Rahoviana ny FARANY ?

1. rhaj0 ( 24/08/2015 14:05)
Bebe ihany izay niteny hoe "akaiky ny farany"... na eto io, toa an-dry RBNIR sy ny tariny, na n'aizan'aiza erak'izao tontolo izao.

Jereo anie ny lisitra ao @ wiki ee... ireto misy santionany, izay milaza fa (mety) ho avy ny FARANY ao anatin'ny 1 volana hono.. Dia @ ankabeazany, dia rizareo mpino isan'ankolafiny moa izany no mahita volana alohan'ny biby io... rahefa "mamaky Baiboly".

https://en.wikipedia.org/wiki/List_of_dates_predicted_for_apocalyptic_events
2014 Apr - 2015 Sep
Mark Biltz in 2008 and John Hagee claim that four "blood moons" in 2014 and 2015 may represent prophecies allegedly given in the Bible relating to the second coming of Jesus Christ.

2015 Sep
Rabbi Chaim Kanievsky claims that the arrival of the Jewish Messiah is imminent.

2015 Oct 7
Chris McCann and eBible Fellowship predict the possible destruction of the universe on this date, which is 1600 days after Harold Camping's date of 2011 May 21.

Ka dia ampio eto azany hoe ny @ finoanao ? Ny protestanta na katolika fiangonana reniny koa ve milaza daty ny @ FARANY izany koa ?

Dia rahoviana hono ny FARANY ?
novalian'i rhaj0 ny 16/09/2015 15:53
2. ranthson ( 24/08/2015 14:32)
Marina tokoa fa izao andro iainantsika izao no andro farany. fa saingy diso izay mahalala ny ora sy ny daty ary taona satria araka ny tenin'ny Jesosy Kristy hoe "fa ny amin'izany ny andro sy ny ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza afa-tsy ny Ray ihany" mat 24 :36.
Ka izay milaza ora na andro na volana na taona dia efa diso, mpaminany sandoka miseho ho lehibe noho i Jesosy
3. rhaj0 ( 24/08/2015 14:46)
Dia mihantona tsy fantatra daty sy ora eo foana izany ilay FARANY ??

Nefa anie, misy mamaky Baiboly (tsy toa ny voavakinao io ry Ranthson) dia mahita e...

Fa izao izao misy raha maromaro @ actualites:

1- io migorodana io ny bourses eran-tany.. Ka rahefa mirodana ny ekonomia, ankoatry ny sahotaka geopolitique, dia mety ho avy ve izany ny FARANY ?

2- ny resofema klimatika izao efa fantatra fa hitera-doza. Ity taona 2015 ity hono no tena mafana h@ izay 136 taona nanarahana ny maripanan'ny Tany izay (jereo eto).. Ka rahefa ho mendy eto daholo isika mianakavy, dia ho avy ve izany ny FARANY ?

3- nisy nilaza (tsaho) hoe, misy asteroide hono hikapoka ny Tany... ato ho ato. Ka ilay FARANY ve izany dia "avy any ambony any"? asteroida ??...

Ka raha ho avy ny FARANY, dia aiza no mila halalinina sy hadihadiana haingana hi-prevoyer-na ilay izy : ny ekonomia, sa ny environma, sa ny asitiraonomia, sa fotsiny ... ny Baiboly ee ??

4. gasy1zay ( 24/08/2015 14:47)
Raha hoan'ny kristianina dia efa nohazavaiko tany aloha tany hoe misy 2 karazany ny fisehon'ny ilay "farany" :
- na tonga ny ora hialanao eto an-tany
- na tonga ny fiverenan'i Jesoa Kristy

Ka io rhaj0 dia naverimberiko fa 70-80 taona raha mateza, mety miakatra kely io hoan'ireo mponina any @ tany mandroso fa ny gasy aloha dia tena mbola ambanin'ny 60 taona ny espérance de vie, ka aza maika fa hoavy faingana io farany io, na @ ilay fomba voalohany na ilay faharoa.
5. rhaj0 ( 24/08/2015 14:53)
Ilay FARANY voalohany lazain'i Gasy1zay izany dia... sahala @ iilay bilagy hoe, ho avy ny "la fin du monde", dia nony tsy tonga, dia navadika hoe, "la fin d'UN monde", dia mbola nahitsin'i Gasy1zay hoe, "la fin de MON monde".. Ilay FARANY izany dia ny FARANY aminao irery ao...

Fa ilay FARANY faha-2, dia ... io mihantona eo io, tsy fantatra daty sy ora ... hoz'nareo izany eee...
6. Fiffi ( 24/08/2015 19:39)

rhaj0:

Bebe ihany izay niteny hoe "akaiky ny farany"... na eto io, na n'aizan'aiza erak'izao tontolo izao.

Jereo anie ny lisitra ao @ wiki ee... ireto misy santionany, izay milaza fa (mety) ho avy ny

Dia rahoviana hono ny FARANY ?

.....rehefa maniry nify ny akoho....

inn moa no andehanako hijereko zay lazain'wiki an'i rhajO ao...

dé ireny voalazan'sasany ireny we tonga ny farany nefa tsy nisy dé mbola hivaky loha am n'a pas eo hitady we rahoviana ny farany ?

heu....rehefa tonga io dé tonga eh !

....tsy misy olombelona eto an-tany afaka hilaza an'io....Andriamanitra Irery ihany no tompony.....

...tsy aleo ve manararahotra mihaina....dien'mbola nomena andro ihainana toy izay hivakl am n'a pas am zany ?
7. rhaj0 ( 24/08/2015 19:42)
MIombo-kevitra tanteraka aminao eeee... Dia rahefa hozy ny mpamendrofendro izany hoe "mibebaha fa ho avy ny FARANY", dia hoy aho fotsiny hoe, "ndana mahazo".. :-)
8. Fiffi ( 24/08/2015 19:53)

rhaj0:

Dia rahefa hozy ny mpamendrofendro izany hoe "mibebaha fa ho avy ny FARANY", dia hoy aho fotsiny hoe, "ndana mahazo".. :-)

...heu....tsy am we ho avy ihany ny farany no mandeha mibebaka ka.....
9. rhaj0 ( 24/08/2015 23:02)
Dia raha ny fahatakarako azy izany dia, ny (ampirisihina) ataon'ny Kristiana izany dia

1- "mivavaka" = mangataka (izay zavatra na ho atao @ ho avy);
dia toa "maminany" koa izy ao am-piangonana ao

2- "mibebaka" = ~mifona (izay zavatra natao t@ lasa)

Ary izany dia tonga dia manao io #1 sy #2 io avy hatrany, ary manao foanafoana izy fa
- tsy mila tenenina
- ary indrindra tsy mila fendrofendroina izy fa hoe, "akaiky ny farany"
10. RBNIR ( 25/08/2015 03:07)
« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)

Tsy filazantsara hafa fa ilay notoriany tamin'izay fotoana izay (satria hoy Izy hoe ity filazan-tsara...ity). Rehefa hitanao fa miverina ny fitoriana an'io filazan-tsara io ary ny fampianarana amin'izany fotoana izany dia mitovy 100% amin'ilay nampianariny fahiny ary ireo olona manaraka izany dia miaina toy ireo apostoly sy ireo mpianany fahiny araka ilay fampianarana tsy misy kilema....
Dia miomana fa ho avy tsy ho ela ny farany namana......
11. ranthson ( 25/08/2015 05:18)

RBNIR:

Ho avy to ny mpangalatra izy, "Koa miambena hianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina," mar 13 : 35
12. Strong3 ( 25/08/2015 06:27)
fa hono hoa, nga ratsy ilay mibebaka?
mafinaritra anareo nga ilay manao ratsy?

ka na hisy farany na tsy hisy farany inona no olana raha manao ny tsara ny olona miara monina aminao.

sa tsy misy asa ny polisy raha tsy misy mpangalatra, tsy misy asa ny mpitsara raha tsy misy meloka.... sns

raha mino na mahatakatra na mahalala enao fa nisy fiandohana dia mazava fa tsy maintsy misy fiafarana ...
teraka enao dia maty; niainga tamin'ny tsy nisy enao dia hiverina tsy hisy
niainga tamin'ny tsinisy izao tontolo izao dia hiverina tsy hisy ihany koa

sa tsy hitan'ny google izany hoe : niainga tamin'ny tsy nisy izao tontolo iainantsika izao?

:-) :-) :-) sao anao hoatran'i endriny hoe : kitana = vato mangirana fa tsy niainga atamin'ny maolekiola nirafitra nihodikodina hahaha ... rehefa lany sy maty daholo ny helioma dia ho maizina avokoa ny hazavana ety andanitra eny . ka aza dia matahotra ny ahatongavan'izany farany izany re r'ingahy rhaj0 fa enao mekanika tsy misy fanahy TSY HOTSARAINA ah ahah...
13. ranthson ( 25/08/2015 09:05)

rhaj0:

MIombo-kevitra tanteraka aminao eeee... Dia rahefa hozy ny mpamendrofendro izany hoe "mibebaha fa ho avy ny FARANY", dia hoy aho fotsiny hoe, "ndana mahazo".. :-)

io nge ry rhah0 na tsy hino ny farany aza ianao ny fahafatesanao dia izay ko no farany e! na dia misy aza ny tena farany. izay koa no anisan'ny hiambenana. mety ho tafitohan'ny vato tampoka ianao dia ho faty, na tapaka lalandrà, ny fo mjan tampoka sns... (sanatrin'zany miala tsiny) d makaiza ny fanahinao? izay ilay hoe miambena mandrakariva fa tsy fantatrao ny fihavian'ny Tompo
14. ranthson ( 25/08/2015 09:08)
Isaia 55 : 6
" Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy".
satria ho avy ny andro izay tsy ahafahanao miantso an'i Jesosy intsony = rehefa maty ianao dia tsy afaka miantso azy intsony, any ianao vo hanenina fa saingy efa tara loatra.
15. rhaj0 ( 25/08/2015 10:42)
ranthson:
any ianao vo hanenina fa saingy efa tara loatra.

"tara loatra" @ ahoana azany... f'angaha @ finoana Kristiana, tsy zavatra efa "planiNY" daholo ity fiainana ity??

Raha ny kely takatro, dia na mibebaka ianao na tsy mibebaka, na mivavaka ianao na tsy mivavaka, efa misy "planiNY" ho anao any..

Ny fahitako anao, dia ianao indrindra izany no TSY mino sy tsy mahatoky AZY sy ny planiNY, dia (mihevitra ny) mitady handresy lahatra AZY hanova ny planina.
16. ranthson ( 25/08/2015 11:47)

Ny Tompo tokoa ny mandahatra ny zavatra rehetra, fa saingy nomena safidy ny olona hisafidy ny lalany dia ny tsara sy ny ratsy. Tsy maints hambara ny marina fa anjaran'ny olona ny misafidy. D ra tsy hihaino ianao dia soa dia efa planin hoanao marina ny ho very :-)
17. rhaj0 ( 25/08/2015 12:25)
Koa raha hoz'ianao hoe, "planin hoanao marina ny ho very", dia TSY ao @ plan-ny anie izany ny ataonao hoe "Tsy maints hambara ny marina"..

Ny fahitako azy, dia ianao no mino, na nampinoana, fa rahefa "mitory teny" ianao, dia ho "avotra" (na hoe "tsy ho very")... Dia "mitono-tena" ianao, fa hoe ianao hono izany no nirahiNY hitori-teny @ olona. TAiza tao @ Baiboly no nilaza a ianao io, eny, ianao dia ianao io, no nirahina hitori-teny?
18. ranthson ( 25/08/2015 12:30)

izaho tsy nirahina ry rhaj0, ary izaho ko tsy mitoriteny na mpitory teny (diso hevitra ianao), za olona tsotra miasa tahaka ny mpiasa rehetra. Fa milaza (mizara) ny zavatra fantatro eto aho dia afaka mandray izay te handray dia izay tsy te handray dia tsy mandray. tsy forcena :-)
19. rhaj0 ( 25/08/2015 13:08)
ranthson:
Fa milaza (mizara) ny zavatra fantatro eto aho

okey dokey... raha "mizara izay fantatrao" ianao dia mihaino tokoany ny olona (izaho aloha e)..

Fa rahefa tonga @ ilay hoe "ngo dia hanenina", "tara.. tara..."... dia efa TSY "zavatra fantatrao" intsony izany amiko, fa "zavatra imaginer-nao, anao irery ao".
20. ranthson ( 25/08/2015 13:37)

rhaj0:

ranthson:
Fa milaza (mizara) ny zavatra fantatro eto aho

okey dokey... raha "mizara izay fantatrao" ianao dia mihaino tokoany ny olona (izaho aloha e)..

Fa rahefa tonga @ ilay hoe "ngo dia hanenina", "tara.. tara..."... dia efa TSY "zavatra fantatrao" intsony izany amiko, fa "zavatra imaginer-nao, anao irery ao".

Io ry rhaj0, na paradisa na helo ny lalan'ny fanahin'ny olona rehefa maty, ny zavatra nataonao tety an-tany ihany no mitondra an'io. tsisy tombotsoako na fatiantoka ho ahy mintsy ny fahafantarako ny hiafaranao refa any aoriana any, fa ny ahy fotsiny ny ataoko dia miomana aho mba tsy ho very ny fanahiko. zava-poana ny fiainana ety an-tany (fandalovana 60-70 ans max) kanefa ny fanahy ho very mandrakizay
mar 8 :36 "36 Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2395