OMAR sy ny vehivavy

1. rhaj0 ( 26/05/2015 18:00)
notaterin'i La gazette


Hier sur Radio Don Bosco, Mgr Odon Razanakolona a mis les points sur les « i » et a vilipendé la « théorie du genre ». Selon ce prélat en effet, les tenants de la théorie du genre agissent comme si Dieu avait fait n’importe quoi en créant l’homme et la femme. Il faut laisser l’un et l’autre sexe à la place que Dieu lui a indiquée, a-t-il ajouté, et respecter la différence. L’archevêque catholique a ensuite dénoncé nommément le « miralenta?» (théorie du genre, mais présentée comme l’égalité homme-femme). Il a conclu de cette manière : « C’est une idéologie élaborée et diffusée par les milieux qui ne croient pas en Dieu, et on oblige les gens à la croire… ». (...)
En fait, si l’Eglise catholique pointe du doigt et condamne, c’est qu’effectivement, la théorie du genre est née dans les milieux traditionnellement hostiles à l’influence de l’Eglise catholique : les féministes, la franc-maçonnerie, les clubs de service, les lobbies gay … Sous la poussée notamment de ces derniers, la théorie du genre bifurque vers la légitimation du mariage homosexuel, la lutte contre l’homophobie, l’acceptation de l’homoparentalité (parents de même sexe) etc. Autant de tendances qui déplaisent à la hiérarchie catholique, comme hier la lutte pour l’émancipation féminine avait débouché sur la légalisation de la contraception et de l’avortement.
novalian'i rhaj0 ny 29/05/2015 11:33
2. rhaj0 ( 26/05/2015 18:46)
Dia mihidy ao @ box-keliny ao izany i OMAR eee.. dia mbola kirintona sy kizitin-doza toa io e... tena tsy hitany angaha farany teo ny nitranga tany Irlande... Mba toroy ihany ilay lahiantitra ry namana katolika eto fa dia...
3. rhaj0 ( 26/05/2015 18:56)
Toa ny Resa-behivavy tatsy ve k'lou no "vilipendé"-n'i OMAR sa ny inona ..

Asiaivo ma mijerijery eto @ seraserantsika izy raha ohatra ka tsisy n'inona hitany .. ao anaty Baiboly eee...
4. hery ( 26/05/2015 19:33)
Mila henoina tsara izay lazainy :-)
Mety ny mpihaino no tsy mahazo ny votoatin-kevitra.
Tsy mbola nisy niteny aloha hatramin'izao na ny tao amin'ny RDB (izay tantanan-dry mompera) na ireto teolojiana katolika izay mihaino RDB... hoe tsy nifanaraka tamin'ny fampianaran'ny Fiangonana ny teny nataony tao.

Ahoana ny Fiangonana momba ny vehivavy sy ny lehilahy?

Azo jerena ao amin'ny Gaudium et Spes nivoaka tamin'ny Vatican II

- Ny vehivavy sy ny lehilahy dia mitovy hoe samy nataon'Andriamanitra, samy tokony hajaina sns... kanefa koa samy manana ny lanjany (valeur) ary samy nomen'Andriamanitra ny maha zava-dehibe azy eo amin'ny fiainana. (ref. G.S. #29)
5. rhaj0 ( 26/05/2015 19:43)
Hery:
Tsy mbola nisy niteny aloha hatramin'izao... hoe tsy nifanaraka tamin'ny fampianaran'ny Fiangonana ny teny nataony tao.

Hendry tsara ao izany ianao ry Hery... NY fahazoako ny resakao dia, miandry olombe hafa miteny hoe "miteniteny foana" i OMAR izay vao mba hiteny koa ianao.. izay ve?
6. hery ( 26/05/2015 20:46)
Non. Izaho tsy naheno izay tena nolazainy. Fa matoa tsisy niteny hoe tsy mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Fiangonana dia tsy fampianaran-diso izany ho an'ny Fiangonana.

i OMAR afaka miteniteny foana :-) fa tsy afaka miteniteny foana amin'ny anaran'ny Fiangonana. Fa inoako fa tsy hiteniteny foana izy.

7. rhaj0 ( 26/05/2015 21:04)
Hery:
... matoa tsisy niteny hoe tsy mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Fiangonana dia tsy fampianaran-diso izany...

wow... izany izany no fi-raisonner-nareo ao ry Hery... afohezina hoe, "matoa tsisy niteny ... dia tsy diso" izany... okey dokey... izaho ve moa haninona.

Dia ao ianao izany miandry "ny tao amin'ny RDB (...) na ireto teolojiana katolika" eee...

Dia rahefa miteny zareo dia ... mba fohazy azany aho fa afaka mifanakalo hevitra eto ny @ io resak'i OMAR io izany isikana :-)
8. hery ( 26/05/2015 21:15)
Tsy azon'i Haja tsara angamba. Tsy fi-raisonner-nay akory io ka. Fa hoy fotsiny aho hoe tsy naheno izay nolazainy aho fa mino aho fa tsy mifanohitra amin'izay fampianarana ataon'ny Fiangonana Katolika no nolazainy matoa tsy nisy nandà ny Katolika.

Ny olona tsy katolika mihaino indray dia manana izay azony heverina tsara. Fantatr'izy ireny fa mifandona matetika amin'izay eritreretiny ny hevitry ny Fiangonana Katolika (mikasika ny homo, ny contraceptions, ny avortements sns), ka tsy maintsy izay no jereny malaky raha vao mihaino an'i OMAR izy. Mety tsy henony intsony avy eo hoe inona koa ny hevitry ny katolika momba ny maha-olona, ny fiainana, ny fifanajàna sns.

9. rhaj0 ( 26/05/2015 21:33)
Ka samy tsisy naheno isika, fa i La Gazette kosany mba niezaka nitatitra izay nolazainy.

Hozy OMAR, notaterin'i LA Gazette: Il faut laisser l’un et l’autre sexe à la place que Dieu lui a indiquée, a-t-il ajouté, et respecter la différence.

Fa dia misaotra @ ilay fampianarana avy @ vatican.va. Fa hozy ireo Ego be dia be...
Les femmes, là où elles ne l’ont pas encore obtenue, réclament la parité de droit et de fait avec les hommes. (...) Mais sous toutes ces revendications se cache une aspiration plus profonde et plus universelle : les personnes et les groupes ont soif d’une vie pleine et libre, d’une vie digne de l’homme...


Ka dia itsy ambony nefa moa izany no nahaizan'i OMAR ny fampianaran'i Vatican... ka dia ao izany nareo (katolika) e... andraso ao..


Raha tsoriko eto, dia, zara azany i OMAR miteniteny (foana) toa io, ary mila ampirisihina dia dokafana akoriny azany izy mba hiteny bebe kokoa... Tsikaritro mantsy, fa rahefa mba mandeha fiangonana katolika aho, dia i damopra hotry ny tsy sahy mamahabaha lalina fa celebration ny azy no ataony betsaka; nefa rahefa any @ protestanta aho, na koa ireo moderna, dia henjakenjana indraidray ny famabahanan-drapasy...


Fa izay eeee...fa dia ao nareo izany ho hitan'ny Ankizy ao.
10. rhaj0 ( 26/05/2015 21:50)
Entre-pa ry Hery, ny G.S. 29-nao dia miresaka "egalite de tous les hommes" fa TSY miresaka "femmes et hommes"...

Dia nefa indray, hoz'izy :
Mais toute forme de discrimination touchant les droits fondamentaux de la personne, qu’elle soit sociale ou culturelle, qu’elle soit fondée sur le sexe, la race, la couleur de la peau, la condition sociale, la langue ou la religion, doit être dépassée et éliminée, comme contraire au dessein de Dieu.

Ka dia inona azany ilay "droits fondamentaux" an'ny Katolika (na ny ao @ Baiboly) eee..

(ohatra hoe, droits fondamentaux ve ny epanouissement-n'ny viavy, raha mba te-ho debadebany koa izy ao @ Leglizy ao... na koa ny "ain'ny vehivavy" raha toa ka mila manala zaza izy...)
11. fidinirina ( 27/05/2015 12:41)
Ny fampianarana kristiana dia miorina ao @ Baiboly. Lehilahy sy vehivavy no noforonin' Andriamanitra, ireo no mivady. Rehefa miala @ fototra araka ny namoronana azy dia mifototra izy izay.
Tsy tantara vaovao anie zao miseho zao fa efa nisy tany Sodoma sy Gaomoro fahagola e! Ka raha ho avy Andriamanitra handrava izay tsy nohariany dia iza indray no diso. Sa havela hanjaka ve ny ratsy? Sanatria, izany izy aza hoe ratsy.
12. rhaj0 ( 27/05/2015 12:55)
Nitetitety google sy wiki aho, dia raha feheziko ny fahazoako azy, dia raha miteny "droits fondamentaux" ry Katolika, dia (mody) ampiany "Déclaration universelle des droits de l'homme" izay iraisam-pirenena, na raha aty Kanada izy, dia (mody) asiany hoe "Charte des droits et libertés" Kanadiana.

Dia mba taitra aho hoe, kay mba miaiky dia manaja ny soatoavin'ny samy izay olona @ izao taonjato izao ihany ry Katolika.. Fa inona no eo, fitakabe hehezin'ny akoho tokan'anaka (izaho) ny anao.. Ireo no mody arantirantiny, dia ianao (na izaho) mihevitra izany hoe, ilay fahafahana sy fahalalahana sy fifanajana samy olona, fa kay ny maha-mendy azy dia any @ ilay "avortement", ary ny "droits fondamentaux" ao am-bavany dia ny "droit à la vie, à la liberté et à la sécurité de sa personne" ho an'ilay zaza ao am-bohoka io.

Sa ahoana k'lou ny fahitan'i Hery azy azany ohatra ee.. inona tsara no tiany tenenina @ "droits fondamentaux"... i Hery mantsy no tena olombe Katolika eto, na ilay mpianatra hendry sy mahay indrindra @ samy izay Katolika hitako eto :-)
13. endriny ( 27/05/2015 14:22)
O ry Rhajo a... any an-danitra tsy misy vehivavy afa tsy ireo virjiny miandry ny olom-boafidy eo amoron'ny farihin-dovay..

Ny sisa bandy daholo: Apostoly 13 lahy (ao anatiny i Paoly), Anjely roa lahy; Ray, Zanaka ary ny Fanahy Masina; Telo lahy teo ambany alokalo-boaloboka

Any zainy tsy misy vidiny mihintsy ny vehivavy e fa fakana fahafinaretana rehefa avy misotro divay (Ety an-tany tahaka ny any an-danitra). Dia mba ety ilay izy dia efa atomboka fa tsy hoe any akory
14. rhaj0 ( 27/05/2015 14:42)
Toa efa nasisiky ny Katolika (amboletra) ho any paradisa kosany i Maria, araka ny Immaculee Conception eee...

Fa raha ny resaka viavy pretra sy viavy manala-zaza na viavy mifankatia sy mirevy fitia kosa aloha dia ... dia tena adalan'izay viavy mbola miharitra ao...

Izaho ho'a aty mahita ireny renim-pianakaviana katolika ireny.. Fa rahefa tonga @ ilay hoe, ka mba ampazahoanao condom ve ny zanakao vavy, dia mihodina fotsiny izy eee... Mazava ho azy fa ampazahoany condom ny Ankizy, fa raha tsy gaigy koa izy ka dia ny bien-etre-njanany avelany ho @ .. "sitrapon'Atra"...

Hono ho'a ry Hery.. ny zanakao vavy ve amenao condom ?
15. rhaj0 ( 27/05/2015 19:05)
fidinirina:
Ny fampianarana kristiana dia miorina ao @ Baiboly. Lehilahy sy vehivavy no noforonin' Andriamanitra, ireo no mivady. Rehefa miala @ fototra araka ny namoronana azy dia mifototra izy izay.
Tsy tantara vaovao anie zao miseho zao fa efa nisy tany Sodoma sy Gaomoro fahagola e! Ka raha ho avy Andriamanitra handrava izay tsy nohariany dia iza indray no diso. Sa havela hanjaka ve ny ratsy? Sanatria, izany izy aza hoe ratsy.

1- Ka anareo samy Kristiana ao ihany izany eee.. rahoviana azany ianareo vao tonga saina hoe TSY Kristiana daholo anie ny olb e...
Rahefa priatinareo ao ny Vehivavy Kristiana, dia ... rahefa manaiky priatina ao ny Vehivavy kristiana dia safidiny ao izany.
Fa raha mi-vilipender @ fikambanana vehivavy MIRALENTA kosany i OMAR, dia ... hihomehezana(y) fotsiny eee...

2- Koa na Sodoma Gaomoro azany, raha ny mba takatro, dia TSY iana(re)o no manafay na mandripaka na koa hoe hanova ireo olona... Satria moa... tany Sodoma sy Gaomoro angaha nisy karazan'olona toa Fidinirina na i OMAR ka nanitrikitrika ny olona tao ? Fa ry OMAR sy ry Fidinirina moa izany nanendri-tena "hanova" ny olona, fa tsy miandry (ny fanapaha-kevitra) an'i A.tra ny handrava... raha ny "handrava" tokoany moa no atao na fomban'A.tra..

16. Strong3 ( 29/05/2015 06:40)
fa dia naninona aza no tao hoe sodomita ny olona miray amin'ny mitovy fananahana aminy ...,
fa tsy natao hoe gomorita hihihi....

rehfa holevonina koa izao ireo tany eropa ireo dia mety hatao hoe eropeanita ... lol :-)

fa inona ary no tsy itiavan'dry rhaj0 vhv eh? efa i LOta izao no nanolotra ny zanany vavy roa hosolon'ireo anjely roalahy ... mbola eheeeee le bandy ihany no terena avoaka tao

tsy anjaran'ny olona samy olona taokoa no hifampitsara amin'izay safidin'ny olona toa azy eto, fa ny mitory sy mamphalala ny zavatra hieseho sy hitranga aorian'ny atao no mba ampahalalana izay te hiaino.
izay te hiaino satria , maro no manampi-tsofina tao ireo tsy mino afa tsy izay hitamaso sy azo porofoina mivaingana
17. rhaj0 ( 29/05/2015 11:33)
"fa maninona no sodomita ?" hozy Strong3. Nareo Kristiana ihany no miantso ny olona ho toa izany kouh.. sa moa teny gasy indray io? sodoka+mita, nilatsaka ny -ka, dia nosoloina tsipi-panohizana? mba mivoaha ihany ho'a avy ao @ ilay box-kely ao fa dia...

Strong3:
efa i LOta izao no nanolotra ny zanany vavy roa hosolon'ireo anjely roalahy ...
tsy azoko ity fa mba hazavao kely indray hoe e.. Ilay zanany roa vavy "natolotra" ahoana ? dia "ho solon'ireo anjely" ahoana ? ny hany fantatro @ tantaran'i LOta dia ny zanany roa vavy no nandry taminy, rahefa nataony mamo tampina i Lota..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1173