Fa Mba Iza Moa i Paoly?

1. rhaj0 ( 27/10/2016 12:50)
Mahaliana (ahy) ihany, fa misimisy ihany ny Kristiana no mifototra ny fi(s)ainany @ Paoly sy izay nosoratany. Toa hoe, @ ireo boky 27 ao @ testamanta vaovao ao, dia efa ho ny antsasany no toa hoe an'i Paoly; mety ny 1/4 no hoe, izy Paoly mihintsy no nanoratra azy.

Ohatra teo izao, ry RBNIR dia manindrahindra ny soratr'i Paoly ao @ Efesiana. Nefa, ary indrisy ry tava-tsosisy hozy ny gasy izay, indrisy fa ny soratra-rakitra izay mitatitra ny resak'i Jesosy en personne ao @ Matio/Lioka indray no akipakipak'i RBNIR ary hodiany tsy fantatra.

Ka dia apetrako ny fanontaniana : "Fa Mba Iza Moa i Paoly" ???

Fa mba ahoana koa no tena mba nananany fahefana manindry ny sain'ny Kristiana toa io...

Hotry ny teny na revirevin'i Paoly ve no ambony kokoa noho ny "teny na revirevin'i Jesosy" izay notaterina mivantana atsy @ MatioMarkaLiokaJaona???
novalian'i rhaj0 ny 22/11/2016 16:01
2. rhaj0 ( 27/10/2016 14:00)
Marihiko kely fotsiny ny hitakitako eraky ny interinety fa

1- mbola zaza i Paoly no efa maty i Jesosy. Izany hoe, TSY mba isan'ireo mpianatra direkta toa iretsy Apaostaoly 12 i Paoly.

2- ary t@ fahatanorany azany, i Paoly dia isan'ireo mpanenjika (ni-persécuter) ny nivavaka na mpianatra kristianisma (disciples).

3- efa ho tany @ faha-25 na 30 taonany i Paoly vao nijapy ny lamasinina kristiana, ary ny niafarany moa, dia tena izy mihintsy no nitondra ny lokomotiva.


Avadibadiho ny google ao; mila ianao mihintsy no mitady dia mahita, fa raha mbola toroako eto foana ny rohy dia tsy hino mihintsy ianao fa lazainao fa mpanaratsy eto fotsiny aho.


Fa dia izay ho'a eee... Fa dia maninona loatrany ny Kristiana (sasany) no dia miloloha an'i Paoly sy izay soratrany na fampianarany???
3. rhaj0 ( 27/10/2016 14:58)
Dia mba itovizan'ny imazination, dia toatoa izao hono i Paoly:
Bainina potapota, solasola, bingobingo, salamalama, tokana volomaso ary lava orona.
"A man of small stature, with a bald head and crooked legs, in a good state of body, with eyebrows meeting and nose somewhat hooked"



mampihomehy ihany fa hotry ny mahay mi-zesta maka selfie izany ilery, ary misy cassette-na DVD eo an-tanany, ary manao solomaso koa izy @ io.. f'angaha tsy Imahagaga koa ilery eee.. raha tsy izany ve tsy ahorinareo Kristiana (sasany) @ Paoly ny fi(s)ainanareo

4. rhaj0 ( 27/10/2016 15:21)
Tsy aritro ihany, fa @ sary, dia toa ireny sipa mahay maka sary ireny, somary mitongilana kely, dia manome ny profile na ny 3/4 @ izay hita hoe mahiamahia.. Ny robe @ io milamina tsara.. ilay lamba etsy @ soroka, ny lokon'akanjo miady tsara, ny volo vita rouleaux t@ alina... tena ao tsara mihintsy ee :-)

Ka dia ny fahitako azy dia bainina toa vavivavy izany ho'a izany i Paoly eee... tsisy maharatsy an'izany.

Fa fotsiny hoe... i Paoly no tena sakay kely rano @ homosekisoaly.. Koa na i Jesosy azany tsy nanameloka ny homosekisoaly. Kay izany io izy io... Io foana no nolazaiko hoe, nataon'ny homosekisoaly inona azany ilay olombe nanoratra BAiboly, i Paoly io izany, no dia masiatsiaka @ n'a pas @ homosekisoaly...
5. endriny ( 28/10/2016 05:03)
Andraso eo Paoly!
6. rhaj0 ( 28/10/2016 12:57)
marina tokoany ho'a.. andraso eo i Paoly.. i Paoly mbola mi-zesta maka sary io anbony io. Jereo anie ny filatron'ny tongotr'ilery eee... Jereo nefa ohatra ny sarin'i Jesosy fa mijidina tsara toa miaramila foana. Fa tsisy maharatsy azy daholo izany eeee....


Fa raha ny @ Paoly, dia raha ny fahitako azy, dia

1- miorina @ Paoly ny Katolisisma. Tokony ho Paolisisma anie iilay izy, fa savisavihan-drizareo i Kristy, dia maimbo ao h@ Kristianisma izany eee...

2- miorina @ fangalarana tahaka ny nataon'i Paoly ireo manandra-tena ho messiah rehetra taty aoriana, h@ Joseph Smith-dry Mormon, ka h@ Apostaoly Herinirina na koa i Mailhol


Izay no maha-zava-dehibe ny handrasarasana ny @ Paoly. Nefa moa, ireo Kristiana dia efa manana tsindri-mandry fa ho oainina raha mihahaka eto ny resaka Paoly, ka dia... andraso eo i Paoly eee...
7. endriny ( 28/10/2016 13:49)
Ka ny Gasy eny an-tsena aza mahalala an'io resaka io kosa ve dia atao ahoana? Fa io moa izay mahay manoratra hono manamphaizana ka atao ahoana.

Ny Ntaolonay tsy nahay nanoratra fa ry zareo vazaha no nanoratra dia eto isika e

Ka na hatramin'izao aza dia ny vazaha ihany no manoratra ny tantaran'ny Malagasy, fa vitsy ny Malagasy manoratra (izaho koa izany tokony mba manoratra a). Ary izay manoratra indray manoratra amin'ny teny vazaha daholo. Ny mpanoratra amin'ny tenigasy ifiran'ny olona fa tsy baiboly tsinona koa. Ny eo amin'ny fanabeazana moa dia efa atao mihintsy izay amotehana ny tenigasy.

Izay fa aza miandry an'i Paoly hoy I Jeneraly izay e
8. rhaj0 ( 28/10/2016 19:46)
Eny tokoa, efa fantatry ny Gasy eny an-tsena i Paoly, fa nataon'i Mahaleo (fa tsy Jeneraly) vita hira. Nataon-drizalahy tsara petrapetraka ilay Saoly lasa Paoly.

Mahaleo - Saoly:
Fahiny ela be izay nahoana moa ry Saoly
Tao Damasikosy ianao feno fankahalana be
Ireo mino an’i Jesosy tena nohejehinao
Ankehitriny anefa toa nisy fiovana be

http://tononkira.serasera.org/hira/mahaleo/saoly - Tsiky dia ampy


Marihina fa ny andiany faharoa @ ilay hira...
Teny an-dalana izy nahita an’i Jesosy
.. dia mila raisina ho parabaolina, ka ilay "nahita" dia hoe "ni-imaginer". Satria i Saoly (lasa Paoly) dia teo @ 5 taona t@ maty i Jesosy.



Asan'ny Apostoly 9:21 Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tonga at? koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin’ ny mpisoronabe.
22 Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy [Gr. Ity] no Kristy.

9. RBNIR ( 30/10/2016 03:36)
Paoly dia saoly no anarany teo aloha
« Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry. » (Asan'ny Apostoly 7:60)
« Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany. » (Asan'ny Apostoly 8:1)
« Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra. » (Asan'ny Apostoly 8:2)
« Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina. » (Asan'ny Apostoly 8:3)

Voalaza fa nampahory mafy ny fiangonan'i Kritsy izy

Saingy...Indray andro dia nisy toe-javatra tahaka an'izao nitranga taminy « [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy » (Asan'ny Apostoly 9:1)
« ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy na vavy. [*Gr: lalana] » (Asan'ny Apostoly 9:2)
« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asan'ny Apostoly 9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asan'ny Apostoly 9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asan'ny Apostoly 9:5)
« fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. » (Asan'ny Apostoly 9:6)

Nisehoan'i Jesosy izy ary nofidiny sy nirahiny....

hotohizana raha sitrapon'ny Tompo....
10. endriny ( 31/10/2016 03:20)

rhaj0:

http://tononkira.serasera.org/hira/mahaleo/saoly - Tsiky dia ampy[/i]


Marihina fa ny andiany faharoa @ ilay hira...
Teny an-dalana izy nahita an’i Jesosy
.. dia mila raisina ho parabaolina, ka ilay "nahita" dia hoe "ni-imaginer". Satria i Saoly (lasa Paoly) dia teo @ 5 taona t@ maty i Jesosy.


[/quote]

Misaotra betsaka nampatsiahy hay tokoa moa tao amin'ny baiboly misy ilay hoe I Saoly nanova anarana hoe Paoly S niova ho P, ohatran'i Revody Jean Michel niova ho Revody Jean Marc io a (Bilagy taloha io a).
11. rhaj0 ( 31/10/2016 18:13)
RBNIR:
ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy...

hi hi hi.. Io koa no nolazain'i Tsaratsara. Dia taloha koa i Tsaratsara dia dahalo. Ka i Paoly izany no nianarany eee...

Hono ho'a ry RBNIR.. ahoana indray ny abobo nolazain'i Herinirina, ka mahatonga azy ho Apostoly ao hono, ka nanome azy zo, araka ny Baiboly, ny hikepokepoka ny 1/10-karenan'ny olona??
12. rhaj0 ( 01/11/2016 14:30)
Iverenako indray ny @ Paoly. Rahefa mamadibadika ny google aho, dia ny fahazoako azy, dia :

--- raha i Jesosy no Marx, dia i Paoly no Lenine ---

i Jesosy, toa i Marx, dia "mpampianatra mahay", hozy ny mpanaraka azy.
Fa i Paoly kosa, toa i Lenine, no nanorina sy nandrafitra (fiangonana).


Izay, raha ny fahitako azy, no maha-zava-dehibe an'i Paoly. Ary i Paoly akoriny azany, raha mbola ny fahitako azy ihany, no manana influence bebe kokoa @ Kristian(ism)a noho i Jesosy :
- i JEsosy dia TSY nanoratra tao @ Baiboly, fa notaterina tao fotsiny ny nataony. Ireo "gospels" 4 (MatiioMarkaLiokaJaona) no mirakitra ny fampianarana "direct" an'i Jesosy
- i Paoly anefa no nanoratra ny antsasaky ny TV. Lazainy fa nobitsihin'i Jesosy hono izy, nefa moa, dia i Paoly ihany no "vavolombelon'ny bitsika".

Fa maneho ny maha-zava-dehibe an'i Paoly, dia nny nosoratan'i RBNIR teo, satria dia
- ny soratr'i Paoly tao @ Efesiana ho'a no narangarangany, fa
- ny resak'i Jeosy direct ao @ Matio/Marka dia nakipakipany.

13. rhaj0 ( 01/11/2016 23:23)
rhaj0:
--- raha i Jesosy no Marx, dia i Paoly no Lenine ---

i Jesosy, toa i Marx, dia "mpampianatra mahay", hozy ny mpanaraka azy.
Fa i Paoly kosa, toa i Lenine, no nanorina sy nandrafitra (fiangonana).

Dia mbola azo tohizana hatrany ny fampitaha

Dia i Luther no Mao, ary i Joseph Smith no Kim-Il-Sung

I Luther izany no nandrafitra/nanorina ny Protestantisma, ary i Joseph SMith ny Mormonisme


Dia miitatra hatrany Dago izany ilay revy, ka azo atao koa hoe:

ny Apostoly Herinirina no Pol Pot

Ny Apostoly Herinirina izany no nandrafitra/nanorina ny "tsisy-kilema".
14. RBNIR ( 02/11/2016 06:11)
Aleho angamba ho tohizana kely...

Avy aiza ny fampianarana izay notorian'ny apostoly Paoly?

« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Galatiana 1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Galatiana 1:12)


Avy amin'ny fanambaran'i Jesosy mivantana (izany hoe tahaka ireo apsotoly 12 voalohany) dia nampianarin'i Jesosy mivantana ihany koa i paoly (P.S: araka ny fantatro i tsaratsara tsy nilaza hoe nampianarin'i Jesosy mivantana aloha hatreto fa hoy fotsiny izy hoe nahita mazava....

Ny apostoly mantsy dia:
1 Fidian'i Jesosy mivantana
2 Ampianariny mivantana ilay fampianarana tsy misy kilema 2000 taona lasa....
3 Lehilahy fa tsy nifidy vehivavy izy....)

Ahoana, ny fomba nahitan'ireo apostoly hafa ny fampianarana nataon'i paoly????

« Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, » (2 Petera 3:15)
« tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. » (2 Petera 3:16)

1 Noraisin'izireo ho "rahalahy malala" i paoly,
2 Ekeo ho famonjena ...tahaka ny voasoratr'i Paoly (namporisika i petera ny haneken'ny olona ny fampianarana nomen'i paoly...
3 ny fahitan'i petera dia misy zavatra saro-pantarina ao amin'ny fampianaran'i paoly, ka mila "mitandriana ireo kely fahalalana" sy mbola tsy miorina tsara amin'ny finoana....
Rehefa tsy mahalala mantsy sy tsy miorona tsara mantsy ny olona iray dia mety ho lasa manolana ilay tenin'Andriamanitra (otran'ny sasany izay tsy hotononiko eto ny anarany.....)

Ary tena zava-doza dia lasa "mitondra fahaverezana ho an'ilay olona ny fanolanana ilay tenin'Andriamanitra torian'i paoly....
Very= lasa miala amin'ny finoana (misy otran'izany eto hoy aho fa aleo tsy ho tononiko ny anarany....)

Olona anankiray ihany hatramin'izao no mahay mampifandray ny filazantsara notorinan'ireo apostoly hafa sy ny nosoratan'i paoly...

Araho ato dia hitombo ny fahalalana ao anatinao ary ho fantatrao fa kay 1 ihany ireo filazantsara ireo fa tsy samihafa akory....









15. rhaj0 ( 02/11/2016 10:54)
Avy aiza ny fampianarana izay notorian'ny apostoly Paoly?
Avy amin'ny fanambaran'i Jesosy mivantana

1- Ilay Galatiana apongatrao dia Taratasy Nosoratan'i Paoly
2- ny resak'i Paoly dia mifototra @ hoe : nobitsihin'i Jesosy hono izy, nefa moa, dia i Paoly ihany no "vavolombelon'ny bitsika".

Ka ny affirmation-nao, hoe "Avy amin'ny fanambaran'i Jesosy mivantana" dia gratuit. Na hoe i Paoly no mampino anao (irery) an'izany, ka dia n'engage que celui qui le croit io.

Ny hoe "fanambaran'i Jesosy mivantana" dia notaterina tao @ 4 gospels IHANY, MatioMarkaLiokaJaoona, izay mirakitra ny vavan'i Jesosy direkta. Fa ny boky hafa sisa anaty Baiboly, dia... imagination-ndry Paoly sy Apostaoly sy ny hafa, rahefa MATY i Jesosy.


Fa eritrereto tsara ihany ry RBNIR ny fampitaha aaa...
--- raha i Jesosy no Marx, dia i Paoly no Lenine ---
Dia i Luther no Mao, ary i Joseph Smith no Kim-Il-Sung
Ny Apostoly Herinirina no Pol Pot, ary ny Profeta Tsaratsara no Mugabe



ka ianao RBNIr moa mino sy manaraka an'i Pol Pot; dia i Mugabe nefa toa tsy tianao, na hodianao tsy fantatra. Nefa anie nareo iray sobika sy iray fantam-bary ao ihany, nefa ho'a dia mifanipaka lava ao io eee... Sa concurrent-nareo ry Mugabe fa maka ny 1/10-karenan'olona izay tokony ho anao RBNIR sy Herinirina??
16. RBNIR ( 02/11/2016 11:14)
rhaj0:

1- Ilay Galatiana apongatrao dia Taratasy Nosoratan'i Paoly
2- ny resak'i Paoly dia mifototra @ hoe : nobitsihin'i Jesosy hono izy, nefa moa, dia i Paoly ihany no "vavolombelon'ny bitsika".

Efa nambarako fa misy hoy aho olona vitsivitsy resahin'Andriamanitra mivantana:

Ity olona ity no vavolombelona (Ananiasy no anarany)...

« Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko. » (Asan'ny Apostoly 9:10)
« Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy; » (Asan'ny Apostoly 9:11)
« ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony. » (Asan'ny Apostoly 9:12)
« Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema. » (Asan'ny Apostoly 9:13)
« Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. » (Asan'ny Apostoly 9:14)
« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asan'ny Apostoly 9:15)
17. RBNIR ( 02/11/2016 11:35)
Sahala amin'ny ankehitriny ihany....Izaho tsy nahita azy nofidian'i Jesosy mivantana sy nampianariny

Saingy mijoro vavolombelona aho ankehitriny fa tena marina ny fanambarany satria tanterka amiko 100% ireto teny manaraka ireto...

« Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. » (Jaona 14:15)
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)


MISY ZAVATRA FANTATRO TSY FANTATRAO!!! MISY ZAVATRA IAINAKO TSY IAINANAO!!! MATOA AHO MIKIAKIAKA HOE TENA MARINA RY ZALAHY FA TENA MISY ANDRIAMANITRA DIA SATRIA TENA MISY IZY.....
HAFA NY REEL HAFA NY IMAGINAIRE FA NY MITRANGA ANKEHITRINY DIA REEL FA TSY IMAGINAIRE.....

TAHAKA NY FIRESAKO AMINAO IZAO NO FIRESAHANY AMIN'IZAY OLONA TIANY HORESAHINA!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
18. rhaj0 ( 02/11/2016 12:16)
RBNIR:
Efa nambarako fa misy hoy aho olona vitsivitsy resahin'Andriamanitra mivantana

RAhefa milaza anefa i Tsaratsara fa nisehoan'i Jesosy koa izy, dia angarihanao. Tsy hainao akoriny anefa izay "bitsika" an'azy tany. Toa an'i Paoly ihany io, dia izy TSaratsara irery ihany no "vavolombelon'ny bitsika" tao.. Ary takayrao tsara io izao fa dia IMAGINATION-ny ary imagination-nareo jiaby ao fotsiny daholo izany. Hadalan'izay mino anareo.

Eto izao misy olona efa ho an'arivony angamba, samy milaza fa resahiny na nahita an'Andrmntra na Jesosy na Maria... na zaza io na lehibe, na hendry io na adala... ny an'ny sasany toa mainty izy, ny an'ny sasany be volombava, lava volo...
https://en.wikipedia.org/wiki/Visions_of_Jesus_and_Mary

Fa asa ianao raha mivanitika toa ahy, fa tsindrotsindrohin'ny Leglizy ny "vavolombelona" isan'isany ao. Dia izay imagination tena mba tena mifandahatra @ Baiboly no asandratr'i Vatican ho "Masina" (saint). Ny sasany azany no-excommunier-n'i Vatican mihintsy azony tena gaigibe loatrany.


Ka toa ny ahoana azany izany Izy "hitanao" tao izany eee...


19. RBNIR ( 02/11/2016 12:19)
Mbola tsy nandà an'iza na iza aho fa mampitandrina fotsiny satria ny baiboly nilaza hoe misy ny atao hoe kristy sandoka (misandoka ho Jesosy)

Raha hitanao fa 100% mitovy amin'ilay tsy misy kilema fahiny hoy aho dia ekeo fa raha vao misy na dia 1% aza tsy izy dia ialao...

Satria raha marina fa Jesosy no nampianatra azy dia tokony ilay nampianarin'i Jesosy fahiny ihany no ampianariny koa...
20. rhaj0 ( 02/11/2016 12:23)
Mbola tsy novalianao (toa ny mahazatra) ry RBNIR ny fanontaniana hoe, toa ny ahoana azany izany Izy "hitanao" tao izany... Ny an'i TSaratara efa nolazainy fa bôgôsy ranjanana mamirapiratra be.. ny hitanao dia toa ny ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3658