Aza miresaka anarana andro 
randyrandy - 19/05/2021 13:32
|
![]() Loza anefa fa hay misy fiangonana rahavavy koa ankehitriny sahy milaza fa efa manana Jesosy Kristy hafa fa tsy izay Jesosy Kristy lazainao aminy. Ny azy dia tsy maintsy hoe Jesosy Kristy maty Alarobia dia mitsangana Sabata. Raha tsy io hono no Jesosy ivavahanao dia ho very ianao. Manindry mafy ny tena hoe O! rey olona e! Izy maty sy nitsangana ho antsika anie no tena foto-dresaka fa tsy ny oma sy Alarobia sy ny Sabata sy ny Alahady e! fa tsy mety izy fa tsy maintsy miresaka andro foana. Izaho anefa dia te hilaza amin-dry zareo hoe AZA MIRESAKA ANARANA ANDRO rehefa hiresaka momba an'io fahafatesan'i Jesosy Kristy sy ny fitsanganany io fa filaharana andro resahina satria tsy misy Alatsinainy sy Talata sy Alarobia sy Alakamisy sy Zoma sy Sabotsy ary Alahady izany ao amin'ny Baiboly. Andro voalohany sy faharoa sy fahatelo sy fahaefatra sy faha dimy sy fahafito izay Sabata no fampiasany ao. Ary ny Jiosy dia tsy mba amin'ny 12 ora alina no manova ny andro fa amin'ny mileti-masoandro. Manasa izay liana hiaraka MIHADY HEVITRA am-panajana izao! |
RBNIR - 19/05/2021 15:41
|
![]() Marina tokoa fa tsy misy ao anaty baiboly ny anarana andro hoe Alatsinainy na Talata na alarobia sns.... Andro voalohany, faharoa sns no hita ato, tena marina izany... Saingy tsy dia hidirako lalina loatra angamba izay aloha eto fa "mba ho fanitsiana izay diso" ...no aleo mba hitondrako hafatra kely... araka ity teny ao amin'ny Timoty faharoa ity 2 Timoty 3:16-17 MG1865 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra. Misy marina tokoa milaza fa hoe maty alarobia i Jesosy ary dia misy mihitsy ary sahy milaza hoe izahay dia mivavaka amin'Ilay Jesosy maty alarobia (fa tsy Ilay Jesosy maty Zoma) Ny tena marina anefa, na ny andro, na ny ora ihany koa aza dia voasoratra anaty baiboly mikasika ny nahafatesan'i Jesosy... Ho anao izay maniry sy mangetaheta ary mikatsaka ny fahamarinana momba izay ary no izarako ireto vidéo ireto...Jereo ampitiavana fa dia tena ho hafapo tanteraka ianao ary dia ho fantatrao ny tena marina momba izay... https://www.youtube.com/watch?v=wffeKSjrBt4 https://www.youtube.com/watch?v=aTZtWM3loqA https://www.youtube.com/watch?v=RE_chTuM__k https://www.youtube.com/watch?v=56g4Vj9MEp8 https://www.youtube.com/watch?v=DqDyyKm_Q2c Somary lavalava ihany vidéo 5 ireo, nefa mino aho fa raha hitanao hatramin'ny farany dia ho fantatrao marina tokoa ny marina |