TANDINDOMIN-DOZA NY FAHAFAHANA MISAFIDY

1. Maranatha ( 18/09/2014 06:05)
« Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina. » 2 Timoty 3 : 12.
« Mampiharihary mazava ny fankahalan’i Roma ny Sabata marina sy ireo mpiaro azy ny tantara momba ny lasa, sy ny fomba nampiasainy mba hanajana ny sabata natsangany. Milaza ny teniny Andriamanitra fa hiverina indray izany rehefa hiray ny Katolika Romana sy ny Protestanta hanandratra ny Alahady. » – Hery Mifanandrina, p. 603. ARAHO ATO
novalian'i deafed ny 23/09/2014 11:13
2. rhaj0 ( 18/09/2014 13:18)
Tena TSY hitako hoe "iza" no "manenjika" anareo ao izao.. T@ fotoan'andron'ireo soratra tao @ Baiboly ireo angaha no nisy "nanenjika" ny Kristiana, fa izao kosany tena TSISY manenjika anareo izany eo.

Mody volivolenanareo hoe misy "manenjika" ianareo, ary dia ho "martiora" ny olona tianareo sintomina (na fandrihana), fa raha ny marina sy zava-misy dia tena TSISY manenjika anareo izany eo re e...

Ny marina azany dia ianareo no "manenjika" ary manangam-pahavalo @ izay tsy mitovy hevitra (na finoana) aminareo.
3. Gasy1zay ( 18/09/2014 15:26)
Sao dia diso fahavalo ary ianao ry Marinatha fa ny fahavalo anie ka ny devoly sy satana fa tsy ny katolika na protestant e! ary tadidio fa inona no tsy nitiavan'ireo fariseo sy mpahay lalana an'i Jesoa? satria izy tsy nanaja ny andro sabata fa nanasitrana olona t@ zany, izany hoe tsy ilay andro sabotsy sy alahady no tena important fa ny finoana an'i Jesoa Kristy
4. Maranatha ( 19/09/2014 05:16)

rhaj0:

Tena TSY hitako hoe "iza" no "manenjika" anareo ao izao.. T@ fotoan'andron'ireo soratra tao @ Baiboly ireo angaha no nisy "nanenjika" ny Kristiana, fa izao kosany tena TSISY manenjika anareo izany eo.
Mody volivolenanareo hoe misy "manenjika" ianareo, ary dia ho "martiora" ny olona tianareo sintomina (na fandrihana), fa raha ny marina sy zava-misy dia tena TSISY manenjika anareo izany eo re e...
Ny marina azany dia ianareo no "manenjika" ary manangam-pahavalo @ izay tsy mitovy hevitra (na finoana) aminareo.

Soa hianao namaly ity mba ho vavolombelona. Tsy mbola misy mpanenjika tokoa izao fa mbola miadana ny tany, fa tsy ho ela io. I vatican sy Etas-unis no fototra hiatombohan'io izay efa mamolavola ny hanatanterahana azy ankehitriny. Ekiminisme no fototra hitondrana azy dia tsy maintsy hasaina mivavaka @ andro izay naorin'ny vatican ho fitsaharana fanompoam-pivavahana ny olona rehetra eto @ planeta tany. Hahita hianao fa tsy ho ela io.
5. rhaj0 ( 19/09/2014 11:05)
Dia tsy haiko hoe ahoana koa no mba inoanao an'izany, na koa hoe, iza azany no mampino anao an'izany..

Ny aty Amerika Avaratra (sy Eoropa) azany efa mifoha ny Atheist ary dia ny isan'ny tadiavin-drizareo dia ny TSY hisian'ny tsindritsindry intsony avy @ Finoana/Fivavahana eo @ fiainam-pirenena h@ fiainan'olon-tsotra intsony.

Ka ny "tandindomin-doza" re ry Maranatha, dia ny "nahafahanao" manesika @ olona ny Finoanao (manokana), satria efa misokatra @ fahalalana sy fahalalahana izao tontolo izao.

Dia eny, hilaozan'ny Ankizy ianao raha mbola miziriziry ny mijanona ao.

TSISY "manenjika" anao izany fa ny mitsoaka anao azany no ataon'ny Ankizy.
6. rhaj0 ( 19/09/2014 14:42)
Jereo anie izao ohatra eto e :

TSY miniana "eo anatrehan'A.tra" INTSONY ny miaramila manomboka izao ao Etazonia ao

Ary hita izao @ io lahatsoratra io, fa ilay finianana "eo anatrehan'A.tra" kay dia nampidirina tany @ 1962 tany.. Izao ny olona miady fa TSY mila manao izany fianianana (eo anatrehan'A.tra) izany foana, satria misy ny olona TSY mino an'A.tra.

Dia io azany ho'a re ry Maranatha, ny olona miala @ io tsindritsindrin'ny Finoana/Fivavahana @ fiainana, nefa ianao "mino" (na nampinoana) fa "I vatican sy Etas-unis no fototra hiatombohan'io izay efa mamolavola ny hanatanterahana azy ankehitriny. Ekiminisme no fototra hitondrana azy dia tsy maintsy hasaina mivavaka..."

Aoka ho'a...
7. rhaj0 ( 19/09/2014 20:09)
Diso kely aho io ambony io, fa TSY miniana ho hoampian'A.tra (So Help Me God), TSY voatery hanonona an'izany intsony ny miaramila amerikana.

Io izao dia isan'ny adi-hevitra be ao zamerika ao, fa ny prezida koa miniana toatoa io, ary dia raha atheista izany ny prezida dia ahoana hono... Fa mbola tsy vonona ny hifidy prezida atheista moa hono zareo ao amerika ao... (efa dingana voalohany ny nifidianany mainty, dingana manaraka mifidy viavy, dia dingana manaraka, mifidy atheista)

Fa raha miverina @ resak'i Maranatha voalohany dia :
- TSISY ary TSY HISY velively izany "fanerena" ny olona hivavaka (sabata tsy sabata) izany
- MISY ary mbola HISY maro koa ny TSY mitodika/miankina... na akoriny aza, miniana @ A.tra
8. RBNIR ( 21/09/2014 17:18)

Faly misera namana,
1- Marina fa mbola tsy misy ny fanenjehana satria na ilay henjehina aza tsy mbola tena tafatoetra (FITORIANA LEHIBE FARANY HOTARIAN'IREO APOSTOLY VAOVAO 12 Hofidian'i Jesosy mivantanta) ary ilay filohan'ny mpanenjika koa mbola tsy voafidin'i satana (na mety efa voafidy ihany fa mbola tsy tena mandray ilay fanjakana ary mbola tsy mampiseho mivantana ny maha bibidia azy,
Ary izany fanenjehana izany araka ny nambaran'i Jesosy (jereo ato) dia « Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. » (Mat.24:21)
Ankehitriny marina tokoa dia tsy misy afaka hilaza mihitsy fa efa misy izany zavatra izany.

2- Araho ato fa amin'ny alalan'ny famantarana mandainga avy amin'ny DEVOLY + BIBIDIA + MPAMINANY SANDOKA (MISANDOKA HO FANAHY MASIN ANDRIAMANITRA) no handresen'ireo lahatra ny NATION UNIS amin'izany fotoana izany.

Vao manomboka ny fitoriana lehibe farany saingy tsy ho ela intsony anefa dia tsy maintsy hiseho hiharihary satria araka ny nambarako ato dia efa manomboka ny fifidianan'i Jesosy apostoly vaovao, ary misaotra an'Andriamanitra lehibe fa MALAGASY NY IRAY (NY AMBINY MBOLA TSY FANTATRA fa raha ny fanambaran'i Jesosy tamin'ny mpanompony dia efa misy IRAY KOA any ivelany any amin-tsika miteny izao (FOLO SISA DIA HIAINGA AMIN'IZAY NY TENA FITORIANA LEHIBE FARANY NAMANA HIHARIHARY HO HITAN IZAO TONTOLO IZAO TSY HO TAKONA HAFENINA ARY DIA MAROBE NO HANARAKA AZY (ARY IZAO NO HAFATRA FOTOANA FOHY DIA FOHY NO NIFIDIAN NY TOMPO IREO APOSTOLY 12 FAHINY KA AOKA IANAO TSY HIHEVITRA MIHITSY FA MBOLA HO ELA VAO HOVOAFIDY NY FOLO AMBINY.

MIVERENA DAHOLO AMIN NY FAMPIANARANA NOMEN I JESOSY FAHINY FA IZAY NO TAKIANY.

MBOLA TSY TARA IANAO NAMANA MIVERENA DAHOLO MBOLA MIVOHA HO AN-TSIKA REHETRA NY VARAVARAM-PAHASOAVANA.

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana
9. rhaj0 ( 22/09/2014 10:49)
RBNIR:
...ny fifidianan'i Jesosy apostoly vaovao, ary misaotra an'Andriamanitra lehibe fa MALAGASY NY IRAY ...

Ka rahefa tsy hamaly mihintsy I RBNIR ka hampahafantatra hoe iza izao Apostoly vaovao Gasy andrandrainy izao, dia lasa aho ni-google. Ka iza @ ireto azany izy e...
- I Apostoly Tsara Tsara ve...
- sa I Apostoly Marc Tatandraza
- sa I Apostoly Benjamina
- sa koa ry Rainisoalambo, Neny Ravelonjanahary, Mama Nenilava Germaine, and Pastor Rakotozandry Daniel
- sa koa moa efa namena nasionalitia Malagasy (an'eritreritra) koa ohatra ny Apostoly Mormona Bruce R. McConkie
10. rhaj0 ( 22/09/2014 18:59)
Efa noresahina tatsy ihany kay ity, fa dia... ny Apostolin'ny Kebany aty izao mahita anarana tena maha-te-ho-tia: "Secte des Apôtres de l'amour infini".. nataon-dreo matematika ilay izy hamandrihany ny matematisiana :)

rhaj0:
Atsy Quebec dia maniriniry hotry ny ... pissenlit (ahi-dratsy aty) ny sectes reliziozy (efa ho 15,000 hono). Mitarika azy ireny dia ilay debabe, izay mitono-tena ho "apostle vaovao"... Hatramin-dry Raelien, izay ngezangeza ihany, ka h@ secte kely mitondra anarana toy ny hoe Rosecrutiens na hoe Secte des Apôtres de l'amour infini (ohatra ity). Ireo no Kristiana (na hoe miorina @ Baiboly), fa ilay Lev Tahor indray no santionan'ireo Jiosy (efa noresahina tatsy)
11. RBNIR ( 22/09/2014 22:44)

rhaj0:

RBNIR:
...ny fifidianan'i Jesosy apostoly vaovao, ary misaotra an'Andriamanitra lehibe fa MALAGASY NY IRAY ...

Ka rahefa tsy hamaly mihintsy I RBNIR ka hampahafantatra hoe iza izao Apostoly vaovao Gasy andrandrainy izao, dia lasa aho ni-google. Ka iza @ ireto azany izy e...
- I Apostoly Tsara Tsara ve...
- sa I Apostoly Marc Tatandraza
- sa I Apostoly Benjamina
- sa koa ry Rainisoalambo, Neny Ravelonjanahary, Mama Nenilava Germaine, and Pastor Rakotozandry Daniel
- sa koa moa efa namena nasionalitia Malagasy (an'eritreritra) koa ohatra ny Apostoly Mormona Bruce R. McConkie

Ny apostoly dia tsy fidin'olombelona, tsy manolotra ny tenany atao ho apostoly, tsy tendren'ny mpaminany koa atao apostoly, fa vakio ny fomba nifidianan'i Jesosy ireo apostoly fahiny fa Jesosy no manantona mivantana ilay olona ary mifidy azy mivantana ary koa mampianatra azy mivantana.
Rehefa maty jodasy dia nifidy apostoly ny olona (i Matia no voafidy tamin'ny alalan'ny atsapaka) « Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy. » (Asa.1:26)

Taty aoriana anefa dia noporofoin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fifidianana an'i paoly apostoly fa IZY irery ihany no manampahefana mifidy izay ho apostoliny ka dia nifidy an'i paoly IZY ho apostoly faha 12 « Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asa.9:15)

Ary toy ireo apostoly 11 hafa, dia nampianarin'i Jesosy mivantana ihany koa ny apostoly paoly :« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Ireo no fepetra 2 tsy maintsy tanteraka vao azo lazaina fa apostoly ilay olona:
1- Fidin'i Jesosy mivantana
2- Ampianarin'i Jesosy mivantana,

Raha misy milaza ny tenany ho apostoly nefa tsy mahatanteraka ireo fepetra 2 ireo dia toy ny misandoka ihany izy ry namana isany,

Ny voany no hamantarana ny hazo hoy ny Tompo (Ilay voa izay afafiny dia tokony mitovy amin'ilay voa izay nafafin'ilay nampianatra azy 2000 taona lasa izay).

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA......IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA....

Samia ho tahin'ny Tompo namana

12. deafed ( 23/09/2014 11:13)
Raha mbola izany no sujet atao ady hevitra dia mahita aho fa mbola lavitra be ny fahatakarana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny atao hoe FAMONJENA.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2123