Maninona i Madagasikara no toa izao? Na dia nomena ambenan'i Masina Maria sy Masindahy Laurent aza?

1. endriny ( 17/02/2015 06:14)
Tsy mahavita azy angaha ireo olomasina mpiaro azy ireo? No dia avela ho fadiranovana toa izao I Madagasikara?
novalian'i endriny ny 25/02/2015 15:34
2. endriny ( 17/02/2015 06:22)
Mbola niampy ny fitantan'ingahy Odon Razanakolona koa?
3. Strong3 ( 17/02/2015 07:31)
mdr...

1/« Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy. » (Jeremia 15:1)
2/« na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo. » (Ezekiela 14:14)
« na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany. » (Ezekiela 14:20)

aza mba (-,-) ihany hoa... manaiky fahanan'olona lalitra dia manésokesoka ery
Tsy misy ao amin'ny baiboly mihitsy izany hoe MPIAHY izany... « Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona; koa diso indrindra ianareo. » (Marka 12:27)
« Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? » (Lioka 24:5)

Sa hoe: asio verset ifampijerena raha mba misy milaza hoe __ " afaka miahy ny velona ireo efa nody mandry "
4. hery ( 17/02/2015 08:08)
endriny> Angamba ny fanontaniana marina kokoa dia hoe "Tsy mahavita azy angaha Andriamanitra?" satria tsy amin'ireo olomasina mpiaro azy ireo ihany no napetraka i Madagasikara fa tamin'Andriamanitra mihitsy (misy vavaka ho an'ny tanindrazana isaky ny mihetsika, ny hiram-pirenena hoe "Tahinao ry Zanahary").

Ka tsy misy idiran'i Masina Maria sy Masindahy Laurent ilay izy :-)

Strong3> "Misy ao anaty baiboly ve hoe iny baiboly eny an-tananao iny ihany no milaza ny marina?" :-) Aza mba (-,-) ihany hoa... fahanan'ny olona an'izao rehetra izao dia manesokesoka

Fa discussion hafa izany, azontsika hanokafana
5. Strong3 ( 17/02/2015 08:35)
... ngamba izay koa anga no itondrana azy Mr Hery!

na izany na tsy izany dia efa nambarako hoe: baiboly iray no eny antanantsika ; ka samy mamaky sy mahay mandalina io avokoa isika rehetra _ka inona no marina tsy hoHITA REHEFA HO TADIAVINA???
6. rhaj0 ( 17/02/2015 13:32)
Io indray, raha ny fahitako azy, dia arakaraky ny ampiasaina ilay "finoana/fivavahana"..

Ny extreme dia ireo mpanao tafika masina (gasy) na ady masina (guerre sainte). Ny "finoany" no mivohy azy hanao action (extreme).

Ny moderE izany dia ny "finoany" no mivohy azy hanao action (positive). Ohatra hono,
- ny "finoan'ireo propespampa anglisy" ireo no isan'ny mampivohy ny esprit bizinabe an'i Amerika avaratra (Bekintana sy Kanada) io,
- fa ny "finoan'ny kakolika latino" no isan'ny mampivohy ny esprit ... toa tsy bizinabe an'iny Amerika afovoany sy atsimo (Meksika sns..).

Heverovereto hoe, samy niara-niainga avy tany Eoropa ihany zareo. Ary hoe, t@ kely foana no tsy nahalasa an'i Californie ho an'i Meksika. Dia imaginer-o 1 minitra hoe, raha toa tokoany moa ka lasan'i Meksika i Californie (Los Angeles sy San Francisco koa na i Las Vegas azany).. dia nisy ve Hollywood ?


Fa ny gasy kristiana izany, dia ampiasaina @ inona ilay "finoana" ?


Ny fahitako azy, dia ampiasaina "hiononana"... sy tsy haiko, "hiedinedenana" rehefa alahady ?

Dia avy eo dia "mionona" fa izay ny (good) plan of God, dia "miedinedina" fa tsara sitrak'i God hono izy (sasany) @ io...
7. hery ( 17/02/2015 13:52)
Miankina amin'ny tsirairay sy ny vondrona tsirairay mihitsy io. Marina fa ny baiko tokony hitondra dia ny baikom-pitiavana... fa indraindray tsy hita taratra aminay kristianina izany. Ary ilay tsy hita taratra no tena mivaingana hitan'ny olona kokoa. Satria mbola tsy ampy ny tsara vita.

- Marina fa nandray sy mandray anjara betsaka amin'ny fanabeazana olom-pirenena ireo sekolim-pinoana, fa avy eo takon'ireo elita vitsy an'isa izay efa ratsy hatrany ampotony lasa mpitondra an'i Madagasikara
- Marina fa ny hopitaly katolika na protestanta izay hita hatrany ambanivohitra be any dia manampy be dia be ara-tsosialy sy ny maha olona saingy enjehina sy haratsiana dia tsy hita firy ary tsy mandeha any ny clients manam-bola dia tsy afaka mivoatra ny asa ataony.
- Marina fa be dia be ireo tetikasa ataon'ny fiangonana, na protestanta na katolika, any ambanivohitra lavitra any, mikasika ny fambolena, ny rano fisotro, ny asatanana, ny fanabeazana ireo reny sy ny zaza sns. Fa mora hita kokoa ireo fiangonana sasany tsy manao asa sosialy fa variana mitady mpiangona amin'ny fomba rehetra.

Koa raha hoe maninona ny fiangonana no tsy mampandroso? dia tena mampandroso tokoa izy saingy ny taotrano tsy efan'irery e.
8. rhaj0 ( 17/02/2015 14:29)
Ekena fa misy tokoany ny "asa soa" ataon'ny Fiangonana reniny (p na k). Fa ny fiangonana angaha moa "agent de developpement", fa ny ataony dia manentsina tip-top eny toa izany io


Fa raha ny fijeriko azy, dia ilay ao @ "toe-tsaina fototra lalina" an'ny Malagasy no mila takarina sy hadihadiana hoe... fa dia maninona loatra.


Dia raha izaho aloha dia mijery:
- ny zamerikana bekintana .. saika ireo WASP (white anglo-saxon protestant) no nivohy ny firenena..
- ny zamerikana latina ... saika ireo spaniara katolikabe no nivohy ny firenena
- ny japs ... dia izao koa izao, ahoana ireo koreana, ny indiana ... (ireo tsy hoe kristiana no nivohy ny firenena)
- ny an'ny gasy.. izay lohandohany rehetra dia mihizingizina hoe kristiana
9. gasy1zay ( 17/02/2015 15:19)
Fa maninona moa rehefa mahantra ny firenena dia Andriamanitra no omena tsiny nefa ny mpitondra sy ny entina maro no tsy manaraka ny sitrampony? Tena mivavaka sy manaja ny sitrapon'Andriamanitra ve isika malagasy ka sahy hilaza hoe tena manao ny marina izay, manaja anao, tsy manana Andriamanitra hafa fa nahoana no dia mahantra toy izao?

Raha izaho no anontanianareo dia TSIA ny valiny, ny mpitondra sy manampahefana malaza manao kolikoly, conseil de ministre misy mitondra "gris gris" tapakazo tany @ dadarabe, membre ny franc maçon ny akabeazan'ireo olona ambony, andanin'izany fijangajangana, lainga, famonoan'olona, halatra, fisolokiana, sns sns ...

Ka sahy hilaza ve ianao fa tena manaja an'Andriamanitra @ fo isika ka manatanteraka ny sitrapony?
10. rhaj0 ( 17/02/2015 16:42)
Iza azany no firenena TSY mahantra e...

i Bekintana? i Bekintana dia vohizin'ireo Siantista, 72% amin'azy TSY mino... ny Atr'i Israely.

Sa indray ny Japs? ny ankamaroany ao TSY kristiana, ka hoe "manaraka ny sitrapon'ny A.tr'i Israely"

Hadihadio indray hoe ireo firenena scandinaves... tandremo sao toa ny manokatra pot :-)


Hay... i Vatican kosa alongany dia tena manankarena e... Iny indray dia zavatra hafa..
11. sitlo ( 17/02/2015 17:58)
Taloha ny malagasy dia natahotra fady. Fa ny misionera dia tonga dia tsy niraharaha ny anton'ny fady akory fa dia nodikainy. Ny olona nametraka ny fady toy ny dadarabe sy ny mpanandro sns aza nolazainy fa misy devoly.

Dia nanomboka nanota fady amin'izay ny gasy ka izao sisa. Ny gidro aza andrasana sao misy mangalatra mihinana.
12. gasy1zay ( 17/02/2015 18:04)

rhaj0:

Iza azany no firenena TSY mahantra e...

i Bekintana? i Bekintana dia vohizin'ireo Siantista, 72% amin'azy TSY mino... ny Atr'i Israely.

Sa indray ny Japs? ny ankamaroany ao TSY kristiana, ka hoe "manaraka ny sitrapon'ny A.tr'i Israely"

Hadihadio indray hoe ireo firenena scandinaves... tandremo sao toa ny manokatra pot :-)


Hay... i Vatican kosa alongany dia tena manankarena e... Iny indray dia zavatra hafa..


Ny siantista ve ny mampiodina ny toekarena amerikana sa ny jiosy mampiasa ny volany any e! Maninona moa ny amerikana no pro-Israel foana na tsy mety aza ny ataon'ireo? satria ve misy siantista? Tena omenao toerana lehibe loatra ny siantista rhaj0 an! :)

Manankarena Japon? Ie marina izany fa midika ve izany hoe sambatra izy ireo? ie mety sambatra izy fa raha isika gasy no alefa any mino aho fa tsy hahazaka ny fomba fiainan'ireo na @ rytme sy ny stress @ ny asa fotsiny aza, ka raha hozy ianao hoe mety aminy ny miana tsisy an'Andriamanitra dia hoy aho hoe TSIA raha ny fahitako azy fa na ny horohorontany mahazo azy tsy hahitana fiadanana mintsy fa dia mety hisy risque ny ho faty foana raha vao mihetsika ny tany.
13. rhaj0 ( 17/02/2015 19:15)
Izao indray azany e.. Iza no firenena matahotra an'Atr'i Israely dia mba manankarena.. na hoe "sambatra".. (resaka "fadiranovana" moa no loha-hevitra niatombohany, fa ahodin'i Gasy1zay ho fahasambarana indray ny resaka fa tsy maninona e.)

i Israel ? Raha ny ataony ny Palestiniana ao no (isan'ny) mampanankarena azy, na mampa-sambatra azy, dia "voninahitra ho an'i Atr'Israely" tokoany azany izany e... Izay no tian'i GAsy1zay lazaina ?


Sa firenena taloha indray azany e.. hoe ny Espaniola t@ andron'ny Inquisition sy ny guerre sainte-ny, na koa t@-ndreo nanafika taty Amerika avaratra.. Tena manja ve ny fiainany t@ ireny ?..
Ilay amerindiana nankany eoropa t@ ireny k'lou dia tena vaka tanteraka rahefa nahita mahantra fadiranovana eo am-bavahadin'ny mpanjaka bokan'ny harena sy fahasambarana sy fitahian'ny Tompo (na koa ny Papa)... Nefany, izaho izao raha manombatombana dia hoe, ireo amerindiana ireo no "sambatra" talohan'ny nahatongavan'ireo Kristiana tao Amerika avaratra


Sa ilazao firenena manao ny sitrapon'ny Atr'i Israely azany e...

14. rhaj0 ( 17/02/2015 19:30)
Entre-pa fa miresaka horohoron-tany ao Japan ianao, dia sao dia mila fongariko indray ilay zava-nisy :
- ilay pretra katolika ni-demissionne fa tsy vitany intsony ny mampanantena ny mpino fahagagan'Atr'i Israely na koa manazava fa "sitrapon'Atr'i Israely" daholo izao fiainana izao
- na ilay congregasiona katolika, avotry ny tsunami, dia niara-niakatra tendrombohitra kely mba hivavaka hisaotra sy hidera, fa nofaohin'ny vague faha-2..

Ny siantista sy ny vokatry ny fikarohany re ry Gasy1zay no motera mampandroso antsika io a... Maninona moa raha tsy mampiasa lelekitrisitia intsony ianao ry Gasy1zay; ny lelekitrisitia angaha tao anaty Baiboly? Dia mba toa ireo Amish izay manaja ambony ny Atrany, izay Atrao koa, ary manaraka ny sitrapon'Atry ny Baiboly t@ taona 0 tany mihintsy, dia ho hita eo raha ho sambatra tokoany rahefa tsy mivelona afa-tsy Baiboly sy mofo sy divay e...
15. gasy1zay ( 17/02/2015 20:10)

rhaj0:

Entre-pa fa miresaka horohoron-tany ao Japan ianao, dia sao dia mila fongariko indray ilay zava-nisy :
- ilay pretra katolika ni-demissionne fa tsy vitany intsony ny mampanantena ny mpino fahagagan'Atr'i Israely na koa manazava fa "sitrapon'Atr'i Israely" daholo izao fiainana izao
- na ilay congregasiona katolika, avotry ny tsunami, dia niara-niakatra tendrombohitra kely mba hivavaka hisaotra sy hidera, fa nofaohin'ny vague faha-2..

Ny siantista sy ny vokatry ny fikarohany re ry Gasy1zay no motera mampandroso antsika io a... Maninona moa raha tsy mampiasa lelekitrisitia intsony ianao ry Gasy1zay; ny lelekitrisitia angaha tao anaty Baiboly? Dia mba toa ireo Amish izay manaja ambony ny Atrany, izay Atrao koa, ary manaraka ny sitrapon'Atry ny Baiboly t@ taona 0 tany mihintsy, dia ho hita eo raha ho sambatra tokoany rahefa tsy mivelona afa-tsy Baiboly sy mofo sy divay e...


Ny gasy dia malaza ho be manampahaizana saingy tsy misy vokatra mintsy satria tsy misy vola, ny gasy firifiry miaina anaty delestazy satria tsy misy vola ny Jirama, mba eritrereto hoe raha an'ny EDF ny jirama mety gasy firify no mahazo jiro satria ry zareo manambola hividianana fitaovana sns sns, ny jirama manda mpanjifa vaovao fa tsy ampy fitaovana sy reserve angovo. Ka io na atidoha toy inona aza ny siantista refa tsy misy ny vola famatsiana fitaovana sy hanaovana fikarohana dia tsy hampandroso na inona na inona , vola no mampiodina ny toekarena voalohany.

Mikasika ilay resaka tsunami indray dia raha izaho no anontanianao dia tsotra ny valiny, raha izaho manokana aloha dia tena ohatrany tiako raha za eo ampivavahana iny no lasa e!( maty io) @ izay sur 100% fa lasa any @ lanitra. Ka ny olona tsy mino ny fianan-tsy hita no manahy ny @ fahafatesana fa raha mpino kristianina ianao dia lalana idirana any @ fiainana mandrakizay io, izay anie ilay hoe nantsoin'ny Ray hody any aminy e! Matin'ny Tsunami ve mafy noho ny maty martiora fahiny?

Raha kristianina ianao dia ny tanjona ny handova ny fanjakan'ny lanitra fa tsy hoe ho ela velona eto an-tany na dia sarotra @ mahaolombelona aza ny fisarahana @ havana aman-tsakaiza.
16. rhaj0 ( 17/02/2015 22:01)
gasy1zay:
Ka io na atidoha toy inona aza ny siantista refa tsy misy ny vola..

Nataoko'ty fa hoe "manao ny sitrapon'Atr'Israely" no lakile ? kay ve afaka asiana raizonema ihany hoe siansa dia vola e...

gasy1zay:
raha za eo ampivavahana iny no lasa e!( maty io) @ izay sur 100% fa lasa any @ lanitra

Nga izay indray no critere ?? (sa izay no metimety ao @ imaginatino-nao irery ao?)

gasy1zay:
Raha kristianina ianao dia ny tanjona ny handova ny fanjakan'ny lanitra

dia aminao izany tsy quoi na mahantra fadiranovana azany an..

Fa maninona azany ho'a ianao ry Gasy1zay azany raha mba manao toa ireo Amish, ka tena tsy mampiasa lelekitrisitia (asan'ny Bibidia io) fa tena mivelona @ Baiboly sy mofo sy divay e.. Rizareo Amish izao tsy manana radio ary soavaly sy lavotiry no ampiasainy.. ny akanjony dia t@ 1800 ireny.. Dia izy tsy mifanerasera @ izay olona (Bibidia no betsaka mantsy) fa ao, dia mifanambady ao.. jereo ohatra
http://en.wikipedia.org/wiki/Amish
17. endriny ( 18/02/2015 05:54)

gasy1zay:

Ny gasy dia malaza ho be manampahaizana saingy tsy misy vokatra mintsy satria tsy misy vola,

Fa angaha moa rey olona ny olona any an-dafy mangery vola a? Sa isika no tsy mahay mitady vola? Na isika no tsy mahalala ny tanintsika sy ny fampiasana ny harentsika? Firifiry ny Karana tonga teto toa nahantra kely ery taloha nefa aiza izy izao.

Jereo ny Sri Lankais mikapakapa mody mividy vato iray na roa, aiza izy izao... Fa isika variana mangataka... Hany ka ataon'ny fikambanana iraisam-pirenena sy ny fiangonana fitaovana angatahana any ivelany fotsiny...

gasy1zay:

ny gasy firifiry miaina anaty delestazy satria tsy misy vola ny Jirama, mba eritrereto hoe raha an'ny EDF ny jirama mety gasy firify no mahazo jiro satria ry zareo manambola hividianana fitaovana sns sns, ny jirama manda mpanjifa vaovao fa tsy ampy fitaovana sy reserve angovo. Ka io na atidoha toy inona aza ny siantista refa tsy misy ny vola famatsiana fitaovana sy hanaovana fikarohana dia tsy hampandroso na inona na inona , vola no mampiodina ny toekarena voalohany.


Angaha ianao tsy mivavaka tsara moa... I Jesosy ange no fahazavana e... tokony tsy mila elekrisite intsony ny mpino... Sa diso indray ny baiboly? ahahhhah

gasy1zay:

Mikasika ilay resaka tsunami indray dia raha izaho no anontanianao dia tsotra ny valiny, raha izaho manokana aloha dia tena ohatrany tiako raha za eo ampivavahana iny no lasa e!( maty io) @ izay sur 100% fa lasa any @ lanitra. Ka ny olona tsy mino ny fianan-tsy hita no manahy ny @ fahafatesana fa raha mpino kristianina ianao dia lalana idirana any @ fiainana mandrakizay io, izay anie ilay hoe nantsoin'ny Ray hody any aminy e! Matin'ny Tsunami ve mafy noho ny maty martiora fahiny?


Raha mbola tsy teo aminao ny atambo, dia mifalia aloha fa aza miantso rihatra hianjera amin'ny tenanao fa ho avy io ary tsy ho ela... Sady ianao raha izay no tianao andehanana any an-danitra dia tsotra e.. asaina vonoin'ny namanao eo am-pivavahana ianao... tsy sarotra
[/quote]
18. endriny ( 18/02/2015 06:06)
Fa ny hitako mahatonga an'i Madagasikara toa izao dia ireto mpitondra milaza azy ho Kristianina ireto mihintsy. Ka tsy manisy hasiny sy hajany ny fomban-tany misy intsony araka ny voalazan'i "Sitlo".

Hany ka ny tompon-tany indray no ariana fa ny vahiny no omena sira.

"Hery" Marina aloha fa manao asa fampandrosoana ny fiangonana, kanefa izao no zavatra tsikaritro. Rehefa tonga ilay fiangonana dia mitady tany anaovana fampiharana ilay fambolem-bary na fambolena mangahazo, na anana isan-karazany. Dia manafatra olona avy any Betsileo - Ambositra sy Vakinakaratra izy raha mopera sy masera. Dia ireny aloha no ataony miandry saha eo. Dia rehefa tapitra ilay tetikasa dia hay efa lasa voasoratra amin'ireo olona vahiny napetrany hoe hiandry saha ireo ny tany, na efa voasoratra amin'ny fikambanan'i Mopera sy Masera. Dia mivanaka fotsiny ny tantsaha nampindrana ilay tany satria tany mbola tsy voasoratra ka aiza moa no tsy mora alaina... Fehiny tsy misy asa maimaim-poana fa misy takalony daholo. Ny vato aza hosoramenaka raha nahitana ny soa.

Fa tsy misy mihezaka hampandroso ny olona eto madagasikara fa ny mampiasa "ilay fahantrana ho fitadiavana tombontsoa ho an'ny fikambanana no betsaka". Hoy ny Afrikanina: "Arakaraky ny maha betsaka ny ONG no vao maika mampahantra ny mpiara-monina, ampatoriany amin'ny 1fran ianao, fa rehefa mifoha ianao eny an-tokotany"

19. Strong3 ( 18/02/2015 07:40)
ôh manafou ôh...!

hoy ny baiboly : sarotra hoan'ny manakarena ny hiditra ny fanjakan'ny lanitra...
hoy kaohenina : sarotra hoan'ny mahantra ny hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra...

raha fandotoan-tsaina araka ny tenin'i rhaj0 sy ny namany ny baiboly dia tena ... mampahantra tokoa ny baiboly sy ny raikitahiry ao aminy.

Indray andro izaho niditra tao amin'ny mpanao volo iray ... dia lhl io mpanao volo io, eo ampisitonana ny volon'ny vhv iray izy, ary izaho miandry ny anjara-laharako fa hanampaka volo aho.
_ nandeha ny resaka: ataoko hoe Mr A ilay mpanao volo; ary B izahay client-ny
Mr A: za zao tena miezaka eo amin'ny fiainana fa mafy tamiko ny tenin'ny dadako izay.
B : fa ahoana no nolazany taminao kay no nahatonga anao milaza izany?
Mr A: za hoy izy tsy mba manan-javatra , fa mipetrapetra-poana... tsy mba miezaka mihitsy eo amin'ny fiainana
__ de tezitra za hoy ihany izy nanohy; dia novaliako io dadanay io ka izao no namaliako azy: ahoana moa no hampanakarena ahy ry dada? vao zaza za dia nampanaovinao sekoly alahady. nefa NY NAMPIANARINA TANY TSY HAMPANAKARENA AHY MIHITSY; satria tsy mahazo fetsifetsy sy mandainga ary mangalatra... nefa ny vitadiavana miala izany; indrindra eo amin'ny resaka kaomerisialy ... eo koa hoy ihany Mr A ny hoe : "sarotra hoan'ny mpanankarena ny hiditra any..." dia toa tsy dia niraharaha fianarana sy asa be ahitambola izany teo amin'ny fidirana ho tanora tonga taona" .
_ hatreo ilay resaka.

inona no azao tsoahina amin'izay resaka izay... Te hilaza ohatranareo izy fa MAMPAHANTRA NY FIVAVAHANA KRISTIANA
Nefa ...
hita taratra fa tsy tena kristiana izy fa niditra ho membran'ny fiangonana fotsiny ihany.
ny Baiboly dia mampianatra fa raha hendry tsara ny mpino dia ahazo valiny amin'izany izy; tsy ny any andanitra ihany (ilay hoe paradisa) anefa fa na eto antany aza. betsaka ny porofo mahakasika izany. Ohatra i Solomona, davida, indrindra araka ny tenin'i Jesosy Tompo hoe: "Fa katsaho aloha ny fanjakako sy ny fahamarinako dia hanampiko anareo ny zavatra rehetra..." misy hoe: « Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony. » (2 Korintiana 8:9)
Noho izany ; diso ny filazana fa MAMPAHANTRA NY FIVAVAHANA KRISTIANA; fa ny mpanaradrenirano no tsy miditra lalina ka sady tsy atsy no tsy aro... sady tsy mahazo fitahiana no tsy mianatra taratasy (HADALANA IZANY)

Manaraka izany dia fahefan'Atra koa ny manome talenta hanaovana zavatra (famoronana asa)
« ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa: » (Eksodosy 31:3)
« sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa. » (Eksodosy 31:5)
« ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa, » (Eksodosy 35:31)
« Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto. » (Eksodosy 35:35)
___ dia mety hiteny angamba ianareo hoe: nga moa tao amin'ny israely ihany no nisy sivilizasiona? ... ie marina fa nanana ny sivilizasionany ny egyptiana, ny romana , ny grika, sns...
saingy tsy halatahaka izay nataon'ireo zanak'israely fa famoronana vaovao. izany hoe : Tsy mena mitaha amin'ny fivoarana nisy teto antany no nomen'Atra ireo olona tsy nahay nainona na inona ireo izay nandevozin'ny egyptiana ireo .

ary raha mijery io fahaiza-mamorona io isika dia samy miaiky izao tontolo izao fa ny enjeniera nifandrombahana dia ny enjenirera jiosy, teo amin'ny informatika, radio militéra, fitaovam-piadiana... rehefa hitan'ny amerikanina izany dia nilaizany nangonina ireo olona feno fahaiza-manao ireo.
__ mahalala olona vitsivitsy aho eto madagasikara... tsy mahay taratasy , fa mpino sy mpivavaka tsara, fa rehefa tonga kristiana nifototra tsara izy ireo dia tonga nahay taratasy , mamora, mampiteraka, manao trano sns... anisan'ireny i Neny lava ; izay nampitolagaga ny norvezianina , rehefa nasaina tany norvezy izy; noho ny fialonana dia tsy nakana mpandika teny i Neny lava raha tonga tany nefa hitory teny; ka dia nandahatra tamin'ny teny gasy ihany izy. NEFA NY NAHATALANJONA DIA TENY NORVEZIANINA NO HENON'NY tompotany
Ilay hery tsy hita maso nefa mitondra famatrarana fa marina ny voalazan'ny baiboly dia azo ambara fa tsy angano io boky io sy ny fisian'Atra. fa ho tahaka ny boky rehetra ihany ny baiboly raha toa ka nanandrana nefa tsy nisy tranga niseho. Mila fifantohana sy fanarahana tsara anefa izany; fa tsy mba tahaka ny siansa ny baiboly ka izay misy saina te hanamboatra pile de manao( ireny dia mba hain'ny badrahotra ihany koa) . fa ny baiboly dia mitaky fepetra amin'ny lafiny zavatra lazainy

20. rhaj0 ( 18/02/2015 15:23)
Strong3:
Te hilaza ohatranareo izy fa MAMPAHANTRA NY FIVAVAHANA KRISTIANA..

Io k'lou dia ianao Strong3 irery no kibokiboin'ny imagination-nao ao ka milaza an'io eto.

Averiko indray ny ahy, raha ny fahitako azy, dia arakaraky ny ampiasaina ilay "finoana/fivavahana"..

Ary ny fahitako azy, ny an'ny (ankamaroan'ny) gasy (kristiana), ny finoana/fivavahana dia ampiasaina "hiononana"... sy tsy haiko, "hiedinedenana" rehefa alahady ?

Dia avy eo
- dia "mionona" fa izay ny (good) plan of God,
- dia "miedinedina" fa tsara sitrak'i God hono izy (sasany Kristiana) @ io...

Nefa ny an'ny WASP ohatra, dia io finoana kristiana io no support moral-ny @ fampanankarenan'ny tenany sy ny fireneny. Ny an'ny Japs ohatra, dia TSY ny finoana kristiana no support moral-ny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1644