao @ Baibl, ary ny olombe, dia @ ilay hoe, "tsara raha tsy mikitika viavy"

Sa moa nahazo Viagra i bainina, dia tonga dia ao, fa satria "tsy azo alatsaka aty ivelany ny tsirin'aina" (fa masina) ??
Sa koa re efa nisy koa ny insemination artificielle t@ izany ??
Fa tsisy nosoratana @ antsipiriany ao anaty Baibl izany rehetra izany ??

.. ntss... ahoana koa azany no ampidiranao izany angano angano arira arira izany @ resak'olon-dehibe atao eto, hoe antitra mivady satria mifankatia (fa tsy mi-poum-ploum)
20. Strong3 ( 18/08/2015 12:52)
mdr i rhaj0 izao efa hiditra amin'ny A rehefa kelikely fa tsy hanao ploum-ploum izany intsony
fa tsy tia mampiasa viagra fa sao manimba zavatra hafa

aiza koa i abrahama no A eo eh? .. nahoana izy no niaraka tamin'ny Agara ka niteraka an'i ismaela raha izay? ... mba efa nanao ny fanaon'ny olona ihany izy sy sarah fa tsy ambinina eh... hihih :-)

fa eo dia mandika vilana hoe A hoe abrahama hahaha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1765