ny tiako

1. lema ( 30/12/2003 13:36)
inona houa no tena mba tianareo sipa reo ,lé bandy maditra reny ve sa le bandy mipetrapetraka?
2. fijo ( 30/12/2003 18:16)
marina letsy io fanontanian'ialahy io ralema,fa ny sipa dia misisika mihintsy amin'ireny bandy maditra ireny.raha sendra bandy hendry dia hoe,tsy mahavita azy.ka inona marina no tadiavinareo reto e?
3. donemaskit ( 31/12/2003 20:47)
Sipa tsy ampy fisainana leisy ireny mirevy bandy maditra ireny!
Fa aleo izy no hamaly...
4. kally ( 31/12/2003 20:47)
Ny ahy ilay tia be ahy no tiako,tia be nefa tsy zaka ho entina amin'ny sangany.Mandreraka be ireny lehilahy tsy misy hazon-damosina ireny mantsy.lol!
5. xxx ( 31/12/2003 20:48)
lé kofa mipetrapetraka reny aza mody hendry fa reny tena maditra!
d tsy hay tsony zay tena izy@ nareo kofa fa ny hendry heverina maditra ny maditra ihany kou gaigy b ihany!! ka tsy hita tsony ny tena mariné!
ny bandy v kay d tsy mety mitsy ra tsy mionona @zay hananany fa tsy maintsy maka ny any @ sisiny fona na d efa manbady aza!(na d tsy misy hidirany aza ilay resaka)!??
6. andri ( 31/12/2003 10:26)
@ izao fotoanaizao dia lasa resa-be io! Fa ny tena zavatra voamariko ary hananana porofo be dia be dia taloha izany hoe bandy maditra fa izao dia tena 90@ 100 no sipa no tena gaigy sy maditra ! Hafa t@ andron'ny ray amandreny taloha hoe vehivavy manaja vady fa ny akamaroany dia tena be famaliana sy mandary vilana ilay hoe mitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy !! Raha miteny vehivavy ny lehilahy izao @ fomba fitafy dia lazainy fa hoe : fisainanan'antitra hono nadia akanjo mi-provoquer - bandy aza!!!( string... Jupe fohy kely , akanjo manify...) Dia izao: koa firy @ sipa manana bandy be vola no mihodina izao?? midika izany fa tsy resaka vola no mampaditra azy fa dia revy fotsiny!!!
Kanefa dia ireo sipa sy vehivaby no be mpanao reclamation hoe aiza ny zon'ny vehivavy rehefa voadona na sendra bandy maditra kanefa ny azy zavatra tadiavina!!!!!!!!!!!
7. isrine ( 31/12/2003 18:58)
Ny ahy reny bandy masina be reny no tiko e, hihihi!
Nareo lehilahy koa ve tsy mba afaka ny tsy hanaraka vehivavy na de hoe manisy akanjo mi-provoquer aza ny vehivavy. Akipio ny masonareo e, de samy vita.
8. donemaskit ( 01/01/2004 11:25)
Hafa² be lay hoe "bandy masina" ny mety² kokoa ngamba dia hoe "bandy mipetrapetraka"... manjary ohatra ny hoe : gentil le chien!
9. lema ( 01/01/2004 16:44)
mety misy taonany no itiavanareo azy,le sipakely reny no ty madiditra fa rehefa matomatotra ndry ka te anambady ry zareo de lé mipetrapetraka no tiany;zay no fahalalako azy.
10. donemaskit ( 01/01/2004 16:47)
Miombon-kevitra @ Lema aho : "raha nandinika ny saiko e! marina e! marina a!!! Lay mipetrapetraka no ilaiko e...! "
11. isrine ( 02/01/2004 18:08)
ka ny vehivavy anie no anontaniana e.
Ka raha bandy mipetrapetraka, sokorina vao hihetsika koa, de ahoana?
12. donemaskit ( 02/01/2004 09:33)
Diso hevitra Isrine : "mipetrapetraka" tsy midika mihitsy hoe "bado", mampiasa saina vao mampiasa vatana...!
Fanampiny, ny taoka, rongony, sigara sns manimba ny vatana : lasa mora reraka, tsy dia manana maîtrise tsara ny sens rehetra... Zany hoe ny "bandy mipetrapetraka" ont de meilleurs capacités physiques!
13. donemaskit ( 02/01/2004 09:34)
Vokany : lanitra faha7 ho anareo vehivavy!
14. ikaretsaka ( 03/01/2004 15:28)
amen mihitsy ra donne a!
15. tequila ( 05/01/2004 09:02)
Ny ahy ny tsy tiako aloha dia ny lehilahy mody hendry e ! Aloe aza hita hoe inona ny toetrany na ratsy aza toy izay manafina ka maika mandreraka rehefa miseho masoandro .
16. donemaskit ( 05/01/2004 09:27)
Mba mailo ihany e...!
17. xxx ( 05/01/2004 19:51)
Ny ahy reto bandy matanjaka,mahavita azy no tiako an,hoatran'i fijo ohatra zao
18. donemaskit ( 05/01/2004 09:06)
ohatra an'i Obélix koa...!
19. rinakely1 ( 05/01/2004 11:38)
lé "mysterious-man"reny no ady clé e!
20. jessicac ( 05/01/2004 12:59)
Misy koa anie bandy tena maditra b (record du monde mihitsy izany!!!!) aty aoriana anefa miseho "mipetrapetraka" reny ve tsy mi-récidive????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1582