Aza miresaka anarana andro

1. randyrandy ( 19/05/2021 13:32)
Rehefa miresaka famonjena izao tontolo izao amin'ny fahotana dia tsy afaka mandalo fotsiny an'i Jesosy Kristy. Ahoana no tsy hiraharahianao an'Ilay nanolotra ny ainy teo amin'ny Hazofijaliana nefa Izy no Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana?
Loza anefa fa hay misy fiangonana rahavavy koa ankehitriny sahy milaza fa efa manana Jesosy Kristy hafa fa tsy izay Jesosy Kristy lazainao aminy.
Ny azy dia tsy maintsy hoe Jesosy Kristy maty Alarobia dia mitsangana Sabata. Raha tsy io hono no Jesosy ivavahanao dia ho very ianao.
Manindry mafy ny tena hoe O! rey olona e! Izy maty sy nitsangana ho antsika anie no tena foto-dresaka fa tsy ny oma sy Alarobia sy ny Sabata sy ny Alahady e!
fa tsy mety izy fa tsy maintsy miresaka andro foana.
Izaho anefa dia te hilaza amin-dry zareo hoe AZA MIRESAKA ANARANA ANDRO rehefa hiresaka momba an'io fahafatesan'i Jesosy Kristy sy ny fitsanganany io fa filaharana andro resahina satria tsy misy Alatsinainy sy Talata sy Alarobia sy Alakamisy sy Zoma sy Sabotsy ary Alahady izany ao amin'ny Baiboly. Andro voalohany sy faharoa sy fahatelo sy fahaefatra sy faha dimy sy fahafito izay Sabata no fampiasany ao. Ary ny Jiosy dia tsy mba amin'ny 12 ora alina no manova ny andro fa amin'ny mileti-masoandro.

Manasa izay liana hiaraka MIHADY HEVITRA am-panajana izao!
novalian'i RBNIR ny 19/05/2021 15:41
2. RBNIR ( 19/05/2021 15:41)
randyrandy:

Aza miresaka anarana andro

Marina tokoa fa tsy misy ao anaty baiboly ny anarana andro hoe Alatsinainy na Talata na alarobia sns....
Andro voalohany, faharoa sns no hita ato, tena marina izany...

Saingy tsy dia hidirako lalina loatra angamba izay aloha eto fa "mba ho fanitsiana izay diso" ...no aleo mba hitondrako hafatra kely... araka ity teny ao amin'ny Timoty faharoa ity
2 Timoty 3:16-17 MG1865
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.

Misy marina tokoa milaza fa hoe maty alarobia i Jesosy ary dia misy mihitsy ary sahy milaza hoe izahay dia mivavaka amin'Ilay Jesosy maty alarobia (fa tsy Ilay Jesosy maty Zoma)

Ny tena marina anefa, na ny andro, na ny ora ihany koa aza dia voasoratra anaty baiboly mikasika ny nahafatesan'i Jesosy...

Ho anao izay maniry sy mangetaheta ary mikatsaka ny fahamarinana momba izay ary no izarako ireto vidéo ireto...Jereo ampitiavana fa dia tena ho hafapo tanteraka ianao ary dia ho fantatrao ny tena marina momba izay...

https://www.youtube.com/watch?v=wffeKSjrBt4

https://www.youtube.com/watch?v=aTZtWM3loqA

https://www.youtube.com/watch?v=RE_chTuM__k

https://www.youtube.com/watch?v=56g4Vj9MEp8

https://www.youtube.com/watch?v=DqDyyKm_Q2c

Somary lavalava ihany vidéo 5 ireo, nefa mino aho fa raha hitanao hatramin'ny farany dia ho fantatrao marina tokoa ny marina

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2827