Ireo teboka efatra lehibe tsy aneken'ny Jiosy an'ity Jesosy Kristy ity

1. endriny ( 28/08/2014 04:04)
1. Jesosy dia tsy mahafeno ny fepetra voalazan’ny mpaminany.
2. Jesosy dia tsy nanana ny toetran’ilay messia.
3. Fandikana diso ireo toko sy andininy ao amin’ny baiboly mikasika an’i Jesosy.
4. Ny finoana Jiosy dia minkina amin’ny seho eo amin’ny firenena manontolo.

Fa ankoatr'ireo dia tsy adino mihintsy ny milaza fa ny Testamenta vaovao dia tsy nosoratan'ny Apostoly akory, na ny mpianany, fa noforon'ireo fianakaviana PISO tao Rome fotsiny ihany...
novalian'i endriny ny 02/09/2014 04:12
2. rhaj0 ( 28/08/2014 14:28)
NItsikaroka kely eraky google aho, tsindrio eto, ary dia betsaka ny resaka, ohatra ity
http://rationalwiki.org/wiki/Authorship_of_the_New_Testament

Fa eto no misy resaka ny @ Fianakaviana PISO sy ny fanoratany ny Baiboly, testamenta vaovao, araka ny nolazain'i Endriny io
http://www.bibliotecapleyades.net/sociopolitica/esp_sociopol_piso01.htm
izay mitondra @ ity boky ity
http://www.amazon.com/Who-Wrote-New-Testament-Christian/dp/0060655186

Ary ato azany dia milaza mihintsy ny mpandalina hoe, fOsika (forged) ny antsasaky ny NT
http://religion.blogs.cnn.com/2011/05/13/half-of-new-testament-forged-bible-scholar-says/

Fa na "forged" io na tsia, dia raha izaho manokana aloha, dia manamafy ny eritreritro hoe, ny olombe t@ fotoan'androny no nanoratra ireo, araka ny fahalalany (sy finoany) sy izay soatoavina sy zava-misy tao t@ izay fotoan'androny tao izay.
3. moustaraf ( 28/08/2014 16:36)
salama,
Ny olana anie, ireo olobe nanoratra na nanov ny NT anie ka manana ny finoany izay miompana amn javatr hafa e!

Mba taiza no nisy mpanjanaka indray no lasa nanaraka ny finoan'ny andevony??? tetika maizina no ao ambadika, mba hampidirana ny fivavahan'ny grika sy romana hitovy lenta amin Torah,
ary tena mahonby satria, ny fiangonan rehetra dia efa tsy mampiasa intsony ny boky taloha tena izy,
4. rhaj0 ( 28/08/2014 17:16)
Koa rahefa atao ny kaonty izany dia :
- misy tsy tia handray (ara-baki-teny) ny boky taloha intsony, fa boky vaovao sisa no ady eo (i RBNIR ohatra)
- misy tsy tia handray ny boky vaovao mihintsy, fa boky taloha ihany no ady eo (i Moustaraf ohatra)


Fa na "taloha" io na "vaovao", dia raha izaho manokana aloha, dia manamafy ny eritreritro hoe, ny olombe t@ fotoan'androny no nanoratra ireo, araka ny fahalalany (sy finoany) sy izay soatoavina sy zava-misy tao t@ izay fotoan'androny tao izay.

5. RBNIR ( 28/08/2014 17:58)
rhaj0:

Koa rahefa atao ny kaonty izany dia :
- misy tsy tia handray (ara-baki-teny) ny boky taloha intsony, fa boky vaovao sisa no ady eo (i RBNIR ohatra)

Faly misera hatrany, tsy azonao ilay izy, tsy hoe tsy te handray ny boky taloha intsony fa tsy mandeha araka ny fanekena taloha intsony (fomba fiarahana tamin'Andriamanitra talohan'ny hazo fijaliana).
Tena misy betsaka ireo teny tao amin'ny boky taloha tsy maintsy mbola tandremana.
Misy ihany kosa anefa no efa nofoanan'i JESOSY, mila mianatra isika e, dia ho fantantsika ny marina rehetra ,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
6. rhaj0 ( 28/08/2014 18:40)
miala tsiny fa diso fandray..

Fa compliquE be (amiko) izy izany raha izany. Satria dia (mora) lasa "christian cafetaria" ilay izy, izany hoe, rahefa tsy tiatiana ny resaka dia ahilika.. Sa mbola diso ihany koa izay fandraisako izay...

Ka inona aby azany ny "fanekena" tsy mandeha intsony e... na ameo ohatra hoe dia mba misy hiaingana...
7. endriny ( 29/08/2014 05:13)

RBNIR:

Faly misera hatrany, tsy azonao ilay izy, tsy hoe tsy te handray ny boky taloha intsony fa tsy mandeha araka ny fanekena taloha intsony (fomba fiarahana tamin'Andriamanitra talohan'ny hazo fijaliana).
Tena misy betsaka ireo teny tao amin'ny boky taloha tsy maintsy mbola tandremana.
Misy ihany kosa anefa no efa nofoanan'i JESOSY, mila mianatra isika e, dia ho fantantsika ny marina rehetra ,

Samia ho tahin'ny Tompo namana


Marina ny voalazanao saingy eo amin'ny fiandohan'ny fampidirana amin'ny didy folo dia misy teny midika toa izao: "Ity fifanekena ity, dia fifanekena mandrakizay ataoko amin'ny zanak'Israely". Ny Torah dia misy an'io daholo, eny fa na ny Quran aza. Fa tsy haiku moa na nofafana io ao anaty baiboly na tsia.

Izany hoe izy Atra mihintsy no niteny raha ilay finoana an'i Atr'i Abrahama no arahina, rehefa teny ambony ny Tendrombohitry Sinay I Kaky Abrahama.. Dia nahoana no afaka novaina ilay rafitra sy tari-dalana ary fahendrena napetrany rehefa tonga ilay hoe Kristy? Sa koa hoe mpandainga sy mpamitaka ilay Atr'i Abrahama ka hafa no lazainy anio dia zavatra hafa no asainy entin'ilay nisoratena ho zanany ny ampitso?

Dia ahoana ilay finoana hoe: "Atra dia tsy miova na ho ampitso na ho mandrakizay".

Tsy dia gaga izany isika raha any Roma sy any Eraopa no renivohitry ny fiangonana kristianina, satria ny namorona ny fiangonana sy ny bokiny dia Eraopeanina.
8. moustaraf ( 30/08/2014 03:47)
Salama namana,
Raha ny finoana miainga avy tao roma sy ny forongony, dia ireo rehetra miantso jesosy kristy, dia zay versio grika sy romana no ifotorany, satria maazava be; tsy misy iraharahany an'izay nivavahan'i Avraham, Itshak sy Yaakov tany e!
Ny azy dia ny hampiankohoka an'izao tontolo izao amin'i mithra, theos sy zeus ihany....

TTV?
Mila mahay tsara ny boky taloha vao afaka manavaka ny marina sy ny noforonina ao anatin'io, ohatra:
-madio avokoa ny zavatra rehetra!!!
ilay tantara manondro ireo jentilisa, hafa firenena, ny romana izay te hampihinana loto dia mitory fa biby nonodiovina? ??
-Rava ny lalana? ?
Ny lalana dia mandrakizay, ary i Paoly izay mpahay lalana, ary bokin'ny lalana foana no nampiasainy na taiza na taiza, azo inoana ve zany???
-ilay mesia dia jiosy, i Maria sy josefa ihany koa, azo inoana ve ny hisiana anarana tsy jiosy?
alaina avy amin'i Zeus?

-Eny fa ny TTL koa aza dia ilana fahaizana ny orizinaly, satria mifanalavitra be mihitsy amin'ny version hebreo anie ny dikany amn grika, sns...e!!
9. moustaraf ( 30/08/2014 03:55)
Matoa miaiky ny protestanta sy izay miaraka aminy fa diso ilay jehovah, izay nampivavahana olo antapitrisa maro tanatin'ny anjatony taona dia SAMIA MAILO, fa marobe io raha fosika io ao e!
10. endriny ( 01/09/2014 04:31)

moustaraf:

Matoa miaiky ny protestanta sy izay miaraka aminy fa diso ilay jehovah, izay nampivavahana olo antapitrisa maro tanatin'ny anjatony taona dia SAMIA MAILO, fa marobe io raha fosika io ao e!

Manomboka very kila no tena marina e... Matahotra mafy ny kristianina ankehitriny fa mitombo isa ny silamo... Hany ka ekena daholo hatramin'ny homosexuel atao mariazy ho an'ny protestanta... Nefa aiza taloha ilay fanaovana laza be ny hhoe Sodoma sy Gomora...?
11. moustaraf ( 01/09/2014 06:26)
tsy mhagaga izany ry Endriny a!
Izany no alehany rehefa toriana andro aman'alina ny hoe "RAVA NY LALANA",
Tsy misy moralité intsony é! ary tonga amin'ny tanjona kinendrin'ireo izay mampiankohoka firenena maro amin'i zeus(Iesus=jesus, jesosy)
12. Dreamlover14 ( 01/09/2014 07:23)
Io indray ny Témoin de Jehovah (TJ) fa "manjono anaty koveta". Miala tsiny aho fa izaho kosa dia vavolombelona nahita maso ny fiainana TJ teo akaikin'nyh tranoko. Tsy hanaratsy anareo aho fa efa maro izay tratranareo izay ka dia alaviriko toy ny fasam-bao ianareo mianakavy :

- Olona nanao accident, very rà, tsy navelanareo nanaovana transfusion sanguine satria tsy araka ny soratra masina hono. Vokany, maty noho ny fahaverezan-drà be ilay olona kanefa ny banque de sang efa vonona ny hampiditra ra ao aminy. Dia lazaina fa sitrapon'Andriamanitra izany.
- Zaza sy ankizy zanakareo ihany ampisehoanareo fihetsika tsy mendrika ny fivavahana (fisotroana toaka, labiera, sns...) @ andro alahady tolakandro, avy eo ianareo mitabataba be tsy misy hakàna aina mihitsy.
- Ianareo tsy mikasika faty, asa noho ny antony hoe "avelao ny maty handevina ny maty" ve. dia eritrereto tsara ary hoe ho lasa TJ daholo ny olona rehetra eto Madagasikara fotsiny ohatra, ka rehefa tonga ny fahafatesana dia avela ho maimbo eo izany fa tsy hisy hikitika io faty io ?

Hevitra taingina ny anareo fa izaho tsy manaiky hovoatarikareo na inona na inona hataonareo eto. Ary raha mbola mandalo eto @ ity fitaovan-tserasera eto ity aho dia miomàna handray ny taim-bavako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1284