Fanekena vaovao sy fanekena taloha

1. Randri87 ( 21/10/2014 07:11)
Miarahaba ny namana rehetra, anisan'ny miteraka ady hevitra matetika ny resaka fifandraisana eo amin'ny fanekena vaovao sy ny fanekena taloha, ny testamenta vaovao sy ny testamenta taloha. Ity verset tao am bokin'ny hebrio ity miresaka indrindra mikasika izay fifandraisana izay. Toa mahaliana ilay voalazany fa toa sady nezahina nosoratana tamin'ny fomba kanto no sady mifono hevi-dalina momba an'izay hoe fampitahana sy fampifandraisana ireo karazana fanekena ireo zay.

"Hianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy aizim-be sy kotro-baratra, 19ary feon-trompetra sy feo niteny mafy tsy tantin'ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; 20fa tsy tohany ilay fandrahonana hoe: Na biby aza mikasika ny tendrombohitra dia hotoraham-bato. 21Loza loatra no niseho tamin'izay, ka Moizy avy no vaky hoe: Tsiravina sy rano an-dravina aho!

Fa ny nohatoninareo, dia ny tendrombohitr'i Siona tanànan'Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian'ny anjely alinalina, 23ny fiangonan'ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin'ny olo-marina efa amin'ny fanaperana, 24sy Jesoa mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary ny ran'ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an'i Abela.

Tandremo fandrao mandà izay miteny hianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà ilay miteny amintsika avy any an-danitra, 26dia ilay nanonzongozona ny tany fahizany tamin'ny feony, sy manome teny indray ankehitriny manao hoe: Indro hozongozoniko indray maka koa, tsy ny tany ihany, fa ny lanitra koa. 27Ny teny hoe indray maka koa milaza fa ny zavatra hozongozonina dia hovàna araka ny fomban-javatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy hozongozonina. 28Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahan'Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana azy. 29Fa ny Andriamanitsika dia afo mandevona koa. "
(Hebrio 12, 18-29)
novalian'i endriny ny 02/11/2014 05:20
2. rhaj0 ( 21/10/2014 10:55)
[size=2]hey: efa nataoko kely ity mba tsy amakianao azy... tandremo aza sao tezitra @ vazavazy ataoko eto : "tendrombohitr'i Siona tanànan'Andriamanitra velona" : firy ny code postal ? z'afady fa vakin'ny hehy tsy satry aho... satria izao indrindra koa ny fotoana hanoratana any @ pole nord...[/size]
3. moustaraf ( 22/10/2014 09:21)
Salama namana,
1.Fanekena nohavaozina no tena dikan-teny marina alliance renouvellée, fa tsy fanekena vaovao!
Eo sahady dia mandiso zavatra maro:
-Fanekena nohavaozina: ilay taloha ihany no nohavaozina
-Fanekana vaoava: fanekena hafa noho ilay teo aloha

2. Ilya izy anefa dia "fanekena nohavaozina"
"Milaza ny teniny @ Yakov izy ary ny didiny @ Israely, TSY NANAO TOY IZANY TAMIN'NY FIRENENA HAFA IZY, ARY NY FITSIPINY TSY MBA FANTATR'IRENY"

3.INONA NO NIOVA?
Teo aloha Ankehitriny
tendrom-bohitra sinay / tendrombohitra any an-danitra
Feon'ny trompetra (Terouah) / Feon'anjely maro (Terouah)
70 Lahy manakaiky / Fiagonan'ny zoky olona, lahimatoa
Moseh mpanalalana / Yeshua mpanalalana

TSY MISY NIOVA FA NY TANDINDONA NO TANTERAKA

4.ankehitriny isika dia;
-asaina manatona an'ilay tendrombohitra tsy nataon-tanana (dikany= mbola misy iznay ny fanatonana tendrom-bohitra), aiza ary ahoana ny fanatonana azy? Efa hainao ve izany?

-Fantatrao ve iznay Yom terouah izany? NY FIANGONANAO VE MAHALALA AN'IZANY?
-Inona no andraikitry ny Mpanalalana?

"Tsy misy ho foana tsy akory ireo na dia tendron-tsoratra iray aza"

i Paoly dia Yseshua no niatso azy sy nanoro azy, ka aoka tsy isika aty aoriana be aty indray no hilaza fa mifanohitra ny tenin'i Paoly sy ny Torah! fa isika matetika no tsy mahalala !
4. RBNIR ( 24/10/2014 09:13)
moustaraf:

Moseh mpanalalana / Yeshua mpanalalana

Faly miarahaba namana,

Mosesy ange tsy mpisorona Be fa i Arona e, ary vakio tsara fa i Arona irery ihany (na dia i Mosesy aza tsy navela) no nahazo niditra tao amin'ny fitoerana Masina indrindra.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
5. rekinbelo ( 24/10/2014 11:18)
Salama namana
Ny fanekena tokoa dia nisy 2, diakny izay dia nisy antokon'olona 2 foana nanao io fanekena io, ny mpanao fanekena ankilany ary ny anaovana fanekena ny andaniny,
koa raha ny fanekena taloha no jerena dia Jehovah no ankilany ary ny Israely na Jiosy no andaniny ary Mosesy no mpanalalana teo @ izy roa ireo.
Taty aoriana ndray kosa dia niova izy io
Jehovah no ankilany ary ny Israely ara-panahy ny andaniny ary iJesosy Kristy no mpanalalana eo @ Izy roa tonta.
Midika aloha izany atreto fa tsy miasa intsony ny fanekena taloha satria na ny mpanalalana aza efa tsy eo intsony ary ilay vahoaka ankilany koa efa nivadika t@ Andriamanitra mihitsy.
Hoatrany oe mariazy io ka raha maty ny vady voalohany dia tsy manakery intsony eo @ vady faharoa ny fanenkena voalohany fa fanekena vaovao ny mpivady faharoa no miasa sy ekena eo .
Toy izany koa isika @ izao, efa tsy miasa @ tsika tsony ny fanekena taloha satria tsy eo intsony ily fifanarahana sy fanekena t@ voalohany ary ny mpanalalana t@ iny aza efa maty fa ny any Kristy no arahantsika satria izy aza mbl velona foana.
Toy ny oe tsy manaiky ny vadinao vaovao enao raha mbl misisika hanaraka ny fanekena izay nataonao t@ vadinao taloha foana.
Azotsika tpohizana bebe kokoa @ manaraka namana fa de maereza e

6. gasy1zay ( 24/10/2014 14:24)
Raha fintinina ny baiboly dia ohatran'izao ny fahitako azy, Andriamanitra nahary ny olona ka nametraka azy tao @ saha Edena, nanota anefa ny olombelona ka tsy afaka nitoetra tao @ io fitoerana namboarin'Andriamanitra ho azy io.

Mba hahafahany miverina ao dia tsy maintsy diovina @ fahotany izy, Andriamanitra ihany anefa no afaka manadio azy @ alalan'i Jesoa Kristy, Jaona 3:16 :"Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."

Ka dia nisafidy olona Andriamanitra ary avy amin'ny taranak'io olona nofidiny io no ho tonga ny famonjena hoan'ny firenena rehetra @ , ny nisafidianana an'i Abrahama zany dia fanamboarana "arbre généalogique" hipoiran'ilay "Mesia" : (Gen 18-18 : "Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany")izay no testamenta taloha, ary matoa Andriamanitra sarotiny t@ fahamasinan'ny zanak'Israely dia efa tany amboloahany no fantany fa avy @ ny taranak'i Abrahama no hipoitra ilay Zanak'Andriamanitra velona tonga hamonjy antsika.

Testamenta vaovao = tonga ilay Mesia dia i Jesoa Kristy izany ary maty ho antsika hahafahantsika indray ho tafiditra ao @ ilay toerana vaovao namboarin'Andriamanita ho antsika. Efa vita ny famonjena fa anjaratsika no mandray, ny fanekena vaovao zany dia io : fanekena an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ahafantsika miditra ao @ ilay Jerosalema vaovao, saha edena vaovao, ilay toerana namboarin'ny Tompo ho antsika.

7. rhaj0 ( 27/10/2014 14:21)
Raha ny fahazoako azy, dia ilay "nanota" dia satria nikitika ny "arbre de la connaissance"
http://fr.wikipedia.org/wiki/Arbre_de_la_connaissance_du_bien_et_du_mal

Amiko manokana dia TSY nisy "ara-baki-teny" izany "tantara" rehetra izany, fa "inspiration" ilay izy, kisarisary tantara, parabole (recit allegorique), fa kosa, ny zava-dehibe dia ny "foto-kevitra", izay hoe... rahefa tia ahalala sy tia anadihady (hikitika ny arbre de la connaissance) raolombelona, dia ... allez mandeha voaroaka...

Ary h@ izao dia mbola tia mikarokaroka sy manadihady ary mampitombo fahalalana foana raolona.. mbola "manota" foana izany izy io...

8. gasy1zay ( 27/10/2014 17:52)

rhaj0:

Raha ny fahazoako azy, dia ilay "nanota" dia satria nikitika ny "arbre de la connaissance"
http://fr.wikipedia.org/wiki/Arbre_de_la_connaissance_du_bien_et_du_mal

Amiko manokana dia TSY nisy "ara-baki-teny" izany "tantara" rehetra izany, fa "inspiration" ilay izy, kisarisary tantara, parabole (recit allegorique), fa kosa, ny zava-dehibe dia ny "foto-kevitra", izay hoe... rahefa tia ahalala sy tia anadihady (hikitika ny arbre de la connaissance) raolombelona, dia ... allez mandeha voaroaka...

Ary h@ izao dia mbola tia mikarokaroka sy manadihady ary mampitombo fahalalana foana raolona.. mbola "manota" foana izany izy io...




Tsy haiko aloha raha mba namadibadika ny baiboly ihany ianao na tsia fa tsy misy resaka mihintsy ao hoe fahotana ny fahalalana, fikarohana sy ny fanahihadiana. hoy ny ohabolana 2:6 hoe :"Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ ny vavany no ihavian’ ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina". Amiko ny tiana ambara @ io hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy io dia tsotra, lasa mahay manao ratsy ianao satria lasa nahalala ota fa tsy ny tsara fotsiny, "perte de l'innocence" hoy ny teny vahiny.
9. rhaj0 ( 27/10/2014 18:36)
OK ok... ilay "fahazoany fahalalana ny ratsy" izany no manjary mahatong azy @ "fanaovana ny ratsy", na "manota", fa tsy hoe, hoy ianao, ny "fahazoany fahalalana" fotsiny.

raha tena zohina araka ny segondra nefany, vao njay izy "nahazo ilay fahalalana" (fotsiny) dia ... gorobaka ny lanitra... zareo @io mbola "tsy nanao ratsy" akoriny.. sa vao maloto (tsy innocent) ny eritreritra, hoy ianao, dia .. allez mandeha ?

Sa ilay "tsy nanaraka ny didy" indray no "fahotana" ?
10. bor2lais ( 28/10/2014 10:34)
rhaj0:

ny zava-dehibe dia ny "foto-kevitra", izay hoe... rahefa tia ahalala sy tia anadihady (hikitika ny arbre de la connaissance) raolombelona, dia ... allez mandeha voaroaka...

O boy ... :-)
Siora ve ianao fa foto-keviNY tokoa io lazainao io sa ny anao samy irery (sy/na ny an'ilay "menarana") ? :-)
11. rhaj0 ( 28/10/2014 12:33)
Sahala @ nolazaiko tatsy, raha hiteny (ahy) ianao hoe "devoly/menarana" izany, dia hoy aho hoe, scenario-n'A.tra daholo izany.. (i devoly/menarana dia sidekick fotsiny ihany)
12. bor2lais ( 28/10/2014 12:57)
:-)
Izao izany ilay antsoina hoe ny "créature" (rhaj0) indray no maka toerana sy/na mamorona ny "créateur" (Andriamanitra) a ! :-)
Ouzy le olona izay hoe "une Parole refusée est une Parole entendue" ! :-)
13. rhaj0 ( 28/10/2014 13:14)
wait... hoe "izaho" ve no "maka toerana sy/na mamorona" an'A.tra ?
Dia amenao pouvoir be anie aho izany e... :)

Izaho izay olona kely mijery baolina aty @ pelooozy dia manao kaomanitera fotsiny... na mijery sonema aty @ strapaotin aty @ bas-fond-n'ny balcon dia manampy sira... dia ilay direktera/realizatera/prodikitera/aktera no "olona public" eo.. sa tsy azo anaovana kaomanitera koa ireo ?

14. bor2lais ( 28/10/2014 13:42)
rhaj0:

dia hoy aho hoe, scenario-n'A.tra daholo izany.. (i devoly/menarana dia sidekick fotsiny ihany)

:-)
15. rhaj0 ( 28/10/2014 14:04)
Ny "hoy aho hoe" kosa k'lou ry Bor2lais dia midika amiko hoe: "inty ny kaomanitera-ko"...

Tsy haiko tokoany fa ny ao @ Baiboly angamba no rehefa hozy i A.tra hoe "hoy Aho hoe" dia midika zavatra hafa...

Fa tsy haiko e.. amiko dia sahala @ mijery sonema izaho (sy Bor2lais) izao. Soneman-n'ny fiainana. Ary "scenario-ny daholo izany".

16. Randri87 ( 29/10/2014 11:57)
Mba misy fanontaniana apetrako aminao ary ireto,rhaj0, ra izay fijerinao izay :

1) Ianao ve izany mahatsapa tena hoe anisan'ireo acteur koa?

2) Ireo zavatra lazainao sy ataoanao reo ve novakianao tamina scenario nomena anao sa mahatsapa ianao hoe hevitrao sy safidinao manokana ireo ?
17. Randri87 ( 29/10/2014 12:45)
moustaraf:


4.ankehitriny isika dia; asaina manatona an'ilay tendrombohitra tsy nataon-tanana (dikany= mbola misy iznay ny fanatonana tendrom-bohitra), aiza ary ahoana ny fanatonana azy? Efa hainao ve izany?



Raha jerena ny description’ilay hoe tendrombohitry ny Fanekena vaovao dia toy izoa lay izy teo

“Fa ny nohatoninareo, dia ny tendrombohitr'i Siona tanànan'Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian'ny anjely alinalina, 23ny fiangonan'ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin'ny olo-marina efa amin'ny fanaperana, 24sy Jesoa mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary ny ran'ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an'i Abela.”
(Hebrio 12, 22-24)


Ireto verset manaraka ireto (izay mamaly ny fanontanianao ihany) koa dia mbola miresaka io fanekena vaovao izay tsy ho an’ny jody ihany fotsiny moa fa ho an’izay rehetra mandray an’i Kristy ho mpamonjy (ny fanatonana an’ilay tendrombohitra dia ny fanekena ny famonjena entin’i Kristy):

« Fa ankehitriny kosa, ao amin'ny Kristy Jesoa, hianareo izay lavitra fahiny, dia tongan'ny ran'ny Kristy akaiky. 14Fa izy no fihavanantsika, izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; 15tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny tenany; 16fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin'Andriamanitra, noho ny hazo fijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana. 17Ary tonga izy, nitory fihavanana tamin'izay lavitra, sy nitory fihavanana taminareo izay akaiky koa, 18satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin'ny Fanahy iray ihany. Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry hianareo, fa mpiray fanjakana amin'ny olo-masina sy isam-pianakavian'Andriamanitra; 20ny Apostoly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary ny Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. 21Fa ao aminy no isondrotan'ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin'ny Tompo; 22ao aminy no andrafetan'ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan'Andriamanitra. »
(Efezianina 2, 13-21)


Hoy koa ny voasoratra momba ny tokony atao sy ny mbola mikasika ilay fanekena vaovao io ihany:


« Mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban'ny fihavanana; 4fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray; 5tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray, 6ary Andriamanitra iray, izay Rain'izy rehetra, ambonin'izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin'izy rehetra.

7Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen'ny Kristy antsika tsirairay avy. 8Izany no anaovan'ny Soratra Masina hoe: Niakatra any ambony izy, nitondra olona maro ho babo, ary nanome fanomezana maro ho an'ny olona. 9Inona no ilazana hoe niakatra izy, afa-tsy noho izy efa nidina ho any ambanin'ny tany koa? 10Ary tsy iza ilay nidina fa ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra.

11Dia izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho
evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, 12mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin'ny fandavorariana ny olona masina, dia amin'ny fandrafetana ny tenan'ny Kristy, 13mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak'Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan'ny Kristy; 14dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon'ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan'ny olona ho amin'ny hevi-diso; 15fa hanaraka ny marina amin'ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin'ny zavatra rehetra, amin'ny firaisana amin'ny Loha, dia ny Kristy. 16Izy no iankinan'ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin'ny fitiavana.

17Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin'ny Tompo: Aza manao fitondran-tenan-jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, 18fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan'Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambam-pony, 19ka lany henatra dia navarin'ny filan-dratsiny tamin'ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. 20Fa hianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala ny Kristy, 21raha izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin'i Jesoa, 22hiala amin'ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban'ny fitaky ny filan-dratsy, 23mba hohavaozina ao amin'ny saina amam-panahinareo hianareo, 24ka hitafy ny olom-baovao izay noharina araka an'Andriamanitra amin'ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.

25Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra. 26Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27Aza omena fidirana ny demony. 28Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tànana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza.

29Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin'ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan'izay mihaino fahasoavana. 30Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin'ny andro fanavotana. 31Esory aminareo rahefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana. 32Fa aoka hianareo samy halemy fanahy amin'ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan'Andriamanitra anareo ao amin'ny Kristy.”

koa aoka àry hanahaka an'Andriamanitra, toy ny zanaka malala hianareo. 2Ary mandehana amin'ny fitiavana tahaka ny Kristy, izay nanolo-tena tamin'Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika. 3Araka ny manendrika ny olo-masina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rahefa mety ho fahalotoana amam-pilan-dratsin'ny nofo. 4Fadio ny teny vetaveta, resaka valavala, voso-dratsy, mbamin'ny teny tsy mendrika rehetra, fa aleo aza manao teny fisaorana. 5Satria fantatro tsara fa rahefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpanarana filan-dratsin'ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan'ny Kristy sy Andriamanitra. 6Koa aza mety hofitahin'olona amin'izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran'ny fahatezeran'Andriamanitra tamin'ny zanaky ny tsy finoana. 7Aza miombona amin'ireny hianareo.

8Taloha hianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin'ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava. 9Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra. 10Fantaro izay ankasitrahan'Andriamanitra. 11Aza mba mikambakambana amin'izay asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian'ireny, 12satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon'izy ireny an-takona aza; 13fa asehon'ny mazava avokoa ny zavatra rehetra rahefa voambara ny haratsiany, ary na inona na inona aseho, dia tonga mazava koa. 14Izany no nanoratana hoe: Mifohaza hianao izay matory, ary mitsangàna amin'ny maty, dia hanazava anao ny Kristy.

15Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, ry rahalahy, aza misary adala, fa mbà hendry; 16hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. 17Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitra-pon'ny Tompo. 18Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy masina hianareo. 19Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. 20Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 21Ary mahaiza mifanoa amim-pahatahorana ny Kristy.

(Efezianina 4, 3-32. 5, 1-21)
18. rhaj0 ( 29/10/2014 12:49)

Randri87:
1) Ianao ve izany mahatsapa tena hoe anisan'ireo acteur koa?

Izaho ho'a spektatera atsy @ strapotin-n'ny bas-fond-n'ny balcon @ fiainana globaloba.. (fa aktera @ fiainako manokana)

Randri87:
2) Ireo zavatra lazainao sy ataoanao reo ve novakianao tamina scenario nomena anao sa mahatsapa ianao hoe hevitrao sy safidinao manokana ireo ?

Fampitaha re no ataoko e... Raha "mino" fa Izy no hoe Alpha&Omega, dia raha sonema ny fiainana, dia Izy izany no izy e... Ka dia raha hiresaka ity tantara mandeha io, ka hoe i ranona ratsy fanahy nop nanao an'izao, ka dia... Izy ihany anie no "naniraka" an-Ratsifanahy, sy nampanao ratsy fanahy an-dRatsifanahy, k'inona azany... i Ratsifanahy zavatra manaraka ny scenario fotsiny koa...
19. endriny ( 29/10/2014 15:26)
Ny fifanekena dia indray mandeha ihany ary tsy miova mandrakizay. Io no teny fiandohan'ny didy folo, sy ny amin'ny tsy hisian'izany safo-drano sy fandripahana ary famonoana izany intsony eto amin'ity tany ity.

Noho izany tsy misy izany fifanekena vaovao izany, fa noforon'ny Raomanina anapotehana ny fivavahana Jiosy fotsiny io...
20. Randri87 ( 30/10/2014 05:03)
rhaj0:


Randri87:
1) Ianao ve izany mahatsapa tena hoe anisan'ireo acteur koa?

Izaho ho'a spektatera atsy @ strapotin-n'ny bas-fond-n'ny balcon @ fiainana globaloba.. (fa aktera @ fiainako manokana)

Randri87:
2) Ireo zavatra lazainao sy ataoanao reo ve novakianao tamina scenario nomena anao sa mahatsapa ianao hoe hevitrao sy safidinao manokana ireo ?

Fampitaha re no ataoko e... Raha "mino" fa Izy no hoe Alpha&Omega, dia raha sonema ny fiainana, dia Izy izany no izy e... Ka dia raha hiresaka ity tantara mandeha io, ka hoe i ranona ratsy fanahy nop nanao an'izao, ka dia... Izy ihany anie no "naniraka" an-Ratsifanahy, sy nampanao ratsy fanahy an-dRatsifanahy, k'inona azany... i Ratsifanahy zavatra manaraka ny scenario fotsiny koa...



Hoy kosa anefa ny voasoratra ao amin'ny Baiboly:


Raha sitra-ponao dia hitandrina ny didy hianao,miankina amin'ny sitraky ny fonao, tsy mivadika.16nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano, azonao atsotra amin'izay tianao ny tananao.17Eo anoloan'ny olombelona, ny fiainana sy ny fahafatesana, ka izay fidiny dia homena azy.18Fa lehibe ny fahendren'ny Tompo;sady mahery izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.19Ny masony, dia eo amin'izay matahotra azy,ary fantany avokoa ny asan'ny olombelona.
Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana, tsy misy olona nomeny lalana hanota.
(Ekleziastika 15, 15-20)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5004