Zanahary ian fa tsy jesosy no mitahy antsika!!

1. tojonjanahary ( 08/07/2015 06:35)
Mbola tsisy vokatsoa azon'ny firenena hatsamzay nahakristiana antsika katsamzao!!

Zanahary ian no mitahy! :)
novalian'i WAISI ny 21/02/2023 05:35
2. Strong3 ( 08/07/2015 07:55)
iza moa no milaza aminao fa voa tahy ny malagasy talohan'ny fanjanahatany?

raha nitahy ny razana sy ny zanahary ben'ny malagasy nahaona no navelany ho zanahan'ny vahiny ny malagasy?

ary ny fotokerivetra kristiana dia tsy fitahiana araka izay fitahiana tadiavinao toa aramaterialy be io...

donc , diso hevitra ianao ; « Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. » (1 Korintiana 15:19)
« Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy? » (Jakoba 2:5)

Io ilay efa lazaiko foana hoe aza dia fitahin'ireo fivavahana manaradrenirano sy mpanolaka ny marina , ary mampambotry vahoaka amin'ny fahagagana ara-materialy toa mampivanaka sy mahatalanjona .

izao no vokany, na ny foto-kevitr'Ilay Atao hoe Jesosy aza tsy azon'ny olona (azonao) hihihi...
3. tojonjanahary ( 08/07/2015 09:01)
Nga tsy fantatrao ry strong3 fa apres christianisation tsika zay vo vozanaka!! Le christianisme nge tactique noentin'ny mpanjanaka ftsn e!!! Fatany manko fa tsy haresy antsika izy ra mbola zanahary no nivavahantsika !! aoka hazava tsara. Eka ozy, masina manjakizay ny tanindrazana, zanahary ian no mitahy anay!
4. Strong3 ( 08/07/2015 09:14)
vao maika lol... hihhihi

nahoana no tsy resin'ny fivavahan-drazana na ny kristianisma na ny mpanjanaka ...

hatramin'izao ianao mbola voagejan'izy roa reo...
za zao mino fa tsy sahy mangalatra ianao ? hihihi
5. tojonjanahary ( 08/07/2015 09:59)
Andron'ny christianisme nge zao e donc Nareo christiana no vogejan'zan fa zahay gasy orizinaly hafa mits ny moralenay!!
@ zao mits no tena bobaka ny olondratsy (mpangalatra sns) satria efa andron 'ny christianisme. Taloha tainomby mvadika ary tsy sahy mangalatra!!
6. Strong3 ( 08/07/2015 10:35)
hihihih zahay ve no voageja sa ianareo?

taiza enao no nahita kristiana mangalatra?
moa tsy ny dahalo mitondra moara gasy avy amin'ny mpanao ody gasy sy ny mpimasy avy amin'ny fivavahana nentindrazana no manao ny fangalarana ?

tainomby mivadika, tamin'izany ny fiainana mbola vitan'ny hataka ,fa izao ny gasy tsy mahay mifamelona fa mifamono, mifangalatra...

manana ny didy ao antsainy raikitra ny kristiana ka tsy manana saina hanao ratsy...
7. tojonjanahary ( 08/07/2015 11:00)
ekeko fa misy ny dahalo mitondra anreny! nefa le ola mody miseho tsy tapaka alahady reny no tena bobaka olondratsy (mpangalatra, mpanitsabady, mahajery havana mandry fotsy, manambany olona, raciste) mpivavaka be masirasira no azo amintinana anazy, zan zo no bobaka eto @ tanana ka manimba totale an le firenentsika masina.
Gamba enw efa naremarque ola niova finoana , ny toetsaina no tena voova, lasa vomaika izy miditra lalina ao @ le finoany vao2 : C'est le cas des malgaches : simba ny toetsaina gasy.
8. Strong3 ( 08/07/2015 12:04)
hihihihi.... taiza enw no nahita kristiana nifamosavy eh?

ireo mpangalatra sy manitsabady lasainao dia tsy iza fa ireo olona mitetika ny hanakarena fotsiny no halehany any ampiangonana , ka rehfa mitombo harena izy dia miverina amin'ny fanaony,
fa ny Mat 19 dia mandrara ny kristiana tsy hanitsabady
9. tojonjanahary ( 08/07/2015 12:32)
Ny mpamosavy nge miditra ampengonana e!!
Zao e : fa manin no tsy ireo firenena voalaza ao anaty baiboly na reo firenena malaza niandohan'ny christianisme no nitondra an'io taty? Reo firenena devoly no ntondr an'io taty!
Angleterre sy ry frantsa ( firenena mpanjanaka sy mpanandevo ndrindrany erantany!) no nampianatra ano an'io donc mazava oazy fa mtondra antsika any @ ratsy sy fahaverezana! nen razambe anao manko tsy ratsy fa ezahana aratsina fona surtout any ampiangonana. Nefa le christianisme sady t6 preuve no mbola ts nahasoa, no ts mtombona ra dinihana lalina be! ts possible zan oe adama sy eva ono ny olona voloany, MDR be. Ra oanay mainty lo de tsy hino anzan mits zay satria dokafana be oe fotsy ony zany adama sy eva zan ko .lol

En + jereo reo firenena nampianatr anao an'io: Mirehareha mafy ry zareo fa tsy miexiste ono A/tra fa ny fahaizan olobelona iany defa mahavita anty fianana ty.
De iny ftsn zan no nanapenarany an'io taty?
10. Strong3 ( 09/07/2015 07:25)
ngamba enao te hilaza hoe ny razamba niditra avy any antsimo dia nitondra ny soatoavina jiosy sy arabo, ary ny niditra teto anivo tany dia avy any Indonésie ... hendry tokoa ireo olona ireo, marina izany

saingy ny fivavahana nentin'i Paoly dia niparitaka nanerana an'i eropa , ary satria zanatany romana ny jiosy dia tonga notsaraina tany roma i paoly ka nampiely ny filazantsara momba an'i Jesosy Kristy.
Rehefa hidaraboka anefa ny empire romana dia nampiasainy ho fitaovam-panagejana izao tontolo izao io fivavahana kristiana io ary natao toa fanjakana kely mihitsy i vatican hiketrika izany manokana.
_ mety misy marina ny teninao, ny amin'izay momba ny kristiana avy any roma izay, saingy mivoatra ny teolojia kristianisma ka tsy nijanona teo amin'ny teolojia papaly fotsiny ny fahalalana fa samy nitrandraka daholo vao nanomboka nanao ny reforma i Lotera.
Noho izany , tsy marina intsony ny filazanao fa mitera-doza ny fivavahana kristiana, fa efa maro no manana ny fampianarana maripototra mampianatra tsra ny olona amin'ny tena fahamarinana

hoy ianao, samy mandeha mivavaka daholo ireo mpanao ratsy , ie any amin'ireo fiangonana rehetra dia fiantsoana ny olona tsy akanavaka mba hampafatarina azy ny ratsy tsy tokony hatao fa ny mba hialany amin'izany fahotana izany; ary ny handraisany an'i Jesosy Kristy ho Tompony ka hitarika azy amin'ny marina sy fahamasinam-pitondrantena

misy anefa ireo fiangonana misafosafo io fitondrantena mendrika io , noho ny tsy fahafehezany ny baiboly, ka toa fahazarana sy fomba ilay mandeha miangona fa tsy fiainana ny baiboly marina.

donc , tsy ny baiboly sy ny kristiana no ratsy fa ny mpampianatra ny baiboly amin'ny fomba hafa no ratsy.

ka porofon'izany ny fandraisanao hoe , tsy mitahy i Jesosy fa zanahary ihany
ao amin'ny baiboly masina dia tsy miteny mihitsy izy hoe mitahy i Jesosy fa Mamonjy no misssion-ny teto antany. fa Andriamanitra no manao ny fitahiana rhefa mino ny famonjena ataon'i Jesosy Zanany isika olombelona;
fa hoy ny soratra masina; raha izao fiainana izao no anantenanareo an'i Kristy dia ahantra indrindra ianareo.
11. tojonjanahary ( 09/07/2015 08:34)
Za koa le tena miaiky ny teninao oe tsy ratsy mits ny fivavahna christiana fa saingy kosa tena diso manimbazimba be anle fomba gasy sy le nampiavaka antsika. Ekena fa misy ratsy ny fombandrazana fa tokony andinka tsara tsika malagasy oe ze ratsy ian no ajanona fa resaka A/tra zan tsy tokony atao ambaninjavatra sy zimbamzimbaina mits satria M/car dia mbola tany masina hatramzao.

Aoka koa nefa ho fantatrao fa ts oe kory oe olo mampiasa ny finona netindrazana de olondratsy avokoa fa @ reny aza no tena ahitana olo manampanahy, olonkendry fa ny malagasy mits no efa tratran ny lavage de cerveau any ampiangonana de avy hatrany de tonga de manenjika oe ratsy foana reny.

Raha no tokony ho izy nefa dia ny malagasy no tokony isan'ny firenena mlam, hendry ary mendrikaja ndrindrany saingy indrisy, zavadoza no indro maazo any ramalagasy.


Avantage tsika malagasy ny fananana anJanahary, saingy tonga @ le fitenenana oe "Manary Jokera" any ka zao sisa e!!. Io nefa no tena Izy sady marina sady azo tsapaintanana oe tena misy fa ts resaka lavabe tsy logique ftsn otrn baiboly.

12. Strong3 ( 09/07/2015 08:48)
Finoana izy io ry namana ka tsy dia afaka manafoana na mampisy izany ao anatin'ny olona isika.
ny zavatra fantatra dia tsotra; mamboly toetsaina ny finoana

Ny finoana koa dia mety hamono na hamelona araka izay fototr'ilay zavatra hinoana.

tany laika i madagasikara , ka malalaka ny zavatra rehetra...

Fa iza ary aiza no misy ny zanaharin'ny gasy!
ao atampon'ny loha aiza hoaiza moa izy? ilay lazain'ny baiboly ve izy io sa ilay noentin'ny foko avy any antsimo (izay atao hoe vahiny ihany)
13. tojonjanahary ( 09/07/2015 10:15)
Ny finona mits no Basin'ny toetsaina ka!!
Fa ra finona lainga lo de manimba toetsaina be otran zo maazo an ra malagasy sy ny afrikanina zao e!!

Simba total ny toetsaina gasy!!

Za sur fa Na enw io aza zao miteny oe simba ny toetsaina gasy refa mjery vao2 politika enw!!



Zanahary mbola miexiste hatramzao a!! Ze mivavaka @ny iany no votahy .

Ny christianisme nefa toa mifanohitra @ zay:

Ra mandinka enw ao ampiangonana de le tena mvavaka @ fo reny t6 tafa daoly fa le masirasira reny ian no afaka.
Na koa oe le firenena miseho ho mpivavaka be reny t6 afaka daoly fa le firenena mirehareha fa t6 miexiste a/tr reny fona no mvotra.


14. Strong3 ( 09/07/2015 11:00)
hihihhi ... grave kou le analyse nao ka ... hahaha

any amin'ny firenena tsymisyAtra koa anefa tsy misy zanahary dia ahoana ary izany?

ny fironana kristiana ve izany hoy ianao no mampahantra ny firenena iray?

diso izany, raha tsy misy porofo mazava
15. tojonjanahary ( 09/07/2015 12:01)
Tsy christianisme no mampahantra ka!! fa manimba toetsaina.

Tsisy logique ny zavatra lazain'ny baiboly ra dinihana lalina be.

T6 zanahary any satria nentsika nge tsy otrn christian B publicité be.
Finoana tsy tokony atao publicite zan fa zay no amantarana azy oe tsy clé le izy.

Ireo firenena tenenko nge le nampianatra anao anle izy e!!
Enw nampianarin ftsn de avy izy njay manimbazimba anle izy, de enw no aseny midtr lalin ao!!
Ao nareo fa zay tsy vodomine @ zan christianina zan Tsun.

Moa ra T itsapa enw oe azo sa tsy azo zimbazimbana ve ny tanindrazana sa t6 de ndana mba manandrana manotafady anle tany fadyfady reny de ho itanao e!!



16. Strong3 ( 09/07/2015 12:41)
ny tanindrazanay dia tanin'Andriana, feno fadiny toka, fa tsy mbola nahita tany gazana toa izany aho , ny taranaka rehetra ao tsy misy tamana fa lasa aty amin'ny ville daholo. mpiandry tanana taloha sy ny efa antitra tsy afaka sisa no mipetraka ao. .. haiko tsara io lazainao io

ireo fiangonana manao pub indray dia efa nambarako teo fa misy tsy milamina any amin'izy ireny, eto misy iray tena namoronako post mihitsy hoe "ato raha hanao pub" ...

... misy tezitra moa rehefa ataoko hoe : tsy tena kristiana ireny na hoe mpanaradrenirano na hoe sandoka.. sns

ireo firenena nampita ity finoana kristiana ity tokoa dia efa niala tamin'ny finoana, taona maro lasa izay.
satria anadinoana an'Atra ny harena. (ny herena no andriamaniny) ka mazava raha izany no mahatonga azy ireo tafa amin'izany.

fa averiko ihany, tsy hoe manao ariary zato ampandriana ny kristiana tena izy fa manana tontolo mahasambatra azy. na toy ny ahaona na toy ny ahoana zava-misy ivelan'io tontolo io dia tsy mahataitra na mahakasika azy izany. nisy gazety boky fratsay izay novakiako , dia izao no filazany:
_ ny kristiana no olona mahay miaina sy sambatra indrindra aorian'i epicurien (satria ny FANANTENANA NY ANY AKOHATRA DIA ANADINOANY NY HIRIFIRY ETO ANTANY)

DIA mety ho izay ve no tsy mampandroso ny firenena satria , VARIANA MIANDRANDRA NY LANITRA NY KRISTIANA, dia ny vazaha no mihinana ny harena eto madagasikara??? ... hahaha
asa aloha :-) :-)

17. gasy1zay ( 09/07/2015 15:31)
Fa iza izany ilay Zanahary lazainao eto fa tsy fantatra mintsy anie ny momba azy e! Raha ny dikan'ny zanahary anie dia hoe nahary izao tontolo izao e, izy izany nahary ny gasy fa tsy nahary ny vazaha sa aona marina? Tsy Andriamanitra ilay nahary izao tontolo izao tao @ genesisy anaty baiboly fa hafa ve?
18. gasy1zay ( 09/07/2015 16:05)

tojonjanahary:

Mbola tsisy vokatsoa azon'ny firenena hatsamzay nahakristiana antsika katsamzao!!

Zanahary ian no mitahy! :)



Araky ny nanontaniko etsy ambony, tsy haiko na Andriamanitra voalazan'ny baiboly ihany ve ity Zanahary ambaranao ity fa raha ny voalazan'ny baiboly dia izao :

Tsy afaka sarahina Andriamanitra sy Jesosy :

Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?
10 Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko


Tena mitahy sy azo angatahina zavatra tokoa izy io :

Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany[/b]

Fa saingy :
1- manana ny fotoanany izy hamaliana ny fivavakao izy: mety eo no ho eo, mety amam-bolana , mety aman-taonany

2- ny valiny tsy voatery ho eny raha tsy mahasoa anao

3- Mila mandinitena isika fa sao dia ny fahontatsika no tsy hahazoantsika ny soa sy tsy mampandroso an'i Gasikara fa tsy faly hanome tsiny an'Andriamanitra?

Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa,
24 Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin’ ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin’ ny fararano dia tandremany ho antsika.
25 Ny helokareo no nampiala izany, ary [b]ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo
.

Ka ianao ry namana manome tsiny ny fivavahana kristianina, afaka ny hilaza ve ianao hoe tena nanaja ny voalazan'ny baiboly ny kristianina malagasy raha nivavaka? Tena tsy nisy ve ny fanaovana ireto asan'ny nofo ireto : Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany


Raha tsy nanao ireo fahotana ireo ramalagasy ka tena nivavaka t@ fony tokoa ka mbola toy izao no misy eto @ firenena dia marina ny anao hoe tsy mitahy Andriamanitra fa saingy ... mbola tsy miana @ fahamarinana ny akabeazan'ny gasy na kristianina na tsia dia tsy tokony hahagaga raha toy izao ny zava-misy.
19. tojonjanahary ( 10/07/2015 05:37)
Ra @naw izy de zay!

enw nilaza tany ambony oe tsy ny baiboly no ratsy fa le mpampianatra no mampianatra diso ka ono oa : Ireo firenena nampianatra anao an'io ve zany nampianatra mrna sa diso ra toa ka zao ny anovany anao @ zao ftona.

De ra fanazavana ao anaty baiboly zan oa no oentinao dia bobaka no tsy ino satria oa ts logique le izy ao ra dinihana lalina be :::>>> Tsy mifanaraka @ zavamisy eto ambon'ny tany.

Zanahary no A/tr an zao tontolo izao fa tsika malagasy no sambatra njinjany satria tsika no nahalala anJANAHARY voloany.

De le izy oa tsy oe kory oe ody gasy na fanomotsampy fa nareo no efa tratran lavage de cerceau isakalahady any ampiangonana.

Sady efa amanjato taona talohan' ny nanapianaran'ry mpanjanaka anao le izy defa nisy . Sady tsy oe kory ze olondrasty tsy fatampiavina avy any no tonga de mampianatra anao de tnga de ino ianao.

Zay hatramzao mbola tahinJanahary e!!
20. sakaiz ( 10/07/2015 08:17)
Finaritra tolonjanahary a!
Mba omeo famaritana an'ilay hoe Zanahary raha misy e!
mankasitraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6034