Isaorana betsaka Yahoshuah fa tena niasa naneho ny voninahiny tokoa,

1. Yahl ( 29/09/2015 10:03)
Tena PUB tokoa izao, hiantsoana izay rehetra mitady ny marina. EPISKÔPÔ Samuelson Edward
no Ambasadôr'ny lanitra avy @Yahoshuah sy ny Ray. Ary izy irery ihany no tsilovin'izany Fanahin'Yahoshuah izany hitondra ny fampianarana tsy misy kilema hamerina ny olona rehetra ambonin'ny tany @Atra. Hampahalala koa izay tsy mahalala ary miantso izay voafidy sy mahay mihaino ny fampianarana na eto Ma/kara na any am-pita, satria efa manerantany ny fampianaran @ATERINETO-n'Yahoshuah.
novalian'i Yahl ny 05/11/2015 10:14
2. Strong3 ( 29/09/2015 12:44)
c'était la pubbbbbbb :-)

Yahl:
[size=18]Ary izy irery ihany no tsilovin'izany Fanahin'Yahoshuah izany hitondra ny fampianarana tsy misy kilema hamerina ny olona rehetra ambonin'ny tany @Atra.[/size]


IRERY ? IRERY? IRERY ? IRERY? IRERY? IRERY

RBNIR koa : irery? irery? irery?

sisa zeroôôôôôô ...!!! :-) :-) mitovy amin'ny tsimisiAtra



3. rhaj0 ( 29/09/2015 13:26)
i Episkopo "irery" no tsilovin'i Yahoshuah izany kouh.. dia iStrong3 "irery" no tsilovin'ny Andrmntr'i Strong3 (ao @ imagination-n'i Strong3 ao)... inona ny blem??

Samy afaka manao be famaritra toa rambon'osy anie ny tsirairay ao @ imagination-ny (finoany) ao e... inona ny olana?? fa TSY mahakasika ny hafa any ivelan'ny imagination-ny izany...
4. 1marina7 ( 29/09/2015 13:28)

Strong3:

c'était la pubbbbbbb :-)

IRERY ? IRERY? IRERY ? IRERY? IRERY? IRERY

RBNIR koa : irery? irery? irery?

sisa zeroôôôôôô ...!!! :-) :-) mitovy amin'ny tsimisiAtra


Salma e,
Averiko foana ny teniko, IZA NO MPITORY TENY NILAZA FA MARINA IZY ARY MARINA KOA IZAY MANDRAY IZAY NOTORINY. I Episkopo irery no nilaza an'izany KA IZANY NO ILAZAINAY FA IZY IRERY NO NIRAHINA;
Andriamanitra tsy naniraka mpanota hitory teny, ho aiza ny jamba raha hitarika jamba, any an-kady no hihafarahany;
Tsidiho ny site web www.rtvyahoshuah.com ao no ahitana ny fampianaran'YAHOSHUAH izay entin'Episkopo Samuelson Edouard, Fampianarana milaza ny faharavan'ny didy folo sy ny lalàn'i Moizy. Ny momba ny anarana YAHOSHUAH.
YAHOSHUAH IRERY NO MAHAFAKA OTA.
5. Fiffi ( 29/09/2015 13:35)

1marina7:


YAHOSHUAH.
YAHOSHUAH IRERY NO MAHAFAKA OTA.

YAHOSHUAHYAHOSHUAHYAHOSHUAHYAHOSHUAH

wa wa wa wa !

.....Andriamanitra nga io no io irery no mahafaka ny ota ?

ntsssss

Andriamanitra dia Tokana ! tsy misy Andriamanitra hafa fa Izy irery ihany....
6. rhaj0 ( 29/09/2015 13:45)

Fiffi:
Andriamanitra dia Tokana ! tsy misy Andriamanitra hafa fa Izy irery ihany....

Ahitsiko kely :
Andriamanitra an'i Fiffi dia Tokana ! tsy misy Andriamanitra hafa fa Izy irery ihany no ao @ imagination-n'i Fiffi..

Yahoshua an'i Yahl sy iMarina7 dia Tokana ! tsy misy Yahoshua hafa fa Izy irery ihany no ao @ imagination-n'i Yahl sy iMarina7 .. ary izy IRERY ihany no nikaozy an'i Episkopo, na i Episkopo IRERY ihany no nokaoziny.


Inona ny olana ? nareo koa dia mifanaritak a@ izany... samy manana ny reviny io, ary ny revin'ny hafa dia TSY mahakasika anao, k'inona ny ifampivazavazana eto :-)
7. Strong3 ( 29/09/2015 13:56)
kkkkk :-) ... i rhaj0 izao dia zero Atra ary ao amin'ny imagination-any ao dia tsy misy Atra mihitsy
fa tamin'ny kely izy dia spiderman no tao hahaha :-)

marina:
Averiko foana ny teniko, IZA NO MPITORY TENY NILAZA FA MARINA IZY ARY MARINA KOA IZAY MANDRAY IZAY NOTORINY. I Episkopo irery no nilaza an'izany KA IZANY NO ILAZAINAY FA IZY IRERY NO NIRAHINA;..


dia mazava izany fa ny mpino hafa dia tsy sahy manamarina ny Atra ivavahany , fa ianareo irery no manamarina an'i Yahoshua-nareo ao
manaraka izany , iza no lazainareo fa mpanota mitovy aminareo???

raha tsy mapanota ianareo dia misy tsy mpanota koa ... fa aza dia miringiringy manamarintena sy midokatena toa ....

fa efa voasoratra hoe : izay mandratena no ahetrika ...
ka sao mba efa lalana tsy izy ity midokadoka tena ity eh...

tsy hitako izay mahasamy hafa anareo sy ry RBNIR

ampirisihan'Andriamanitrareo hanandratena ve ianareo sa ny imaginationareo no efa mivaivay dia mamboly fampianarana hoanareo eto ianareo ?

izaho hoa averiko ihany, raha mitory tsotra ianareo hoe ity no lalana tsy maninona , fa ianareo ity midokatena ity no hamatarako aratsoratra masina fa hafa ny rainareo fa tsy ilay niantso an'i Abrahama ary nanolotra an'i Kristy ho famonjena ahy!
8. Fiffi ( 29/09/2015 19:23)
rhaj0:


Fiffi:
Andriamanitra dia Tokana ! tsy misy Andriamanitra hafa fa Izy irery ihany....

Ahitsiko kely :
Andriamanitra an'i Fiffi dia Tokana ! tsy misy Andriamanitra hafa fa Izy irery ihany no ao @ imagination-n'i Fiffi..

Yahoshua an'i Yahl sy iMarina7 dia Tokana ! tsy misy Yahoshua hafa fa Izy irery ihany no ao @ imagination-n'i Yahl sy iMarina7 .. ary izy IRERY ihany no nikaozy an'i Episkopo, na i Episkopo IRERY ihany no nokaoziny.


Inona ny olana ?


Exode 20
…2Je suis l'Eternel, ton Dieu

...3Tu n'auras pas d'autres dieux devant ma face.

4...Tu ne te feras point d'image taillée, ni de représentation quelconque des choses qui sont en haut dans les cieux, qui sont en bas sur la terre, et qui sont dans les eaux plus bas que la terre.…

...ekeko aza we ny fiantson'i Yahl an'Andriamanitra dia "Yahoshuah".....fa kosa " EPISKÔPÔ Samuelson Edward
no Ambasadôr'ny lanitra avy @Yahoshuah sy ny Ray"

aiza ho aiza anaty baiboly no misy an'io ? voasoratra aiza io ?

"--------------YAHOSHUAH IRERY NO MAHAFAKA OTA."---------------


Andriamanitra zany io yahoshu io ?
9. RBNIR ( 29/09/2015 21:45)
Efa naverimberiko teto kosa hoe tsy 1 hoy aho fa efa 2 erak'izao tontolo izao, 1 eto Madagascar ary 1 any ampitan-dranomasina.....
Ny hafantarana azy dia tsotra, mampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema, ilay noraisin'i Jesosy mivantana avy tamin'Andriamanitra. « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)
..VAKIO ATO NY MOMBA MOMBA AZY
10. Strong3 ( 30/09/2015 05:50)
fa RBNIR ve Jesosy sa misoratena ho Jesosy sa ilay lazain'ny soratra masina hoe: misy hilaza fa Jesosy izy amin'izany andro izany???

ka sao mba ny episkopo no faharoa ry RBNIR ... sa tsy novonanianareo tao hoe iza ilay faharoa

... dia hoe any ampitan-dranomasina ny iray (1) ; fa tsy hainy noho hoe iza ilay izy :-)

izay ilay hoe minoa fotsiny ihany ry ilay dondrona ireto fa izay no nolazain'ny pasitera Herinirina ah!!!
mino enao tsara tsy mino enao very :-)
11. RBNIR ( 30/09/2015 06:19)
Strong3:

fa RBNIR ve Jesosy sa misoratena ho Jesosy sa ilay lazain'ny soratra masina hoe: misy hilaza fa Jesosy izy amin'izany andro izany???

ka sao mba ny episkopo no faharoa ry RBNIR ... sa tsy novonanianareo tao hoe iza ilay faharoa

... dia hoe any ampitan-dranomasina ny iray (1) ; fa tsy hainy noho hoe iza ilay izy :-)

izay ilay hoe minoa fotsiny ihany ry ilay dondrona ireto fa izay no nolazain'ny pasitera Herinirina ah!!!
mino enao tsara tsy mino enao very :-)

Tsy nilaza mihitsy isika hoe i Jesosy namana, Ilay fampianarana tsy misy kilema no notoriako teto!!!
Na ilay faharoa, na mbola hisy koa ny fahatelo sy ny fahaefatra sy ny manaraka dia tsotra,
Fampianarana 1 ihany = 100% mitovy amin'ilay nampianarin'i Jesosy Kristy Tompo fahiny ihany!!!

Izay no hamantarana azy!!!
12. RBNIR ( 30/09/2015 07:13)
P.S: Mba tsy hitenitenena foana tsy misy porofo ary rehefa nampitovy sy nanamarina aho dia misy tsy hitovizany amin'ny an'i episkopo ilay fampianarana 2000 taona lasa....
Ireto no tena hitako nisongadina :
1- Tsy misy resaka momba ny extraterestre mihitsy ao amin'ny baiboly (na ny testamenta taloha na ny testameta vaovao)
2- Jesosy tsy nandrava didy fa namporisika ny olona hitandrina ny didy....
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.» (Mat.19:17)
« Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Mat.19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Mat.19:19)

« Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Mat.23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Mat.23:3)

Araka io teny farany io dia hoy i Jesosy hoe izay rehetra lazain'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia mila atao sy tandremana...
Inona moa no nolazain'izireo tsy ny didy sy ny lalàna???

Nanamafy ny mpianatry ny Tompo fa tsy foana akory ny lalàna fa vao maika niorina tsara aza...
« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)

Sanatria izany hoy i paoly....








13. Strong3 ( 30/09/2015 07:50)
raran'ny lalàna ve ny manao raharaha rehefa sabata sa tsia?

valio mazava tsy misy olakolaka!
14. RBNIR ( 30/09/2015 09:04)
Strong3:

raran'ny lalàna ve ny manao raharaha rehefa sabata sa tsia?
valio mazava tsy misy olakolaka!

Vakio ny Eks.20:8-11
Heb.4:9 (baiboly Diem)
15. rhaj0 ( 30/09/2015 10:54)
Rehefa TSY lalàna velona ry Strong3 dia aza vakiana loha aaa... Ny "lalàna" ao @ imagination-n'i RBNIR dia TSY mahakasika anao fa ny anao revena :-)
16. andrianasolosudickhassan ( 30/09/2015 11:25)
mialatsiny fa tsy ALLAH(SWT) i YAHOSHUAH zany ka hahafaka ny ota.I Allah irery ihany no mahafaka ny ota raha mbola @ity donia ity.
17. andrianasolosudickhassan ( 30/09/2015 11:44)
fa iza moa no nanome an'lay anarana hoe jesosy,d avy aiza io anarana io.fa ôtrani tsy mba t@ teny "hebreo" manko no naka azy io.
18. bor2lais ( 30/09/2015 11:49)
RBNIR > ahoana indray ny hevitra(re)o mikasika an'i Tsaratsara ? Isan'ireo "12 lahy" lazainao ve izy sa ahoana ? :-)
19. Strong3 ( 30/09/2015 12:01)

RBNIR:

Strong3:

raran'ny lalàna ve ny manao raharaha rehefa sabata sa tsia?
valio mazava tsy misy olakolaka!

Vakio ny Eks.20:8-11
Heb.4:9 (baiboly Diem)


« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. » (Eksodosy 20:8)
« Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. » (Eksodosy 20:9)
« Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. » (Eksodosy 20:10)
« Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. » (Eksodosy 20:11)

« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Hebreo 4:9)

ka manao raharaha ianao ny sabata sa tsia eh???
20. RBNIR ( 30/09/2015 13:05)
bor2lais:

RBNIR > ahoana indray ny hevitra(re)o mikasika an'i Tsaratsara ? Isan'ireo "12 lahy" lazainao ve izy sa ahoana ? :-)

Isika mila manamarina tsara vao miteny:
Miditra lalina be amin'ny politika an!!! (fanjakana eto amin'izao tontolo izao)
Indray andro i Jesosy dia saika nosamborin'ny olona hatao mpanjaka (hatao filoham-pirenena)...
« Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.. » (Jao.6:15)

NITSOAKA JESOSY

Fa naninona IZY no nitsaoka???

« Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. » (Jao.18:36)


Ary io fanjakana eto amin'izao tontolo izao io dia efa nolaviny hatrany amboalohany satria tsy avy amin'Andriamanitra io fa avy amin'ny devoly!!!!

Nisy fotoana 1 nanoloran'Andriamanitra ny fanjakana rehetra eto amin'izao tontolo izao ho an'i satana...
« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lio.4:6)

Ity kosa manamarina fa tena ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao no resahina....
« Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Mat.4:8)


« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. » (1 Jao.2:6)

Raha JESOSY (ilay tety 2000 taona lasa) MARINA NO NANIRAKA AZY : azo antoka tsy haniraka azy hitondra fanjakana (eto amin'izao tontolo izao mihitsy)...

Tandremo : tena misy KRISTY SANDOKA - APOSTOLY SANDOKA ARY MPAMINANY SANDOKA.....
« Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. » (Mat.24:24)
« Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana*, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.[*Na: hatsangana] » (Mar.13:22)
« Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. » (2 Kor.11:13)

Kristy sandoka ilay tonga tahaka an'i Jesosy ankehitriny dia mampianatra zavatra tsy marina fa (otran'ny marina) saingy hahariharin'Andriamanitra fa misy diso ilay fampianarana (ohatra io ambony io, ohatra hafa koa mampiseho amin'ilay olona paradisa tsy tena izy satria izay rehetra avy any dia mitantara daholo nefa araka ny soratra masina dia « fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Kor.12:4)

TENA MITONDRA OLONA MANKANY PARADISA MARINA NY TOMPO SAINGY NY ANY AMIN'ILAY PARADISA TENA MARINA DIA MISY TENY RE SAINGY TSY AZO TENENINA ARY TSY TOKONY HOLAZAIN'OLONA........

Ny apostoly sandoka kosa dia na izy misoratena ho apostoly nefa tsy nofidiana mivantana sy nampianarina mivantana, na kosa izy nofidian'ilay kristy sandoka fa tsy ilay Kristy tena Izy

Mampalahelo ny olona tratran'izany satria voafitaka izy ary tsy mahafantatra fa kay tsy ilay TENA KRISTY no mifidy azy fa Kristy sandoka......

TSOTRA KELY HOY AHO 100% mitovy amin'ilay fampianarana tsy misy kilema taloha (ao anaty baiboly) tsy ampiana ary tsy analana!!!!





© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1839