Devoly/Menarana/... sidekick-n'A.tra

1. rhaj0 ( 28/10/2014 12:32)

Sidekick : The person in a group of two that is the lesser. -

Toa i Sancho Panza an'i Don Quichotte, na i Dr Watson an'i Sherlock Holmes, na i Donkey an'i Shrek...

Izay no fahitako azy. Dia manao "show" izy roaroa.
- Fa @ ireo ambony ireo, ilay sidekick toa nandranandra.. fa ny fisiany no mampa-glady an'ilay debabe.
- Ny @ devoly/A.tra indray, rahefa ratsy na manahirankirana na mahasosososotra, dia atontona any @ Devoly/Menarana. Ary izany dia mba ampa-glady hatrany an'A.tra.

Dia ny fandinihiko azy ho'a dia tena hotry ny "show" ilay izy.. Fanampin'izay, A.tra @io dia sady directeur/realisateur/producteur no acteur.. K'izy no alpha sy omega : an'Azy ny teny voalohany sy ny teny farany.

Koa raha hiteny (ahy) ianao hoe "devoly/menarana" izany, dia hoy aho hoe, scenario-n'A.tra daholo izany.. (i devoly/menarana dia sidekick fotsiny ihany)

novalian'i rhaj0 ny 11/11/2014 16:52
2. gasy1zay ( 28/10/2014 14:27)
rhaj0 > ary ianao ve mino hoe misy ny mpamosavy? Ny mpamosavy resahiko eto dia ilay olona entin'ny ody miboridana eny ambony fasana fa tsy ilay mpamosavy occidental toy an'i "harry potter" akory.
3. rhaj0 ( 28/10/2014 14:56)
ILay hoe "mino hoe misy ny mpamosavy" aloha dia tsy "finoana" (manaiky tsisy proofo) fa efa "constat de fait". Tsy @ sosaity gasy ihany no misy izany fa samy manan'ny azy daholo ny isan'isany. Fa ny fitantarana azy aoriana no miitatra.

Raha takatro ny tianao ahatongavana dia hoe ... ilay "scenario" (A.tra/devoly) anie ka "tena misy" fa tsy tantara toa ny an'i Harry Potter (na i Santa Clause).

Mbola tsy tonga @ izany kosany aho alongany izao. Fa ny fampitaha tiako avoitra dia... @ sonema-n'ny fiainana io iarahantsika jerena (sy iainana) io, dia i A.tra no directeur/realisateur/producteur no sady acteur

4. endriny ( 28/10/2014 14:59)
Sao dia heverinao fa tsy misy mpamosavy aza any an-dafy? Ary iray amin'ireo ilay atao hoe Kristianina... MIsy maka rano, dia misy mivazavaza sady mikapoka olona fa hoe mandroaka izany demonia izany hono, dia misy milalao bibilava misy poizina, dia misy hoe manitsaka sy mandihy eny ambony afo

Fa aleoko ireto mpamosavy ireto a
http://www.adeaw.us/
5. gasy1zay ( 28/10/2014 18:34)

rhaj0:

ILay hoe "mino hoe misy ny mpamosavy" aloha dia tsy "finoana" (manaiky tsisy proofo) fa efa "constat de fait". Tsy @ sosaity gasy ihany no misy izany fa samy manan'ny azy daholo ny isan'isany. Fa ny fitantarana azy aoriana no miitatra.

Raha takatro ny tianao ahatongavana dia hoe ... ilay "scenario" (A.tra/devoly) anie ka "tena misy" fa tsy tantara toa ny an'i Harry Potter (na i Santa Clause).

Mbola tsy tonga @ izany kosany aho alongany izao. Fa ny fampitaha tiako avoitra dia... @ sonema-n'ny fiainana io iarahantsika jerena (sy iainana) io, dia i A.tra no directeur/realisateur/producteur no sady acteur




Tsy izay no tiako hiavina fa hitako hoe ilay demoniaka voalaza tao @ baiboly dia tena mitovy @ ilay mpamosavy fitantaran'ny olona eto amintsika :"Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin’ ny fasana"
maro ny olona mihevitra hoe tsy misy ny devoly,fa dia tena misy tokoa izy toy ny fisian'ny mpamosavy fa ny stratégie an'ilay rain'ny lainga (devoly ihany io fa mba hanehonoko hoe lainga ny tena fampiasany) dia ny mandresy lahatra ny olona fa tsy misy izany satan-démon izany fa ny kristianina no namorona izany.

Ahoana moa nefa ny hanaporofoana fanahy eny @ rivotra @ olona mila porofo mivaingana?
"Fa isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra"
6. rhaj0 ( 28/10/2014 19:10)
Asa k'lou fa raha ny mba fahazoako azy, dia ny sivilizasiona na ny sosaity isan'isany dia samy vaka saina @ resaka faty/fasana/... ary samy nanana ny nataony tao. Raha nitovy moa dia izay izany fa sain'olombelona io, ary raha tsy mitovy dia traikefa/fiaraha-monina io... fa avy eo ho'a, ny mpitantara no manatavy. Izay aloha ny fahazoako azy eee....

Rahefa rahatrizay voazava ny ataon-dreo (efa misimisy ny efa voazava) dia ... mazava ho azy fa ... hazava ho azy daholo izany e...

Raha izaho manokana dia tsy alefako alavitra ny imagination-ko (eo ambonin'ny "imagination collective") ary tsy ataoko mahavery ny torimasoko izany (izay no fantsin'olo aty)

7. rhaj0 ( 28/10/2014 19:19)
Ny @ tsy hita proofo mivaingana dia... ndao mba hihomehy azany e...
eto na koa eto ...
8. Randri87 ( 29/10/2014 12:59)
Ny tena marina sy efa tena fantatra rahateo dia fahavalon'Andriamanitra sy izay tia azy ny devoly sy ny forongony ary miezaka manakorontana izay lamina tian'Andriamanitra apetraka fa hain'Andriamanitra foana anefa ny miasa indray hahazoana zavatra tsaratsara kokoa manoloana ny korontana hapetraky ny devoly sy izay andevoziny mba ho voninahitra hoa azy (Andriamanitra) sy hahasoa izay tia azy . Momba ny mikasika ny devoly araka ny voalazan'ny Baiboly sns dia misy lien iray ity

http://prophetesetmystiques.blogspot.com/2009/12/lucifer-et-satan-dans-lhistoire.html
9. rhaj0 ( 29/10/2014 13:08)
Araka ny resaka nifanaovana tatsy ihany io : mety "nirahiNY" anie ireo "mpanakorontana" e... Izy ihany no tompo-kevitra... dia araka ilay hoe ny isavorovoron-kilantoana io...

Sahala @ manao politika na manao fanorona ireny... foronina paika iray ahazoana manao paika hafa...
10. endriny ( 29/10/2014 14:07)
rhaj0:

(i devoly/menarana dia sidekick fotsiny ihany)


Aza fady ange ry namana mba esory eo ilay hoe Menarana, fa tsy misy idiran'ny vitsika amin'ny petrol a

Tena biby mbola tsy fahitan'ny israelianina izany menarana izany, satria tsy misy afa tsy eto Madagasikara. Ary io no biby anisan'ny ataon'ny olona ohatra amin'ny hery sy ny tanjaka eto Madagasikara. Kanefa dia aratsian'ny mpandika baiboly fa hoe satana.

Taiza tao amin'ny baiboly grika na hebreo no nisy teny hoe "Menarana". Fa angamba kosa hoe "Bibilava". Raha tsy izany mantsy dia efa nipetraka teto izany ny Israelianina fahagola

Ahahhahahhha
11. rhaj0 ( 29/10/2014 14:56)
Ekena.. sintomiko ilay menarana. Fa dia hialana tsiny..

Fa dia hita tokoany fa ny fahafantarana ny "vala famaritana" (domaine de definition, toerana sy fotoana) nisy tao no ahatakarana ny pitsopitson'ny tantara...
12. Randri87 ( 30/10/2014 06:34)
rhaj0:

Araka ny resaka nifanaovana tatsy ihany io : mety "nirahiNY" anie ireo "mpanakorontana" e... Izy ihany no tompo-kevitra... dia araka ilay hoe ny isavorovoron-kilantoana io...

Sahala @ manao politika na manao fanorona ireny... foronina paika iray ahazoana manao paika hafa...


Mety azo lazaina hoe sahala amin’ilay mpanao fanorona ihany Fa rehefa tena manao fanorona anefa dia “tena miady ny mpanao fanorona” fa tsy hoe “ilay mpanao fanorona iray no maniraka ilay iray…” araka ny mety fomba fijerinao (izay toa mirona kokoa amin'ny toa hoe jeu misy corruption...) . Dia izay mahery no maharesy : ary ny ataon’ny “adversaire” no tsy maintsy “exploitenao” ho “avantagenao” ndray rehefa miady ianao.

Raha vakiana tsara ny contenu an’ilay lien teo dia mazava ny tena fotopisainan’ny devoly fa dia ny fizahozahoana sy fihamboana te hidéfié an’Andriamanitra ary zay koa anefa lay anisan’ny tena fototry ny fahalavoany hatrany am-boalohany . Mbola hamitahin’ny devoly ny olombelona koa io toetra ratsy io amin’ny fialonany ny olombelona izay omen’Andriamanitra occasion ho akaiky azy kokoa. Dia io tokoa ra-olombelona sasany fa dia Mizahozaho sns io ra vo mba hoe manamana-pahaizana kely , manankarena kely, mana-pahefana kely sns dia mi-defié an’Andriamanitra no ataony. Hoy ny voasoratra

“Akory ity hianao no potraka avy any an-danitra, ry kintana mamirapiratra, zanaky ny maraina?
Akory ity hianao no mitsingidina amin'ny tany, hianao ilay mpandrava firenena? Hianao ilay nanao anakampo hoe: Hiakatra any an-danitra aho; ary ambony mihoatra ny kintan'Andriamanitra
no hanandratako ny seza fiandrianako; hipetraka eo ambonin'ny tendrombohitry ny fivoriana,
eny amin'ny avaratra avo tsy hita noanoa; hisondrotra any an-tampon'ny rahona,
ary hitovy amin'ny Avo Indrindra! Kanjo indro hianao latsaka aty amin'ny seoly
aty amin'ny hantsana lalina tsy hita noanoa!” (Isaia 14, 12-15)


“Tany Edena, sahan'Andriamanitra hianao, rakotry ny vatosoa: dia sardoana, topaza, diamondra, krisolita, oniksa, jaspa, safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena, nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao efa voaomana tamin'ny andro nahariana anao. Hianao no Kerobima voahosotra hiaro, napetrako tao amin'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra; tao hianao; nandeha teo afovoan'ny vato mirehitra.

Lavorary hianao tamin'ny làlanao hatramin'ny andro nahariana anao ka hatramin'ny nisian-keloka teo aminao. Tamin'ny fampitomboana ny varotrao, dia tonga feno fanaovana an-keriny ao anatinao; nanota hianao ka nariako hiala teo amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, ary nataoko levona hianao, ry Kerobima mpiaro, teo afovoan'ny vato mirehitra.

Nanandra-tena noho ny hatsaran-tarehinao ny fonao; nosimbanao ny fahendrenao azon'ny famirapiratanao, ka nazerako amin'ny tany hianao, sady natolotro ho fizahan'ny mpanjaka. Noho ny fitomboan'ny helokao, tamin'ny tsy fahamarinan'ny varotrao, dia novetavetainao ny fitoeranao masina, ka namoaka afo teo afovoanao aho, ka izy no nandevona anao; dia nampanjariko lavenona eny ambonin'ny tany hianao, eo imason'izy rehetra nahita anao.”
(Ezekiela 28, 13-18)


“Ary nisy ady tany an-danitra: Misely sy ny anjeliny moa niady tamin'ny Dragona; ny Dragona sy ny anjeliny koa namely, 8fa tsy nahomby, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony; 9ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe demony sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin'ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy… “ (Apokalipsy 12, 7-9)

Ary mazava anefa fa tsy Andriamanitra mihitsy no niteny hoe manaova ratsy au contraire ary efa mazava ny teniny maporisika ny olona hanao ny tsara fa dia an’ny olombelona ny safidy sy mijinja izay nafafiny, hoy ny voasoratra:

“Raha sitra-ponao dia hitandrina ny didy hianao,miankina amin'ny sitraky ny fonao, tsy mivadika.16nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano, azonao atsotra amin'izay tianao ny tananao.17Eo anoloan'ny olombelona, ny fiainana sy ny fahafatesana, ka izay fidiny dia homena azy.18Fa lehibe ny fahendren'ny Tompo;sady mahery izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.19Ny masony, dia eo amin'izay matahotra azy,ary fantany avokoa ny asan'ny olombelona.Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana, tsy misy olona nomeny lalana hanota.
(Ekleziastika 15, 15-20)”

13. rhaj0 ( 10/11/2014 19:22)
ilay manao fanorona tiako tenenina dia hotry ny ilay rahefa milalao "vela" ireny. Sintominao sy atosikao mankatsy mankaroa ny andaniny, hihinanany ny vatonao, dia avy eo, rahefa 5 sisa ny vatonao, dia lasa @izay ianao, ary dia laninao daholo ny vatony.

Eto izany A.tra dia mi-manipuler an'i devoly hihinana ny vaton'izy A.tra ihany. Io no tiako tenenina hoe, Izy A.tra daholo ihany no tompo-kevitra, fa i Devoly dia pion... sans le savoir. Ianao mpijery koa tsy kOpy fa mipapapapa mankahala Devoly eo fotsiny..

Koa raha misy faharavana ao @ vatony ao, dia IZy ihany no ni-planifier an'izany... "sitra-poNY" daholo izany.. (fa ianao no mila "mahatoky" fa "Izay Mahasoa no ho Ataony"...)

Ary @ farany, dia IZy ihany no tompon'ny teny farany e... raha mahay IZy.. (fa "mino" aho fa mahay IZy.. TSY "afa-bela" mihintsy i Devoly)

[size=8]Ka tsy hitanao mampalelo ve i Devoly fa voa dobla : sady arirarian'i A.tra fotsiny @ sangany, na ny tandrokany, nefa ankahalainao mpijery koa?[/size]
14. gasy1zay ( 11/11/2014 15:41)

rhaj0:

ilay manao fanorona tiako tenenina dia hotry ny ilay rahefa milalao "vela" ireny. Sintominao sy atosikao mankatsy mankaroa ny andaniny, hihinanany ny vatonao, dia avy eo, rahefa 5 sisa ny vatonao, dia lasa @izay ianao, ary dia laninao daholo ny vatony.

Eto izany A.tra dia mi-manipuler an'i devoly hihinana ny vaton'izy A.tra ihany. Io no tiako tenenina hoe, Izy A.tra daholo ihany no tompo-kevitra, fa i Devoly dia pion... sans le savoir. Ianao mpijery koa tsy kOpy fa mipapapapa mankahala Devoly eo fotsiny..

Koa raha misy faharavana ao @ vatony ao, dia IZy ihany no ni-planifier an'izany... "sitra-poNY" daholo izany.. (fa ianao no mila "mahatoky" fa "Izay Mahasoa no ho Ataony"...)

Ary @ farany, dia IZy ihany no tompon'ny teny farany e... raha mahay IZy.. (fa "mino" aho fa mahay IZy.. TSY "afa-bela" mihintsy i Devoly)

[size=8]Ka tsy hitanao mampalelo ve i Devoly fa voa dobla : sady arirarian'i A.tra fotsiny @ sangany, na ny tandrokany, nefa ankahalainao mpijery koa?[/size]


Hay ve i rhaj0 koa mba mankahala ilay devoly e! sa tsy ianao moa ilay mpijery resahina eto?
15. rhaj0 ( 11/11/2014 16:52)
"Ianareo" Kristiana no "mpijery" tsy tia ny Devoly io, izay no tiako tenenina.

Izaho azany mba miantra ny Devoly, fa "sidekick" fotsiny ihany izy, ka voan'ny manao ny tian'ny Andrarezina ataony, dia izy Devoly mba manaraka ny sitrapon'A.tra indray anefa no ankahalanareo...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4043