Sao dia hoe manampy (manome saina) ! Tahaka ny hoe "la nuit porte conseil" ! :-)
Mety ohatrohatr'izay ihany raha raisina hoe "nour" (teny arabo) dia midika hoe hazavana.
Raha mba misy viavy hoe Noro no anarany dia tsara anontaniana hoe inona ny hevitr'ilay fanampin'anarana.
Ilay tanĂ na hoe Mahanoro ve avy amin'izay ihany? Raha mandefa saina lavitra (mety any amin'ny tsy izy ) aho izao dia mety hoe "Mahatsiaro ho bitika eo anatrehan'ity ranomasina midadasika be"
Raha jerena kely fotsiny amin'ny Tenimalagasy ilay hoe manoro dia sampatenin'ny toro. NY ranomanoro na rano manoro izay (courant) dia rano mahatorotoro izay tandrify azy eo.