Tsy misy foto-pihaviana jiosy mihitsy ny malagasy

1. rabaradaka ( 08/08/2014 13:50)
Tokony ahitsy ihany ilay fiheverana fa taranaka jiosy ny malagasy dia lasa feno fivavahana jiosy eto, cohen Bera, cohen Rivolala, sy ny sisa. Tsy taranaka jiosy ary tsy misy rà jiosy ny malagasy. Ny prottohistoire malagasy dia manamafy fa mpihavy arabo no nandalo teto. Ny taon-jato faha-IX dia nisy arabo nivarotra tao atsimon'Ambanja ary mbola ao ny mosquée naorin-dry zareo ao Mahilaka. Mpihavy afrikana sy arabo "islamisé" no nandalo teto
novalian'i rhaj0 ny 27/08/2014 14:52
2. rhaj0 ( 08/08/2014 14:09)
Arak'i Wikipedia dia vitsy dia vitsy ny Jiosy monina ao Mada.. Fa nahavariana ahy (foana) fa raha nety ny planin'i HItler sy izay niaraka taminy tao, h@ hoe raha nandresy izy ka h@ hoe raha nety saika namarinana ny Jiosy any Mada, dia nety lasa toa ny Palestiniana ny gasy...

Soa (sa indrisy) fa tsisy guru nampino ny olona hoe, any Mada ny "terre promise"...
3. moustaraf ( 09/08/2014 16:16)
Mahafaly ny milaza aminao namana fa tena efa voaporofo tanteraka ny maha hebreo ny ampahany lehibe indrindra amn malagasy,
Betsaka ny test ADN izay efa natao
Ireo fomba amam panao dia tsy lazaina intsony,
Ny fiteny, ny voambolana moa dia andrivony maro, ary ny mahavariana dia teny izay tsy nandalo arabisation ary tsy hita amn arabo sy afrikana, ohatra vitsy:
Hariva,
Tsara,
Vatana,
Loha,
Vary,
Ozatra,
Marobe,
Razaka,
Harana,
Alina,
ity,izato, itony,...
midabora na miteny,
Sns...
Na ny fikarohana momba ny fihaviana arabo aza dia manaporofo fa Hebreo islamisee no niainga avy tao arabia toa an'i Ali towarat na Ali torah "torah: boky hebreo"
....
Tsy tapitra ny valin teny...
4. moustaraf ( 10/08/2014 08:13)
tohiny...
Na ny foko antemoro ankara, izay nihizingizina fatratra tamn fihaviana arabo aza, rehefa nofotorana akaiky dia voaporofo fa Hebreo niafina tao Makka na Lameka satria nifanenjehana fatratra ireo zava tsarobidy teny amin izy ireo toy ny silaky ny didy folo, tehin'i Davida, torah, boky tetiarana hebreo...
Ny soratra tranainy indrindra eo ampelatanan'ireo katibo dia tsy inona fa soratra hebreo tranainy, izay hafa noho ny soratra arabo, ...
Lazaina fa intimement liee ny teny roa raha ahitana ireto porofo ireto:
-Foto tsakafo:
Maro ireo firenena mihinana vary fa nahoana no isika sy israely ihany no manonona ny VARY? ary tsy hoe mindrana isika fa tena tompony.

Teny fady sy tsy tononina;
Iza no nindrana isika sa israely? Tabory, ilazana ny faritra fady amn lehilahy.
Aty atsimo, ny hoe Isy dia manondro ny mahavehivavy, izay itovizana amn hebreo...

Raha mbola ilaina dia ho lava ny fanazavana.
5. moustaraf ( 10/08/2014 08:23)
Fotoana tokony anitsiana ny tantara izao vanim potoana, ekena avokoa ireo voka pikarohana efa nisy ary tsy tsinotsinoavina akory mihitsy, fa efa misy ny vokatra lavidavitra kokoa ary matotra kokoa, ary ny gasy teratany manampahaizana avokoa no mitondra ny fikarohana.
Sa rehefa isika gasy dia tsy alehany foana izay mba zava bita fa tsy maintsy vazaha fotsy hoditra foana no milaza amintsika izay tokony hatao sy tokony hofantatra.
6. tsitialainga ( 12/08/2014 08:53)

moustaraf:

Fotoana tokony anitsiana ny tantara izao vanim potoana, ekena avokoa ireo voka pikarohana efa nisy ary tsy tsinotsinoavina akory mihitsy, fa efa misy ny vokatra lavidavitra kokoa ary matotra kokoa, ary ny gasy teratany manampahaizana avokoa no mitondra ny fikarohana.
Sa rehefa isika gasy dia tsy alehany foana izay mba zava bita fa tsy maintsy vazaha fotsy hoditra foana no milaza amintsika izay tokony hatao sy tokony hofantatra.

Ny tsy fahafantarana ny tantara no tena olana @tsika malagasy. Kanefa efa tokony hisokatra @zay ny maso sy ny saina izao fa tsy andron'ny fanjanahana intsony. Mbola betsaka tokoa no mandà an-kitsirano fa tsy hebreo ny malagasy, ny fotsy hoditra mihitsy anefa no manamafy fa ny ankamaroan-tsika dia izy daholo ka mety tsy hahagaga raha misy mandà fa tsy anisany izy angamba? (...)
7. rhaj0 ( 12/08/2014 09:49)
Dia rehefa Hebreo ny Malagasy dia maninona ?
8. moustaraf ( 12/08/2014 14:08)
Salama namana,
"Rehefa Hebreo tokoa dia haninona?"

Ny fanadrosoana reahatra dia miainga amin'ny fahalalana ny momba ny tena " connaissance de soi-même", ny tantara , ny kolotsaina, ny fiteny, ny riba sy izay rehetra maha-anao anao.

Ny fidiran'ny fivavahana kristiana, izay mitondra fandemen-tsaina no isan'ny nentina nanapotika ny maha-malagasy! ny olona manan-tsaina rehetra ka nianatra tantara dia mahalala an'izany avokoa! Ary tsy teto M/kara ihany fa eran'ny tany rehetra...

Ny fanontaniana tena mipetraka dia:
Iza marina moa ny Malagasy talohan'ny fanjanaham-pinoana kristiana?

Rehefa fantatrao ny niavianao,ny tantaranao dia hofantatrao MAZAVA ny alehanao sy izay tokony hataoanao, ny firenene rehetra mandroso dia niainga tamin'io avokoa. Ny ntaolo malagasy dia nitandrina fatratra zavatra telo (itovizana @ hebreo):
-tsy miteniteny foana,
-tsy manaoanao foana,
-tsy mihinankinam-poana.

HANINONA ARY? raha hebreo?
-Ny 99% isan-jaton'ny tantara AO amin'ny baiboly dia an'ny Hebreo ( antsika izany)
-Ny 99% faminaniana rehetra dia HO AN'NY HEBREO (antsika izany)
Ary ny 50% dia manondro an'i Madagasikara manokana.Ry EZRA, NEHEMIA, DANIELA, HOSEA... dia efa naminany momba an'i Madagasikara, ilay nosy lavitra.

Mba misy ve amin'ireo fivavahana maro be mipoipoitra esty sy aroa no mampitraka ny malagasy amin'ny maha izy azy?

Ny maha hebreo anao, dia MAMPITRAKA ANAO, tsy mendrika anao izao laharana gisitra lava izao, mangataka lava, gasy kely e! sns....
9. rhaj0 ( 12/08/2014 14:38)
Raha ny hevitro manokana aloha dia ... raha manainga aingam-panahy (inspiration) ny finoana/fivavahana, na hebreo io na kristiana na tsy-finoana koa, dia tsara izany rahefa manao ny tsara ilay olona. Koa raha ny tsy ampiteniteny foana anao, tsy hampanaonao foana anao ets... ny "finoanao" fa Hebreo ianao, dia tsara ho anao izany izany... (rahefa tsy manelingelina na manitsaka ny zon'ny hafa sy ny lalanan'ny fiaraha-monina ianao)

Fa ilay fanapaha-kevitra na hetsika na sns... mivoaka avy @ ilay aingam-panahy kosany, dia, raha izaho manokana, dia mila amarinina/amafisin'ny siansa/sosiolozia/psikolozia/etsetra...


FAnontaniana kely ny ahy: dia hoe, ireo olona avy any Azia atsimo atsinanana ka nivoy lakana ka tonga hatraty Mada koa ve Hebreo ?
10. rabaradaka ( 12/08/2014 14:50)
tena diso io ry namana moustaraf, raha tany amin'ny taon-jato faha-III na faha-IV izay noheverina fa nandehanan'i Jiosy taty Madagasikara dia tsy mbola islamisé satria taona 600 vao nisy Mahomet. Ny anarana indray dia izao : misy anarana malagasy avy amin'ny espagnole, misy avy amin'ny aziatika, misy avy amin'ny afrika, misy avy amin'ny vazantany rehetra. Tsy ireo lazaina hoe jiosy no nitondra ny anarana fa ireo "karany" na arabo tonga teto. Aleo hihavaka tsara ny hoe jiosy sy arako fa samy hafa ireo. Aza ampiesonina ny malagasy fa ny zafiraminia izay lazaina hoe taranaka jiosy dia diso fa taranaka arabo. Misy porofo archéologique betsaka momba izany
11. moustaraf ( 12/08/2014 18:02)
Salama e,
Izaho izao manoratra izao no porofo velona eto, ary avy amn foko iray izay mihizingizina ny maha arabo, ary mandala fatratra io tantaran'ny arabo io.
Misy tokoa ny fiaviana arabo, ary tsy lavina izany, ny razambeko dia fantatro ny faritra nihaviany ao arabia, fa saingy rehefa atosika lavitra kokoa ny fanadihadiana dia miafara any amn hebreo.
Ekena tokoa anie fa amn maha nosy an'i Mkara dia misy lafim pihaviana maro, fa saingy:
-tokana ny fototra iorenan'ny kolotsaintsika,
-tokana ny lafika amn fiteny

Raha dinika ara baiboly no itondrana ny lojika dia:
Andian'olona iray ihany fa lalana roa no nizorany ary hery iray ihany koa no NITONDRA azy ireo.
Babo tany Asyria,
1-nihazo ny route d'asie, nandalo an'i Javana, ary niafara aty amn nosy lavitra,
2-Babo tao Asyria, nihazo an'i ARABIA, Etiopia, Afrika Atsinanana, niafara aty amn'ilay nosy lavitra.
Io ihany no afaka anaporofoana ny maha lafika tokana ny riba sy ny teny rehetra eto Mkara.
Ahitana voambolana arabo,hebreo, indoneziana avokoa ny teny rehetra eto amintsika,
Ary tsy vao izahay izao no manaporofo an'io fa ireo mpikaroka vahiny tany aloha be tany toa an'i Grand Didier, Flacourt,...

Nafenina izany tantara izany, ary ezahina fatratra ny tsy ivoahana fandrao hijoro ny malagasy amn maha-izy azy ka tsy ho azo haforitra intsony.

-Nahoana no misarin tongotra havia ny nosintsika???
12. rhaj0 ( 12/08/2014 19:05)
Raha ny fahazoako azy izany ny @ fikarohana lazain'i Moustaraf dia hoe:
- andiana Hebreo no nihazo an'i Azia, dia avy eo namoy lakana niafara taty Mada
- andiana Hebreo no nihazo an'i Arabia, dia avy eo namoy lakana niafara taty Mada

Ka dia Hebreo-sambatra (fa tsy nahalala) daholo isika mianakavy, raha arak'i Moustaraf... Hebreo fa tsy Asiatika na Arabo (nandalo tao Azia sy Arabia fotsiny ireo razambe)

Izay ve ?


Dia hoe, ny aborigene sy izay Aziatika any Azia ohatra, ny Arabo tao Arabia, na koa ny Vazimba tao Mada, ireo rehetra ireo dia TSY Hebreo...

Izay koa ve k'lou ?
13. endriny ( 13/08/2014 04:18)
Ny anay moa dia tsotra e, tsy misy idiran'ny vitsika amin'ny petrol. Tsy misy na tamingana Malagasy iray aza taranaka Jiosy, fa ny Jiosy taranaka Malagasy no betsaka...

http://dispatchesfromturtleisland.blogspot.com/2013/07/rethinking-madagascars-prehistory.html
14. toriteny ( 13/08/2014 10:39)
Ianao anie na dia tsy manana rà Jiosy aza to afaka azo raisina Jiosy amin'ny finoana ihany e. Raha gasy izany ianao ka ataoko hoe tsy manana rà Jiosy afaka raisina ho Jiosy ihany fa atao inona fotsiny moa izy izay? Inona ny tombony aminao eo amin'ny lafiny finoana amin'ny fanarahanao fivavahana Jiosy?

Tsy ho reraka aho ny hamerina an'ireto:
Kol3:11:"Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo , fa Kristy no zavatra rehetra sady
amin'ny rehetra."

Tit 3:9 :"Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna ; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany."

Andeha hataoko hoe marina ny an'i Moustaraf fa diso ny Testamenta Vaovao, fa mpamitaka i Jesosy fa ny fivavahana Jiosy ihany no marina. Fa maninona kay Moustaraf no 144 000 irery no Jiosy voavonjy tany Jerosalema vaovao? (Azo hisaina ) fa ny olona hafa firenena no maro be tsy hita isa, tsy afaka nisaina?

Raha any amin'ny fivavahana Jiosy no misy ny famonjena, maninona no tsy ny Jiosy no maro an'isa ka ny hafa firenena izay nanaraka fivavahana Jiosy no vitsy? Fa maninona no mifanohitra amin'izay?


Farany omeko manokana an'i Moustaraf ireto fa tena malahelo aho raha tsy voavonjy ianao nefa mba mihazakazaka ihany.

Tsisy importance intsony Moustaraf ny maha Jiosy anao a. Ny important dia ny fandraisanao sy ny fanekenao an'i Jesosy ho ilay Messia. Izy no voalazan'i Isa53 manontolo:"Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy ; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy ; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika . Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina . Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika , ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika . Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry , samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra ;ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra .Nampahorina Izy , nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava , dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina , sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy , eny , tsy niloa-bava Izy . Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy ,
ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? Ary nokasaina atao tao amin'ny olo-meloka ny
fasany na dia tsy nanao ratsy aza Izy , sady tsy nisy fitaka teo am-bavany .

aza avela intsony ny Tompo hiteny Jao5: 39-45:"Dinihinareo ny Soratra Masina , satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay , ary ireny no manambara Ahy . Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana .Tsy mandray laza avy amin'olona Aho . Fa fantatro ianareo , fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao am-ponareo . Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko , nefa tsy raisinareo ; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany , dia horaisinareo ihany izy . Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino , nefa ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo ?Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray ; misy ny mpiampanga anareo , dia Mosesy izay itokianareo . Fa raha nino an'i Mosesy ianareo , dia hino Ahy , satria nanoratra nilaza Ahy izy .
15. endriny ( 13/08/2014 12:11)

toriteny:

Ianao anie na dia tsy manana rà Jiosy aza to afaka azo raisina Jiosy amin'ny finoana ihany e. Raha gasy izany ianao ka ataoko hoe tsy manana rà Jiosy afaka raisina ho Jiosy ihany fa atao inona fotsiny moa izy izay? Inona ny tombony aminao eo amin'ny lafiny finoana amin'ny fanarahanao fivavahana Jiosy?


Aza fady amin'ny mpanoratra fa laza masaka no fahitako an'ity. Tsy misy afaka misoratena ho Jiosy raha tsy afaka manamarina fa manana razam-be Jiosy, ary tsy afaka hiditra na fanjakan'ny lanitry ny Andriamanitr'Israely akory. Izany no atao hoe fototra Ziona.

Ka tsy afaka hisoratena isika tsy tompony ka hanova ny lalana Ziona efa misy. Tsy afaka akory ny atao batisa na hiditra ny fikambanana raha tsy afaka manaporofo aloha fa tarak'i kakilahy Abrahama.

Ny sisa fandrebirebena daholo...
16. toriteny ( 13/08/2014 13:19)

endriny:

Aza fady amin'ny mpanoratra fa laza masaka no fahitako an'ity. Tsy misy afaka misoratena ho Jiosy raha tsy afaka manamarina fa manana razam-be Jiosy, ary tsy afaka hiditra na fanjakan'ny lanitry ny Andriamanitr'Israely akory. Izany no atao hoe fototra Ziona.


Misy ny atao hoe Jiosy pur izay manana rà Jiosy sy ny Jiosy proselyta izay Jiosy ihany fa tamin'ny fivavahana (conversion) fa tsy tamin'ny rà

endriny:

Ka tsy afaka hisoratena isika tsy tompony ka hanova ny lalana Ziona efa misy. Tsy afaka akory ny atao batisa na hiditra ny fikambanana raha tsy afaka manaporofo aloha fa tarak'i kakilahy Abrahama.

1)Tsy ny maha Jiosy no hamonjena ka hoe izay Jiosy na Jiosy proselyta ihany no mandova an'i Jerosalema vaovao. Fa izay mino an'i Jesosy izay tsy finoan'ny Jiosy akory

2)Ny batisa tsy natokana ho an'ny Jiosy fa famorana ny an-dry zareo no fanehoana ny fanekena teo amin'ny Zanak'Israely sy Andriamanitra. Ny Batisa dia signe hita maso ny fanekena teo amin'i Jesosy sy izay mino Azy (izay tsy finoana Judaisme mihitsy)

3)Ahitsiko kely ianao fa izay avy amin'ny Josefa zanak'i Abrahama no atao hoe Jiosy fa tsy izay taranak'i Abrahama rehetra (taranak'i Abrahama mbola misy ny taranak'i Esao izay tsy Jiosy)
17. rhaj0 ( 13/08/2014 13:29)
Hoy i JFK : "I am a Berliner"... dia "oye-oye" hoy ny rehetra.

Fa "Berliner" tokoany ve i JFK ? am-po sy an-tsaina angaha, na hoe resaka (hehy) ka atao, fa kosa, tsy n/m/hiaina ao Berlin ary tsy hilevina any Berlin mihitnsy i JFK...


Fa miresaka Jiosy nareo.. Raha ny fahatakarako ny resako t@ namako iray Jiosy izay, dia TSY ho lasa Jiosy @ izao fotsiny ianao, fa mba revirevy ny anao. Izy azany hono, ny dadany no Jiosy, nefa izy dia @ilay Jiosy amin'ilay fomba matrilineaire, ka dia Jiosy fa "anarany fotsiny" hono nedala... Nitady sipa Jiosy mafy ilery... fa toa nahita ihany farany.

Dia izao koa... ireo Etiopiana Jiosy hono ka Jiosy izany. Dia niverina tany @ "terre promise".. fa tena toa voan'ny fanavakavahana ao... trandremo ihany hoe inona no tadiavinao ao...
18. moustaraf ( 14/08/2014 07:08)
Salama namana,
1.Tsy ny finoanareo na tsia akory no hanova ny tantaran'ny Malagasy sy i Madagasikara, izay efa nasesika tao an-dohanareo (ntsika) hatramin'izay dia tombatombana avokoa, fa ny fikarohana dia mitohy.
Ny maro dia mhevitra fa "ny tanatara dia statika, sy tsy mivoatra", na ny tantaran'ity glaoby ity aza dia misy vaovao hita sy tsikaritra foana, ka indrindra ny momba an'i Madagasikara???

2.Betsaka ny prorofo e! fa izay minia mikipy ihany no jamba, ary izay manentsi-tadiny no marenina.

3.Ny baiboly dia tantaran'ny hebreo, ary an'ny hebreo, ary tsy misy an'izany jiosy ara-pinoana izany tahaka ny tsy mampisy ny frantsay ara-panahy na japoney ara-panahy, fa resaka atao handavana sy hanilihana ny hebreo izany.

4.Tsy ny maha hebreo akory no inona, fa kosa hoy i Paoly " inona ny tombony amin'ny maha jisoy, be dia be; isika no nomena ny torah ho adidintsika!"
Tsy misy hidiran'ny hafa firenenena izany baiboly izany, fa nomena ny jiosy sy hebreo (ISRAELY) mba ho famonjena ny hafa firenena.
Tsy mahagaga raha mikorosy fahana ny fivavahana maro, ilay hafa firenena tsy mifora, tsy mahalala na inona na inona indray no mitsangana hampianatra sy hitory amin'ny tompony, hany ka lazaina fa tsy izy avokoa izao fomba sy riba rehetra maha hebreo anao izao.
Ny tsy fahalalana ny fototra hebreo dia famotehana kolotsaina maro eto Madagasikara!!!

5. Ny hebreo dia tsy mivavaka amin'i jesosy kristy mpangalatra tantara sy mpisoloky, fa amin' YESHU'A Hamashyarh ilay teny tonga nofo ka nonina tamintsika.
Izy ilay voalazan'ny mpaminany, ilay nitondra ny aretintsika, sy nanafaka antsika tamin'ny herin'ny fahafatesana. Izy ilay Aadam faharoa, natao ho lahimatoan'ny Elohym Ray.

6.Efa fandresena lehibe ho anay ny "fanesorana ny anarana jehovah" ao amin'ny baiboly gasy, izay tsy midika inona velively ary tsy misy ifotorana amin'ilay YHWH.
Mbola maro ny anarana hisolo fa aza maika isika e!
Dia atao ahoana daholo ireo hira fiderana maro be .....jehova o! jehovah e!.....

Misaotr e!
19. moustaraf ( 14/08/2014 07:22)
Valin'ny fanontaniana "hoana ny arabo any arabia, ny aziatika any azia, sns...rehetra izay tsy Hebreo".
1.Efa nisy drafitra maty paika ny fahatongavan'ny Hebreo teto Madagasikara fa tsy tongatonga ho azy akory, ary io drafitra io no mila mazav amin'ny tsirairay.

2.lalana efa voatendry ireo lalana nizorany ireo fa tsy "Ny fikarohana taty aoriana " akory no nanao tombatombana: Faminaniana efa voasoratra sy efa voalaza talohan'ny fahababoana no namaritra ny lalana sy ny fiafarany : izay no ilazany hoe NOSY MIAVAKA ity Madagasikara ity e!

3.Ireo hebreo, izay NAELY dia niparitaka amina firenena maro, fa nahoana ilay DIA mankaty Madagasikara no nosoritana MANOKANA??? Sy notehirizina ao anatin'io baiboly io??? Kisendrasendra daholo ve izany???

4.Araka ny planina voalazan'ny baiboly (mpaminany), na dia mifangaroharo amina firenena maro aza ireo olona ireo dia fantatr'i Elohym foana ny misy azy sy ny alehany, satria manana faminaniana efa VOALAZA momba an'ireo olona ireo Izy.
Misy ny manana endrika afrikana, satria nifangaro tamina afrikana, misy ny nifangaro tamina indoneziana, arabo, espagnole, sns.....Efa voasoratra avokoa izany rehetra izany.

5.Raha hoy isika hoe "Tsy midika inona akory izany" dia satria isika efa voapetaky ny vy mahamay tamin'ireo fampianaran'ny tsy mifora izay niezaka hatramin'ny voalohany handiso ny lalan'ny tantara.

Misaotra o!
20. rhaj0 ( 14/08/2014 11:22)
Raha ny fahazoako azy, dia (toa) afangaron'i Moustaraf, na hoe (toa) TSY afangaroko,
- ny Hebreo-Finoana, sy
- ny Hebreo-Tantara-Kolotora-...

Ny fahitako azy, koa na ny Hebreo-Finoana azany samy manan'ny azy koa, ary mifanditra ben'ihany izy samy ao. Misy ireo fondamentaliste, misy ireo tsy izy... Asa i Moustaraf raha miaraka @ iretsy voalohany. Dia i Moustaraf koa teo azany nilaza-tena fa "arabo".. fa dia ho amen'ilay Jiosy "tena izy" ny daka tsy hita maso ianao raha izany :)

Ny Hebreo-Tantara-Kolotora dia... raha avy tao middle east izany nisy ni-immigrer nankatsy nankaroa, dia izay izany. Tantara izany.

Amiko manokana, ireo roa ireo, ny Tantara sy ny Finoana/Fivavahana, dia ... atao(ko) manainga ny aingam-panahy (inspiration). Fa kosa ny hetsika sy fanapaha-kevitra raisina avy @ izay aingam-panahy izay dia (mbola) mila amarinina sy amafisina @ siansa/sosiolozia/psikolozia/... sy ny soatoavina ankehitrio (liberty, democracy,...) ary ny zo aman-dalana ankehitrio, alohan'ny hampiharana azy. Satria ny fiainana (sy fahalalana) ankehitrio dia TSY mitovy @ fiainana (sy fahalalana) fony Tantara sy Finoana taloha izany.

(izaho kosa aloha tsy hamato-tena na hamato-dela @ zavatra nitranga fahiny elabe tany izany, izay tsy fantatra (na fantatro) tsara akory ny tena andinindininy marina, satria ny fampitana ny resaka dia ... telefona arabo sa jiosy sa gasy e... dia avy eo toa samy be-famaritra toa rambon'osy @ izay mampetimety ny baoliny avy daholo ao ny tsirairay...)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2014