masturbation

1. josiah ( 13/06/2014 02:56)
Fahotana ve ny manao masturbation?
novalian'i rhaj0 ny 02/07/2014 18:29
2. Tefigasy ( 13/06/2014 05:22)
josiah:

Fahotana ve ny manao masturbation?

Mat.5:27-28 : Efa renareo fa voalaza hoe : " Aza mijangajanga" (Eks .20 .14) . Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
Ny soratra dia miteny hoe aza mijangajanga, dia mety hiteny ianao hoe za tsy mbola naka vadin’olona, tsy mbola nanao an’izany, dia tsy nijangajanga aho. Fa amin’i kristy: rehefa mitsiriritra ny ao am-ponao, dia efa nijangajanga ianao. Tsy ilay zavatra vita no atao hoe mijangajanga amin’i kristy fa vao ilay fikasana dia efa mijangajanga sahady. Izay no tanterahina aty amin’ny fanekena vaovao fa tsy fihatsaram-belatsihy intsony tahaka izay nifanarahana tany amin’ny fanekena taloha tany izay efa noharan’i kristy, efa tanterak'i Kristy, ary izay miray Aminy dia mahatanteraka izany ihany koa. Ka hoy aho aminao hoe midira ao amin'i Kristy, miraisa Aminy dia ho tanteraka eo aminao ihany koa izany.
3. Christians ( 13/06/2014 06:03)
Tena marina aloha izany e! ary evanjely androany mits zan
4. bor2lais ( 13/06/2014 08:07)
Tefigasy > Izao izany no antsoina hoe valinteny 1 ho an'ny fanontaniana 2 ! :-)

Tsy vitan'ny hoe voavaly ny fanontaniana fa natoron'i Tefigasy azy koa ny tokony atao ahatongavana any an-danitra ! :-)

Dia mbola tsy afa-po ihany kosa ve ny mpanokatra ny lohateny ? :-)
5. endriny ( 13/06/2014 09:34)

Tefigasy:

josiah:

Fahotana ve ny manao masturbation?

Mat.5:27-28 : Efa renareo fa voalaza hoe : " Aza mijangajanga" (Eks .20 .14) . Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
rehefa mitsiriritra ny ao am-ponao, dia efa nijangajanga ianao. Tsy ilay zavatra vita no atao hoe mijangajanga amin’i kristy fa vao ilay fikasana dia efa mijangajanga sahady.


Somary arahiko kely ilay lojika aza e,
Vao mijery ny vola eo an-tanan'ny mpiasan'ny banky aho ka miteny hoe: "oay izany vola e". Dia efa mpangalatra aho, mangalatra ao an-tsaiko aho izany...

Vao mitsiriritra ny lanitra aho efa tonga any an-danitra sahady...

Ary raha vao mikasa ny ho any an-dafy aho dia efa tonga any sahady, indrindra moa fa mijery ny sarin'ny tour eiffel, dia efa nianika sahady e..

Ohatran'ny tsara kosa koa....

Dia ahoana ireny ankizikely milalao basibasy ireny... Efa mpamono olona ve izany izy ireny?

Aza mamono sofina na minia manadino ny filantsika, fa matoa isika nomen'Atra taova dia fantany fa ilaintsika io ary mifanaraka amin'ny saina sy ny vatana nomen'Atra. Saingy kosa raha entina andratrana ny hafa na animbana na nanaovana an-keriny ny hafa dia izay no ratsy amiko...
6. hery ( 13/06/2014 10:35)
Miankina amin'ny famaritana ny fahotana ihany koa io e.

Raha ho ahy, ny atao hoe "Fahotana" dia izay mifanohitra amin'ny "Fitiavana"

Ka mila manao fandihinana kely fotsiny hoe mifanohitra amin'ny fitiavana ve ilay ataonao. Dia ny fitiavana an'Andriamanitra, fitiavana ny namana ary ny fitiavana ny tena.

1. Mifanohitra amin'ny didin'Andriamanitra ve?
2. Mampiseho fankahalàna ny hafa ve
3. Manaja ny tenanao sy tsy manimba ny tenanao ve.

Rehefa ok ireo conditions telo ireo dia vas-y johnny lolll
7. rhaj0 ( 13/06/2014 13:00)
Aza manaiky pepoin'ny culpabilisation (fahotana) raha vao resaka sexe e... tsisy hidiran'ny Finoana izany fa kolotora, na ny marimarina kokoa, dia fombafomba sy "fampianarana" (hono) nampidirin'ireo olombe izay mitady hamehy ny olony.

Tranga efa fantatra @ tantara.. ireo eunuque satria... ny andevo tao zamerika tsy avela mitia satria... koa na ny mpanao baolina (breziliana?) aza hono nisy fotoany tsy navela hihaona @ andefimandriny rahefa raikitra ny tournoi : izao toa azo atao ny tsingolo-batita... fa ny tena tsigolo-batita no tsy azo atao..

Fa dia mirary anao hanao matsiro basio sambatra e .... ;)
8. rhaj0 ( 13/06/2014 14:43)

Ampiako kely... Ny hivanitihan'ny olona aty dia hoe :

- ka i A/tra izany mahita anao n'aizan'aiza misy anao ?
- Eny, mino izany aho, hoy ilay Mpino
- Na dia hatrany am-pandriana rahefa manao ianao ? Na hoe rahefa manao matsiro basio ianao ?
- ...

Ka hitany foana re ianao fa tsisy mahamenatra na maha-coupable (ka hoe fahotana) izany e...
9. endriny ( 13/06/2014 16:38)

rhaj0:


Ampiako kely... Ny hivanitihan'ny olona aty dia hoe :

- ka i A/tra izany mahita anao n'aizan'aiza misy anao ?
- Eny, mino izany aho, hoy ilay Mpino
- Na dia hatrany am-pandriana rahefa manao ianao ? Na hoe rahefa manao matsiro basio ianao ?
- ...

Ka hitany foana re ianao fa tsisy mahamenatra na maha-coupable (ka hoe fahotana) izany e...


Na dia misarona bodofotsy sy mamono jiro aza ve? Ohatrany tsara be indray izany camera an'Atra izany a.
10. rhaj0 ( 14/06/2014 10:46)

Tefigasy:
...miraisa Aminy ...

O ry Tefigasy a... ngo dia ... ohatra izany ivadinao rahefa miaraka aminao ao dia... mieritreritra sy maka sary an-tsaina Azy ? Trandremo ihany ny fahasalamana ara-sex ngo dia ahitan-draha eo...


Fa io re Kolotora fa tsy Finoana e... Ohatra izao, kolotora... maninona no TSY mihinan-kisoa ny Kristiana sasany, nefa angaha moa nisy naninona ny hafa rehetra nihinana ? maninona no manao vœu de chasteté (mandra-pahafaty) ny sasany, dia izy izany ve mahazo tombon-dalana rahefa @ izany ?

11. 5laody ( 14/06/2014 11:20)

rhaj0:

dia izy izany ve mahazo tombon-dalana rahefa @ izany ?



Mety mahery mihazakazaka izy ka
12. moustaraf ( 15/06/2014 10:25)
Salama namana,
Efa voasoratra aty amn lalana ny "aza mitsiriritra" Deo 5:18 ny vadin'ny namanao, fa tsy hoe aty amn ttvaovao akory.

Noho izany, raha fitsiriritana vadin'olona no anton'ilay masturbation dia mazava be ny valiny!!
Ary raha ny vadinao any lavitra any no heritreretinao???
Eto dia mbola voaporofo indray fa tsy hanafoana lalana akory ny nahatongavan'ny Mpamonjy fa ny hampitoetra azy tsara ee!

13. toriteny ( 16/06/2014 07:05)
Marina ny an'i Tefigasy hoe ny filàna vehivavy ao am-po dia efa fijangajangana (na masturbation io, na mijery vehivavy eny an-dalana ka mila azy, na resaka chat,sns)

Dia nanontany i Moustaraf hoe raha ny vadiny no noeritreretiny rehefa mi se masturber dia ahoana? Angamba tsy manota izy. Nefa raha manambady izy maninona moa no tsy miray amin'ny vadiny? Dia raha lavitra ny vadiny dia miandry.

Ny tiako hahatongavana dia ny kristianina tokony hahatohitra tsara ny zavatry ny nofo (filàna) raha tsy eo ny vadiny. Ny masturbation anefa zavatry ny nofo.

14. rhaj0 ( 16/06/2014 12:43)
dia nilaza ianao fa matsirobasion ka fijangajangana ... aoka re ry Toriteny fa dia mampihomehy ianao... nefa mety tsy mampihomehy indray satria samy manana ny paikadiny rahefa mi-se matsirobe.. ny anao izany hita io fa hotr'izay... hotry ny mijangajanga :) Sa... ianao tena TSY ni-se masturber mihintsiny?... Saika hanome anao youtube aho ahitanao hoe ahoana izany, nefa sao dia bedin'i Hery eo fa dia.. zahavo google re dia ho hitanao e... (soa fa nisy ny interinety..)

Aoka azany fa serieux azany aho e... raha mi-se-matsirobe ny olona (sasany) dia azo(ko) raisina hoe, fizahana sy fahafantarana ny tenany (sy ny sex)... Ny adolescent-e, na ny ankizikely kokoa azany, izao dia manana reaction natioraly raha vao injay mahatsiaro ny sex.. mikitikitika eo izy dia mizaha sy mahafantatra ny tenany (sy ny sex).

Ka raha izay no reaction natioralin-draolombelona, nefa dia "culpabiliser"-nareo lava eo, dia ... tandremo ho'a ny fahasalamana ara-sex ny anlkizy fa tompon'andraikitra ianao raha lasa sahirana ao ilay zaza fa teriterenao ao!! Raha ianao moa no nisafidy ny tsy hanao dia safidinao olon-dehibe izany..

15. toriteny ( 16/06/2014 15:42)
rhaj0:

Aoka azany fa serieux azany aho e... raha mi-se-matsirobe ny olona (sasany) dia azo(ko) raisina hoe, fizahana sy fahafantarana ny tenany (sy ny sex)... Ny adolescent-e, na ny ankizikely kokoa azany, izao dia manana reaction natioraly raha vao injay mahatsiaro ny sex.. mikitikitika eo izy dia mizaha sy mahafantatra ny tenany (sy ny sex).


Andraso ary zaraintsika 2 ny sujet e. Amin'izay angamba mazavazava aminao kokoa

Ny masturbation DANS LE mariage
Io aloha no hanombohako azy satria mino aho fa efa manam-bady i Josiah nametraka ny fanontaniana. Ny Teny nataon'i Jesosy tao amin'ny Mat 5:27-28 rahateo natokana ho an'ny efa manambady. Mazava aminao angamba izao io Teny io fa raha mi-se masturber ianao efa manambady ka miheritreritra vehivavy tsy vadinao amin’izany, dia mijangajanga ianao.

Misy Teny manao toy izao ihany koa ao amin’ny 1Kor 7:4 manao hoe:” Ny vavy tsy manampahefana amin'ny tenany , fa ny lahy ; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manampahefana amin'ny tenany , fa ny vavy” Raha io Izany dia tsy tokony hikitika ny tenanao ianao hi- assouvir pulsion sexuelle fa ny vadinao irery ihany no manampahefana hikitika ny vatanao, na lahy ianao na vavy.

Avant mariage
Ny sexe amin’ny baiboly dia manana utilité 2 tsy afa-misaraka: ny procréation sy ny hitadiavana plaisir.

Ny procréation aloha tsy resahintsika eto satria ny masturbation tsy dans le but de procréer (izay olon-dehibe efa en âge de procéer no tokony hanana activité sexuelle fa tsy zazakely na adolescent) fa ny masturbation dia hoentina hi assouvir plaisir sexuel. Ary manana ambara amin’plaisir sexuel ny baiboly raha avant mariage

1Kor 7 :1-2 : « Ary amin'ireo zavatra nosoratanareo , dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory (s’abstenir). Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy »

Rehefa tsy mahatanty izany ianao (abstinence resaka plaisir sexuel) dia tokony hanam-bady ( ao amin’ny fanambadiana ihany no misy vie sexuelle)

Misy Teny manao toy izao ihany koa ao amin’ny 1kor6: 19-20: “Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina , Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra ? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo . Fa olom-boavidy ianareo ; ka dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo »

Ka tsy haiko hoe misy fankalazana an’Andriamanitra ve ny masturbation ? Raha tsia ny valiny dia tanteraho ny 1Tes 4 :2-5 : « 2 Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin'i Jesosy Tompo. Fa izao no sitrapon'Andriamanitra , dia ny hanamasinana anareo , hifadianareo ny fijangajangana , mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy , amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra ,tsy amin'ny filana fotsiny , tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra
16. rhaj0 ( 16/06/2014 16:15)

toriteny :
... raha mi-se masturber ianao efa manambady ka miheritreritra vehivavy tsy vadinao amin’izany, dia mijangajanga ianao.

Inona k'lou ilay hoe "mijangajanga" ? Toa hoe "être adultère" ?
Dia efa novalian'o Endriny io, hoe vao mieritreritra ve dia efa meloka ??


toriteny :
1Kor 7:4 manao hoe:”Aoka ny lehilahy hanefa ny adidiny amin'ny vavy, ary aoka ny vavy hanao toraka izany koa. Ny vavy tsy manampahefana amin'ny tenany , fa ny lahy ; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manampahefana amin'ny tenany , fa ny vavy” Raha io Izany dia tsy tokony hikitika ny tenanao ianao hi- assouvir pulsion sexuelle fa ny vadinao irery ihany no manampahefana hikitika ny vatanao, na lahy ianao na vavy.

Fa avy eo, eo ambanimbany io : "tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka."

Ka raha izay, raha ny fahazoako azy, dia izay fandraisan'ny tsirairay azy : ataovy izay mahasoa fa tsy hary mitovy ny situation-n'ny tsirairay... ary ataoko fa takatr'ilay Niteny izany. Raha ny fahatsapako azy, ary ampirisihiko, dia tsy voatery ho araky ny fandikana manokana (choix/interpretation personnelle) an'i Toriteny no "universel"

Fa @ ankapobeny koa, raha izaho manokana, dia tsy manatery ny fiainako @ fandikana (ara-baki-teny) izany rehetra izany. Mihantona foana ny hevitro, satria, fantatro fa ireo Soratra ireo dia voapetraky ny olombe t@ androny tao, araka ny raki-tsoratra antitra hitany t@ izay... Dia izay no hitany fa mety araka ny fahalalany (t@ fotoan'androny)

17. toriteny ( 16/06/2014 17:10)
rhaj0:

Inona k'lou ilay hoe "mijangajanga" ? Toa hoe "être adultère" ?
Dia efa novalian'o Endriny io, hoe vao mieritreritra ve dia efa meloka ??


Ny 4eme didy ao amin'ny didy 10 no misy ny hoe:" Aza mijangajanga" Tamin'ny TT dia ny atao hoe mijangajanga dia izay mi-passer à l'acte. Torak'izany ihany koa ny hoe aza mamono olona. Nony tonga anefa Jesosy taty amin'ny TV dia ny atao hoe mamono olona tsy izay mamono mahafaty ihany fa izay rehetra manao tsinotsinona sy manopa ny namany.

Ary ny atao hoe mijangajanga dia tsy izay miara mandry intsony amin'ny vehivavy hafa no atao hoe mijangajanga (EFA REVOLUTION VIS A VIS NY FIOVAN' NY EPOQUE TENENINAO AO AMBANY) fa izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy na dia tsy tonga any amin'ny acte aza fa mbola désir fotsiny dia efa mijangajanga.

rhaj0:

Fa avy eo, eo ambanimbany io : "tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka."

Jereo tsara fa tsy io tsy maha tompon'ny tena ny tsirairay akory io no noresahiny hoe tsy handidiany sy hamelàny malalaka ny tsirairay io fa ny fisarahan'ny mpivady fandriana ragha tsy rehefa mivavaka ihany sy ny tokony hiverenany amin'ny activité sexuelle indray rehefa vita izany mba tsy hangalan'i Satana fanahy azy ireo.

Fa ny eo amin'io 1kor 7: 1-2 io dia mazava fa izay lehilahy tsy te hi-s'abstenir dia tokony hanambady avokoa (Rehetra ho ny Teny. Ary ny vehivavy rehetra sy ny lehilahy rehetra tsy tompon'ny tenany daholo fa tsy hoe ny sasantsasany ihany akory.

rhaj0:

dia tsy voatery ho araky ny fandikana manokana (choix/interpretation personnelle) an'i Toriteny no "universel"

Mety ho marina izany raha toriteny no nanoratra ny baiboly mirakitra ireo soratra ireo. Ary ny universel dia avy amin'ny teny hoe univers = izao tontolo izao, eken'izao tontolo izao fa ho marina. Ny zavatra aroso eto anefa tsy araka izao tontolo izao ary tsy ho an'izao tontolo izao ihany koa.

Ary matoa aty amin'ny finoana no hapetrany ny fanontaniany fa tsy any amin'ny sexualité' dia valiny ara-baiboly no handrasany fa tsy valitenin'izao tontolo izao. Na dia efa narosonao ihany aza hoe ny masturbation eo amin'izao tontolo izao, ny zazakely sy ny tanora aza dia manao azy ary tsy raràn'ny RAD fa vao maika manaratsy ny santé mentalen'ilay zaza

rhaj0:

Fa @ ankapobeny koa, raha izaho manokana, dia tsy manatery ny fiainako @ fandikana (ara-baki-teny) izany rehetra izany. Mihantona foana ny hevitro, satria, fantatro fa ireo Soratra ireo dia voapetraky ny olombe t@ androny tao, araka ny raki-tsoratra antitra hitany t@ izay... Dia izay no hitany fa mety araka ny fahalalany (t@ fotoan'androny)

Ka raha vao tenin'olona foana no heveranao ny baiboly dia tsy maintsy ho izay foana ny fiheritreritrao. Fa raha toa ahy ianao ka mino fa ilay Andriamanitra alfa sy omega, ilay Fiandohana sy Fihafarana no nanoratra io dia tsy hanana doute amin'ny véracité ny soratra rehetra ao anatin'io baiboly io ianao fa heverinao marina foana izany taloha, ankehitriny ary dans 1 000 ans raha mbola trsy tonga eny amin'ny rahon'ny lanitra ny Tompo amin'izany. N'inon'inona mety mbola ho évolution ny zanak'olombelona amin'izany
18. rhaj0 ( 16/06/2014 18:36)
Koa ianao ihany no mi-TT sy TV eo, "araka ny fotoan'androny"..

F'angaha indray tsy Iray ihany no nametraka an'ireo rehetra ireo?
19. endriny ( 17/06/2014 04:54)
Ny ankizy milalao basy ve dia efa naman'ny mamono olona, na mamono olona any an-tsainy? Fahotana lehibe izany.

Fa maninona ny hoe mijangajanga dia hoe filana vehivavy fotsiny? Fa angaha tsy misy vehivavy mba mandeha mila lehilahy koa? Ary ny vehivavy ve tsy manao izany masturbation izany?
20. toriteny ( 17/06/2014 07:21)

endriny:

Ny ankizy milalao basy ve dia efa naman'ny mamono olona, na mamono olona any an-tsainy? Fahotana lehibe izany.


Mino ve ianao fa Jesosy no nilaza io
Mat.5:27-28 io izay manao hoe : Efa renareo fa voalaza hoe : " Aza mijangajanga" (Eks .20 .14) . Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady"

Raha mino ianao fa Jesosy no nilaza io dia hinoy fa marina io fa tsisy Jesosy handainga sy hanoro voana izany. Mazava be anie io Teny io e. Sa tsy haiko hoe aiza no tena problème nao tsy hinoanao fa izay mijery vehivavy ka mila azy dia efa mijangajanga.

Ny resaka milalao basy indray, aza mamorona izay tsy voalazan'ny Baiboly. Ankizy milalao basy izany mifaly, mifanohitra amin'ny voalaza ny Mat5:22: izay tezitra amin'ny rahalahiny, izay manao tsinotsinona (olom-poana) ny rahalahiny, izay miteny ratsy ny rahalahiny no mitovy amin'ny famonoan'olona.

endriny:

Fa maninona ny hoe mijangajanga dia hoe filana vehivavy fotsiny? Fa angaha tsy misy vehivavy mba mandeha mila lehilahy koa? Ary ny vehivavy ve tsy manao izany masturbation izany?

Vavy sy lahy ny teneniny amin'ny masturbation ao amin'ny 1Kor7:4 fa tsy lehilahy ihany :" Ny vavy tsy manampahefana amin'ny tenany , fa ny lahy ; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manampahefana amin'ny tenany , fa ny vavy”"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3687