Dikan'ny teny hoe rano manoro?

1. hery ( 06/07/2015 23:30)
Inona kay ry zareo ny dikan'ny teny hoe Rano manoro amin'ilay hoe Ranomasina rano manoro?
novalian'i endriny ny 21/10/2015 04:39
2. bor2lais ( 08/07/2015 13:53)
Sao dia hoe manampy (manome saina) ! Tahaka ny hoe "la nuit porte conseil" ! :-)
3. 5laody ( 13/07/2015 12:29)

bor2lais:

Sao dia hoe manampy (manome saina) ! Tahaka ny hoe "la nuit porte conseil" ! :-)


Mety ohatrohatr'izay ihany raha raisina hoe "nour" (teny arabo) dia midika hoe hazavana.

Raha mba misy viavy hoe Noro no anarany dia tsara anontaniana hoe inona ny hevitr'ilay fanampin'anarana.

Ilay tanĂ na hoe Mahanoro ve avy amin'izay ihany? Raha mandefa saina lavitra (mety any amin'ny tsy izy ) aho izao dia mety hoe "Mahatsiaro ho bitika eo anatrehan'ity ranomasina midadasika be"
4. endriny ( 16/10/2015 15:42)
Rano masiaka no dikan'ny hoe ranomanoro. Saika ireo rano tsy azo ilalaovana fa manoro (courant marin hoy ny terme technique hihihihihihihihi)
5. endriny ( 21/10/2015 04:39)
Raha jerena kely fotsiny amin'ny Tenimalagasy ilay hoe manoro dia sampatenin'ny toro. NY ranomanoro na rano manoro izay (courant) dia rano mahatorotoro izay tandrify azy eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2008