ny tontolon'ny ampitso

1. rabaradaka ( 11/09/2014 06:11)
mba jereo ange ity http://www.mondedemain.org/
novalian'i bor2lais ny 30/09/2014 12:21
2. Randri87 ( 11/09/2014 09:46)
Miarahaba, Novangiko kely ilay lien dia namakimaky kely aho… Tsy fantatro hoe fiangonana inona no tompon’io site io fa raha ny hevitro, raha ny momba an'ilay hoe fampianarana Baiboly aloha dia angamba tsy misy tokony hahay azy io mihoatra ny Katolika ...satria izy ireo no efa manana ny lova-panahy 2000 taona, efa manana experience sns ireo mpampianatry ny fiangonana ireo olomasina izay efa notsilovin'ny Fanahy Masina hatrizay. Ity lien nomeko tamin'ny lohahevitra teo aloha ity ohatra dia mampiseho an'izay
http://www.vatican.va/archive/hist_councils/ii_vatican_council/documents/vat-ii_const_19651118_dei-verbum_fr.html

Ny nahavariana ahy koa ary dia hoe naninona no efa taty aoriana indray efa taty amin'ny 1500 mahery dia nisy boky nalan'ny protestanta sns ndray tao ami'ny baiboly ary ny tena nanaitra ahy tamin'ny nahenoko azy voalohany dia toa hoe saika nalan'i Luther mihitsy ny Epistola nosoratan’I Jakoba satria toa hoe mifanahohitra amin’ilay hoe “Finoana Fotsiny” satria ny Epistoalan’I Jakoba dia milaza fa ny Finoana dia tsy maintsy arahin’Asa dia saika halan’I Luther koa hono ny Apokalipsy fa toa hoe miresaka be loatra momba ny Anjely , toy ny Arkanjely Misely ohatra sns…olona no nilaza izay tamiko fa asa aloa zay tena fahamarinan’izay fa mety azo verifiena ihany amin’ny tantara.

Raha ny momba ny fivoaran’ny Kristianisma ndray dia ngamba tsy hoe ratsy daholo fa misy tsara be dia be koa : ohatra ny olona mihalehibe io tsy maintsy misy fivoarana fa ny fototra no tena mila tafajanona tsara , na lay fivoarana tsara koa ary moa efa voaomana avy tany amin’ny fototra ihany angamba fa niandry fotoana maha-mety azy ny fisehoan’izay fivoarana tsara zay. Fa ny tena ratsy aloha raha ny hevitro dia lay fampianarana sasany sy ny fivoarana sasany tena mifanohitra amin’ny Voalazan’i Jesoa satria dia tanteraka tokoa amin’ireo zay manao izany lay vosoratra hoe tsy izay manao amiko Tompoko Tompoko iny. Toy izao tokoa lay izy:

“Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 22Amin'izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin'ny anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin'ny anaranao va izahay, moa tsy efa nanao fahagagana tamin'ny anaranao va izahay? 23Ary amin'izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory hianareo na oviana na oviana; mialà amiko hianareo mpanao ratsy. 24Koa amin'izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin'ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy; 25ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin'ny vatolampy. 26Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika; 27ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany.” (Matio 7,21-27)
3. Randri87 ( 11/09/2014 09:51)
Raha miverina akaiky kokoa amin’ilay lohahevitra aho dia za mieritreritra hoe mety hiverina tsaratsara kokoa noho izao tokoa angamba ny tontolo hiainana sy ny kristianisma fa mety aorian’ny korontana sy zavatra grave be dia be vao ho tonga zay. Raha ny filazan’ny mpandinika sasany tokoa mantsy arak’ireto liens ireto ty

http://fr.wikipedia.org/wiki/Barth%C3%A9l%C3%A9my_Holzhauser#Tableau_synoptique_des_sept_Eglises_de_l.27Apocalypse

http://prophetesetmystiques.blogspot.com/2009/12/propheties-barthelemy-holzhauser_1774.html

dia ao anatin’ilay atao hoe 5ème age isika izao (amin’ireo age fito araka ny fanazavany momba ny faminaniana ao amin’ny Bokin’ny Apokalipsy : Apokalipsy tokoa 2 sy toko 3). Ny Fiangonana ao amin’io 5ème age io dia ilay antsoina hoe fiangonan’I Sarda izay toa mitovitovy amin’ny miseho amin’izao fotoana izao tokoa ny toetrany:

“Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Sarda: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona hianao, nefa maty. 2Miambena, ary hamafiso ny sisa efa ho faty. Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan'Andriamanitra ny asanao. 3Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina hianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako ao aminao. 4Misy olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany anefa aty aminao aty Sarda, ka ireo dia hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy, satria mendrika. 5Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin'ny bokin'ny fiainana aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan'ny Raiko, sy eo anatrehan'ny anjeliny. 6Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy.” (Apokalipsy 3,1-6)

Fa aorian’ilay fiangonan’I sarda dia ny fiangonan’I Filadelfia zay mifanaraka amin’ilay 6ème age ho avy manaraka dia mahafinaritra kokoa

« 7Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Filadelfia: Izao no lazain'ilay masina, ilay marina, ilay manana ny fanalahidin'i Davida, ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha: 8Fantatro ny asanao. Fa manan-kery kely ihany hianao, ka nitandrina ny teniko sy tsy nandà ny anarako; koa indro, varavarana mivoha tsy misy mahahidy no nataoko teo anoloanao. 9Indro, atolotro anao ny sasany amin'ny sinagogan'i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao aho. 10Ary noho hianao nitandrina ny teniko ny amin'ny fandeferana, izaho kosa hitandrina anao amin'ny andron'ny fakam-panahy, izay ho tonga amin'izao tontolo izao ho fitsapan-toetra ny mponina eto an-tany. 11Indro, avy faingana aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12Izay handresy dia hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro, sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin'Andriamanitro, sy ny anarako vaovao. 13Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy. » (Apokalipsy 3,7-13)
4. rhaj0 ( 11/09/2014 10:48)

Randri87:
Ireo zavatra vosoratra dia milaza ny fomba hianana izany amin’ny situation iray (..) ka tsy hoe mbol ampiharina arabakiteny foana lay izy mazava ho azy fa Mila ny Fanilovan’ny Fanahy Masina ndray rehefa miova lay Situation

Dia nefa, raha ny fahazoako ny lazain-dRandri87 eto indray, dia "raisin'i Randri87 ara-baki-teny" izao tantaran'i Sarda na Filadelfia t@ fotoan'androny sy toeram-piainany izany.. Ny Situation-n'ny gasy anie ry Randri87 ka hainao ihany fa Ambohimangakely sy Ankadivoribe e... Ny anay aty Kanada izao Kanawatake sy Kakulu...
5. endriny ( 12/09/2014 03:57)
Giravy be koa aloha ilay hoe notsilovin'ny fanahy masina e. Maninona raha miteny hoe izay no vokatry ny fikaonandoha nataonay tao amin'ny fikambanana. Na hoe izay no mba hevitra hitako na hitanay fa mety. fa tonga dia apetraka mihintsy ilay hoe: Notsilovin'ny Fanahy Masina. Dia ny mpamaky sasany toa anay izany namaizinin'ny Fanahy masina fa tsy notsiloviny, sa ahoana? Sa izahay mihintsy no tsy misy fanahy?

Miala tsiny amin'ny Katolika aloha a.

Dia mba hisin'ny Fanahy ao anaty fiangoanana koa ve no andevenana ny pretra sasany anaty fiangonana, sa izay no antony nadravahana ny fiangonana sasany amin'ny taolam-paty, sy volon'olona efa maty na nifin'olona efa maty?
6. moustaraf ( 12/09/2014 05:15)
Namana,
Averimberina foana foana foana, nisy fivavahana talohan'ny katolika orthodoxe sy romana, izay tompon'io boky maha saropiaro antsika rehetra io,
Raha tena te hahalala dia tsy tokony hatahotra ny miverina ifotony e!

7. RBNIR ( 12/09/2014 11:20)
Faly miarahaba namana isany,

Hoy Jesosy hoe « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)

Alohan'ny hifaranan'izao tontolo izao dia tsy maintsy hotorina indray ilay filazantsara notorina 2000 taona lasa izay.

Rehefa hitanao fa averina hotorina tahakan'ny tamin'ny andron'ny apostoly ilay filazantsara notorina 2000 taona lasa izay dia miomana fa hoy i Jesosy hoe "dia vao ho tonga ny farany"

Jereo ato fa io ilay hoe 2ème Evènement hanambara ny fiavin'ny farany na koa hoe FITORIANA LEHIBE FARANY.

Io filazantsara io dia noraisin'i Jesosy mivantana tamin'Andriamanitra ary nampianariny mivantana tamin'ny olona izay nofidiny mivantana.

Dia toy izany koa tsy miverina indray ny fitoriana an'io filazantsara io raha tsy miverina ety indray i Jesosy mifidy mivantana olona ary mampianatra azireo mivantana koa (jereo ny fomba fifidianana an'i paoly apostoly fa otran'izany no fomba hifidianany olona indray).

Raha vao manomboka io FITORIANA LEHIBE FARANY io dia hiasa koa ny devoly ary hifidy ilay BIBIDIA VOALOHANY (ao amin'ny apokalipsy 13).Vakio ato

Io bibidia io no ilay lehilahinota izay voafidin'i satana hanohitra sy hanenjika ireo mpitory ao amin'ny 2 Evènement,

Rehefa vita ny asa fitoriana izay tanterahina ao amin'ny 2 ème Evènement dia hiraraka amin'izay ny LOZA FITO FARANY (apokalipsy 16) ho an'ireo olona rehetra tsy nanaraka ilay fahamarinana hotorian'ireo apostoly vaovao hovoafidy ireo fa hanaiky kosa ny fampianara sy ny didy vaovao avoakan'ilay bibidia.

« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apok.14:11)

Ankehitriny namana dia sahiko ny manambara fa efa manomboka ilay fifidianana apostoly vaovao,
Ny ahasahiko manambara izany dia misy fampianara vaovao hafa mihitsy fa tsy mitovy amin'izay fahita hatrizay tonga eto amin-tsika eto Madagascar. Fampianarana mitovy amin'ny fampianaran'i Jesosy fahiny sy ireo apostoly,
Ireo DISO rehetra taty aoriana dia efa hahitsy mba hiverina amin'ny nampianaran'i JEsosy azy fahiny.
Rehefa feno ny apostoly vaovao 12 lahy (12 lahy hatrany no nitondra ny vahoakan'Andriamanitra na tamin'ny andro taloha na tamin'ny andron'i JEsosy) dia hanomboka hiharihary amin’izay ilay FITORIANA LEHIBE FARANY ary dia ho betska dia betsaka ny homba sy hanaraka izany.

MINOA RY NAMANA ISANY TENA AM-PITIAVANA NO HILAZAKO IZAO (TSY HISY INTSONY GENERATION HAFA IZANY) FA ISIKA IZAO NO FARANY.
MIVERENA DAHOLO AMIN’NY FAMPIANARANA TALOHA ARY ITY TENIN’I JESOSY ITY SAIN-TSAINO MANDRAKARIVA:
« Tsy izay rehetra manao amiko hœ: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

MANANA SITRAPO IO ANDRIAMANITRA LEHIBE IZAY TOMPOINTSIKA IO ARY TAKIANY AMIN NY OLONA NY HANANTATERAHANA IZANY SITRAPONY IZANY.

IZAHAY TSY NIRAHINA HAMPANANKARENA ANAO, NA KOA HANASITRANA NY MARARY AO ANATINAO. (IZANY REHETRA IZANY DIA NOTENENIN’I JESOSY FA HANAMPY HO AN’IZAY MANAO NY SITRAPONY KOA DIA TSY MILA ANGATAHINA AKORY NY TENA MARINA)

NIRAHINA KOSA IZAHAY MBA HANAN’IZAO TONTOLO IZAO ANTOKA FA TENA HO ISAN’IZAY HO MPANDOVA ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY MARINA IZY.

Araho ny fandaharana Vitao ny Asan’ny Fahamarinana ao amin’ny KOLO TV isa-maraina amin’ny 5ora sy sasany ka hatramin’ny 6ora Alatsinainy ka hatramin’ny zoma (efa hita any amin’ny faritany koa amin’ny alalan’ny canal Sat).

IZAY MANAMASO AOKA HAHITA…… IZAY MANAN-TSAINA AOKA HISAINA……

Samia ho tahin’ny Tompo namana isany
8. moustaraf ( 12/09/2014 13:21)
Inona moa ilay FILAZANTSARA???
Hebreo 4:2 "Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany..."
izy ireny: ireo hebreo nivoaka avy tao Egypta
FILAZANTSARAN'NY FANJAKANA = bokin'ny Mosheh = Torah
fa tsy ity boky vaovaoa ity akory "TTV"

Ny apostoly no milaza fa ny Filazantsara dia efa notoriana ary izany ihany no toriana amintsika amin'izao,
Mpandainga izay milaza fa mitory filazantsaran'ny fanjakana raha zavatra hafa no toriana...
9. moustaraf ( 12/09/2014 17:39)
Raha niteny izy hoe " Ity filazantsaran'ny fanjakan ity"
Inona no teo an tanany??
HOronam boky dia ny bokin'i Mosheh, fa tsy ity matio, marka, lioka...
10. RBNIR ( 13/09/2014 16:33)
moustaraf:

Raha niteny izy hoe " Ity filazantsaran'ny fanjakan ity"
Inona no teo an tanany??
HOronam boky dia ny bokin'i Mosheh, fa tsy ity matio, marka, lioka...

Namana moustaraf, misy mahasamihafa azy ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao matoa nolavin'ny azy Izy.
mila mianatra isika hoy aho.
Sama hotanin'ny AVO e
11. moustaraf ( 14/09/2014 03:49)
Tsy izay tiana hatao anie akory izy ity e!
Fanekena nohavaozina fa tsy fanekena vaovao "berhit khadashah"

"amin'izany andro izany dia HOSORATAKO AO AM PONY NY DIDIKO, ARY AO AN TSAINY NY LALAAKO "
Io ilay famorana fo izay efa notoriana hatramin'ny andron'i Moshe,
Izany no mitranga aty amn fanekena vaovao, ary izany no dikan'ny miova fo, ka raha olona milaza ho mivavaka, mandray famonjena nefa MANDRAVA DIDY SY LALANA,
Inona ary izany no soratana ao am pony sy ao an tsainy???
12. moustaraf ( 14/09/2014 03:52)
Tsy izay tiana hatao anie akory izy ity e!
Fanekena nohavaozina fa tsy fanekena vaovao "berhit khadashah"

"amin'izany andro izany dia HOSORATAKO AO AM PONY NY DIDIKO, ARY AO AN TSAINY NY LALAAKO "
Io ilay famorana fo izay efa notoriana hatramin'ny andron'i Moshe,
Izany no mitranga aty amn fanekena vaovao, ary izany no dikan'ny miova fo, ka raha olona milaza ho mivavaka, mandray famonjena nefa MANDRAVA DIDY SY LALANA,
Inona ary izany no soratana ao am pony sy ao an tsainy???
13. RBNIR ( 14/09/2014 20:33)
moustaraf:

Tsy izay tiana hatao anie akory izy ity e!
Fanekena nohavaozina fa tsy fanekena vaovao "berhit khadashah"

"amin'izany andro izany dia HOSORATAKO AO AM PONY NY DIDIKO, ARY AO AN TSAINY NY LALAAKO "
Io ilay famorana fo izay efa notoriana hatramin'ny andron'i Moshe,
Izany no mitranga aty amn fanekena vaovao, ary izany no dikan'ny miova fo, ka raha olona milaza ho mivavaka, mandray famonjena nefa MANDRAVA DIDY SY LALANA,
Inona ary izany no soratana ao am pony sy ao an tsainy???

Marina izany namana, saingy misy dia misy hoy aho ny lalàna efa noravaina, (ireo lalana nateraky ny fandikan-dalàna ohatra dia efa noravainy (ohatra mivantana ilay hoe raha misy tratra mijangajanga ery ambony dia toraham-bato).
Efa rava daholo ny toy izany tsy misy intsony ny fitorahambato izay tratra manao izany,
Foana araka izany koa ireo lalàna rehetra izay ateraky ny fandikan-dalana rehetra. An'Andriamanitra irery sisa ny fitsarana fa tsy misy intsony olombelona afaka mitsara olom-belona,
Noho izany na tian-tsika na tsy tian-tsika dia rava ny lalana ateraky ny fandikan-dalana rehetra (afaka manome ohatra hafa fa ianao ihany ngamba dia mahavaly azy).

Ankoatran'izany misy koa ireo lalàm-pisoronana marobe izay efa rava tanterka koa (toy ny fananterna biby atao fanatitra, sns...) satria ny mpisorona Be tety an-tany dia efa foana fa tokana ny mpisorona B dia ilay mpanalalana tokana irery ihany
Noho izany na tiantsika na tsy tiantsika dia efa rava koa ireo araka izany (sa ianao mbola manao zanakondry atao fanatitra), lalàna ireny fa aoka tsy ho adinonao

Na izany na tsy izany aza anefa dia nanamafy IZY fa ny didy folo kosa dia tsy rava (satria hoy izy hoe raha te hiditra amin'ny fianainana ianao dia tandremo ny didy ary dia tena didi-folo no notanisainy raha nanotany azy ilay olona hoe didy iza moa izay....

Dia izay sy izay ilay izy namana, fampianarana avy any ambony izany fa minoa e,
Dia izao ny bibidia namana mbola tsy misy amin'izao fotoana izao fa mbola tsy maintsy mitoetra tsara aloha ilay FITORIANA LEHIBE FARANY ho tarihin'ireo apostoly vaovao hovoafidy vao hofidin'i satana amin'izay izy io. Tsy ilay karazam-panenjehana nolazainao no izy fa hoy IZY HOE TSY MBOLA NISY FAHORIANA LEHIBE TAHAKA AN IZANY........

IZA NO VAOHAKAN'ANDRIAMANITRA HENJEHIN NY BIBIDIA ANKEHITRINY MISY AFAKA MILAZA V?

Izay fampianarana izay dia hitako fa mbola tsy ananao ary izao koa fantatrao v fa raha tsy manana ny FANAHINY ny olona tsy hotanteraka aminy iretsy teny nolazainao ao amin'ny Jeremia iretsy,

Ny FANAHINY anefa tsy mitoetra amin'ny olona MISY OTA, koa fantatrao v ny fanesorana ny OTA? (TADIDIO TSY MISY OTA AO AMINY);

Raha mitandrina ny lalàna ianao nefa ny OTA mbola ao anatinao dia mitovy amin'ny fariseo sy mpanoradalana ihany ianao MBOLA EO AMBANY LALANA IHANY IANAO, tsy misy ezaka ny fitandremana ny lalana satria ilay OLONA VAOVAO TSY MISY OTA dia efa mandeha araka ny lalana (EFA TONGA AMIN IZANY MARINA V IANAO?)
Aza mamitatena fa misy karazan'olona 2 mitandrina ny lalàna ankehitriny (ireo OLOMARINA EFA NOHAVAOZINA sy ireo OLONA MIHEZAKA NY MANAO NY MARINA.

Tsy mitovy izany namana ,

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA, IZAY MANANA SAINA AOKA ISAINA.

Samy ho tahin'ny Avo namana,
14. RBNIR ( 15/09/2014 05:40)
Faly misera hatrany :
Fanampimpanazavana:
Lalàna ateraky ny fandikan-dalàna = lalàna iray izay namena rehefa mandika lalàna iray ny olona (ohatra toraham-bato rehefa tratra mijangajanga)......
Misy karazany 6 ireo lalàn'Andriamanitra :

1- Didy folo Eks.20:3-17

2- Ireo lalàn'ny fanekena, (mizara 3)
* ireo lalàna mampianatra ny olona hahay miaina eo amin'ny Andriamanitra sy ny fiarahamonina,
* ireo lalàna mikendry ny mba hitiavanao an'Andriamanitra,
* ary ireo lalàna fitsinjovana ny hafa sy valin'ny atao (ohatra maso solon'ny maso) sns.....

3- Ireo lalàn'ny fahamasinana sy ny fahalotoana (mikendry izay hahamasina ny olona eo an'anatrehan'Andriamanitra) matetika dia faranany hoe "MASINA AHO KA AOKA HO MASINA IANAREO".Amin'ny ankapobeny dia ireo lalàna izay miterka FAHAFETAVENA eo imason'Andriamanitra ny fandikana azireo no lalàn'ny fahamasinana sy fahalotoana .

4- Ireo lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (napetraka mba hahatoky amin'ny takona ny olona iray) ohatra ny fahafolon-karena....

5- Ny lalàna deoteronomika (mikendry mba hampiavaka ny olon'Andriamanitra amin'ny olona hafa firenena rehetra (ohatra fomba fitafy (tsy manao fitafy mifamaofao (tsy manao fitafin'adala fa maontina), fomba fanao (asiana arofanina (garde corps) ny trano rehefa manao trano misy rihina (etage). Andriamanitra no namorona ny gardes corps namana) hitsinjovana ny ain'ny olona eny amin'ny etage ambony.

6- Ny lalàm-pisoronana rehetra (fananterana fanatitra sy ny sisa....


Vakio ny bokin'ny lalàna (boky 5 voalohany ao amin'ny baiboly Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Deoteronomia ary Nomery) fa ho fantatrao daholo ny anton'ny lalàna rehetra
Mbola hitohy raha sitrapon'ny Tompo, nefa marihiko tsy ho feno ireo fa sombitsombiny ihany fa izay mangetaheta dia araho ilay fandaharana (omena any ny toko sy andininy rehetra...) dia ho fantatrao daholo ny anton'ny fanekena talohan'ny hazo fijaliana sy ny fanekena vaovao taty aoriana,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
15. RBNIR ( 15/09/2014 06:03)
Correction:
3- Ireo lalàn'ny fahamasinana sy ny fahalotoana (mikendry izay hahamasina ny olona eo an'anatrehan'Andriamanitra) matetika dia faranany hoe "MASINA AHO KA AOKA HO MASINA IANAREO".Amin'ny ankapobeny dia ireo lalàna izay miterka FAHAVETAVETANA eo imason'Andriamanitra ny fandikana azireo no lalàn'ny fahamasinana sy fahalotoana .
16. moustaraf ( 15/09/2014 06:41)
Ka inona ary le noravana e???
lazao dia tanisao ho hita mazava! fa tsy ahodina anaty resaka lava be!
Ny karazan'ny lalàana dia efa nomeko etsy ambony ihany koa e....

Sabata ve?
aza mijangajanga ve? aza mamono olona ve? sa........????
AIZA ILAY NORAVANA ??
17. RBNIR ( 15/09/2014 07:12)
Ireo karazan-dalàna 6 ireo kosa dia azo sokajiana ho sokajy 2 lehibe:

1- Sokajy 3 voalohany:
- Ny lalàna tsy maintsy atao (tsy azo lavina fa tsy maintsy tanterahina)
- Ny tokony atao (mety ho afaka tsy manao azy ianao nefa dia tokony hiomana amin'ny valiny raha tsy tanterakao ohatra ilay arofanina ery ambony ery (rehefa tonga ny loza dia tsy tokony hanome tsiny Azy ianao satria efa napetrany ny lalàna)
- Ny lalàna ateraky ny fandikan-dalàna (ohatra ilay fitoraham-bato, ny maso solon'ny maso.....

2- Sokajy 3 faharoa:
- Ireo lalàna eo anatrehan'Andriamanitra (didy folo)
- Ireo lalàna eo anatrehan'ny fiarahamonina (lalàn'ny fanekena amin'ny ankapobeny)
- Ireo lalàna momba ny fotoampivavahana isan-karazany.

Raha jerena ireo karazan-dalàna 6 dia azo sokajiana ho toy izao:
1- ny tsy maintsy atao = ireo lalàna rehetra miantoka ny fidiranao any amin'ny fiainana mandrakizay :
1a - (didy folo satria ireo no didy ireo no nolazainy fa hoe raha tehiditra ny fiainana ianao dia tandremo ny didy)
1b - (ny lalana momba ny fahamasinana sy ny fahalotoana satria ny fandikana azy dia miteraKa FAHAVETAVETANA SY TSY FAHAMASINANA « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, ...... » (Apok.21:27)
1c - ny lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (mbola takian'Andriamanitra ny matoky amin'ny takona (ianao sy IZY irery no mifankahita) Vakio ny tantaran'i Ananiasy sy safira vadiny nanao tsy hisy mpahita nefa....« Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany, » (Asa.5:1......)

2- Ny tokony atao kosa dia : tsy miantoka ny fidiranao any amin'ny fiainana mandrakizay nefa kosa ny tsy fanarahanao azy dia mety hitondra fahavoazana ho anao ny lalàna tafiditra ao amin'izany ny lalàna deoteronomika sy ny lalàn'ny fanekena

3- farany ireo lalam-pisoronana dia azo sokajiana ao amin'ilay hoe lalàna ateraky ny fandikan-dalàna (ireny dia efa foana ankehitriny.

Jereo ilay fandaharana ry namana isany ho hitanao ao ny marina ary tsy hisy ampitahotra anao intsony amin'izay lalàna 600 maherinao any....

Ary ny tena ZAVA-DEHIBE INDRINDRA dia HO FANTATRAO NY MARINA ARY HO AFAKA TSY HO ANDEVO INTSONY IANAO ARY HAHAZO ANTOKA FA TENA ZANAKY NY AVO TOKOA.

NY ZANAKA NO MPANDOVA (MPANDOVA NY FIAINANA MANDRAK IZAY)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA..... IZAY MANANA SAINA AOKA ISAINA

Voninahitra ho an'Andriamanitra IRERY IHANY.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
18. RBNIR ( 15/09/2014 07:14)
moustaraf:

Ka inona ary le noravana e???
lazao dia tanisao ho hita mazava! fa tsy ahodina anaty resaka lava be!
Ny karazan'ny lalàana dia efa nomeko etsy ambony ihany koa e....

Sabata ve?
aza mijangajanga ve? aza mamono olona ve? sa........????
AIZA ILAY NORAVANA ??

Tsy mamaky tsara akory ianao izany dia mamaly an,
Vakio tsara aloha ny hafatra e,

Samia ho tahin'ny avo namana
19. Randri87 ( 15/09/2014 07:49)

rhaj0:


Randri87:
Ireo zavatra vosoratra dia milaza ny fomba hianana izany amin’ny situation iray (..) ka tsy hoe mbol ampiharina arabakiteny foana lay izy mazava ho azy fa Mila ny Fanilovan’ny Fanahy Masina ndray rehefa miova lay Situation

Dia nefa, raha ny fahazoako ny lazain-dRandri87 eto indray, dia "raisin'i Randri87 ara-baki-teny" izao tantaran'i Sarda na Filadelfia t@ fotoan'androny sy toeram-piainany izany.. Ny Situation-n'ny gasy anie ry Randri87 ka hainao ihany fa Ambohimangakely sy Ankadivoribe e... Ny anay aty Kanada izao Kanawatake sy Kakulu...


rhaj0, tsy misy mandray ara-bakiteny fotsiny mihitsy eo raha tena mamaky sy mandinika tsara ianao. Interpretationana prophetie io dia lay momba an'i sarda sy fildelfia no nampiasaiana nanaovana lay prophetie ...Lay interpretation teo koa moa dia tsy hoe miconcerné an'i Madagasikara na i Kanada fotsiny fa momba an'izao tontolo izao sy ny Fiangonana era-tany.
20. moustaraf ( 15/09/2014 10:04)

RBNIR:

moustaraf:

Ka inona ary le noravana e???
lazao dia tanisao ho hita mazava! fa tsy ahodina anaty resaka lava be!
Ny karazan'ny lalàana dia efa nomeko etsy ambony ihany koa e....

Sabata ve?
aza mijangajanga ve? aza mamono olona ve? sa........????
AIZA ILAY NORAVANA ??

Tsy mamaky tsara akory ianao izany dia mamaly an,
Vakio tsara aloha ny hafatra e,

Samia ho tahin'ny avo namana


Salama,
Tsara raha mazava!
Ny matetika anie ka tsongatsongainareo ireo didy sy lalana ireo e! dia raka izay itiavanareo azy no ilazanreo hoe: " efa noravana zany ry namana !!" ka fanina be ihany ny maro an'isa!!

Ohatra:
-Tsy noravana ny "aza mangalatra"
-fa noravana kosa ny "manja ny Sabata" ??
-sns....(???)

Aza asiana filozofiam-pampianarana lava be, fa ataovy point par point mba ho hitan'ny be sy ny maro!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1907