666,marikan' ilay bibidia.Inona ny dikany hoe mandray marika 666 ,ary efa misy ve io marika io sa mbola ho avy.

1. mamonjy1 ( 21/05/2014 14:34)
Voninahitra Hoan'ilay mipetraka eo amboniny seza fiandrana sy ny zanak'ondry,ary ny fanahy masina.

miarahaba atsika tsirairay avy,sady mirary soa.

Imbentsaka ny soratra masina no milaza momba ny marika eo @handriny,sy tanana ankavanana.

T@androny israely fahiny nolazaina mihitsy hoe:ataovy marika eo @handrinareo sy famantarana eo @tananareo .
Taty aoriana indray dia nivoaka ilay marika 666 ao @apokalipsy,ary lazaina hoe marikan'ailay bibidia.
Iza moa ny bibidia aloha,ahafahana ny marikany.
Ny bibidia ,raha araka ny voalazany apokalipsy dia mpanjaka,na herimpanjakana=heriny dragona.
Satria ny fitondrana @zao fotoana izao dia an'i dragona ,dia manolotra ny fanjakany ho azy ,ireo mpanjaka,zany hoe:Fitaovana fotsiny ny mpitondra hitamaso fa devoly ny ao ambadika.
Seza fiandranany mihitsy, ireo sezany mpitondra ankehitriny.
Izany no mahatonga ny fitiavantena isankarazany,satria miankohoka @lucifer izireo,ka anjakany.

Mora ary ny mamantatra,fa ny atao hoe mandray ny marikan'ilay bibidia dia ny hoe:miankohoka @ ,na manao ny sitrapony.
Ao @apokalipsy 13:16-17 dia mampiseho mazava tsara hoe:"Ary ny olona rehetra na ny kely na lehibe.................................,dia nasainy nandray ny marika eo @handriny na tanany ankavanana mba tsy hisy hividy na hivarotra afa-tsy zay manana marikan'ilay bibidia,na isa manondro ny anarany.

Efa hita maso mihitsy ankehitriny ireo mandray ny marikany na manao ny sitrapony.
Zany no nilazany jesosy kristy hoe,tsy an'isany zao tontolo zao aho,sy ny fanjakako,ary izay manaradia ahy de tsy an'isany ihany koa.
Midika izany fa raha mbola tsy manaraka ny sitrapon'Ilay Nahary ianao de manana marikan'ailay bibidia.
hoy izy ny teniny tompo manao hoe:Izay tsy momba ahy de manohitra ahy.

Efa misy ary io marika io fa tsy mbola ho avy akory,fa ny fomba fisehoany fotsiny no samihafa.
Raha hivarotra ny olona mpanompo sampy de manao ody izy mba hampadeha varotra,efa marika daholo zany.
Ary maro tsy voatanisa mihitsy,misy miravaka vangovango tarika,na sarina bibilava eo @ tanana ankavanana mihitsy ny sasany,tokavina aloha vao anaovana.

Ahoana ary le chiffre 6 miverina intelo.
@mpanomponsampy de chiffre 6 no tsara @ary io no tokavana ny zavatra tsara rehetra,vola,fahavelomana sns....

Ka rehefa manao ny sitrapony devoly ary ny olona iray de efa manaiky azy anao zay...mandray marika.
fa io tsy hitanao ety ivelany hoe 666,fa andriamanitra ny mahita an'io,ary devoly koa mahita an'io satria fantany ny ondriny.Manana boky koa izy anoratany ny olony.






novalian'i endriny ny 29/05/2014 19:03
2. sitlo ( 21/05/2014 16:05)
Ataon'ny vazaha mipapapapa mihitsy. Raha nataony 888 indray io izao dia efa nahita zavatra bdb nosoratana indray koa.
3. Tefigasy ( 22/05/2014 05:35)
mamonjy1:

@mpanomponsampy de chiffre 6 no tsara @ary io no tokavana ny zavatra tsara rehetra, vola, fahavelomana sns....
(....)
Manana boky koa izy anoratany ny olony.

Miezaha miverina amin'ny soratra masina, ary torohevitra fotsiny ny ahy ito hoe, raha te hahazo izay ambaran'ny bokin'ny apokalipsy ianao dia ny soratra masina ihany entina hanazavana azy.
Ny bokin'ny apokalipsy dia nosoratana amin'ny fomba fanoratra apokaliptika: marika na symbole no entiny mitondra ny hafatra ao anaty boky, izay tsy inona fa ny ady eo amin’ny mazava sy ny maizina eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, ny efa lasa ary ny mbola hoavy. Mora kokoa ho an'ny olona niaina tamin'ny fotoan'androny ny mandray izany, saingy manahirana ny olona mbola tsy zatra tahaka ny olona taty aoriana.
Ny tena hevitra lehibe fonosin’io fomba fanoratra apokaliptika io dia ny mba hampiaina tsara ny soratra ho an’izay mbola voageja. Ny fisian’ny sary sy marika famantarana dia maneho sy milaza hevitra maro ho an’ny taranaka mifandimby satria io marika sy sary io dia tsy manondro zavatra tokana fotsiny ihany eo amin’ny tantaran’ny fiangonana. Ohatra fotsiny, ilay sarin’ny bibidia dia milaza ny fanjakana romana (arak’izay ambaran’ny « preteriste ») nefa tsy ny fanjakana romana ihany no raiketin’io sarin’ny bibidia io fa mbola manambara zavatra maro indrindra amin’izao fanenjehana ny fiangonana kristianina sy ny ataon’ny anti-kristy sy ny mpaminany sandoka izao.
Ny hafatra dia ity, raha efa vita fihavanana amin'Andriamanitra ianao,nateraka tao anatin'ilay fahateraham-baovao dia nasiana tombokase tamin'ny Fanahy Masina. Ary tazomy amin'ny finoana izao teny izao fa tsy hisy haharombaka intsony izay efa eo ampelatanan'Andriamanitra akory na iza izy na iza, satria raha mbola manaiky ny ho zanany ianao dia andraikiny sy adidiny ary na dia mbola handalo eo ambany aloky ny fahafatesana aza ianao any aoriana any dia aloka fotsiny ihany ireny fa tsy mampiotsina izay efa an'i Kristy akory satria efa nandresy izany fahafatesana izany ny Tompo
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
4. endriny ( 22/05/2014 06:00)

Tefigasy:

Ohatra fotsiny, ilay sarin’ny bibidia dia milaza ny fanjakana romana (arak’izay ambaran’ny « preteriste ») nefa tsy ny fanjakana romana ihany no raiketin’io sarin’ny bibidia

Dia mampihomehy ianao satria ny Romanina no namorona ny fiangonana Kristianina. Sa bibidia ihany koa izany ny Kristianina. Ny jiosy sy ny silamo aloha dia efa miteny izany.
5. Tefigasy ( 22/05/2014 06:18)
endriny:


Tefigasy:

Ohatra fotsiny, ilay sarin’ny bibidia dia milaza ny fanjakana romana (arak’izay ambaran’ny « preteriste ») nefa tsy ny fanjakana romana ihany no raiketin’io sarin’ny bibidia

Dia mampihomehy ianao satria ny Romanina no namorona ny fiangonana Kristianina. Sa bibidia ihany koa izany ny Kristianina. Ny jiosy sy ny silamo aloha dia efa miteny izany.


Afaka mihomehy ianao fa tsy maninona ka, sady mahafinaritra ny mihomehy, mahatanora lalandava. Saingy mba vakio tsara ny baiboly fa tsy tany Roma ary tsy ny Romanina araka ny ambaranao no namorona ny fiangonana kristianina. Iray izay, jereo tsara ihany koa ny tantara fa anisany namono na nampamono kristianina maro ny fanjakana romanina tamin'ny fotoany ary tsy ho lazaiko anao ny tohiny fa sao dia lazainao fa mamorona eto indray aho fa aleo mba mamaky baiboly ihany r'ise a!
6. Maranatha ( 22/05/2014 06:41)
Ny famantarana na ny tombokasen’Andrimanitra dia hita ao amin’ny fitandremana ny sabata, naorina ho fahatsiarovana ny famorononana tamin’ny andro fahafito amin’ny herinandro. Niresaka tamin’i Mosesy Jehovah ka niteny hoe : ‘Ary dia milaza amin’ny zanak’israely hianao hoe : Ny sabatako no tandremo ; fa famantarana ho amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany ; mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.’ Eksodosy 31 : 12-13. Eto ny sabata dia manondro mazava tsara fa famantarana eo amin’Andriamanitra sy ny olony. »
«Ny mariky ny bibi-dia kosa mifanohitra amin’izany dia ny fitandremana ny andro voalohany amin’ny herinandro. Io marika io dia manavaka ireo manaiky ny fahambonian’ny fanjakana papaly amin’ireo manaiky ny baikon’ Andriamanitra. » –Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, pp. 273, 274.



1. Iza no sahy nanova ny lalàn’Andriamanitra? Daniela 7 : 25 ; Apokalypsy 13 : 5. Iza no fikambanam-pivavahana voalazan’ny Fanahin’ny faminaniana fa fototra nipoiran’ny mariky ny bibidia ?


«Ny famantarana na ny tombokasen’Andriamanitra dia ao amin’ny fitandremana ny sabata, naorina ho fahatsiarovana ny famoronana, andro fahafito amin’ny herinandro …
«Ny mariky ny bibi-dia kosa mifanohitra amin’izany dia ny fitandremana ny andro voalohany amin’ny herinandro. Io marika dia manavaka ireo izay manaiky ny fahefana papaly amin’ireo manaiky ny fahefan’ Andrimanitra. »
–Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, pp. 273, 274.
«Rehefa tonga ny fizahan-toetra, ny mariky ny bibi-dia dia hiseho mazava tsara: ny fitandremana ny alahady izany. Ireo izay avy nahare ny fahamarinana dia hanohy handray io andro io ho masina, ireo izay mitandrina ny alahady dia mitondra ny sonian’ilay lehilahin’ota izay misaina hanova ny fotoana sy ny lalàna (Lettre 12, 1900.) »
– Commentaires bibliques, pp. 408, 409.

2. Inona ny fitsapana mafy indrindra izay hihatra amin’ny vahokan’Andriamanitra ? Apokalypsy 13 : 15-17.


«Raha mandà ny hanitsakitsaka ny didin’Andriamanitra ny olona, dia hipoitra ny fanahin’ilay Dragona. Halefa an-trano maizina izy ireo,ho entina any amin’ny fitsarana sy voaheloka handoa sazy. …
«Misy fahasamihafana mazava tsara mihitsy amin’ireo manana ny tombokasen’Andriamanitra sy ireo miankohoka amin’ny bibi-dia sy ny sariny. Ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra dia hiaran’ny fanenjehana mahatsiravana ataon’ireo mpampianatra sandoka izay tsy miraharaha ny Tenin’Andriamanitra, ka hoasiany vato misakana eo amin’ny làlan’ireo izay maniry handre ny Tenin’Andriamanitra. Fa ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy tokony hataotra. Tsy afaka mihotran’ ny fefy satana. Hiaro ny vahoakany Andriamanitra.”. »
– Maranatha, p. 189.

3. Inona no ho eken’ireo izay milefitra eo ambany didin’olombelona? Rahoviana no ho raisin any mariky ny bibidia ? Apokalypsy 13 : 16.


«Rehefa lavin’ny olombelona ny fampianarana izay hambaran’Andriamanitra fa mariky ny fahefany, ka ho solon’izany dia hankasitraka izay nofidian’ny Roma ho mariky ny fahalebiazany izy; amin’ izany fomba izany izy ireo dia hanaiky ny hilefitra amban’ny Roma : “ny mariky ny bibi-dia”. Ary rehefa avy naneho mazava tsara ny fanontaniana tamin’ny olona; rehefa voantso izy ireo ny hifidy na ny lalàn’Andriamanitra na ny lalàn’olombelona; izay vao ireo naharitra tamin’ny fahotany no ahazo ny ‘marikin’ny bibi-dia’.’ » – Le grand conflit, p. 451.
«Tsy mbola nisy olona nandray ny marikin’ny bibi-dia.Ny fotoan’ny fizahan-toetra dia tsy mbola tonga. Misy kristiana tsy manam-paharoa any amin’ny fiangonana rehetra, ao anatin’izany ny fiangonana katolika romana. Tsy misy olona voaheloka raha tsy efa mazava tsara aminy ny fahamarinana sy mbola tsy azony tsara ny didy faha efatra. Fa rehefa atao ny fanambarana manery ny solon’anaran’ny sabata, sy rehefa ilay antso lehiben’ilay anjely fahatelo mampitandrina ny olona amin’ny fiankohofana amin’ny bibi-dia sy ny sariny, ilay tsipika manasaraka dia ho hita mazava tsara eo anelanelan’ny diso sy ny marina. Manomboka eo ireo izay mizirizizy amin’ny fandikan-dalàna dia handray ny marikin’ny bibi-dia. » – Evangéliser, pp. 214, 215.

4. Aiza no afaka hahitan’ny olona fialofana mba afahana mijoro ho mahatoky ho amin’ilay ady lehibe ho avy ? Ohabolana 18 : 10 ; 1 Petera 2 : 6.


«Jesosy dia nahazo ny fandresena tamin’ny fanekena sy ny finoana an’Andriamanitra, ary hambaran’ny amintsika tamin’ny alalan’ny apostoly : « ka dia maneke an’ Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatonà an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy…’ Jakoba 4: 7,8. Tsy afaka ny hiala amin’ny alalan’ny tenantsika irery ihany amin’ny herin’ny mpaka fanahy isika. Resiny ny olombelona, ka raha miezaka ny hiaro tena amin’ny alalan’ny tenantsika irery ihany isika dia ho tonga hazany amin’ny fisehoany ivelany isika; ‘fa ny anaran’I Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy’ Ohabolana 18 : 10. » – Jésus-Christ, p. 112.
Fa ny olo-masin’Andriamanitra dia tsy handray io marika io. Ny mpaminany avy any Patmosy dia nahita ireo izay nahazo ny fandresena tamin’ilay bibi-dia sy ny sariny, ny marika, ny isan’ny anarany, nitsangana teo amin’ny rano masina fitaratra, nitana ny lokanga an’Andriamanitra ary nihira ny fihiran’I Mosesy sy ny Zanak’ondry. » – Christ Triumphant, p. 366.



Apokalypsy 3 : 18.

[color=red]«Ny fanovana ny sabata no famantarana ny fahefan’ny Eglisy Romana. Ireo izay mahalala ny fahamarinan’ny didy faha efatra nefa mifidy ny hitandrina ilay sabata diso toy izay ilay tena marina, dia manome voninahitra an’ilay hery izay namorona azy. Ny marikin’ny bibidia dia ilay sabata papaly, izay neken’ny olona ho solon’ny andro izay notendren’Andriamanitra. »
– Evangéliser, p. 214.
«Fizahan-toetra mahatsiravina no miandry ny vahoakan’Andrimanitra. Ny fanahy tia ady dia manainga ny mponina rehetra eran’ny vazan-tany. Fa amin’io androm-pahoriana ho avy io _ fahoriana izay tsy mbola nisy tahaka azy teto an-tany_ ny vahoaka voafidin’ Andrimanitra dia tsy ho voahozongozona. Mitoetra eo ambanin’ny fiaraovan’ireo anjely mahery, dia ho voaaro amin’ny fomba fandravana hoentin’I satana sy ny anjeliny. . » – (Lettre 119, 1904.) Messages choisis, vol. 2, p. 63.
7. Tefigasy ( 22/05/2014 07:01)
Misy olona taraiky alavitra be mihitsy dia tena mampalahelo tokoa fa miziriziry hatrany ary mbola fatra-panaraka aloka sy tandindona tsy nahavita fanavotana akory na tapak'olona iray aza. Efes.4:30 "Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra , Izay nanisiana tombokase anareo ho amin'ny andro fanavotana."
Dia tsy asiako commentaire lava fa ho avy eto ndray ny sasany hitondra alika romotra sy tsy tadidiko ilay fitondrany matetika eto. Heveriny fa misy Fanahy Masina nidina ho an'ny olona manontolo talohan'ny fanavotan'i Kristy an'izao tontolo izao, ary mbola tsy hitany ilay tena atao hoe mitsahatra miaraka amin'i Kristy tao anatin'ny faharian'ny fahatanterahana rehetra ka mbola misarangotra amin'izao zavatra ..... rehetra izao ! Dia hoy ny Tompo hoe mba mijery ihany izy fa tsy mahita, mihaino ihany izy fa tsy mandreha !
8. bor2lais ( 22/05/2014 07:04)
Sao dia tokony mifanao fotoana any amin'ny resto "Le dragon" indray aza i mamonjy1 sy maranatha fa toa tsy mitovy izany bibidianareo izany ! :-)

Mety ho avy eo koa angamba ny namana RBNIR hanampy anareo ! ;-)
9. mamonjy1 ( 22/05/2014 08:10)
quote=mamonjy]
Tefigasy:

Miezaha miverina amin'ny soratra masina, ary torohevitra fotsiny ny ahy ito hoe, raha te hahazo izay ambaran'ny bokin'ny apokalipsy ianao dia ny soratra masina ihany entina hanazavana azy


Tiako ny hanambara @nao ry tefy gasy fa tao @soratra masina no nakako ny 666 sy ny heviny fa tsy noforoniko manokana.
Efa voasoratra hoe:misy marika anankiro samihafa ao @baiboly.
Anankiray marika ny zanak'ondry
ary ny anankiray marikan'ilay bibidia.
Iarahantsika mahalala fa zay mitafy an'i kristy no mana toetrany kristy.
Ary izay mitafy ,na mandray,na manaiky an'ilay bibidia no manana marikan'ilay bibidia.
Ara-panoharana io chiffre io,ary ara-bakiteny ihany koa.
Izaho izay milaza aminao ankehitriny izao de mahafantatra ny momba chiffre 6,satria mpanompo sampy aho taloha,Ary Ray amandreniko dia nitoerany fanahy maloto.
Rehefa mitoka fanafody ireo fanahy de miteny hoe6:eninjara 6eninkahavelomana,rehefa hampiditra ny tsara,na fankamamy hoditra,na zavatra zay heverina fa tsara ihany koa.
Ary nisy ombiasa Raindahy izay ihany koa no niresahako,ary nampianatra aho ny dikany isa rehetra @ fomba fijerin'ireo momba izany,ka nolazainy fa isa 6 dia vola,sy ny zavatra tsara hafa.
EKEKO FA TSY HITA AO @BAIBOLY IZANY TANTARAKO IZANY,FA ZAHO MIHITSY NO MIJORO VAVOLOMBELONA NY @ZANY.Ary ilay fanahy t@mamanay naniraka aho nividy vangovango,ka nasainy niandry andro tsara aho hanamasinana an'io,ary nohamasininy io t@chiffre 666,ary niteny izy aveo hoe:Ataovo eo @tananao ankavanana io.Fa manomboka androany de tsy hitsiriritra olona ianao,fa olona no hitsiriritra anao,ary hidirambola sy hanana anjara be ianao.
Ary tena nidiram-bola tokoa aho.Ary mbola niteny ilay fanahy avy eo hoe jereo daholo ireo mpiasam-panjakana,na olo ambonimbony ireny fa,manao toa io daholo eo @tanany ankavanany,ary raha tsy hitanao misikina io izy de,manao zavatra hafa fa mitovy ihany ny dikany.
Mazava arak'izany ary fa sahala @osiny,na ombiny ny olona manaiky azy ,ka asiny marika.
tefigasy:

Ny tena hevitra lehibe fonosin’io fomba fanoratra apokaliptika io dia ny mba hampiaina tsara ny soratra ho an’izay mbola voageja. Ohatra fotsiny, ilay sarin’ny bibidia dia milaza ny fanjakana romana (arak’izay ambaran’ny « preteriste ») nefa tsy ny fanjakana romanina ihany.


Ianao nilaza tamiko koa fa fanjakana Romanina no tiany lazaina @io.Mba omeo porofo arabaiboly ary aho,satria anao nilaza hoe aoka ny porofo ara-baiboly no hanazavao ny hevitrao.
Raha ny momba ny markan'ilay bibidia dia manondro zavatra maro momba an'satana devoly.
tsy fanjakana fotsiny fa fiainana andavanandro ihany koa.
Izany no ilazany Apokalipsy 13:16-17 hoe" ary ny mponina rehetra t@ tany ,na ny kely ,na ny lehibe,na ny manankarena ,na ny mahantra,na ny andevo na ny tsy andevo dia samy nampandraisiny marika eo @handriny ,na tanany ankavanana, avokoa,mba tsy hisy hahazo hividy,na hivarotra,afa tsy izay manana ny marika,Dia ny Anarany BIBIDIA NA,ISANY ANARANY"
JEREO NY SORATRA MASINA MILAZA HOE:De samy nampndraisiny(nampandraisin'iza moa??)
MAZAVA BE MIHITSY IZANY TENY IZANY AMIKO.ILay dragona lehibe no mampandray anao ny marika,@alalany fakampanahy isankarazany,ka raha tsy manana an'jesosy anao de lavony tanteraka.Apetany lay marika avy eo.Ary mirehareha izy fa antsika iny,fa efa nanao ny sitrapontdika.
1-HITAKO ANKEHITRINY IREO MARIKA FAMANTARANA IREO.
Ny mpanakarena dia manao pacte @diable mba hanankarena kokoa,eny milatsaka ho filoha mihitsy.
2-Ny mahantra indray ,manao voady antendrombohitra,na manatona mpimasy,mihitsy mba tehanana hono.
3-Ny andevo(andevon'ota)vao may anao efa andevo alatsany ankady,ataony tsindrio fa lavo,sao de tonga saina eo ka ho votsotra.
4-Ny tsy andevo=kristiana,ireo koa de ataony lasibatra @zao fotoana mba hihemotra tanteraka,ary ireo aza no tena enjehiny,satria tsy azy.

Tohero ny devoly havana malala isany,ary aza mandray marikany,fa marikany zanak'odry no mahavonjy.
Deraina ny tompo,fa mahay manova olona .
Amena.






10. Tefigasy ( 22/05/2014 09:07)
mamonjy1:

Tiako ny hanambara @nao ry tefy gasy fa tao @soratra masina no nakako ny 666 sy ny heviny fa tsy noforoniko manokana.

Marina mihitsy fa voasoratra ao amin'ny soratra masina ny 666. Apok.13:18 no misy azy ary eo amin'io andalana io ihany no hahitana izany ao anaty baiboly. Saingy izao, aiza ao amin'ny baiboly ary no milaza na manazava fa
mamonjy1:

@mpanomponsampy de chiffre 6 no tsara @ary io no tokavana ny zavatra tsara rehetra, vola, fahavelomana sns....
(....)
Manana boky koa izy anoratany ny olony.

Torohevitra fotsiny ny ahy iny fa raha tsy mety aminao moa, azoko atao ahoana e!
mamonjy1:

EKEKO FA TSY HITA AO @BAIBOLY IZANY TANTARAKO IZANY,FA ZAHO MIHITSY NO MIJORO VAVOLOMBELONA NY @ZANY.

Hamafisinao eto mihitsy aza moa hoe tsy hita ao anaty baiboly ilay fanazavana fa tranga na traikefa nisy sy niainanao mivantana ilay izy.
Maro ireo tranga hita eto amin'ity izao tontolo izao ity, ary raha tsy manana ny soratra masina fa miantehitra amin'ireny dia very ao anatiny satria satana dia mahay ihany koa miseho ho toa ny zanaky ny mazava; ary taletany ny famitahana sy ny lainga ka izay no hitaritako anao hatrany hoe aza miala amin'ny soratra masina rehefa mandinika ny soratra masina.
mamonjy1:

Ianao nilaza tamiko koa fa fanjakana Romanina no tiany lazaina @io.Mba omeo porofo arabaiboly ary aho,satria anao nilaza hoe aoka ny porofo ara-baiboly no hanazavao ny hevitrao.

Tsy namaky tsara angamba ianao, na tsy azonao ny nosoratako teny aloha hoe " Ny fisian’ny sary sy marika famantarana dia maneho sy milaza hevitra maro ho an’ny taranaka mifandimby satria io marika sy sary io dia tsy manondro zavatra tokana fotsiny ihany eo amin’ny tantaran’ny fiangonana" .
Ny dikany dia izao: ohatra noraisina ny fanjakana romanina tamin'ny fotoany satria nahafeno ny fepetra rehetra nofaritan'ny tenin'Andriamanitra sy nolazaina amin'ilay sarin'ilay bibidia izy.Ilay bibidia no nofaritan'ny tenin'Andriamanitra, dia anjaranao ny mamantatra izany araka ny fotoana hisehoany. Ny zava-dehibe izany dia ny fahafantarana ny tenin'Andriamanitra izay voarakitra ao anaty baiboly ary mitondra izany eo amin'ny fiainana andavan'andro.
Hiteny aminao koa aho izao hoe efa nitondra izany sarin'ny bibidia izany ny firenena alemaina tamin'ny fotoany. Tsy hitanao ao anaty baiboly izany saingy manome ny fepetra mahafeno izany ny baiboly dia anjaranao ny mamantatra.
Ny tsindrina tsara dia ity, matetika ny olona dia diso fahafavalo e. Ny fahavalo tokana ho an'ny kristianina dia ny devoly. Tsy ny fanjakana romanina akory no fahavalo, na ny fanjakana alemanina, na ny bekintana na ny papa na i mopera na i pasitera na izaho izay manoratra eto na ianao ihany koa, tsia, diso cible ny olona manao izany; fa ny fahavalo izay efa resy rahateo dia ny devoly, ary hain'io devoly io ny mampiasa izay tsy mbola manana an'i Kristy ho fitaovana eo anatrehany hamotehana ny ondrin'i Kristy. Ny mission an'i Jesosy tety an-tany anie dia ny mba hanavotra ireny olona mbola andevozin'i satana ireny e, ka aoka mba tsy ho ianao izay mieritreritra ny mitondra ny mazava no hanosika nahanilika ireny mbola maizina ireny indray, fa ny mba hitaona azy hiala amin'ny ratsy fanaony no tanjona.
11. mamonjy1 ( 22/05/2014 14:53)
mamonjy:

[quote=Maranatha]
Ny famantarana na ny tombokasen’Andrimanitra dia hita ao amin’ny fitandremana ny sabata, naorina ho fahatsiarovana ny famorononana tamin’ny andro fahafito amin’ny herinandro.
«Ny mariky ny bibi-dia kosa mifanohitra amin’izany dia ny fitandremana ny andro voaloha @herinandro.


AHOANA MARINA ANAO ZANY RY MARANATHA,SAO DE EFA VOAISY MARIKA?
NYBOLONA ANIE EFA ANY @PEJY FARANY,IANAO TOA MBOLA VOALOHANY.
SAO DE TRATRANY ANDRO SABATA ARY NY HANDOSIRANAO."Matio 24:20"
EFA MILAZA ANIENY Galatianina 4:9-11.MBA VAKIO ANIE RAHA SITRAKAO EE..
ARY EFA NILAZA KOA I KRISTY FA IZY NO TOMPON'I SABATA."Matio 12:8"
ARY NITENY KOA NY TOMPO FA,IZAY TSY MOMBA AHY DE MANOHITRA AHY."Lioka 11:23"
Tsy kristiananina zany anao,raha azoko tsara.Satria mihaino fampianaran'olombeona ianao,fa tsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana,ary maninona koa ianao tsy mbola manao fanatitra alatsa-dra raha izany no fandehany.
Tanteraka eto ary ilay teny hoe:fotoana sy volana ary taona no tandremanareo fatratra.
zany mihitsy ny teniny tompo manao hoe:lozanareo mpanoradalana sy fariseo fa diovinareo ny ivohony kapoaka sy lovia,fa ny atiny feno rombaka sy tsy fahononana."Matio23:25".
Manao ny tsara ary no sitrakiny tompo,ary @fotoana rehetra.Aleo manao ny tsara ry maranatha,fa toy izay mahatandrina ny sabata ianao nefa tsy mahavoafady ota akory.
Manaova toy ny ankizy,fa aza mafy loha,hoe zany ny nampianarina ahy ka izany no tsy maintsy marina,diso hevitra ianao raha izany,fa avelao daholo ny fampianaran'olombelona.
Fa mianara @ fanahimasina samirery ianao,fa omeny anao zay sahaza anao.
Eny amena.


Aoka ho tsapanao,fa zavatra @ soratra masina taloha de aloky ny zavatra ho avy.
Tapany voalohany dia natao arabakiteny ny ankamaroany,ary tapany faharoa dia saika ara-panoharana ny ankamaroany.

Ary tsy afa handa ianao fa jesosy kristy dia tenin'Andriamanitra ,Ary Andriamanitra.
Izy no Tompon'ny sabata.

maranatha:

[color=blue]1. Iza no sahy nanova ny lalàn’Andriamanitra? Daniela 7 : 25 ; Apokalypsy 13 : 5. Iza no fikambanam-pivavahana voalazan’ny Fanahin’ny faminaniana fa fototra nipoiran’ny mariky ny bibidia ?

Ary iza koa aminao no sahy manda an'i jesosy kristy?
Izay manana fanalahidiny fahafatesana sy fiainana,
Ary Tompony Sabata ny Zanak'OLONA.
Efa niteny izy hoe avia inareo zay mavesatra entana ,fa zaho hanome fitsaharana ho anareo=sabata.
Ny Sabata de efa ho avy,ka Tandremo sao de ataonao efa tonga izany.
Ary jereo tsara ny galatianina4:9-11.diniho tsara ihany koa.
Fa ny 666 tsy mitsitsy mihitsy,fa avy de mametaka izy rehefa manaiky ny sitrapony ianao,na dia mitandrina sabata aza anao nefa tsy mahavoatandrina ny didy sasany akory,Ary misy lehibe noho sabata ny didy,dia ny Fitiavana.
jereo koa ny apokalipsy 17:3-5. Fa misy vehivavy an'ohatatra mitaingina bibidia mihitsy ao, Ary misy anarana fanevatevana an'andriamanitra eo @handriny=666.
Rehefa Anarana fanevatevana,na manohitra an'Adriamanitra dia Marikan'ilay bibidia avokoa,tsy fanjakana Roma ihany no voakasika io,fa fanjakana rehetra no eo an-tanany bibidia,Na vehivavy janga aza dia mbola nijangajanga t@bibidia.Miray tetika hanompo dragona daholo zay manohitra ny zanak'ondry sy fahefany.NA KATOLIKA,NA PROTESTANTA,NA THEMOIN,NA MUSILMAN,ENY FA NA ZAHA MITENY ZAO AZA,RAHA TSY MANDEHA @MAZAVA DIA VERY ANY @BIBIDIA,IHANY KOA,ATAONAO IHANY KOA FA TSY MBOLA TONGA IO FAMETAHANA MARIKA IO,MBA DINIHO AN-KEVINY NY TENY,FA ZAY MANAO SITRAPONY DIABLE DE MANDRAY MARIKANY DIABLE,EFA MISY IO,ARY IO MARIKA @HANDRINAO IO NO TSARANA ANAO REHEFA MATY. MIPETAKA @HANDRIN'OlONA IO ,FA TSY HITANY ARY IZANY NO MAHAVARIANA AZY SATRIA TSY HITANY IO,FA NY ZANAK'ONDRY MAHAFANTARA AN'IO.,MAHATOA NASAINY NOSORATANY MPAMINANY IO.
AZA MANAMARINTENA,FA TSY SABATA IHANY NO MAHAVERY,AOKA TSY IVELANY IHANY KOA NO DIOVINA FA NY ANATINY IHANY KOA,ARY ALEO AZA NY ANATINY TOY IZAY IVELANY,FA JEHOHA TOMPON'NY MARO DE MPANDINIKA NY FO.
HALLELOYA.
12. mamonjy1 ( 22/05/2014 15:29)
[quote=tefigasy]
. Tsy hitanao ao anaty baiboly izany saingy manome ny fepetra mahafeno izany ny baiboly dia anjaranao ny mamantatra.

Jereo tsara ny famalinao aho ry tefigasy,Anao nilaza fa tsy hita ao @baiboly koa izany,ahoana ary no anamelohanao aho vetivety fotsiny,nefa zavatra niainakonizany ary nampitahaiko t@baiboly de nitovy ny heviny.IZANY ARY NO ISANY NAHALALAKO FA MAMPIASA 666 NY DEVOLY,ARY MAMETAKA MARIKA @TATANA ANKAVANANA ARABAKITENY MIHITSY,FANTAKO ANIE FA NISEHO TOY ANJELINY MAZAVA T@KO IZY E...ARY IZANY NO NIALAKO TAO NA DIA NOMENY VOLA AZA AHO.
[quote=tefigasy]
Ny tsindrina tsara dia ity, matetika ny olona dia diso fahafavalo e. Ny fahavalo tokana ho an'ny kristianina dia ny devoly. Tsy ny fanjakana romanina akory no fahavalo, na ny fanjakana alemanina, na ny bekintana na ny papa na i mopera na i pasitera na izaho izay manoratra eto na ianao ihany koa, tsia, diso cible ny olona manao izany; fa ny fahavalo izay efa resy rahateo dia ny devoly, ary hain'io devoly io ny mampiasa izay tsy mbola manana an'i Kristy ho fitaovana eo anatrehany hamotehana ny ondrin'i Kristy.

EKEKO FA TSY IREO OLONA REHETRA IREO NO FAHAVALO,FA IZAY MIRAY @FAHAVALO ,DE FAHAVALO IHANO KOA
OHATRA:HOY JESOSY LOZANAREO MPANORADALANA SY NY FARISEO,ARINDRINAREO EO ANOLOAN'OLONA NY FANJAKAN'NY LANITRA,IANAREO TSY MIDITRA AR6,IZAY MIDITRA SAKANANAREO.MATIO23:13.
REHEFA MPITARIBATO VILAMBAVA NY OLONA NAMANA DE MIARA MIASA @FAHAVALO ZANY AMIKO.
ARY NY ANTONY NIJOROAKO VAVOLOMBELONA DE MBA HAMPAHAFANTRA ISIKA NY ZAVAMISY,ARY INDRINDRA HO AN'I JENTILISA IHANY KOA,FA TSY KRISTIANINA IHANY.
ALAIKO BARAKA SATANA NY AMIN'IONZAVATRA NATAONY T@KO IO,FA EFA NAHARESY AZY NY ZANAK'ONDRY,ARY MAHARESY KOA ZAYNMOMBA AZY.
ENGANIE ISIKA REHETRA KA HAHITRA @ANARANY JESOSY,ARY HO VELOKA ZAY MATY.
AMENA.
13. mamonjy1 ( 22/05/2014 15:32)
tefigasy:

. Tsy hitanao ao anaty baiboly izany saingy manome ny fepetra mahafeno izany ny baiboly dia anjaranao ny mamantatra.

Jereo tsara ny famalinao aho ry tefigasy,Anao nilaza fa tsy hita ao @baiboly koa izany,ahoana ary no anamelohanao aho vetivety fotsiny,nefa zavatra niainakonizany ary nampitahaiko t@baiboly de nitovy ny heviny.IZANY ARY NO ISANY NAHALALAKO FA MAMPIASA 666 NY DEVOLY,ARY MAMETAKA MARIKA @TATANA ANKAVANANA ARABAKITENY MIHITSY,FANTAKO ANIE FA NISEHO TOY ANJELINY MAZAVA T@KO IZY E...ARY IZANY NO NIALAKO TAO NA DIA NOMENY VOLA AZA AHO.
tefigasy:

Ny tsindrina tsara dia ity, matetika ny olona dia diso fahafavalo e. Ny fahavalo tokana ho an'ny kristianina dia ny devoly. Tsy ny fanjakana romanina akory no fahavalo, na ny fanjakana alemanina, na ny bekintana na ny papa na i mopera na i pasitera na izaho izay manoratra eto na ianao ihany koa, tsia, diso cible ny olona manao izany; fa ny fahavalo izay efa resy rahateo dia ny devoly, ary hain'io devoly io ny mampiasa izay tsy mbola manana an'i Kristy ho fitaovana eo anatrehany hamotehana ny ondrin'i Kristy.

EKEKO FA TSY IREO OLONA REHETRA IREO NO FAHAVALO,FA IZAY MIRAY @FAHAVALO ,DE FAHAVALO IHANO KOA
OHATRA:HOY JESOSY LOZANAREO MPANORADALANA SY NY FARISEO,ARINDRINAREO EO ANOLOAN'OLONA NY FANJAKAN'NY LANITRA,IANAREO TSY MIDITRA AR6,IZAY MIDITRA SAKANANAREO.MATIO23:13.
REHEFA MPITARIBATO VILAMBAVA NY OLONA NAMANA DE MIARA MIASA @FAHAVALO ZANY AMIKO.
ARY NY ANTONY NIJOROAKO VAVOLOMBELONA DE MBA HAMPAHAFANTRA ISIKA NY ZAVAMISY,ARY INDRINDRA HO AN'I JENTILISA IHANY KOA,FA TSY KRISTIANINA IHANY.
ALAIKO BARAKA SATANA NY AMIN'IONZAVATRA NATAONY T@KO IO,FA EFA NAHARESY AZY NY ZANAK'ONDRY,ARY MAHARESY KOA ZAYNMOMBA AZY.
ENGANIE ISIKA REHETRA KA HAHITRA @ANARANY JESOSY,ARY HO VELOKA ZAY MATY.
AMENA.
14. Tefigasy ( 22/05/2014 18:07)
mamonjy1:

Jereo tsara ny famalinao aho ry tefigasy,Anao nilaza fa tsy hita ao @baiboly koa izany,ahoana ary no anamelohanao aho vetivety fotsiny,nefa zavatra niainakonizany ary nampitahaiko t@baiboly de nitovy ny heviny.IZANY ARY NO ISANY NAHALALAKO FA MAMPIASA 666 NY DEVOLY,ARY MAMETAKA MARIKA @TATANA ANKAVANANA ARABAKITENY MIHITSY,FANTAKO ANIE FA NISEHO TOY ANJELINY MAZAVA T@KO IZY E...ARY IZANY NO NIALAKO TAO NA DIA NOMENY VOLA AZA AHO.

Sarotra be ve ? Aleo somary ataoko fampimirana ara-marika ary e:
A=B
B=C+D
C+D=E
==> A=E;E=B
Ny E(fanjakana romanina) dia tsy ao anaty baiboly saingy ny C+D(sarin'ny bibidia) dia hazavain'ny baiboly tsara. Hampifandraiso @ zay ary ny anao araky ny fanontaniako hoe aiza ao @ baiboly no manazava fa an'ny mpanompo sampy ny isa enina?
mamonjy1:

EKEKO FA TSY IREO OLONA REHETRA IREO NO FAHAVALO,FA IZAY MIRAY @FAHAVALO ,DE FAHAVALO IHANO KOA

Ratsy be anie izany fisainanao izany e! Raha sanatria nanana ondry 1 very ve ianao, tafasaraka t@ namany fa nanaraka amboadia dia avelanao ho very any izy ? Toa izay ve ny fisainan'Andriamanitra hoy ianao, sa manao izay hitodian'ilay very ho ao am-bala ?
Jereo tsara fa raha nanome directe an'i Petera ny Tompo dia izao no nilazany azy : any ivohoko ianao ry satana ! Tsy i Petera no tena voateny fa i satana. Averiko foana fa ny mpanota, ireo ze eritreretinao fa mpiara-miasa @ satana mihitsy no nahatongavan'i JesoA tety an-tany fa tsy ny mpanora-dalana na ny fariseo izay mieritreritra ny tenany ho olo-masina efa voavonjy satria nanana ny lalana teo aminy.
15. mamonjy1 ( 22/05/2014 19:29)
Aoka koa tsy hitsara ianao tefigasy,fa mbola ho tsaraina.
Antony Nanambarako ireo momba ahy ireo,de zava-nisy,fa tsy foroniko,ary tsy mifanipaka@baiboly akory.Tiaka anareo rehetra hahalala koa,misy holazainareo ny @zany.
Tsy ny havery ny olona no sitrako,fa ny hatonga azy @fibebahana.
Fa ny tenenako hoe,REHEFA FAHAVALO DE VAHALO,MARINA IO TENY IO.
FA TSY TIAN'OLONA NY ZAVATRA MARINA.
FAHAVALON'ANDRIAMANITRA DAHOLO NY OLONA MANOHITRA,NA MANEVATEVA AZY.
ARY RAHA OLONA TSY TE HIOVA AKORY NO MBOLA ATAONAO SAKAIZA,DE LASA FANDRIKA AMINAO IZANY,HOY NY OHABALANA HOE:"IZAY MIARADIA @HENDRY DE HO HENDRY,FA IZAY MISAKAIZA @ADALA DE HIDIRAN-DOZA.
KANEFA ATSIKA KRISTIANINA TSY MANAVAKA OLONA IZANY,FA TIA FAHAVALONTSIKA FOANA,FA TSY MANAO NY ATAONY @ MAHA FAHAVALO AZY.
FAHAVALO=MPANOHITRA AN'ANANDRIAMANITRA.,ARY FAHAVALONTSIKA KOA IZANY,SATRIA ISIKA MPANARADIA AZY.
KANEFA NAMPIRISIKA AZA NY BAIBOLY HOE:MITOERA @ MAZAVA,MIHAZAVA,MIBEBAHA,MISY DIKANY IO TENY IO.
ARY TSARA HO HAINAO KOA FA IREO TSY MIOVA DE ANDAVAKY NY ELO,NY IAFARANY.
SATRIA MIARAKA @FAHAVALON'ANDRIAMANITRA IREO ARY MANDRAY NY MARIKANY.
NY DEVOLY,NA DRAGONA IZANY,IZAY MANOME FAHEFANA AN'ILAY BIBIDIA=MPANJAKANY TANY.
FA VEHIVAVY JANGA ,NA BABILONINA LEHIBE AO @APOKALIPSY IO NO MANONDRO NY ROMA MANOKANA,IZAY FANJAKANA KA NEFA NAVADIKA FIVAVAHANA.
MARIHO KOA FA MIJANGAJANGA @MPANJAKANY TANY ,ILAY VEHIVAVY.
IZANY NO ATAONY @ZAO FOTOANA IZAO.MIRAY@IREO FILOHA,SY MPANAO POLITIKA MARO IZY.
ARY MBOLA MAMPIRISIKA NY OLONA HIFIDY MPITONDRA IHANY,MIDIKA IZANY FA TSY MANAIKY NY FANJAKANY KRISTY IZY.
AO NO AHITANA IREO KRISTIANISME ANARANA SY OLONA MIANKOHOKA @SARINJAVATRA VOASIKOTRA.....SY ZAVATRA MALOTO REHETRA.
SATRIA MILEFITRA @ZANY IZY.
NY FITSARANA AZY SISA ZAO NO ANDRASANA,FA IZY DIA EFA MISY ANARANA FANAVETAVETANA AN'ANDRIAMANITRA @HANDRINY.
ARY,IZANY NO ITENENY BAIBOLY KOA HOE:MIVOAHA AO @NY NAREO RY OLO,RAHA TSY TIANAREO HANJO ANAREO NY HAHAZO AZY.
TSY TIANY HISY VERYBISIKA NAMANA ,NA DIA IRAY.
16. saho ( 22/05/2014 20:19)
Mba handray anjara soratra kely ato za
Samy manana fomba fisehoany ny filazana hoe Kristiana ny firenena iray
Nipoiran i Jesosy Kristy dia avy tao Bethlehema, voaparitaky ny mpianany izay nanao asa apostoly izany, izay antsoina ankehitriny hoe testamenta vaovao, na finoana kristiana

Mila fianarana lehibe raha aty firenena mandroso toa ny misy ahy io ary tena fianarana ambony mihitsy Science Theologie, marina fa ny mandray anjara eto tsy voatery hoe nianatra izany na Amin ny teny hebreo na teny latin na tena fahiny, izay tena nipoiran ny soratra Masina
Aminy filazana anaty testamenta vaovao na testamenta taloha, Baiboly, dia misy Codex milaza ny andininy sy toko rehetra....mbola miaina Amin fiainana Kristiana ireo voalaza Codex mila fanazavana ireo, ary tsy ho lany andro velively fa mitohy tsy misy fitsaharana, araka ny voalaza hoe "mandrakizay"
Misy miteny eto hoe andron ny Romana sy taloha ela be....sns
Ry ambany lanitra rehetra, mitohy foana ny fiainana Kristiana, tsy miova omaly anio rahatr izay
Ny taranaka mandimby ety antany raha tena manana finoana Kristiana dia miaina anatin izany
ary miseho fomba hafa fotsiny, fa ny soratra Masina dia mitombona foana foana "mandrakizay"

Ny atao hoe "mandrakizay" dia tsiss fetra
Mahafinaritra ny mahita soratra eto Forum, izy ity moa dia tena dinika tokoa fa araka ny voasoratra dia mipetraka foana ny soratra mandrakizay ary tsy ho levona velively
Betsaka anefa ireo fizarana finoana taty ao aoriana noho ny tsy fanarahana ny finoana kristiana Katolika , noho ny antony maro samihafa ara tantara fiangonana taty aoriana, nipoitra daholo ireo karazana lazaina fa fivavahana kristiana hafa (Anglikana, Loterana, Adventiste, Protestante sns....izay tsy voatanisa) ary tena namorona baiboly hafa mihitsy aza

Amiko dia ny finoana Katolika no tena fototry ny finoana Kristiana erantany, nifarana tao Rom ny dian ny Apostoly Petera, izay fototry ny vato fehizoro tempoly Kristiana, ireo apostoly dia martiora daholo no niafarany tety antany, kanefa noho ny finoana matanjaka sy fahazavan ny Fanahy masina dia voalaza anaty boky nosoratan i Jaona "Fa toy izao no nitiavan Atra izao tontolo izay nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay "

Ny anjarantsika dia miaina sy manaparitaka ny fiainana ao Amin ny Kristy ary tena fiainana manana fo madio, fa tandremo koa fa misy ireo mpaminany sandoka etsy sy eroa miseho endrika devoly, devoly anefa fakampanahy be ary very izay miaina anatiny
Ny firenena malagasy dia miseho endrika misy izany devoly izany, betsaka ireo voafitaka, kanefa aoka ho fantantsika koa ny tantara anaty baiboly momba ny "Sodoma sy Gomora" na koa ireo "sambo noah" na koa ny "Fanandevozana ny zanak Israely tao Egypt", mbola mitombona foana ireo tantara ireo, ary aiza ho aiza ny firenena malagasy zao ara tantara voasoratra anaty baiboly
Valala no seho hita ankehitriny any Gasikara....miteraka mosary sy fahafatesana noho ny mosary misy. Isika ve dia ho very tokoa ny akabeazany
Ireo mpanao Politika sy manampahefana hafa ve madio fo, manana fahazavana, mankato fa misy ny ambony avo indrindra izay hahatahorana. tsy tahotra ny finoana kristiana fa fahaizana miaina Amin ny fahazavana sy fahamarinana izay fomba hialana ny toetra tsy mendrika hahatonga any Amin ny atao hoe fiadanana. Mety ho nofy izany Amin ny daholo be, kanefa mino koa za fa tena misy olona kristiana miaina ampiadanana ao Amin ny kristy, tsy misy ahiahy sy tahotra sy tebiteby fa sambatra ara panahy

ny mpahay lalana ve tena manaraka tsara koa ny Codex lalana nianarany tamin ny fahaizany lalana? Sa misy ny tsy fahazavana, risoriso sy voavidy vola

Misaraka tokoa ny fahefana Mpanjaka( miseho endrika mpanao Politika ankehitriny) sy fahefana ao Amin i Kristy. "Omeo ny Kaisara ny sahaza ny kaisara..."
Raha te olombanona isika Malagasy, dia ny fototry ny fo madio tsiss fialonana, tsiss fangalarana, tsiss fankahalana, tsiss zahozaho, tsiss faminganana, tsiss famonoana, tsiss fanambakana, tsiss fametsifetsena sns....
Ireo anefa dia voafehin ny fitsipika sy fifehezana anaty lalampanorenana misy ao Amin ny firenena iray (resaka fahaizana lalana ambony), ka misaraka ny atao hoe finoana fivavahana sy ny atao hoe fanjakana raha manaraka ny voasoratra anaty baiboly ary miaina Amin izany
Mirary soa ho an ny tanindrazana malagasy, mivavaha ho an ny firenena malagasy sy ireo mpitondra ao aminy mba hadio fo araka ny finianiana dina nataony, sy hitandrina ny tsara foana mba tsy ho nofy ary ireo devoly(bibidia dragona, lucifer sns) ho ripaka tokoa ka tsy hanana anjara eo firenena malagasy.

Mahereza daholo ao Amin i Kristy Jesosy Tompontsika! Amen!

17. endriny ( 23/05/2014 00:04)

Tefigasy:

endriny:


Tefigasy:

Ohatra fotsiny, ilay sarin’ny bibidia dia milaza ny fanjakana romana (arak’izay ambaran’ny « preteriste ») nefa tsy ny fanjakana romana ihany no raiketin’io sarin’ny bibidia

Dia mampihomehy ianao satria ny Romanina no namorona ny fiangonana Kristianina. Sa bibidia ihany koa izany ny Kristianina. Ny jiosy sy ny silamo aloha dia efa miteny izany.


Afaka mihomehy ianao fa tsy maninona ka, sady mahafinaritra ny mihomehy, mahatanora lalandava. Saingy mba vakio tsara ny baiboly fa tsy tany Roma ary tsy ny Romanina araka ny ambaranao no namorona ny fiangonana kristianina. Iray izay, jereo tsara ihany koa ny tantara fa anisany namono na nampamono kristianina maro ny fanjakana romanina tamin'ny fotoany ary tsy ho lazaiko anao ny tohiny fa sao dia lazainao fa mamorona eto indray aho fa aleo mba mamaky baiboly ihany r'ise a!

Aoka rahavako, fa tsy misy na iray aza ao anaty baiboly milaza ny famoronana fiangonana afa tsy ny sigaoga irery ihany. Fitoriana no nanirahana ny apostoly, fa ny Romanina, averiko indray, no nampiasa ny kristianina ho fitaovana ka namorona ny fiangonana hiadiana amin'ireo mpanjaka na fanjakana tany eraopa.

Amin'ny Sinoa dia 4, 44, 444 no isan'ny fanahy ratsy. Samy manana ny isany io.
18. Tefigasy ( 23/05/2014 06:10)
endriny:

Aoka rahavako, fa tsy misy na iray aza ao anaty baiboly milaza ny famoronana fiangonana afa tsy ny sigaoga irery ihany. Fitoriana no nanirahana ny apostoly, fa ny Romanina, averiko indray, no nampiasa ny kristianina ho fitaovana ka namorona ny fiangonana hiadiana amin'ireo mpanjaka na fanjakana tany eraopa.

hihihihihi, mba nihomehy ihany koa aho teto rahavana, mahasoa mihitsy ilay mihomehy.
Farito ary aloha ny anao ny atao hoe fiangonana e : sao dia ilay trano miezinezina, misy tilikambo avo dia avo, mamirapiratra ery ny ao anatiny, feno sarivongana sy sarisary tahaka ilay nidiran'i rhjo ihany no anao no atao hoe fiangonana aminao ?
Raha izany ihany mantsy dia tena diso aho fa mialatsiny !
19. Tefigasy ( 23/05/2014 06:47)
mamonjy1:

Aoka koa tsy hitsara ianao tefigasy,fa mbola ho tsaraina.

Aza matahotra ise fa tsy ise akory no tsaraiko fa izay nambaran'ise no namariniko na nodisoiko araka ny hita ao anaty baiboly. Nilaza koa ise indray andro izay (lohahevitra teto) hoe tsy maty i Jesoa Kristy, sns .... Nametrahako fanontaniana moa ise tany saingy toa tsy novalian'ise ny fanontaniako, tsy notohizako intsony koa ilay izy fa efa nisy namana hafa niezaka nanazava ihany ny momban'iny hevitra naroson'ise iny.
Mila mitandrina tsara isika mpizara ny hafatra avy amin'ny Tompo fa sao lasa mivilana. Ise ihany ary moa teo ambony dia milaza mihitsy fa mpitari-bato mivilana ny mpanora-dalana sns. Mila mandini-tena isika hoe sao dia mba ao anatin'ny sobikan'ireny ihany koa ary rehefa miteny. Izay no ilana hatrany ny soratra masina r'ise a: hijerena tsara hoe tena izay ve no izy sa tsy izay. Anisan'ny nideran'Andriamanitra ny fiangonana tany efesosy izany fizahan-toetran' ireo milaza ny tenany ho apostoly kanjo tsy izy !
mamonjy1:

Antony Nanambarako ireo momba ahy ireo,de zava-nisy,fa tsy foroniko,ary tsy mifanipaka@baiboly akory.

Izay indrindra no nangatahako aminao eo ambony hoe: ho eto ary ny fanamarinanao fa ara-baiboly ilay izy. Izaho anie tsy miteny hoe diso izany na marina e, fa fangatahana no napetrako hoe ahoana no hilazanao, sy hanamarinanao azy ao anaty baiboly.
Hilazako tantara mahatsikaiky ianao : tamin'ny taona 2000 ity no nitranga, nalaza dia nalaza mihitsy tamin'izany io isa 666 io. Nisy olona namana mpanao fanantanjahan-tena andeha hanao fifaninana mihazakazaka. Dia samy nozaraina laharana (dosara angamba no filaza ireny nomerao apetraka ao an-damosina ireny) avy ny tsirairay. Satria maro ny mpifaninana (800 mahery) dia nisy tao anaty laharana ny 666 ary azon'ity akama iray io laharana io. Avy hatrany izy dia niakapofona hoe, aleoko tsy manao toa izay hitondra an'io nomerao io eny ampihazakazahana. Olona tena matanjaka anefa izany, ary azoko antoka fa raha tsy mahazo voalohany izy dia ho faharoa amin'ilay fifaninanana. Saingy noho ilay laharana 666 dia niahotra izy dia nijanona. Maro mantsy ny fampitahorana tamin'izany fa io isa io dia ......
Nisy ihany koa mpitory nikasa hanangana fiangonana tamin'ny taona 2000 ihany. Nivarotra billet sakafo zareo mba hitadiavany vola. Nanatona ahy ny sasantsasany nivarotra ilay billet dia niteny taminy aho hoe omeo anakiroa ary aho. Nandrovitra ilay billet izy dia laharana 665 sy 667 no nomeny ahy. Gaga aho dia nanontaniako zareo hoe tsy tokony ho 665 sy 666 ve ny laharana billet omenareo ahy , sao dia telo no voarovitra teo ? dia tsy ambarako eto ny teny namaliany ahy fa betsaka ny mety ho tapa-tsinay. Vokatr'ilay filazana daholo izany rehetra izany fa isan'ny devoly ny isa 6, isan'ny mpanompo sampy, ..... ary ny loza ary moa ankehitriny dia misy sahy miteny mihitsy hoe andron'ny devoly ny andro zoma sy ny andro alahady ka tsy tokony hiankohofana amin'Andriamanitra, ho very daholo izay mivavaka alahady , sns ... Azonao ny fihatraikany ?
mamonjy1:

FAHAVALON'ANDRIAMANITRA DAHOLO NY OLONA MANOHITRA,NA MANEVATEVA AZY.
ARY RAHA OLONA TSY TE HIOVA AKORY NO MBOLA ATAONAO SAKAIZA,DE LASA FANDRIKA AMINAO IZANY.
(...)
FAHAVALO=MPANOHITRA AN'ANANDRIAMANITRA.,ARY FAHAVALONTSIKA KOA IZANY,SATRIA ISIKA MPANARADIA AZY.

Dia ahoana hoy ny Tompo aminao (aminao hoy aho fa tsy ho an'ny devoly) : Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo , ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo
Aiza ny mpianatra no asain'ny Tompo handeha hampianatra ? any amin'izao tontolo izao fa tsy any amin'ireo efa any amin'ny paradisa akory ary averiko foana ity hoe tsy tonga hiantso ny marina ny Tompo fa ny mpanota mba hibebaka !
20. moustaraf ( 23/05/2014 11:23)
Salama namana isany,
Miroritra be ny fanehoan-kevitra amin'ny samy kristiana eto an!

1.Averina eto indray:
Kristiana = chrestos= mpanara_dia an'i Christi: mpilalao ody mahery
io no famaritana ny hoe "kristiana "amin'ny romana, ary maro be ny mpilalao ody mahery no nantsoin'ny romana hoe CHRISTI.
ka Iesus dia isan'ireo nantsoina hoe Kristi, nihavian'y IESUs CHRESTOS , izay tsy misy ifandrainy velively amin'ilay mpamonjy YESHUA HAMASHYRHA

2.Ny mpino tany Atiokia dia Meshyrhym na mpanara-dia an'i Hamashyrha no tena anarany, fa ny grika sy ny romana izay zatra milalao ody ratsy no ametaka ny anarana hoe chreton (mitovy amin'ireo antokon'olona mpilalao ody ratsy rehetra)
Tsy rehareha mihitsy akory ny fitondrana a'izay anarana Kristiana izay fa tokoy hahamenatra , satria Tsy kristi (mpamosavy, mihosotra menaka) no arahina fa Hamashyrha (mpisorona, mpanjaka, mpamonjy)

3. 666 = isan'y anarana
Mihazakazaka isika hamantatra a'ilay 666, nefa izay tena tokony hofatarina dia ilay ANARANA iaviany!
-Anarana ivavahana maneran-tany , ary eken'ny firenena rehetra, manao fahagagana, anarana blasfema, anarana noforonin'ny bibidia, anarana fitenenan-dratsy = IESUS KRISTOS
izay nalaina avy a@ fanompoan-tsampy, nasolo an'ilay anarana nomen'i Avo indrindra.
APOK 13:17
Marika = anaran'ny bibidia , isan'ny anarany (666)

-APOK 14:1
Ny anarana izay ankohofanao no mipetaka amin'ny handrinao sy eo @ tananao
-Izay miakohoka @ zanak'ondry (Yeshua hamashyrha no anarany ary Elohym no anara'ny Rainy) dia manana ny anarann'ny zanak'ondry eo aminy,
-Izay miakohoka amin'ilay Anarana sandoka noforonnin'ny bibidia (+ sariny) , dia ny anaran'ny bibidia no hohita eo aminy,

Io no tanjona lehibe indrindra ataon'ny Shedym (devoly); dia ny Hamitaka ny maro (izao tontolo izao) ami'ny anaran-diso; Ny baiboly tsy novainy, ny tantara tsy novainy fa ny ANARANA IRERY IHANY no nokitihiny kely dia izay no vita!
Ohatra:
"Izay rehetra tsy mino fa Jesosy no Kristi": hoy ny bibidia
Tena izy:" Izay rehetra tsy mino fa Yeshu'a no Hamanshyrha"
Lasa mivadika tanteraka ny tantara, ary lasa ilay tena izy "Yeshu'a" indray aza no lazaina fa sadoka....fa i Kristi no tena izy...

Na inona na inona filaza; manasitrana, mahavonjy, manao fahagagana, mandresy lahatra, manome fanahy , manova fiainana, sns....Efa hitan'i Apostoly Jaona izay (sy Daniela,...), fa fitaka no ao ambadika ary fahaverezana no tambin'izany.
Ny ANARANA MAHAVONJY dia efa nomena hatramin'y nanorenana izao tontolo izao, fa tsy vao noforonina akory aty aorian'ny apostoly.

Mahereza daholo! AMEN

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2739