NY FANATANTERAHANA AN’ILAY DIDIM-PITSARANA

1. Maranatha ( 18/11/2014 05:00)
Rehefa hanomboka ny fitsara , ary ny tsirairay dia ho tsaraina araka izay voasoratra ao antin’ireo boky , ny fahefan’ny lalàn’ Andriamanitra dia ho raisina amin’ny fomba hafa izay tsy mitovy amin’ny fomba handraisan’ny olona azy amin’izao fotoana izao eo amin’ny tontolo kristianina . Satana dia efa nanajamba ny mason’io tontolo kristianina io , sy nampisafotofoto ny tsilon-tsainy , tahaka ny nanajambany ny mason’i Adama sy Eva , sy nanosehany azy ireo ho amin’ny fandikan-dalàna . Ny lalàn’i jehova dia tena lehibe mitovy amin’Ilay mpanao azy ihany . Eo amin’ny fotoanan’ny fitsarana , io lalàna io dia ho fantatra fa masina , marina sy tsara eo amin’ireo fitakiany rehetra . Ireo izay mandika azy dia hahafantatra fa hanao fampamoahana lehibe sy mampahita loza eo anantrehan’Andriamanitra . Satria mantsy ireo fitakian’Andriamanita dia mahatapaka . ( RH 7 /5 1901 ) Commentaires Bibliques p 414 ATO NO AHITAN-TSIKA NY TOHINY
novalian'i gasy1zay ny 21/11/2014 14:20
2. rhaj0 ( 18/11/2014 11:54)
Maranatha:
"Eo amin’ny fotoanan’ny fitsarana , io lalàna io dia ho fantatra [size=8]fa masina[/size]..."

Ka "any @ fotoanan'ny Fitsarana" izany ilay izy vao fantatra e... TSISY (afaka miambo ho) mahalala isika rehetra, na izaho na ianao.

Fa dia avelao ny tsirairay samy hirevy ny reviny e... any mifankahita.
3. Maranatha ( 19/11/2014 09:29)

rhaj0:

Maranatha:
"Eo amin’ny fotoanan’ny fitsarana , io lalàna io dia ho fantatra [size=8]fa masina[/size]..."

Ka "any @ fotoanan'ny Fitsarana" izany ilay izy vao fantatra e... TSISY (afaka miambo ho) mahalala isika rehetra, na izaho na ianao.

Fa dia avelao ny tsirairay samy hirevy ny reviny e... any mifankahita.


rhaj0! Misy fotoana aho tena tsy te hamaly ny resakao mihintsy satria mananihany ilay izy . Rehefa hitako kosa fa mitady ho matotra ilay valin-teninao dia tsy maintsy asiana valiny.

rhaj0:
Fa dia avelao ny tsirairay samy hirevy ny reviny e... any mifankahita.

azoko antoka fa efa henonao ity hira ity TSY NAMBARANAO AHY
4. rhaj0 ( 19/11/2014 12:01)
an an... tsy d'accord @ ilay hiran'i Fara aho.

Maninona no ny naman'i Fara no lasa hotry ny hoe "tokony nanambara" ?

Dia culpabiliser-n'i Fara ny namany, fanefa i Fara (sy A.tra) no nanao ny nataony tao.. ny tiako tenenina dia hoe, ny communication tao @ i Fara sy A.tra no "tsisy ambara" tao, koa maninona no roritina dia culpabiliser-na @ izany eo ilay namany ????

Ny tanjon'i Fara dia ny hanamafy (@ namany) ilay resaka hoe "tsy avotra raha tsy mitory"

Dia (mbola) "culpabilisation" (foana) no arentirenty
5. rhaj0 ( 19/11/2014 13:50)
ampiako sy amafisiko kely..

Raha nanan-kambara t@ i Fara i A.tra dia ... raha ny fahazoako azy, dia tokony IZY no niteny an'i Fara.. fa TSY hoe IZY dia handeha (hitonantonana) dia hiteny @ naman'i Fara (hoe teneno i Fara)...

Sa ianao manao volontaire ho "MPANERA" entre an'i A.tra sy i Fara ???

Dia @ izay dia mba mahazo "tombony" ianao, dia avy eo dia mody hoe ... hira ka hira...

6. gasy1zay ( 19/11/2014 14:36)
rhaj0 > tsy haiko raha tena nohainonao tsara ny tononkira na tsia fa raha dinihinao tsara dia resaka fitiavana hanampy ny hafa ilay izy fa tsy resaka mpanera na fitadiavana tombontsoa manokana akory :)

ohatra tsotra ny raisiko aminao, raha mandeha eny andalana ianao ka mahita jamba miampita ny arabe nefa misy fiara mandalo mety handona azy dia inona ny ataonao? avelanao hiampita ve izy dia izay alehany any alehany? raha miteny azy ianao hoe mijanona fa sao dia voadona eo ianao dia "mila 19" ve izany sa fitiavana?

Mety tsy fantatrao hoe tena "conviction profonde" hoan'i Maranatha hoe ho very i rhaj0 raha tsy mibebaka, tsy tiany ho very ianao no hilazany anao hoe manatona an'i Jesoa fa ianao mihevitra hoe filana dera @ Andriamanitra no hanaovany izao.

Tsy haiko hoe ilay vanimpotoana hiainantsika ve no efa hoe tsy maintsy misy tambiny ny zava-drehetra? Fa izaho milaza aminao fa mbola misy ny olona eny fa na dia mety vitsy aza izy ireo no mbola manome sy mizara tsy mitady valiny.
7. rhaj0 ( 19/11/2014 14:40)
TSY afaky ny comparer-nao @ "jamba-eny-an-dalana-mila-tenenina" ny ... ataon'A.tra @ Fara ao... ny communication-ny @ Fara tsy nandeha t@ laoniny tao..

hi hi hi ... io ilay "lojika" lazainao tatsy @ lohahevitra ilany ...
8. gasy1zay ( 19/11/2014 15:24)

rhaj0:

TSY afaky ny comparer-nao @ "jamba-eny-an-dalana-mila-tenenina" ny ... ataon'A.tra @ Fara ao... ny communication-ny @ Fara tsy nandeha t@ laoniny tao..

hi hi hi ... io ilay "lojika" lazainao tatsy @ lohahevitra ilany ...


Mba henoy hoy aho ilay hira fa tsy i Andriamanitra sy i Fara no miresaka fa ireo olona nahalala an'i Fara fahavelony nefa tsy mba nandray famonjena dia lasa any @ helo, ireo no miteny aminy ao @ ilay hira hoe fa naninona ary no tsy nampitandremanao izahay hoe tsy mety ny nataonay t@ fahavelomanay, izao izahay lasa aty @ helo.

Ireo olona tsy nahalala hoe ho very izy no ataoko ohatra hoe toy ny jamba eto ka tsy hitako hoe inona no tsy mampety ilay ohatra.
9. rhaj0 ( 19/11/2014 18:09)
ok ok ... tsy nihaino h@ farany aho fa vao nanomboka dia ... fa z'afady e...

Fa mitovy ihany ... ny tanjona dia ny anisihana ankolaka hoe "tsisy avotra raha tsy mitory"

gasy1zay:
... naninona ary no tsy nampitandremanao izahay...

Ilay olona "lasa any @ helo" dia (asain'ny hiran'i Fara) manontany ireo izay "mahalala" (ka avotra) hoe, "tokony nampahafantarina zahay".. toa sady mody hoe mitalao be izy @io nefa toa manome tsiny (mi-culpabiliser) ankolaka koa.. (izay no fandraisako azy).

Dia hoy (foana) aho hoe, f'angaha ny communication-ny (direct) t@ A.tra tsy nandeha, na hoe, f'angaha moa tsy IZY no (tokony) "nampafantatra" azy izay tokony nataony ? fa maninona no ilay olona hafa atsy indray no kotroniny ?


Ka io no lazaiko hoe... ka efa io izany no "sitrapon'A.tra" (na "lojikan'A.tra").. io "lasa any @ helo" io ilay voalohany...

Kanefa (ny hiran') i Fara toa hotrhotry ny hoe, raha "nampahafantarina" ilay lasana-any-@-helo, dia mety TSY lasana tany izany izy. Izany hoe mampirisika ny manohitra na manodina @ io sitrapon'A.tra efa io mipetraka io hoe, lasa any @ helo iliay olona, ny hiran'i Fara..

[size=8]
Tsy haiko na ny raisonnement(-ko) no tordu na ny mpiresaka (izaho) no tordu... na ilay "resaka" na ilay hira mihintsy no tordu... fa dia ... izay izany.[/size]
10. gasy1zay ( 19/11/2014 19:16)

rhaj0:

ok ok ... tsy nihaino h@ farany aho fa vao nanomboka dia ... fa z'afady e...

Fa mitovy ihany ... ny tanjona dia ny anisihana ankolaka hoe "tsisy avotra raha tsy mitory"

[quote=gasy1zay]... naninona ary no tsy nampitandremanao izahay...

Ilay olona "lasa any @ helo" dia (asain'ny hiran'i Fara) manontany ireo izay "mahalala" (ka avotra) hoe, "tokony nampahafantarina zahay".. toa sady mody hoe mitalao be izy @io nefa toa manome tsiny (mi-culpabiliser) ankolaka koa.. (izay no fandraisako azy).

Dia hoy (foana) aho hoe, f'angaha ny communication-ny (direct) t@ A.tra tsy nandeha, na hoe, f'angaha moa tsy IZY no (tokony) "nampafantatra" azy izay tokony nataony ? fa maninona no ilay olona hafa atsy indray no kotroniny ?


Ka io no lazaiko hoe... ka efa io izany no "sitrapon'A.tra" (na "lojikan'A.tra").. io "lasa any @ helo" io ilay voalohany...

Kanefa (ny hiran') i Fara toa hotrhotry ny hoe, raha "nampahafantarina" ilay lasana-any-@-helo, dia mety TSY lasana tany izany izy. Izany hoe mampirisika ny manohitra na manodina @ io sitrapon'A.tra efa io mipetraka io hoe, lasa any @ helo iliay olona, ny hiran'i Fara..

[size=8]
Tsy haiko na ny raisonnement(-ko) no tordu na ny mpiresaka (izaho) no tordu... na ilay "resaka" na ilay hira mihintsy no tordu... fa dia ... izay izany.[/size]
/quote]

Raha ny sitrampon'Andriamanitra dia ny ho voavonjy daoly isika rehetra, ny afahantsika mahazo famonjena dia ny fandraisana an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, izy anefa dia Andriamanitra namela antsika hisafidy malalaka hatrany amboalohany, hino ve enao sa tsia , raha Andriamanitra no miseho aminao mivantana dia ataoko hoe tsy safidy malalaka intsony izany satria efa hitanao hoe tena misy izy ary tsy afamiala intsony ianao , raha i Papa François, na i Pastera, na i Fara, na i Maranatha, na i Gasy1zay no mitory aminao dia mbola manana safidy ianao hoe Hino ve aho sa Tsia
Sa ny tena tianao ry rhaj0 hoe hiseho mivantana aminao Andriamanitra hanaporofo hoe tena misy izy dia rava hatreo ny "questionnement" rehetra :) hainy izany raha tena mahasoa anao fa tena ho hafoinao tokoa ve ireo "inspiration" hafa raha izay no mitranga?


11. rhaj0 ( 19/11/2014 20:41)
gasy1zay:
Andriamanitra namela antsika hisafidy malalaka...

Vao mainka tsara..

Koa na i A.tra azany izany namela antsika hisafidy malalaka, ka dia zovy moa izany ireo sasany izay mambosibosika ny namany, dia mitady hanova na hi-influencer ("mitory") ilay "safidy malalaka" ?? Dia manozongozona ilay "safidy malalaka" ? mi-culpabiliser ohatra...
12. gasy1zay ( 19/11/2014 21:39)

rhaj0:

gasy1zay:
Andriamanitra namela antsika hisafidy malalaka...

Vao mainka tsara..

Koa na i A.tra azany izany namela antsika hisafidy malalaka, ka dia zovy moa izany ireo sasany izay mambosibosika ny namany, dia mitady hanova na hi-influencer ("mitory") ilay "safidy malalaka" ?? Dia manozongozona ilay "safidy malalaka" ? mi-culpabiliser ohatra...



Dia ahoana moa zany ry rhaj0 no ahafahanao hisafidy raha tsy fantatrao akory ny "option" tokony hisafidiananao, raha ohatra miteny hoe safidy malalaka ny hoe handray ny famonjena sa tsia nefa tsy mba nisy nanoro anao akory hoe ahoana ny fahazoana ny famonjena, dia iza ilay Jesoa Kristy.

Raha ny fahazoko ilay lazainao dia ohatrany hoe aleo tsy maheno sy tsy mahalala @ izay tsy mi-culpabiliser. Tadidio anefa fa fialanenina ataon'Andriamanitra ny fahenoina teny fananarana satria tiany hovonjena ianao, nahoana moa no i gasy1zay ihany no handova ny lanitra fa tsy mba hanana anjara @ zany i rhaj0? refa manomboka mi-culpabiliser ny olona dia efa manomboka miasa ao aminy ilay fanahy e! Efa niananay niova fo koa io e! :)
13. rhaj0 ( 20/11/2014 13:43)
gasy1zay:
Dia ahoana moa zany ry rhaj0 no ahafahanao hisafidy raha tsy fantatrao akory ny "option" ...

Vao mainka tsara ... dia hoe "option" hoz'ianao.

Raha ny fahazoako izay resaka(re)o rehetra nandeha teto izay, dia toa TSY hoe "option" ilay izy, @ dikany hoe option = safidy, fa toa hoe "ilay option TOKANA".. sahala @ t@ revolisiona, hoe mandehana mifidy, fa ny lisitra dia TOKANA.


Dia ianao azany izao io koa efa iaraha-mahita fa TSY mijery (tsy manisy consideration) izay "option" hafa akoriny... (dia rahefa lazaina hoe, misy egocentrisme giravy ihany izy izany, dia hotry ny da ny tegna no loza)


an an .. tsy @ kapoakako izany..
14. gasy1zay ( 20/11/2014 15:30)
Tena diso ianao ry rhaj0, mba nanao ny "fanaon'ny tanora" koa ny tenako fahiny arak'ilay hira hoe "nandeha ka nankamamy izao fiainana izao" saingy hitako hoe tsy nahasoa ahy izany ary tsy nitondra fiadanana maharitra teo @ fiainako.

Ny safidy eo sampanan-dalana dia tsotra rehefa nahare ny filazantsara ianao:

1) Mino ny famonjena avy @ Jesoa Kristy Tompo ianao ka vonona ny handray azy eo @ fiainanao mba ahafahanao handova ny fiainana mandrakizay

2) Tsy mino ianao dia tohizanao ny fiainanao arak'izay heverinao fa tena"inspiration" na tena"kapoakanao",

Tena nanao safidy tokoa ny tenako dia naka ny option 1 ary hitako fa mety amiko ilay izy, tsy resaka hoe fiandrandrana ny paradisa sy ny fiainana any ankoatra fotsiny fa dieny mbola ety an-tany dia efa miana anaty fiadanana :"Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo" tena mahafinaritra be ny miaina an'io an!

Haveriko ihany fa Andriamanitra tsy manery olona hivavaka sy hanatona azy fa na izany aza dia miantso ny tsirairay @ fomba maro mahagaga izy, na dia tsy tonga any ampiangonana aza ianao dia mahita olona foana izy mampahafantatra anao hoe misy anie zany fiainana mandrakizay izany, i Jesoa Kristy anie maty ho anao etc...

Ny anjaranay kristianiana dia miteny anareo hoe le option 1 safidiana fa io no tena azo antoka, fitiavantena ve izany? Raha zay ny fahitanao azy dia tsy maninona fa izahay koa mba mi-culpabiliser raha mahafantatra hoe ny option 1 no tsara nefa tsy mba nanoro ny hafa.
15. rhaj0 ( 20/11/2014 16:17)
gasy1zay:
... dia mahita olona foana izy mampahafantatra anao hoe ...

- dia kabary toatoa an'io no anamarinanao hoe "afaka mitory" ianao, ary "tokony mitory", satria (ao an'eritreritrao irery manokana ao) dia hoe "nirahiny" ianao "ampahafantatra"...

- ary ilay olona nitarika ilay ranamana ho @ ratsy angaha tsy "nirahiny" koa ampahafantatra ilay lalan-dratsy ????
16. rhaj0 ( 20/11/2014 16:47)
entre-pa.. fa egocentrisme tsy (voatery) midika hoe "fitiavan-tena".. ego centrE sur soi ... mihevitra ny tena ho nombril du monde... ny tenany, na koa ny hevitra na finoan'ny tenany.

Raha ny fahazoako azy, "egoisme" no fitiavan--tena

égocentrisme, nom masculin
Sens Tendance à considérer sa personne comme le centre du monde.

égoïsme, nom masculin
Sens Attitude ou conduite de celui qui ne se préoccupe que de son intérêt ...
17. gasy1zay ( 20/11/2014 17:05)

rhaj0:

gasy1zay:
... dia mahita olona foana izy mampahafantatra anao hoe ...

- dia kabary toatoa an'io no anamarinanao hoe "afaka mitory" ianao, ary "tokony mitory", satria (ao an'eritreritrao irery manokana ao) dia hoe "nirahiny" ianao "ampahafantatra"...

- ary ilay olona nitarika ilay ranamana ho @ ratsy angaha tsy "nirahiny" koa ampahafantatra ilay lalan-dratsy ????


Fa maninona no mitory teny ny Kristianina? Tsotra ny valiny, rehefa tena nandray an'i Jesoa Kristy ianao dia lasa tempolin'Andriamanitra ny tenany, izay ilay hoe lasa fanilo hoan'ny hafa, ka dia ireny no lasa misolo tena ny Tompo hitory ny famonjena hoan'ireo izay tsy mbola mahafantatra. fa hamafisiko hoe tsy nisy ankaterena ny fandraisana ny famonjena fa avy @ finoana, betsaka izao ny jiosy tsy nino na dia i Jesoa mivantana aza no nanao fahagagana sy nampianatra azy ireo.

Nirahin'Andriamanitra ve ny devoly hahalalantsika ny lalandratsy? Marina fa ny devoly no nampirisika an'i Adama sy Eva hihinana ilay hazo ahafahana mahalala ny ratsy sy ny tsara saingy hoe "nirahin'Andriamanitra" ve izy, tsia ny valiny satria efa nandrara an'i Adama sy Eva izy tsy hihinana ilay hazo ahazoana mahalala ny ratsy sy ny tsara, tsy tiany hahalala ilay lalandratsy hatrany amboalohany isika fa mba hijanona @ fahatsarana sy ny fahamasinana.
18. rhaj0 ( 20/11/2014 18:28)
"subjectif" be ny resakao izany, raha ny fahitako azy, ary giravibe ilay subjectivite...

Tsy hitanao ve fa (mety) ianao irery, ny eritreritrao irery ao, no mametrapetraka ireo resaka ireo (ampametimety ny eriteritrao ao ihany) ??..

Ohatra hoe. hoy ianao, hoe ianao ka "tena nandray".. misy olona hafa ve afaka manamafy fa "tena nandray" tokoany ianao ?
- raha tsia dia "subjectif" ny petra-kevitrao.
= raha eny, dia ... ahoana no ahalalany, izy aty ivelany, fa "tena nandray" tokoany ianao (ao anatinao ao) fa tsy hoe, belazao na mpihatsara velatsihy fotsiny na mpiseho ivelany fotisny ianao io ?..
19. rhaj0 ( 20/11/2014 18:33)
Na izao indray azany e... hevero 1 minitra hoe, "izaho" koa milaza aminao fa "tena nandray" aho.. dia tohizako aminao ny kabary .. (izaho @io politisiana mahay)... Dia ahoana hoy ianao ?
20. gasy1zay ( 20/11/2014 19:42)

rhaj0:

Na izao indray azany e... hevero 1 minitra hoe, "izaho" koa milaza aminao fa "tena nandray" aho.. dia tohizako aminao ny kabary .. (izaho @io politisiana mahay)... Dia ahoana hoy ianao ?


tena marina io voalazanao io ka, misy mintsy ny mpisandoka ary efa voalazan'ny baiboly izany , ary efa natoron'i Jesoa hoe ahoana ny fomba ahafantarana hoe tena milaza ny marina ve ilay olona sa tsia :

Matio 7 : 15-16
Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ ny fitafian’ ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia [lopa] mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ ny songosongo?

1 Jaona 4:1 “Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.”

1 jaona 3:9 Izay rehetra naterak’ Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’ Andriamanitra

Galatiana 5 : 24-25 :" Fa izay an’ i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filàny tamin’ ny hazo fijaliana. Raha velon’ ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy."

Raha fintinina ireo dia izao raha misy olona milaza azy ho kristianina, na manana an'i Jesoa Kristy, na manana ny Fanahy Masina ao aminy dia io no test tokona hatao mba ahalalana hoe marina ve ny lazain'ity ranamana ity :

voalohany dia diniho ny voany fa iny no ahalalana ny hazo, ny vokatry ny fanahy ao anatiny zany no mila fantarinao hoe tena mifanaraka @ voalazan'ny baiboly eo ambony tokoa ve,

Ny olona nandray an'i Jesoa dia tokony mandeha araka ny fanahy fa tsy ny nofo intsony :

"Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo"

Tokony olona tsy niverina t@ fanaony taloha intsony izy izany satria "tsy mahay manota" , ka ireto ilay asan'ny nofo tsy tokony hataony intsony :
Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany
,

Jereo fa raha mbola olona anatin'ireo izany ny milaza fa nandray an'i Jesoa Kristy dia mbola tsy izy izay

Faharoa raha manana ny fanahin'Andriamanitra tokoa izy izany dia tokony ho hita eo aminy ireto vokatrin'ny fanahy ireto :
"Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana"

Ankoatrizay dia mila dinihana tsara hoe tena olona mifototra @ baiboly marina ve sa tsia? mino ny famonjen'i Jesoa Kristy teo @ hazo fijaliana fa tsy hoe mpaminany i Jesoa fa tsy mpamonjy, mino ny fampianaran'ny baiboly ve izy ( famonjena, fiainana mandrakizay, helo, etc...)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1327