Fitaizana ny Ankizy

1. rhaj0 ( 18/08/2014 18:21)
... ao anatin'ny Finoana an'A.tra ... sa tsia ...

Ny ao anatin'ny Finoana aloha dia efa "mino" aho fa efa ao daholo ny (ankabeazany) aminareo. Ny antony, dia raha ny fahazoako azy, dia satria (fotsiny hoe) ny tsirairay no efa ao anatiny koa.

Fa kosa raha tena handalina ny "antony" isafidiana ny "itaizana ny ankizy", ao anatiny na ho tsy ao anatiny, dia inty misy fomba fijery iray, izay milaza fa ny "safidy" an'ilay mpanoratra ny hitaiza ny zanany TSY ao anatin'ny Finoana an'A.tra, sy ny "antony" :
http://ireport.cnn.com/docs/DOC-910282

1- God is a bad parent and role model.
2- God is not logical.
3- God is not fair.
4- God does not protect the innocent.
5- God is not present.
6- God Does Not Teach Children to Be Good
7- God Teaches Narcissism


Fa dia samia mamisavisa...
....na raha afaka zaraiano ny "antony" ny "safidinao"
novalian'i RBNIR ny 23/08/2014 18:14
2. hery ( 18/08/2014 18:28)
Ny zavatra rehetra hitako fa tsara amiko dia omeko ny zanako...

Ary izaho tsy hanery anao hanome zavatra tsy mety aminao ho an'ny zanakao.

3. rhaj0 ( 18/08/2014 18:49)
Ka "it takes a village to raise a kid" ary ny "cursus" any an-tsekoly dia iraisana ihany. Ka manjary hoe.. rahefa "manao ny tsy mety" ny zanakao (ohatra hoe mampihatra ny #7, narcissism), dia ho ahitsin'ny ... namany.
4. hery ( 18/08/2014 20:21)
Ka izay iray tianao na ny cursus any an-tsekoly no atao matanjaka kokoa noho ny fanabeazana ao an-trano :-)
Ho an'ny Katolika izao, raha ohatra ka hitany fa tsy ho vitany ny manohitra ireo fanabeazana "tsy dia katolika loatra" any amin'ny fianarana hafa dia misy ny sekoly katolika izay mampianatra ny tena Andriamanitra izay tsy ireo 1 - 7 ireo.
5. rhaj0 ( 18/08/2014 20:26)
Inty indray misy fijery hafa ... (hevitra manohana ny fitaizana ao anatin'ny Finoana/Fivavahana)

http://www.familyfacts.org/briefs/7/family-religious-practice-and-adolescent-well-being
Teens from intact families who frequently attend religious services are less likely to exhibit delinquent behavior and tend to fare better in school.... Based on data from the National Longitudinal Study of Youth–a nationally representative study of over 14,000 adolescents...
6. RBNIR ( 19/08/2014 10:05)
rhaj0:

http://ireport.cnn.com/docs/DOC-910282

Faly miarahaba namana,
Raha ny fandinihiko an azy dia misy asan i satana ao anatin ilay hafatra ampitaina amin iry rohy ambony iry namana a,

FANARATSIANA ENDRIKA AN'ANDRIAMANITRA EO IMASON NY OLONY:

raisina avokoa izay heverina ho lafiratsiny rehetra entina andotoana ny tena ENDRIKA MARINA ananan'Andriamanitra.

« sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Kor.6:10)

Ny MPANARATSY namana dia tsy mba sitrak'Andriamanitra, ary ny devoly dia efa mpanaratsy hatramin'iza sady mpiampanga koa « Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. » (Apok.12:10)

Ny devoly dia mampirisika sy mamitaka an-tsika hanao ratsy,
Avy eo izy indray no mitatitra (mpitatibolana) an'iny voalohany any amin'Andriamanitra mba hiampangana antsika eo anatrehany,

« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa. 55:8)

Ny tsy fahatakarana an'io teny io no mahatonga ny olona ho mpimonomonona sy mpiteny ratsy an'Andriamanitra indraindray nefa tsarovy fa hoy IZY hoe « Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany» (Jer. 29:11)

Samia ho tahin ny Tompo e,


7. rhaj0 ( 19/08/2014 12:43)
RBNIR:
...raisina avokoa izay heverina ho lafiratsiny rehetra...

Ka misy izany mahita (na mihevitra) fa misy "lafy ratsiny" (koa) @ Finoana/Fivavahana/A.tra.

Raha izaho manokana aloha, dia raha mifanohitra @ foto-kevitro ny resaka, dia hiezaka ihany aloha aho ny hahazo ny fijery/lojikan'ilay tompon-kevitra. Satria hono, rahefa azonao (comprehension/understanding) ny andaniny, dia izay no mitondra @ fitserana (compassion), hono, ary izay no mahatsara ny fiaraha-miaina sy ny fiaraha-monina eto @ ity tany ity.

Fa raha tonga dia akapoka anaty label iray ny resak'olona ("satana" ohatra eto), dia raha ny fahitako azy, dia efa mihidy saina amam-po sy fanahy ianao @ namanao (ton prochain).

Fa dia ho vabahako ny teboka mampangoritsina isan'isany ireo ambony ireo ao aoriana...

[size=8]dia araka ny filazan'i Bor2lais, dia "Fomba fijeriko ihany anefa ireo a !" :-)[/size]
8. RBNIR ( 19/08/2014 13:08)

rhaj0:

Fa dia ho vabahako ny teboka mampangoritsina isan'isany ireo ambony ireo ao aoriana...

Koa dia tandremo ary namana sao dia hankahala na hitarika ny olona ankahala ny AVO INDRINDRA ianao namana,

Samia ho tahin'ny Tompo e,
9. rhaj0 ( 19/08/2014 14:57)
RBNIR:
Koa dia tandremo ary namana sao dia hankahala na hitarika ny olona ankahala ny AVO INDRINDRA ianao namana

Voaray. Fanefa raha izaho manokana, dia ilay "f(if)ankahalana" namana (mon prochain) no itandremako, fa raha ny amin' Azy, dia "mino" aho fa Lehibe Ny Halemem-Panahiny Sy Famindram-Pony.
10. RBNIR ( 19/08/2014 17:11)

rhaj0:

RBNIR:
Koa dia tandremo ary namana sao dia hankahala na hitarika ny olona ankahala ny AVO INDRINDRA ianao namana

Voaray. Fanefa raha izaho manokana, dia ilay "f(if)ankahalana" namana (mon prochain) no itandremako, fa raha ny amin' Azy, dia "mino" aho fa Lehibe Ny Halemem-Panahiny Sy Famindram-Pony.

Tsy mahazo resaka ianao izany namana, i satana ange no asiko eto fa tsy ilay olona (nampiasainy e).
Ary mitaona ny olona aho tsy handeha amin io lalana io mba tsy ho tonga any amin ny fankahalana an Andriamanitra izy,

Samia ho tahin ny Tompo namana,
11. rhaj0 ( 19/08/2014 19:27)
Ka dia atomboko @ teboka mampangoritsina farany azany...
7- God Teaches Narcissism

Dia jereo ohatra eto, "Pope Francis criticizes the Vatican’s narcissism", na eto, "le pape François: Les chefs de l'Eglise ont souvent été narcissiques".

Ka raha ireo deba be hajaina indrindra no tena (azo raisina ho) mpianatra mahay indrindra... dia ahoana, taiza no nianarany (na nampianarana azy) an'izany "narcissisme"-ny izany? Ngo dia sanatrian'izany ho lazainao koa re ry RBNIR @ ireo resaka voatondro ireo, fa ny Papa dia "nampiasain'i satana" mba hanainga io teny "narcissisme" io ary manondro ny mpianatry (mahay) ny Finoana ho izany.


Fa azo raizina ihany azany fa TSY i A.tra na ny Finoana/Fivavahana no nampianatra "narcissisme" ho an'ny olona (na i deba be) e...


Nefa mba saintsaino ihany, rahefa mitaiza ny zanakao ao ianao, rahefa hoy ilay ramatoa TxBlue08 etsy ambony, manondro fa ny "narcissism" dia lasa voavoly ao @ ankizy rahefa taizana araka ilay Fampianarana (sasany) izy :
“No matter what I do, God loves me and forgives me. He knows my purpose. I am special.” The irony is that, while we tell this story to our kids, other children are abused and murdered, starved and neglected.


Rahefa tena "misaintsaina" alongany aho, dia izaho "mino" fa tsisy "satana" mampiteny an'io eo fa lojika tsotra fotsiny, ary mety azon'ny psikolaogy amafisina sy porofoina aminao.



Fa toa efa resaka nifanaovako t@ i Tefigasy ihany izy izany tatsy, fa "egocentrique" no nampiasaiko fa tsy "narcissique" :
"egocentrique" i Tefigasy... izy vory saina sy vory nofo, nefa ny (zaza menavava) hafa "very fanahy mbola velona" ary maty mitsitra etsy sy eroa akoriny aza, fa na izany aza dia be talaho be zizo any Aminy i Tefigasy mba ho "tsaboina sy vonjena" hono.

F'izany hoe hozy ny diksionera : égocentrique = Personne qui rapporte tout à elle, qui se croit le centre du monde. Synonymes égoïste, narcissique.
12. RBNIR ( 20/08/2014 07:20)
rhaj0:

Ka dia atomboko @ teboka mampangoritsina farany azany...
7- God Teaches Narcissism

Dia jereo ohatra eto, "Pope Francis criticizes the Vatican’s narcissism", na eto, "le pape François: Les chefs de l'Eglise ont souvent été narcissiques".

Ka raha ireo deba be hajaina indrindra no tena (azo raisina ho) mpianatra mahay indrindra... dia ahoana, taiza no nianarany (na nampianarana azy) an'izany "narcissisme"-ny izany? Ngo dia sanatrian'izany ho lazainao koa re ry RBNIR @ ireo resaka voatondro ireo, fa ny Papa dia "nampiasain'i satana" mba hanainga io teny "narcissisme" io ary manondro ny mpianatry (mahay) ny Finoana ho izany.


Namana,
Tsy voatery hoe rehefa kristianina akory ny olona iray dia tsy afaka hiasa ao aminy satana,
Ohatra akaiky : I Petera « Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hœ: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. » (Mat.16:23)

Eto ary dia nilaza mihitsy I Jesosy fa satana I Petera fa tsy olona intsony,
Ny ahafantarana fa hevitra avy amin I satana no miasa ao aminao dia tsotra : io efa nolazain I Jesosy io “Tsy misaina izay an’Andriamanitra, fa misaina izay an’ny olona”.
Vakio ny andininy eo aloha dia ho azonao tsar any resaka tamin’io.

Raha hiverenana ilay rohy ery ambony dia izao no hita, Fitaomana ny olona hitaiza ny ankizy, lavitra an’Andriamanitra.
Jesosy anefa dia nilaza hoe « Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra. » (Mar. 10:14)

Ary tena TEZITRA mihitsy IZY raha nosakanina tsy hanantona ireo zaza.

Diniho tsara ry namana, iza no mihevitra izay an’Andriamanitra Jesosy ve sa ilay hevitra atsy amin’iry rohy zarainao iry ?

Farany ny anton’ny toriteny dia « Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

TSY FAHADISOANA mihitsy ny mampianatra ny olona NY MARINA (na dia mety hanafitohina ny hafa aza izany) satria ny tanjona dia ho FANITSIANA IZAY DISO, SY HO FITAIZANA AMIN’NY FAHAMARINANA,

Satria ny TEny dia manambara hoe « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka ……….. ny fahamarinana. » (Jao.4:24)

IZAY MIVAVAKA AMIN'ANDRIAMANITRA DIA TSY MAINTSY AMIN'NY FAHAMARINANA. (TSY MAINTSY FA TSY HOE TOKONY).

Raha misy araka izany fampianarana diso dia tokony hahitsy izany hifanaraka amin’ny marina,

JESOSY dia tsy mba nitsitsy teny nanambara ny marina ary nanitsy ny fahadisoana rehetra tamin’ny fotoan’androny, ary izay ihany koa no nahatonga Azy nankahalain’ny jiosy namany.

Ny TENA FITIAVANA namana dia ny tsy fijerevana arina an-tava, ary ny tanjona dia FANITSIANA IZAY DISO ARY KOA HO FITAIZANA AMIN’NY FAHAMARINANA (NY FIAFARANY dia FIAINANA MANDRAKIZAY HO AN’NY REHETRA)

Samian ho tahin'ny Tompo namana,
13. rhaj0 ( 20/08/2014 12:37)
RBNIR:
Matio16:23... tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. » 24 Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.

An an... ka dia tena tsy kapoakako ny anao izany ry RBNIR. Raha izaho manokana dia tena (tsy miala tsiny fa) "hisaina izay an'olona", indrindra ho an-janako sy ny fiainany ao @ fiaraha-monina eto @ ity tany ity; fa ny @ "izay an'A.tra" indray dia Izy ihany no mahay azy ao...

Ka tena tsisy hifanakalozana hevitra ny @ "Fitaizana ny Ankizy" izany miaraka aminao ry RBNIR, fa ny anao dia ny an'Azy ihany. Io Andininy io no raisinao tsisy very. Fa dia mahasoava ny ao aminao ao azany e... Enga anie ny zanakao ao mba afaky ny ho sambatra ihany ao @ fiaraha-monina eto @ ity tany ity, ka tsy ho very fanahy mbola velona (na hoe efa lasana any @ tsy takatry ny sainay ny fanahiny) @ ireo teboka 7 mampangoritsina ireo ambony ireo..
14. rhaj0 ( 20/08/2014 13:26)
Tohizako @ ireo teboka 2-5 indray azany...
2- God is not logical.
3- God is not fair.
4- God does not protect the innocent.
5- God is not present.


Toa mitovitovy @ efa noresahina tatsy ihany, @ ilay loha-hevitra hoe "Dieu peut et veut ... ou pas?", satria mantsy :
Epicure:
ou Dieu veut empêcher le mal et ne le peut, ou il le peut et ne le veut,
ou il ne le peut ni ne le veut, ou il le veut et le peut.
S'il le veut et ne le peut, il est impuissant;
s'il le peut et ne le veut, il est pervers;
s'il ne le peut ni ne le veut, il est impuissant et pervers;
s'il le veut et le peut, que ne le fait-il, mon père ?"
(Anatole France / 1844-1924 / Les dieux ont soif)

Ny fahazoako an'io dia rahefa mandinika @ saina TSY miangatra, ka mahita ny zava-misy (tsy ara-drariny/hitsiny/marina/...) dia .... "tsy maharitra" (ny saina) ary dia manontani-tena ny @ Finoana (izay tonga dia noekena fa tsy nosainina).

F'ilay ramatoa moa izany tonga dia manilika, fa raha izaho manokana aloha, dia mbola manontani-tena ihany ho'a, "s'il le veut et le peut, que ne le fait-il, mon père ?", ary raha ny zanako, dia tena ampirisihiko mba "misaina" sy "manontani-tena" koa...
15. RBNIR ( 20/08/2014 13:48)
rhaj0:

RBNIR:
Matio16:23... tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. » 24 Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.

An an... ka dia tena tsy kapoakako ny anao izany ry RBNIR. Raha izaho manokana dia tena (tsy miala tsiny fa) "hisaina izay an'olona", indrindra ho an-janako sy ny fiainany ao @ fiaraha-monina eto @ ity tany ity; fa ny @ "izay an'A.tra" indray dia Izy ihany no mahay azy ao...

Ka tena tsisy hifanakalozana hevitra ny @ "Fitaizana ny Ankizy" izany miaraka aminao ry RBNIR, fa ny anao dia ny an'Azy ihany. Io Andininy io no raisinao tsisy very. Fa dia mahasoava ny ao aminao ao azany e... Enga anie ny zanakao ao mba afaky ny ho sambatra ihany ao @ fiaraha-monina eto @ ity tany ity, ka tsy ho very fanahy mbola velona (na hoe efa lasana any @ tsy takatry ny sainay ny fanahiny) @ ireo teboka 7 mampangoritsina ireo ambony ireo..


« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)

Ny Azy aloha , dia Izy mahalala ny mahasoa an-tsika,

Mety tsara ny fiananjanako namana miaraka amin'Andriamanitra,

Ary azo lazaina ho tsy ambaka ny hafa aza izireo an,

Tsy mety izany zaza taizana lavitra an'Andriamanitra izany namana o,

Samia ho tahin'ny Tompo namana



16. endriny ( 20/08/2014 13:51)
Salama e,

Io ange arakaraky ny fomba namoronan'ny olombelona ilay mety ho toetry ny Andriamaniny ihany e. Ny Andriamanitr'i Abrahama izao dia natao hanafaka an'Israely 12 toko fotsiny. Ary nentina ny anaran'io Andriamanitr'Israely io, entina amonoana izay heverina fa fahavalo manakana ny fanitarana ny fanjakan'Israely 12 toko, sy ireo tsy mitovy finoana aminy. Ireo tsy mitovy finoana aminy, izay midika fa tsy iray firazanana aminy ihany koa satria tsy taranak'i Abrahama.

Taty aoriana dia nambara fa ny batisa dia maha zanak'Atr'i Abrahama. Ka izay tsy vita batisa sy tsy mety atao batisa rehetra dia enjehina fa hoe zanaky ny helo sy satana, ary dia pempoina mihintsy ny sainy na terena mba hanaraka ireto vita batisa. Tsy mahazo mianatra ianao hoy ny sekolim-pinoana raha tsy vita batisa... tsy mankany an-danitra ianao raha tsy vita batisa...

Dia noterena ny zaza mba atao batisa, toa an'ireo indianina nalefa tany angletera fahiny, na ireo fanjakana taty afrika fahiny... Tsy mahazo mifanerasera amin'ny fotsy hoditra raha tsy atao batisa aloha...
17. rhaj0 ( 20/08/2014 14:27)
RBNIR:
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)

Ka io ho'a ange ry RBNIR, raha toa ho'a ka tao @ vohitrakely (toa ny fahiny) tao daholo isika rehetra, dia samy "mino" ny "inoan'ny rehetra" io, dia tena mety tsara ny fiarahana ao @ vohitrakely ao rahefa izay no ataon'ny rehetra ao e... Ary araka ny lazain'i Endriny io ohatra, dia natao tokoany ny fanenjehana sy fanapriatina izay "tsy mino ny inoan'ny rehetra" io.

Fa ilay izy izao efa misokatra izao tontolo izao, ary hitanao tsara io fa Revy Samy Manan'Ny Azy.

Ka raha ny fahitako azy, rahefa hiara-monina aman'olona ihany (ny zanakao), dia tsy afaky ny hidinao ao @ Finoanao irery ao (ny an'Azy ihany no ady eo), fa mila mijery mandinika @ saina TSY miangatra (miangatra @ Finoanao fotsiny ianao), dia manadihady/manaporofo/... araka ny efa eken'ny rehetra (na ny maroisa) dia ny siansa/sosiolozia/psikolozia/.. sy ny zo aman-dalana.
18. RBNIR ( 20/08/2014 14:37)
Samia ho tahin'ny Tompo e........
19. rhaj0 ( 20/08/2014 15:56)
RBNIR:
Tsy voatery hoe rehefa kristianina akory ny olona iray dia...
Io izany moa i RBNIR efa milaza fa na samy Kristiana aza dia "Revy Samy Manan'Ny Azy"... ary samy milaza daholo hoe ny azy no tena revy... Fa raha ny fahitako azy dia tsisy olana izany satria ny daholo dia ho ...
RBNIR:
Samia ho tahin'ny Tompo e........

[size=8]mitovy hevitra ihany izany izaho sy RBNIR rahefa atao ny kaonty :)[/size]
20. rhaj0 ( 21/08/2014 14:23)
Tsy tafita ny fifanakalozan-kevitra mba ifampianarana sy ifanorona eto azony vao hoe "God" no teny nampiasaina dia niforitra ny maro ary dia tsy afaky ny ho objectif intsony. Nefa moa tsy maintsy io no teny nampiasaina satria ny loha-hevitra dia Finoana sy Fivavahana.

Hivadika ny pejy ary dia ho ovaiko izany ny teny ampiasaina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1347