Nisy nanamboatra ve ny olom-belona,sa niforona t@evolutiona.Raha nisy de Iza?Raha tsy nisy de ahoana?

1. mamonjy1 ( 12/06/2014 09:50)
Miarahaba isika rehetra indray ny tenako @Anarany jesosy ho voninahitran'ny Ray eo @zanaka.

Io indray ny lohahevitra dinihintsika androany,ka afaka mandray anjara daholo isika,na inona na inona,ny finoanan-tsika.
Ary afaka mampiasa fanjohin-kevitra koa @alalany boky samy hafa.

Ny amiko manoka aloha,de nisy nanamboatra ny zavatra rehetra,Ary indrindra fa ny olombelona.
Efa nampianarina momba ny evolutiona aho tany an-tsekoly,ka indro nodinihiko fatratra kanefa,hitako fa sarotra inoana izany.
Nandinika ny fahafatesan'olona koa aho,ary indro rehefa mandeha ny fotoana de manjary vovoka ny maty.
Noho Zany de nisafidy ny handinika baiboly koa aho,Ary hitako Voasoratra tao @ Genesisy 1:26,27.Ny Teny hoe" Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika,ary araka ny tarehin'Andriamanitra no namoronana ny olombelona................Lahy sy vavy no namoronana azy."
Eo koa ilay Andininy hoe:Genesisy 2:7 hoe"Ary vovo-tany no namoronan'i Jehova Andiamanitra ny olona,ka nofofoniny fofon'Aina Mahavelona ny vavorony de Tonga olombelona izy."

Hitako arakan'io Andinin-teny io,fa Nisy ny mpahary,ary nisy ny voahary,ka mora t@ko ary ny Nanaiky,satria nifanaraka t@zava-misy izay voalaza tao.
Ary Jehova andriamanitra no ,ilay mpahary .
novalian'i toriteny ny 18/06/2014 07:36
2. Tefigasy ( 12/06/2014 10:03)
mamonjy1:

Ny amiko manoka aloha,de nisy nanamboatra ny zavatra rehetra,Ary indrindra fa ny olombelona.

Iza ary no nanamboatra an'Andriamanitra raha hain'i ramose ?
3. mandalomiserana ( 12/06/2014 10:25)
Miankina @ ny finoan'ny tsirairay ny valin'ny fanontaniana hoe: iza no namorona ny olona.
raha kristiana ianao (izany hoe : marina izay lazain'ny baiboly ) dia hamaly tsy ampisalasalana ianao fa Andriamanitra no namorona azy;
raha tsy kristiana ianao dia ny faharesen-dahatrao no manampy ny sainao handray ny fanapaha-kevitrin'ny valinteninao: mety hoe: par evolution, andriamanitra....
ny tiako marihina fotsiny dia rehefa maty ny olona dia niverina vovoka daholo na inona na inona fika hitehirizana azy,toa tsy lainga izany ny zavatra lazain'ny baiboly raha hatreo aloha.
raha arahina ny fijerin'ny evolutionniste dia zavatra kely indrindra nivoatra no lasa olona.
izany hoe: raha maka etre unicellulaire izany dia io no depart; ao anatin'io anefa misy noyau, misy cytoplasme, nisy mitochondrie, ary matoa io velona dia misy procedé biochimik be dia be miasa ao, mila sakafo dia mila energie;avy aiza ary ireny singa ireny no nisy,mety avy amin'ny tsy misy (vide)ve? dia raha marina izany dia mbola marina ihany no lazain'ny baiboly hoe:"dia niteny Atra dia nisy izao......";
hamaranako azy ity tenin'i Louis Pasteur (biologiste nahita ny antibiotika voaloahany sy karazana microbe marobe):"PEU DE SCIENCE DETOURNE DE DIEU, BEAUCOUP DE SCIENCE RAMENE VERS DIEU".
diniho tsara hatraiza ny science efa takatrao vao miteny ianao hoe: tsy noforon'Atra izany ny olona fa ...."
4. endriny ( 12/06/2014 11:17)
Fivoarana no dikan'ny evolution amin'ny tenigasy.

Ny siansa tsy finoana, ka tsy azo ampiatahaina.

Vao an-jato taonany votsivotsy izao no nanekena fa boribpry ny tany kanefa ry Copernius efa en'arivony taona no nametraka fa baolina ny tany. Ny antony dia noho ny mpitarika finoana nifandimby tsy nanaiky an'io. Rehefa ilay mpitondra sambo eraopeanina no nahodidina ny tany vao gaga sy nanaiky ny fiangonana fa boribory tokoa kay ny tany ka...

Ka aleo ahitsiko amin'ny an'ilay zazakely nanontaniana hoe: "Fantatrao, iza no nanamboatra anao?", fa novaliany hoe: "Dadanay sy Neninay, dia tany amin'ny hopitaly hono aho no nalainy"
5. rhaj0 ( 12/06/2014 15:12)
Finoana sa Siansa...

Raha (ny hanazavana) izao tontolo izao afototrao @ Finoana, dia izay izany
Raha (ny hanazavana) izao tontolo izao afototrao @ Siansa, dia izay izany

FInoana : rahefa "mino" ianao fa izay ilay izy (araka ny nofaritan'izay namaritra azy tao), dia izay izany.
Siansa : rahefa "manaiky" ianao fa izay ilay izy (araka ny no-demontrer-n'ireo nanao ny demonstration scientifique azy tao), ary "manaiky" ianao fa io aloha no izy, fa any aoriana io mety hiova rahefa mivoatra ny fahalalan-draolona, ary "manaiky" koa ianao fa ny fahalalan-draolona dia mbola eo an-dalam-pitomboana (ka mety tsy ampy ny fanazavana @ izao fotoana izao) dia izay izany.

Ary ny Finoana dia TSY aharesy lahatra ny Siansa
Ary ny Siansa dia TSY aharesy lahatra ny Finoana


Izay aloha ny fahazoako azy...

Koa raha manontany ianao ny @ raolombelona, na izay zavatra hafa rehetra, dia safidio aloha ny lalanao... Finoana sa Siansa.

6. mamonjy1 ( 12/06/2014 16:19)
Tefigasy:

Iza ary no nanamboatra an'Andriamanitra raha hain'i ramose ?

Ahoana koa ity fanontanianao ity ry Tefigasy? Aoka mba tsy ho lasa tefigasy ny zavatra aroso,fa hainao ihany manao ahoana izany.
Lasa niova ho ankamantatra indray ity raharaha ity raha zao no fandehany.
Raha araka ny baiboly de tsy nanam-piandohana An/tra.Efa teo foana,Taloha sy ankehitriny ary ho avy.zany no hitanao ao.
Ka Raha tsy manaiky io ianao,de ianao zany no nanamboatra An'Andriamanitra.

7. Tefigasy ( 13/06/2014 04:55)
mamonjy1:

Ahoana koa ity fanontanianao ity ry Tefigasy? Aoka mba tsy ho lasa tefigasy ny zavatra aroso,fa hainao ihany manao ahoana izany.
Lasa niova ho ankamantatra indray ity raharaha ity raha zao no fandehany.
Raha araka ny baiboly de tsy nanam-piandohana An/tra.Efa teo foana,Taloha sy ankehitriny ary ho avy.zany no hitanao ao.
Ka Raha tsy manaiky io ianao,de ianao zany no nanamboatra An'Andriamanitra.

Fa ratsy angaha aminao izany tefigasy izany ? mividiana ianao angady vita sinoa sy karana eny antsena rehetra eny dia ampitahao amin'ilay angady tefigasy vitan'ny tantsaha eny ambanivohitra dia ho hitanao ny hatsaran'izany hoe tefigasy izany !
Vao angady fotsiny aza io resahiko io
Ka ianao anie no niteny hoe nisy nanamboatra ny zavatra rehetra e. Sa inona ilay dikan'ny hoe REHETRA eto ?
8. endriny ( 13/06/2014 09:47)
Ito koa moa tsy misy j'aime koa....

Ok. Tefigasy a...

Ny sain'ny olona no namorona an'Atra... Notadiavin'ny olona foana ny hoe ito misy omby, inona no nampisy ny omby? Vilona. Inona no nampisy ny vilona? Tany. Inona no nampisy ny tany? Mineraly? Inona no nampisy ny mineraly? Ataoma sy ny elekitiraona ary ny nokilaoida. Inona no nampisy ny ataoma...? Farany tsy hita intsony izay navaly dia noforonina ny hoe Atra...
9. rhaj0 ( 13/06/2014 12:40)
Teo aho nihevitra hoe, misaraka ny Finoana sy Siansa, ary ny safidy mipetraka rahefa te-hanazava seho na tranga na zavatra iray dia, NA Finoana, NA Siansa. Fa izao aho, dia miombo-kevitra @ Endriny tanteraka aho (misaotra Endriny), ka hoe manana saina hikaroka/hanontany/handalina foana ihany raolombelona (Siansa), fa rahefa tonga @ tsy azo hihoharana, dia nandray ny Finoana izy (na ny sasany).

Dia eo izany ny hoe, hatraiza ianao no hivadika @ Finoana ?

Ohatra hoe, rahefa tsy voazavanao ohatra ny orana sy varatra, dia hoy ianao hoe i Hadad sa Hyetios no A/try ny orana sy ny varatra ? Fa rahefa azonao indray anefa ny fandehan'ny orana, fa ny rano no tsy hainao, ka hoy ianao hoe i Neptune no A/try ny rano ? Sa hainao ihany farany ny rano, saingy ny molekiola no tsy hitanao, dia hoy ianao hoe ...

Ka @ loha-hevitra eto, hatraiza no ekenao ny karoka/fandalinana/fanaporofoana... nataon'ny Siantista ny @ nenin'ny nenin'ny nenin'i Raolombelona ? h@ Lucy ve ohatra, sa i Ardy ? Sa tonga dia hoy ianao hoe i Madame Eve avy hatrany dia vita ?
10. mamonjy1 ( 13/06/2014 16:56)
Tefigasy:

Fa ratsy angaha aminao izany tefigasy izany ? mividiana ianao angady vita sinoa sy karana eny antsena rehetra eny dia ampitahao amin'ilay angady tefigasy vitan'ny tantsaha eny ambanivohitra dia ho hitanao ny hatsaran'izany hoe tefigasy izany !
[quote=Mamonjy1]
Zany Lay saindrantsintsika...Efa hainao ihany hoa ny tefigasy,Za nga niteny hoe Ratsy?
Enao no miteny an'izany fa tsy za.
Tsara ny Tefigasy fa Mbola tsara Lavitra be ny Tefin'Andriamanitra,Satria izy no Namorona ny Gasy,fa Gasy no Nanao ny Tefiny...
[quote=Tefigasy]
Ka ianao anie no niteny hoe nisy nanamboatra ny zavatra rehetra e. Sa inona ilay dikan'ny hoe REHETRA eto ?


Tsy Miala @Teniko aho fa nisy nanamboatra ny zavatra rehetra,Fa tsy tonga tonga tonga hoazy.
Tefigasy ary Namboarin'olona,Maika fa Andriamanitra ve no tsy havita Hanamboatra olona ?
Sa Inona hoy izy Anao ny dikany rehetra eto?
Anao io mihitsy no anisany...


11. endriny ( 13/06/2014 17:15)
Ho ahy izany dia ny baiboly ihany aza dia efa itarafana ny fovoarana, raha nataony farany ny biby ary nanaraka ny olona...

Fa ilay izy ilay fanandratan-tenan-draolombelona dia tsy te hitovy amin'ny biby ka nolazainy fa namboarin'Atra mitokana mihintsy izy olombelona... Ary manana fanahy tsy maty fa velona mandrakizay any amin'izany paradisa izany rahatrizay...

Raha ireo no marina dia ilay alikakeliko koa mety mihevitra toa ireo, ary mety mihomehy mihintsy aza hoe: ity ranama ity dia tena vendrana mihintsy, izaho miandry eto an-tokotany fotsiny dia mahazo izay hanina ilaiko, nefa izy mandeha mivoaka maraina sy hariva... Maika moa fa rehefa maty aho izany... Vao maika angamba a...

Hoy aho hoe, raha ny lanitra no paradisa dia aleo maty haingana... Rehefa marary tsy mila dokotera intsony...
12. mamonjy1 ( 13/06/2014 18:51)
Tsy kristiananan, akory ianao ry endriny............Tsybmahagaga izany teninao izany.
13. rhaj0 ( 13/06/2014 19:13)
Ts'haiko aloha raha Kristiana na tsia ny namana Endriny.. Rahefa mbola tsy niteny i Endriny, na izay namana hafa rehetra eo, dia izay any am-pony tsy miloaka any dia an'azy, raha ny fijeriko azy aloha. Izaho kosa aloha dia tsy hamaritra dia hametaka olona anaty boaty kely ka hoe, ato ny Kristiana, ato ny tsy Kristiana. Izany no fanombohan'ny fanaon'ny Ayatollah sy ny fatwa-ny.

Ara-pamaritana izao dia hoe, ny Kristiana dia "a person who has received Christian baptism or is a believer in Jesus Christ and his teachings."

Tsy haiko akoriny na efa vita batisa/batemy i Endriny na tsia...
14. toriteny ( 16/06/2014 07:10)
Io arakaraky ny olona ihany ary ny famaliana an'io valinteny io amiko no ahalalana sy hamaritana ny tena arahin'ny olona.
Raha scientifique no hanontanianao dia Darwinisme ny azy no théorie any.
Raha finoana hafa, dia angamba tsy haiko.

Fa raha mino ianao dia hiara hilaza amiko sy hiara hanaiky amiko fa Jesosy no namoronana izao tontolo izao ary Andriamanitra no namorona ny olona. Na inona preuve haroson'ny scientifique, na inona angano mahafinaritra be ny finoana sy ny firenen-kafa momba ny famoronana ny olombelona.
15. toriteny ( 16/06/2014 11:33)
rhaj0:

fa rahefa tonga @ tsy azo hihoharana, dia nandray ny Finoana izy (na ny sasany).
Dia eo izany ny hoe, hatraiza ianao no hivadika @ Finoana ?

Ny tonga dia ato an-tsaiko amin'izany fanontaniana sy affirmation teneninao izany izao dia izao: Iza re no tokony hinoako e? Olona création tsy mampiasa afa tsy ny 10% ny cerveau any, vao aingana no nahalala hoe boribory ny tany, tsy mahalala ny hiafaran'ny tany, mbola manana théorie bdb mikasika ny fiantomboan'izao tontolo izao sy ny vie, tsy mahalala afa tsy ny 10% ihany koa ny univers,sns VE sa Andriamanitra izay efa nanome de A à Z ny fiantomboana sy ny ho fiafaran'ity tany ity?

Dia manontany ianao hoe hatraiza ianao vao hivadika tsy hanaraka science fa hino (na hinohino fahatany angamba no hevitra tianao hatosaka). Dia hoy ahy hoe hatramin'ny voalohany.
16. rhaj0 ( 16/06/2014 12:29)
Ekena fa izay izay izany ny anao. Tsy mila hiadiana hevitra akoriny f'efa mazava. Efa voavalinao ny fanontanianao.
Ary ny Siansa dia tsy manan-kambara ny @ valin-teninao, tsy afaky ny hanamarina ny finoanao; raha hisavika ny Siansa ve nefa moa ianao hanamarina/hanaporofo ny finoanao dia... pseudo-sience no (ho) fahazoako izany (sahala @ ilay numerologie tatsy ihany).

Fa raha tsy hihaino ahy moa ianao, tsy maninona, fa mba henoy ihany azany ho'a ny olombe kristiana hafa toa ny hoe
Feo hafa:
"Pat Robertson to Ken Ham: 'Let's Be Real, Let's Not Make a Joke of Ourselves'
"Soyons réalistes, ne faisons pas une plaisanterie de nous-mêmes."

Loharano: http://www.christianpost.com/news/pat-robertson-to-ken-ham-lets-be-real-lets-not-make-a-joke-of-ourselves-114063/
17. toriteny ( 16/06/2014 12:59)
Rhajo>>> :)
Izahay izany rehefa alohan'ny hatory ny ankizy ato an-trano dia mitantara tantara 1 ao amin'ny baiboly foana isan'andro. Dia indray mandeha, efa elaela izay dia nitantara ny fiandohan'ny univers araka ny siansa izaho (big bang, ny formation étoile, sns) fa tsy naka tantaran'ny baiboly. Ilay zanako vavy tsinona efa hifindra secondaire dia ny heritreritro izany hoe hampianatra azy alohan'ny any am-pianarana mba hahazoany avance. Dia bedin'ilay vadiko aho :) fa tonga dia notapahiny dia novainy tantara ao amin'ny baiboly ihany.

Dia rehefa natory ny ankizy dia fa maninona hoa no tsy havelanao za hampianatra an'izany. Dia hoy ny navaliny hoe aleo izy any am-pianarana no hianatra an'izany, na rehefa ianareo mianaka irery no miresaka fa raha tantaraina isaky ny alina izany dia ilay zanakay 2 kely koa lasa maheno nefa mbola tsy amin'ny age ny ilay izy, tokony mbola hiorina amin'ny finoana kokoa izy vao hianatra an'izany. Fa ilay voalohany efa matotra sy efa tsy hatahorana intsony ny hihemotra amin'ny finoana.

Dia tena nihaiky aho hoe tena marina ny nolazainy. Ny tiko hiaviana dia izao: nianatra science aho tany am-pianarana , mihaino anao aho eto, miahino vaovao aho rehefa misy milaza fa hita i Lucie, hisy astéroide hifandona sy hamotika ny tany afaka 30 taona, afaka 4.5 milliard vao ho faty ny vie eto an-tany rehefa lany ny hellium eny amin'ny masoandro.

Fa tsy izany akory no hanankinako ny fiainako na hampihova na dia kely fotsiny aza ny zavatra hinoako ka hoe tsy mbola hatomotra ny andron'ny Tompo satria mbola misy 4.5 milliard d'années vao hofaty ny tany raha tsy mifanena amin'ilay asteroide am 30 taona.


18. rhaj0 ( 16/06/2014 13:33)

toriteny:
... ilay zanakay 2 kely koa lasa maheno nefa mbola tsy amin'ny age ny ilay izy...


oadray.. io tokoany izao azo ahodina hoe, sao sanatria "tsy mbola @ age"-n'ny sasany tokoany koa ny hanazavana ny Siansa (sy big-bang) ? Satria ny olombe kristiana lavavolo Robertson efa miaiky hoe, aoka tsy ho atao fihomehezana intsony isikana...
19. rhaj0 ( 16/06/2014 15:06)

toriteny:

Fa tsy izany akory no hanankinako ny fiainako na hampihova na dia kely fotsiny aza ny zavatra hinoako

Rahefa mijery aho, dia izao no fahitako azy
1- ny mpino (Kristiana) dia mino fa noforonin'A/tra izao tontolo izao ary Izy no tompon'ny teny farany.
2- ny siantista manaiky fa, @ izao fahalalana ananan-draolombelona izao aloha, dia io big-bang io no fanazavana. Ny talohan'ny big-bang dia mbola tsy fantatra, koa mety hiova ny fanazavana any aoriana.

Ka "afaka miara-miaina" ve ireo roa ireo ? Io no fanontaniana(-ko)...


Izaho manokana dia .. araka ny hira hoe,

"Jereko Ny Eo An-Kavanana,
Tombanako Ny Eo An-Kavia
Fa TSY Toa Loza Azo Tsapain-Tanana,
No Mahazo An'Ity Tany Ity..."
20. toriteny ( 16/06/2014 16:01)
rhaj0:
Satria ny olombe kristiana lavavolo Robertson efa miaiky hoe, aoka tsy ho atao fihomehezana intsony isikana...

Fiomehezan'izao tontolo izao ve satria tsy ohatran'ny absurde ny zavatra hinoan'ny kristianina? Dia ahoana hono, hitady explication plus brillante sy mi-cadrer amin'ny preuve scientifique ve hono ry zareo vao hino? dia hoy Jesosy ao amin'ny Jao 20-29: "Hoy Jesosy taminy : Satria nahita Ahy ianao, dia nino ; sambatra kosa izay tsy nahita , nefa nino .
"
rhaj0:

Ka "afaka miara-miaina" ve ireo roa ireo ? Io no fanontaniana(-ko)...
Fa tsy efa miara miaina eto amin'izao tontolo izao ve moa ny kristianina sy ny scientifique amin'izao?

rhaj0:

Izaho manokana dia .. araka ny hira hoe,

"Jereko Ny Eo An-Kavanana,
Tombanako Ny Eo An-Kavia
Fa TSY Toa Loza Azo Tsapain-Tanana,
No Mahazo An'Ity Tany Ity..."

Ny ahy indray dia ny 1Tes 5: 21 :"Fantaro ny zavatra rehetra ; hazony mafy izay tsara"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1982