FARANY HONO

1. sakaiz ( 07/05/2015 12:18)
Aty Ankazobe rn4!
Mpino ao @ fifohazana Mandoa 4 no nisesy maty nandritry ny 2 erinandro;ka voizin'ny mpino ao fa afaka 1mois raha ela indrindra ny fin du monde,Donc samy mandoro ny entana rehetra ka tsy fotsy(ny couleur)tsikelikely ny mpino @zao!:-D
novalian'i ranthson ny 19/08/2015 14:07
2. gasy1zay ( 07/05/2015 14:20)
Tsy mazava tsara ilay tianao ambara ry sakaiz a! inona ilay fifohazana Mandoa? Inona ny tianao ambara @ ilay tsy fotsy?

Ny afaka ambara aloha dia tsy misy mahalala ny farany isika olombelona : na i Papa François, na i Pasitera, na i Mompera, na ireo mitonotena ho apostoly, na ireo mpiandry any @ fifohazana fa dia na fahitana fitaka avy @ devoly no azony na olona mandainga izy.
3. rhaj0 ( 07/05/2015 14:42)
ilay "namorona" hoe misy izany "fara-andro" izany, izay mihintsy no "mpandainga-mpamitaka" fa ny hafa rehetra koa aza mba vmamerina araka ny takany, ka dia ireo no enjehinao, nefa izy koa azany mba voa...
4. gasy1zay ( 07/05/2015 15:04)

rhaj0:

ilay "namorona" hoe misy izany "fara-andro" izany, izay mihintsy no "mpandainga-mpamitaka" fa ny hafa rehetra koa aza mba vmamerina araka ny takany, ka dia ireo no enjehinao, nefa izy koa azany mba voa...

ary noheveriko hoe efa d'accord ny siantista fa ho potika ity tanintsika ity na ho ela na ho haingana ( couche d'ozone simba, réchauffement climatique, meteorita, sns...)
5. rhaj0 ( 07/05/2015 15:29)
R@ faran'ity taonjato ity, efa maty daholo isika @ izany, dia eny, miakatra ny rano.. misy milaza hoe efa ho 6 cm isan-taona sa hotr'izany.. Fa ny resaka hitako koa, dia misy cycle hoe lasa mangatsiaka koa ny bolabolan-tany hono.. entouka.. raha izaho manokana dia mahatoky fa hahay hamaha io olana io raolombelona, na ny marimarina koakoa, ny Ankizy (satria tsy voatampina @ finoana tsy mitombona insony ny sainy tia karokaroka sy kirakira)
6. gasy1zay ( 07/05/2015 15:43)

optimista kosa ianao izany rhaj0 fa raha ny fijeriko azy aloha toa na fantatry ny firenena matanjaka aza ny vokany toa tsy mety mihena mintsy ny émission GES - etsy andaniny toa tsy mihena mintsy ny consommation énergie, ressources naturelle, sns sns...

Ireo mpikaroka aloha toa izay fikarohana miteraka vola sy harena no tena hitako mandroso e!
7. Strong3 ( 08/05/2015 07:01)
tsy misy hoe ny fara andro satria mbola hitsangana amin'ny maty ny olona izay maty rehetra, ka manohy ny fiainany any amin'izay lalana tiany sy nirian'ny fatratra...

ny afo be angamba amin'ny sasany dia ny hanohy iaina any amin'ny zavatra tsy tiany, ohatra: tsy te hivavaka izy nefa noterena hivavaka, dia lasa manompo an'Atra foana any ankohatra any, tena afobe ho azy izany,

fa raha misy olona , tsy te hanao ratsy nefa nofinganin'ny fiainana dia lasa any amin'ny fanohizana fanaovan-dratsy ny fiainany any ankotraka dia hijaly saina (toa afo be izany)

___ Mbola tsy te hanaiky ny sain'ny tsimisiAtra hoe mihasimba ny tany sy ny tontolo manodidina azy... tsy mino izy ireo fa Optimiste fotsiny hoe voaarin'olombelona ihany io :-) ... tsy hadalana ve izany???, :-) :-)
8. RBNIR ( 08/05/2015 07:33)
Faly misera indray,
« [Fanitsiana ny hadisoan-kevitry ny sasany ny amin'ny andron'ny Tompo] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, » (2 Tes.2:1)
« mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo. » (2 Tes.2:2)
« Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, » (2 Tes. 2:3)
« ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra. » (2 Tesa.2:4)

Koa aza malaky hohetsiketsehina fa mbola tsy miseho akory ilay lehilahin'ota ary mbola tsy misy koa ilay fihemorana....

Mba hanampy anao amin'ny famantarana ny marina dia araho ity rohy ity

Hotahin'Andriamanitra anie isika rehetra...
9. sakaiz ( 08/05/2015 07:54)
gasy1zay:
anaram-piangonana le fifohazana mandoa.
ny entana(seza,lamba,lovia,fandriana....)miloko fotsy ihany hono no mendrika hitsenana izao jesosy ho avy atsy ho atsy izao,ny miloko hafa dorana fa sao tsy tafakatra angamba raha misy loko hafa,angamba!
10. Strong3 ( 08/05/2015 08:10)
salama RBNIR! :-)

aleo isika mba hiresaka kely marina !

io fiehemorana io aloha no andeha mba asiana fifanankalozana...

hatreo amin'ny nahafatesan'ny apostoly 11 sy i paoly, mba fanantatrao ve ny zavatra nitranga?

nanao ahoana ny fivoaran'ny kristiana teo anelanelan'io fahafatesan'ireo apostoly ka hatraty amin'ny ady lehibe faharoa?

nanjaka tokana ny fitondrana romana sy ny fivoarana papaly... tao anelanelan'io vanipotoana io, ny fifamonoa, IZA FIFANOHERANA TEO AMIN4NY reformista sy ny katolika ... toa tsy ARAKA NY FAMPIANARANA marina Mat 5 -7 IO TRANGA TAO IO fa FIFANERANA HO KRISTIANA NO NITRANGA. nitonotena ho solon'i Atra sy Kristy ety antany ny katolika (vatican papaly)
....
vanipotoana namaivay teto ambonin'ny tany izay tatran'ny terivaimantan'ny vatican io... nianahery izy tamin'ny fakana rakitra isantanana

KA AMIN'ISE ... inona no azo ilazana ireo fanimpotaoana ireo arabaiboly, toa nisy aza ny FAMINANIANA araka ny Mat 24 "... firenena hamely firenena sns "

ISE mihitsy no tiako miresaka amiko fa aza milaza ilay hoe " JEREO ATO" an ... Ndao ary
11. Strong3 ( 08/05/2015 08:38)
hihihi.... hay efa miakatra aty tana koa ity fiangonana mandoa ity...?

tsy efa nidiana tany antsirabe ve izy io tamin'ny fotoan'androny??
12. rhaj0 ( 08/05/2015 10:23)
Raha ny fahitako azy, dia ireo "Mpino ao @ fifohazana Mandoa" ireo no Kristiana "tena izy"... :-)
13. Strong3 ( 08/05/2015 11:10)
hihihih
14. sakaiz ( 08/05/2015 11:16)

rhaj0:

Raha ny fahitako azy, dia ireo "Mpino ao @ fifohazana Mandoa" ireo no Kristiana "tena izy"... :-)

mba asio fanazavana kely hoe ry rhaj0 fa otran mahaliana izy izany. satria nahoana no ireo no tena izy?le mandoro fananana ve?dray
15. Strong3 ( 08/05/2015 11:25)
hihihi ... mba mampianara tsara koa isé ry rhaj0 fa aza manao esotena ohatran'io ah
16. RBNIR ( 08/05/2015 11:31)
Strong3:

salama RBNIR! :-)

aleo isika mba hiresaka kely marina !

io fiehemorana io aloha no andeha mba asiana fifanankalozana...

hatreo amin'ny nahafatesan'ny apostoly 11 sy i paoly, mba fanantatrao ve ny zavatra nitranga?

nanao ahoana ny fivoaran'ny kristiana teo anelanelan'io fahafatesan'ireo apostoly ka hatraty amin'ny ady lehibe faharoa?

nanjaka tokana ny fitondrana romana sy ny fivoarana papaly... tao anelanelan'io vanipotoana io, ny fifamonoa, IZA FIFANOHERANA TEO AMIN4NY reformista sy ny katolika ... toa tsy ARAKA NY FAMPIANARANA marina Mat 5 -7 IO TRANGA TAO IO fa FIFANERANA HO KRISTIANA NO NITRANGA. nitonotena ho solon'i Atra sy Kristy ety antany ny katolika (vatican papaly)
....
vanipotoana namaivay teto ambonin'ny tany izay tatran'ny terivaimantan'ny vatican io... nianahery izy tamin'ny fakana rakitra isantanana

KA AMIN'ISE ... inona no azo ilazana ireo fanimpotaoana ireo arabaiboly, toa nisy aza ny FAMINANIANA araka ny Mat 24 "... firenena hamely firenena sns "

ISE mihitsy no tiako miresaka amiko fa aza milaza ilay hoe " JEREO ATO" an ... Ndao ary

Ilay fihemorana voalaza dia fihemorana amin'ny andro farany izay ataon'ny kristianina tsy hahazaka ny fanenjehana ataon'ilay lehilahin'ota (bibidia ihany) na koa ilay zanaky ny fahaverezana....Izay tsy hiankohoka aminy dia hoenjehiny sy hovonoiny dia eo no hitranga ny fihemorana lehibe....;
17. Strong3 ( 08/05/2015 11:56)
ny tamin'ny andron'ingahy néron ve tsy mba nanahirana ny sain'ny mpino tamin'izany? tsy mba efa nisaina ve ny mpino tamin'io vanimpotoana io hoe efa akaiky ny farany fa hey ity isika enjehina sns...

isakin'ny taranaka mifandimby izany dia misy tranga lehibe toa farany, ka sao mba misy zavatra tsy mazava amin'ny mpino ity atao hoe farany ity, na ilay famantara ohatra

isika izao toa horohorotany no tena mampivarahontsana ...

alefaso lavidavitra hoe ilay fandalinana :-) raha mety an
18. RBNIR ( 08/05/2015 12:21)

Fa ny bibidia voalaza ao amin'ny bokin'ny apokalipsy 13 kosa anefa dia 1 ihany....
19. endriny ( 08/05/2015 12:25)

Strong3:

tsy misy hoe ny fara andro satria mbola hitsangana amin'ny maty ny olona izay maty rehetra, ka manohy ny fiainany any amin'izay lalana tiany sy nirian'ny fatratra...

Hahahahaha, mazy mazy mazy... Ito misy fara andro... Mazy mazy mazy ito tsy misy fara andro

Dia gaga ianao: "fa vao tsy ampy herintaona akory ry Strong no nilaza teto fa rehefa ho tonga ny fara andro dia hilatsaka avy eny an-danitra ny kintana, izay ohatry ny voatsinefy ny ahalehibeny ary molekila mirehitra miodikodina"

Dia izao indray hoe tsy misy fara andro...

Mazy mazy... Ity androany... Mazy mazy ito rahampitso

Lainga marivo tototra ka ahhelin'ny akoho tokan'anaka...
20. Strong3 ( 08/05/2015 12:38)
fa tamin'izany nga nisy firy ny fanenjehana fiangonana ???

alefaso lavidavitra kely hoe eee!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.197