Faminaniana momba ny mpampianatra sandoka sy ny mpaniratsira fivavahana

1. Randri87 ( 09/09/2014 08:59)
Tamin'ny lohevitra teo aloha no nahatonga ahy hijery ireto verset biblique ireto dia tena nahavariana ahy tokoa rehefa tena namaky tsara aho hoe toa tena mitombina tokoa lay voalazan'izy ireo raha ny zava-miseho ankehitriny ... fa ilay tohin'izao zavatra izao sy ilay farany no mampanahy ihany. Ireto lay izy


“Fa ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy; 4dia hanentsin-tadiny amin'ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin'ny angano foana” (2 Timoty 4,3-4)

“Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra; 2fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, 3tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, 4mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan'ny nofo mihoatra noho Andriamanitra, 5ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro. 6Fa anisan'izany ireo mitsofoka any an-tranon'ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran'ny ota sy tarihin'ny filana maro, 7ary mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina na oviana na oviana” (2 Timoty 3, 1-7)

“Ary toy ny nisian'ny mpaminany sandoka teo amin'ny vahoaka fahiny, no hisian'ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an'ny tenany. 2Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin'izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina. 3Hataony varotra amin'ny teny manodòka hianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.
4Fa matoa tsy namindra fo tamin'ny anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itànany azy ho amin'ny fitsarana; 5matoa tsy namindra fo tamin'izao tontolo izao fahiny izy, afa-tsy tamin'i Noe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony izy nahatonga safo-drano tamin ízao tontolo ratsy fanahy izao; 6matoa nohelohiny hofongorana sy hanjary lavenona ny tanànan'i Sodoma sy Gomora, ary nataony ho anatry ny mpanao ratsy aty aoriana; 7ary matoa izy namonjy an'i Lota olo-marina, izay nijaly noho ny haratsiam-pitondran-tenan-dry zareo tsy misoro-doza, 8(fa ory loatra ny fanahin'io olo-marina io mahita sy mandre isan'andro ny fandikan'izy ireo ny Lalàna, fony izy niara-nitoetra taminy): 9dia satria hain'izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin'ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin'ny andron'ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazìna, 10indrindra fa ireo manaram-po amin'ny filan-dratsin'ny nofo, sy manamavo ny fahandrianana.
Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo voninahitra akory, 11nefa na ny anjely izay mahery kokoa sy ambony fahefana aza, tsy mitsara sy tsy miteny ratsy azy ireo eo anatrehan'ny Tompo. 12Fa izy ireo kosa dia sahy maniratsira ny zava-tsy fantany akory, mova tsy ny biby tsy manan-tsaina natao ho fisambotra sy famono fotsiny, ka dia ho very amin'ny fahalotoany izy ireo: 13izany no ho valin'ny faharatsiany” (2 Piera 2, 1-13)

novalian'i RBNIR ny 05/10/2014 04:36
2. rhaj0 ( 09/09/2014 13:45)
Dia naminany tokoany ny mpaminany.
Ka izao azany e..

Raha hoy i RBNIR tatsy: "Tena misy betsaka ireo teny tao amin'ny boky taloha tsy maintsy mbola tandremana. Misy ihany kosa anefa no efa nofoanan'i JESOSY"

Raha hoy i Bor2lais tatsy: "Tsy toy ny famaky "code pénal" na "code civil" akory no andraisan'i bor2lais ny Baiboly rehefa vakiany !"

Dia hoy aho hoe, mba tsy ho soketana na kilasiana ho "sandoka" na "mpaniratsira" zahay olon-tsotra sy olon-doma (eto), dia ampianaro sy toroy anay, na fotsiny, mba zarao aminay azany hoe, ahoana no "fandraisanareo" ireto andininy/toko ireto :

Deoteronomia 22:
Didy ny amin’ ny fanamasinana ny fanambadiana
13 Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
14 dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
(..)
20 Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
21 dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan’ ny mponina amin’ ny tanànany vato ho faty...
(..)
22 Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin’ olona, dia samy hatao maty izy roroa,
(..)
23 Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin’ olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
24 dia ho entinareo mivoaka ho eo amin’ ny vavahadin’ izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty
(..)
28 Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin’ olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,
29 dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an’ ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy...


[size=8]Dia mba miangavy aho hoe aza ahodikodina ny valin-teny, na atao globaloba, na mody hoe ianao no misaintsaina ny anao, na hoe Izy ihany no ampisaina anao, fa lazao tsotra sy mivantana ny @ ireo andininy ireo[/size]
3. rhaj0 ( 09/09/2014 14:32)
Eo ampiandrasana dia inty koa azany misy toko sy andininy, efa noresahina tatsy ihany, fa tena tsy haiko olon-doma ny "mamaky" azy, ka dia mbo hazavao...

Lamentations 1:4:
... Ses sacrificateurs gémissent, Ses vierges sont affligées, et elle est remplie d'amertume... 8 ... Tous ceux qui l'honoraient la méprisent, en voyant sa nudité; Elle-même soupire, et détourne la face. 9 La souillure était dans les pans de sa robe ... Elle est tombée d'une manière étonnante ... 10 L'oppresseur a étendu la main Sur tout ce qu'elle avait de précieux; Elle a vu pénétrer dans son sanctuaire les nations Auxquelles tu avais défendu d'entrer dans ton assemblée. 11 ... -Vois, Éternel, regarde comme je suis avilie!... 13 D'en haut il a lancé dans mes os un feu qui les dévore; Il a tendu un filet sous mes pieds, Il m'a fait tomber en arrière; Il m'a jetée dans la désolation, dans une langueur de tous les jours. 14 Sa main a lié le joug de mes iniquités; Elles se sont entrelacées, appliquées sur mon cou; Il a brisé ma force; Le Seigneur m'a livrée à des mains auxquelles je ne puis résister. 20 Éternel, regarde ma détresse! Mes entrailles bouillonnent, Mon coeur est bouleversé au dedans de moi ...


[size=8]Ahoana no andraisanay olon-doma an'reo? ahoana no hitantarainay an'ireo ho an'Ikoto sy Ikala?[/size]
4. endriny ( 10/09/2014 06:25)
Faminaniana momba ny mpampianatra sandoka sy ny mpaniratsira fivavahana

Mahafinaritra be ilay lohateny a... Fa ny Kristianina indrindra no mpaniratsira ny fivavahan'ny tompon-tany rehetra erak'izao tontolo izao. Ary sahy manimba, mandoro ny fivavahan'ny hafa finoana, ary mamono mihintsy aza ireo tsy mitovy finoana aminy...

Any Amerika any misy izay fiangonan'ny mpamosavy izay. Naorin'ny olona ho fahatsiarovana ireo vehivavy antitra novonoina sy nodoran'ny kristianina fa hoe Mpamosavy.

Ao afrika afovoany dia misy ireo fikambanana miahy ireo vehivavy afa nandositra ny famonoana nataon'ny kristianina azy, fa hoe mpamosavy... Nefa vehivavy antitra tsy mahavita mitaona entana dia tsy te hitaiza ry zareo, dia lazana fa mpamosavy...
5. moustaraf ( 10/09/2014 06:47)
salama namana,
Toa mahagaga foana ireto mpitoriteny milaza hoe:
-rava tanteraka ny lala
- ny ampahany ihiany no noravana e!
fanontaniana:
izao no voasoratra "HO LALANA MANDRAKIZAY IREO" fa tsy hoe"mandra-paha"!
ka iza no mandainga? ilay baiboly milaza mandrakizay, sa ireo mpitoriteny?
6. RBNIR ( 10/09/2014 10:25)
moustaraf:

salama namana,
Toa mahagaga foana ireto mpitoriteny milaza hoe:
-rava tanteraka ny lala
- ny ampahany ihiany no noravana e!
fanontaniana:
izao no voasoratra "HO LALANA MANDRAKIZAY IREO" fa tsy hoe"mandra-paha"!
ka iza no mandainga? ilay baiboly milaza mandrakizay, sa ireo mpitoriteny?

Izay ange ilay nolazaiko hoe mila mianatra isika namana moustaraf e,
EFA LASA ILAY FANEKENA TALOHA, FA EFA FANEKENA VAOVAO IZAO NO IANINAN'NY OLOMBELONA,

Santionany amin'ny efa noravany :

« [Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?] » (Jao.8:5)
« [Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany] » (Jao.8:6)
« [Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany] » (Jao.8:7)
« [Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany] » (Jao.8:8)
« [Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo] » (Jao.8:9)
« [Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?] » (Jao.8:10)
« [Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony] » (Jao.8:11)

Samia ho tahin'ny AVO INDRINDRA RY NAMANA.
7. rhaj0 ( 10/09/2014 14:07)
ok ok... (tena meda saina mihintsy koa izaho izany...)

@ ankapobeny izany dia tena vita hatreo ny ianarana na iankinana ny fi(s)ainana @ T.Taloha, fa ny T.Taloha dia notoriana ho an'ny "taloha" (talohan'ny JK).

Dia ny fanontaniana indray izany izao dia hoe:

1- f'angaha moa A.tra tsy tokana h@ voanalohany ka h@ farany sy mandrakizay ?

2- ary satria ny fotoan'andro izao dia "vaovao noho ny vaovao" : ka sao tokony misy izany ny TTenaVaovao na hoe T.Fanavaozana ? Sa izay ny Bokin'ny Mormons ohatra ?
8. moustaraf ( 10/09/2014 14:44)
Salama namana,
-diso izany ny tenin'i Mpamonjy anareo hoe" tsy misy ho foana ...na dia tendron tsoratra iray aza amn lalana (torah) mandra paha tanterak'izy rehetra???"

-aminareo izany efa foana ny hoe"AZA MIJANGAJANGA"???
Io anie izany no mampirongatra ny fanolanana eto amn firenen e! tompon'andraikitra voalohany amn'izany ianareo!!!

Aoka tsy hafangaro ny momba ny lalana MANDRAKIZAY sy ny fisoronana!
Ny fisoronan'i Aaron sy ny taranany no natsahatra, fa tsy ny lalana akory, ary naverina ny fomba fisoronan'i Malkitsedek, izay tsy MAMONO NY VATANA fa ny FANAHY
"Aza matahotra izay mahafaty ny vatana, fa matahora izay mahavery ny FANAHY"

Amin'izao fotoana izao, ny itandremana ny AZA MIJANGAJANGA dia tsy tahotra TORA BATO, fa mba TSY HOFATY NY FANAHY
9. rhaj0 ( 10/09/2014 15:28)
[size=8](ilay "ianareo" lazain'i Moustaraf k'lou dia .. aleo hazava fa izaho TSY ao anatiny... ngo dia hoe..)[/size]

Ekeko fa izay no manahirana @ revin'ito RBNIR ito, ka hoe "fanekena vaovao"..

Dia inona no (tsy) raisina.. h@ genesisy ve ?
Ary ankoatry ny "tora-bato", inona marina no lasa TSY ao anatin'ny "fanekena vaovao" intsony ?
10. moustaraf ( 11/09/2014 03:39)
Namana,
Manahirana be ilay fandikana teny natao amn baiboly ka betsaka no voafandrika sy diso lalana ary manjary mitoriteny ho amn fahaverezana.

Ny boky Tt dia mizarra telo: Tanakh no anarany izay ahitana ny torah, neviym, khetovym ( bokin'ny lalana, ny mpaminany sy tantara)

Ny boky torah na boki'ny lalana dia ny Boky dimy voalohany,
Ireto rehetra ireto dia adika avokoa amn dikanteny ho lalaana:
-esret hadborot na didy 10 : loi fondamentale
-mitsvot na fitsipika : decret d'application
- hadvarym na fepetra : arrete
-sazy ...: sanctions ou benedictions

ka ilay lalana fototra " Aza mijangajanga" ve no nofoanana? sa ilay mitorabato? sns.....

Rava ve ny "manajaa ny rainao sy ny reninao..."?

Anjarantsika tsirairay no mamaly sy misaina mba tsy ho resin'ny fampianarana sandoka,
11. endriny ( 11/09/2014 04:37)

moustaraf:



Adinony fa eo amin'ny fiandohan'ny didy nomena an'i Mosesy dia misy ilay teny fampidirana hoe: "ity dia fifanekena mandrakizay ataoko amin'ny oloko"

Dia hoe efa taloha hono...

Io ilay lazaiko hoe: "fa angaha izy ity Atra mpamitaka ka hoe, efa nanome teny ho mandrakizay izy dia niova indray taty aoriana?"

Dia mamaly ry zareo hoe tsy fanovana akory no nentin'i Jesosy fa fanohizana.... Dia fanohiazana hono kanefa ny lalana fototra mihintsy no novany. Jereo i Nikodema...
12. Randri87 ( 11/09/2014 08:24)
Miarahaba antsika rehetra dia misaotra ireo nandray anjara hatreto.Za moa no nanokatra lay lohahevitra nefa dia miala tsiny aho ra tsy dia afaka miparticipé firy fa sahirana ara-potoana ny tenako am zao dia tsy dia afaka mieritreritra sy mamaly betsaka.

Raha ny fahitako ireo fifanakalozana teo dia toa mbola tsy dia azon’ny namana rhaj0, endriny , moustaraf tsara ngamba ve ny tena antopisian’ny Baiboly, ny hafatra tian’Andriamanitra ampitaina sy ny atao hoe Kristianisma sy ny fifandrainsany amin’ny Jodaisma? Ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao? Noho izany dia manasa anareo aho mba handalina lalindalina kokoa mialoha ny fanaovana critique fa ratsy be raha hoe zavatra tsy dia mbola fantatra tsara dia maika fotsiny ianao hanao critique.ohatra ny tsy dia logique ihany izay. Misy fampianarana avy amin’ny Katolika omeko lien etsy ambany mikasika ny Tenin’Andrimanitra amin’ny Ankapobeny sy ny fifandraisan’ny testamenta taloha sy ny vaovao , sy momba an’I Jesoa Kristy lay tenin’Andriamanitra tonga nofo : mba ezaho vakiana am-pahatsorana raha te hahazo marina ianareo fa efa voavaly ao ihany ireo fanontaniana napetrakareo reo raha tena mijery tsara nareo fa ny tena ilaina aloha dia ny fanampian’ny Fanahy Masina raha tena te ahazo ny Baiboly sy ny Momba azy…

Ity ilay lien
http://www.vatican.va/archive/hist_councils/ii_vatican_council/documents/vat-ii_const_19651118_dei-verbum_fr.html
13. Randri87 ( 11/09/2014 08:43)
Hamafisiko lay voalazako etsy ambony : Io tsy hoe intelligent be ianao dia zay no ahazoanao ny tian’Andriamanitra Lazaina fa mila fanilovan’ny Fanahy Masina avy ao anaty dia mila madio fo vao mahazo izay Fanilovana izay nefa (manana fahatsorana, tsy maika hi-critique, tsy mieritreri-dratsy hatrany am-boalohany sns). Ny Fahazoan ny tenin’Andrimanitra mantsy dia efa « fahitana an’Andriamanitra amin’ny maso-pinoana » ary hoy Jesoa hoe :

“Sambatra ny madio fo, fa hahita an'Andriamanitra izy.” (Matio 5,8)

Misy mihitsy ary ireo olona hoe manana ny fahendren’izao tontolo izao na manana diplaoma ambony be sy ny sisa na amin’ny literatiora na haisoratra na siansa…no mety tena vao maika tsy hahazo io Baiboly io satria efa bodon’ny fahendren’izao tontolo zao izy dia tsy afaka mandray mora ny fanilovan’ny Fanahy Masina. Hoy ny Apostoly Paoly Mikasika an’izay

« Mitory fahendrena amin'izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren'izao tontolo izao izany, na an'ny mpanapak'izao tontolo izao, izay olona efa ho levona; 7fa fahendren'Andriamanitra no torinay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin'Andriamanitra talohan'izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika; 8ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanapak'izao tontolo izao (satria raha nahalala izy, dia tsy ho namantsika ny Tompon'ny voninahitra tamin'ny hazo fijaliana)…
Iza àry no hahalala izay ao am-pon'ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.
12Ary isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin'Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen'Andriamanitra antsika tamin'ny fahasoavany. 13Tsy mba amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olombelona no ilazanay an'izany, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin'ny teny ara-panahy koa. 14Tsy azon'ny olona ara-batana anefa ny zavatra avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra; ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively, satria amin'ny Fanahy no hany amantarana izany. » (1 Korintianina 2, 11-14)


Dia momba ny tsy fahazoan’ny olona sasany hatramin’ny voalohany ny « Kristianisma » indrindra ny momba ny « Hazofijaliana » moa dia nilaza toy izao mihitsy i Paoly Apostoly :

« Fa hadalana ny fampianarana ny amin'ny hazo fijaliana ho an'izay very, ary herin'Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, 19satria voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry; ary holaviko ny fahaizan'ny mahay. 20Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr'izao tontolo izao? Tsy nahariharin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? 21Fa noho ny fahendren'Andriamanitra, dia tsy nahalala an'Andriamanitra ny fahendren'izao tontolo izao ka dia hadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjena an'izay mino. 22Fa ny Jody mila famantarana; ny jentily mitady fahendrena; 23ary izahay kosa mitory ny Kristy voafantsika tamin'ny hazo fijaliana. Fanafintohinana amin'ny Jody izany, ary fahadalana amin'ny jentily; 24fa ny Kristy herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra kosa amin'izay voaantso, na Jody na jentily. 25Fa izay toa fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'ny olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'ny olombelona. » (1 Korintianina 1, 18-25)

Momba an’ilay hoe Lalàna dia sy ny testamenta taloha sy vaovao dia zao angamba no azo hanazavana azy tsotsotra : ny tena Lalàna tsy miova dia tsy izay voasoratra ara-bakiteny fa ilay Fototra ao ambadika : ny Fitiavana an’Andriamanitra sy ny Fitiavana ny Namana. Arakarak’ilay toetry ny manodidina sy ny fiara-monina no hanehoana sy hianana io Fitiavan io : Ireo zavatra vosoratra dia milaza ny fomba hianana izany amin’ny situation iray toy ny an’ny Jody fahiny raky ny pozi’ny société tao ka tsy hoe mbol ampiharina arabakiteny foana lay izy mazava ho azy fa Mila ny Fanilovan’ny Fanahy Masina ndray rehefa miova lay Situation : Izay no efa nataon’ i Jesoa Kristy sy Testamenta Vaovao , nanoro fomba hianana tsaratsara kokoa ny Lalana ary manakaiky kokoa ny Fototra fa tsy mijanona amin’ny hoe endrika ivelany fotsiny. Hoy Jesoa :

« hoy Jesoa taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.” (Matio 22, 34-40)

Ny zavatra talohan’ny Jodaisma dia fanomanana ny Jodaisma, Ny Jodaisma dia fanomanana ny Kristianisma ary ny Kristianisma dia Fanomanana ny Fianana Mandrakizay : izay lay logique (misy zavatra miova ao dia ny endrika ivelany fa misy zavatra mifampitohy amin’ny fototra niandohana: ohatry ny hoe olona mihalehibe sns…). Mihamivoitra lay fomba fifandraisan’Andriamanitra amin’ny Olombelona arak’io. Miha-mivoatra ihany koa ny Fianana ny Lalana sns …fa ny Kristianisma zany no Tena fomba Fivavahana révélé Farany eto an-tany mialoha ny Fianana Mandrakizay izay fomba fifandraisana farany indrindra Lavorary amin’Andrimanitra ary ny Misterin’Andriamanitra azo fantarina raha mbola eto an-Tany dia efa ao amin’ny Kristianisma : ny maha Trinite azy ohatra sns…
Izay tsy manaraka io logique io dia efa mi-tourne mazava hoa azy : Raha efa tonga eo aminao ny Kristianisma, Jesoa Kristy sy ny Famonjena entiny, nefa ianao mbola mitomany hanaraka fomba efa lany andro sy zavatra hafa sns hoe hifandraisana amin’Andriamanitra dia ohatran’ny hoe efa mila vanina amin’Andriamanitra mihitsy ianao mazav ho azy.
14. rhaj0 ( 11/09/2014 10:37)
Randri87:
Ireo zavatra vosoratra dia milaza ny fomba hianana izany amin’ny situation iray (..) ka tsy hoe mbol ampiharina arabakiteny foana lay izy mazava ho azy fa Mila ny Fanilovan’ny Fanahy Masina ndray rehefa miova lay Situation

Ka efa NIOVA BE mihintsy re izany ilay Situation re ry Randri87 a... Mino aho fa efa tonga saina izao ny tao @ vohitrakely, izay tsy nahalala afa-tsy ilay Boky, fa kay misy ary tena misy
- ny aborizena sy ny amerindiana, na ny bantou sy ny vazimba
- sy ny bodista na ny animista (gasy) ka h@ atheista
- raolona mihoatra ny 8 miliara no efa nandia ity tany ity, samy nanana ny fi(s)ainany (sy finoany)...
- tsy lazaina intsony ny zava-mananan'aina (biby sy zava-maniry)
- ampiana @ fitombon'ny fahalalan-draolona, hatrany @ big-bang ka h@ nanaoteknolozia

Ka dia ahoana izany ?

Ka sao dia tena mila MIOVA koa h@ ilay fandraisana (interpretation) an'ilay ... "Fanilo" ???
15. moustaraf ( 11/09/2014 13:22)
Toa milaza izany isika fa ilay Nanome ny Teniny mihitsy no diso (???) hay mety lany andro ilay nolazainy hoe mandrakizay???

Misy tokoa ny fanovana "fa tsy ny lalàna" velively akory, na ny didy folo, na ny mitsvot, fa ilay fampiaharana ny SAZY na ny polices ds sanctions:
-Raha mijanganjanga ianao dia tsy toraham-bato eo noho eo: tsy maty
-Raha tsy manaja sabata ianao, tsy toraham-bato eo no hoe: tsy maty
-Raha mandainga, mangalatra, sns...ianao, tsy voasazy eo no ho eo: tsy maty
Midika ve izany fa FOANA ireo lalana ireo???

Ny mpandika lalana dia TSY MAINTSY ATAO MATY, fa omena tombon'andro hibebehana sy hialana amin'ny ratsy fanao "Izay no tombon'ny fanekena vaoavao",
Fa ianao kosa dia "mihalevona ara-panahy" ary atsipy eny ivelany.

Raha nilaza t@ Adama ilay Mpahary hoe" Amin'ny andro ihinananao ny voan-kazo voarara dia HO FATY TOKOA ianao"....Maty teo no hoe ve i Adma??? Mbola niaina 900 taona izy , nefa tratran'ny fahalevonana...Mandainga ary ve ny Mpamorona??? SANATRIA

Nandalo ny vanim-potoan'ny fisoronana Aaron (Levy), nampiharina avy hatrany ny hoe ATAO MATY eo no ho eo!

Naverina ny fisoronana Taloha "Malkitsedek", Tsy maty eo no ho eo!!!
Ka mazotoa ary mandika sy manosihosy lalàna e!
16. rhaj0 ( 11/09/2014 13:56)
[size=8](Izaho aloha TSY milaza n'inon'inona fa mba miezaka mahazo ny an'i RBNIR fotsiny e...)[/size]

Raha ny fahazoako an'i Moustarf izany dia.. ny "sazy" no MIOVa fa TSY ny lalAna...

Dia ahoana azany eto ohatra: ireto voalaza ireto izany mbola mitombona (nasoroko ny sazy)

Deoteronomia 22:
Didy ny amin’ ny fanamasinana ny fanambadiana
13 Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
14 dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
(..)
20 Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
21 dia ho [size=0]xxxmiova ny sazy fa lasa sazy maoderinaxxx[/size]
(..)
22 Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin’ olona, dia [size=9]xxxmiova ny sazy fa lasa sazy maoderina no azyxxx[/size] izy roroa[/u]
(..)
23 Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin’ olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
24 dia [size=9]xxxmiova ny sazy falasa sazy maoderina no azyxxx[/size] izy roroa
(..)
28 Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin’ olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,
29 dia [size=9]xxxmiova ny sazy fa lasa sazy maoderina no azyxxx[/size] ralehilahy izay nandry taminy...



Sa ilay revy "virijiny" koa lasa miova ??

Sa io Didy io dia TSY .. lalAna ??
17. endriny ( 12/09/2014 04:10)
Ho ahy dia izao:

"Mpisandoka daholo izay rehetra milaza fa mivavaka amin'i Atra Abrahama, ka nefa mbola mampiankohoka ny vahoaka eo amin'ireo olona na tsangan'olona mpanelanelana"

Raha Kristianina aho dia izao no hafatra ho ahy: "Mandehana torio amin'ny vazantany ny fanjakan'Atra", ary nanome : "oha-bavaka" izy dia ilay hoe "Rainay izay any andanitra" fatsy hoe Jesosy o, Maria o, Papa o, Mopera o, Pasitera o...

Fa ny fisandohana dia misy tambiny: mody mampianatra ianao dia mandoa vola ny olona..., mody mampivavaka ianao dia asainao mandrotsaka rakitra sy manao hasina sy vokatra ny mpiangona. Moa tsy fisandohana ve izany..?
18. moustaraf ( 12/09/2014 04:49)
Tsy niova ny HASIN'NY FANAMBADIANA
Tamn andron'i Adama :
Lehilahy iray vady tokana

Nandalo vanim-potoana maro ny tantaran'ny fanambadiana, fa tsy niova ny lalaana fototra dia ny MAHAVIRIJINY
Hatramn faran'ny baiboly dia tsy miova io lalaanan'ny maha virijiny io,
Vehivavy sarin'ny Fiangonana, vehivavy virjiny no fiangonana madio " IREO NO TSY VOALOTO TAMN VEHIVAVY"
Eny, fa ilay JEROSALEMA VAOVAO aza dia lazaina hoe "tanananin'ny virjiny"

Inona ary no niova?
-Ny fanambadiana araka ny baiboly dia tsy masina, fahavetavetana raha tsy hita ny porofon'ny mahavirijiny, izay no antony anaovana azy amn mamaton'alina satria misy an'ilay FAMPAKARANA ara bakiteny.
Rehefa hita porofo ny ra mitete amn lamba, izay vao azo aroso ny fanamasinana rehetra sy ny fety.

Ny fampakaram bady no mampiseho ny andro farany dia ilay ANDRON'NY ZANAK'ONDRY, izay hampakatra an'ilay Fiangonana TSY VOALOTO, Tsy mifangaroharo grika, romana, jiosy...

Iza no antsoina hoe vady araka ny baiboly?
I kor 6:16 "izay miray amin vhv janga dia tenants iray aminy " mitovy amn Gen 2:24 Adam sy Eva,
dikany:
vady : tena iray, nofo iray: manao firaisana
Araka ny baiboly, dia tsy ny fety be sns akory no mikaonty,na maha ara dalana ny fanambadiana fa ilay maha nofo iray: firaisana lahy sy vavy,
Izay no antony iantsoan'ny baiboly ny mpivarotena hoe vhv janga, satria isaka izay miray amin'ireny dia lasa nofo iray aminy: vadiny

Raha tsy virjiny intsony amn andro fampakarana, midika hoe "efa vadin'ny hafa", ka fahotana ny mampakatra vadin'olona

fehiny:
Ny baiboly hatramin'ny voalohany dia efa nitory ny hasin'ny fanambadiana, lahy 1 sy vavy 1 tsy misolosolo,
fa i Raolombelona no be filana aranofo ka mihizingizina te hivady vhv maro
hoy Yeshua raha nanontaniana momba ny fisaoram-bady, Mark 10:5 " ny hamafin'ny fonareo no nahatonga an'i Moshe hamela anareo hisao-bady, fa hatramin'ny fiandohana dia lahy 1 sy vavy 1 no nanaovana ny olona"
19. hery ( 12/09/2014 04:50)

endriny:

Ho ahy dia izao:

"Mpisandoka daholo izay rehetra milaza fa mivavaka amin'i Atra Abrahama, ka nefa mbola mampiankohoka ny vahoaka eo amin'ireo olona na tsangan'olona mpanelanelana"


i Abrahama koa nanelanelana :-)
Tsy milatsaka avy any an-danitra ny firesahana tamin'Andriamanitra fa nisy ireo mpitarika, ireo mpampianatra.


endriny:

Raha Kristianina aho dia izao no hafatra ho ahy: "Mandehana torio amin'ny vazantany ny fanjakan'Atra", ary nanome : "oha-bavaka" izy dia ilay hoe "Rainay izay any andanitra" fatsy hoe Jesosy o, Maria o, Papa o, Mopera o, Pasitera o...


Efa izany no atao ka. Ny oha-bavaka dia ilay "Rainay izay any an-danitra" ihany.
Ny hoe Jesosy o dia rariny satria hoy izy hoe "Izaho sy ny Ray dia iray ihany"
Ny hoe "Maria o" dia rariny satria ny tohiny dia hoe "mivavaha ho anay" sy hoe "miara-mivavaka aminao izahay"
Ny hoe "Papa o, Mompera o, Pasitera o" dia rariny satria ny tohiny dia hoe "tariho izahay hahalala an'Andriamanitra"

endriny:

Fa ny fisandohana dia misy tambiny: mody mampianatra ianao dia mandoa vola ny olona..., mody mampivavaka ianao dia asainao mandrotsaka rakitra sy manao hasina sy vokatra ny mpiangona. Moa tsy fisandohana ve izany..?


Ny sandoka angamba dia hoe omeo vola hanamboarana fiangonana, nefa avy eo hividianana fiara Hummer.
20. moustaraf ( 12/09/2014 05:03)
lava be....( )
Niova ve ny sazy??
Tsy misy hitora bato anao izany eo e! betsaka ny chambre sy bungalow,
ny mpamporisika aza bdb " Efa rava ny lalaan e!"

Fa ny gasy anefa dia mahalala ny fisian'ny "tora bato avy any ambony", "tsy ny lohasaha mangina no jerena..."

Apok 22:15
fa any ivelany ny alika, mpanao ody ratsy, MPijangajanga, mpamono olona, mpanompo sampy, tia lainga...

Ampitoviana amin'ny alika izay ilaza fa rava ireo rehetra ireo.
Ialako tsiny fa io no voasoratra an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8797