ny tontolon'ny ampitso

21. RBNIR ( 15/09/2014 10:15)
moustaraf:

Aza asiana filozofiam-pampianarana lava be, fa ataovy point par point mba ho hitan'ny be sy ny maro!

Izy no mahatonga ahy hanentana hijery fandaharana satria raha ny eto mety possible tsy ho azonao mihitsy akory aza,

Samia ho tahin'ny Avo e
22. rhaj0 ( 15/09/2014 10:36)

RBNIR:
5- Ny lalàna deoteronomika (mikendry mba hampiavaka ny olon'Andriamanitra amin'ny olona hafa firenena rehetra (ohatra fomba fitafy ...

Fa ianao anie ry RBNIR, na ny gasy azany e, dia ao anatin'ny sokajin'ny "hafa firenena" e...

Ka dia araka ny resaka tatsy, dia A.try ny Hebreo/Israelita izany no ivavahanareo RBNIR sy Moustaraf ao fa TSY A.try antsika jiaby.

Ka dia mahasoava ao azany ianareo roaroa e.... dia ho hita eo hoe "iza" aminareo no tena tia sy/na manaraka ny didin'Izy e...
23. RBNIR ( 15/09/2014 11:44)
rhaj0:

RBNIR:
5- Ny lalàna deoteronomika (mikendry mba hampiavaka ny olon'Andriamanitra amin'ny olona hafa firenena rehetra (ohatra fomba fitafy ...

Fa ianao anie ry RBNIR, na ny gasy azany e, dia ao anatin'ny sokajin'ny "hafa firenena" e...
Ka dia araka ny resaka tatsy, dia A.try ny Hebreo/Israelita izany no ivavahanareo RBNIR sy Moustaraf ao fa TSY A.try antsika jiaby.
Ka dia mahasoava ao azany ianareo roaroa e.... dia ho hita eo hoe "iza" aminareo no tena tia sy/na manaraka ny didin'Izy e...

Nisy tokoa ny fotoana : ny israely ihany no vahoakan'Andriamanitra, saingy taty aoriana dia efa nosokafana tamin'ny jentilisa (hafa firenena) ihany koa ny famonjena,
Ary rehefa nosokafana dia tsy nisy intsony ny jiosy sy ny jentilisa fa nolazaina kosa hoe olon'Andriamanitra ny mpanaradia AZY.
« Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa; » (Rom.3:29)
« dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa, » (Rom.9:24)
« Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa*, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. » (Rom.10:12)

Diso ny fiheverana fa didy ho an'ny jiosy irery ny didy taloha, ary taloha dia efa nisy ny olona hafa firenena nanompo AZY araka ireo lalàna taloha fa tsy voafetra mihitsy hoe ny Israely ihany
Porofo :« Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin'i Jehovah tsy ho isan'ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho. » (Isa.56:3)
« Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko » (Isa.56:6)

Tsy natao ho an'ny Israely irery ihany ny didy fa tena ho an'ny olona rehetra namana,

Mila mianatra isika e, IZY RAHATONGA TETY AN-TANY DIA NANKAHALAINA SATRIA NISY OLONA NOHEVERINA FA TSY TOKONY HO AN'ANDRIAMANITRA NEFA NATAONY HO SAKAIZA.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
24. rhaj0 ( 15/09/2014 12:32)
Fa mbola Jiosy sy Jentilisa tao @ fotoan'androny sy toeram-ponenany tao koa re izany e..

Tsisy resaka manondro :
- ny sivilizasiona Inca na Maya ohatra. Io sivilizasiona io dia efa niroborobo be t@ "io fotoan'andron'ny Jiosy sy Jentilisa" io..
- ny sivilizasiona Sinoa koa, torak'izay
- ny Bantou sy ny Vazimba koa tsy takatry ny A.try ny Hebreo/Jiosy/Jentilisa, mainka fa ny razanao, razantsika, euh.. razanay gasy mantsy e....

Ary ampatsiahiviko indray, fa t@ io fotoan'andro sy toeram-ponenan'ny Hebreo/Jiosy/Jentilisa io azany, dia io hiaraha-mahita io fa TSY A.try ny Ejipsiana sy ny Romana Izy e... ireo Ejipsiana sy Romana ireo, dia Izy mihintsy no nandripaka azy, satria Izy dia A.try ny Jiosy/Jentilisa/Hebreo ...
25. moustaraf ( 15/09/2014 14:19)
Zavatra hay sy voafehy tsara re no azavaina a! lasa mampihomehy ollna.

Ny fivavahana dia safidy,
Raha ho silamo dia misy ny qur'an, sy ny fombany,
Ny boudhiste manana ny azy sy ny fombany,
sns...

ka raha mifidy ny baiboly ianao dia misy ny anarany sy ny fombany, fa tsy izay itiavana azy akory. Izay ilay hoe mamantatra ny sitrapony.
"Zanako lahy matoa i Israely"
Ny zanaka ao an trano no nomena ary mahalala ny sitrapon'ny Rainy,
"izy no nomena ny teniny ho ADIDINY"

Mpisadoka izay rehetra milaza ho zanaka nefa TSY MAHALALA AKORY NY ANARAN'NY RAINY,

Ilay jehova ve tsy efa nofoanan'ny mpitarika anareo fa hoe diso e!!!
26. rhaj0 ( 15/09/2014 15:38)
Ahoana no "ahalalany ny anaran'ny Rainy"... koa iretsy anie @ sokajin'ilay "hafa firenena" e... nefa dia midongy sy mihanta be ho "zanaNY" ao koa. Fa Izy moa be fitia ka dia ekeNY (mba tsy isian'ny fifandirana) ho ZanaNY tokoany iretsy... Fa ireo "Tena ZanaNY" angaha izao tsy dia hihomehy malemy fotsiny... (koa na ianao azany ve ry Moustaraf dia mba ho anisan'ny "tena zanany" tokoany koa?)
27. moustaraf ( 15/09/2014 18:29)
Ny mahatsikaiky anie amn ity fivavahana amn Ilay nivavahan' i Avraham ity any e!
Ny oliva maniriniry ho azy, rehefa nampidirina mba ho eo amn fototr'oliva, dia lasa manao tsinontsinona ny tena sampan'oliva tena izy...

Aiza ka, ny hafa firenena indray hono no mihizingizinaa ho tompony alohan'ny tena tompony!
Ny romana ndray ve no milaza fa tompon'ny fivavahana hebreo!!!! ridicule be nge zany e!!
Amn'izay novainy amn mahametimety azy avokoa ny toko sy andininy rehetra! Ny anarana TSY AZO ADIKA nosoloina avokoa!
Theos/ god/ got/ dios/ dieu/baangi/ Atra/ jehova/ sns....
mba rariny ve zany rey ol e!
28. rhaj0 ( 15/09/2014 18:57)
Mahavariana..

Izao izany no fahitako azy.. Mahery (ara-kery fizika) ny ROmana ary dia "nandresy" (ka nambabo ny Hebreo). Dia sahala @ mpandresy rehetra, dia nobaboany ny "harenany" ary dia nalainy ho azy ... ny Fivavahana/Finoana Hebreo/Israelita izany.

Dia mahavariana...

Dia ny any amintsika indray, dia TSY mahery (ara-kery.. saina) isika gasy, ary dia nasesiky ny mpandresy tamintsika ny foto-pi(s)ainany (Finoana/Fivavahana).


Dia i Moustaraf izany toa voa double kouh... Hebreo izy fanefa nalain'olo ny harenany; Gasy izy nefa notsindrin'olo ny fi(s)ainany...


Ka dia tsy hita ihany izy ity fa dia tonga @ ilay hira hoe:
Misavorovoro Ka Ouh
Ny Iray Tanana Ka Aah
Amin'ny... Finoana/Fivavahana Iiii
;)
29. RBNIR ( 16/09/2014 02:20)
rhaj0:

Fa mbola Jiosy sy Jentilisa tao @ fotoan'androny sy toeram-ponenany tao koa re izany e..

Tsisy resaka manondro :
- ny sivilizasiona Inca na Maya ohatra. Io sivilizasiona io dia efa niroborobo be t@ "io fotoan'andron'ny Jiosy sy Jentilisa" io..
- ny sivilizasiona Sinoa koa, torak'izay
- ny Bantou sy ny Vazimba koa tsy takatry ny A.try ny Hebreo/Jiosy/Jentilisa, mainka fa ny razanao, razantsika, euh.. razanay gasy mantsy e....

Ary ampatsiahiviko indray, fa t@ io fotoan'andro sy toeram-ponenan'ny Hebreo/Jiosy/Jentilisa io azany, dia io hiaraha-mahita io fa TSY A.try ny Ejipsiana sy ny Romana Izy e... ireo Ejipsiana sy Romana ireo, dia Izy mihintsy no nandripaka azy, satria Izy dia A.try ny Jiosy/Jentilisa/Hebreo ...

Moa tsy efa nambarako v ry namako ? aza mandeha amin'iny lalàna iny hoy aho sao dia anjary hankahalà AZY ianao ary hitarika ny olona hankahala AZY.

Hampahiratra anao anie IZY ry namana,

Samia ho tahin'ny Tompo e,
30. rhaj0 ( 16/09/2014 10:33)
TSY misy resaka fankahalana mihintsy ireo re ry RBNIR fa filazana (fampatsiahivana) ny zava-misy fotsiny a...

Hotry ny hoe raha vao mandeha ilay resaka, ka tsy mitovy @ eritreritrao, dia tonga dia negative be mihintsy.

Toa izay koa ilay approche-n'ny sasany @ fiainana ka hoe, rahefa tsy miaraka aminy, rahefa tsy miombon-kevitra 100% aminy, dia tonga dia fahavalony... ary ny sasany azany tonga dia tonga h@ hoe, tokony "aringana".

Izany ihany no maha-sarotra ny fiaraha-miaina eto @ ity tany ity...
31. deafed ( 23/09/2014 12:11)
moustaraf:


RBNIR:

moustaraf:

Ka inona ary le noravana e???
lazao dia tanisao ho hita mazava! fa tsy ahodina anaty resaka lava be!
Ny karazan'ny lalàana dia efa nomeko etsy ambony ihany koa e....

Sabata ve?
aza mijangajanga ve? aza mamono olona ve? sa........????
AIZA ILAY NORAVANA ??

Tsy mamaky tsara akory ianao izany dia mamaly an,
Vakio tsara aloha ny hafatra e,

Samia ho tahin'ny avo namana


Salama,
Tsara raha mazava!
Ny matetika anie ka tsongatsongainareo ireo didy sy lalana ireo e! dia raka izay itiavanareo azy no ilazanreo hoe: " efa noravana zany ry namana !!" ka fanina be ihany ny maro an'isa!!

Ohatra:
-Tsy noravana ny "aza mangalatra"
-fa noravana kosa ny "manja ny Sabata" ??
-sns....(???)

Aza asiana filozofiam-pampianarana lava be, fa ataovy point par point mba ho hitan'ny be sy ny maro!


« Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo. » (Romana 14:4)
« Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy. » (Romana 14:5)
« Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy. » (Romana 14:6)

Jereo fa Josefa dia nandà tsy hatory hiaraka amin'ny vadin'i Potifara, mbola tsy nomena ny didy folo dia efa nahafantatra fa ratsy eo imason'Andriamanitra izany zavatra izany na mbola tsy nofaritana aza hoe fijangajangana io amin'ny didy.
Ny sabata indray dia samy nanana ny azy ny fokon'ny Israely fa ny andro Jojily na Yobel no natao hitovian'izy ireo rehefa niverina tany amin'ny taniny avy izy ireo, io no atao hoe taon-tsabata. Ka tsy ny andro no inona fa ny fanokananao azy ho an'Andriamanitra.
Farany, Kristy no fahatanterahan'ny lalàna.
« Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana » (Galatiana 3:21)
« Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy. » (Galatiana 3:22)
« Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. » (Galatiana 3:23)
« Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. » (Galatiana 3:24)
« Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. » (Galatiana 3:25)
« Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. » (Galatiana 3:26)
« Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. » (Galatiana 3:27)
32. RBNIR ( 24/09/2014 05:43)
deafed:

« Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy. » (Romana 14:5)
« Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy. » (Romana 14:6)

Faly misera namana,

Raha azoko tsara dia manome io teny io ianao satria heverinao fa io teny io dia manome alalana ny olona tsy hitandrina ny sabata intsony.

Jesosy tsy nampianatra mihitsy hoe tsy tokony hitandrina ny Sabata intsony ny olona fa ny mifanohitra amin’izay:
1- « Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. » (Lio.4:16)
Araka io teny io dia nampianatra ny olona araka ny fanaony IZY : miditra ao amin’ny synagoga (fiangonana) amin’ny andro Sabata.

2- Nampianariny hitandrina ny Sabata koa ireo mpianany:

• « Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitœrana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. » (Asa.16:13)
Hita araka io teny io fa rehefa tong any Sabata dia nitady fitoeran fivavahana ireo mpianatra.

• Ireto koa nisy ireo vehivavy mpanaraka Azy tamin’izay nalehany : « Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. » (Lio.23:56) :
Vakio hatramin’ny Lio.23:48 dia ho hitanao fa ireo vehivavy nitandriana Sabata taorianan’ny nahafatesan’I Jesosy ireo dia mpanaraka Azy tany Galilia (mahafantatra tsara any zavatra nataon’I Jesosy sy fampianarana izany nataony koa.

3- Jesosy dia nampianatra fa raha te hiditra any amin’ny FIAINANA ny olona iray dia mila mitandrina ny didy folo
« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Mat.19:17)
« Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hœ: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Mat.19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Mat.19:19)
Na dia tsy voatonona mazava aza ilay hoe « Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. » (Eks.20:8) dia tsy maintsy tandremana satria hoy ny apostoly Jakoba hoe : « Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jak.2:10)
« Fa Ilay nanao hœ: "Aza mijangajanga" no nanao hœ koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. » (Jak.2:11)

Araka io teny io dia tsy voalazain’i Jesosy aza hoe mila mitandrina ny Sabata ny olona dia (sous entendue) tsy maintsy tandremana ihany ny Sabata mba TSY HAHADISO AMIN NY IRAY LOHA.

Farany Vakio ato fa ireo kristianina tany ambohalohany dia tena mbola nitandrina ny Sabata toy an-dry Jesosy sy ireo mpianatra voalohany,

Ary ho hitanao ao ihany koa fa ny alahady dia vokatr'ilay didy (decret) navoakan'ny emporora romana fahiny atao hoe Amperora Constatin. Decret du 07 Mars 321.

IZAY NO MARINA NAMANA : JESOSY TSY NAMPIANATRA MIHITSY HOE TSY TOKONY HOTANDREMANA INTSONY NY SABATA FA NY MIFANOHITRA AMIN IZANY NO NATAONY KA DIA NIANARAN IREO MPIANANY FAHINY.

Isika taty aoriana tsy mahafantatra dia manaraka izay alehan'ny olona fotsiny saingy tonga indray Jesosy nifidy olona izay nampianariny mivantana toy ireo apostoly fahiny dia izay no nahitana ireny "secret nivalona efa ela B rehetra ireny"

P. S :raha tianao ho fantatra ilay andro lazaina ao amin'ny romana toko faha 14 zarainao ery ambony io dia manaraha fandaharana VITAO NY ASAN NY FAHAMARINANA isa-maraina amin'ny 5ora sy sasany ao amin'ny KOLO TV ny alatsinainy ka hatramin'ny ZOMA (azonao arahina amin'ny canal sat ny kolo TV namana raha any amin'ny faritany ianao,

SAMIA HO TAHIN NY TOMPO NAMANA
33. bor2lais ( 24/09/2014 12:34)
RBNIR:

raha tianao ho fantatra ilay andro lazaina ao amin'ny romana toko faha 14 zarainao ery ambony io dia manaraha fandaharana VITAO NY ASAN NY FAHAMARINANA isa-maraina amin'ny 5ora sy sasany ao amin'ny KOLO TV ny alatsinainy ka hatramin'ny ZOMA (azonao arahina amin'ny canal sat ny kolo TV namana raha any amin'ny faritany ianao,

???
:-) :-)
34. RBNIR ( 24/09/2014 15:04)

bor2lais:

RBNIR:

raha tianao ho fantatra ilay andro lazaina ao amin'ny romana toko faha 14 zarainao ery ambony io dia manaraha fandaharana VITAO NY ASAN NY FAHAMARINANA isa-maraina amin'ny 5ora sy sasany ao amin'ny KOLO TV ny alatsinainy ka hatramin'ny ZOMA (azonao arahina amin'ny canal sat ny kolo TV namana raha any amin'ny faritany ianao,

???
:-) :-)

Misy tsy mazava ngah namana? izy mihevitra fa sabata no resahina amin'io andro anankiray io nefa hafa mihitsy, any amin'ilay fandaharana no tsara hamaliana azy e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
35. bor2lais ( 24/09/2014 15:45)
Fa angaha raha tsy mitovy amin'ny lazain'ilay "apostoly" dia voatery ho diso foana ? :-)
Tandremo sao lasa "dadarabe evanjelika" aza ka ekena na raisina am-bolony daholo izay lazainy ! :-)
[size=8]Elaela indray no tsy nifanasa tongotra isika izany a ! :-)[/size]
36. RBNIR ( 25/09/2014 03:04)
bor2lais:

Fa angaha raha tsy mitovy amin'ny lazain'ilay "apostoly" dia voatery ho diso foana ? :-)
Tandremo sao lasa "dadarabe evanjelika" aza ka ekena na raisina am-bolony daholo izay lazainy ! :-)
[size=8]Elaela indray no tsy nifanasa tongotra isika izany a ! :-)[/size]

Ny zavatra hitako aloha, izay rehetra niala tamin'ilay fampianarana nomen'i Jesosy sy ireo apostoly fahiny.....dia tsy misy manana ilay fampianarana tsy misy kilema intsony.....
Ary ny tena mampalahelo, dia ireo teny rehetra izay nolazain'i Jesosy fa miantoka ny fidiran'ny
olona ao amin'ny fiainana mihitsy no tsy hananan'ny maro intsony (toy ny hoe raha te hiditra amin'ny fiainana ianao tandremo ny didy....Ary tsy mba hiditra ao mihity izay tsy masina na izay manao vetaveta (apok.21:27....) amin'ny ankapobeny dia ny bokin'ny apokalipsy izay mirakitra ny tsiambaratelon'ny fiainana mandrakizay.....
Raha fintinina dia ireo teny rehetra tena miantoka ny fidiran'ny olona any amin'ny fiainana no tsy hanana'ireo rehetra izay niala tamin'ny fampianaran'ny apostoly....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA.....IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA.....

[size=8]Tena tiako ny hanasa ny tongotrao (RAha mety ianao ry namako malalako). Aza atao mahatezitra namana malala ny teny (satria efa voasoratra izany) hafatra ho anao manokana...Jak.3:2 isika tsy miady fa ny tenin'Andriamanitra dia tsy maintsy toriana araka izay tokony hitoriana azy satria afobe ny ho an'izay very hoy aho[/size]

Samia ho tahin'ny Tompo namana
37. bor2lais ( 25/09/2014 07:07)
Raha tsorina ny tianao lazaina izany dia ny any aminareo ihany no misy Azy fa ny hafa tsy Izy mihitsy a ! :-)

Miala tsiny aminao ry namana RBNIR fa mbola averiko sy amafisiko na dia efa imbetsaka aza no nilazako azy taminao [size=8](averiko sasana indray ny tongotrao :-))[/size] fa fiasan'ny gourou ny tahaka izany ! Tsy mba afaka hisokatra fa mikatona manaraka izay lazain'ilay "télé" !
:-)
38. RBNIR ( 25/09/2014 07:50)
bor2lais:

Raha tsorina ny tianao lazaina izany dia ny any aminareo ihany no misy Azy fa ny hafa tsy Izy mihitsy a ! :-)

Miala tsiny aminao ry namana RBNIR fa mbola averiko sy amafisiko na dia efa imbetsaka aza no nilazako azy taminao [size=8](averiko sasana indray ny tongotrao :-))[/size] fa fiasan'ny gourou ny tahaka izany ! Tsy mba afaka hisokatra fa mikatona manaraka izay lazain'ilay "télé" !
:-)

Namana bor2lais, tsy niteny aho hoe aty aminay irery no misy Azy fa hoy izy indray andro « .......Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apo.18:4)
Fiangonana iray (tao anatin'ireo fiangonana nisy tamin'izany andro izany) no niantefan'io teny io.
Io teny io dia natao hitaomana ny olon'Andriamanitra rehetra hiala amin'ny fampianarana diso rehetra,
Izaho tsy mahafantatra izay an'ny hafa fa ny misy ahy aloha dia azoko antoka fa mandeha araka ilay fampianarana tsy misy kilema nampianarin'i Kristy sy ireo apostoly fahiny,

Nihezaka mihitsy aho teto nanome porofo fa tena izany tokoa no nianan'i Jesosy sy ireo mpianany, koa dia ataoko angamba tsy ho diso aho raha ohatra ka mitaona ny olona hianatra ilay fampianarana namana,

Samia ho tahin'ny Tompo e

Samia ho tahin'ny Tompo namana
39. bor2lais ( 26/09/2014 08:23)
Izay izany ny ana(re)o no antsoina hoe Vaovao Mahafaly ry namana RBNIR !

Amiko kosa dia tsy voatery mampianatra ny niainan'i Jesoa sy ny mpianaNY fahiny no (tanjon'ny) asa iraka ampanaovina ny Kristiana ankehitriny ! :-)

40. RBNIR ( 26/09/2014 09:39)

bor2lais:

Izay izany ny ana(re)o no antsoina hoe Vaovao Mahafaly ry namana RBNIR !

Ny tokony hahafaly dia ny mahafantatra fa tsy adinony ny zanak'olombelona fa tsaroany ary koa nanirahany mihitsy ny Zanany lahy tokana (izay efa fantany mialoha fa tsy maintsy hiaritra fijaliana Be tety an-tany), Jao.3:16

Raha naniraka ny Zanany IZY dia nomeny fampianarana io Zanany io mba hampianarina kosa ny olona rehetra mino AZY.

Ny tanjona : io fampianarana io no ilay sitrapon'Andriamanitra, izay rehetra mino ny zanaka ka manao io sitrapon'Andriamanitra io no hovonjena (Mat.7:21)

Samia ho tahin'ny Tompo namana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1916