Isaorana betsaka Yahoshuah fa tena niasa naneho ny voninahiny tokoa,
22. bor2lais
(
30/09/2015 15:15)
RBNIR:
bor2lais:
RBNIR > ahoana indray ny hevitra(re)o mikasika an'i Tsaratsara ? Isan'ireo "12 lahy" lazainao ve izy sa ahoana ? :-)
Isika mila manamarina tsara vao miteny:
Miditra lalina be amin'ny politika an!!! (fanjakana eto amin'izao tontolo izao)
Indray andro i Jesosy dia saika nosamborin'ny olona hatao mpanjaka (hatao filoham-pirenena)...
« Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.. » (Jao.6:15)
NITSOAKA JESOSY
Fa naninona IZY no nitsaoka???
« Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. » (Jao.18:36)
Ary io fanjakana eto amin'izao tontolo izao io dia efa nolaviny hatrany amboalohany satria tsy avy amin'Andriamanitra io fa avy amin'ny devoly!!!!
Nisy fotoana 1 nanoloran'Andriamanitra ny fanjakana rehetra eto amin'izao tontolo izao ho an'i satana...
« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lio.4:6)
Ity kosa manamarina fa tena ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao no resahina....
« Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Mat.4:8)
« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. » (1 Jao.2:6)
Raha JESOSY (ilay tety 2000 taona lasa) MARINA NO NANIRAKA AZY : azo antoka tsy haniraka azy hitondra fanjakana (eto amin'izao tontolo izao mihitsy)...
Tandremo : tena misy KRISTY SANDOKA - APOSTOLY SANDOKA ARY MPAMINANY SANDOKA.....
« Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. » (Mat.24:24)
« Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana*, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.[*Na: hatsangana] » (Mar.13:22)
« Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. » (2 Kor.11:13)
Kristy sandoka ilay tonga tahaka an'i Jesosy ankehitriny dia mampianatra zavatra tsy marina fa (otran'ny marina) saingy hahariharin'Andriamanitra fa misy diso ilay fampianarana (ohatra io ambony io, ohatra hafa koa mampiseho amin'ilay olona paradisa tsy tena izy satria izay rehetra avy any dia mitantara daholo nefa araka ny soratra masina dia « fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Kor.12:4)
TENA MITONDRA OLONA MANKANY PARADISA MARINA NY TOMPO SAINGY NY ANY AMIN'ILAY PARADISA TENA MARINA DIA MISY TENY RE SAINGY TSY AZO TENENINA ARY TSY TOKONY HOLAZAIN'OLONA........
Ny apostoly sandoka kosa dia na izy misoratena ho apostoly nefa tsy nofidiana mivantana sy nampianarina mivantana, na kosa izy nofidian'ilay kristy sandoka fa tsy ilay Kristy tena Izy
Mampalahelo ny olona tratran'izany satria voafitaka izy ary tsy mahafantatra fa kay tsy ilay TENA KRISTY no mifidy azy fa Kristy sandoka......
TSOTRA KELY HOY AHO 100% mitovy amin'ilay fampianarana tsy misy kilema taloha (ao anaty baiboly) tsy ampiana ary tsy analana!!!!
:-)
Dia hitanao ery ange ilay sombinkazo kely eo amin'ny masony fa ilay andry be eo amin'ny anao dia tianao tokoa !
:-)
23. RBNIR
(
30/09/2015 19:05)
bor2lais:
:-)
Dia hitanao ery ange ilay sombinkazo kely eo amin'ny masony fa ilay andry be eo amin'ny anao dia tianao tokoa !
:-)
Fanampiana ny olona no ataoko namana hampahiratra ny masony hamantatra ilay tena tsy misy kilema, satria araka ny hafatra dia hitaona ny olona amin'ilay tsy misy kilema no anton'ny niveranan'i JEsosy indray nampianatra azy io.....
24. Strong3
(
01/10/2015 08:46)
TV + : naminany ve ianao tamin'ilay accident sa eritreritra fotsiny ,fa ny mpiara mivavaka aminao miteny hoe naminany enao?
Past H: tsy naminany za ka ,fa ...
tongava amin'ny ... fa porfoiko ao fa diso daholo ny fomba fivavak'ireo fiangonana rehetra ireo !
nenay ihany no marina
:-) :-) :-)
ndrekaky oh ... manaiky iaho izay
Past H: tsy naminany za ka ,fa ...
tongava amin'ny ... fa porfoiko ao fa diso daholo ny fomba fivavak'ireo fiangonana rehetra ireo !
nenay ihany no marina
:-) :-) :-)
ndrekaky oh ... manaiky iaho izay
25. RBNIR
(
01/10/2015 09:13)
Strong3:

Ary manaraka mihtsy ange ny namana izany e,
mahafinaritra e, tsy maintsy ampahiratiny ihany ny masonao ny farany e!
P.S: Otran'ny tsy mitovy ny fandraisan-tsika an'ilay teny fa otran'ny tsy nahare aho hoe tsy naminany za ka!!! ....fa tsy aiko aloha e, izaho koa tsy naka enregistrement!!!
26. Strong3
(
01/10/2015 09:41)
alaivo any amin'ny TV+ ny cd d'enregistrement rehefa tsy hino ny filazako eh! :-)
... vola miditra moa ny an'i TV+ ka tsy sahy namatrapatratra fa dia nivanitika fotsiny sisa ... lol
diso daholo hono ireny olona hoe maty dia nahita ny elo sy paradisa!!!
... avieo , kay ipasitera koa mbô tany ihany kay , fa hoe izy velona no tany (kanjo ny fanahiny no niakatra tany fa ny vatany tavela teo... ka inona no mahasamy hafa izany amin'ny maty...??? sa ilay def ny atao hoe maty no tsy hain'ingahy pasy??? hahahaha :-) :-) )
izay no ilazako hoe : sao mba tokony fotoana , handinianareo tena kely aloha izao alohan'io sabotsy io ...
raha tonga any za dia omeo micro , hametrahako ny fanotaniako ... dia aza mitsoaka na avoaka za raha tsy lany ilay question apetrako :-) :-) :-)
sa tsy mety izany??, hihihi
aaa... ataovy ao ny anareo fa mbola be ny asa miandry ahy ... lol

27. RBNIR
(
01/10/2015 19:18)

Efa noteneniny tao ilay tena mahasamihafa azy:
1- Tsy maty izy no tany.
2- Nanao tahaka an'i paoly apostoly izay nentina tany koa izy (tsy niteny izay reny tany sady tsy nilaza na inona na inona « fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Kor.12:4)
Izay ilay lazaiko hoe tsy mitovy ny zavatra norenesintsika na mety hoe mijery ihany v ianao saingy tsy noho ny fitadiavana ny marina fa mba te hitsikera fotsiny ihany???
28. rhaj0
(
02/10/2015 02:45)
RBNIR:
2- Nanao tahaka an'i paoly apostoly izay nentina tany koa izy (tsy niteny izay reny tany sady tsy nilaza na inona na inona « fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Kor.12:4)
Akanga aloha fa tena fanina aho.. Ny profetan'i RBNIR ve i Tsara Tsara, sa olona hafa ny an'i RBNIR ?
Ilay profeta Tsara Tsara mantsy tsy niakatra tany Paradisa, fa kosa, nahita ny "tena izy", dia i Jesosy; ka tena "tsara endrika tsara tarehy mamirapiratra be, tovolahy bOgOsy" hono IZY izany, "nilatsaka avy tany @ tafo-trano".. jereo anie eo @ faha-9 sy 10 minitra e
Dia raha tsy i Tsara Tsara ny profetan'i RBNIR, toa mitovitovy ihany ny kabarin-drizalahy izany fa tsy sahala k'nouh...
Tena tapaka aho e... Dia tena misy mino an'izany karazan-dresaka izany tokoany ve ?
Dia tena mino izay lazain'ny profetanao izany tokoany ve ianao ry RBNIR, hoe "nakarina tany Paradisa dia niverina teto" izany izy ???
Raha eny dia ... tena tsy azo ivanitihana intsony ity fa tena lozan-tany !! loza ity !!!! mifohaza RBNIR aaa... tena lelafin'ny saka ny faladianao, fa tena hotry ny hypnotiser-ny ao anie ianao izany, ka hatreto avy no miteniteny foana dia mamerimberina migonongonona sahala @ ireny migonongonona ireny eee...
(tena jerevo ao i RBNIR rey olona aaaa...)
29. RBNIR
(
02/10/2015 05:06)
Tsy mitovy mihitsy ilay kabary satria izy raha nentina tany tsy niteny ary tsy nilaza izay hitany tany tahakan'ny apostoly paoly izay nentina tany « fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Kor.12:4)
30. endriny
(
02/10/2015 05:16)
Raha izaho izy tsy niverina teto intsony rehefa tany amin'ny Paradisa ihany...
Fa ny mpitandrina sy ry Mopera, maika moa fa ry kardinaly sy ry papa dia samy milaza daholo fa solotenan'Atra. Koa inona moa no mahadiso an'i Apiskopo raha mba milaza izy fa ambasaodoron'Atra?
Asaivo asehony ange ny taratasy manolotra azy ho Ambasadaoro raha tsy ananany e? hihihiihih
Izaho koa izao solotenan'i Demonia

31. rhaj0
(
02/10/2015 16:13)
RBNIR:
tahakan'ny apostoly paoly
Hay io izany ilay lazainao hoe, tena tsy mivily @ Baiboly ny profetanao... Fatsora noho i Tsara Tsara ny profetanao ry RBNIR..
Fa mitovy ihany ny kabarin-dreo eee... satria tena hainy tsara ny nampiditra ny tenany ao @ "inonao" na ny "finoanao" lalina ao..
Hitanao.. sahala @ ireny rehefa maka sary ireny.. dia manao "photo bomb" ilay profetanao... izany hoe, hainy tsara ny mampiditra ny tenany ao anaty photo... Dia tena babo tanteraka sy mino ao tokoany ianao..
Mifohaza RBNIR.. tena lelafin'ny saka ho'a ny faladianao eeeee...
32. tealala
(
02/10/2015 17:49)
zay vao tena latsaka ny aiko :D, lasa tany amin'ny paradisa hoe e? mba hainao ve ny dikan izany teny zany? Ary hono hoy aho ry RBNIR ianareo ve mbola mandalo fitsarana sa tonga dia voavonjy miaraka amin'i pasitera?
33. 1Marina7
(
03/10/2015 13:36)
Fiffi:
YAHOSHUAHYAHOSHUAHYAHOSHUAHYAHOSHUAH
wa wa wa wa !
.....Andriamanitra nga io no io irery no mahafaka ny ota ?
ntsssss
Andriamanitra dia Tokana ! tsy misy Andriamanitra hafa fa Izy irery ihany....
Bonjour daholo.
Ny mikasika ny Anarana YAHOSHUAH dia mbola ho tonga any isika fa ny teneniko fotsiny dia YAHOSHUAH izany no ilay Zanak'Andriamanitra, namoy ny ainy ho famonjena izao tontolo izao
Tsy tokana intsony Andriamanitra rehefa nanandratra an'YAHOSHUAH Izy ao amin'ny bokin'Apokalypsy toko-5 ao. ROA NY ANDRIAMANITRA IVAVAHANAY dia Andriamanitra RAY sy YAHOSHUAH zanany.
Mbola ho ataontsika lohahevitra eto momba an'izany
34. 1Marina7
(
03/10/2015 13:51)
rhaj0:
Ahitsiko kely :
Andriamanitra an'i Fiffi dia Tokana ! tsy misy Andriamanitra hafa fa Izy irery ihany no ao @ imagination-n'i Fiffi..
Yahoshua an'i Yahl sy iMarina7 dia Tokana ! tsy misy Yahoshua hafa fa Izy irery ihany no ao @ imagination-n'i Yahl sy iMarina7 .. ary izy IRERY ihany no nikaozy an'i Episkopo, na i Episkopo IRERY ihany no nokaoziny.
Inona ny olana ? nareo koa dia mifanaritak a@ izany... samy manana ny reviny io, ary ny revin'ny hafa dia TSY mahakasika anao, k'inona ny ifampivazavazana eto :-)
Tsy mety izany fomba firesakao izany, mila fantarina io Andriamanitra io, izay no fiainana mandrakizay araka ny Jaona 17: 3, ary diniho tsara ny teny ao amin'ny Jaona Faharoa and. 9 Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an'Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.
Misy Fampianarana mila itoerana, ka io no aoka ho fantarintsika
35. 1Marina7
(
03/10/2015 14:16)
Strong3:
dia mazava izany fa ny mpino hafa dia tsy sahy manamarina ny Atra ivavahany , fa ianareo irery no manamarina an'i Yahoshua-nareo ao
manaraka izany , iza no lazainareo fa mpanota mitovy aminareo???
raha tsy mapanota ianareo dia misy tsy mpanota koa ... fa aza dia miringiringy manamarintena sy midokatena toa ....
fa efa voasoratra hoe : izay mandratena no ahetrika ...
ka sao mba efa lalana tsy izy ity midokadoka tena ity eh...
ampirisihan'Andriamanitrareo hanandratena ve ianareo sa ny imaginationareo no efa mivaivay dia mamboly fampianarana hoanareo eto ianareo ?
Misaotra amin'ny valin-teny. Izao no lazaiko: TSY MANANDRAN-TENA IZAHAY fa milaza ny fahasoavana nomen'Andraimanitranay anay, satri IZY NO NANAMARIANA ANAY, NANAMASINA, NANADIO araka ny Korint Voalohany 6:11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin'ny anaran'i YAHOSHUAH Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.
Strong3:
izaho hoa averiko ihany, raha mitory tsotra ianareo hoe ity no lalana tsy maninona , fa ianareo ity midokatena ity no hamatarako aratsoratra masina fa hafa ny rainareo fa tsy ilay niantso an'i Abrahama ary nanolotra an'i Kristy ho famonjena ahy!
Matoa mitory dia manambara ny marina. KA MISY ROA VE NY MARINA NA TELO NA sns ......
TSY NISY TETO AMBONY TANY NITORY TENY NILAZA FA MARINA IZY HAFA-TSY EPISKOPO IRERY IHANY. Ny zavatra nalaza hatram'izay dia mpanota avokoa ny olombelona rehetra, tsy nisy sahy nanohitra an'izany, na hianao Strong3 TSY HENOKO NANOHITRA KA NITENY FA TSY MARINA IZANY. Raha efa niteny hianao dia taiza ary oviana?
Tsy rehareha izany fa araka ny lalàna ao amin'ny Soratra masina, Jaona Voalohany 3: 7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. 8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. 9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.
KA TSY HAY NA IZA NA IZA no hafa ray no izahay na ........
Strong3:
tsy hitako izay mahasamy hafa anareo sy ry RBNIR
TSY MITOVY IZAHAY SY RBNIR:
1 Miantso Jesosy izy, izay tsy mba andriamanitran'Abrahama sy Isaka ary Jakoba mihitsy
2 Mbola mitandriny fenekena taloha izy, fa tsy mba mandeha ao amin'ny fanekena vaovao
3 Ny mpitarika azy mbola milaza fa "MPANOTA" nefa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota araka ny Jaona 9:31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
36. RBNIR
(
04/10/2015 05:13)
1Marina7:

1- Marina izany mbola ataon-tsika lohahevitra hafa mihitsy ity resaka anarana ity
2- tsy marina ny filazanao fa raha ny amin'ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao (sy ny hoe ambany lalàna sy ambany fahasoavana dia ato ny fanazavana azy.....
Ny tsy fahaizan'ny olona manavaka an'ireo no mahatonga ny olona sasany hanaonao foana ka manao tsinontsinona ny teny na dia efa voasoratra mazava tsara aza...« Koa dia mbola misy sabata (andro fahafito vakio ny dikan-teny DIEM) fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)
3- Rehefa mitory teny mila fitandremana tsara avahana tsara ny hoe olona manao ahona ny olona manoloana anao, raha olona mbola ao amin'izao tontolo izao no manoloana anao dia mila fantany fa mbola "mpanota izy" ka mila famponjena hanafaka azy amin'izany toerana izany, rehefa olona nohafahana tamin'ny ota kosa dia mila fantany fa efa afaka izy mba tsy hanafangaroany ny tenany amin'ny zavatra niainany fahiny........
Mila mahay mandray teny tsara ny olona....
37. RBNIR
(
04/10/2015 05:29)
rhaj0:
RBNIR:
tahakan'ny apostoly paoly
Hay io izany ilay lazainao hoe, tena tsy mivily @ Baiboly ny profetanao... Fatsora noho i Tsara Tsara ny profetanao ry RBNIR..
Fa mitovy ihany ny kabarin-dreo eee... satria tena hainy tsara ny nampiditra ny tenany ao @ "inonao" na ny "finoanao" lalina ao..
Hitanao.. sahala @ ireny rehefa maka sary ireny.. dia manao "photo bomb" ilay profetanao... izany hoe, hainy tsara ny mampiditra ny tenany ao anaty photo... Dia tena babo tanteraka sy mino ao tokoany ianao..
Mifohaza RBNIR.. tena lelafin'ny saka ho'a ny faladianao eeeee...
Tsy izy no mampiditra ny teny fa ny FANAHY MASINA namana:
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek.36:27)
« "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," » (Heb.10:16)
Io FANAHY MASINA io no atao hoe FAHASOAVANA mangataka anao aho hiroso lalin-dalina kokoa raha te hahazo ianao satria tsy ho fantatrao ary tsy hohazonao mihitsy io raha tsy miroso ianao.
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, » (Jao.14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)
Io ilay averimberiko aminao eto foana hoe misy zavatra fantatro tsy fantatrao ary misy zavatra hiainako tsy hiainanao...
Izao matoa mijoro tsy noho ny olona iray fa araka ilay tenin'ny apostoly paoly hoe « Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. » (2 Tim.1:12)
Efa noteneniko taminao afaka miresaka IZY tahaka ny firesahanao amiko ihany;;;;
KOA AFAKA ADIDY AMIN'IZAY REHETRA TSY HINO AHO FA ITY HAFA MIHITSY FA TSY MITOVY AMIN'NY TORITENY MAHAZATRA SATRIA TENA IRAKA MIVANTANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA ITY RY NAMANA ISANY!!!!
MIROSOA DAHOLO AMIN'NY FANOMPOANA AN'ANDRIAMANITRA ARY ATAOVY IZAY HAHATAFATOETRA ANAO AMIN'ILAY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA NAMPIANARINY 2000 TAONA LASA!!!!!
« Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apok.14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apok.14:7)
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
38. RBNIR
(
04/10/2015 05:46)
tealala:
zay vao tena latsaka ny aiko :D, lasa tany amin'ny paradisa hoe e? mba hainao ve ny dikan izany teny zany? Ary hono hoy aho ry RBNIR ianareo ve mbola mandalo fitsarana sa tonga dia voavonjy miaraka amin'i pasitera?
Hisy olona tsy handalo fitsarana fa avy dia hakarina!!!.....
« Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. » (1 Tes.4:15)
« Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tes. 4:16)
« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. » (1 Tes.4:17)
39. RBNIR
(
04/10/2015 08:33)
1Marina7
P.S : vao avy nandray sy feno ny FANAHY MASINA IZY dia izao no nataony....
« Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika] » (Matio 4:1)
« Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana. » (Matio 4:2)
« Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). » (Matio 4:4)
« Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, » (Matio 4:5)
« dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Matio 4:6)
« Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Matio 4:7)
« Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Matio 4:8)
« dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. » (Matio 4:9)
Ambany lalàna v IZY tamin'izany ry namana satria nitandrina tsara ireo didy fahiny ireo?????
Aza adinonao ny SABATA (ANDRO FAHAFITO) namana (am-pitiavana no hilazako izany) satria efa IZY koa dia tena nitandrina ny andro fahafito ary koa nampianatra ny olony hanao toy izany: « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito vakio ny dikan-teny DIEM) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)
Baiboly katolique v no tianao? Version anglais ity...
8 If Joshua had led them into this place of rest, God would not later have spoken of another day.
9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

40. Strong3
(
05/10/2015 09:23)
1Marina7:
Strong3:
dia mazava izany fa ny mpino hafa dia tsy sahy manamarina ny Atra ivavahany , fa ianareo irery no manamarina an'i Yahoshua-nareo ao
manaraka izany , iza no lazainareo fa mpanota mitovy aminareo???
raha tsy mapanota ianareo dia misy tsy mpanota koa ... fa aza dia miringiringy manamarintena sy midokatena toa ....
fa efa voasoratra hoe : izay mandratena no ahetrika ...
ka sao mba efa lalana tsy izy ity midokadoka tena ity eh...
ampirisihan'Andriamanitrareo hanandratena ve ianareo sa ny imaginationareo no efa mivaivay dia mamboly fampianarana hoanareo eto ianareo ?
Misaotra amin'ny valin-teny. Izao no lazaiko: TSY MANANDRAN-TENA IZAHAY fa milaza ny fahasoavana nomen'Andraimanitranay anay, satri IZY NO NANAMARIANA ANAY, NANAMASINA, NANADIO araka ny Korint Voalohany 6:11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin'ny anaran'i YAHOSHUAH Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.
[size=16] I jaona 3:5-9 ... rehefa nateraka aho dia mazava fa nomeny hery ho tonga zanany , ka moa ny zanany tsy namarininy maimaimpoana tamin'ny finoana fa tsy tamin'ny asa?
ka iza no manamarina ? ka raha Izy no manamarina moa hisy afaka hilaza ahy ihany koa fa meloka aho na hitoeran'ota?
ataoko ngamba fa hainao tsara izany ramosé [/size]
Strong3:
izaho hoa averiko ihany, raha mitory tsotra ianareo hoe ity no lalana tsy maninona , fa ianareo ity midokatena ity no hamatarako aratsoratra masina fa hafa ny rainareo fa tsy ilay niantso an'i Abrahama ary nanolotra an'i Kristy ho famonjena ahy!
Matoa mitory dia manambara ny marina. KA MISY ROA VE NY MARINA NA TELO NA sns ......
TSY NISY TETO AMBONY TANY NITORY TENY NILAZA FA MARINA IZY HAFA-TSY EPISKOPO IRERY IHANY. Ny zavatra nalaza hatram'izay dia mpanota avokoa ny olombelona rehetra, tsy nisy sahy nanohitra an'izany, na hianao Strong3 TSY HENOKO NANOHITRA KA NITENY FA TSY MARINA IZANY. Raha efa niteny hianao dia taiza ary oviana?
Tsy rehareha izany fa araka ny lalàna ao amin'ny Soratra masina, Jaona Voalohany 3: 7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. 8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. 9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.
KA TSY HAY NA IZA NA IZA no hafa ray no izahay na ........
izy efa ao amin'ny I Jaona 3:5-9 io no valiny ...
Strong3:
tsy hitako izay mahasamy hafa anareo sy ry RBNIR
TSY MITOVY IZAHAY SY RBNIR:
1 Miantso Jesosy izy, izay tsy mba andriamanitran'Abrahama sy Isaka ary Jakoba mihitsy
2 Mbola mitandriny fenekena taloha izy, fa tsy mba mandeha ao amin'ny fanekena vaovao
3 Ny mpitarika azy mbola milaza fa "MPANOTA" nefa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota araka ny Jaona 9:31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
1/ tilikambon'ny babela aza adino
2/ za ihany koa manaraka ny fifamindram-pahefana nataon'ny Tsitoha , Mat 17:5; Jaona 14:16-18 ... azontsika tsara io
3/ ilay hoe mpitarika mbola mpanota ; dia tsotra , efa nambarako tety fa raha ... raha ny zanaka no hanafaka dia hoafaka tokoa ianareo .
Olon-afaka tao amin'i Yeshoua Ha Mashiah aho ka tsy ianao na ianareo no hiapanga ahy ao Aminy ! Rom 8:33-34
___ ka inona moa no fepetra hilazana fa ianareo irery no tsy manota?
___ ka inona moa no fepetra hilazana fa ianareo irery no manao ny sitrapony sy henoy irery?
... :-)