Ho an'i Rahj0: Manao ahoana izany fiangonana sy finoana any an-dafy any izany? Misy mpandala ny finoana nentin-drazana ihany koa ve any?

1. endriny ( 12/02/2015 16:05)
MIrary soa e
novalian'i Strong3 ny 18/02/2015 08:43
2. rhaj0 ( 12/02/2015 17:17)
Ny gasy aty Kanada aloha dia, raha ny fahitako azy, dia tena maniry hotry ny anana ny fiangonana-gasy. Jereo ao @ seraseragasyCA fa raha vao lehibebe ilay tanana (Montreal, Quebec, Ottawa) ka maromaro ny gasy ao, dia velona ny propespanta, kakolika, lotelana ets... Dia hotry ny hoe mihindrana fiangonana hampiantrano azy ao zareo.

Ny immigrants, ilay vao tonga, premiere generation, koa dia mameno ny fiangonana aty. Ohatra ny ao @ kakolika dia misy iretsy filipinos sy ry latinos na koa ry Haitiana. RAha mandeha prospespanta ianao dia misy samy hafa firenena e.

Fa ankoatr'ireo, ny hitako aloha, dia beantitra kanadiana no ambiny ao ampiangonana. Nanatrika concert de noel aho ho'a in-1 mandeha, ary dia ilay mihira choral ho'a dia efa ho 85 taona izy teo..

Ny tsikaritro koa anefa, dia maro @ ireo immigrant 1ere generation no tsy-mino; hotry ny hoe, izay indrindra no nalehany nifindra-monina aty, mba tsy ho voarebirebin-dry ... imam sns ireny intsony ohatra. Ny immigrant 2eme generation k'lou dia, raha ny olona fantatro, dia efa lasa... tsy-mino, tsy-miangona..

Ny kanadiana tanora, na hoe izay miara-miasa na voisin aty ho'a, ny hitako io an, mety hoe samy hafa ny milieu, fa ny hitako dia tsisy mandeha miangona izany. Rahefa mampiresaka moramora aho dia saika athee ireto olona, na koa, mitady spiritualite tsihaitsihay izany, fa tsisy ilay tradisionalibe k'lou e.

Fa aty moa tani-na immigrant, ka dia ohatra hoe, aty Ottawa dia ahitana iretsy somaliana sy jamaikana sy sinoa sy karana, ny any Montreal ny Arabo sy Haitiana sns.. dia samy manao ny voaliny sy ny turban-ny eny, sy ny collier-la-croix sns eny ...


Ny @ hoe "finoana nentin-drazana" dia ... raha ny immigrant ve moa tsy efa kristianisma/moslimo no lasa (lazainy fa) "nentin-drazany"..

Fa ny voamariko dia ireo amerindiana no manaja sy mankalaza ny nentin-drazany.


Asa ahoana ny hitan'ny namana hafa izay mipetraka eto Kanada koa, na koa ny any Frantsa any
3. Strong3 ( 13/02/2015 09:44)
na ao erôpa aza mba ohatran'izany ihany ange eh! fa tsy hoe any ihany... fa izany hoe na eo aza izany dia tsy mahafoana ny zavatra hitranga atsy ho atsy ny tsy fisian'ireo fiangonana tena miaina ny marina

afangaronareo mantsy ilay hoe: relizion sy ny hoe kristiana fanatika

__ fa hono hoa; mba velona ihany ve ny mpampivavaka any izany?
4. Strong3 ( 13/02/2015 11:00)
fa aiza ao canada aloha isé io no mipetraka dia inona no anaran'ny tanananareo ,misy egiliz ve manodidina ? mivoa isanandro ve?
5. rhaj0 ( 13/02/2015 11:36)
Eto Ottawa aho .. feno leglizy tokoany manodidina aty.. Fa ny aty ho'a ny leglizy dia manana sous-sol ngezabe.. dia ao toa "tranom-pokonolona", ahofany ho an'izay te-hampiasa azy.. TSY voatery hoe ivavahana, fa ohatra, anaovana bingo ets...

Strong3:
afangaronareo mantsy ilay hoe: relizion sy ny hoe kristiana fanatika

Marina ny anao.. rahefa mivoaka ny sitatisitika dia jereo anie e
http://www12.statcan.gc.ca/
Canadian ~ 33M
Christian ~ 22M
Hindu/Jew/Moslim/Sikh/other ~2M
No religion/athee/.. ~ 8M

Dia jereo koa anie ny lisitry ny kristiana e : ankoatry ny propespanpa sy ny kakolika dia misy Amish sy ny Charismatic sy ny Doukhobor ary Vineyard Christian (Fellowship) :-)

Ka iza @ ireo ry Strong3 no "tena izy" ? iza no "troupeau" ?? Ianao izao hitako ho isan'ireo "vitsy an'isa" izay tsy ao @ ilay "religion" fa ... "kristiana fanatika" sahala @ filazanao azy ihany...
6. Strong3 ( 13/02/2015 11:48)

rhaj0:

Eto Ottawa aho .. feno leglizy tokoany manodidina aty.. Fa ny aty ho'a ny leglizy dia manana sous-sol ngezabe.. dia ao toa "tranom-pokonolona", ahofany ho an'izay te-hampiasa azy.. TSY voatery hoe ivavahana, fa ohatra, anaovana bingo ets...

Strong3:
afangaronareo mantsy ilay hoe: relizion sy ny hoe kristiana fanatika

Marina ny anao.. rahefa mivoaka ny sitatisitika dia jereo anie e
http://www12.statcan.gc.ca/
Canadian ~ 33M
Christian ~ 22M
Hindu/Jew/Moslim/Sikh/other ~2M
No religion/athee/.. ~ 8M

Dia jereo koa anie ny lisitry ny kristiana e : ankoatry ny propespanpa sy ny kakolika dia misy Amish sy ny Charismatic sy ny Doukhobor ary Vineyard Christian (Fellowship) :-)

Ka iza @ ireo ry Strong3 no "tena izy" ? iza no "troupeau" ?? Ianao izao hitako ho isan'ireo "vitsy an'isa" izay tsy ao @ ilay "religion" fa ... "kristiana fanatika" sahala @ filazanao azy ihany...


nga za any no ho hitan'ny statistikanareo any ry sakaiza ah hihihi..
rue faha firy enao e? aiza ho aiza ny boulevard des allumettieres ? @-@
7. endriny ( 13/02/2015 12:55)
Misaotra betsaka e....
Ka ny mahatonga ilay isa be dia be ho an'ny kristianina raha ny filazan'ireo vahiny mandalo moa dia ilay hoe: "mbola kely izy dia efa vita batisa" dia lasa misoratra ho kristianina, na dia tsy nankany ampiangonana sy tsy namaky baiboly akory aza...
Moa ara-politika ihany koa dia tsy maitsy arangaranga ilay hoe tandrefana mira kristianina, na dia ny ankamaroany aza efa tsy eo amin'ilay toerna intsony fa efa maintimolaly....

Dia ahoana indray ny fifandraisan'ny mpitondra sy ny mpitondra fivavahana?
Misy mpitory ve any?
8. rhaj0 ( 13/02/2015 14:15)
Marina ny an'i Endriny.. ohatra ilay tary ato am-piasana ato izao, 2eme generation sri-lankais... Dia avy lery hoe kakolika hono ary Abraham koa ny anarany.. dia ok ho'a.. dia nosokiriko avy eo.. ka mandeha any @ sekoly kakolika ve ny zanakao? dia hoz'izy hoe: ntss.. raha tsy gaigy kouh.. oops, non.. tsarabe ny sekoly tsy-katolika aty aminay...

Ny gvt (federal) izao dia conservateur.. Ny conservateur dia (matetika) ireo kristiana-be irony no minorite agissante ao.. sahala @ ao US ihany, ry Republican sy ny Tea Party.. Fa @ ankapobeny tsy mampiditra resaka fivavahana @ politika zareo. Na izany aza, hita(ko) tsara mihintsy ihany fa mitaratra @ fanapahakevitra politika raisiny ny finoany
- ohatra io resaka any Middle East io, dia tena pro-israeliana noho ny israeliana zareo satria izay hozy ny Baiboly
- na koa nakatony ilay observatoire atsy Megantic (nefa renommee international) satria... asa, ngo dia mitsikilo ny ambanin'akanjon'i G avy ety ambany ety?? fa nihoraka ny olona dia nihemotra.
- fa mody hoe 'austerite" zareo, fa notapatapahiny daholo ny resaka siantifika.. Tezitrabe mihintsy ny olona ao, fa dia miandry tournant fotsiny
- dia ireny kristiana conservateur ireny koa moa "mino" fa io rechauffement climatique io dia hotry ny hoe ao anatin'ny (good) plan of God ka dia tsy mila iadiana..
- ny avortment izao dia tsy mahasahy mikitika izy fa minorite agissante ho'a zareo = minorite, ka raha mikitika eo dia ho voadakan'ny olona presto; dia ny droit des homosexuels kosany dia arovany ihany

Ny mpitondra sy mpitondra fivavahana dia tsy hitako hoe misy ifandraisany @ ahoana.. rahefa miteny ny arseveka @ izay resany any, dia izay izany fa tsisy hoe miankohoka na inona.. Fa izy moa hotry ny hoe mi-representer kakolika maro ohatra dia henoina izany.

Misy TJ ilay mitety trano ireny tokoany koa aty.. fa izy moa izany sahala @ ireny mpamitaka-mpivarotra assurance mitety trano ireny ihany dia any ny tranony..
9. endriny ( 13/02/2015 15:35)
Ary ny mpivavaka any ve mba mandrangaranga ilay fankahalana ny Masaonika toa ny eto Madagasikara?

Eto mantsy rehefa tsy mifanaraka amin'ny zavatra tian'ny tena ilay mpitondra na solafaka dia tondroina avy hatrany hoe Masaonika...

Fa rehefa andeha hanongam-panjakana na andeha haneo hevitra an-dalam-be dia antsoina ny FFKM mba hankatoa ilay hetsika atao, ary dia samy kristianina isika a...

Izany hoe rehefa mety ny atao dia Kristianina izany raha mpitondra, raha tsy mety ny atao dia Masaonika ny mpitondra
10. rhaj0 ( 15/02/2015 19:35)
Ny @ franc-macon k'lou dia tsy hitako @ vaovao, na @ resaka.
Fa raha hozy ny wikipedia
http://fr.wikipedia.org/wiki/Franc-ma%C3%A7onnerie_au_Canada
dia ny fazahoako azy, dia networking ilay izy, dia misy rite manaraka (mety genre na bizutage), fa tsy tena hoe societe secrete sahala @ maffia, ka hoe tena mivorivory dia manindry aloka.. asa anefa ...

Ny oecumenisme aty Kanada indray dia tena tsy hitako loatra... mainka moa fa izany karazan'ny FFKM izany dia tsisy.. raha ny fantatro aloha. Fa ny fiangonana aloha dia ... raha ny fahazoako azy, dia sahala @ groupe-na lobby rehetra ihany, ohatra sahala @ syndicat na koa ohatra hoe chambre de commerce.. Rahfa miteny zareo dia, bien sur, henoina, fa tsy hoe zareo no mandidy ny politique na mijabaka, na manelanelana. (ny Court Supreme no eo, dia ny Reine koa eo)

Oahtra izao ilay adi-hevitra hoe.. ka mandaginina ireto moslimo sy ny hafa ireto, ka rehefa mi-immigrer aty, dia ny finoany dia hotry ny ambony noho ny valeur eto an-toerana, ka dia hoy ny sasany eto hoe, ka dia mila avoitra koa izany ny finoana sy valeur local. Dia raikitra ny hoe, avereno (na moa apetraho) ny lakroa nihantonan'i JC ao @ antenimiera kebekoa. Dia niteny ny arseveka... fa miteny izy izany dia henoina fa toa tsisy nahatadidiy izay noteneniny (raha izaho k'lou e)

Fa raha ny ao Kebek manokana, dia raha ny fahazoako azy, dia tena daka ambavafo mihaja no nahazo ny Kakolika.. ohatra jereo ny hoe revolution tranquille tao Kebek, tany @ 60s
http://www.larevolutiontranquille.ca/fr/le-recul-de-la-religion.php
Io azany h@ 1980.. fa raha misy manao fikarohana @ izao 2015 izao dia asa fotsiny..
11. Strong3 ( 16/02/2015 07:18)
raha ny fahitako azy eto izao dia marina ny filazanao hoe: "ambony ny % ny kristiana any" betska ny fiangonana na evanjelika na praotestanta na katoalika... ny tanana koa toa ambany volo, fa ny fotompisainana izany no efa somary miova ho robot kokoa ka tsy afaka ny ho hisaina be ny momba ny fanahy...

mandinika ilay tanana misy anareo za dia lasa saina be hoe hisy % ohatran'izany finoanao ny tsifisian'Atra sy ny fandavana ny baiboly izany.
Nieritreritra za hoe: ny tanana toa ny florida sy Los Angeles ireny na mba las vegas ireny no mba tena efa nanary boky mpifehy ny feon'ny fieritreretana toa ny baiboly.

raha mijery ny fiangonana efa tranainy izay vato be makadiry io za de gaga , tamin'ny 1924 no efa teo Ottawa , nefa hoe lany olona amin'ity tanana kely

Miaiky ny rivotra vaovao any ny tenako
12. endriny ( 16/02/2015 14:06)

Strong3:

Nieritreritra za hoe: ny tanana toa ny florida sy Los Angeles ireny na mba las vegas ireny no mba tena efa nanary boky mpifehy ny feon'ny fieritreretana toa ny baiboly.


Tsy haiko ianao na minomino ireny film ireny, na tantara angano fotsiny. Fa izaho kosa efa mba tany. Fa any raha latsaka aza ny poketranao dia mbola tadiavin'ny olona ny adiresy misy ilay izy ary ateriny ao aminao na alefany paositra. NY olona mbola mifanao aza fady sy misaotra ary mirary soa ho anao raha sendra mievina ianao.

Toa izaho indray aza no niavonavona tany satria efa zatra ny aty hoe tsy miarahaba olon-tsy fantatra.

Ianao ve raha latsaka poketra ao anaty taxibe na eny Analakely hisy hanao toa izany?

Ny an'ny namako aza tao am-piangonana mihintsy no tsy hita, nataony fiandrasa-toerana nampitondrainy ny zanany, fa izy mbola niresaka teo an-tokotanim-piangonana.

Ny mpivarotra rehetra sariaka daholo, fa tsy konjokonjo ohatran'ny eto amintsika...
13. rhaj0 ( 16/02/2015 15:13)
dia hotry ny izaho no Irainizayloza rahefa miteny hoe, mba mivoaha @ ilay box tsisy afa-tsy baiboly re ry Strong3 fa dia...

Strong3:
ny tanana koa toa ambany volo, fa ny fotompisainana izany no efa somary miova ho robot kokoa ka tsy afaka ny ho hisaina be ny momba ny fanahy...

Asa inona indray no tian'i Strong3 lazaina @ hoe "ambany volo" ...
Dia ilay olona izany "tsy afaka ny ho hisaina be" an...

Strong3:
Nieritreritra za hoe: ny tanana toa ny florida sy Los Angeles ireny na mba las vegas ireny

djisaosy kiraisita...


Fa ity iray ity no mampivanaka ahy...
Strong3:
boky mpifehy ny feon'ny fieritreretana toa ny baiboly.

I Strong3 irery ve k'lou no mahita toa izany sa dia izany daholo no fandraisan'ny Kristiana ny BAiboly e...


14. endriny ( 17/02/2015 05:43)
Ny mahalas ny saiko mantsy dia maro ireo misionera fotsihoditra no tonga teto, sy mbola eto ary mielingelina eto. Kanefa rehefa mba nandalo tany aho dia mba nentina Malagasy namana andeha hivavaka. Dia mba tsy maintsy mandeha aloha. Dia efa nilazan-dry zareo hoe: "Aza gaga ianao fa aty tsy misy olona miangona izany raha tsy olona antitra be a"

Dia tonga tao am-piangonana, nandrasako hoe rahoviana no ho feno ity fiangonana... mety taratara angamba ny olona vao tonga... Dia olona 30 teo angamba no tonga tao...

Teo koa dia variana ihany aho. Ilay fiangonana moa lehibe dia lehibe. Kanefa ny olona vitsy dia vitsy. Dia nanantona anay ny mpiangona sasany dia niresaka hoe: "Fa izy no iza? " tamin'ireo namako. Dia ry zareo no nifampiresaka teo. Ka rehefa nandroso ny fivavahana dia nasaina nitsangana izay vahiny rehetra. Ka nisy roa izahay no tao. Dia nasaina nandroso teny aloha nilazalaza ny momba anay tsirairay... Ohatran'ny hoe tany an-dakilasy izany aho. Fa tsara ilay izy..

Ohatran'ny hoe fivoriana fizarana hafaliana izany no natao tao fa tsy nivavaka sy mangina be ohatran'ny aty amintsika...

Dia gaga aho

Dia avy eo moa nisy fiarahana misakafo tao ambany rihan'ilay fiangonana... dia resaka fitadiavam-bola no tena natao tao fa hoe misy fiangonana tsy maintsy akatona angaha raha tsy ampy ny vola am-pandehanana azy...

Izaho moa mbola badraodra be amin'ilay teniny koa...
15. Strong3 ( 17/02/2015 07:45)
hihihi zézy mari zôzéfa hoa...

hafaka kely ilay ville-nareo izany ry rhaj0 , toa any paris izany raha atao indray mitopy maso

fa inona indray moa izany no fehezin'ny baiboly?
... sa ambesana toa omby ny olona , ny nofo-beny no kapohina mba hampivily lalana azy?

Sa inona no mba hevitr'isé amin'ny zavatra entin'ny baiboly?
ary averiko foana miala amin'ny be sy ny maro , mpanara-drenirano fa mahafaty izany amin'ny akapobeny.
16. Strong3 ( 17/02/2015 08:24)
endriny//

aty amintsika 80% ny malagasy mpivavaka na mety ho kristiana daholo ...
_ 75% mpanara-drenirano (fa mavesatra amin'i rhaj0 ilay hoe verité du ...)
_ 3% mpitrandraka ny marina efa manao ny ainy tsy hozavatra ahalalana ny marina (tsy mifidy anaram-piangonana io)
_ 1% efa mihevitena tonga mpampianatra
_ 1% efa mianjera avy eny ambon'ny fahalalana feno

_20% mpivavaka amin'ny nentindrazana, finoana hafa ary ireo tsy mivavaka tsotr'izao tao an-dry rhaj0

toa ny olona rehetra dia samy manana ny feon'ny fieritreretany ny tsirairay; fantantsika malagasy fa ambony be io fihenoana ny feon'ny feritreretana io amintsika. heverina fa olona adala ny maty eritreritra eo amin'ny malagasy...
rehefa niditra ny kristianisma dia nampakatra be ny taham-peom-pieritreretana izany (teo koa ny finoana hafa nampiditra ny azy... iaraha-manaiky izany)
_ ka ankehitriny tonga ny atambo; nahalala ny marina ny olona noho ireo rivotra vaovao nentiny misionéra amerikana ... nitsoka koa ny afrika atsimo sy ny zanaka iniversel rehetra ireny ; Very hevitra ny olona __ samy milaza manana ny marina daholo izay mipoitra, fifanaratsiana, fifanesoana, fifanenjehana sns...
ireo fampanantenana entin'ny fiangonana tao atsy misy hita fa indray mandeha tsy miverina dia MANDAMOKA AMIN'IZAY NY AMBINY; miverina amin'ny teo indray hoe : MILA FAHARETANA NY MIARAKA AMIN'NY TOMPO, sns...
_tsy andrin'ny kamo sy ny malaina ary ny masikigny izany FAMPIANDRASANA IZANY ka dia tapa-kevitra ohatran'ny athée izy ireo hoe : Atra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany
noho izany dia ampiasana daholo ny zavatra rehetra hanavotan-tena ... tsy mahagaga ; raha mahita vhv manafina vola any amin'ny tatinono isé hihihi laol...
__ ka iza moa no hodisoana eto madagasikara nosy mamintsika eto ity?
ny fiarahamonina simba noho ny tsindry hazo lena; te hitraotra ny olona fa tsy afaka ka izay marefo toa azy ihany no hoaniny.
DIA HOY IANAO VE HOE NY FIVAVAHANA KRISTIANA NO NAMPIVOANA NY MALAGASY ??? ... mitsara marina ry sakaiza isany ! maro no mbola tsy mpino fa mpanara-drenirano . Mbola tsy nanandrana ny fiainana kristiana izy ireny fa nanaraka ny fomba kristiana fotsiny ihany.
___ hoy isé: ny any amin'ireo tanana nolazaiko hendry kokoa; marina izany amin'ny fiarahamonina fa tsy amin'ny fitondrantena samy irery. ireo mpiloka sy mpidoraka ary ireo mpilalao fananahana; aiza no tranony ??? tsy any amin'izy ireny ve...?
Ny vola efa eo amin'ny ka paoketra latsaka ve mba misy vola ohatr'inona ao anatiny ? sa efa miverina mitondra esipésy ny kapitalisa???


°°° ny antitra hoy isé no mandeha mivavaka any ... ka ireny no tsy mahita atao intsony. efa lany pilona ka tsy afaka miasa toa raobô intsony .
tsy mahagaga izany! nefa mba mahita fiangonana evanjelika ihany aho maromaro any amin-dry zareo.
Fa tsy mitondra inona izany amiko na tsy hisy mpivavaka intsony aza ao ampiangonana ; efa voasoratra ao amin'ny Soratra masina izany... hiamangatsiaka ny fitiavan'ny maro
ary ny fiangonana dia ho foana tsy hisy intsony eto antany amin'ny andro farany, eny fa na dia ny mpitoriteny sy ny bérger aza... Ary amin'izay dia hofaly ireo TSY TIA MAMAKY ILAY BOKY MPIFEHY NY FEON'NY FIERITRERETANA fa ireny koa dia HO FOANA TSY HISY INTSONY NOHO ny etraketrakin'ny athée (NOM=bibidia)
Efa voasoratra izany rehetra izany ka tsy mahagaga ...

17. rhaj0 ( 17/02/2015 13:43)
Strong3:
etraketrakin'ny athée (NOM=bibidia)

Dia tsoriko fa dia tena "manavy" ianao ranamana fa mba makA recul kely. (tato ho ato ianao ranamana dia tena hotry ny surmenE eee... manao incantation lavabe eeee..)

Taiza nisy "bibidia" nietraketraka anareo izany ? Ireo "bibidia" izay 72%-n'ny ao @ Oniversitia, sa ireo "bibidia" izay 0.2%-n'ny any am-ponja ?

http://freethoughtpedia.com/wiki/Percentage_of_atheists

Atheists among scientists
Personal disbelief (in personal God) : 72.2 % (1998)

Atheists in America
Date of birth 1977+ : 19 %

Atheists in Prison : 0.209 %
18. gasy1zay ( 17/02/2015 19:14)
rhaj0 > raha mety ianao dia ndao isika mba hanao théorie de conspiration kely, aleo atao hoe théorie ilay izy @ izay ianao manaiky hypothèse apetraka toy ny hoe misy ny devoly :) mba ekeo aloha fa theorie ity e!

Ireto ny hypotheses ntsika :
ekena fa misy ny devoly
ekena fa misy Andriamanitra
ekena fa tsy hita maso na ny devoly na Andriamanitra

Tanjon'ny devoly = tsy hino an'Andriamanitra ny olona, tsy hanaiky ny sitrapon'Andriamanitra hanao izay tiany tsy misy manakatsakana (liberté), vokany : faly ny olona fa afaka amnao izay tiany ( à court terme) saingy tafasaraka amin'Andriamanitra ka tsy handova ny lanitra fa ny helo (à long terme)

Tanjon'Andriamanitra = hino ny olona fa misy toerana nomaniny ho azy rahatrizay, mila mino sy atao batisa izy hahazo ilay ticket hidirana any, dia ny Dress code (miala @ fahotana)


Ka dia izao, Andriamanitra miasa @ olony ( pasitera, mopera, mpitoriteny, kristianina sns sns)

ary etsy andaniny ny devoly koa miasa @ olony (???) ka iza ary ireo olon'ny satana raha tsy hita maso izy??? dia jereo hoe inona ilay tanjony etsy ambony??? ka ireo olona mitady an'ireo toa...raha any @ tandrefana sy any @ rhaj0 izao dia ny fanjakana mintsy oh? sa tsy izany? fa maninona ary ny fanjakana midradradra mafy ny laicité de l'état nefa manindraindra ny mariage gay? Maninona ny ankizy/tanora no avela hanao izay tiany dieny mbola kely ka azo atao daoly ny zava-drehetra @ alalan'ny liberté sy ny épanouissement personnel, haveriko foana moa ity fa dia gaga aho hoe ny amerikana hono hoa hanomboka hamela ny olona hifoka rongony, rehefa nandinika aho dia izaho ilay théorie du complot, ohatrany hoe ireo fitondrana @ firenena matanjaka mintsy no mampirisika ny olona tsy hankatoa ny didin'Andriamanitra fa hanao izay tiany, dia maninona nefa izy no manao izany??? Iza moa no tena ambadiky ry zareo??? Toa hoe ny Franc Maçon hono, ireo mpitondra amerikana rehetra toa membre ambony tao daoly, ary ny hafa??? mety Franc macon izany no tena mampirisika ny olona @ io lalana io an! Maro be nefa ny milaza @ internet hoe tena satanika na mpanompo an'i Satana/devoly ireo lehiben'ny FM na ireo illuminati, ingahy Albert Pike izao ohatra dia nalaza ratsy mintsy tao @ FM

http://fr.wikipedia.org/wiki/Albert_Pike


Ka sao dia mba ny devoly ary no mamitaka ny olona any @ tany mandroso toy ny zamerika tsy hino an'Andriamanitra, hanao izay tsy mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra @ alalan'ny Franc Maconnerie? satria avy ao amin'zareo ireo mpitondra, olo-malaza, mpitantana orinasa, eny fa na dia mpitondra fiangonana aza???

izay ilay théorie du complot izay tena mitombina na tsy misy porofo aza saingy ny devoly mandresy lahatra ny olona @ alalan'ireo olony fa tsy misy Andriamanitra sy ny Devoly fa noforonin'ny Kristianina, ny any @ tandrefana koa moa ny olona dia variana @ ny fitadiavana vola aloha sy ny fahafinaretan'ny nofo ka refa eo ireo dia toa adino daoly ny ambiny hatr@ Andriamanitra :)
19. rhaj0 ( 17/02/2015 19:45)
Ka miaraka @ hypotheses-nao (sy ny imagination-nao) anie dia ... tout est possible e... Izay lazainao rehetra eo dia ho marina daholo (ao @ imaginatino-nao irery ao ho'a)
20. endriny ( 18/02/2015 06:19)

Strong3:

aty amintsika 80% ny malagasy mpivavaka na mety ho kristiana daholo ...
_


O rey olona e... mba mandalova aloha ao amin'ny INSTAT na mba manaraha Gazety vao miresaka fara faha ratsiny. Rehefa miresaka ange mba maka ilay atao referensa e. ohatra hoe Jaonina, Lioka, Marka,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1219