Scandale au sein du Temple FJKM Anosisoa Ambohimanarina

1. rabaradaka ( 28/09/2014 08:43)
Nitrangan-javatra azo lazaina hoe mampalahelo ao amin'ny FJKM Anosisoa Fitiavana, Ambohimanarina. Nahabevohoka olona ny Mpitandrina ary dia nampahafantarin'ilay vehivavy fa i pasitera no nahabevohoka azy. Gaga aloha ny mpino ao amin'ny 10 trano ambohimanarina tamin'ny herinandro lasa fa tsy nisy ilay fihaonan'ny folo trano. Dia noho io "scandale" io ve ka hanao corporatisme ny pasitera rehetra hiaro an'ny pasiteran'Anosisoa sa ve tena nanameloka tokoa ny zava-doza vitan'ity pasitera ity. Aoka ho an'Andriamanitra ny fitsarana
2. mirananirina ( 28/09/2014 10:23)
Tsy haiko aloha na izaho koa no ahoana, fa tsy mba minomino foana ny zavatra toy izaho aho.
Asaivo porofoin ilay sipa fa i pasitera no rainjanany. 8 hetsy ariary no manao teste ADN ao Antananarivo .
3. ombelline ( 29/09/2014 08:28)
Raharaha sarotra marina ! Iza no hohenoina ?
Raha marina anefa io resaka io dia tokony hanaja tena io Mpitandrina io
4. rhaj0 ( 29/09/2014 11:09)
Izaho indray k'lou, dia raha vao misy viavy mahasahy miteny hoe voaolana izy dia, tonga amiko dia ilay notondroina ho 'mpanolana' no meloka ambara-pahavitan'ny fanadihadiana (guilty until proven innocent), ary dia ny tokony atao vain-dohan-draharaha voalohany dia ny hiarovana/hanampiana ilay viavy.


Satria, raha nisy tokoany ny fanolanana, dia giravy be anie ny vokatr'izany @ fiainan-drazazavavy e... ny faharavana ara-psikolozia eo anie giravy e... mety tsy tia manao intsony izy.. mety tsy mahatoky lehilahy intsony izy.. ary raha bevohoka io izany izy. dia ahoana... ho tiany ve ity zanak'ilay mpanolana, nefany zanany koa ??

Raha tsy nisy ny fanolanana, dia izay 'voninahitra' no mba simba ho an'ilay voaendrikendrika


Fanampin'izany, mendri-piderana ny fahasahiana (courage) ananan'ilay viavy, ka mahavita mijoro milaza ny tsy rariny nihatra taminy. Aty Kanada azany, mbola toa 'henatra' ho an'ny viavy ny hoe izy no voaolana.


Fa ny mahatonga ahy tonga dia manameloka-alohan'ny-fanadihadiana, dia hita be fa 'en position d'autorité" i Pasitera, ary tena ilay 'autorité ultime' mihintsy io, satria dia ny Finoana/FIvavahana no anarana entiny. Eto izao dia i Pasitera, dia ilay hoe r-a-d, sady r-a-d am-panahy izany. Raha ohatra hoe patron izy na hoe mpampianatra, dia mbola hoe, tsy miankina @ ilay mpanolana ny ain-dehibe (fiainana mandrakizay ho azy mino izany) ka dia afaka mitory ihany izy,


Fa dia raha amiko aloha, dia ny valin-ketsika na hoe fijoron'ny fiaraha-monina, na ohatra ny eto fotsiny ohatra, ka mbola mametraka ny ahiahiny @ ilay viavy, fa tsy @ ilay lehilahy, dia mbola taratry ny tsifaninontsinoavina ny viavy, na koa, ilay mbola fanindrahindrana ny lehilahy. n'inon'inona (ratsy) ataon-dreo.


Ary lehilahy aho no miteny izany.
5. rhaj0 ( 29/09/2014 16:53)
Mety diso kely io lazaiko io ambony io, fa tsy (mbola) voatondro ho 'mpanolana' i Pasitera fa fotsiny mbola vao hoe 'nanelaka'.

Fa na izany azany, dia rahefa mieritreritra eto aho, dia mbola mitana ny hevitro: mbola 'meloka ambara-pahavitan'ny fanadihadiana' i Pasitera.. Mbola mitovy ihany (na tsy dia tena mavesatra noho ny an'ny voaolana azany) ny faharavana ara-psikolozia... mety tsy tia manao intsony izy.. mety tsy mahatoky lehilahy intsony izy.. ary raha bevohoka io izany izy. dia ahoana... ho tiany ve ity zanak'ilay mpanelaka-nefa-mialangalana-andraikitra, nefany zanany koa ??


Raha tsy rain-janak'olona tratra ao io i Pasitera, dia izay 'voninahitra' (fotsiny) no mba simba ho an'azy voaendrikendrika
6. gasy1zay ( 30/09/2014 13:33)
rhaj0 > tsy mbola nisy resaka nanolana kosa teo fa hoe nahabevoka e! mety hoe consentante izy zany fa saingy hoe niafara t@ vohaka fotsiny ilay firaisana. Faharoa raha zaho manokana mety madio saina ohatrany tsy d'accord mintsy hoe tonga dia diso ny lahy raha tsy nanamporofo fa tsy diso, raha za tsy nanao na inona na inona moa zao no misy tovovavy milaza hoe bevokako izy ka lasa scandale be @ fianakavianay dia hitako hoe tsy rariny, izany hoe raha tsy tiko hiantra amiko ilay hoe tonga dia diso avy hatrany dia tsy tiko hahazo ny hafa koa, raha nisy vavolombelona indray dia zavatra hafa. Izany kosa anefa tsy midika hoe tsy asiana enquête na zavatra ohatrizany.
7. rhaj0 ( 30/09/2014 14:06)
ekena: efa nahitsiko hoe tsy nanolana i Pasitera..
Na izany azany dia ... mety, mety hoy aho, mety koa hoe tsy consentante i ravehivavy fa hainao ihany fa ngezabe ny autoritE an'i pasitera, ka dia mbola fanontaniana mihantona koa izany, raha amiko aloha.


Nefa na izany koa na tsy izany, dia 50/50 anie izany ilay izy "alohan'ny enquete" :
- i Pasitera no nahabevohoka => vokany => dia efa nikorontana ny "fi(s)ainan-dravehivavy"
- tsy izy no nahabevohoka => vokany => dia naloto ny "voninahitr'i Pasitera"

Ka inona no lahara-pahamehana : ny "fi(s)ainan-dravehivavy" sa ny "voninahitr'i Pasitera" ?

Izaho dia hitsinjo an-dravehivavy aloha (ambara-paha-voaporofo fa mandainga izy)
Ny "voninahitr'i Pasitera" dia azo(ny) diovina foana, raha ny autoritE ananany sy ny fiarovan'ny namany azy dia ho vita(ny) mora izany...
[size=10](indrindra moa fa eo koa ny fitongilanan'ny fiaraha-monina @ cause-ny.. iana(re)o io izao santionany)[/size]
8. gasy1zay ( 30/09/2014 14:36)
rhaj0 > isika tsy mahalala ny zava niseho marina ka dia aleo tsy hanao hypothèse betsaka, za aloha dia ny droit positif no hitako hoe équitable fa tsy io droit négatif napetrakin'ny frantsay io e!
9. rhaj0 ( 30/09/2014 14:53)
tsy azoko ny tianao lazaina @ droit positif, dia droit negatif (frantsay) ?
10. gasy1zay ( 30/09/2014 15:17)
Droit positif : plutôt anglosaxon sy amerika avaratra izany hoe : " Innoncent" ianao jusqu'à preuve du contraire fa ny nolovaina avy @ reny malala dia Droit négatif : "coupable " jusqu'à preuve du contraire. Tonga dia diso ianao refa misy mitory

11. ombelline ( 01/10/2014 12:31)
rhaj0:

ekena: efa nahitsiko hoe tsy nanolana i Pasitera..
Na izany azany dia ... mety, mety hoy aho, mety koa hoe tsy consentante i ravehivavy fa hainao ihany fa ngezabe ny autoritE an'i pasitera, ka dia mbola fanontaniana mihantona koa izany, raha amiko aloha.


Nefa na izany koa na tsy izany, dia 50/50 anie izany ilay izy "alohan'ny enquete" :
- i Pasitera no nahabevohoka => vokany => dia efa nikorontana ny "fi(s)ainan-dravehivavy"
- tsy izy no nahabevohoka => vokany => dia naloto ny "voninahitr'i Pasitera"

Ka inona no lahara-pahamehana : ny "fi(s)ainan-dravehivavy" sa ny "voninahitr'i Pasitera" ?

Izaho dia hitsinjo an-dravehivavy aloha (ambara-paha-voaporofo fa mandainga izy)
Ny "voninahitr'i Pasitera" dia azo(ny) diovina foana, raha ny autoritE ananany sy ny fiarovan'ny namany azy dia ho vita(ny) mora izany...
[size=10](indrindra moa fa eo koa ny fitongilanan'ny fiaraha-monina @ cause-ny.. iana(re)o io izao santionany)[/size]


Ny laharam-pahamehana : ny marina

Ny lalàna amerikana no manao hoe diso ny olona mandram-paha voaporofo fa marina izy
Ny lalàna frantsay manao hoe marina ny olona mandram-paha voaporofo fa diso izy
Ny lalàna gasy ? asa raha misy lalàna akory aza :-P

Mety misy koa manipulatrice fa tandremo an, milaza fa i Ranona no naha bevohoka ahy, nefa tsy izy velively, noho ny antony maro .
12. ombelline ( 01/10/2014 12:32)

gasy1zay:

Droit positif : plutôt anglosaxon sy amerika avaratra izany hoe : " Innoncent" ianao jusqu'à preuve du contraire fa ny nolovaina avy @ reny malala dia Droit négatif : "coupable " jusqu'à preuve du contraire. Tonga dia diso ianao refa misy mitory




Ohatran'ny mifamadika izany lazainao izany , ny amerikana no manameloka avy hatrany
13. rhaj0 ( 01/10/2014 13:14)
[size=8]http://en.wikipedia.org/wiki/Presumption_of_innocence
(fa raha ny kely fantatro @ amerikana dia misy ambaratongany ilay izy; ny sivily sy ny kriminela toa samy hafa, hoe iza no mila manaporofo tsisy fisalasalana, ny prosecutor sa defense)[/size]

Fa ny any @ Fitsarana any dia any aloha (tsy mila lazaina akoriny ny "mety" ho tsindry aloka ataon'ny "en position d'autorite"), fa ny zava-dehibe amiko dia ny Fiaraha-monina, ary izany dia hita taratra eto : dia hitako fa miangatra ho an-dralehilahy (sy ra-mpitondra fivavahana) ny eto (sy ny any?).

Tena mahakivy ahy izany, satria dia manome ohatra ratsy @ ankizy sy ny viavy. 50/50 ho'a ny maha-marina/diso ny tenin'ny tsirairay izao, NEFA ny hitako, dia tonga dia 75/25 ho an'i Pasitera ny Fiaraha-monina (na 90/10 akoriny aza).

Dia ahoana izany rahefa misy zavavy pehan-drizalahy, dia hahasahy hiteny koa ve izy? Ny fiaraha-monina tonga dia efa miangatra...

Mampalahelo..
14. rabaradaka ( 06/10/2014 05:14)
Ry havana malala ao amin'ny Tompo, efa vita ny fanadihadiana fa tsy meloka hono i pasitera, izay no teny farany. Fa raha izaho indray dia aleoko miala eo na miangavy ny rafitra manatanteraka hoe hifindra fiangonana hafa fa tsy hijanona eo intsony, tena mampihena ny aim-panahin'ny kristiana izany na misy na tsy misy. Tsy mitovy ange i Bill Clinton izay nolazaina fa nisipa tamin'ilay vehivavy sekreterany sy ny hoe pasitera na mpitondra fivavahana e !! Manahy aho fa hampivaky telo ny fiangonana indray io resaka io, satria efa nisy fotoana nivaky roa mantsy io FJKM Anosisoa io dia mety hivaky telo indray izany.
Aoka ho an'Andriamanitra ny Fitsarana ary mahereza mivavaka daholo.
Ry lehilahy mijoroa amin'ny fitondran-tena mendrika ianaoreo, hoy Rabaradaka
Veloma tompoko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2502