Nisy nanamboatra ve ny olom-belona,sa niforona t@evolutiona.Raha nisy de Iza?Raha tsy nisy de ahoana?

21. rhaj0 ( 16/06/2014 16:39)
Raha ny fahazoako azy, dia io no maha-samy hafa ny Mpino sy ny Siantista:

- ny Mpino dia mila ilay "hazony mafy" sy ny "fahafantarana ny zava-drehetra" (verite absolu)

- ny Siantista dia tsy mikorapaka ny hananana fahalalana ho "hazonina mafy". Ny tsy-fahampian'ny fahalalana sy fanazavana indrindra no mampifoha maraina hiasa, hoy zareo.



Koa afaka miara-miaina ve ireo ?


Raha ny fahazoako azy ihany, dia ny Siantista dia milefitra ihany (tolerer) ny fitoetran'ny Mpino io. Fa ny mahalikiliky azy,
- dia rahefa manindry ny (sain'ny) ankizy ilay izy : raha ianao olon-dehibe no misafidy ny hihazona mafy ny verite absolu-nao ao, dia anao izany, fa aoka ny ankizy ho sahy hanana ilay curiositE scientifique
- na koa mitady hanakana ny fandrosoan'ny fahalalana (sy ny fahalalahana) izany : raha ianao olon-dehibe no misafidy ny hihazona mafy ny verite absolu-nao ao, dia anao izany, fa ny siansa tsy maintsy mandroso mamaha sy mamahabaha ny ... tsy-fantatra...
22. toriteny ( 16/06/2014 17:27)
Fa anga mino = mahazo zéro foana any amin'ny science? Tsy haiko hoe firy taona ny zanakao fa raha zaza 8 ans mitovy aminy tena dépasser ny zanako lavitra be mihitsy fahaizana sy culture générale. Fa tsy hoe incollable amin'ireny koa veut dire hoe tsy mino.

Misy Teny izay ao amin'ny Ohabolana 22:6 manao hoe:"Zaro amin'izay làlana tokony halehany ny zaza , ka na rehefa antitra aza izy , dia tsy hiala amin'izany".

Ary ilay hazony mafy izay tsara, ny baiboly akory tsy miteny hoe "Fantaro ny zavatra rehetra dia hazony mafy ny finoana sy ny fivavahana" Fa fantaro hoy izy ny zavatra rehetra dia hazony mafy IZAY TSARA. Ny anao izao mahalala ny finoana ianao, mahalala science, mahalala yoga sy bouddhisme fa ny anao ny science no hitanao tsara dia hazony mafy, ny sasany bouddhisme dia hazomy mafy fa ny ahy ny finoako no hitako tsara indrindra dia io no hazomiko mafy n'inon'inona fahalalako ny zavatra hafa. IZAY ILAY VALITENIKO AMIN'ILAY MIARA MIHAINA TIANAO HAHATONGAVANA
23. rhaj0 ( 16/06/2014 17:45)
Akanga aloha fa "manamboatra olombelona" sy "evolution" izay niitatra t@ big-bang ny resaka fa tsy "culture generale"...

Rahefa "mino" ianao fa Adam&Eve, dia ... maninona no mbola hiresaka na hamahabaha ny @ Lucy ?
Rahefa "mino" ianao fa 5700 taona ny tany (sa firy taona moa?), dia ... maninona no mbola hiresaka na hamahabaha ny momba ny tany t@ an'hetsiny sy an-tapitrisan-taonany ?

(sa io ve ilay hoe, Alahady mankatsy, dia Alatsinainy mankaroa...)
24. toriteny ( 16/06/2014 18:05)
rhaj0:

Akanga aloha fa "manamboatra olombelona" sy "evolution" izay niitatra t@ big-bang ny resaka fa tsy "culture generale"...

Rahefa "mino" ianao fa Adam&Eve, dia ... maninona no mbola hiresaka na hamahabaha ny @ Lucy ?
Rahefa "mino" ianao fa 5700 taona ny tany (sa firy taona moa?), dia ... maninona no mbola hiresaka na hamahabaha ny momba ny tany t@ an'hetsiny sy an-tapitrisan-taonany ?

(sa io ve ilay hoe, Alahady mankatsy, dia Alatsinainy mankaroa...)


Vereno vakiana ny zavatra nosoratako ao ambony ao fa efa ao ny valiny.
25. rhaj0 ( 16/06/2014 18:17)
ity ve hoy ianao : "fantaro hoy izy ny zavatra rehetra dia hazony mafy IZAY TSARA" ?

Dia rahefa mifanipaka ny fantatrao avy @ kirakira/famabahana (Lucy) sy ny fantatrao avy @ fandalinana (ara-baki-teny) ny baiboly (Eve), dia "iza no tsara" ?
26. endriny ( 17/06/2014 04:49)
Samy hafa ny siansa sy ny finoana

Ho an'ny mpino dia: aretina = demonia, asan'i SATANA; ny zavatra mahafinaritra ny saina = asan'Atra; Bibilava sy Dragona = Demonia; Olom-belona = zanak'Atra

Ho an'ny siansa Aretina = tsy firindran'ny asan'ny taova noho ny antony ara-boajanahary, bibikely, loto.. Ka mahatonga ny olona iray tsy ho salama; zavatra mahafinaritra = zavatra mifanaraka amin'ny tadiavina sy nirianA; Bibilava sy Dragona iray firazanana samy repotila; Olom-belona = biby manantsaina indrindra eto ambonin'ny tany.
27. toriteny ( 17/06/2014 07:29)
Tena misy mitsy ry endriny ny aretina avy amin'ny fanahy maloto sy avy amin'Andriamanitra ankoatran'ny aretina physiologique a !! izay tsy sitran'ny dokotera na hiodina an-kavia ianao na hiodina an-kavanana. Fa tsy maintsy ny fiasan'ny Fanahy Masina ihany amin'ny anaran'i Jesosy no manafaka ilay olona voany

Na izany aza za tena sahy mijoro vavolombelona aminao fa na aretina Physiologique aza sitran'i Jesosy.
28. rhaj0 ( 17/06/2014 13:08)

toriteny:
Tena misy mitsy ry endriny ny aretina avy amin'ny fanahy maloto sy avy amin'Andriamanitra ankoatran'ny aretina physiologique a !! izay tsy sitran'ny dokotera na hiodina an-kavia ianao na hiodina an-kavanana.

Rahefa TSY takatrAO ilay izy dia ... "Fanahy" na "Demony". Fa indray andro any ilay izy dia hohazavain'ny Siansa.

Jereo ny tantara fivoaran'ny fitsaboana (ohatra eto) dia raiso hoe, talohan'ny nahitana ny fanafodin'ilay aretina, toatoa ny ahoana no niheveran'ny olona ilay aretina : demony sa fanahy maloto ? Ary ny nanaovany izany fandikany azy izany (interpretation)dia niainga t@ Finoany (t@ fotoan'androny) sy ny Baiboly (izay mbola ataonao reference ankehitrio io). "Mino" aho fa nilaza koa ilay olona t@ fotoan'androny izay, fa ampitenenin'i A/tra izy (toa ianao milaza toa izay ihany koa ankehitrio)...
29. toriteny ( 18/06/2014 07:36)
Dia averiko indray ny fanontaniako
-Hinoanao ve fa Andriamanitra Jesosy?
-Hinoanao ve fa tsy mandainga Jesosy?
-hinoanao ve fa Alpha sy omega Izy? Ilay efa teo tamin'ny fiandohan'ny tany ka mbola ho eo hatramin'ny farany? (mahalala sahady ny découverte rehetra ho hitan'ny olombelona mandra-piafaran'ny tantaran'ny zanak'olombelona)


Ireto misy aretina ao amin'ny baiboly izay vokatr'i satana ka sitrana rehefa noroasin'i Jesosy ilay fanahy hiala ao amin'ilay olona:
-Mar9:17-25
-ny ulcèren'i Joba rehefa namparariana izy, mba hizahana toetra azy. Satana no nandefa ilay maladie nefa neken'Andriamanitra ilay izy satria izay no sitrany.
-Mar5:1-10 ilay lehilahy tsy
-Mat9:32-34: ilay lehilahy moana noho ny demonia
-Mat12:22-25: ilay lehilahy moana sy jamba nohon'ny demonia ihany koa
-ny mosavintsika malagasy ihany koa afaka atao ao anatiny sy ny Al badir ny komorianina, ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4331