Fitaizana ny Ankizy

21. rhaj0 ( 21/08/2014 14:25)
Ka ireto azany misy teboka vitsivitsy noaingan'ny renim-pianakaviana iray, mba ho saintsainintsika manan-janaka...

1- Bad parent is not role model.
2- Bad parent is not logical.
3- Bad parent is not fair.
4- Bad parent does not protect the innocent.
5- Bad parent is not present.
6- Bad parent Does Not Teach Children to Be Good
7- Bad parent Teaches Narcissism

Ho avadibadiko rahef avy eo ny isan'isan'ireo teboka mampangoritsina ireo :-)
22. rhaj0 ( 21/08/2014 14:44)
Ka inty azany ny teboka voalohany... mampangoritsina :-)
1- Bad parent is not role model.

Dia hoy ilay ramatoa:
a- Good parents don’t allow their children to inflict harm on others.
b- Good people don’t stand by and watch horrible acts committed against innocent men, women and children.
d- They don’t condone violence and abuse.
e- Our children have free will, but Good parents still step in and guide them.

Izaho manokana aloha dia tena miombo-kevitra tanteraka @ ireo : tsy mampirisika an-janako @ ireo herisetra ireo aho.
- Raha misy ny tsy fifankahazoana na ao @ fiainany, na tazany @ fiainan'ny fiaraha-monina, dia ny ftao dia atolotra @ profesionely ny famahana ny raharaha (mpampianatra, mpitandro filaminana, mpitsara,...) ary ny zo aman-dalana velona no hajaina.
- Raha misy tantara na boky mitantara ireo, dia ho azavaiko mazava aminy fa izay mandrisika herisetra na an-keriny, izay mijery ary tsy manohitra ny herisetra na an-keriny, dia (efa saika) naman'ny manitsaka ny zo aman-dalana velona toa an'ireo nanao ny herisetra sy an-keriny

Mino aho fa miombo-kevitra amiko ianareo @ ireo...

[size=8]Dia hoe, inona ny hidiran'izany eto @ loha-hevitra Finona sy Fivavahana. Dia ny hidirany dia hoe, jereo azany God ao anaty Baiboly raha ohatra ka nanao ny nataon'ireo "Bad Parents" ireo ambony ireo, na koa hoe, ny Baiboly izay tantaraina sy ampianarina ny Ankizy ve mampirisika ilay herisetra sy an-keriny...[/size]
23. endriny ( 22/08/2014 04:41)
Dia ahoana ilay hoe: Izay te hamonjy ny ainy no ahavery azy?"
24. RBNIR ( 22/08/2014 06:48)
rhaj0:

Faly miarahaba namana,

Mila mahafantatra ny secretn'ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny olona tany aloha sy ny fanekena nataon'Andriamanitra vaovao (nanomboka teo amin'ny nanombohana an'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana) ny olona dia ho fantany tsara ny anton'ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra tany aloha sy ny anton'ny nanovan'Andriamanitra zavatra maro taty aoriana.

Raha fantatry ny olona io secret io dia ho fantatry ny olona marina hoe IZA MARINA MOA ANDRIAMANITRA, ary inona marina no anton'ny zavatra tany aloha sy ny nanovana sy nanavaozana ny zavatra rehetra taty aoriana,

Somary lavalava, fa aleo mba amporisihiko ny olona hijery ny fandaharana Vitao ny Asan'ny Fahamarinana ao amin'ny kolo TV isa-maraina amin'ny 5ora sy sasany (alatsinainy ka hatramin'ny zoma) ho an'ny any amin'ny faritany dia efa afaka manaraka izany amin'ny canal sat koa.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
25. rhaj0 ( 22/08/2014 10:55)
Fa raha "secret" izay izany ilay izy, marina tsy izay koa angamba no nakan-ndry Harry Potter tahaka @ bokiny, ka hoe, misy "mot de passe' na "recette magique" na "lojika tsihaitsihay" mila ho hay, izay vao afaka miroso @ lalina kokoa...

Ka ilay "secret" re izany ry RBNIR tsy ho hary takatray olon-tsotra ee.... mainka moa fa ny Ankizy. Ny kely fantatray dia ny mamaky ny Baiboly, dia matetika loatra, mandray izay ao "ara-baki-teny", satria "izay voasoratra dia voasoratra". Dia marina moa tsy hotry ny izahay indray izany no mahazo tsiny fa "tsy mahazo resaka".. maninona kosany ilay Mpanoratra mamilafila e...

Ka "izay voasoratra ao dia voasoratra". Dia lazaovy aminay re ry RBNIR, inona no maha-samy hafa ny resaka (sasany) ao @ Baiboly, feno herisetra sy an-keriny sy tsisy antra, @ boky ankehitrio feno herisetra sy an-keriny sy tsisy antra koa ?

Ny aty aoriana azany mba hita hoe, ilay "olon-dratsy" no manao herisetra sy an-keriny, dia mba mahatakatra ny Ankizy hoe, "ratsy" izany, fa ny ao @ Baiboly dia I A.tra mihintsy no "tsisy antra", ohatra efa noresahina tatsy ilay hoe "Valifaty - tsisy antra".

Dia tena mamaky ireo andininy ireo amin-janakao ve ianao ? Dia izay no "role model" tianao alainy an-tsaina, dia izy koa any aoriana hanao "Valifaty - tsisy antra" ????
26. RBNIR ( 22/08/2014 11:32)
Mianara ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao namana , ho fantatrao ny marina,

Samia ho tahin'ny Tompo
27. rhaj0 ( 22/08/2014 12:45)
Asa raha ity ao @ "fanekena vaovao"...

Apokalypsy 2:21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ ny fijangajangany izy. 22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin’ ny asan-dravehivavy izy. 23 Ary hovonoiko amin’ ny fahafatesana ny zanany; ...

Ilay ralehilahy "mijaganjana aminy" ao ampidirina @ "fahoriana lehibe", dia mety ekeko ihany, na dia hoe ... "adultes consentants" azany zareo, ary "sy mendrika" izany sazy izany koa, n'inon'inona natao tao...

Fa avy eo, hovonoiny h@ ilay zaza tsy manan-tsiny ???

Izany ve no "role model" ho ampianarinao ny zanakao re ry RBNIR ???
28. RBNIR ( 22/08/2014 12:57)
Izay ilay nampitandremako anao hoe tandremo sao dia ho tonga amin'ny fankahalana Azy sy hitarika ny olona hankahala Azy ianao, Voaray hoy ianao nefa......

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
29. rhaj0 ( 22/08/2014 13:58)
Ka ahoana azany no handraisana ireo andininy ireo e... Toroy aminay hoe ahoana, @ izay izahay "tsy tonga @ fankahalana"... "ireo andininy ireo"

[size=8]F'izany hoe "TSY fankahalana" koa no misy amiko. Efa ekeko hoe TSY afaky ny ataoko "role modele" izany herisetra sy famonoana izany, dia TSY tantaraiko an-janako fotsiny, sahala @ ireny tantara sy film feno herisetra sy famonoana ireny ihany... na ho hazavaiko aminy fa "angano angano arira arira t@ fotoan'androny" fotsiny izany io fa rahefa lehibe izy mety ahatakatra ny ... "secret"[/size]
30. RBNIR ( 22/08/2014 15:56)
Tsy maninona fa averiko ato ity teny ity namana :

Mianara amin ilay fandaharana namana dia hotanteraka aminao ity teny fikasana ity :

« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, » (Jer.31:31)
« Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny*,hoy Jehovah.» (Jer.31:32)
« Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. » (Jer.31:33)
« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. » (Jer.31:34)

Rehefa tanteraka aminao io teny io dia HAHALALA AZY MARINA TOKOA ianao ary tsy mila hampianarina intsony.
Mandrapahatonganao amin izany dia mianara aloha ao amin i Jesosy ary ento ny ziogany « Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Mat.11:29)
.
Ny fampianarana izay zaraina ao dia fampianara noraisina mivantana avy tamin i Jesosy.
31. rhaj0 ( 22/08/2014 16:10)
Raha afaka mba tanisainao azany hoe, ny Boky inona aby ihany no (tokony) vakiana sy resahina ?
32. RBNIR ( 23/08/2014 00:55)
Tsy vita eto namana fa miala tsiny sombiny kely ihany no azo ampitaina eto fa ny tena ventiny dia ao amin ilay fandaharana no handraisana azy...Miala tsiny betska e,

Ho tahin ny Tompo anie ianao,
33. endriny ( 23/08/2014 06:12)
Ny ahy ry zareo dia izao a, efa nandalo teo amin'ny foto-pinoana iray aho ary hitako fa tsy nahatsara ahy ilay izy fa nitarika ahy ankahala ny mpiara-monina tamiko. Moa koa ilay mpitarika kay hafa ny tondroin'ny molony hafa ny ataon'ny tanany.

Ka ho ahy, dia tsy andeha hampitahotra ny zanako amin'ny afoben'ny fahaditrana aho, fa laeoko izy mianatra ny olona sy ny tontolo manodidina azy, ary afaka miala sasatra ny Sabotsy sy Alahady...

Ny fomba fiainan'Israely tsy fomba fiainan'ny Gasikely. Ho hitanay oviana ny misotro divay isaky ny ihinan-kanina fa ny anay vary ihany vary hatrany. Ny fambolem-bary no tokony ianarana mba tsy ahamosary fa tsy ny firazan'Israely sy ny zanahariny...
34. RBNIR ( 23/08/2014 18:14)

endriny:

Faly misera namana,
Tsy omeko tsiny mihitsy ianao namana endriny satria Jesosy aza dia tena nampitandrina ny amin ny mpaminany sandoka,
Ny voany no hamantarana ny hazo hoy Izy,

Tena misy ny hazo mamoa voa tsara namana ary tena vavolombelona amin izany aho,

Mitadiava dia hahita ianareo hoy ny Tompo,

Araho ilay fandaharana namana,
Averiko hatrany tsy misy tombotsoako io na 1 fmg aza, fa ny fifaliko lehibe ho ahy raha misy (na dia iray aza hoy aho) voavonjy noho ny asa napetraky ny Tompo tamiko,

Tena tia an-tsika Jesosy,

Samia ho tahin ny Tompo namana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819