666,marikan' ilay bibidia.Inona ny dikany hoe mandray marika 666 ,ary efa misy ve io marika io sa mbola ho avy.

41. rhaj0 ( 29/05/2014 18:22)
o zareo a... tena serieux ve nareo minomino ireo numerologie ireo ?

Aleo tsongotsongoiko faramparany ihany ngo dia lazain'olo fa mijery arina an-kandrina ny tena...

Jereo wikipedia eto, numerologie =
"La numérologie est un ensemble de croyances et de pratiques fondées sur l'attribution de propriétés à des nombres, propriétés variables selon le contexte (dépendant par exemple de la source alphabétique d'un mot, latin, grec, copte, hébreu, etc.). La numérologie est une pseudo-science."

Tena mino izany ianareo fa io "croyance" io dia ao anatin'ny finoana kristiana tokoany ? Dia tena mety vitanareo avoaka eto fa i Jesosy mihintsy koa izany no nilaza koa fa ny 666 dia katsaka voanjobory ???

O zalahy sy zavavy ... mijery anareo ho'a anie ny ankizy e ... dia avy eo nareo ganga fa lasa ny ankizy... ny ataonareo ihany.
42. endriny ( 29/05/2014 19:03)

mamonjy1:

Valiborengina be ny anao Ry endriny,izay voasoratra de voasoratra,fafao ary Raha amafa enao.
Fa mahitsy ny lalana ao @baiboly ka ,tsy afaka mizotra amin'io ny olona Raha mbola feheziny zao tonto zao,izay bibidia no ambadika,ka mitady fampianarana voatolotra ho azy izy,satria tsy zakany ny fahamarinana...tsy mahagaga izany.fa toetran'olona @andro farany io.2timoty3:1-5.
OMEO POROFO AHO @ TSY FISIANY AFOBE,SATRIA LAZAINAO FA TSY MISY LAY IZY???????


Izay voasoratra dia voasoratra, saingy aoka ny anganon'Israely hijanona ho an'Israely sy ny Andriamaniny. Tsy hisora-tena toa voatango aho na hitolo-tena toa lolo fotsy, ka hilaza ny tsy ahy. Ny afo ao am-patana no efa hitako, ny afom-bolokano hitako tamin'ny tele, ny afon'ny lanitra tarafiko amin'ny masoandro. Saingy ilay afobe toa angano angano arirarira entina ampitahorana olona fotsiny.

ho an'i Jiosy ny olona nanao ratsy teo amin'ny fiarahamonina dia tsy mendrika ny alevina fa dorana ny fatiny. Izay aloha no fahalalako azy a.

Fa izaho tsy manana porofo afa tsy izay satria izaho mbola tsy tany koa, no sady tsy hitako raha teo ny misy an'ilay afobe. Vao avy nijery google map aho izao, fa eee, sasa-poana aho rahavako... Ka mba mila vonjy... Mba omeo eto ilay fehitany misy azy raha tsy mahadiso....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3191