Tadiavo Jesosy ! Fa aiza izy?

1. leva2 ( 06/07/2014 06:29)
Velona Jesosy !

Efa fandre etsy sy ery : amin'ny toriteny, amin'ny haino aman-jery, eny an-dalambe ... ny teny hoe : "Tadiavo Jesosy"; ary tsy vitsy tokoa no mitady azy.
Fa aiza izy e? Any am-piangonana? ao anaty baiboly? any an-danitra?
Tsy vitsy rahateo koa ireo miantsoantso hoe : "aty aminay no tena misy Jesosy ..."

Fa mitodika aminao izay mamaky io ny fanontaniana, ary mba ampio ireo izay fatra-pitady Azy saingy tsy mety mahita : AIZA JESOSY?
novalian'i rhaj0 ny 14/07/2014 17:52
2. Tefigasy ( 08/07/2014 08:04)
leva2:

mba ampio ireo izay fatra-pitady Azy saingy tsy mety mahita ?

Otran'ny gaga ihany aho hoe mitombona ve izany sa resaka tiana hatao ?
Ny mety hampitombona an'izay fotsiny angamba dia noho ireto olana ireto :
1- Tsy fantatr'ilay mpitady akory ny zavatra tena tadiaviny, hany ka mihodikodina fotsiny no hiafarany. Otran'ny ankizy iray mitady kanety, aseho azy ny kanety dia mbola mihivinivina izy hoe tsy kanety iny, aseho zavatra hafa indray izy dia mbola miteny hoe mbola tsy kanety iny. Rehefa tena nozohina dia ilay atao hoe "kanety" mihitsy no olana aminy.
Ny jiosy anie hatramin'izao mbola miandry an'ilay ataony hoe Mesia e. Tsy metimety taminy ilay zava-nisy 2000 taona lasa izay dia mbola miandry sy mitady hatrany izy ireo. Tenenina foana fa e e e e !
Ka raha toa io no fitrangany dia na hilaza ny momba an'izany Jesoa izany aza ianao dia e e e e ! mitovy amin'ilay kanety ihany !
2- Misy ihany koa, rehefa mitady olona iray izy na mitady an'Andriamanitra dia ny fitafiany no entiny hitadiavana an'iny olona iny. Menamena ny akanjo nanaovany, fotsifotsy ny satrony, kapa maintimainty no teny aminy, ....Dia raha vao tsy izay dia e e e e e ihany koa. Ny olana anefa dia tsy figé amin'ny fitafiana ny olona iray. Dia toa izany koa Andriamanitra, tsy figé amin'ny zavatra tokana Izy, ary izay no maha-Andriamanitra puissant Azy. Tsy azo force-na hoe tsy maintsy mamirapiratra, tsy maintsy fotsifotsy, tsy maintsy mirebareba, tsy maintsy misaron-doha, ..... Ka raha izay koa no atao reference dia hiodikodina eo amin'izay hiodikodinany ihany koa ilay mpitady n'inon'inona ataony.
3- Misy ihany koa tahaka ny eto dia ny toerana sy ny fihaviana no reference hitadiavany olona iray. Tany Jerosalema no nahitana azy, tany amin'ny sinagoga, tany an-danitra, jiosy izy, ... dia any jerosalema ihany no hitodiany sy heverany fa hahitana an'iny olona iny. Na koa hoe tsy maintsy mivadika jiosy vao hahita an'iny olona iny ihany koa. Sahalan'ny hoe tsy misy tongotra angamba!
4- Misy ihany koa ny endrika no entiny hitadiavana olona iray: be volom-bava, lava volo, fotsy fiodirana, .... Tsy figé amin'izany ihany koa anefa ny olona iray ary indrindra Andriamanitra. Jesoa Kritsy raha avy nitsangana tamin'ny maty, nihaona tamin'ny mpianatra roalahy dia tsy nahalala Azy ireo mpianatra ireo raha tsy avy niverina nanambara ny teniny tamin'izy ireo Izy.
Raha ireo izany no endrika sy fomba entina hitadiavana an'i Kristy dia e e e e e e ny valiny.
Ka tsy ny fanoroana anao ny toerana misy Azy no zava-dehibe sy tokony atao lohalaharana fa ..... (avelako aloha ianao mba hieritreritra kely hoe, tokony ho inona re izany no atao zava-dehibe e ?)
3. rhaj0 ( 08/07/2014 12:56)
Izaho zareo dia (tena) TSY (hoe) mitady Azy... Izy no ahita tsy misahirana, ary ahita ahy raha ilaiNY izany, na rahefa ilaiNY izany.

Koa na hitady tahak'n'inona koa aho, misy hilaza foana fa TSY "tena izy" izay hitako eo, na akoriny aza hoe, vao miainga fotsiny aho dia hisy hilaza fa TSY izay ilay fomba fitadiavana Azy, ary mety marina izany, ka dia inona no handaniako ron-doha sy handaniako jiro eo fa zavatra tsy voa-controler-ko izany.

Dia ny manao ny tsara sy ny mety araka izay azo atao mba ahafinaritra ny fiarahana monina etoy ho'a no atao(ko), ary dia ho hita eo fa dia "Izay Mahasoa Ataony...".

Sady ny "fitadiavana" zavatra hafa (afaka mba controler-ko) toy ny fahalalana, fahamarinana (justice), fiaraha-miaina am-pitiavana, na ny fahafahana miaina tsotra fotsiny aza (vola) ets... @ fiainana eto azany efa be dia be no tsy vita sy tsy hita fa mbola tadiavina, nefa sarotra tadiavina koa, ka dia...
4. Tefigasy ( 08/07/2014 14:35)
rhaj0:

Izaho zareo dia (tena) TSY (hoe) mitady Azy... Izy no ahita tsy misahirana, ary ahita ahy raha ilaiNY izany, na rahefa ilaiNY izany.

Enga anie mba ho DISO AHO eto fa raha ny fahitako azy aloha dia tsy vitan'ny hoe tsy mitady Azy fotsiny ianao fa tena tsy MILA Azy mihitsy koa angamba raha izany hevitrao izany! Averiko indray hoe Enga anie mba ho diso aho, fa raha sanatria tsy diso aho dia loza !
Misy tenin'ny Tompo izay ao anaty baiboly ao hoe ny marary no mila mpitsabo fa tsy ny mpitsabo no mila marary ( Mar.2:17 ); ary izay ihany koa no lozika: ny marary no mila manatona sy miantso dokotera; ary koa hoe tsy ho avy HIANTSO ny marina Izy fa ny mpanota mba hibebaka ( Lio.5:32 ). Izany hoe misy Antso miantefa any aminao, dia anjaranao ny mamaly na tsy mamaly fa tsy miandry eo am-pitoerana eo fotsiny dia hiteny hoe tsy hihetsika eto aho fa izay ataony ao ataony, efa manao ny marina aho, efa mahitsy tsara ny lala-kombako, efa ao tsara aho, tsy mana-tsiny, ....
5. rhaj0 ( 08/07/2014 14:58)
Hoe ny "marary no manantona ny dokotera" ?
Tao @ Vokovokomena Malagasy aho, ary rahefa manao vonjy taitra ireny zahay, dia ny dokotera sy zahay volontaires no manantona ny marary (fa ilay marary efa mitsitra atsia), fa tsy mijery fotsiny na mitazana dia miedinedina fotsiny etsy @ tribiona.

Rahefa mbola tsy "mitady" ahy Izy, dia ... I am OK. Be dia be ny "marary maty mitsitra" eran-tany... Fitiavan-tena (egocentrisme) ny ahy raha izaho no be talao Aminy eo. Eny. Izaho vory saina, vory nofo, nefa maro ny zaza, ny marefo, ny marary eran-tany..

Avelao Izy hanao ny Asany e...
6. Tefigasy ( 08/07/2014 15:48)
rhaj0:

Hoe ny "marary no manantona ny dokotera" ?
Tao @ Vokovokomena Malagasy aho, ary rahefa manao vonjy taitra ireny zahay, dia ny dokotera sy zahay volontaires no manantona ny marary (fa ilay marary efa mitsitra atsia), fa tsy mijery fotsiny na mitazana dia miedinedina fotsiny etsy @ tribiona.

Ilay mpitsabo dia efa nidina tety an-tany nanao ny mission-ny, efa vitany ny famonjena sy ny fitsaboana ho an'ireo manaiky izany! Ny parti-any efa vita fa @ maha Fitiavana Azy dia tsy manery ny marary mila fitsaboana izy fa miandry anao mba hanatona Azy kosa indray. Sa heverinao toa ny mpanomponao izany Andriamanitra izany ka hanaiky ny sitraponao rehetra toa ny miandry an'i Poly hoy ny malagasy?
rhaj0:

Rahefa mbola tsy "mitady" ahy Izy, dia ... I am OK.

Faran'izay ratsy anie r'ise izany tsy rarahin'Andriamanitra izany intsony fa avelany eo fotsiny e! Raha mbola tsy tonga saina @ zany dia tsy haiko intsony
rhaj0:

Izaho vory saina, vory nofo, ...

Dia raha mbola io no ao an-tsainao dia aza manantena aloha fa averiko indray ilay nolazaiko tery ambony hoe tsy ho an'ny olona toa izany no nahatongavany tety anie, ary loza fa toa tsy diso ny eritreritro hoe TSY MILA Azy kay ianao!
7. rhaj0 ( 08/07/2014 17:07)
Tefigasy:
...efa vitany ny famonjena sy ny fitsaboana...

Firifiry re no mila "famonjena sy fitsaboana", ohatra, zaza 6.2 millions no maty ao anatin'ny 1 taona niainany t@ 2010; ao Mada fotsiny, zaza 62 @ 1000 no maty. Inona re no "vita" @ izany ry Tefigasy...

Fa Ianareo miady Famonjena sy Fitsaboana izany (mety ho) "vitany" ihany...

Tefigasy:
..ho an'ireo manaiky izany!..

Izay "tsy manaiky" izany tsy kaonty, fa tonga dia tsy asiana antra fa dia any izany ?? (toa ireo zaza menavava an-tapitrisany??)

Ny Vokovokomena (iraisam-pirenena) dia
- sady "mamonjy sy mitsabo", manantona ny mila izany
- no tsy misafidy iza no vonjena sy tsaboina" fa dia atao daholo


Izaho mieritreritra fa ireo lazain'i Tefigasy ireo dia "fandikana manokana" an'i Tefigasy manokana ao... Tsy haiko anefa ny hanao demonstration hoe ilay Fitiavana lazaina dia "tsimialonjafy"...
8. rhaj0 ( 08/07/2014 17:10)
Eny. Izaho "tsy mila" Azy satria be dia be ireo "mila" Azy nefa dia "very fanahy mbola velona" any daholo...

Eny. Mahatsiaro tia-tena (egocentric) aho raha be zizo sy be talaho ka hoe "mila Azy". Asa ianao...
9. Tefigasy ( 08/07/2014 17:21)
rhaj0:

Firifiry re no mila "famonjena sy fitsaboana", ohatra, zaza 6.2 millions no maty ao anatin'ny 1 taona niainany t@ 2010; ao Mada fotsiny, zaza 62 @ 1000 no maty. Inona re no "vita" @ izany ry Tefigasy...

Andriamanitra foana no diso e? I Eva no adalavavy, i Adama no adalalahy, dia mbola Andriamanitra nanao ny menarana indray no omeny tsiny !
rhaj0:

Izaho mieritreritra fa ireo lazain'i Tefigasy ireo dia "fandikana manokana" an'i Tefigasy manokana ao... Tsy haiko anefa ny hanao demonstration hoe ilay Fitiavana lazaina dia "tsimialonjafy"...

Rehefa tsy metimety aminao ve moa tsy ho izany foana.
10. rhaj0 ( 08/07/2014 18:00)
Dia lazaovy koa re ry Tefigasy fa ireo zaza menavava maty tao anatin'ny 1 taona niainany dia "adala". Indrindra moa fa (tsy) vita batisa/batemy izany ny ankamaroany...

Izaho TSY nanome tsiny an'izan'iza. Milaza zava-misy fotsiny aho ary milaza ny fijoroko (izay anao dia anao, izay Ataony dia Ataony).

Fa ilay firesakao io ambony io azany ve izany mitondra @ hoe "Fitiavan-dehibe tsimialonjafy" ? Eny sa Tsia ? Toa hotran'ny TSIA.

Ary "tsy metimety amiko" izany satria, izaho te-hino fa "Fitiavan-dehibe tsimialonjafy" no izy sy Azy...
11. rhaj0 ( 08/07/2014 18:53)
Roritiko kely ity. "Fitiavan-dehibe tsimialonjafy". Azoko adika hoe "unconditional love" na "amour inconditionnel"... Toa ny fitiavako an-janako sy ny vadiko : n'inon'inona ataony dia ekeko, na tsy mety/diso/.. aza ny ataony, na tsy manantona ahy aza ohatra izy. Fa dia mahita ny hi-comprendre azy foana aho, ary milefitra dia miara-manarina izahay.

Ny (fandikana manokana=interpretation personnel) an'i Tefigasy dia TSY izany, fa misy "condition" : tsy maintsy "mibebaka" sy manao tralala, na hoe manantona sy mitady Azy, izay vao mahazo "famonjena sy fitsaboana".

Misy ny olona mitady, na te-hino, fa (misy) ny religion manolotra "unconditional love"...

12. Tefigasy ( 09/07/2014 08:49)
rhaj0:

Ary "tsy metimety amiko" izany satria, izaho te-hino fa "Fitiavan-dehibe tsimialonjafy" no izy sy Azy...

Ny (fandikana manokana=interpretation personnel) an'i Tefigasy dia TSY izany, fa misy "condition" : tsy maintsy "mibebaka" sy manao tralala, na hoe manantona sy mitady Azy, izay vao mahazo "famonjena sy fitsaboana".

Jao.3:16 " Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay ."
Condition : Mino

Jao.3:3 : “Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona , dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra”
Condition : Ateraka

Jao.1:12-13 “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra
Condition: mandray

Jao.6:56, raha misy manana ny nofoko, dia hanana fiainana mandrakizay izy, izay misotro ny rako dia hanana fiainana mandrakizay izy
Condition : manana, misotro

Mat 13 : 45 Ary koa , ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa
Condition : katsahina

Tsy misy avy amiko ireo ary tsy nasiako interpretation mihitsy na kely aza fa naveriko fotsiny. Ny dikany: tsy interpretation an'i Tefigasy ireo. Tsy maninona ataovy indray hoe interpretation an'ny olo-be taloha mpanoratra ny baiboly. Averiko foana hoe rehefa tsy metimety aminao dia izay foana ilay izy.
13. rhaj0 ( 09/07/2014 13:11)
Inty misy demonstration ataon-na Kristiana ny @ "unconditional love" ao @ Finoana Kristiana.. Hoz'izy...
http://www.christianpost.com/news/the-unconditional-love-of-mothers-deciphers-religion-86348/
He loves you whether you believe in Him or not....and whether you obey Him or not


Fa afaka mi-google koa ianao dia ahita.. "spin doctor" hafa.. Na ohatra ao @ wikipedia koa ohatra:
In Christianity, the term "unconditional love" may be used to indicate God's love for a person irrespective of that person's love for God. The term is not explicitly used in the Bible and advocates for God's conditional or unconditional love, using different passages or interpretations to support their point of view, are both encountered. The civil rights leader Martin Luther King Jr. was quoted as saying “I believe that unarmed truth and unconditional love will have the final word in reality”


Io izany fa dia samia mandray izay mampetimety ny baolinany... na mihaino izay "spin doctor" tiatiany e... "Marina" daholo izany Aminy...

Fa raha ianao moa ry Tefigasy ... toa hotry ny "maka 19" ao, dia izay izany... Izaho ho'a matoky fa "Tiany" daholo raolombelona e... ary dia "Izay Mahasoa Ho Ataony Ao..." Tsy (mila) hiadian-kevitra (ary tsy handaniako ron-doha)...

14. rhaj0 ( 09/07/2014 16:51)
ooops... izay vao azoko hoe izaho hono "mitsaratsara" na "mamelively"... Io izany hoe i Tefigasy izany raha tarafina @ izay nolazaiko teto dia :

- "egocentrique" i Tefigasy... izy vory saina sy vory nofo, nefa ny (zaza menavava) hafa "very fanahy mbola velona" ary maty mitsitra etsy sy eroa akoriny aza, fa na izany aza dia be talaho be zizo any Aminy i Tefigasy mba ho "tsaboina sy vonjena" hono.

- "mpaka 19" i Tefigasy... izy ilay "mahay" ao ampianarana: hainy tsinajery daholo ny "conditions" rehetra napetrak'i Ramose ary dia arahiny antsakany sy andavany. Zahay @io ilay maditra (fa Tiany foana)...


Tsy hitako izay lazaina fa dia ... mibaboka e... :)

15. rhaj0 ( 10/07/2014 01:44)
O ry Tefigasy... ireo "conditions" kay eo ihany, fa ilay "punitions" mahazo (raha tsy "maka 19") kay no tena giravy..

Levitikosy 26:14 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa hianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo... 16 Izaho kosa dia hanao izao aminareo: hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ...
18 Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany hianareo amin’ izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo...
23 Ary raha tsy mandray ny anatro amin’ izany hianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
24 Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
25 Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ ny nivadihanareo ny fanekena;...



Ka dia ahoana re ireo izany ry Tefigasy : raisina ara-baki-teny sa hodiana tsy-hita...
16. rhaj0 ( 11/07/2014 13:34)
An an... dia giravy ity.. siritsiriho anie i google, dia zahavo ohatra hoe "god is cruel" e...
Inty misy pejy iray nanangona ireo soratra ao @ Baiboly ka maneho ny maha-cruel an'A.tra.
Lavabe ny lisitra, ary tena "tsy azo hodiana tsy hita" mihintsy kosany izany
http://skepticsannotatedbible.com/cruelty/long.html

Koa na "maka 19" tahak'n'inona azany ve dia ho tafa...

Dia nefany ny hiran'i Bessa tena mba manja :

Bessa:
Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr’antoko, tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,
Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena
Ka ny olona rehetra mahazo azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no fitiavana

Ny Andriamanitra inoako tompon’ny fahendrena
Te hanova izay ratsy ho tsara
Tsy mba faly manjera na revolisionera
Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany
Ny Andriamanitra inoako Andriamanitra fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny no hany fandreseny
Fa Izy no fitiavana

17. Tefigasy ( 11/07/2014 14:19)
rhaj0:

Dia nefany ny hiran'i Bessa tena mba manja

Mba asio maso kely ity fa efa narosoko teto tamin'ny fotoan'androny : http://forum.serasera.org/forum/message/m4e368e44905e9
18. rhaj0 ( 11/07/2014 14:55)
ok.. hay efa voavahabaha lavabe tao izy io fa izaho no tara..
Fa ny fehin-kevitra raisiko dia... samia azany mifikitra @ ny azy e...

Raha ny fahitako azy, dia ... sahala @ Fizika sy ny "axe de reference" io :
- @ axe de reference-n'i Tefigasy, dia mahita fa ... tsotsoriko .. "god is cruel"
- @ axe de reference-n'i Bessa ohatra, dia mahita fa ... tsotsoriko... "god gives unconditional love"
- @ "axe de reference absolu", na hoe axe an'Azy, dia "samy marina" daholo ireo (raha tsy hoe "tsy misy" izany "axe de reference absolu" izany).

Na koa, sahala @ tantaran'ireo Jamba miodidina Elefanta dia samy mitsapa ary samy milaza ny fahatsapany...

Ka (sao) sendran'ny taolana ao azany i Tefigasy :)

Fa raha i Bessa io izany ohatra dia .. "manja" ny fiainany e... Hevero hoe sahala @ zazakely manana reny be fitiavana i Bessa... ary reny maoderina, ilay TSY mibedy, TSY manangam-peo, sy TSY mikapoka ireny mihintsy, satria "abus/violence verbal" sy "abus/violence physique na psychologique" izany, ary efa faritan'ny fiaraha-monina maoderina ho heloka ka mety hampigadra.



19. Tefigasy ( 11/07/2014 15:12)
rhaj0:

- @ axe de reference-n'i Tefigasy, dia mahita fa ... tsotsoriko .. "god is cruel"

Averiko foana ity: Adama sy eva no adala dia Andriamanitra nanao ny menarana avy eo no omeny tsiny !
20. endriny ( 11/07/2014 15:13)

rhaj0:


- @ axe de reference-n'i Tefigasy, dia mahita fa ... tsotsoriko .. "god is cruel"



Norme be ianao Rhaj0 raha miteny izany satria fehiza kely toa izao ny tantaran'ny baiboly: "Fihinana voankazo voarara no fahotan'ny olom-belona, dia famonoana ny zanany tokana ho sorona vao nahaafaka io fahotana io",

Voakazo natakalo aina, dia tena cruel tokoa.

leva2:

Tadiavo Jesosy

Efa niteny Jesosy fa anjaran'ny mpiandry ondry no mamerina ny ondry ao am-bala sy mitady ny ondry very, fa tsy ny ondry indray no andeha hitady ny vala sy ny tompony... Ka mety ho diso aho angamba raha miteny hoe.. mifanohitra amin'ny voalaza ao amin'ny baiboly io baiko nomenao io angamba...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0957