Book of Revelation - Apokalipsy

2. rhaj0 ( 08/09/2014 18:23)
But people have clashed over the meaning of Revelation ever since it was virtually forced into the New Testament canon over the protests of some early church leaders, Pagels says.
“There were always debates about it,” she says. “Some people said a heretic wrote it. Some said a disciple (wrote it)..”


Io izany, araka ny resaka efa nifanakalozana lava teto, dia mazava tsara (amiko aloha) fa:
- dia i raolona (olombe) no nanoratra io (tantara io) tao (anaty Baiboly)
- ary nisy raolona (olombe) hafa azany koa tsy momba ny ametraha an'io (tantara io) ao (anaty Baiboly).
3. rhaj0 ( 08/09/2014 18:29)
Dia mitohy...
Pagels, however, says the writer of Revelation was actually describing the way his own world ended.

Amiko dia io dia mametraka mazava fa ilay olombe nanoratra no "manoratra-mitantara" araka ny fahalalana/fisainana (nananany) t@ izany fotoan'androny izany.

Avy @ izany, dia mazavabe (amiko aloha) rahefa resaka "bibidia" na koa azany "anjely aman'elatra voromailala" sy "demony aman'elatra ramanavy" no resahina ao @ Apokalipsy ao, dia satria izay no takatry ny saina t@ izany fotoan'androny izany.
4. rhaj0 ( 09/09/2014 14:22)
Revelation was an anti-Roman tract and a piece of war propaganda wrapped in one. The message: God would return and destroy the Romans who had destroyed Jerusalem.

Io aloha dia tsikaritro fa io no toatoan'ny hafatr'i Maranatha lava eto ny @ Roma. Fa toa i Roma=Vatican indray no amilian'i Maranatha ny resaka. Sa tsy izay ilay izy ry Maranatha ?


Dia ny noresahina tatsy indray anefa dia romana, ilay fianakaviana PISO, no nanoratra ny (sasany) t@ Baiboly..


Ka dia inona ihany azany izy izany... Sa mazava ilay izy: i Maranatha tsy mikozy afa-tsy Revelations (Apokalipsy)


5. endriny ( 10/09/2014 06:50)

rhaj0:

Dia mitohy...
Pagels, however, says the writer of Revelation was actually describing the way his own world ended.

Amiko dia io dia mametraka mazava fa ilay olombe nanoratra no "manoratra-mitantara" araka ny fahalalana/fisainana (nananany) t@ izany fotoan'androny izany.

Avy @ izany, dia mazavabe (amiko aloha) rahefa resaka "bibidia" na koa azany "anjely aman'elatra voromailala" sy "demony aman'elatra ramanavy" no resahina ao @ Apokalipsy ao, dia satria izay no takatry ny saina t@ izany fotoan'androny izany.


Iza no tonga aloha? Ny akoho sa ny atody... Aza mbola mampivika ny olona... Ka izay no namoronany an'ilay hoe Atra. Dia misy koa taloha ilay hoe mampiady sampy teo amin'ny israelianina... Fomba fanao fahiny io... Samy nanana Atra tanimanga mantsy ry zareo, isam-pianakaviana. Ka rehefa tonga ny voalohan'ny taona, dia tsapaina hoe ny Atr'iza na ny sampin'iza no mahery indrindra ka tokony omena lanja manokana amin'ilay taona vaovao. Dia samy mivoaka eny an-tokotany ary mifanakapoka ilay Atra tanimanga.

Tamin'ity indray mitoraka ity angamba ny an'i Mosesy no mafy indrindra dia io lasa Attry ry zareo io...
6. moustaraf ( 10/09/2014 07:20)
Raha izay lazan'ireo blaogy antapitrisa amn internet no fototra anorenana finoana sy fandinihana dia mety ho lasa gaigy, ary raha maivan tsaina dia hisavoana tokoa anie.

Tsy ilana vazaha na anglisy, fa izahay mpandalina teny fototra hebreo dia efa nanambara teto foana hoe maro ireo resaka natsofoka anatin'io baiboly io, izay mifanao atsimo sy avaratra mihitsy.
7. rhaj0 ( 10/09/2014 12:34)
moustaraf:
Raha izay lazan'ireo blaogy antapitrisa amn internet no fototra anorenana finoana sy fandinihana dia mety ho lasa gaigy, ary raha maivan tsaina dia hisavoana tokoa anie.

Raha ny fahitako azy indray, raha tsy misokatra dia manadihady ny fandalinan'ny mpandinika hafa isan-karazany, fa mikiry mikatona ao @ vohitrakely ao, ary dia mino izay ampinoan'izay efa talohabe tao, dia izay no gaigy tavela gaigy ao ... fa dia ilaozan'ny Ankizy ao moa izany: aleon'ny Ankizy lavitra misavoana...
8. endriny ( 11/09/2014 04:30)

moustaraf:



Ny valala misy moa ny sira koa betsaka e. Saingy izao no aza adino, mandraka ankehitriny dia ireo fikambanana mpino ihany no tena mamatsy vola amin'ny fikarohana ny vakoka momba ny tantaran'ny baiboly. Saingy rehefa tsy mifandraika amin'ny tiany ho porofoina anefa ny vokatra hita, dia afenina na minia tsy lazaina mihintsy.

Fa raha afaka manaporofo dia na ratsan-tanana aza entina tehirina...

Ka soa fa nisy interoneto mba mampita ny hevitry ny maro
9. moustaraf ( 11/09/2014 13:37)
Ekeko dia ekeko tokoa ny maha zava-dehibe ny aterineto,fa ilana fahamalinana tanteraka satria ny rehetra na inona na inoana ny fandalinana vita dia afaka daholo miteny izay tiana tenenina.
10. rhaj0 ( 11/09/2014 15:35)
Ahoana azany ny olo-maoderina eto @ interoneto no lazaina fa "afaka miteny izay tiany tenenina", fa ireo olombe taloha, izay "nanoratra-nitantara" ireo inoanao ireny dia tsy heverinao iray segondra ho nanao izany "niteny izay tiany notenenina" koa...

@ izao andro maoderina izao ianao raha miteny, dia efa ho mila manao demonstration scientifique.. Ireo resaka notaterina io ambony io izao dia famabahana/fandalinana ary misy recoupement; ny namoaka ny lahatsoratra dia i CNN. Tsy adala akory i CNN ka hampita resaka tsisy recoupement.

Nefa ny resaka nataon'olombe fahiny toa .. "inoanao tsisy recoupement".. Raha vao mamoaka recoupement ny mpandalina aty aoriana dia tonga dia tapahana teny (manapak'aina)...
11. gasy1zay ( 30/09/2014 15:09)
marina tokoa fa misy ny fokarohana atao, fa tsy midika 100% fa marina daoly ny vokampikarohana rehetra, ohatra goavana afaka tenenina dia avant Galilée dia nanitrikitrika ny mpikaroka fa tsy boribory ny tany.

Mikasika ny boky anaty baiboly indray dia efa fantatra fa efa hatrany amboalohany no nisy ireo boky sandoka niezahina hampidirina tanaty baiboly, na ny samy kristianina aza tsy nitovy hevitra momba ireo boky apocryphe satria ny katolika dia nitazona boky 5 anaty baiboly izay nolavin'i Luther t@ androny. Ary t@ niandohan'ny Islam dia nisy nanoratra boky sandoka koa ireo mba hidiscréditena ny fivavahana kristianina, nisy izany hatr@ voalohany ary mandraka ankehitriny ary hitanareo @ ireny succès livre : Da Vincy Code, film: dernière tentation du Christ , etc... fa maro ny miezaka handrava ny fivavahana kristianina ny antony dia tsotra, izao tontolo izao dia anjakan'i Satana ary tsy tiany ho hisy voavonjy isika, ny lalampamonjena anefa dia tokana ho antsika olombelona : i Jesoa Kristy, izay mino azy no hovonjena fa tsy mino no hohelohina.

Maro ny olona no maniry mafy mba ho mythe tokoa ny paradisa sy ny afobe @ zay afaka manao zay danin'ny kibony izy, ary misy indray dia tena efa manompo an'i Satana ka manao izay handravana ny fivavahana kristianina. Isika tsy misy mahita an'i Satana fa ny asany kosa dia azo lazaina 100% fa dia tena mitombina mintsy ny voalazan'ny baiboly : misy ny mihemotra @ finoana, misy ny mpaminany sandoka, miharatsy ny olona, etc...

Aza variana @ fandrebireben'i Satana fa tano mafy ny finoana mba tsy hisy handrombaka ny satroboninahitrao.
12. rhaj0 ( 03/10/2014 17:11)
gasy1zay:
...avant Galilée dia nanitrikitrika ny mpikaroka fa tsy boribory ny tany.

I Galileo mpikaroka no nandroso ny TSY maha-boribory ny tany, fa ny loham-piangonana no nitsivalana, satria mifanipaka @ "fampianarana fataony"


gasy1zay:
...fa maro ny miezaka handrava ny fivavahana kristianina ny antony dia tsotra, izao tontolo izao dia anjakan'i Satana ary tsy tiany ho hisy voavonjy isika

Ny "mpikaroka" na ny Siantista dia manao fikarohana fotsiny. Saingy rahefa mifanohitra @ "fampianarana" ilay vokatry ny fikarohana, dia TSY hoe ny "handrava" ilay fampianarana no vokan'ny fikarohana... hotry ny hoe, resaka "tsy-mitombona" ve ho "ravana" ? "rava" ho azy ara-lojika izany... ny zava-misy no mampandainga ilay resaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4844