SAO HISY MARO ANY...........

21. RBNIR ( 22/08/2014 15:48)
rhaj0:

[size=8]an an... dia mihodikodina mahafanina ahy izany resakao izany ry RBNIR.. (moa tsy politisiana amina "gueule de bois"-ny...)[/size]

Ka "andininy" iza aby ao @ Baiboly azany no t@ andron'ny "tsi-fahalalana", ka dia tsy tokony hovakianay "marivo", fa manjary mampifamaofao anay fotsiny e...

Mianara amin ilay fandaharana namana dia hotanteraka aminao ity teny fikasana ity :

« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, » (Jer.31:31)
« Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny*,hoy Jehovah.» (Jer.31:32)
« Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. » (Jer.31:33)
« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. » (Jer.31:34)

Rehefa tanteraka aminao io teny io dia HAHALALA AZY MARINA TOKOA ianao ary tsy mila hampianarina intsony.
Mandrapahatonganao amin izany dia mianara aloha ao amin i Jesosy ary ento ny ziogany « Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Mat.11:29)
.
Ny fampianarana izay zaraina ao dia fampianara noraisina mivantana avy tamin i Jesosy.

Samia ho tahin ny Tompo namana,
22. rhaj0 ( 22/08/2014 16:04)
Tiako ho tsipihina ity iray ity...

Jeremia 31:31 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda,

Vita hatreo izany izay tantara sy izay "fanekena" tao anatin'ny tantara taloha.

Fanontaniana:
- Ka tsy mila vakiana intsony izany ny tantara (sy fanekena) taloha fa efa tsy izy intsony ?
- Dia isika Malagasy koa ve k'lou taranak’ Israely sa taranak’ i Joda ?

Dia inty iray ity koa manintona ahy..

Jeremia 31:34 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

Fanamarihana:
Raha arak'ity izany dia vita hatreo koa izany ilay hoe "tsy avotra raha tsy mitory".
23. RBNIR ( 22/08/2014 16:33)

1- Marina tokoa fa dia tena tapitra teo ny fanekena taloha raha ny MARINA dia tapitra teo ny fomba fanompoana (fomba fiarahana) an Andriamanitra taloha fa efa nosoloina fomba fanompoana vaovao. Manasa antsika ampitiavana hanaraka an ilay fandaharana fa dia tena hatoro antsika mazava tsara hoe inona ny fomba fanompoana taloha ary inona avy no niova dia inona koa ny vaovao.

2- taloha dia ny vahoakan israely ihany no vahoaka an Andriamanitra ankehitriny kosa dia efa misokatra ho an ny jentilisa (ireo vahoaka ankoatran ny zanak israely) Ary ankehitriny dia « Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)
Noho izany ireo teny fikasana rehetra nomena ny vahoakan israely dia efa nafindra ho an ny jentilisa ihany koa.

3- Mazava ny nambarako tery ambony : MIANARA ALOHA AO AMIN I JESOSY ary ento ny ziogany dia ho tonga aminao ny teny fikasana,
Izao koa toy ny fihazakazahana io, misy point de depart dia misy point d arrive (efa nahavita ny hazakazako aho hoy i paoly apostoly) ary mila mihazakazaka ianao vao hahazo ilay loka.

Tsy ho foana mihitsy araka izany ny toriteny fa tsy maintsy hisy foana ny mpampianatra hanoro ireo mbola tsy mahafantatra.

Koa dia samia ho tahin ny Tompo namana

24. rhaj0 ( 22/08/2014 17:00)
K'efa hoz'izy hoe : "samy TSY hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony"..

Ny fahazoako azy, dia Tiany ho soritana mazava tsara fa TSY mila mpampianatra (sy mpanera) intsony fa efa tonga dia efa "direct" ny ligne.

Ka io izany raha ny fahazoako azy dia mety ihany ny approche-ko, hoe, samia manao ny tsara fotsiny dia "Izay Mahasoa Ataony" e.... K'efa "samy mahalala" (na ho ampahalalainy) ao am-po tsy miloaka ao daholo izany tsinona kouh...

Galatiana 3:28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. 29 Fa raha an’ i Kristy hianareo, dia taranak’ i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.

Saingy indrisy mbola Nampiany kely io @ 29 io hoe "taranak’ i Abrahama"... Dia mbola misy TSY kaonty izany raha izany, toa ny aborigenes sy ny amerindiens, ny bantou sy ny vazimba... na koa ny bodista sy izay hafa, animistes sy athees, rehetra any.
25. rhaj0 ( 22/08/2014 17:20)
Iverenako kely fotsiny...

Jeremia 31:33 Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony

Ka dia tena vita hatreo izany ny "mpampianatra" sy "mpanera", sy ny any am-piangonana mampianatra, na ilay mpitety trano mampianatra, f'efa amin'Azy sy ny Tsirairay : direct ho'a ny ligne... Ny ivoriana dia ny ifaliana sy ny ankalazana fotsiny sisa ... na ifanakalozana fa tsisy top-down intsony.

Izay ve ?
26. RBNIR ( 23/08/2014 00:47)

Toy izao namana ny rafitra vaovao napetrak Andriamanitra amin izao fanekena vaovao izao :
Miainga avy amin Andriamanitra ny fampianarana dia mankao amin i Jesosy « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hœ: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)
Jesosy indray avy eo mifidy olona mivantana ho ampianarina (apostoly no filaza an ireny fahiny)
Ankehitriny dia miverina indray izany fifidianana sy fampianarana olona mivantana izany.
Ny voany no hamantarana ny hazo hoy I Jesosy.
Izaho tsy nahita ny nifidian i Jesosy mivantana sy ny nampianarany azy saingy rehefa nanoro ahy ilay lalana izy ka nandeha tamin izany lalana izany aho dia tonga tamin ny tanjona nampanantenana ahy.
Izay no hahafahako mijoro vavolombelona fa tena marina ny fanambarany.
Tena misy ny teboka fiaingana (point de depart) ary tena misy ny teboka fahatongavana (io ilay tanjona ). Tsy toy ny manao kitoatoa na mandeha anjambany « Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; » (1 Kor.9:26)

Tsy inona io teboka fahatongavana io fa ilay FIAINANA (na FANJAKAN ANDRIAMANITRA) izay nampanantenai n I Jesosy. Ary izy io dia « Ary ny olona tsy hanao hœ: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*» (Lio.17:21)

Misy ny vavahady hidirana mankao ary misy koa ny lalana tsy maintsy aleha hahatongavana ao, toy izao no filazan I Jesosy an ireo vavahady sy lalana ireo « Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. » (Mat.7:14)

Aza kivy fa Jesosy dia efa nandeha tamin io lalana io ary nandresy, dia toy izany koa hahazo hery izay rehetra vonona handeha amin io lalana io ary tsy maintsy handresy ihany koa « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asa. 1:8)

Mijereva fandaharana daholo ary sahia mandray fanapahakevitra handeha amin ilay lalana,

Tanjona tokana no tratraro (FIAINANA MANDRAKIZAY)

Homba anao anie ny Tompo,

PS : tsy mahazo aho na 1 fmg aza fa ny aty amiko aza no mivoaka. Faly aho raha misy (na dia iray monja aza) ho voavonjy ka hanana fiainana mandrakizay noho ny fampiasan ny Tompo ahy.

Samia ho tahin ny Tompo namana
27. RBNIR ( 23/08/2014 01:02)
Dia izao koa tsy voatery hoe mankaty Antananarivo akory ianao vao afaka mandeha amin ilay lalana fa atoro anao ilay izy dia anjaranao ny mandray fanapahakevitra namana.

Tsotra ilay fampianarana, ary mora azo (tsy mifidy saranga na faripahaizana) satria ny famonjena dia ho an ny olona rehetra.

Samia ho tahin ny Tompo namana
28. rhaj0 ( 25/08/2014 13:39)
RBNIR:
Jesosy indray avy eo mifidy olona mivantana ho ampianarina (apostoly no filaza an ireny fahiny)
Ankehitriny dia miverina indray izany fifidianana sy fampianarana olona mivantana izany.

Dia raha ny fahazoako azy... dia tena hoy i RBNIR izany hoe, "ankehitriny" dia misy (toa ny fahiny) "apostoly" vaovao ??? Fa mila fantarina fotsiny hoe "iza" no "tena izy" ???

Izay izany ilay izy izao ??
Aiza ho aiza ao anaty Baiboly no milaza fa misy "fifidianana apostoly vaovao" ankehitriny, taona 2000s ??

[size=8]Aoka re ry RBNIR. Efa nandalo teo re ry Joseph Smith ary nahazo clients be dia be tokoany... Ilay deban'ny Lev Tahor notanteriko tatsy koa dia nahazo clients misimisy ihany koa. Ireo izao tena nilaza marimarina mihintsy koa fa "izy no izy", ary dia nisy tokoany moa no nino azy tao, fa "Ny voany no hamantarana ny hazo" koa hoz'izy... Ahoana no re no ilazanao ry RBNIR, fa ohatra hoe, ireo dia "tsy tena izy" fa ny anao ao ihany no "tena izy" ??[/size]
29. RBNIR ( 25/08/2014 14:10)

Faly miarahaba namana,
Tsy maintsy misy namana ny fifidianana apostoly satria ny rafitra napetrak'Andriamanitra amin'izao fanekena vaovao izao dia ny fiangonana dia atsangana eo ambany fanorenan'ny apostoly sy ny mpaminany ary kristy Jesosy no fehizoro indrindra.
« natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; » (Efe.2:20)

Ary tokony otran'izao ny filaharan'ny rafitra ao amin'ny fiangonana:« Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana*, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra. » (1 Kor.12:28)

Ireo rehetra ireo dia efa saika tsy misy intsony any amin'ny ankamaroan'ny fiangonana misy ankehitriny,
Nefa dia ireo no mbola mandrafitra ilay fampianarana tsy misy kilema (avy amin'Andriamanitra fa tsy olona).

P.S : tsy izay misoratena ho apostoly akory dia apostoly fa ny apostoly dia 1- fidian'i Jesosy fa tsy mandratra tena hofidian'i Jesosy (Jesosy no manantona sy mifidy) 2- ampianariny mivantana (jereo tsara ny tantaran'i paoly apostoly izy dia apostoly faha 12 voafidy hisolo an'i Jodasy ary izao no teniny « Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)
Ny mahagaga anefa dia mitovy ihany ny filazantsara toriany sy ny torian'ireo apostoly hafa???

Dia izay ilay voa tokony tadiavina? Moa ve manana an'io filazantsara TOKANA sady MARINA NO TSY MIOVA io ilay milaza ny tenany ho apostoly sa filazantsara hafa?

Samia ho tahin'ny Tompo namana,

30. rhaj0 ( 25/08/2014 16:33)
Atsy Quebec dia maniriniry hotry ny ... pissenlit (ahi-dratsy aty) ny sectes reliziozy (efa ho 15,000 hono). Mitarika azy ireny dia ilay debabe, izay mitono-tena ho "apostle vaovao"... Hatramin-dry Raelien, izay ngezangeza ihany, ka h@ secte kely mitondra anarana toy ny hoe Rosecrutiens na hoe Secte des Apôtres de l'amour infini (ohatra ity). Ireo no Kristiana (na hoe miorina @ Baiboly), fa ilay Lev Tahor indray no santionan'ireo Jiosy (efa noresahina tatsy)

Dia izay voajono ao aloha dia voany mangamanga ao tokoany, ary dia arindriny ao tranony ao. Matetika ny viavy dia ilay ampanambadiana anti-maola ary voaolana ao ireny. Ny ankizy dia akatony ao, discipline be ao, ary ao aminy ao ihany ny sekoly.

Manahirana ihany ilay izy, satria hotry ny "sitra-po", hono, ny an'ireo "voajono". Ka dia ny ankizy sisa no vonjen'ny "direction de la protection de la jeunesse", fa ireo lehibe ve moa... mitady spiritualite hono, ka dia rahefa tsy atsy @ cartomancie sy numerologie sns, dia tratran'ny sectes isan-karazany ao...

Ka aleo manontanintany foana, fa izaho moa tsy any Mada, ary tsy mahare izao " radio"-nareo rehetra any izany. Ngo dia sekta koa ny anao ao ry RBNIR ? (ato famaritana)
(koa na ny an-dry Moustaraf sy ry Maranatha azany mampanontani-tena ahy koa).
31. endriny ( 25/08/2014 17:04)

rhaj0:

[size=8]an an... dia mihodikodina mahafanina ahy izany resakao izany ry RBNIR.. (moa tsy politisiana amina "gueule de bois"-ny...)[/size]

Ka "andininy" iza aby ao @ Baiboly azany no t@ andron'ny "tsi-fahalalana", ka dia tsy tokony hovakianay "marivo", fa manjary mampifamaofao anay fotsiny e...

Ka ilay izy kosa ange lasa tena mivadika mihintsy ny andraisan'ireo Kristianina azy e... Ny an'ny Kristianina dia rehefa manambady indray vao esorina ny voaly... hany ka lasa ohatran'ny hoe toe-pananahana ny dikan'ny voaly.. asa raha azonareo ny zavatra lazaiko?

Rehefa hanambady ny vehivavy Kristianina dia erosina ny voaly, izay midika koa hoe esorina ny virjinite .. fa tsy ilay dikany tao amin'ny baiboly intsony hoe manao voaly ny vehivavy manambady satria tokony tsy hideratena amin'ny manodidina intsony izy fa efa manana tompo.

Fa na izany aza hita amin'ito hevitra hoe: "Ny vehivavy dia fananan'ny lehilahy" ito ilay filaozofian'i Abrahama sy Mosesy te hampiseho ny fahambonian'ny lehilahy..
32. rhaj0 ( 25/08/2014 17:39)
Ka rahefa atao ny kaonty dia misy ifandraisany @ sex izany ity voaly voaly ity, fa resaka fampandriana adrisa fotsiny ny spiritualite sy fampianarana lazaina ireo..

Moa tsy izany va ? (sa, moa tsy izaho no mivaha ? ) :-)
33. RBNIR ( 26/08/2014 05:02)
rhaj0:

Atsy Quebec dia maniriniry hotry ny ... pissenlit (ahi-dratsy aty) ny sectes reliziozy (efa ho 15,000 hono). Mitarika azy ireny dia ilay debabe, izay mitono-tena ho "apostle vaovao"... Hatramin-dry Raelien, izay ngezangeza ihany, ka h@ secte kely mitondra anarana toy ny hoe Rosecrutiens na hoe Secte des Apôtres de l'amour infini (ohatra ity). Ireo no Kristiana (na hoe miorina @ Baiboly), fa ilay Lev Tahor indray no santionan'ireo Jiosy (efa noresahina tatsy)

Faly miarahaba namana,
Tsy afaka hilaza aho hoe marina na tsia ilay hitanao any quebec fa ny marina rehefa mitovy amin'ny fampianaran 'i paoly, sy ireo apostoly ary i Jesosy ny fampianarana ataony dia tsy misy antony tokony hisalasalanao hanaraka azy,
Raha mifanohitra amin'izay kosa dia raiso ilay notenenin'i Jesosy hoe "ny voany no hamantarana ny hazo.

Samia ho tahin'i Jesosy namana
34. rhaj0 ( 26/08/2014 13:40)
"Ny voany no hamantarana ny hazo" ahoana re ry RBNIR.. Toa manonofy sambatsambatra sahala @ avy ... nidaina daholo ireto izy, ary tena tsisy azo ifandaharana... sao ny tianao lazaina hoe :

"izay voany no fantatra fa azony" :-)
35. RBNIR ( 26/08/2014 13:54)
rhaj0:

"Ny voany no hamantarana ny hazo" ahoana re ry RBNIR.. Toa manonofy sambatsambatra sahala @ avy ... nidaina daholo ireto izy, ary tena tsisy azo ifandaharana... sao ny tianao lazaina hoe :

"izay voany no fantatra fa azony" :-)

Misaotra e,
Samia tahian'i Jesosy,
36. endriny ( 26/08/2014 15:59)

rhaj0:

Ka rahefa atao ny kaonty dia misy ifandraisany @ sex izany ity voaly voaly ity, fa resaka fampandriana adrisa fotsiny ny spiritualite sy fampianarana lazaina ireo..

Moa tsy izany va ? (sa, moa tsy izaho no mivaha ? ) :-)

Voalazanao... Misy aza antokom-pinoana sasany aleo atao hoe sekta sasany e, tsy mahazo misarom-boaly intsony ny vehivavy efa nanambady na efa niteraka rehefa atao mariazy any am-piangonana...

Fa ny an'ny Arabika sy ny Israelita ary ny an-dry zareo Indu izay tsy misy ifandraisany amin'i Abrahama akory a, dia ny olona efa manambady no misarona voaly, ho famantarana fa efa manan-tompo izy.

Ny an'ny sasany moa dia ireo relijiosy manokatena dia endriky ny fahadiovana ny saron-dohany... Dia izay izany...
37. RBNIR ( 22/09/2014 11:53)

rhaj0:

[size=8]an an... dia mihodikodina mahafanina ahy izany resakao izany ry RBNIR.. (moa tsy politisiana amina "gueule de bois"-ny...)[/size]
Ka "andininy" iza aby ao @ Baiboly azany no t@ andron'ny "tsi-fahalalana", ka dia tsy tokony hovakianay "marivo", fa manjary mampifamaofao anay fotsiny e...

Faly miarahaba namana,
Raha ohatra ka mbola tsy naheno ny tenin'Andriamanitra mihitsy ny olona iray mikasika ny fahamarinana iray, dia tsy afaka mihitsy Andriamanitra hanameloka azy raha tsy tanterany iny fahamarinna iny,
Nefa kosa, rehefa tonga ny andro iray hampahalalan'Andriamanitra azy ny marina, dia tsy afaka intsony izy ny hilaza fa tsy nandre,

Izay ilay izy e, tsotra kely

Samia ho tahin'ny Tompo namana,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0919