Nahoana....

101. Fiffi ( 21/10/2014 12:32)

rhaj0:

Sa hoy ianao, rahefa mahay mizizo mangataka (savoir demander?) ianao dia (mety) ampazahoany (foana) ?

An an... tsy mety @ kapoakako izany...

non ! non ! tsy mety am kapoako koh zany....

hoy zah wé "savoir demander" tsy midika zany wé zay fangatahana rehetra no ahazahoana valiny....

de toute façon , raha hangataka enao nefa tsy am fonao arahina vavaka....inona no valiny mba ho azonao ? tsisy !....sur io ....

fa nga koh raha wé mangataka dé voatery ahazo valiny eo no eo ? araky ny lazain'i gasy1zay wé possible mety dans 10mn , 1 an , 5 ans etc.....

fa raha kosa wé hangataka enao dé mila valiny de suite....hihihihi tu n'as qu'à l'essayer voir ...

am fotoana tsy ampoizinao akory dé mivaly ny fangatahanao et encore faut-il wé mangataka zavatra tena possible.....am finoana feno...dé mahay mangataka an !
102. rhaj0 ( 21/10/2014 13:06)
Fiffi:
... mangataka zavatra tena possible.....

mahavalalanina izany lazainao izany...

Ohatra izany

- ilay mahantra (fadiranovana) dia ny "tokony" na hoe "hany azony" angatahana, "zavatra tena possible", dia .. mba tsy azahoany aretina ilay ranon-dolana sotroiny avy @ lakan-dranon'Andriantany.. "hivaly ve ny fangatahany" ?

- Fa ilay zanak'i Rampanana dia ny "tokony" na hoe "hany azony" angatahana, "zavatra tena possible", dia .. mba tsy hampatavy azy ny misotro coca-cola (59 calories ny 1 vera).. "hivaly ve ny fangatahany" ?

Rahefa tsy mijery afa-tsy ny tenabe dia mety ilay resaka.. fa rahefa maka recul, dia mijery ny an'olona hafa kosany dia ... hum hum ... io ho'a ilay egocentrisme...
103. gasy1zay ( 21/10/2014 13:23)

Fifii > moa misy zavatra mahagaga tsy hain'i Jehovah va? @ Andriamanitra tout est possible fa tsy ny zavatra rehetra anefa no mahasoa anao, izany hoe ny zavatra angatahanao izany tokony hahasoa anao araka ny fahalalan'Andriamanitra ny ho avinao sy ny lalana namboariny anao, ohatra fotsiny hoe mivavaka aho mba hahazo asa tsara, dia nahita asa mandray karama 5 M ohatra dia faly aho dia vao maika nanolontena hoan'Andriamanitra, dikany dia hoe tena nahasoa ahy ilay asa, fa misy olona iray mety nivavaka fa tsy nahazo asa mandray io karama io satria raha azony izay dia mety lasa nentiny nanao zavatra tsy mifanaraka @ sitrampon'Andriamanitra ilay vola, mety tsy mivavaka izy ny alahady fa lasa variana manao fiainana.

rhaj0 > ilay divorce mety possible, satria mety tany amboalohany dia tsy napetraka teo ampelatanan'Andriamanitra ny fangatahambady, ny vady novadianao izay mifanaraka @ sitramponao @ mahaolombelona anao, kanjo tsy nety, tadidio fa ao @ baiboly dia milaza mazava hoe tsy tokony hanambady olona tsy mivavaka ianao sao dia hanimba ny finoanao izany, tsy midika anefa izany hoe tsy hahomby daoly ny mariazy ohatran'izay satria manana lalana maro Andriamanitra hitondrana olona @ lalampamonjena, izany hoe mety ilay mpivavaka no hitarika ny vadiny hiova fo fa tsy voatery hoe voatarika tsy hivavaka intsony izy.
Marina fa halan'Andriamanitra ny fisaorambady, nefa dia misy ao @ baiboly hoe rehefa cas ohatrizao anefa dia azo leferina ihany izany, eo no tsy mampitovy ny katolika sy ny protestant, ny katolika non catégorique @ divorce fa ny protestant milaza hoe tsy tokony atao izany nefa misy exception azo leferina ihany.
Ilay resaka "gay" indray tsy mino aho hoe misy olona mivavaka asain'Andriamanitra hiaina anaty ota nefa ny tanjony dia ny hamonjy antsika mba handova ny fiainana mandrakizay
104. Fiffi ( 21/10/2014 13:59)

rhaj0:

- Fa ilay zanak'i Rampanana dia ny "tokony" na hoe "hany azony" angatahana, "zavatra tena possible", dia .. mba tsy hampatavy azy ny misotro coca-cola (59 calories ny 1 vera).. "hivaly ve ny fangatahany" ?

tu fais exprès ou quoi ? mahay mangataka !! zay no nolazaiko fa enao nga andeha angataka n'importe quoi tahak'zao ?

nga lé olona angataka coca tsisy saina no zany no andeha hangatahiny am Tompo ? efa fantany zao ve fa maharatsy ny santé-ny ny coca dé andéha hitonatonana njay izy angataka am Tompo wé mba tsy hankarary anah io coca io ? grrrrrrrrr toi rahjO an !

---mahay mangataka: ohatra= mba ho salama tsara....(mitandrina am ny atao tsy hisotro coca an'i rhajO)

---mangataka am Tompo mba ho tody soamantsara ny diha lavitra atao....

tokony ho fantatrao ny zavatra hangatahinao.... mbola tsy nangataka zavatra tam Tompo enao hatram-zay ? à toi de voir....
105. Fiffi ( 21/10/2014 14:06)

gasy1zay:

Fifii > moa misy zavatra mahagaga tsy hain'i Jehovah va? @ Andriamanitra tout est possible fa tsy ny zavatra rehetra anefa no mahasoa anao, izany hoe ny zavatra angatahanao izany tokony hahasoa anao araka ny fahalalan'Andriamanitra ny ho avinao sy ny lalana namboariny anao,

tout à fait ....araky nolazaiko an'i rahjO etsy ambony etsy wé: mahay mangataka fa tsy mangataka n'importe quoi ....

raha efa fantatro tsara zao ve wé tsy mahasoa anah ny zavatra iray dé mbola andéha angatahako ihany ?

"moa misy zavatra mahagaga tsy hain'i Jehovah va?"
106. rhaj0 ( 21/10/2014 14:08)
ok ok.. aza dia mi-grrrrrrr moa fa mampatahotra e...

ka ohatra terre-a-terre no arosoko.. Ka rahefa miresaka @ ankizy dia resaka terre-a-terre na resaka tsotrabe toa izany no mandeha.. ka inona azany...

Ka ilazao ohatra azany hoe:
- inona "zavatra tena possible" azon'ilay "mahantra fadiranovana" angatahana
- dia inona "zavatra tena possible" azon'ny zanak'i Rampanana angatahana
- dia nefa ity farany ity, TSY tokony eritreretin'ilay "mahantra fadiranovana" angatahina akoriny..
107. gasy1zay ( 21/10/2014 15:00)

Efa io lazaina aminao io hoe tout est possible raha tena mino ilay "mahantra fadiranovana" sy ilay "zanak'i Rampanana" fa na dia tout est possible @ Andriamanitra aza dia tsy voatery omeny anao izany satria misy condition 3 en général hahazoanao ilay valimbavaka :
- Vavaka atao amin'ny finoana
- valimbavaka azonao tokony hahasoa anao, ilay mahasoa zany dia ny hitondra anao any @ lalana namboarin'Andriamanitra ho anao.
- tsy misy efitra manakana ny fahasoavan'Andriamanitra hirotsaka aminao ( fahotana )

Averiko ihany ilay ohatra noraisiko tany aloha hoe mino ve ilay mahantra fahadiranovana fa hain'Andriamanitra ny manome azy 1M ? Raha tsy mino izy dia izay ilay hoe vavaka tsy @ finoana dia efa mety antony 1 izay tsy ahazoany valimbavaka, faharoa raha mahazo 1 M ve io mahantra fadiranovana io dia mbola hanaraka an'Andriamanitra sa tsia? raha eny dia mety hahazo izany tokoa izy fa manana ny fombany Andriamanitra hanomezany izany azy, raha tsia ny valiny dia mety tsy ho azony io vola io na dia nivavaka tamin'ny finoana aza izy. Farany raha mbola miaina anaty fahotana izy dia sarotra aminy ny hahazo valimbavaka, sarotra hoy aho fa tsy voatery hoe tsy hahazo, satria an'Andriamanitra ny fandaharana sy ny fanampahana ary Andriamanitra mahay manadio ny helony ary mahay manova ny fony.

Tsy voatery ho sambatra anie rhaj0 ny zanak'i Rampanana e, ianao ve mihevitra hoe resaka régime coca cola no mahatonga ireo be vola mamono tena?misy banga eo @ fiainany fa tsy fantany hoe Jesoa io tsy ampy @ fiainany io satria tsy mba nisy nampahalala azy izany, ezahina comblena @ drogue, alcool, sexe, fa dia he he he , lasa addict @ zavatra tsy izy, mandeha centre de desintox fa tsy mety mahita fiadanana e! mampalaelo anefa fa dia hoe ny fivavahana izay tsy manimba ara-nofo na aram-panahy no lazain'ny sasany ho drogue, izaho miaiky fa misy fivavahana mivoana fa raha ny fivavahana kristianina izay fantatro sy iainako dia tena misy fiadanana sy famonjena, ary tena mamaly vavaka io Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina io.
108. rhaj0 ( 21/10/2014 15:02)
gasy1zay:
... ilay divorce mety possible, satria mety ... Ilay resaka "gay" indray tsy mino aho hoe ...

Ka lasa raisonnement-nao (manokana) izany ilay izy fa toa tsy resaka obzektifa...

Ny ahy izao ny hitako "obzektifa" dia nanota ilay ramatoa, dia navelan'i Jesosy nandeha.. Ary izany dia notaterin'i ... Jaona (?) tanaty Baiboly izany. Ny resaka teo @ ilay ramatoa sy Jesosy dia ... hatraiza moa izany no nitateran'i Jaona azy anaty BAiboly io, fa raha ny fandinihiko azy, dia (tokony) isan'ny "nivoaka" i Jaona fa tsy isan'ireo nanitrikitrika...

Ka tsy haiko aloha izay resak'ilay divaorisehy na koa ilay homosekisoaly tany, fa rahefa mi-insiste zareo @ ny azy ao, dia izaho aloha dia "hivoaka", fa nareo afaka "manitrikitrika" kah... satria manana ny "raison" sy ny "raisonnement"-nareo io nareo...
109. gasy1zay ( 21/10/2014 15:26)
rhaj0 > lasa hors sujet kely ianao fa mety tsy azonao ny tiko ambara fa tsy maninona fa valiko ihany ianao.

3Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,
4 dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga.
5 Ary ao amin’ ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany [Deo. 22. 22-24] ; fa ahoana kosa hoy Hianao?

ny mpanora-dalàna sy ny fariseo no nitondra ilay vehovavy hotoraham-bato fa tsy i Jaona, ary ny contexte @ io dia te hilaza izy ireo hoe tsy manaraka ny lalan'ny Mosesy i Jesoa ka tsy ho "possible " izy no ilay Mesia voalazan'ny mpaminany : Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy.

Ny resak'i Jesoa sy ilay vehivavy dia toy izao : "Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?
11 Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony."

Fantatro hoe ny anao ilay tapany voalohany ihany no tianao raisina fa tsy maintsy raisina anefa ilay tapany faharoa hoe "ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony"

110. rhaj0 ( 21/10/2014 15:35)
ok ok... fa mety afaka manao 2eme session iramatoa... na koa hoe, mbola tsy raikitra ny baolina fa eo ampiandrasana ny 1ere session... :) ok ok, lany morsa aho e.. you win... :)
111. Fiffi ( 21/10/2014 18:53)

rhaj0:

ok ok.. aza dia mi-grrrrrrr moa fa mampatahotra e...

hihihihi :)

[=rhajO@quote]ka ohatra terre-a-terre no arosoko.. Ka rahefa miresaka @ ankizy dia resaka terre-a-terre na resaka tsotrabe toa izany no mandeha.. ka inona azany...[/quote]

mety kah .....fa mba atao matotra....fa lé tsotrabe manjary lasa mandé ho azy...
112. Fiffi ( 21/10/2014 18:56)

gasy1zay:

11 Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony."

Fantatro hoe ny anao ilay tapany voalohany ihany no tianao raisina fa tsy maintsy raisina anefa ilay tapany faharoa hoe "ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony"

"ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony"

dé voavonjy lé mpanota....
113. Fiffi ( 21/10/2014 19:00)

anareo rehetra niady hevitra tam io sujet io...
114. Rohinekena ( 21/10/2014 21:55)
Araka ny voalaza ao aminy Baiboly dia:

"Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.

Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy." Jaona 8:15,16

"3. Ary nisy Fariseo nanatona Azy , dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?

4. Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'' ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe:

5. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'' ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)?

6. ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin'' izany, izay nampiraisin'' Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'' olona.

7. Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1).

8. Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'' ny fonareo no namelan'' i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'' ny voalohany dia tsy mba toy izany.

9. Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa." Matio 19: 3,4,5,6,7,8,9

Ireo izany dia manamafy fa tsy sitrak'Andriamanitra ny fisaraham-panambadiana na fisaoram-bady fa noho ny " Hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo Hisao-bady" io andininy fahavalo io ka dia miankina amin'ny conviction ny tsirairay no hitondrany ny fiainany satry izay misaraka dia mpijangajanga ary izay maka ireo izay nosarahana na lahy na vavy dia mijangajanga fona mandrakizay na mivady aza satry efa voalaza ao anaty Baiboly izay fa Samy manana ny feon'ny fieritreretany moa ny olona

Ity zao dia mazava tsara : " Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'' ny lahy; fa masina ho an'' Andriamaniny ny mpisorona. " Levitikosy 21:7

"Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin'' ny taranak'' Isiraely, na izay novinadin'' ny mpisorona efa maty no hovadiny." Ezekiela 44:22
Betsaka ny verset milaza io resaka fisaoram- bady sy fijangajangana io fa dia anjarany tsirairay fona amin'izay fantany fa mety e!

115. Fiffi ( 22/10/2014 06:00)

hery:

Fahotàna fa tsy fitsipika ka. Fa araka ilay nolazaiko tamin'ny voalohany hoe tsy valide ny hoe "mamelà anay" raha tsy misy fahavononana tokoa hanao réparation. Ny olona mifona sy mibebaka dia au moins amin'izy mifona iny tena vonona fa tsy hanao ilay fahotana intsony. Marina fa mety ho latsaka izy avy eo fa hafa indray izany.

Fa ny olona miaina ao anaty tokatranomaso raha mandeha mifona dia nefa izy mbola mijanona ao anatin'ilay état ihany dia tsy misy dikany ilay fifonana. Izay no mahatonga azy tsy mibebaka akory.

araky io lazain'i hery io zany dé hita eo am nolazain'i Rohinekena eto daholo....

je pense wé tena zay vao mazava amiko ny fandehan'rehetra.....

Rohinekena:
Araka ny voalaza ao aminy Baiboly dia:

"Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.

Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy." Jaona 8:15,16

"3. Ary nisy Fariseo nanatona Azy , dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?

4. Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'' ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe:

5. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'' ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)?

6. ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin'' izany, izay nampiraisin'' Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'' olona.

7. Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1).

8. Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'' ny fonareo no namelan'' i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'' ny voalohany dia tsy mba toy izany.

9. Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa." Matio 19: 3,4,5,6,7,8,9

Ireo izany dia manamafy fa tsy sitrak'Andriamanitra ny fisaraham-panambadiana na fisaoram-bady fa noho ny " Hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo Hisao-bady" io andininy fahavalo io ka dia miankina amin'ny conviction ny tsirairay no hitondrany ny fiainany satry izay misaraka dia mpijangajanga ary izay maka ireo izay nosarahana na lahy na vavy dia mijangajanga fona mandrakizay na mivady aza satry efa voalaza ao anaty Baiboly izay fa Samy manana ny feon'ny fieritreretany moa ny olona

Ity zao dia mazava tsara : " Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'' ny lahy; fa masina ho an'' Andriamaniny ny mpisorona. " Levitikosy 21:7

"Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin'' ny taranak'' Isiraely, na izay novinadin'' ny mpisorona efa maty no hovadiny." Ezekiela 44:22
Betsaka ny verset milaza io resaka fisaoram- bady sy fijangajangana io fa dia anjarany tsirairay fona amin'izay fantany fa mety e!
116. Fiffi ( 22/10/2014 06:02)
Tsy mbola novakinareo va ny teny............

merci Rohinekena ....

117. rhaj0 ( 22/10/2014 15:23)
Dia tena namaky indraya zany aho io...
Rohinekena:
Jaona 8:9... Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany...

Ka raha izany, raha ny fahazoako azy, dia "avotra" izany ny naman'i Fiffi, satria TSY "noho ny fijangajangana" no nisarahana fa tena mety "incompatibilite d'humeur" fotsiny ihany... ka dia TSY tokony hanao "sakay kely rano" ao ny "mpiandry ny omby volavita" fa "mpiandry" ihany izy fa tsyt "mpanapaka" na "hanitrikitrika" lava eo...
118. Fiffi ( 22/10/2014 16:57)

rhajO an ! tena ohatran'tsy arako tsony ny fandehany.....

tao ambony tao nefa toa voalaza wé raha vao misaraka dé mijangajanga ....hihihihi na dé lé tsy fidiny aza....

je ne pige plus rien...
119. rhaj0 ( 23/10/2014 13:02)
Rizareo no tsy mi-pige f'ianao anaovany korotan-dresaka ao fotsiny...
Rohinekena:
Ity zao dia mazava tsara : " Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'' ny lahy; fa masina ho an'' Andriamaniny ny mpisorona. " Levitikosy 21:7
Leviticus 7 “‘They must not marry women defiled by prostitution or divorced from their husbands, because priests are holy to their God.

Ho an-dry mpisorona/priest io fa tsy ho anao.. Fa rizareo no poritra ao noho ny safidiny ao ihany, dia ianao koa no poriporetiny eo (abus de pouvoir-na mpisorona io).

Fa na izany na tsy izany, dia raha mbola ny fahazoako azy, dia mbola resaka tanaty "vala famaritana" (domaine de definition) t@ izany fotoan'andro/toerana/traikefa/fahalalana taloha izany daholo ireo, ary ataovy "inspiration" ho'a ireo, fa ny ankehitrio dia alaharo @ fotoan'andro/toerana/traikefa/fahalalana sy zo aman-dalana ankehitrio... ary ampio ilay hoe ... "Lehibe Ny Famindra-Pony".
120. rhaj0 ( 27/10/2014 14:03)
gasy1zay:
... Averiko ihany ilay ohatra noraisiko tany aloha hoe mino ve ilay mahantra fahadiranovana fa hain'Andriamanitra ny manome azy 1M ?

Koa na tsy mivavaka ny ahazo 1M azany ilay mahantra (fadiranovana), dia raha arak'i Gasy1zay izany, raha ny fahazoako azy, dia tena mila "mivavaka" @ "tena izy" ve izy, izay vao ahazo 10.000 kely ohatra mba ivoahany @ ilay fahantrana fadiranovana... Fa rahefa tsy "mivavaka araka ny tena izy" (toa ireo lazainao ireo) dia "avelan'A.tra ho hitan'ny havany ao @ fahoriana fadiranovany ao" izany izy..

Dia i Rampanana moa, "mivavaka araka ny tena izy" dia mahazo tokoany e... ny harenany ve tsy "valim-bavaka" hoy ianao ?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2596