ANDO FIHANOINA IREO VEHIVAVY IHARAN NY HERISETRA

1. vonynive ( 24/09/2014 07:50)
Ny TIHAVA,tambazotra miady amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy dia manomana varavarana misokatra hiresahana ireo herisetra mianjady amin'ny vehivavy
hisy fandraisana sy fihainoana ireo vehivavy iharan'ny herisetra amin'izany
andro : zoma 26 septembre 2014 tontolo andro
toerana : tranom-pokonolona Analakely
novalian'i rhaj0 ny 12/12/2014 18:18
2. rhaj0 ( 24/09/2014 16:51)
Had'Nah :
Source La Nation
65% des Tananariviennes sont victimes de violences conjugales selon l’enquête sur la violence conjugale envers les femmes à Antananarivo (ELVICA) effectuée par l’Environnement, Développement, Action dans l'Océan Indien (ENDA-OI). Parmi ces femmes, 46% ont subi des violences psychologiques et 35%, ont subi des violences physiques dont 5% sont victimes de tentative d'assassinat.

... giravy anie izy izany e!... Dia tena 'tsy vanona' mihintsy anie ny lehilahy sasany izany e..

Fa rahefa mijery ny eran-tany, jereo wikipedia, dia loza koa...
wikipedia:
- En Éthiopie 3, 71 % des femmes ayant déjà eu un partenaire avaient été confrontées à des violences physiques ou sexuelles...
- Plus d'un tiers des femmes aux États-Unis (35,6 % soit environ 42,4 millions) ont été victimes de viol, de violence physique ou de harcèlement...
- Au Canada,... seulement 28 % des victimes de violences conjugales au Canada ont signalé ces faits à la police, soit sept victimes sur dix qui ne sont pas prises en compte dans les statistiques de la police.

3. mirananirina ( 28/09/2014 10:27)
Mampalahelo fa betsaka tokoa ny lehilahy mikasi-tanana. Vao haingana anefa aho teny andalana dia nahita vehivavy nikasitanana lehilahy, vono izao, ratra, nampalahelo indray ilay lehilahy hihi.
4. rhaj0 ( 29/09/2014 12:20)
Inty izao misy raharaha iray noresahina tatsy. Dia apetrako eto ny valin-teniko..


rhaj0:

Izaho indray k'lou, dia raha vao misy viavy mahasahy miteny hoe voaolana izy dia, tonga amiko dia ilay notondroina ho 'mpanolana' no meloka ambara-pahavitan'ny fanadihadiana (guilty until proven innocent), ary dia ny tokony atao vain-dohan-draharaha voalohany dia ny hiarovana/hanampiana ilay viavy.


Satria, raha nisy tokoany ny fanolanana, dia giravy be anie ny vokatr'izany @ fiainan-drazazavavy e... ny faharavana ara-psikolozia eo anie giravy e... mety tsy tia manao intsony izy.. mety tsy mahatoky lehilahy intsony izy.. ary raha bevohoka io izany izy. dia ahoana... ho tiany ve ity zanak'ilay mpanolana, nefany zanany koa ??

Raha tsy nisy ny fanolanana, dia izay 'voninahitra' no mba simba ho an'ilay voaendrikendrika


Fanampin'izany, mendri-piderana ny fahasahiana (courage) ananan'ilay viavy, ka mahavita mijoro milaza ny tsy rariny nihatra taminy. Aty Kanada azany, mbola toa 'henatra' ho an'ny viavy ny hoe izy no voaolana.


Fa ny mahatonga ahy tonga dia manameloka-alohan'ny-fanadihadiana, dia hita be fa 'en position d'autorité" i Pasitera, ary tena ilay 'autorité ultime' mihintsy io, satria dia ny Finoana/FIvavahana no anarana entiny. Eto izao dia i Pasitera, dia ilay hoe r-a-d, sady r-a-d am-panahy izany. Raha ohatra hoe patron izy na hoe mpampianatra, dia mbola hoe, tsy miankina @ ilay mpanolana ny ain-dehibe (fiainana mandrakizay ho azy mino izany) ka dia afaka mitory ihany izy,


Fa dia raha amiko aloha, dia ny valin-ketsika na hoe fijoron'ny fiaraha-monina, na ohatra ny eto fotsiny ohatra, ka mbola mametraka ny ahiahiny @ ilay viavy, fa tsy @ ilay lehilahy, dia mbola taratry ny tsifaninontsinoavina ny viavy, na koa, ilay mbola fanindrahindrana ny lehilahy. n'inon'inona (ratsy) ataon-dreo.


Ary lehilahy aho no miteny izany.
5. rhaj0 ( 12/12/2014 18:18)
http://www.lanation.mg/article.php?id=15838
Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny ONG ECPAT na ny (End Child Prostitution And Trafficking) dia efa mahatratra any amin’ny 21% any ho any ny tahan’ny fanolanana amin’izao fotoana izao. Saika ireo zaza tsy ampy taona eo anelanelan’ny 14 taona hatramin’ny 17 taona no tena lasibatra izay avy amin’ny fianakaviana sahirana ny ankamaroany.


giravy anie izany e.. 1/5 no voaolana ?????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2646