sekta

1. rhaj0 ( 25/08/2014 17:26)
(akisako eto ity avy tatsy fa hotry ny zavatra mila eritreretina lalina fa satria giravy ny vokany...)

Atsy Quebec dia maniriniry hotry ny ... pissenlit (ahi-dratsy aty) ny sectes reliziozy (efa ho 15,000 hono). Mitarika azy ireny dia ilay debabe, izay mitono-tena ho "apostle vaovao"... Hatramin-dry Raelien, izay ngezangeza ihany, ka h@ secte kely mitondra anarana toy ny hoe Rosecrutiens na hoe Secte des Apôtres de l'amour infini (ohatra ity). Ireo no Kristiana (na hoe miorina @ Baiboly), fa ilay Lev Tahor indray no santionan'ireo Jiosy (efa noresahina tatsy)

Dia izay voajono ao aloha dia voany mangamanga ao tokoany, ary dia arindriny ao tranony ao. Matetika ny viavy dia ilay ampanambadiana anti-maola ary voaolana ao ireny. Ny ankizy dia akatony ao, discipline be ao, ary ao aminy ao ihany ny sekoly.


Manahirana ihany ilay izy, satria hotry ny "sitra-po", hono, ny an'ireo "voajono". Ka dia ny ankizy sisa no vonjen'ny "direction de la protection de la jeunesse", fa ireo lehibe ve moa... mitady spiritualite hono, ka dia rahefa tsy atsy @ cartomancie sy numerologie sns, dia tratran'ny sectes isan-karazany ao...


Ka aleo manontanintany foana, fa izaho moa tsy any Mada, ary tsy mahare izao " radio"-nareo rehetra any izany. Ngo dia sekta koa ny anao ao ry RBNIR ? (ato famaritana)
(koa na ny an-dry Moustaraf sy ry Maranatha azany mampanontani-tena ahy koa).
novalian'i gasy1zay ny 01/10/2014 13:46
2. endriny ( 26/08/2014 05:28)
Ny tena dikan'ilay secte aloha dia hoe lalana izorana a. Ka io lalana izorana mankany amin'i Atr'i Abrahama. Tao amin'ny Jodeanina dia nisy ny finoana Ziona, Jodeanina ary ny Samarianina, izay samy secte daholo no fiantsoana azy. Dia nisy koa anefa ny secte nentiny Simeona, ary ny secte nentin'i kristy. Ka raha miteny hoe iza no secte dia secte daholo ireo, fa izao fotsiny vao mody mampiasa ilay teny hoe secta mba hanaratsiana ireo nisitaka taminy. Ny Katolika fotsiny ohatra dia efa maromaro ireo firenena no manana fiangonana Katolika tsy te hitambatra amin'i Roma intsony, ary dia antsoina koa hoe secte ireo.

Ny mampaihomehy dia lasa teny fanarabiana izany ilay secte e... Nefa samy secte ihany...
3. RBNIR ( 26/08/2014 11:11)
Faly misera hatrany e,

Marina ny an'i Endriny, Jesosy kristy no lohan'ny secte, koa mahagaga ny kristianina sasany milaza ho tsy secte sady manaratsy ilay hoe secte?

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
4. rhaj0 ( 26/08/2014 12:48)
Raha ny fahitako azy aloha dia, na samy sekta daholo, na samy TSY sekta daholo, anarana fotsiny iny fa tsy any ny olana (amiko).

Ny olana amiko dia:
1- rahefa milaza ilay deba be ao hoe, ka ny azy ao IHANY no lakile sy "tena izy", ary dia akatona ny varavaran-tsaina (n'inon'inona antony lazaina fa avy @ ilay Boky)
2- rahefa raikitra ny fanaparana (abus) isan-karazany, abus de pouvoir sy izay abus physique sy verbal h@ abus sexuel
3- rahefa ny ankizy no voakitika ka tsy mba afaka manao toa ny ankizy hafa rehetra, na kilalao izany, na fiainana andavanandro fotsiny (n'inon'inona antony lazaina fa avy @ ilay Boky)

Dia izay ataon-drizareo ao anatiny ao moa dia tsy dia misy mahalalala, ka sarotra ny mampitaha @ ireo criteres ireo, fa raha jerena ivelany dia toa "sitra-po" marina ny an'ireo "voajono". Fa rahefa injay tafaporitsaka zareo ka mitantara, dia izay vao fantatra, fa misy abus psychologique giravy be FOANA ao.


Ka amiko, ny fisehony (ivelany) voalohany, na ny mampakaodikaody ahy, dia rahefa injay ilay viavy fa mitondra VOALY. Na Jiosy izy na Arabo, na Moslimo na Masera.. Kaody aho ary mila manadihady : fombafomba na lamaody na resaka pratika fotsiny ve lay izy, sa resaka "controle" avy @ deba...
5. endriny ( 26/08/2014 16:06)

rhaj0:

Raha ny fahitako azy aloha dia, na samy sekta daholo, na samy TSY sekta daholo, anarana fotsiny iny fa tsy any ny olana (amiko).

Ny olana amiko dia:
1- rahefa milaza ilay deba be ao hoe, ka ny azy ao IHANY no lakile sy "tena izy", ary dia akatona ny varavaran-tsaina (n'inon'inona antony lazaina fa avy @ ilay Boky)
2- rahefa raikitra ny fanaparana (abus) isan-karazany, abus de pouvoir sy izay abus physique sy verbal h@ abus sexuel
3- rahefa ny ankizy no voakitika ka tsy mba afaka manao toa ny ankizy hafa rehetra, na kilalao izany, na fiainana andavanandro fotsiny (n'inon'inona antony lazaina fa avy @ ilay Boky)

Dia izay ataon-drizareo ao anatiny ao moa dia tsy dia misy mahalalala, ka sarotra ny mampitaha @ ireo criteres ireo, fa raha jerena ivelany dia toa "sitra-po" marina ny an'ireo "voajono". Fa rahefa injay tafaporitsaka zareo ka mitantara, dia izay vao fantatra, fa misy abus psychologique giravy be FOANA ao.


Ka amiko, ny fisehony (ivelany) voalohany, na ny mampakaodikaody ahy, dia rahefa injay ilay viavy fa mitondra VOALY. Na Jiosy izy na Arabo, na Moslimo na Masera.. Kaody aho ary mila manadihady : fombafomba na lamaody na resaka pratika fotsiny ve lay izy, sa resaka "controle" avy @ deba...


Fa ny finoana dia fandemen-tsaina. Raha sahirana mafy ianao, na tezitra mafy, na mahantra fadiranovana dia ijeren-dry zareo antoko sy andininy ao amin'ny boky amidiny sy natontany dia mino ianao fa ho maivana ny zioga. Vao tsianjery fotsiny no azonao amin'io.

Fa io dia toa izao, raha tena malahelo ianao ka misy olona tonga mihira ho anao, dia iny olona iny no lasa toa kintana nanazava ny fiainanao, ka satrinao ahita azy foana sy hizara ny mahaory anao eo aminy.

Ny antokom-pinoana dia mampiasa izay ihany koa, saingy miampy fanararaotana ilay mila fanampiana mba ho lasa mpanompony mandrakizay, na hanaiky ny fiangonany hatramin'ny fara fofonainy. Efa maty aza mbola entina ao am-piangonana ny vatany mba ahazo famelana ny fanahiny...
6. rhaj0 ( 29/08/2014 10:42)
Ny manitikitika ahy, dia ohoary ny ahoana ny fisehon'ny sekta ao Mada... Inona no fomba na fatao ao mahatonga azy ho voatondro ho sekta..


Ohatra ny reko aminay aty Montreal, dia hoe, nisy fianakams gasy hono miaraka amina vondrom-pivavahana iray (mba tsy ilazana hoe sekta). Dia raikitra ilay hoe "manala devoly". Ka ireo zanany (na ireo ankizy tao) angaha, toa ny zaza rehetra mba mety hoe maditra kely sns... dia notondroina hoe "mila hanalana devoly" hono.

Dia avy I Bainina, mipapapapa ary mametraka ny tanany eo @ lohan'ilay ankizy, ary fejainy mafy hono ny lohan-jaza ao @io, ka mampitomany ilay zaza. Fa ny mpanatrika rehetra, h@ r-a-d-n'ilay zaza, dia mbola miventy sns... ao ihany. Dia soa fa tsy dia ela hono ilay izy tao. Dia hoe, rahefa vita ny fombafomba dia tena maivana sy sambatra tokoany hono ireto olon-dehibe fa "afaka ny devoly"...

(dia ny ankizy koa maivana sy sambatra fa vita ihany ity zava-doza noterena natao taminy, nampinoana azy hoe tsy maintsy atao... toa ny famorana)
7. bor2lais ( 29/08/2014 13:09)
Efa nisy dinika maro nandeha teto mikasika ny resaka sekta : ohatra iray ity an'ny namana hery ity ho an'izay mety ho liana (miala tsiny amin'i hery :-) )
Tsindrio eto
8. rhaj0 ( 29/08/2014 15:23)
misaotra (an'i Hery)..
fa dia averiko izany ireto fisehoan'ny sekta any amintsika:

Hery:
- Fanasana atidoha (fandemen-tsaina atao amin'ny mpikambana) mahatonga anao hanameloka ny tenanao sy tsy hanana estime de soi intsony
- Fanerena ankolaka amin'ny ara-bola (Takomana amin'ny hoe hampandroso ny fikambanana sns) Amin'ny voalohany dia tsy dia maninona loatra fa rehefa elaela dia manjary hanome izay rehetra hananana mihitsy... misy mivaro-pananana
- Fisarahana tsikelikely amin'ny fiaraha-monina tsy ao anatin'ny fikambanana (miteraka ady amin'ny fianakaviana mihitsy indraindray) Misy mpivady miady satria ny iray tsy ao anatiny (Jereo ny tantara ery ambany)
- Fibaikoana manontolo ny mahaolona ilay mpikambana (tsy tompon'ny tenany intsony fa manao izay lazain'ny Gourou... matahotra izay lazainy, manaraka am-bokony)
- Fiainana anatin'ny tahotra (farandro, fahotan'ny hafa, matahotra fifaneraserana)
- Fiheverana fa ny an'ny tena no tena fiangonana fa ny hafa dia fahaverezana daholo.
(..)
Ity misy tantaran'ny olona iray afaka tao amin'ny sekta iray.
http://www.prevensectes.com/tj7.htm

Ka mbola tsy tonga any @ abus sexuel izany izy izany... raha tsy hoe afenina io.. Tadidiko t@ izaho mbola zatovo, dia ilay ranamana iray izay TJ, mpampiresaka tao @ Lycee. Dia nierina ny volana, fa bevohoka ilay viavy iray niaraka taminy. Mineure.
9. endriny ( 01/09/2014 04:28)
Dia hitanao eo izany fa fandementsaina sy fanandevozana ara tsaina mba hanaiky ny tetika eraopeanina no betsaka amin'ity fivavahana ankehitriny ity...
10. sitlo ( 01/09/2014 19:56)
Ka na ny kristianina aza nge miaiky fa sekta tamin' ny andro niforonany koa
11. rhaj0 ( 02/09/2014 13:31)
Variana ihany aho @ ity resak'i Hery ity, izay inoako fa iombonan'ny Kristiana @ fiangonana reniny hevitra...

Hery:
- Fanasana atidoha (fandemen-tsaina atao amin'ny mpikambana) mahatonga anao hanameloka ny tenanao sy tsy hanana estime de soi intsony

Hono ho'a.. koa na ohatra ny Fiangonana reniny, na katolika na protestanta ets... azany ve tsy manao an'io koa ? Lazaina fa "mpanota" ianao : na inona nataoanao tany, dia lazaina foana hoe, "mpanota" k'lou koa ianao e...

Fa maninona no tonga dia "culpabiliser"-na foana ny zaza ho mpanota ?
(ny lehibe tsy rahirahiako fa safidiny io)

Ianao mitaiza ny zanakao ao izany dia... raha vao misy raha, dia avadika any aminy aloha ny jiro hoe, ka ianao koa anie ka tsy ilaozan'ny mba ... mpanota, na diso, na nanao ny tsy mety e...

IZaho aloha @ fitaizako ny zanako dia ampirisihiko foana izy @ izay mety ataony.. TSY mira velively izany @ ilay hoe, "systematiquement" dia hoe, "tsy ilaozan'ny tsy ho diso" (mpanota) ianao.

Hery:
- mahatonga anao (...) tsy hanana estime de soi intsony

Dia tsy gaga aho raha tsy manana estime de soi tokoany ireo voataiza kristiana (ara-baki-teny) ao, ary dia mivarina @ izay "fragilitE" (emotionellement/psychologiquement) izay, ka dia mora miantsampy amina resaka izay heveriny fa mahavaly ny tsy-fahampiany (besoin na manque). Sahala @ resako t@ Miarana tatsy ihany io.
12. endriny ( 03/09/2014 05:57)
Raha tsy izany ve hisy andeha hivarotra fanana tamin'ny 2002, taonan'ny eklipsa fa hoe faraandro hoy I Mahiol. Dia novidiany mora daholo ny omby sy ny kisoa, ny sasany aza natakalo siramamy fotsiny fa mba mihinana mamy farany hono ireto olona teny Ihosy-Sakaraha
13. gasy1zay ( 01/10/2014 13:46)
Raha ny marina dia @ zao androntsika izao dia maro ny olona latsaka ankaterena mangetaheta famonjena saingy tsy fantany hoe ao @ Jesoa Kristy no misy io banga tadiaviny io, any Amérique anie ka ny fiangonana kristianina tsy manana moyen ohatran'ireo secte ireo e, ka mazava ho azy fa ireo no mety mahazo azy ireo moramora kokoa , isika kristianina zany no tokony hitarika ireo olona ireo hanaraka an'Andriamanitra mba tsy ho diso lalana fa isika ohatrany mihevitra fa asan'ny mpitandrina izany fa tsy antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1763