Niova làlana (2)

1. bor2lais ( 02/12/2014 13:28)
Nahita ny lohateny naroson'ny namana Tefigasy etsy ambany dia nahatsiaro ny tantara ao amin'ny Baiboly mikasika ny magy.

Ny magy izay azo lazaina fa "siantifika" dia azo lazaina ihany fa diso "cible" tamin'ny voalohany satria tany amin'i Heroda (mpanjaka) ny "calcul" nataony no niantefa.

Andriamanitra tamin'ny alàlan'ny teniNY no nanitsy ny "calcul" nataony ka tonga soa amantsara any amin'ny "cible" tadiaviny izy ireo dia Ilay Mpanjaka vao teraka.

Vakio ny Matio 2.1-12 raha toa ka liana amin'ny antsipiriany ianao.

Misy an'ity andininy ity voalaza ao :

"Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy (ny magy)tsy hiverina any amin'i Heroda (nitady hamono Ilay Zazakely), dia làlana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany."

Manana ny fomba fiasaNY amin'ny tsirairay Andriamanitra (eto dia amin'ny alàlan'ny nofy) fa ny tena zava-dehibe amiko dia ny fisokafana ("disposition") hihaino Azy.

Ary tsy adino indrindra² koa fa rehefa avy nihaona tamiNY ireto "siantifika" dia niova làlana ... (fa tsy niverina tamin'ny ilay làlana taloha intsony !)

Tsetsatsetsa kely mba tiako zaraina amintsika fotsiny iny (sady tsy dia mifanalavitra intsony amin'ny vanim-potoana mifanaraka amin'izany isika izao) fa tsy voatery sy/na natao ho valiana akory ! :-)

Misaotra anao namaky hatramin'ny farany ! :-)
novalian'i rhaj0 ny 08/12/2014 15:34
2. rhaj0 ( 02/12/2014 13:51)
Ity koa "Tsetsatsetsa kely mba tiako zaraina amintsika fotsiny... fa tsy voatery sy/na natao ho valiana akory"... (ngo dia manimba ilay revirevy... indrindra @ izao vanim-potoana izao...)

Rahefa manadihady ny "siantifika" ankehitrio ny @ ilay "legende", dia jerijereo etoy... http://www.sciencepresse.qc.ca/
3. Tefigasy ( 02/12/2014 14:17)
Aleo aho mba hijapy, tsy ho anao no hijapiko fa ho an'izay mbola misalasala
bor2lais:

Ny magy izay azo lazaina fa "siantifika" dia azo lazaina ihany fa diso "cible" tamin'ny voalohany satria tany amin'i Heroda (mpanjaka) ny "calcul" nataony no niantefa.

Tsy siantifika fotsiny fa tena nanana ny fiandrianany sy ny fanjakany tany amin'ny toerana nisy azy mihitsy tamin'ny fotoany.
Nikaroka mafy izy ireo ny mikasika ny amin'i Jesoa, ary azo lazaina fa nampiasa fitaovana siantifika lalina tokoa.
==> Tsy heloka akory ny mampiasa ny voka-pikarohana ara-tsiansa. Misy mantsy ireo izay maka sisiny loatra tonga dia miteny hatrany hoe, aza mandeha dokotera, aza mihinana fanafody fa an'ny siansa ireny fa ny anareo mivavaha fotsiny ihany dia ampy.

Noezahin'ny devoly (fitaovana fotsiny Heroda eto) nampiasaina ny Magy sy ny fahalalany mba hanampy azy amin'ny famonoana ilay Andriamanitra tonga nofo. Mbola mitohy hatramin'izao vanin'andro hiainantsika izao izany : betsaka ireo vokatra siantifika no entina hijangajangana hanalavirana an'Andriamanitra, entina hamonoana olona, entina hiezahana hanaporofoana ny tsy fisian'Andriamanitra mihitsy koa aza mba hikosehana ny anarany......

bor2lais:

Andriamanitra tamin'ny alàlan'ny teniNY no nanitsy ny "calcul" nataony ka tonga soa amantsara any amin'ny "cible" tadiaviny izy ireo dia Ilay Mpanjaka vao teraka.

Vakio ny Matio 2.1-12 raha toa ka liana amin'ny antsipiriany ianao.

Misy an'ity andininy ity voalaza ao :

"Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy (ny magy)tsy hiverina any amin'i Heroda (nitady hamono Ilay Zazakely), dia làlana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany."

Manana ny fomba fiasaNY amin'ny tsirairay Andriamanitra (eto dia amin'ny alàlan'ny nofy) fa ny tena zava-dehibe amiko dia ny fisokafana ("disposition") hihaino Azy.
Ary tsy adino indrindra² koa fa rehefa avy nihaona tamiNY ireto "siantifika" dia niova làlana ... (fa tsy niverina tamin'ny ilay làlana taloha intsony !)

Ny magy dia nahalala tsara ny amin'ity Jesoa teraka ity, fantany fa mpanjakan'ny mpanjaka io zazakely io ary dia niankohoka teo anatrehany izy ireo. Manambara izany fa an’ity zaza ity ny fahefana, ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao ary dia nanome voninahitra, niankohoka teo anatrehany izy ireo.
Ny olona rehefa nampahalalana ny mikasika an'Andriamanitra dia misy ny mitady sy mikaroka Azy fatratra toa ireto magy ireto ary tsy avelany mihitsy raha tsy tafahaona Aminy izy. Misy kosa anefa olona tsy mandraharaha izany fa vao maika aza mametraka fisalasalana sy fanoherana avy hatrany. Rehefa tena mikaroka an'Andriamanitra toa ireto magy ireto ianao dia tsy maintsy hahita Azy fa aza matahotra, aza kivy.
Ireto magy ireto rehefa avy nihaona tamin'ny Tompo dia tsy niverina intsony izy fa nisaraka tamin’i Heroda satria tena hitany ilay mpanjakan’ny mpanjaka. Izay no foto-kevitra farany apetraka: manàna fahasahiana ianao hisaraka amin’ny foto-kevitra efa matanjaka eo amin’ny fiaraha-monina ny amin’ity krismasy ity. Efa notoloran’Andriamanitra hevitra ny amin’ny teniny ianao dia ilaozy i heroda sy ny mombamomba azy fa miverena araka an’Andriamanitra. Fanehoana izany fa tena mandalo krismasy, nandalo fahateraham-baovao ianao. Misaraha, mialà amin’ny fanaon’izao tontolo izao fa miverena kosa araka ny soratra masina.
4. rhaj0 ( 02/12/2014 14:28)
Mais les mages, qui étaient aussi des grands prêtres au service des rois, étaient à l'affût de signes dans le ciel. Or Jupiter était la planète des Rois, et Régulus, l'étoile des Rois... Quel Mage n'aurait pas vu dans cet extraordinaire rapprochement entre ces deux astres un signe de Dieu?

T@ izany fotoan'androny izany, dia toa hoe astraonaoma hono zareo (siantifika ve?), nefa io hita io izany fa mitady "signes dans le ciel" sahala @ astrolaogy...


Inona no ifandraisan'ny "conjonction planétaire" (Jupiter sy Regulus na Venus) sy i Bethleem ?


Sa dia azo akapoka hoe, "tao @ imagination-n'ireo Magy" ny nanjelajelatra teny an-danitra ??
5. rhaj0 ( 02/12/2014 14:46)
[size=8](tena tsy aritro, f'azafady.. i Gasy1zay hono, hoz'izy, TSY mino ny "astrologie"... nefa dia tena "astrologie" pure io ataon'ny Magy io... Aiza ianao ry Gasy1zay aaa... Tsy ny kilonga tsy mino pere noel ihany no ho sahirankirana izao, fa dia... ho mazamazana ny fifohazana r@ 25 desambra eeee...) [/size] :-)
6. rhaj0 ( 02/12/2014 16:33)
... rien dans le texte biblique ne fait mention du 25 décembre. "L'association de la naissance de Jésus au 25 décembre repose davantage sur la fête romaine "sol invictus", fête du solstice d'hiver, moment où les jours arrêtent de décroître et recommencent à croître", explique André Myre. Cette fête de solstice, fête de la lumière, a pu apparaître tout indiquée aux premiers chrétiens, pour célébrer l'enfant qui représentait, à leurs yeux, la "lumière du monde".

Izay angamba ilay tian'i Endriny tenenina in-1 mandeha (raha tsy diso ny fitadidiko)
7. gasy1zay ( 02/12/2014 16:42)

rhaj0:

[size=8](tena tsy aritro, f'azafady.. i Gasy1zay hono, hoz'izy, TSY mino ny "astrologie"... nefa dia tena "astrologie" pure io ataon'ny Magy io... Aiza ianao ry Gasy1zay aaa... Tsy ny kilonga tsy mino pere noel ihany no ho sahirankirana izao, fa dia... ho mazamazana ny fifohazana r@ 25 desambra eeee...) [/size] :-)


Tena manaiky aho fa tsy misy daty mazava ao @ baiboly hoe t@ 25 Desambra misasak'alina no teraka i Jesoa, ary matoa ireo namana sasany resy lahatra hoe tsy tokony hankalazaina ny Noely satria fety "paien" dia tena misy tokoa io fety io, fa amiko dia fahatsiarovana ny nahatongavan'ny mpamonjy no nandraisan'ny be sy ny maro ny Krismasy ka raha betsaka noho ny mahazatra ny tonga mivavaka @ io dia tsy manana olana mintsy ny tenako, rehefa mbola baiboly no vakiana @ Noely, rehefa mbola hira fiderana an'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina no ho ventesina. Na mifanojo @ fety hafa aza izany tsy mametraka olana amiko satria tokony hotsarovana foana anie ny nahazoana ny famonjena e! Raha misy fetin'ny sataniste ve dia tsy mahazo mivavaka ny kristianina na midera an'Andriamanitra?

Mbola manamafy koa aho fa tsy mino ny astrologie fa raha hitanao hoe mitombina moa izay lazain'ny horoscope ao dia tsy maninona fa tsy kapoakako :)
8. rhaj0 ( 02/12/2014 18:01)
Tsy azonao ilay izy.. Ny Magy dia astrologue.
9. gasy1zay ( 02/12/2014 18:31)

rhaj0:

Tsy azonao ilay izy.. Ny Magy dia astrologue.


Hay ve izay no tianao hiavina e, ka inona moa ny olana raha astrologue ny magy? izy anie niaiky hoe i Jesoa no tena mpanjakan'ny mpanjaka sy tena Andriamanitra e, raha ny fahitanao izany ve tsy hoe niaiky ry zareo hoe mbola ambony noho ny astrologie sy ny fahaizany ny fahefan'i Jesoa?

10. rhaj0 ( 02/12/2014 19:05)
Tsisy olana kah... Ilay "kintana" toa hoe "narahiny" dia toa ny "conjonction planétaire" teo @ Jupiter sy Regulus...

Fa "toa" "toa" daholo izany rehetra izany... mampandrotsirotsy.. :-)
11. gasy1zay ( 02/12/2014 19:09)

rhaj0:

Tsisy olana kah... Ilay "kintana" toa hoe "narahiny" dia toa ny "conjonction planétaire" teo @ Jupiter sy Regulus...

Fa "toa" "toa" daholo izany rehetra izany... mampandrotsirotsy.. :-)


Sao kosa mba tsy mampandrotsirotsy fa mahagaga :) ? moa misy zavamahagaga izay tsy hain'i Jehovah va?
12. rhaj0 ( 02/12/2014 19:16)
Rahefa ireo Sagittaire koa teraka hotr'izay, t@ fifandrifia-na planeta hafa koa, dia... f'angaha mino astrologie indray ianao ?
13. rhaj0 ( 02/12/2014 19:21)
Da hoy ianao hoe mahagaga...

nefany toa tsisy mahagaga (raha amiko aloha)..
En outre, on peut aujourd'hui reconstituer l'événement. La mécanique des corps célestes obéit en effet à des cycles très précis: on peut donc, grâce à des logiciels perfectionnés, reconstituer le ciel tel qu'il apparaissait à n'importe quel moment du passé.

Sa ny tianao tenenina dia hoe maha-gaga i Jehovah... ("gaga" sahala @ Lady Gaga) :-)
14. rhaj0 ( 02/12/2014 19:23)
[size=8]tezitsa be zao i Bor2lais fa "niova lalana (2)" ny loha-heviny :-)[/size]
15. gasy1zay ( 02/12/2014 19:33)
Ireo mpikaroka no nanao hypothèse sy nampiditra ny "toa hoe...." satria hozy ireo hoe "tsy possible" izany kintana mitarika lalan'olona izany, ilay mahagaga resahiko dia ilay eritreretiny hoe "tsy possible" io satria haveriko foana hoe "omniscient" Andriamanitra.

16. rhaj0 ( 02/12/2014 19:46)
RAha ny fhazoako azy, dia TSY nisy niteny io lazain'i Gasy1zay io hoe : "tsy possible" izany kintana mitarika lalan'olona izany". Ianao irery no miteny an'izany.

Ny siantista io dia miezaka mahazo hoe, "inona izany kintana hitan'ny Magy izany". That's all.

Ny hoe "io kintana io no mitarika", ilay hoe "mitarika", dia ao @ imagination-n'ny Magy.. (sy ny imagination collective h@ izao)


Sahala @ astrologie ihany io e... Misy kintana sy planeta eny ambony eny.. dia hozy ny astrologue rahefa mitazana hoe, ilay kintana dia "mitarika" anao ho hendry na hotrahotr'izany androany.
17. bor2lais ( 03/12/2014 08:27)
rhaj0:

tezitsa be zao i Bor2lais fa "niova lalana (2)" ny loha-heviny

:-)
Amiko, tsy tongatonga foana io teninao io ... ;-)
18. rhaj0 ( 03/12/2014 11:18)
[size=8]... hoe.. nisy nibitsika aho hoe... teneno (kely na ankolaka) i Bor2lais tsy ho tezitsa ?[/size]
19. bor2lais ( 03/12/2014 15:29)
rhaj0:

... hoe.. nisy nibitsika aho hoe... teneno (kely na ankolaka) i Bor2lais tsy ho tezitsa ?

Ary miasa mihitsy ny "imagination"-nao personnelle ao izany a ! :-)
20. rhaj0 ( 03/12/2014 16:16)
iieeee... io ngaha hitanao contrediser-na na hoe "porofoina" :-)

Fa raha voa-imaginer-nao ny no-imaginer-ko, dia ... john lennon
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4649